Freie Volksmission

Jesus Christus ist derselbe gestern, heute und in Ewigkeit. Heb.13.8

Sprache

TARATASY IFAMPITAPITANA DESAMBRA 1994 / Ewald Frank

Sprache Malagasy

Andere Sprachen




«Jesosy Kristy tsy miova, omaly sy anio ary mandrakizay» (Hebreo 13:8)


Taratasy ifampitapitana Desambra 1994

(Lettre circulaire Janvier 1995 – Numéro 43)


Miarahaba anareo rehetra am-pitiavana tokoa ny tenako, ao amin’ny Anaran’Ilay Tompo sy Mpamonjy Jesosy Kristy malalantsika, amin’ny alalan’ ity teny ao amin’ Isaia 40.8 ity: «… ny tenin’Andriamanitsika dia haharitra mandrakizay».

 Ao amin’ny toko fahefapolo nosoratany ny mpaminany Isaia, dia nampiditra ny Filazantsaran’ny Testamenta Vaovao . Voalaza ao ny minisiteran’i Jaona Mpanao Batisa. Izy ilay namboatra làlana ho an’ i Jehovah tany an’efitra ary nanarina tany an-tany foana isian-dalambe ho an’Andriamanitsika. Izany dia mamaritra ny Tompo mazava tsara. Fantatsika iza Izy. Fantatsika Iza no inoantsika. Nilaza tamin’ny mpaminany ny Feo hoe: «Miantsoa!» - «Mitoria!» Ary hoy izy: «Ahoana anefa ny antso ataoko?» satria, raha ny tena izy, amin’ny maha-irak’Andriamanitra azy, tsy afaka hitoritory teny fotsiny amin’izao izy.

Ny valiny dia ity: «Ahitra ny nofo rehetra, ary ny hatsaran-tarehiny rehetra dia tahaka ny vonin-javatra any an-tsaha. Maina ny ahitra, malazo ny voniny, satria tsofin’ny fofonain’ i Jehovah ireny. Eny ahitra tokoa ny olona.»

Eto ny mpaminany dia maneho ny fahalemen’ny olombelona. Izay rehetra tonga eto amin’ity tany ity dia mamony tahaka ny voninkazo. Ny fahazazana dia mamela toerana ho an’ny fivelaran’ny hatanorana ary, na ahoana na ahoana, amin’ny fiainana, ny fofonain’i Jehovah dia mandalo amin’ny olombelona, mandra-pahalazo an’ilay voninkazo rehefa farany; mihintsana ilay izy ary ity teny farany ity dia notononina tamim-pitiavana tokoa: «Fa vovoka no nanalana anao, fa vovoka ianao, ary hiverina amin’ny vovoka indray ianao!»

Tsy azo lavina fa nahatratra ny tendro avony ny fitorian-teniny ny mpaminany raha nilaza izy hoe: «Fa ny Tenin’Andriamanitra dia haharitra mandrakizay.» Amin’io Teny io no mifikitra ny finoan’ireo mpino marina. Nandray tao anatiny izay voalazan’ny Teniny avy any an-danitra izy ireo, ka mandray anjara amin’ny natioran’Andriamanitra amin’ny fandraisana ny Fiainana Mandrakizay. Mifototra amin’io tenin’ny Isaia toko faha-40 io ny apostoly Petera raha miresaka mikasika ny fahateraham-baovao amin’ny alalan’ ny voa tsy mety lo izy, izany hoe vokatra avy amin’ny Tenin’Andriamanitra velona sy maharitra izany. Tononony ilay nosoratan’i Isaia vao nambarantsika teo, hatramin’ity teny ity hoe: «Fa ny tenin’Andriamanitra haharitra mandrakizay», ary faranany amin’izao fanamafisana izao: «Ary izany no tenin’ny Filazantsara izay notoriana taminareo.» (1Pet. 1.23-25).

Izany no fitoriana ny Teny profetika sy apostolikan’ny Filazantsaran’ i Jesosy Kristy, izay ahitana mandrakariva ny firindràn’ny Testamenta Taloha sy ny Vaovao.

TRAIKEFA MANOKANA

Nandritry ny taona rehetra nitoriko ny Teny, ary indrindra nandritry ny fotoana nanoratako ny boky: «Ny Fanambarana - Boky voafono tombokase fito», dia niainako matetika ny fomba nanehoan’ny Fanahy Masina ahy ny manodidin’ny toko maromaro, tao anatina fitrangan-javatra saro-pantarina, ary izany dia tamin’ny fomba nanana fahazavana izay tsy mbola azoko hatrizay. Tsapako tsara ireo fisainana izay ho tonga amin’ny fanahin’ny maro izay hamaky ity boky ity. Ho averin’izy ireo ilay fotokevitra fantatra tsara manao hoe: «Fa ny Teny dia tonga amin’ny mpaminany», ary marina izany – ary noho izany, tsy misy olona hafa, ankoatra ny mpaminany no afaka itongavan’ny Tenin’Andriamanitra. Eo anefa no ahafahantsika mametra-panontaniana ny amin’izay fomba nahatongavan’ny Teny tamin’ny mpaminany. Tonga izany, sady tsy mizarazara no tsy milamina, saingy manontolo. Ao anatin’ny fahitana tokana ihany no nahitan’ireo mpaminany ny fitrangan-javatra isan-karazany, ohatra amin’izany ny fiaviana voalohany sy faharoa an’i Kristy, ary indraindray aza ireny dia atambany ho andinin-tsoratra tokana. Toy izany no hitantsika ao anatin’ ireo Teny faminaniana rehetra.

Efa tao amin’ny Testamenta Vaovao vao afaka nandahatra azy ireny tsara ireo mpampianatra sy ireo apostoly rehefa nahita azy ireny nitranga sy niseho. Raha mpanompon’ Andriamanitra iray fotsiny, na dia anisan’ny mpaminany lehibe aza izy, no nomena hiandraikitra ny zavatra rehetra, dia ho zava-poana ny nametrahan’Andriamanitra ireo minisitera dimy ho an’ny Teniny ao amin’ny Fiangonana. N’aiza n’aiza (ao amin’ny asa-sorany), Paoly dia tsy mba nitonon-tena ho mpaminany, kanefa, nanana fomba fahitana ara-paminaniana mivelatra tokoa izy, izay nipaka hatrany amin’ny farany, ary nihoatra any ambadiky ny farany aza.

Izao no nosoratany ho an’ny Romana hoe: «Paoly mpanompon’i Jesosy Kristy, voantso ho apostoly, voatokana ho amin’ny Filazantsaran’Andriamanitra». (Rom. 1-1). Ao amin’ny epistily faharoa ho an’i Timoty izy dia mampatsiahy fa voatendry ho mpitory sy apostoly ary mpampianatra ho an’ny firenena jentilisa (2 Tim.:1-11). Nomena azy ny fahefana nandray ireo teny tonga tamin’ireo mpaminanin’ny Fanekena Taloha ka nanatsofoka ireny tao amin’ny Filazantsaran’i Jesosy Kristy ao amin’ny Testamenta Vaovao, toy ny nataon’ireo apostoly hafa koa. Petera koa tsy mba nilaza ny tenany ho mpaminany, na dia matetika aza izy mampivoitra ny hevitry ny Teny faminaniana, ohatra rehefa nanoratra izy hoe: «Ary manana ny teny faminaniana atao mafy orina kokoa isika…» (2 Pet 1.19). 

Aseho tsy an-kiato amintsika ao amin’ny kristianisma voalohany ireo minisitera isan-karazany ireo. Ireto avy ireo mpaminany am-perinasa tao amin’ny Fiangonan’i Antokia: Barnabasy, Simeona izay atao hoe Nigera, Losio Kyreniana, sns. (Asa 13.1). Ny apostoly Joda sy Silasy dia nantsoina hoe mpaminany (Asa 15.32). Agabo dia mpaminany koa (Asa 21:10). Ny Tompotsika mihitsy nanambara fa handefa mpaminany sy mpampianatra: «Ary noho izany, indro, Izaho maniraka mpaminany sy olon-kendry ary mpanora-dalàna…» (Mat.23.34). Ao amin’ny Efesiana toko faha-3 i Paoly dia mampivoitra ny fahalalana ananany mikasika an’i Kristy, «izay tsy mbola nampahafantarina ny zanak’olombelona tamin’ny taranaka lasa tahaka ny fanambaran’ny Fanahy ankehitriny amin’ny Apostoly masina sy ny mpaminany.» (and.5). 

Ny famelabelarana ny tolo-tsain’Andriamanitra dia tsy voatokana ho ao amin’ny minisiteran’ny mpaminany iray misongadina ihany, fa kosa ho an’ny apostoly sy mpampianatra koa; sainontsika fotsiny ireo famelabelarana lalina ara-pampianaran’ny apostoly Paoly ao amin’ny Romana sy Hebreo, ary ao amin’ny ankapoben’ireo famelabelarana nataony, amin’ny maha-mpampianatra Baiboly azy. Na i Petera aza dia niaiky fa amin’ireo epistiliny dia misy zavatra saro-pantarina (2 Pet.:3.15-16). Tsy ronono ihany no nomeny ireo mpino, fa venti-kanina koa.

Mialoha ny andraikitra hafa nomena azy, ny rahalahy Branham dia sady mpaminany no evanjelista. Mpahita izy, toy ny nilazana an’ireo mpaminanin’ny Testamenta Taloha (1.Sam.:9.9). Nahita tao amin’ny fahitana ireo trangan-javatra sasany izy, ary nahazo tsindrimandry avy tamin’ny Fanahy Masina mba hahafantarany ny hevitr’izay zavatra hitany, sady mba hilazany ny Fanambarana. Ny minisitera ara-paminaniany izay tsy mba nahitana lesoka dia nampiseho izany tamin’ny fomba nisongadina tokoa saiky ho nandritry ny 20 taona. Ireo toriteny nalaina horonam-peo no vavolombelona mivantana ny amin’izany. Ny minisiterany evanjelika, izay nanana endrika apostolika, dia nohamarinin’Andriamanitra tanteraka koa, ary izany dia tamin’ny fomba mahagaga.

Kanefa, raha naniry hamaly ny fanasana azony avy tany Suisse izy, ny Tompo nilaza taminy tamin’ny fahitana hoe: “Aza miampita ranomasina ianao mba hanao fihaonana tokana monja any Zurich, fa mankanesa any Jeffersonville ary hangony ao ny sakafo”. Niresaka izany tao anatin’ny toriteniny maromaro izy. Tamin’io fotoana io indrindra ny Tompo no niteny tamiko hoe: “ Manangòna sakafo!...”.  Efa fantatra maneran-tany hatra tany am-boalohany koa ny fijoroako vavolombelona mikasika izany. Tsy taty aoriana akory, ary tsy tamin’ny fotoana tsy voafaritra, fa izany dia navoaka tao amin’ny “Mehr-Dich-Verlag”- laharan’ny telovolana voalohany 1963. Izay mandinika ny amin’ny fanangonana sakafo dia hahay hamantatra tsara ny fifandraisan’izany amin’ny fizarana ny sakafo.

Izay miditra ao amin’ny toeram-pitehirizan-tsakafo iray dia tsy hahita sakafo efa voavoatra ao, na koa latabatra misy hanim-pitoloha, fa kosa fitoeran’entana feno fotsiny ihany. Ny vahoakan’Andriamanitra tsy nomena lafarina iray kitapo, na karaoty iray kesika na menaka iray tavoara, fa ny mifanohitra amin’izany, dia rosoana sakafo voaomana feno latabatra izy, sakafo izay ifalian’ireo mpino ka hakany fy ireo zavatsoan’ny Tranon’Andriamanitra.

Ankehitriny dia mbola mikarantsana ato an-tsofiko ireo teny nivoaky ny vavan-drahalahy Branham ny 3 desambra 1962 hoe: “Miandrasa mandra-pahazoanao ny ambiny vao atao ny fizarana ny sakafo …”. Nampiandraikitra an-drahalahy Branham hanangona ny sakafo tany aminy ny Tompo; tamiko Izy naniraka ahy hanangona io sakafo io ihany tatỳ, satria izany no fomba sitrak’Andriamanitra hizarana azy io: miainga avy atỳ mba handeha maneran-tany amin’ny fitenim-pirenena samihafa. Fito taona katroka no nandraisako ireo toritenin’ny rahalahy Branham izay nalefa tamiko. Telo taona nialoha ny nahalasanany ho any amin’ny fonenan-danitra, dia niteny tamiko izy hoe: “Ny sakafo tsy maintsy angoninao dia ny teny nampanantenaina ho amin’izao fotoana izao sady efa voambara, ary ao anatin’ireny horonam-peo ireny.” Toy izany no nanomanan’Andriamanitra azy. Dia tonga ny fotoana izay nanaparitahana sy nitoriana manontolo io hafatra avy any an-danitra io manerana ny tany, tsy nasiam-panovana. 

Marina tokoa fa tamin’ny alalan’ny minisiteran’ny faminaniana no nampahafantaran’ Andriamanitra ny Teny rehetra sy ireo zavamiafina manomboka amin’ny Genesisy ka hatrany amin’ny Apokalypsy; ary marina toy izany koa fa ny Tompo ihany no nampanantena ny hametraka mpanompo mahatoky iray voatendry hifehy “ny mpanompo namany”, mba hanome azy ireo io sakafo io amin’ny fomba mety, ary amin’ny fotoany. Ary satria tena voambara avokoa ireo tolotsain’ Andriamanitra rehetra, ny Tompo dia nilaza hoe: ”Lazaiko aminareo marina tokoa: hotendreko ny hanapaka ny fananany rehetra tokoa izy” (Mat 24.45-47).

Tsy mahafatiantoka ny mamaky ireo teny nivoaka ny vavan’ny Tompo, toy izany koa ny mandinika azy. Amin’ny alalan’ny Toetrany “mahafantatra-ny-zavatra-rehetra”, dia efa fantany mialoha ny zavatra rehetra, nalaminy avokoa izany rehetra izany ary tanterahany koa, arak’izay efa voambarany. Aorian’ireo andalana manan-danja ao amin’ny toko 24, dia manaraka araky ny fizotry ny fotoana ny fiavian’ny Mpampakatra ao amin’ny toko 25. Izany mampiseho fa ny fiomanan’ireo virijiny hendry ho amin’ilay andro fampakarana lehibe dia zava-dehibe tokoa. Ny tanjona ankehitriny dia ny ahatongavan’ilay mana ara-panahy mbola vaovao —ilay Teny nampanantenaina sady voambara ho an’ny Ampakarina— any aminy mba hahatonga Azy ho Ampakarina-Teny koa.

TENA NITRANGA TOKOA IZANY

Taorian’ny nandevenana ny rahalahy Branham, androtr'io ihany, ny Fanahin’ny Tompo dia niteny tampoka tamiko, heno tsara sady niverimberina tao am-poko hoe: “Ankehitriny, tonga ny fotoanao, tonga ny fotoana izarana sakafo”. Ny ampitson’iny, nanasa maromaro tamin’ireo rahalahy amerikana ny tenako mba hidinidinika, ary nikiry aho nangataka mba ho atao boky ireo toritenin-drahalahy Branham, izay mbola tanaty horonam-peo hatreo, mba ahazoanay ampiasa izany hanombohana ny fandikana azy amin’ny tenim-pirenena hafa. Dia toy izany no niantombohan’ny asa, sy ny nitohizany tsy an-kiato. Ny mahasarika ny saina mikasika izany, dia tsy mba nilaza mihitsy Rahalahy Branham fa tsy maintsy miainga avy any Jeffersonville na Tucson ny fizarana ny sakafo. Taona maro lasa izay, noterem-panahy ny rahalahy Green, tsy maintsy nanamarina tamiko, tao amin’ny efitra fandraisam-bahinin’ny tranoko, laharana faha-7 amin’ny arabe Lechstrasse nanao hoe: Rahalahy Frank, ianao dia afaka manondro ny andro niantsoan’ny Tompo anao; izaho tsy mba afaka manao izany, ary tsy misy rahalahy na iray koa aza afaka manao izany.” Avy eo dia latsa-dranomaso izy ary namihina ahy.

Tamin’izany fotoana izany aho, mbola tsy nahay ny mikasika ny tenin’ny Amosa 8:11, izay ilazan’Andriamanitra fa Izy handefa mosary amin’ny tany, faniriana handre ny Teniny, toy ny tsy nahaizako koa ny tenin’ny Matio 24 izay vao notononiko teo. Tsy fantatro koa ny hevitra an-tsary asehon’ny tantaran’i Josefa, izay tsy maintsy nandalo fahoriana be, mba ho voaàro —amin’ny fotoan’ny mosary— ny ain’ireo izay namadika azy, nandà, nitsipaka ary nivarotra azy. Noho izany, notanterahiko arak’izay takatry ny fahalalako sy ny fisainako ny andraikitra roa sosona nomena ahy, dia, voalohany, mitory ny Tenin’Andriamanitra, faharoa, mizara ny sakafo notehirizina.

Niaraka tamin’ny fitoriana ny Teny maneran-tany, dia tsy natao ambanin-javatra ny fanontàna amin’ny tenim-pirenena maro ireo toritenin-drahalahy Branham. Tsy mba nanova na inona na inona aho tamin’ireo zavatra roa ireo. Ny fototry ny fanambarako, hatry ny taloha ka mandrak’ankehitriny, dia tsy misy afa-tsy ny Tenin’Andriamanitra ihany, ny Baiboly, na amin’ireo toriteniko izany, na amin’ireo asasoratro. Toy izany koa, navelako tamin’izay nitoriana azy avokoa ireo toritenin-drahalahy Branham rehetra, tsy nisintona zavatra voalaza tao aho hanaovako fampianarana. Nandritr’ireny taona rehetra ireny koa aho dia nianatra nanavaka, teo an-daniny, ny minisitera ara-paminaniana tsy nisy lesoka, izay naneho ny “famantaran’ny Mesia” sy ny hevitr’izany, ary teo an-kilany rehefa nilaza ny heviny manokana ny rahalahy Branham, toy ny nataon’i Paoly koa. Ohatra, nanoratra io apostoly io hoe: “Izay manambady dia didiako, nefa tsy izaho, fa ny Tompo…”, ary nanohy izy hoe: “Fa amin’ny sasany, hoy izaho, fa tsy ny Tompo…” (1 Kor 7:10-12).

Ny famelabelarany ny toko faha 14 dia atsapantsika tsara ny fomba nametrahan’ny apostoly ny lanjan’ny maha-avy-amin’Andriamanitra ireo lahateny azony tamin’ny tsindrimandry. Nentaniny tao aza na ireo mpaminany, na ireo nahazo ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy, ary hoy izy hoe: “…aoka ho fantany tsara fa didin’ny Tompo ny teny izay soratako ho aminareo”(1 Kor 14:37).

Ao amin’ny 1.Timoty.2, dia velabelariny fa sitrak’Andriamanitra ny hamonjena ny olona rehetra ka ahatongavany amin’ny fahalalana ny marina. Ary tohizany izany amin’ny ilazany hoe: Koa tiako ny lehilahy hivavaka eny tontolo eny manandra-tànana masina, tsy amin’ny fahatezerana na amin’ny fifandirana.” (And 8). Tsy azo lavina izany fa ny didy napetrak’i Paoly arak’izay noheveriny dia tao amin’ny sitrapon’Andriamanitra koa.

Mijoro vavolombelona ny apostoly ao amin’ny 1Tim.1:12 “Misaotra an’i Kristy Jesosy Tompotsika aho, Izay nampahery ahy, fa nataony mahatoky aho ka notendreny ho amin’ny fanompoana…” Tsy minisiteran’ny Teny iray fotsiny tamin’ireo minisitera dimy nomena ny Fiangonana no nananan’i Paoly, fa izy dia napetraka tao amin’ny minisiteran’ny Tompo izay mifandray mivantana amin’ny tantaran’ny Fanavotana. Kanefa nametraka fahasamihafana izy ny amin’izay mety holazainy mifototra amin’ny Teny, ka efa, ary mbola mijanona ho IZAO NO LAZAINNY TOMPO, sy izay voalazany amin’ny maha-olon’Andriamanitra azy mifototra amin’ny fahalalany. Tsy maintsy tadidintsika mandrakizay fa ny IZAO NO LAZAINNY TOMPO dia izay hitantsika ho ny IZAO NO LAZAINNY TOMPO ao amin’ny Teniny voasoratra ihany. Ny minisiteran’i Paoly dia manana ny lanjany ho an’ny tantaran’ny Fanavotana, na dia miteny zavatra amin’ny fahalalany manokana aza izy tsindraindray. Toy izany koa ny amin’ny minisitera nampanantenaina sy tsy manam-paharoa an-drahalahy Branham. Ireo fampianarana napetraka araky ny didin’Andriamanitra ho an’ny Fiangonana tany am-piandohana, nandritry ny andron’ireo apostoly, dia mbola manankery hatramin’ny farany.

FAMPIANARANA SY FAHALALANA

Tsy azo kitihina ny minisiteran-drahalahy Branham, satria zava-dehibe amin’ny tantaran’ny Fanavotana izany, sady nampanantenaina ho amin’ny andro farany. Tanteraka izay voalaza taminy ny 11 jona 1933 fa io Hafatry ny Teny voambara amin’ny androny io no hanomana ny Fiavian’i Kristy faharoa. Kanefa, toy ny nafahantsika nanavaka tao amin’i Paoly ny fampianarana an-daniny sy ny fahalalana an-kilany, dia toy izany koa no tokony ataontsika amin’ny voalazan-drahalahy Branham. Mikasika ny fahalalana dia hoy ny apostoly hoe: ”Sombitsombiny ny fahalalantsika, ary sombitsombiny ny faminaniantsika…” (1 Kor 13:9). Ireo fampianarana fototra mikasika an’Andriamanitra, mikasika ny batisa, ny Fanasan’ny Tompo, ny fitsanganan’ny maty, ny fampakarana, sns…, dia tsy ampahany fotsiny ihany, fa napetraka tamin’ny fomba hentitra satria ireo dia fampianarana fototry ny Fiangonana. Raha ny apostoly miresaka mikasika ny fihinanana, fisotroana, fitandremana andro sy izay mitovy amin’izany, dia mampiasa ny teny hoe ”fahalalana” izy, ary manoratra hoe: ”Fa raha misy manao azy hahalala, dia tsy mbola mahalala araka izay tokony ho fantany akory izy” (1.Kor 8:2). Noho izy ampahany ihany, ny fahalalana dia mety ho samihafa amin’ireo olon’Andriamanitra. Fa ireo fampianarana kosa dia tsy maintsy mitovy eo amin’izy rehetra, hatraiza hatraiza ary amin’ny fotoana rehetra.

Mikasika ireo fampianarana, ny rahalahy Branham dia namelabelatra azy ireo mazava hatrany am-boalohany, tsy nasiam-panovana. Raha ny lafin’ny fahalalana dia nanao filazana isan-karazany izy ny mikasika ireo zavatra sasany, ohatra ny amin’ireo herinandro fitopolon’i Daniela. Toy izany koa, raha ny amin’ny Apokalipsy 10:7, izy dia mampiasa saiky hatrany hatrany, mpanondro anarana maro (pluriel), izany angamba dia noho ny minisiterany izay voatokana hitondra ny hafatra farany, ka manambara ireo zavamiafina maro, manomboka amin’ny fahalavoana ka hatrany amin’ny fanokafana ireo tombokase? Kanefa misy fahasamihafana goavana amin’ny —an-daniny: “ilay zava-miafin’Andriamanitra”, izay tsy azo isalasalana fa Kristy, izay tonga amin’ny fahatanterahany, —sy an-kilany: ireo zavamiafina maro an’ny Teny sy ny Fanjakan’Andriamanitra (Mat 13:10-11), izay nafenina taloha ary nambara ankehitriny.

Ny amin’ireo herinandro fitopolon’i Daniela, dia namelabelatra io fotokevitra io koa aho, tamin’ny saina madio teo anatrehan’Andriamanitra. Indraindray dia fomba fihevitra diso tokana monja dia ampy ahatongavana amin’ny vokatra diso. Ahoana, ohatra, no ahafahana mametraka ny minisiteran’ny Jesosy Tompontsika ao amin’ny tapany voalohany amin’ny herinandro fahafitopolon’i Daniela, kanefa io herinandro farany io tsy manomboka raha tsy roa arivo taona aty aoriana? Ny marina dia tsy maintsy ho novonoina ny Mesia rehefa tapitra ireo 62 herinandro izay manaraka ireo fito voalohany. Ary toy izany indrindra no nahatanterahany. Toy izany no nahatanteraka io ampahan’ny Teny faminaniana io ka niantombohan’ny fotoana fanavotana ho an’ny jentilisa. Tsy ela taorian’ny fitsanganany, ny Tompo dia nanome baiko-iraka, dia ny handehanana eran’izao-tontolo-izao hitory ny Filazantsara, hampianatra ny firenena rehetra, sns…. Izay mamaky ireo zavatra ireo ka tsy mahazo fanambarana ny amin'izany, dia tsy mahadinika fa tsy nitranga mihitsy tamin’izany andro izany, ny fahatanterahan’ny herinandro faha-fitopolon’i Daniela, fa ho amin’ny ankehitriny, amin’ny andro farany, no ahatanterahan’izany.

Hanorina fanekena ho herinandro ny mpanjaka (Dan 9:27) ary hampitsahatra izany izy amin’ny antsasaky ny herinandro; toy izany no nanoratana azy. Izany no antony tsy ho mety mihitsy nitohizan'ny herinandro faha-sivy-amby-enimpolo sy ny tapany voalohany amin’io herinandro farany io. Rehefa manambara ny Baiboly fa ny fanekena dia naorina ho amin’ny herinandro iray, ary ilay antikristy no nanao izany, dia izany no azo ekena. Ary raha voalaza alohaloha ao fa io fanekena io dia natsahatra teo amin’ny antsasaky ny herinandro, dia tsy afaka ny ho hafa noho izany ny hahatanterahany. Na izany kosa aza, angamba ilaina ihany ny anendren’ Andriamanitra mpampianatra iray mba handrindra sy handamina araka ny tena izy izay rehetra tsy voazava hatramin’izao.

 

FITSARANA MARINA

Tsy ho niteraka toe-javatra mahatsiravina ny voalazan-drahalahy Branham —ohatra, mikasika ny taona 1977— raha toa ka ireo ”mpivaofy teny” sasany tsy nitanisa fa izy io dia ho “taom-panavotana goavambe”, ary koa raha ireo rahalahy toa an-dry Pearry Green, Joseph Coleman sy ny maro hafa, tsy nanao izany ho foto-pampianarana, sady nitory —tena nitory—“ny taona 1977”. Sahala amin’izany ihany avokoa no fisehony amin’ireo teboka hafa rehetra mahatonga fifandirana. Mbola ato amiko ireo horonampeo izay niantsoantsoan’ny Reverend Coleman hoe: “Tsy mampaninona ahy raha ho ampakarina mialoha na aorian’ny 1977 aho.” Raha mbola tsy maty izy izao, dia mbola mipetraka ao New York . Nitrerona ahy ny Reverend Green satria izaho nandà ny hiaiky fa ny taona 1977 no ho taona farany. Noho ny famindrampon’Andriamanitra, izaho dia nitoetra hentitra tamin’ny Teniny izay nilaza fa tsy misy olona mahafantatra na ny andro na ny ora. Nohelohiny aho fa manandra-tena ho ambony noho ny mpaminany hono, ary tamim-pahatokisantena mafy no nitenenany hoe: “Ny tombatomban’ny mpaminany dia mitovy amin’ny faminaniana”. Dia niriotra lasa izy narahin’ny vadiny sy ireo zanany telovavy, tsy nanao veloma ahy akory. Araka izany tamin’ny alalan’ny olona tsy voatendry, ny filazana tsotra dia nanjary fampianarana, ary hatramin’izao, tsy nisy tamin’ireo rahalahy tafalatsaka tamin’ny fahadisoany ireo, mba niezaka nanao fanitsiana izany. Ihomehezan’ny fanahin’ny famitahana ireo, saingy tsy tsapany akory.

Tamin’ny volana may 1976, raha nandeha teto amin’ity zoron’ny tranon’Andriamanitra ity indrindra aho, nilaza izao tamiko ny Tompo, hoe: “Ry mpanompoko, mandehana eo amin’ny tany malalaka mifanolotra amin’ity ianao ary atokano ho Ahy izany, satria hisy olona avy any amin’ny vazan-tany rehetra ho tonga…” Tafajanona tampoka teo amin’ny nisy ahy aho —efa nandroso ho maizina tamin’izay— nitodika aho ary nankao amin’ilay tany malalaka, tamin’ny alalan’ilay vavahady kely fidirana amin’ny tokotanin’ireo trano fivarotana. Nandohalika teo amin’ireo kirihitra aho ary nanokana io tany malalaka io ho an’ny Tompo. Hatramin’ny 1977/78, ireo trano misionera lehibe anankiroa ireo dia mijoro eo amin’ilay tany malalaka notokanana. Olona maro maneran-tany no mivahiny ao, ary vahoakan’ Andriamanitra, avy amin’ny firenena rehetra saika maneran-tany no mandray izay mety ho ilainy eto amin’io toerana io. Tsy mba afaka nino aho fa hifarana ny taona 1977 ny zavatra rehetra, ary taorian’ny nanomezan’ny Tompon’ny Lanitra ahy iraka lehibe toy izany ny faran’ny may 1976, dia tsy nino izany mihitsy aho. Izao teny izao no mbola manan-kery hatrany: “Miasà mandra-pihaviko”, sy ny: “ny amin’izany andro izany sy ny ora, tsy misy olona natao hahalala.”

Ireo fanambarana sasantsasany izay nataon-drahalahy Branham,dia mety mahahadiso ireo rehetra izay tsy mifototra amin’ny Teny voasoratra. Manangana rafi-kevitra haitraitra goavana izy ireo avy amin’ireo filazana notsoahany tamin’ny toriteny, kanefa tsy ananany fototra ara-Baiboly akory izany. Izany fomba izany ihany anefa no nahafahana mampiseho ny voan’ny tsifankatoavana. Ao amin’ny toriteniny “Ny voan’ny fifandirana”, ny rahalahy Branham dia nanatsidi-dresaka mikasika ireo rahalahy sasany izay tafalatsaka amin’ny fahatsapana diso, saingy mbola mandahatra foto-kevitra mirindra amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra. Hoy izy hoe: “Zavatra maro samihafa no nipoitra: tokony hanana izao sy izatsy isika ka hanangana vondrona vaovao. Mitsangana ny olona iray, milaza hoe: eo ambony rahona fotsy Izy no avy. Ny iray hafa manamafy kosa hoe: eo ambony soavaly fotsy Izy no avy, koa dia indreo sahady, tarika roa samihafa no teraka. Inona moa izany? —Voafafy ny voan’ny fifandirana.” Toy izany no fomba amafazan’ny fahavalo ny voan’ny fifandirany ankehitriny, mbola amin’ilay fomba miendrika fivavahana toy ny tany am-piandohana ihany. Toy izany no nahaterahan’ireo tarika samihafa ireo teo anivon’ny Hafatra, ka nanatsoahany ireo filazan-drahalahy Branham, nandrafetany fampianarana manokana. Tsy dinihina intsony ny Baiboly, fa ireo filazana mifandraika amin’ny fijeriny manokana no tsoahiny amin’ny toerany ary aoriny ho toy ny “tempoly masina” manokana ho azy.

Ohatra, misy ireo manana ny fampianarana manokana izay milaza fa efa voambara ny kotrokorana fito; ny sasany kosa milaza fa ho ambara izany mialoha indrindra ny Fiverenan’i Kristy. Izy roa ireo anefa samy tsy te-hifampiraharaha, mifampiampanga ho manana ny diso, ary tsy fantany fa na ny tarika iray na ny iray dia samy voa avy amin’ny fahavalo avokoa satria samy eny ivelan’ny Tenin’Andriamanitra; satria ny Tenin’Andriamanitra no mitoetra ho Voan’ Andriamanitra mandrakizay. Ireny karazan’olona ireny, izay mitondra fanambarana manokana dia mifanditra, ary mamafy amin’ireo mihaino sy mino azy ireo ny voan’ny tsifankatoavana. Mba tsy ho tonga fihomehezana ho an’ireo olona eny ivelany, dia tianay ajanona eo ny fitanisana ireo fampianarana tsy ara-Baiboly, izay tsy mitsahatra ny apoitra hatrany ary miteraka tarika isan-karazany.

Ny famantarana fototra tsotra an’ireo olona tsy tafatoetra ao amin’izay faritry ny Baiboly, dia tsy miova: mijery mankany aoriana izy ireo ary miresaka ny amin’izay vitan’Andriamanitra taloha — ary mazava hoazy, miainga avy amin’ny mpaminany izany — sady miresaka izay mbola ho ataon’Andriamanitra amin’ny ho avy, fa andalovany sy ataony tsinontsinona izay ataon’Andriamanitra ankehitriny. Mampiseho ny toe-panahin’ireo mpanora-dalàna izay nihambo ho mpianatry ny mpaminany izy ireo, ka nipetraka teo amin’ny fipetrahan’i Mosesy mihitsy, na dia jamba mpitarika jamba aza. Ny maha-voan’ny tsifankatoavana azy ireo no nampiendaka azy niala tamin’ny Vatan’i Kristy izay mitoetra ao amin’ny Teny. Hoy ny rahalahy Branham hoe: Averimberiny mandrakariva izay efa nataon’Andriamanitra sy izay mbola ho ataony, fa tsinontsinoaviny izay ataony ankehitriny. Toy izany no ampidiran’ny olona ny fifandirana.” Ary andalana vitsivitsy aloha, ny lehilahin’Andriamanitra miantsoantso mivantana hoe: “Andriamanitra o! Omeo lehilahy maro izay tsy mifatotra afa-tsy amin’Andriamanitra sy ny Teniny izahay. Lehilahy izay milaza ny marina mikasika izany. Izany mihitsy no tena ilainay. Inona no mba nataonay? Namafy fifandirana izahay. Namafy rivotra izahay, ary ankehitriny, mijinja tadio.”

Rivo-mpampianarana marobe no nandravarava tamin’ireo firenena maneran-tany, nandritr’izao vanim-potoana efa ho telopolo taona izao. Ireo fanahy izay tsy nanampo na inona na inona no voafitaka satria ny fatahorana ny “mpaminany” no notorìna taminy tamin’ny fomba hafa dia hafa, fa ny fatahorana an’Andriamanitra sy ny Teniny kosa dia navela. Saingy ireo olom-boafidy dia tsy ho voafitaka. Fantany fa ny fitaka voalohany, tao amin’ny Saha Edena dia avy tamin’ilay ratsy izay naneho ny Tenin’i Jehovah tamin’ny fomba hafa noho ny fomba nivoahany teo am-bavan’Andriamanitra. Ny fitaka farany dia miseho tsy misy hafa amin’izany ankehitriny ao amin’ny fifohazam-panahy farany. Hoy Paoly raha nampirisika izy hoe: “Izaho matoky anareo ao amin’ny Tompo fa tsy hisaina zavatra hafa akory hianareo, fa ilay mampitabataba anareo no hiharan’ny fanamelohana, na zovy na zovy izy.”(Gal 5.10). Mbola misy fanantenana ho an’ireo voafitaka, fa tsy hisy kosa ho an’ireo namitaka ny hafa: “Ry rahalahiko, raha misy eo aminareo miala amin’ny fahamarinana, ary misy anankiray mampibebaka azy, aoka ho fantany fa izay mampibebaka ny mpanota hiala amin’ny lalan’ny fahadisoany dia hamonjy fanahy tsy ho faty sady hanarona heloka be.” (Jak 5.19-20).

Ireo izay voataona tao amin’ny fahadisoana dia mahatsapa tena ho afaka tamin’ny fatotry ny fiangonany taloha. Manao izay tiany atao izy ireo: fa tsy ahoany izay lazain’ny Baiboly manokana aminy ka nohamafisin’ny “mpaminany”.

Ny fanahin’ny fifandirana dia aseho antsika mazava tsara ao amin’ny Soratra Masina. Olona manaraka ny làlan’i Kaina ireo, izany hoe feno fankahalana ary entanin’ny fitsiriritana sy ny fialonana. Eo imason’Andriamanitra izy ireo dia mpamono olona sy mpandatsa-drà. Tsy ananany eo amin’ny fiainany ny tena fitiavana ny rahalahy —milaza ho tia amin’ny vavany saingy amin’ny fampiharana dia mamono. Toy ny ambaran’ny apostoly Jaona, ireo dia mitia araky ny fomban’i Kaina izay avy amin’ilay ratsy ka namono ny rahalahiny. Mitory sy miresaka ny fitiavana tanteraka izy ireo, saingy mampihatra ny fankahalana tanteraka, mamerina indray ny fahotana voalohany ka mampadamòka ny fampihavanana sy ny famelankeloka. Na ny fibebahany aza dia miafara amin’ny fanomezan-tsiny sy fiampangana ny hafa. Tohizan’ny apostoly Joda izany amin’ny filazana fa, ny olona toy ireny dia nanaraka ny ny fahadisoan’i Balama noho ny fitiavan-tamby, manandra-tena toa an’i Kora izy ireo, manohitra ireo mpanompo notendren’Andriamanitra. Miharihary loatra ireo famantarana rehetra ireo, ka na dia ny havanana indrindra amin’ny fanafenana aza tsy hahafina izany. Raha ny marina, dieny mijery io teboka io isika, ny tsirairay dia efa afaka mamantatra sahady, iza ny tenany, inona izy, mifototra amin’izay voalazan’ny Teny ve izy. Ny zavatra efa nisy hatrany am-boalohany, ka miverim-berina isaky ny fifohazam-panahy, dia iainantsika izany ankehitriny. Tokony hanontany tena ny tsirairay ny amin’ny toerana misy azy, sy ny tarika arahiny —ary eo, ny filazan’ny molotra amin’ny teny miavonavona sy mieboebo dia tsy misy lanjany, fa izay hita amin’ny fampiharana eo amin’ny fiainana ihany no mampiseho sy manambara ny tena toetra. Izay avy amin’Andriamanitra dia mahafantatra izay efa nataon’Andramanitra; mandray anjara amin’izay ataon’Andriamanitra ankehitriny izy, ary mbola hahazo koa amin’izay ho ataony —ary izany, mandra-pahatonga any amin’ny fahatanterahana.

NY TOERANA MARINA

Izay rehetra voantso hivoaka amin’ny fisavoritahana tamin’ny alalan’ny Tenin’ny Fahamarinana dia mitoetra mifanaraka amin’ny Teny voasoratra, ka izay no fomba anamasinana azy (Jaona 17.17). Tsy isalasalana fa ho an’ny Ampakarina-Teny, ireo kotrokorana fito dia tsy maintsy avela amin’ny toerana nametrahana azy, ka tsy hikotroka ireo raha tsy ny Tompo, izay Anjelin’ny Fanekena, no hiseho amin’ireo Jiosy izay ho tonga mpino rehefa tontosa ny minisiteran’ireo mpaminany roalahy ao Jerosalema —toy ny efa nanehoanay izany mazava tsara tao amin’ny toko mifandray amin’izany ao amin’ny boky mikasika ny Apokalypsy. Izay voalazan’ireo kotrokorana fito dia tena tsy misy ifandraisany amin’ny Fiangonana-Ampakarina; tsy azo nosoratana izany, koa tsy tafiditra ho isan’ny Teny faminaniana mihitsy, izany no antony mahatonga azy tsy anisan’ny natokana hotoriana. Izany no IZAO NO LAZAINNY TOMPO amin’ny Teniny.

Nanantena ny anaovan’Andriamanitra zavatra lehibe tao amin’ny Fiangonana-Ampakarina ny rahalahy Branham. Ny fanantenany dia nifandray tamin’ny Apokalypsy 10 satria nandray an’io matetika izy, saingy tsy namorona fampianarana mikasika izany izy. Fa izany no naolan’ireo mpitoriteny tsy nahazo antso avy tamin’Andriamanitra ho ao amin’ny fitoriana ny Teny, ary ho fahaverezan’ny tenany no nanaovany izany. Ary izy ireo dia afaka manamarina ireo famelabelarana tsy ara-Baiboly, ho azy sy ho an’ireo mpihaino azy. Koa satria tsy manana andalan-tsoratra ara-Baiboly sambà tokana akory izy hananganany ny heviny, dia mitoetra eny ivelan’ny Teny izy, noho izany dia tafalatsaka amin’ny fahadisoana. Fanampin’izany, efa ambentintenin-drahalahy Branham fa ny Ampakarina dia akarina ao amin’ny toko fahefatry ny Apokalypsy, ary hiverina Izy any amin’ny toko faha-19, aorian’ny fampakaram-bady. Nilaza mazava koa izy, sady marina izany, fa ny Tompo, amin’ny maha-Anjelin’ny Fanekena Azy, dia hamela ny Ampakarina ao amin’ny Fampakaram-bady, ary hidina hiseho amin’ireo Jiosy, araka ny Apokalypsy toko faha-10. 

Miampanga manokana ireo rahalahy any Etazonia sy any Canada aho, noho izy ireo manindrahindra olona iray ao amin’ny toriteniny, ka manao tsy misy hafa amin’ny nataon’ireo Adventista taloha tamin’ny “mpaminany vaviny” Ellen White, toy ireo Vavolombelon’i Jehovah amin’ny “mpaminaniny” Charles T. Russel, toy ireo Mormons amin’ny “mpaminaniny” Joseph Smith, ary toy ny maro hafa koa. Nasiany tsindrimpeo ny maha-tsy-mety-diso ny olona iray, satria nilainy io olona io ho marika famantarana azy, na dia Andriamanitra ihany no tsy-mety-diso. Mamorona rivotra toy ny ara-panahy izy ireo ao amin’ny fiangonany, dia adikany ho fanatrehan’Andriamanitra izany. Koa noho ny fanomezan-dàlana azoko avy tany an-Danitra, amin’izao ora tsy-azo-isangisangiana izao, izaho dia miampanga ireo izay nametraka ny tenany ho mpiandry-ondry mba hamokisany ny tenany ihany, ary mitaky aho, amin’ny Anaran’ny Tompo, ny hamelan’izy ireo handeha ny vahoakan’Andriamanitra, tsy ho andevoziny.

Eo ambany fanevan’ny “kotrokorana fito” no mbola havitana faharavana lehibe. Resahina betsaka anivon’ireny mpiandany aminy ireny ny “fanambarana”, ny “finoana ho amin’ny fampakarana”, ny “zavamiafina”, zavamiafina izay na izy aza tsy mahafantatra izany. Raha jerena mazava ireny zavatra ireny, dia hita miharihary ny fanesoan’ny devoly ny olombelona. Izany fomba izany no naharatsy laza ny Hafatra ho amin’ny andro farany. Maro no tofoka ireo olona izay naniry hahafantatra an-kitsipo, satria ireo zavatra nampianarina dia tsy hita ao amin’ny Baiboly, noho izany tsy afaka nanaiky izany izy. Ary niaraka tamin’izany koa —amin’ny ankapobeny— no nahavoatsipaka ny minisiteran’ny rahalahy Branham.

Izay mamaky ny zava-mitranga ao amin’ny Jaona 12.30-36, dia mahita fa ny kotrokorana dia ampitovina amin’ny Feon’Andriamanitra, ary izany dia mifandray amin’ny fitsarana fa tsy amin’ny fampakarana. Hoy Jesosy: “Tonga ny fotoana hankalazana ny Zanak’olona.” (Jaona 12.23). Avy eo Izy dia manazava fa tsy maintsy maty Izy mba hahavokatra, mba hihabetsaka ny fiainana, ka ny fitsanganana amin’ny maty no ahatanterahan’izany. Ka nony torovana ny fanahiny, dia niantso mafy ny Zanak’olona hoe: “Ray ô, mankalazà ny Anaranao. Dia nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Efa nankalaza azy Aho, ary hankalaza Azy indray. Ary ny vahoaka izay nitsangana teo, ka nahare dia nanao hoe: Kotrokorana izany. Hoy ny sasany: Anjely no niteny taminy. Jesosy namaly ka nanao hoe: Tsy noho Izaho no nahatongavan’ izany feo izany, fa noho ianareo.” (Jaona 12.28-30).

Ilay Feon’Andriamanitra izay avy tany an-danitra dia sady kotrokorana koa, izay heno tsara; ary io kotrokorana io no Feon’Andriamanitra. Izany dia ampifandraisin’ny Tompo amin’ny hoe: “Tonga ankehitriny ny fitsarana izao-tontolo-izao; ankehitriny ny andrian’izao-tontolo-izao horoahina.” (and 31). Rehefa midina ny Tompo, amin’ny maha-Anjelin’ny fanekena Azy ka mametraka ny Tongony eo amin’ny tany sy ny ranomasina, dia mikotroka ny feon’ireo kotrokorana fito, ary amin’izay fotoana izay no mipoaka ny fotoam-pitsarana mahatahotra: Ilay seza fiandrianam-pahasoavana dia lasa seza fiandrianam-pitsarana. Mikasika izany indrindra, ireo teny ao amin’ny Joba 36.33 sy Joba 37.2-5, sy ny andalan-tsoratra hafa koa, dia samy mampianatra tokoa.

Ny traikefa manokana niainako, dia afahako mijoro vavolombelona fa samihafa ny “Feon’Andriamanitra”, izay maneno amin’ny alalan’ny kotrokorana, sy ny “Feon’ny Tompo.”

Matetika aho no efa nandre ny “Feon’ny Tompo”, hatra tamin’ilay andro tsy-haiko-adinoina, dia ny 2 aprily 1962. Ohatra amin’izany izay nitranga indray andro, tamin’ny taona 1972, talohan’ny 5 ora maraina tany Marseille, rehefa avy nanontanian’ny rahalahy iray aho mikasika ireo kotrokorana fito. Indroa nisesy ny Tompo no nandidy ahy manao hoe: “Ry mpanompoko, mitsangàna dia vakio 2.Timoty 4.” Voatsindry mafy ny andalana manao hoe: “Mitoria ny Teny!” Ny Tompo mihitsy teo no naneho sy nanamafy tamiko fa tsy afaka mitory isika afa-tsy izay hita ao amin’ny Teny voasoratra ihany. Tamin’ny taona 1975, tao anatin’ny ora iray, dia indroa ny Tompo no nandidy ahy, tamin’ny feo mazava tsara hoe: “Foano ny dianao mankany Inde.” Ny baiko volohany dia nampisalasala ahy, fa taorian’ilay faharoa aho dia nankatò. Sahabo ho 36 ora nialoha ny fiaingan’ny fiaramanidina aho dia nandefa telegrama ho an’ireo rahalahy tompon'andraikitra, na dia efa voalamina tanteraka aza ny fotoam-pivoriana rehetra. Efa taty aoriana vao azoko ny anton’izany, satria ilay fiaramanidina namandrihako toerana, niainga avy tany Bombay ho any Madras, dia nirehitra raha vao niainga, ary matin’ny afo avokoa ireo mpandeha 96.

Io taona io ihany, niresaka tamiko ny Tompo tany Edmonton, raha hiala ny efitranoko aho handeha hisakafo maraina: “Ry mpanompoko, araky ny Matio 24.45-47, dia nanendry anao Aho hizara ny hanina.” Ny omaly harivan’io, nanontany ahy i Don Dablitz mikasika ny minisiterako; nilaza izy fa voamarina ao amin’ny Soratra Masina ny minisiteran-drahalahy Branham, ary nanontaniany aho mikasika ny minisiterako izay miasa maneran-tany ihany koa. Tsy nahavaly azy aho afa-tsy ny hoe: mampita fotsiny izay azoko tamin’ny Tompo no ataoko. Talohan’io minitra io dia tsy haiko akory izay voasoratra tao amin’io andalan-tSoratra Masina io, ary vao mainka tsy haiko fa, hay mifandray amin’ny minisiterako izy io.

Tamin’ny Novambra 1978, niteny tamiko ny Tompo indray asabotsy maraina nilaza hoe: “Ry mpanompoko, diniho ny Asan’ny Apostoly, ary jereo raha mba nisy lehilahy iray sy ny vadiny, niara-natokana ho amin’ny asa fanompoana”. Maro ireo rahalahy sy anabavy izay mahafantatra ny toe-javatra nahatonga ny lehilahy iray sy ny vadiny, ary ny Fiangonana iray manontolo, tafalatsaka tamin’ny fahoriam-panahy lehibe, noho ny faminaniana diso iray.

Ireny traikefa niainako ireny no ahafahako miteny tsy am-pisalasalana fa ny “Feon’ny Tompo” dia mihaja sady mahery, toy ny mibaiko ny figadony, ary manana toetra hentitra, saingy tsy toy ny kotrokorana. Isaky ny tonga izany dia misaina aho hoe: “Raha mbola miteny indray mandeha ny Tompo dia hangina izao-tontolo-izao.”

Ny “Feon’Andriamanitra” kosa dia hafa tanteraka. Indray mandeha fotsiny no nandrenesako azy toy ny kotrokorana mafy mankarenin-tsofiny, izay nihamafy hatrany ka nilatsaka tamiko. Nitranga izany ny 16 Jona 1979 vao maraina be, tao amin’ny nosy atao hoe Fano izay an’i Danemark. Raha mbola teo amboniko akaiky dia akaiky ny kotrokorana, nivoaka nivantana avy tao ny “Feon’Andriamanitra”, tezitra, ary ny teny tsirairay nivoaka dia nirefotra toy ny kotrokorana. Io fehezanteny io, izay nisy teny sivy dia namakivaky ny tenako hatrany amin’ny tsoka. Satria avy tao amin’ny ambony-ankavanako no nifanesy tonga ny kotrokorana sy ilay feo nivoaka tao aminy, dia lavo tamin’ny ilako ankavia aho, nadarabok’io hery io tamin’ny tany. Afaka manamarina tokoa izay voasoritra ao anaty Baiboly aho, satria tena niaina izany mihitsy, ary hatramin’ny antsipirihany indrindra. Tsy manao vinavina ny mpanompon’Andriamanitra, na ao amin’ny fiainany na ao amin’ny asany, ary tsy manombatombana, fa izy dia manana traikefa mitovy amin’ireo izay voatantara ao amin’ny Soratra Masina.

MINISITERA MIFOTOTRA AMIN’NY BAIBOLY

Ireo lehilahin’Andriamanitra ao amin’ny Testamenta Vaovao dia niaina ny dikan’ny Teny voasoratra tao amin’ny fiainany manokana. Azo antoka fa ny fahatanterahan’ny Testamenta Vaovao manontolo dia mizotra araka ireo faminaniana ara-Baiboly. Jaona Mpanao Batisa dia afaka nanondro mazava ny fototry ny minisiterany tao anatin’ny Teny fikasana (Jaona 1.19-21). Jesosy dia nanambara fa izay rehetra tanteraka nahakasika Azy dia ao amin’ireo andry telon’ny Testamenta Taloha: ny lalàn’i Mosesy, ny Salamo, ary ny mpaminany (Lioka 24. 44-49), ary tamin’ny alalan’izany no nanokafany ny sain’ireo mpianany hahalala ny Soratra Masina izay mikasika Azy. Tamin’ny andro Pentekosta, Petera koa dia naka ny Teny faminaniana ho fototry ny fanazavany ny fiasan’ny Fanahy mahagaga (Asa 2.14-21). Nanao ny Teny faminaniana ho fototry ny fitenenany koa i Paoly apostoly raha nilaza fa natodik’Andriamanitra tany amin’ny jentilisa ny fanambarana ny famonjena (Asa 13. 46-49). Ao amin’ny Asan’ny apostoly toko faha-15, manamafy ny famelabelaran’i Petera ny apostoly Jakoba raha nanao hoe: “Ary mifanaraka amin’izany ny tenin’ny mpaminany…” (and 15). Tsy tokony ho gaga isika raha ankehitriny koa ireo minisitera lehibe ho an’izao andro izao, dia manana fototra ao amin’ny Soratra Masina. Nahoana moa no tokony anovan’Andriamanitra ny fomba fiasany? Mitoetra tsy miova Izy amin’ny fomba fiasany amin’ireo mpanompony, ary toy izany koa amin’ny vahoakany. Aoka hatoky ny rehetra fa tsy anganoangano tsara-lahatra an-kafetsena no arahanay, na koa eritreritra noforomporonina tsy am-piheverana, fa Andriamanitra mihitsy no nanendry anay ho ao amin’ ny Drafi-panavotany.

Araka ny Teniny no anaovan’Andriamanitra ny zavatra rehetra. Amin’ny alalan’izany no ahafahantsika mamantatra izay ataony, ka ny manapa-kevitra fotsiny sisa no anjarantsika, na isika manaiky hanao ny Sitrapony, ary ho vonona ny handroso amin’ny Làlany, na ho mafy hatoka satria tsy metimety amintsika ny zavatra ataony. Mizaha toetra ny fo sy ny voa Andriamanitra. Mandinika ny fisainana rehetra Izy, ary mbola miteny ihany ankehitriny manao hoe: “Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo, ary ny làlanareo kosa tsy mba làlako, hoy Jehovah. Fa tahaka ny hahavon’ny lanitra amin’ny tany no hahavon’ny làlako noho ny làlanareo, sy ny fihevitro amin’ny fihevitrareo. Fa toy ny ranonorana sy ny orampanala milatsaka avy any an-danitra, ka tsy miverina any raha tsy efa nahavonto ny tany, ka nampaniry sy nampahavokatra azy, mba hahatonga voa ho an’ny mpamafy sy hanina ho an’ny mpihinana, dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako: tsy hiverina Amiko foana izy, raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako, ary ambinina amin’izay ampandehanako azy”. (Isaia 55:8-11).

Manohitra ireo miavonavona Andriamanitra, fa mamindra fo kosa Izy amin’ireo manetri-tena, dia ireo izay manaiky ho eo ambany fitantanan’ny Tàna-maheriny, ka dia mandray anjara amin’izay ataony.

NY VONDRONA EROPEANA

Hita miharihary fa miseho indray ny herin’ilay Fanjakana lehibe Romana amin’ny alalan’ny vondrona Eoropeana. Ankehitriny, ireo firenena tao anatin’ny AELE fahiny, dia mifanesy miditra anatin’io Vondrona io. Ireo izay tsy nahomby tamin’ny andrana voalohany, dia tafiditra tamin’ny faharoa tamin’ny alàlan’ny vaton’ny maro an’isa. Izany no hitantsika vao haingana tamin’i Autriche, Finlande ary Suède. Tsy afaka misakana ny fahatanterahan’ny faminaniana mikasika ny andro farany isika. Hivondrona ho eo ambanin’ny fifehezan’i Roma-mpivavaka avokoa ny rehetra. Ny manaitra amin’izany rehetra izany dia ny fiankinan’ny Pàpa sy ireo mpanohana azy amin’ireo voalaza fa fisehoan’i Maria tao Fatima tamin’ny 1917, sy izay ho nolazainy tamin’ireo mpiandry ondry telo.

Izay mamaky ny lahatsoratra navoakan’ireo manamboninahitra katolika mikasika izany, dia mahafantatra ny hevitra fonosin’ny fanambarana fa Eropa iray manontolo dia natolotra ho an’ny fo-madion’i Maria. Dia toy izany no nanangolena ny zanakolombelona mba hanome voninahitra ny vehivavy iray, toy izay efa natao hatrizay tany anatin’ireny fivavahana tranainy ireny. Ity filazana manaraka ity, hono, dia maneho mazava izany: “FIADANANA SY FIRAISANA. Zavatra anankiroa no mamintina ireo fepetra napetraky ny Lanitra hisian’ny fiadanana dia: ny fivavahana amin’ny Rozery, ary ny fanolorana izao-tontolo-izao ho an’ny fo-madion’i Maria…. Satria izao-tontolo-izao dia maniry fatratra ny isian’ny fampiraisana amin’izay rehetra mahakasika izao-tontolo-izao, ny Tompo-Mpampianatra dia te-hitondra ny firaisana ara-pivavahana ho an’ny olona rehetra. Noho izany Izy dia maniraka… an’i Maria koa ho Andriambavin’ny firenena rehetra.”

Ny 24.12.1941, ny Pàpa Pie XII dia nampirisika ny hananganana Eropa vaovao sy izao-tontolo-izao vaovao.

Ny 20.03.1953, nivoaka ny fanambarana hoe: “Ry vahoakan’ny Eropa, mivondrona ianareo…”

Ny 25.03.1957, nijoro ny Vondrom-barotra Eoropeana (CEE).

Ny 12.09.1958, Montini, arsevekan’i Milan, dia nanolotra sarivongan’i Maria (Madone) ho an’ny Eropa, nampitondraina ny anarana hoe “’Andriambavy malalanay sy Tompon’ny Eropa” (Notre Dame chérie et Patronne de l’Europe). 

Maria no ataon’ny fiangonana katolika ho ilay sarin’ny “vadin’ny masoandro” ao amin’ny Baiboly, izay manao satroboninahitra, misy kintana 12. Ny Pàpa Jean Paul II dia nilaza hoe: “Andao indray isika hitodika any amin’ny Renin’ilay Mpanavotra izao-tontolo-izao, ilay vehivavy ao amin’ny fanambarana zavamiafin’i Jaona, ilay vehivavy mitafy masoandro”.

Ny 16 Septambra 1978, ny eveka Dr Graber, nilaza hoe: “Nitaky ny hisian’ny Fikambanana iraisam-pirenena ho an’ireo mpomba an’i Maria ato Eropa aho… Mivavaka sy mifona mangina izahay mba hiverenan’ny firenena tandrefana amin’ny endriny taloha, ho Imperium Marianum (fanjakana lehibe mpanompo an’i Maria).”

Maro araka izay ilaina ny fanambarana hafa mbola azo ampiana.

Ireo kintana roambinifolo an’ny saina Eropeana dia manaporofo ny maha vahindohany ny katolika-romana. Ataingina eo ambonin’ny fampivondronana ara-politika ny fampivondronana ara-pivavahana, ka ilofosana ny hahafoana izay rehetra mety ho vokatry ny Fanavaozana (Reformation), ary izany dia tonga hatramin’ny fitarihana ireo protestanta amin’ny fanamelohan-tena.

Ireo protestanta [Protestanta dia midika hoe “mpanohitra”—F.n.m] dia tsy manohitra intsony, anenenan’izy ireo aza ny nahavaky ny Fiangonana. Na ireo ambony toerana ao amin’ny Fiangonana evanjelika aza, dia tsy mahafantatra intsony ireo zavatra nitranga nandritra ireo taonjato voalohany tamin’ny andron’ny kristianisma. Toa tsy misy mahafantatra fa tao amin’ny taonjato voalohany, tsy mba nisy izany Fiangonan’i Roma tokana izany, fa Fiangonana isan-tanàna ary fireham-pinoana samihafa no nisy. Tamin’ny fidirana an-tsehatra an’i Constantin vao niantomboka io fivoaran-javatra io, ary tamin’ny alàlan’ny fampiasana ny herin’ny Fanjakana mihitsy no nahavitana izany, ny faran’ny taonjato fahefatra sy nandritra ny fahadimy. Raha ny fiangonan’i Roma akory, tsy mba ny Fiangonan’ i Jesosy Kristy mihitsy. 

Tamin’ny fotoana rehetra sy tamin’ny firenena rehetra, dia nisy hatrany ny fiangonana madinika an-tokantrano. Nisy mandrakariva ny olona nahazo traikefa manokana, ary tamin’izany dia voasokajy ho isan’ny olom-bonjena. Tsy rafi-pandaminana eo ambany fifehezana sy tarihin’olombelona ny Fiangonan’i Jesosy Kristy, fa vatana velona iray tsy fehezan’iza afa-tsy i Kristy, ilay Loha, ary manaraka ny fitarihan’ny Fanahy Masina.

Ny fitranga-ho-azy sy an-karihary an’ny zavatra rehetra dia mampiseho tsara ny fandehan-javatra. Indraindray aza misy mpanao kisarisary tsy mpino mahazo tsindrimandry. Ohatra amin’izany ny kisarisary iray maneho ilay vehivavy janga, tsy mitafy ambony, izay mitaingina ny Bibidia, ary eo ambaniny ahitana ny tongotr’ireo olon’ireo Fanjakana efa mpikambana ao amin’ny Vondrona, ary any amin’ny rambony ahitana ireo vao miditra ho mpikambana ao ankehitriny.

HO AVY NY FAMORETANA

Ny famoretana dia ho atao amin’ireo tsy hanaiky io fampiraisana lehibe io. Ohatra, dradradradraina mafy ny “hanaraha-maso ireo sekta”, isaky ny hita amin’ny matoan-dahatsoratry ny gazety ny fihetsika mahatsiravina itarihana olona marobe ho faty ataon’ireo mpitarika fivavahana mirehidrehi-poana, tahaka an’i Jones tany Guyane, taona vitsivitsy lasa izay, ary koa David Koresh tany Waco-Texas, ary ankehitriny Luc Jouret sy Joseph Di Mambro any Suisse andrefana.

Ny hainoamanjery sy ny sarambabem-bahoaka dia tsy mahita mihitsy ny fiavahan’ireo fiangonan’ny mpino ara-Baiboly izay manana fiainana toy ny olona rehetra, amin’ireo misy olona itoeran’ny demonia. Alaim-baraka mandrakariva ireo mpino tsy mpikambana amin’ireo Fiangonana ofisialy. Ary tsy vitsy ireo minisitra [minisi-pitondram-panjakana—F.n.m] izay efa miteny tsy an-kiafina sahady ny tokony hanarahan’ny Fanjakana maso ireo sekta.

Ireo izay afaka nandinika ny sarin’ireo toerana nitrangàn’ny zavatra tany Suisse, dia afaka namantatra ny naha-katolika ny “Ordre du Temple du soleil”: amin’ny alitara, ireo lakroa sy ireo labozia, sy ny sisa. Kanefa ny fiviliana toy ireny no araraotina iampangana amin’ny vahoaka ireo fiangonan’ny mpino tsy miankina. Na izany na tsy izany, fantatsika tsara fa amin’ny dingana farany mialoha ny Fiverenan’ny Tompo, rehefa hisy zavatra lehibe hitranga, hitombo ny fanenjehana ireo tena mpino, toy izay efa voalazan-drahalahy Branham.

ISIRAELY, LASIBATRY NY FANENJEHAN’NY REHETRA

Mbola misy làlan-tsarotra miandry azy ny vahoaka jiosy. Efa noraiketina ho amin’ny may 1996 ireo fifanarahana mikasika an’i Jerosalema. Kanefa ankehitriny sahady (janoary 1995), feo maro isan-karazany no re, mitaky zo handray anjara amin’ireo fifanarahana; anisan’izany ny cheik Ikrima Sabri, ny Imam an’ny mosquée Al-Aksa ao Jerosalema. Rehefa nanontanian’ny mpanao gazety izy dia nampitainy tamin'ny arofenitra izao lahateny izao izay maneho mazava tsara ny heviny: “Afaka manapaka izay tiany Isiraely. Amiko sy amin’ny mpino rehetra, ny fibodoan’Isiraely an’i Jerosalema dia tsy mitombina sady tsy manan-kery. Tsy Isiraely, fa izahay no vato-tsy-azon’iza-n'iza-tsinontsinoavina. Izahay Palestiniana no tena mpandray anjara amin’ireo fifanarahana ireo. Raha misy gisitra hanan-jo amin’ny fanapahan-kevitra mikasika an’i Jerosalema dia ny Isrelita. Jordanie koa tsy manan-draharaha amin’i Jerosalema. Manana ny lanjany ara-pivavahana sy ara-politika i Jerosalema. Raha tsy miverina ny zonay mikasika an’i Jerosalema, hirodana io fifanarahana ho amin’ny filaminana io; na firy na firy aza ny fifanarahana mety ho efa vita adivarotra amin’ny Israelita sy ny Arabo.”

Ny filohan’ny OLP, Yasser Arafat kosa nanome ity lahateny ity tamin’ny arofenitra: “Henoinareo aho, ry Hussein sy Rabin, Jerosalema dia renivohitr’i Palestine foana, n’inona n’inona fifanarahana vitanareo sonia, na ny tany Amman na ny tany an-kafa. Jerosalema no tsy maintsy iadivana. Heverinareo fa mbola lavitra izany: Fa izahay kosa mihevitra fa efa antomotra izany…”

Ny dinika farany indrindra amin’ny firosoana ho amin’ny filaminana dia tsy maintsy ho mikasika an’i Jerosalema. Tsy hisy fitsaharana, ary indrindra tsy hisy fandriampahalemana hipetraka any. Tsy hitsahatra ho matoan-dahatsoratry ny gazety ny fitantarana hatrany ireo zava-mitranga ao Jeriko sy ao amin’ny “faritr’i Gaza”, ary eny amin’ny havoanan’i Golan sy any an-kafa. Ny mampalahelo dia akaiky loatra an’i Jerosalema ireny toerana misy korontana ireny. Gaza izay tsy misy afa-tsy 80 km miala an’i Jerosalema dia tsy mba voababon’ny fokon’i Joda mihitsy araky ny baiko nomen’i Josoa azy ireo (Mpitsara 1.18). Kanefa araka ny fampanantenana ao amin’i Zefania 2:4-7, ny faritry ny Filistina rehetra dia ho eo ambany fifehezan’ny fokon’i Joda avokoa, raha vao ho tafapetraka eo ambany fifehezan’ Andriamanitra ny zavatra rehetra. “Ry Andriamanitr’Israely ô, miantrà an’Israely Vahoakanao!”, izany no italahoanay.

NY FARAN’NY TAONA

Afaka manao jeritodika iny taona lasa iny izay nahazoana fitahiana betsaka isika. Namaly tamintsika mihoatra noho izay nangatahantsika sy nandrasantsika taminy Andriamanitra. Madiva ho tratry ny feo maherin’ny trompetran’ny Filazantsara ny amparan’ny tany. Natetika aho no reraka, saingy ny Tompo nanome ahy hery vaovao mandrakariva.

Mankasitraka manokana an’Andriamanitra aho, noho ireo rahalahy sy anabavy rehetra miezaka manao fandikana ny Hafatra amin’ny fiteny samihafa, sy noho ireo izay mikarakara ny fanontana sy ny fandefasana azy, n’aiza n’aiza mety ahavitana izany. Tsaroanay manokana ny rahalahy Alexis Barilier, izay misahana andraikitra goavana any amin’ireo faritra miteny frantsay, toa an-drahalahy Etienne Genton izay miasa toy izany koa ho an’ireo miteny italiana. Ny fitahiana anie ho amin’ireo rahalahy rehetra miara-miasa amin’ireny izay tena napetraky ny Tompo ireny.

Tsaroanay koa ireo rahalahintsika maneran-tany lavitra any, toa ny rahalahintsika Markku Vuori any Finlande, ohatra, izay manana toerana tena sarotra. Ny Tompo anie homba azy, ary hitahy ny asa izay ataony amim-pandavatena lehibe. Ho afaka hanohy ny fitanisana ireo rehetra ao anatin’ny asan’Andriamanitra isika. Nohon’ny fitahian’Andriamanitra, izahay dia manampy ara-pitaovana koa ny fanontana boky any Inde, any Phillipines sy any Kenya, ary manampy ara-bola any amin’izay tsapa fa mila izany. Any amin’ny faritra izay ilàna “brochure” an’arivony maro manko, dia mampihena ny sarany ny manonta printy any, toy izay manonta izany aty vao mandefa azy any.

Entaninay ao amin’ny Tompo ireo rahalahy ao Kinshasa, mba hitsaharany amin’ny asa manokana ataony avy, sy amin’ny faniriany “hanana anarana” amin’ny alàlan’ny famoaham-boky manokana, ka aoka izy hiverina amin’ny fiheverana antonony ny tenany. Ny zava-dehibe ilaintsika ankehitriny, dia ny fiaraha-miasa tena mirindra amin’ireo minisitera rehetra manerana ny firenena rehetra. Amin’izao fotoana efa antomotra be sady tsy azo isangisangiana izao. Loza ho an’ireo izay noho ny fahalalana manokana, dia mitarika ny vahoaka amin’ny fahoriana sady mampizarazara azy. Ny mpanompon’i Kristy marina dia sady tsy mpila ady no tsy mpieboebo, fa izy kosa hamela ny tsirairay hanana ny fahalalahany ara-panahy. Aoka tsy ho adinontsika izay nosoratan’i Paoly: “Ny finoana izay anananao dia hazony ho anao eo anatrehan’Andriamanitra…” (Rom.14:22).

Ny asa ato amin’ny “Centre Missionnaire- Krefeld” dia nitombo be tokoa. Ankoatr’ireo “brochure” amin’ny teny “slaves” hafa rehetra mantsy, dia voatery nanontana maro kokoa amin’ny teny rosiana. Efa nandefa “brochure” sy Baiboly nahafeno kamio maro izahay, tany amin’ireo firenena kominista fahiny. Ankasitrahina manokana ny rahalahintsika Paul Schmidt, noho ny asa vitany. Ny Tompo, noho ny famindrampony, dia mamela azy hizara sakafo ho an’ireo niara-niaina taminy taorian’ny ady lehibe, taona 1945 hatramin’ny 1960, ka niaretany tsifisiana sy fonja aza. Ankasitrahintsika rehetra ny rahalahy Russ noho ny famompoany tsy manam-pitsaharana, ato Krefeld. Isaorantsika Ilay Andriamanitsika, noho ireo rahalahy rehetra manerana ny firenena rehetra, ary mifaly isika satria ireo izay nantsoin’ny Tompo hanatanteraka ny asany dia manao izany tsy amin’ny filàna tambiny, sady amin’ny firindrana tanteraka. Misy amin’ireo aza, tsy manaiky hotononina anarana akory. Mandefa fisaorana lehibe avy amin’ny fonay tokoa izahay ho an’ireo anabavy, izay manampy mandrakariva amin’ny fanaparitahana, eto Krefeld, any Suisse, any Italie sy any an-kafa ,.

Niahy tamin’ny fomba mahafinaritra tokoa Andriamanitra, mba hahavoaloa ara-potoana ireo faktiora rehetra. Nitombo ny fandaniam-bola noho ny fitàran’ny asa, kanefa isaorana ny Tompo, fa ny rehetra dia miezaka mandray anjara amin’ny fony tokoa. Tsy ho afaka hanao “fitsidihana misionera” avokoa ny olon-drehetra, na handika teny, hanonta boky, hanaparitaka, sns, kanefa, amin’ny alalan’ny vavaka ataony sy ireo fanomezany, ny rehetra afaka mandray anjara mivantana amin’ny asa izay atao. Ilay Andriamanitra mahatoky mandrakizay no hamaly anareo amim-pahatokiana. Enga anie izany ataony dieny etỳ, ary any ambony amin’ny hoavy, araky ny Harem-pahasoavany. Amin’ny Anarany no ilazako amin’ny rehetra hoe: Isaorana amin’ny fo tokoa ianareo!

Misokatra eo anoloantsika ny taona 1995. Vao manomboka ny taona dia misidina, ary mifarana haingana kokoa noho ny noheverintsika. Tsy mahela ny Teny fikasany ny Tompo, fa sitrany ny mbola hamonjena ireo farany. Aorian’izany vao hikatona ny varavaran’ny Fahasoavana. Na manao ahoana anefa, ny fiandrasan’ireo mpino dia miha-mafy hatrany, ary efa re sahady ny antso manao hoe: “Avia faingana, Jesosy Tompo!” Eo am-piomanana tanteraka isika, ary fantatsika tsara rahoviana no ho avy ny Tompo, dia araky ny volazan’ny Soratra Masina: “Amin’ny ora tsy ampoizintsika Izy no ho tonga”. Midika izany fa tokony ho vonona mandrakariva isika. Izy izay nanomboka ny asa tamin’ny fombany mahagaga ihany, no hanatanteraka izany amin’ny andro Fihaviany.

Ho Azy anie ny voninahitra.

Manao sonia: ny rahalahy Frank