Svobodná lidová misie

Ježíš Kristus včera, dnes a naveky tentýž jest. Žid.13.8

Jazyk:




«Jesosy Kristy no tsy miova omaly, sy anio, ary mandrakizay»

(Hebreo 13:8).

 

Taratasy ifampitapitana Aprily 2015

(Lettre circulaire Avril 2015)


Miarahaba ny rahalahy sy anabavy rehetra eto amin’ny tany, amim-pirahalahiana, aho, amin’ny Anaran’i Jesosy Kristy, amin’ny alàlan’ny Soratry ny Hebreo 9:28, hoe :

«…dia tahaka izany koa Kristy, rehefa natolotra indray mandeha hitondra ny otan'ny maro, dia hiseho fanindroany, tsy amin'ota, amin'izay miandry Azy, ho famonjena.» 

Ny Fiverenan’i Kristy izay nampanantenainy no fiaviany faharaoa (Jaona 14:3). Ho an’ireo navotany ka miandry Azy no iverenany. Ho an’ireo navotany ka efa niomana no iverenany: «…ary izay efa niomana dia niara-niditra taminy tao amin'ny fampakaram-bady, ary dia narindrina ny varavarana.» Ho an’ireo navotany ka tia ny Fiaviany no iverenany. Ary «…ho an'izay rehetra tia ny fisehoany koa,» dia handray ny satroboninahitry ny fahamarinana izy ireo (2 Timoty 4:8).

Antomotra ny Fiverenan’i Kristy. Ny zava-dehibe dia ny tena ahatsapan’ny tsirairay ao aminy ireto masontsivana telo ireto: miandry Azy, efa niomana, ary tia ny Fiaviany. Fotoanan’ny antso hivoaka no iainantsika izao, araka ny 2 Korintiana 6:14-18: «Koa mivoaha eo aminy ianareo, ka misaraha aminy, hoy Jehovah, …» Tanteraka eo ambanin’ny masontsika ireo faminaniana rehetry ny fiafaran’ny andro. Izany dia izay nolazain’ny Tompo hoe: «…raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia aoka ho fantatrareo fa akaiky ny fanjakan' Andriamanitra.» (Lio. 21:28-36) Fahasoavana no nahazoantsika ny Teny faminaniana araka ny zotra ara-Babiboly, ka afaka mahita mazava tsara ireo famantarana an’ireo fotoana isika amin’ny lafiny rehetra. Maneno manerana ny tany izao ny hiaka mamoha ny mpino ara-Baiboly rehetra amin’ny torimaso ara-panahy, ary miha mafy hatrany izany.. «Indro ny mpampakatra! Mivoaha mba hitsena azy.» (Matio 25:1-10)

Ny hafatra mialoha ny Fiavin’i Kristy faharoa izany. Ny mpino dia ireo virijina izay nandio ny fanalany. Ireo virijina hendry dia tsy mianina amin’ny fananana fanala fotsiny ihany, izany hoe ny hazavana, fa ho azy ireo, ny lehibe indrindra dia ny fiomanana feno amin’ny alàlan’ny finoana sy ny fankatoavana, ary ny ho feno ny diloilon’ny Fanahy. Ny mpamoron-kira iray dia nanoratra izao ao amin’ny fihirany: «Siny fotsiny ihany, ry Mpampianatra masina, saingy siny feno ny Herinao…» Ankehitriny, dia miasa ny Fanahy, manatanteraka ny firaisan’ny Ampakarina mponin’ny tany, amin’ny Mpampakatra mponin’ny Lanitra, ao anatin’ny fitiavana tonga lafatra, ary izany dia mifanaraka tanteraka amin’ny Tenin’Andriamanitra rehetra

 

«Ho fofombadinao mandrakizay Aho!»  

Nampanantena ny Tompo, ao amin’ny Hosea 2:21, hoe: «Ary hofofoiko ho vadiko mandrakizay ianao, eny, hofofoiko ho vadiko amin'ny rariny sy ny hitsiny ary amin'ny fitiavana sy ny indrafo ianao;» Izany no tolo-pahasoavan’ilay Mpanavotra ho an’ireo navotany. Teo amin’ny hazofijaliana, tao Golgota, no nanefan’ny Mpampakatra ny saram-panavotana, nohon’ny fitiavany ny Ampakarina (Jaona 3:16). Tamin’ny Ràn’ny Fanekena Vaovao, narotsaka, no nanavotana ny Fiangonana: «Izy no ananantsika fanavotana amin'ny Ràny, dia ny famelana ny fahadisoantsika, araka ny haren'ny fahasoavany,» (Efes.1:7). Toy ny nanokafana ny lanivoan’i Adama, namoahana an’i Eva, vao naseho taminy ravehivavy (Gen.2), dia nosokafana ihany koa ny lanivoan’ny Mpanavotra teo amin’ny hazofijaliana (Jaona 19:3a) ary ny Fiangonany-Ampakarina, dia ireo navotany, rehefa hiakatra ho ao amin’ny fampakaram-bady, no hihaona Aminy eny amin’ny rivotra (1 Tesal. 4:17). « Adama voalohan-dahy natao manan'aina. Adama farany natao fanahy mahavelona.»
(1 Kor.15:45). Singan’ny Vatany avokoa ireo zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra, nofon’ny Nofony, ary taolan’ny Taolany. Izao no soratan’i Paoly alohaloha ao: «Zava-miafina lehibe izany; fa milaza ny amin'i Kristy sy ny Fiangonana aho» (Efes.5:30-32)

Toy ny amin’ny fifamofoan’ny olon-droa, ilay lehilahy dia antsoina Mpampakatra, ary ilay fofombady antsoina Vady, dia toy izany no misy amin’ny olona iray izay tena niaina fiovam-po ho an’i Jesosy-Kristy, fiovam-po izay midika filazana “Eny“ Aminy. Amin’izay fotoana, dia lasa Mpampakatra avy any an-Danitra ilay Mpanavotra, ary ireo navotany dia lasa Vady. Tsy misy fifamofoana ho an’ny olon-tokana; tsy mety hisy izany raha tsy misy aloha fihaonan’ny olona anankiroa, izay nifampitepo fitiavana ny fon’izy roa, ka ilay vehivavy niteny hoe: “Eny“.

Ireo navotana rehetra, izay namafazana ny Teny-Voa (Lioka 8:11), dia teraka indray ho amin’ny fanantenana velona (1 Pet.1:3). Mandray ny endriky ny Mpanavotra (endrik’Andriamanitra) sy ny fiainana mandrakizay izy ireo. «Koa raha misy olona ao amin'i Kristy, dia olom-baovao izy; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo.» (2 Korintiana 5:17). Ny tsirairay amin’ireo singan’ny Fiangonana-Ampakarina dia manana fifandraisana manokana amin’ny Tompo, toy ny fifandraisan’olon-droa mpifamofo, ary mihaino izay lazain’ny Mpampakatra amin’ny Vadiny izy, amin’ny alàlan’ny Teniny, ary ampihariny Izany. Araka izany no mahatanteraka ny hoe: «Ka efa niomana ny Vadiny.»

Ireo singan’ny Fiangonana-Ampakarina dia ho vonona amin’ny Fiverenan’ ny Mpampakatra. Tia Azy izy ireo, ary miandry, maika hiaraka Aminy, hiditra ao amin’ny Fanasan’ny fampakaram-bady, araka iz ay voasoratra hoe: «Sambatra izay nantsoina ho amin'ny fanasana fampakaram-badin'ny Zanak'ondry!» (Apok.19:7-9). Ho an’ireo tena mino marina, tamin’ny alàlan’ny minisiteran’ ilay mpaminany nampanantenaina, ny Teny voasoratra dia nanjary Teny voambara. Ary mihoatra noho izany, tao amin’ireo singan’ny Fiangonana-Ampakarina dia nahatanteraka izay nanirahana azy ny Hafatra-Teny (Isa. 55:11; Rom.10:16-21). 

Nihiaka i Jaona mpanao batisa hoe: «Izay manana ny Ampakarina no Mpampakatra; fa ny sakaizan'ny Mpampakatra, izay mitsangana sy mihaino Azy, dia mifaly indrindra noho ny feon'ny Mpampakatra; ary efa tanteraka izany fifaliako izany.» (Jaona 3:29) Nanotra noho ny mpaminany i Jaona mpanao batisa, satria izy dia mpaminany nampanantenain’ny Teny, izay nanana antso manokana: «Izy no ilay voasoratra hoe: Indro, Izaho maniraka ny irako hialoha Anao, Izay hamboatra ny lalanao eo alohanao.» (Matio 11:9-10)

Tsy nisy mpitoriteny niresaka matetika mikasika ny Ampakarin’i Kristy toa an’ny lehilahin’Andriamanitra William Branham. Araka ny fantatry ny rehetra, dia ny 11 Jiona 1933 no tonga taminy izao antso izao: «Toy ny nanirahana an’i Jaona mpanao batisa hanomana ny Fiavin’i Kristy voalohany, dia irahina ianao hitondra hafatra iray izay hanomana ny Fiavin’i Kristy faharoa!» Ny minisiterany, izay nifatotra nivantana tamin’ny Drafi-panavotan’Andriamanitra, dia nanambina; ary tahaka ny an’i Jaona mpanao batisa, dia ho tanteraka ny fifaliany.

Tanteraka ankehitriny: «Ny Fanahy sy ny Ampakarina manao hoe: Avia; ary aoka izay mahare hanao hoen: Avia. Ary aoka ho avy izay mangetaheta; ary izay mety, aoka izy hisotro maimaimpoana amin'ny ranon'aina.» (Apok.22:17)

Fa kosa ny olona izay, noho ny firehetany amin’izay nambaran’ Andriamanitra, ka te-hankalaza anjely iray na mpanompon’Andriamanitra iray, raha tokony hanome ny voninahitra an’Andriamanitra irery ihany izy, dia tsy maintsy handre ireto teny izay norenesin’i Jaona, tao amin’ny nosy Patmo ihany koa ireto: «Tandremo, aza manao izao; fa mpanompo namanao ihany aho sady naman'ny mpaminany rahalahinao sy izay mitandrina ny Teny amin'ity boky ity; Andriamanitra ihany no ivavaho.» (Apok. 22:9)

 

Topy maso iray ijerena ny fiandohana
ahazoana tsara ny fiafarana 

Tsy ny Malakia 3:1 ihany no tanteraka tao amin’ny minisiteran’i Jaona mpanao batisa, «Indro, haniraka ny irako Aho, ary izy hanamboatra làlana eo alohako», fa tanteraka tao koa ny tapany voalohany an’ny Malakia 3:23-24: «ary izy hampody ny fon'ny ray ho amin'ny zanaka,…» Araka izany no nitenenan’ny anjely tamin’i Zakaria, rainy, hoe: «mba hampody ny fon'ny ray ho amin'ny zanaka, ary ny tsy manoa ho amin'ny fahendren'ny marina, hamboatra firenena voaomana ho an'ny Tompo (Lioka 1:16-17). Izany no nokendrena tamin’ny fiandohana, tao amin’ny minisiteran’i Jaona mpanao batisa, ary mbola izany ihany no kendrena ankehitriny, amin’ny alàlan’ny minisitera farany; izany dia ny hamboatra ny làlan’ny Tompo, sy ny hamboatra vahoaka voaomana ho Azy.

Voaresaka ao amin’ny Testamenta Taloha manontolo, ireo ray izay nomen’Andriamanitra fampanantenana ny Fanekena (Romana 9:4-5). «Rehefa nampitenenin'Andriamanitra tamin'ny razana fahiny ny mpaminany tamin'ny andro samy hafa sy ny fanao samy hafa, dia amin'izao andro farany izao kosa no nampitenenany tamintsika ny Zanany, Izay voatendriny ho Mpandova ny zavatra rehetra; Izy no nahariany izao tontolo izao,» (Hebreo 1:2). Ao amin’ny Asa 13;32-33, izao no vakintsika: «Ary izahay mitory ny Filazantsara aminareo, dia ilay Teny fikasana nolazaina tamin'ny razantsika, dia ny nahatanterahan'Andriamanitra izany tamintsika zanany, raha nanangana an'i Jesosy tamin’ny maty Izy,» (Asan'ny Apostoly 13:33). Isaky ny misy zava-mitranga izay mifandraika amin’ny Tantaran’ny Famonjena, dia misy tanteraka ireo Teny fikasan’Andriamanitra mifamatotra amin’izany. Ao amin’ny Malakia 3:23-24, izao no voasoratra: «Indro, Izaho haniraka an'i Elia mpaminany ho aminareo, dieny tsy mbola tonga ny andron'i Jehovah, ilay lehibe sady mahatahotra;» 

Ny tapany faharoa an’ny andininy 24, « ary ny fon'ny zanaka ho amin'ny rainy», dia tanteraka ato amin’ny androntsika izao. Izany no nanisian’ny Tompo tsindrimpeo ny teny fikasana, rehefa tapitra ny minisiteran’i Jaona mpanao batisa, raha niteny Izy hoe: «Elia dia avy ihany ka hampody ny zavatra rehetra.» (Matio 17:11). Toy izany koa no voalazany ao amin’ny Marka 9:12. Ankehitriny Izy dia ho nilaza tamintsika hoe: «Efa tonga Elia. Nitondra ny Hafatr’Andriamanitra ny mpaminany, ka ireo zanaky ny Teny fikasana dia mino toy izay voalazan’ny Soratra Masina, ary tafaverina amin’ny fampianarana sy ny fiainana ara-panahy izy ireo, toy izay tao amin’ilay fiangonana voalohany, tany am-piandohana.» Izany no tanjon’ilay Hafatr’Andriamanitra: ny zavatra rehetra, tsy misy latsaka, dia hanaraka ny lamin’ny Baiboly; ka ho tafaverina amin’ny laoniny, ao amin’ireo mpino ara-Baiboly, sy ao amin’ny Fiangonana-Ampakarina. 

Na iza na iza, singan’ny Fiangonana-Ampakarina, dia mahafantatra ny anton’ny nanambarana ny Teny faminaniana, izay tsy manaiky fandikana manokana, amin’izao andro izao. Mirehitra toy ny jiro izany, manazava tsara ao anatin’ny fahamaizinana ara-panahy (2 Pet.1:19-21). 

Tsy misy afa-tsy izay ao anatin’ny Baiboly no ara-Baiboly, ary mety ho amin’ny fitorian-teny, ka voatokana ho an’ny finoan’ireo olom-boafidy. Ny Fiangonana dia miorina amin’ny fototry ny apostoly sy mpaminany (Efes.2:20). Izany no mahatonga ny Hafatra ho midika hoe: miverina amin’ny Teny, miverina madiodio amin’ny fampianaran’ireo Apostoly, miverina amin’ireo traikefa rehetry ny famonjena! Misy teny tena hentitra, ao amin’ny 2 Korintiana 6:14-18, izay mitodika amin’ny vahoakan’Andriamanitra: «…Ary inona no ikambanan'ny tempolin'Andriamanitra amin'ny sampy ? Fa isika no tempolin' Andriamanitra velona, araka ny nataon'Andriamanitra hoe: Honina eo aminy sy handeha eo aminy Aho, ary izy ho oloko.» )

Ilay hafatra farany dia miantso hivoaka sy hisaraka, ary koa amin’ny famerenana amin’ny laoniny sy ny fiomanana. Voalohany, tsy maintsy mivoaka isika, aorian’izany isika vao afaka hiditra.

Efa eo am-baravarana ny Fiverenany (Matio 24:33). Mikasika izay zavatra tsy maintsy ho tonga amin’ny vanimpotoana farany, dia nilaza ny Tompo Mpanavotra hoe: «Ary raha vao miandoha izany zavatra izany dia miandrandrà, ka asandrato ny lohanareo; fa manakaiky ny fanavotana anareo.» (Lioka 21:28), sady manome ity fampitandremana ity koa Izy: «Fa miambena ka mivavaha mandrakariva, mba hahery ianareo ka handositra izany zavatra ho avy rehetra izany ary hitsangana eo anatrehan'ny Zanak'olona.» (Lioka 21:36). Hitantsika ny fahatanterahan’ireo faminanian’ny Baiboly mikasika an’Isiraely, mikasika ireo firenena hafa, sy manerana izao-tontolo-izao, ary ao amin’ny Fiangonana, amin’ny fomba manokana. Hany ka afaka isika hihiaka tsy an-kiato hoe: «Izao sy izao ao amin’ny Soratra Masina no tanteraka teo imasontsika androany!» Izany dia mampahatsiaro antsika ireo Teniny, hoe: «Fa izany teny izany efa nolazaiko taminareo, mba hotsaroanareo, raha tonga ny fotoan'androny, fa Izaho efa nilaza izany taminareo…» (Jaona 16:4). Amena.

Ankehitriny izao no fotoanan’ny zava-dehibe indrindra, dia ny firaisana tanteraka amin’ny Ampakarina sy ny Mpampakatra. Na iza na iza mpino, dia tsy mahasoa azy ny mahita fotsiny ireo famantarana ny andro, raha tsy tonga zavamisy iainany ireo traikefa ao amin’ny Baiboly, toy ny tamin’ny andron’ireo Apostoly, dia ny fanamarinana (Rom.5:9), ny fanamasinana (1 Tes.5:23), ary ny batisan’ny Fanahy Masina (1 Kor.12:13), sns…Amin’ny farany, ao amin’ny rehetra izay nampihavanina ka niaina ny famelana ny helony, dia tsy maintsy hiseho ny fitiavan’Andriamanitra tanteraka izay naseho tao amin’ny hazofijaliana, tao Golgota, satria: «Izany zavatra izany no andidiako anareo, mba hifankatiavanareo.» (Jaona 15:17). 

Rehefa ho tonga iray fo iray saina avokoa ireo tena mpino, dia hirotsaka ny loha-orana sy ny fara-orana (Jak. 5 :7-11; Joëla 2 :23; Isaia 44 :3; Zak.10 :1). Amin’izay fotoana, toy ny tamin’i Joba izay nivavaka ho an’ireo izay nanameloka azy (Joba 42:10), dia hiseho ny herin’Andriamanitrra, ka fampodiana indroa heny ny zavatra rehetra izay nomen’Andriamanitra ny Fiangonana tamin’ny fiandohana no hisy.

Tsy misy afa-tsy ny fitiavana tanteraka no fehin’ny fahatanterahana. «Ary aoka ho ambonin'izany rehetra izany ny fitiavana, fa fehin'ny fahatanterahana izany.» (Kolos. 3:14) – fitiavana tanteraka an’ilay Mpanavotra, an’ireo rehetra navotana, an’ny Tenin’Andriamanitra rehetra, ary ny finoana marina sy velona ny Teny fikasan’Andriamanitra rehetra. Rehefa ho feno ny Fanahy Masina avokoa isika rehetra, toy ny ao amin’ny Asa toko faha-2, sy tao amin’ny Fiangonana voalohany, dia ho afaka hiteny isika fa «…ny Fanahy Masina, Izay nomena antsika, no nentiny nampidina ny fitiavan'Andriamanitra ho ao am-pontsika.» (Romana 5:5). Ny hafatra “vokatry ny saina“ iray, izay adika amin’ny fomba isan-karazany dia tsy mahasoa na amin’inona, na amin’inona. Fa rehefa tena tafaverina ao amin’ny lamin’Andriamanitra ny zavatra rehetra, amin’izay dia mihatra ny hoe: «Fa izay tarihin'ny Fanahin'Andriamanitra no zanak' Andriamanitra.» (Rom. 8:14)

Rehefa tena tonga ny Mpampakatra, amin’izay no maneno ny “Antsony hifoha“, voalohany ho an’ireo izay maty tao amin’i Kristy, avy eo dia ho an’ireo izay velona ao amin’i Kristy, izay hovana, ary rehefa izany dia izy rehetra ampakarina ho eny amin’ny rahona, mihaona amin’ny Tompo. Izao no lazain’ ny Tompo izany, ao amin’ny Teniny masina sy mandrakizay (1 Tes.4:13-18). 

Toy ny naha tena nisy ny Fiakaran’ny Tompo (Asa 1:11b), dia zavatra tena hisy koa ny Fiverenany: «Iny Jesosy Izay nampiakarina niala taminareo ho any an-danitra iny dia mbola ho avy tahaka ny nahitanareo Azy niakatra ho any an-danitra.» Ho zavamisy tokoa ny fitsanganan’ireo izay maty tao amin’i Kristy
 (1 Kor.15:42-44). Ho tena hisy tokoa ny fiovan’ny tenantsika (1 Kor. 15:54). Ho tena hisy tokoa ny fampakarana (1 Tes. 4:17). Ho tena hisy tokoa ny fanasan’ny fampakaram-bady (Apok.19:7). Ho tena hisy ny zavatra rehetra, ny Fanjakana-arivo-taona ihany koa (Apok.20), ary farany, dia ireo lanitra vaovao sy tany vaovao (Apok.21). Maranatha. Avia, Jesosy Tompo! «Hoy Izay manambara ireo zavatra ireo: Eny, avy faingana Aho. Amena. Avia, Jesosy Tompo!» (Apok. 22:20)


Tsy manampy na inona na inona amin’ny Teny…

Raha ny Tantaran’ny Famonjena no jerena, ny minisiteran-drahalahy Branham dia tsy latsa-danja amin’ireo an’i Mosesy, sy Jaona mpanao batisa, ary Paoly. Tafita tamintsika, tamin’ny alàlan’ireo irak’Andriamanitra ireo ny Tenin’ Andriamanitra, ary izany no torintsika, satria ny Teny irery ihany no mitoetra mandrakizay (1 Pet. 1:25). Ao amin’ny 2 Petera 3:14-18, dia manentana ny mpino ny apostoly Petera, hanao izay ahitana azy tsy manan-tsiny amam-pondro, ho amin’ny fiverenana izay efa nampanantenaina. Mampatsiahy ireo epistilin’i Paoly koa izy, saingy soritany ihany fa misy zavatra saro-pantarina anatin’izany. Nahafantatra isika fa ny maha-zava-dehibe ny hafatra ara-Baiboly dia tsy ireo filazana saro-pantarina, toy ny an’i Paoly fahiny, izay tsiahivin’i Petera, ao amin’ny 2 Petera 3:16, na koa ireo an-drahalahy Branham, izay niandry fatratra ny hetsika farany izay hataon’Andriamanitra. Toy ny tamin’ny lasa, dia misy koa ankehitriny ireo olona sahala amin’izany, izay mamoaka ivelan’ny manodidina azy ireo filazana nataon-drahalahy Branham, ka anamboarany fampianaran-diso manokana ho azy ireo (andininy 16).

Ny toro-làlana izay nomen’i Paoly tamin’ilay sakaizany mahatoky, Timoty, ao amin’ny 2 Timoty 4, no nomen’ny Tompo, Izy mihitsy, an’ny rahalahy Branham, ny taona 1933, tao anaty fahitana iray. Izay rehetra tena mpanompon’ Andriamanitra, dia handray ireo teny ireo amin’ny fony :

«Eo anatrehan'Andriamanitra sy Kristy Jesosy, izay hitsara ny velona sy ny maty, ary noho ny amin'ny fisehoany sy ny fanjakany, no ananarako anao mafy: mitoria ny Teny, mazotoa, na amin'ny fotoana, na tsy amin'ny fotoana, mandrese lahatra, mamporisiha, mananara mafy amin'ny fahari-po sy ny fampianarana rehetra. Fa ho avy ny andro izay tsy hahazakan'ny olona ny fampianarana tsy misy kilema; fa hangidihidy sofina izy, dia hamory mpampianatra ho azy araka ny filany; ary hampiala ny sofiny amin'ny Teny marina tokoa izy ka hivily ho amin'ny anganongano. Fa ianao kosa mahonona tena amin'ny zavatra rehetra, miareta fahoriana, ataovy ny asan'ny evanjelista, tanteraho ny fanompoanao.» 

Nibaiko ahy koa ny Tompo hamaky ny 2 Timoty 4, tamin’ny volana febroary 1980, tao Marseille, any Frantsa. Ny hariva nialoha izany, dia nisy nametraka fanontaniana tamiko, voalohany indrindra, nikasika ireo kotrokorana fito an’ny Apokalypsy toko faha-10. Tsy nahavaly izany aho tamin’izay. Fa, rehefa namaky ny 2 Timoty 4 aho, dia nazava tamiko avy hatrany ny anton’ny tsy maintsy namakiako izany: Tsy afaka aho, ary tsy mahazo aho, mitory sy mampianatra afa-tsy ny Teny ihany, ary tsy afaka aho sady tsy mahazo aho, mandray anjara amin’izay rehetra fandikana vilana. Tsy mety amiko ny hanao marimaritra-iraisana amin’izany. Tsia!

Na iza na iza tena nantsoin’Andriamanitra dia handray amin’ny fony io fanentanana mandòndona loatra izay nataon’i Paoly ho an’i Timoty io, ary hampihatra izany: «Eo anatrehan'Andriamanitra…no ananarako anao mafy, mitoria ny Teny…» Izay tsy voasoratra ao amin’ny Teny dia tsy azo ampiasaina itoriana ny Filazantsara mandrakizay. Ary izay mitory zavatra tsy ara-Baiboly, na asehony toy ny fanambarana azony aza izany, dia miantso fanamelohana ho an’ny tenany (Galat. 1:8), na avy tamin’ny anjelin’ny lanitra iray aza no nahazoana izany!

Tsy maintsy nanome izao fampitandremana hentitra izao i Jaona apostoly: «Izaho dia manambara amin'izay rehetra mandre ny tenin'ny faminaniana amin'ity boky ity: Raha misy manampy ireo, Andriamanitra hanampy ireo loza voasoratra eto anatin'ity boky ity ho azy; ary raha misy manaisotra amin'ny teny amin'ny bokin'ity faminaniana ity, dia hesorin' Andriamanitra ny anjarany amin'ny hazon'aina sy amin'ny tanàna masina, dia izay zavatra voasoratra eto anatin'ity boky ity.»

Fa ireo kosa izay mianina fotsiny amin’izay voasoratra, dia ireo no lazaina fa sambatra: «Sambatra izay manaiky sy ny mihaino ny tenin'ity faminaniana ity ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny; fa antomotra ny andro.» (Apokalypsy 1:3).

 

Misaina izay lazainy Andriamanitra, ary milaza izay saininy

Nolazana ny mpaminany Daniela, hoe: «Ary ianao, ry Daniela, dia ahoroninao ny teny, ka asio tombo-kase ny taratasy mandra-pihavin'ny andro farany; maro no hazoto mandinika, ka hitombo ny fahalalana.» (Dan. 12:4)

Tonga amin’ny farany isika izao. Nosokafana ilay boky nasiana tombo-kase, ary voaàla sarona avokoa ny tao anatiny. Isaorana anie Andriamanitra; tsy misy miafina intsony izany, satria: « indro, ny Liona avy amin'ny firenen'i Joda, dia ny Solofon'i Davida, no efa naharesy ka hanokatra ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny fito.» (Apok.5:5)

«Ary hoy izy tamiko: Aza asiana tombo-kase ny tenin'ny faminaniana amin'ity boky ity, fa antomotra ny andro.» (Apokalypsy 22:10). Tao amin’ny toko faha-5 dia mbola tsy afaka tombokase ny boky

Novelarina tamintsika, an-tsipirihany, ao amin’ny Teny ny Drafi-panavotan’ Andriamanitra. Afaka isika mametraka amin’ny toerana avy, ireo anjely fito an’ny fiangonana (Apok. 2 sy 3), ireo anjely efatra voafatotra amoron’i Efrata izay manambara ny fitsarana, ary ireo anjely mpitsoka trompetra (Apok. 8-11) koa. Mazava amintsika avokoa ireo manodidina rehetra, na ny an’ny fidinan’ny Tompo, amin’ny maha-Anjelin’ny Fanekena Azy (Apok.10), na ny an’ny fisehoan’ireo mpaminany roalahy (Apok.11), na ny an’ireo lovian’ny fahatezeran’Andriamanitra fito (Apok.16). Ny fanambarana feno an’ireo zavatra hitranga tokoa mantsy no nomena antsika, noho ny fahasoavana; ary naseho tamintsika tao amin’ny manodidiny tsara avy, tamin’ny fomba mazava loatra, izay tsy mbola nisy tao amin’ireo taom-piangonana rehetra taloha.

Saingy, tsy maintsy averimberina, amin’ny Anaran’ny Tompo Jesosy-Kristy, fa ny zavamisy ankehitriny dia ny antso hivoaka sy ny fiomanan’ny Fiangonana-Ampakarina. Na mahafantatra ny zavamiafina rehetra aza isika, kanefa tsy manana fitiavana marina an’ny Teny, ny Teny rehetra, dia tsy afaka ny ho vonona isika, na ny hitia ny Fiaviany. Eo no maha samy hafa ny virijina hendry sy ny virijina adala. Efa tena eo amin’ny faran’ny andro farany isika izao, ka ny katsahina izao dia ny fampodiana feno mifanaraka amin’ny Teny, izay tsy maintsy tanteraka alohan’ny Fiverenan’ny Tompo sy Mpampakatra malalantsika. Hatramin’ny farany dia mifatotra amin’ny Teny ireo olom-boafidy, ary tsy mety ho voafitaky ny fandikana diso. Izy ireo dia mino fa ny hafatra tena izy, izay tsy mifototra afa-tsy amin’ny Soratra Masina, no mialoha ny Fiaviana faharoa an’i Kristy, ary ao amin’ny Mandrakizay dia mbola hisaotra ny Tompo izy ireo noho ny minisitera ara-paminaniana nomena an-drahalahy Branham, sy ny nandaminana ny tranga-javatra rehetra tao amin’ny Tantaran’ny Fanavotana. Amin’izy ireo no mitodika ity fahasambarana iray ity: «Fa sambatra ny masonareo, fa mahita, ary ny sofinareo, fa mandre.» 

 

Ny mpanompo tsy lehibe noho ny tompony

Misy fanontaniana marobe tonga amiko, izay tokony ho valiana. Misavovona ireo mailaka, ary anatin’ny iray misy fanontaniana 5, iray hafa misy 8, ny manaraka misy 20. Ary ny iray manokana aza dia nahatratra 45 ireo fanontaniana izay tokony ho valiako. Ny rehetra amin’ireo dia te-hahazo fanazavana mikasika ny filazana nataon-drahalahy Branham. Saingy, meteza ianareo mba hahatsapa fa tsy afaka manome fahafahampo amin’ireo fangatahana ireo aho.

Raha mikasika ireo fanontaniana ara-Baiboly, dia efa nisy asasoratra maro navoakako, nanazavako azy ireo tamin’ny alalan’ny Soratra Masina. Toy izany koa mikasika ny minisitera ara-paminaniana mahagaga sy tsy mety-diso nomena an-drahalahy Branham. Ny iraka nomen’ny Tompo ahy, ny 2 Aprily 1962, izay nohamarinin’ny mpaminany ny 3 Desambra 1962, natrehan’ny vavolombelona roa, ny rahalahy Wood sy ny rahalahy Sothman, dia ny hitory ny Teny, sy ny hizara ny hanina izay voangona. Noho ireo olom-boafidy no ampahatsiahiviko eto indray, fa ny Alahady 19 Septambra 1976, dia niteny tamiko tamin’ny feo mahery ny Tompo, toy izao: «Ry mpanompoko, Izaho dia nifidy anao, araka ny Matio 24:45-47, mba hizara ny Hanina.» Raha velona koa Andriamanitra dia marina izany.

Izy mihitsy no efa naminany, ao amin’ny Amosa 8:11, ny hisian’ny hanoanana handre ny Teniny. Ary ny olona ara-panahy dia miaina amin’ny Teny rehetra an’Andriamanitra. Hoy ny Mpanavotra antsika hoe: «Ny haniko dia ny manao ny sitrapon'izay naniraka Ahy sy ny mahavita ny asany.» (Jaona 4:34). Amin’ny alalan’i Paoly Izy, dia miteny amin’ny mpanompo tsirairay hoe: «Raha manoro hevitra ny rahalahy ny amin'izany zavatra izany ianao, dia ho mpanompo tsara an'i Kristy Jesosy, tezaina amin'ny tenin'ny finoana sy ny fampianarana tsara izay efa narahinao.» (1 Tim.4:6)

Kanefa, ny amin’izany, dia tsy maintsy tanteraka koa izay ny 2 Timoty 4, izany hoe, ho avy ny fotoana izay « tsy hahazakan'ny olona ny fampianarana tsy misy kilema; fa hangidihidy sofina izy, dia hamory mpampianatra ho azy araka ny filany…» Araka izany koa no iresahan’ny Matio 24:48-50, mpanompo ratsy fanahy izay hanao anakampony hoe: «…maharitra ela ny Tompoko…» (andin. 48). Toy ny Zanak’Olona izay mamafy voalohany, mamafy ny voa tsara, no ataon’ireo izay irahiny koa (Mat.13). Aorian’izany, hatrany, vao mitsofoka ny fahavalo mamafy ny voa ratsy, ny tsimparifary, dia ireo fandikana vilana. Ny mpanompo mahatoky sy manan-tsaina dia tsy mamafy afa-tsy ny Voan’ny Teny, ary izy no mizara ny Hanina ara-panahy. Ny mpanompo ratsy fanahy dia mizara ireo fandikany manokana.

Ireo rehetra naterak’Andriamanitra dia mino ary mifaly noho ny amin’ny Tompo Jesosy mihitsy no nanome ny iraka ho an’izao andro izao, hitory ny Teny. Tsy maintsy hamafisina hatrany fa izay irahin’Andriamanitra dia tsy mitory afa-tsy ny Tenin’Andriamanitra, ary izay an’Andriamanitra dia tsy hihaino afa-tsy ny Tenin’Andriamanitra (1 Jaona 4:6), ary tsy mba hihaino izay anganongano (2 Tim.4:4).

Nanoratra i Paoly hoe: «fa amin'ny zavatra rehetra dia mampiseho ny tenanay ho mpanompon'Andriamanitra izahay, dia amin'ny faharetana be, amin'ny fahoriana, amin'ny fahaterena…amin'ny Teny fahamarinana, amin'ny herin'Andriamanitra, amin'ny fiadian'ny fahamarinana, na amin' ny ankavanana na amin'ny ankavia, amin'ny voninahitra sy ny fahafaham-boninahitra, amin'ny laza ratsy sy ny laza soa; tahaka ny mpamitaka, nefa marina ihany;» (2 Kor.6:4-8)

Ao amin’ny 1 Petera 4, manomboka ny andininy 12, dia mamaky isika fa indraindray ny mpino dia mandalo fizahan-toetra mahamay, kanefa amin’izany no andraisantsika anjara amin’ireo fahorian’i Kristy, «…mba hiravoravoanareo indrindra amin'ny fisehoan'ny voninahiny koa.» (1 Pet. 4:13)

Niaritra fanaratsiana ihany koa ilay Mpanavotra antsika, hatramin’ny Fahaterahany ka hatramin’ny Fiakarany. Nokianin’ireo mpanora-dalàna Izy, hoe zazasary (Jaona 8:41), mifandray amin’i Belzeboba (Lioka 11:15), mpisandoka (Mat.27:63), ary jiolahy mihitsy aza (Jaona 18:30). Niaretany avokoa izay mety ho fanalam-baraka, ary na efa teo amin’ny hazofijaliana aza Izy, dia mbola novingavingaina. Saingy, ny marain’ny Paska, nivoaka ny fasana Izy, toy ny Mpandresy ny devoly sy ny fahafatesana ary ny helo, ka afaka Izy nanambara hoe: «Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany Tamin-kiakam-pandresena maro no niakarany tany an-danitra (Sal. 47:6; Sal. 68:19; Lio. 24:50-53; Asa 1:9-11) ary ho amin-kery lehibe sy voninahitra koa no hiverenany indray. 

Toy ny tamin’ny Tompo koa no tsy maintsy ho amin’ireo Mpanompony: «Tsarovy ny teny izay nolazaiko taminareo hoe: Ny mpanompo tsy lehibe noho ny tompony. Raha nanenjika Ahy izy, dia hanenjika anareo koa; ary raha nitandrina ny teniko izy, dia hitandrina ny anareo koa (Jaona 15:20. Voalaza koa hoe: «Sambatra ianareo, raha halan'ny olona ka ariany sy haratsiny, ary laviny toy ny zava-dratsy ny anaranareo, noho ny amin'ny Zanak'olona.» (Lioka 6:22)

Toy izany koa no hahatanteraka ny hoe: «Izay mamafy am-pitomaniana dia hijinja am-pifaliana. Mandeha mitomany mitondra ny voa afafiny izy, fa hiverina mitondra ny amboarany amin'ny fihobiana kosa.» (Salamo 126:5-6). Isika koa dia hihoby sy hifaly, amin’ny Fiverenany, rehefa hiseho amim-boninahitra ny Tompo, «Izay, na dia tsy mbola hitanareo aza, dia tianareo, ary na dia tsy hitanareo ankehitriny aza, anefa, satria inoanareo, dia iravoravoanareo amin'ny fifaliana tsy azo tononina sady be voninahitra,»
(1 Petera 1:8). Ankehitriny isika dia miharitra latsa sy fanafintohinana noho ny Anarany. Saingy, hifaly sy hihoby isika, ary handray satroboninahitra, rehefa hiverina Izy (1 Pet. 5:4). Tonga voalohany Izy, nanafaka ireo fahotantsika, ho tonga fanindroany Izy ho an’ireo izay miandry Azy (Hebr. 9:28), ho an’ireo izay tia ny Fiaviany (2 Tim. 4:6), ary ho an’ireo izay efa niomana (Mat.25:10). 

Mankahery antsika i Jaona apostoly, hoe «Ary ankehitriny, anaka, tomoera ao Aminy, mba hananantsika fahasahiana, raha hiseho Izy, ka tsy ho menatra eo anatrehany amin'ny fihaviany.» (1 Jaona 2:28) – «…nefa tsy mbola naseho izay ho toetsika rahatrizay. Fantatsika fa raha hiseho Izy, dia ho tahaka Azy isika, fa ho hitantsika Izy, dia izay tena endriny tokoa.» (1 Jaona 3:2)


Inona no mitranga rehefa mierona toy ny liona ny Tompo? 

Andao lazaina indray mandeha koa, mba ho azon’izay tonga farany: Ny olona izay mino toy ny voalazan’ny Soratra Masina dia handray ny fanambarana an’ireo andinin’ny Baiboly mifandraika amin’ny lohahevitra tsirairay avy. Ao amin’ny Apokalypsy toko faha-10, ny Tompo dia midina, amin’ny maha Anjelin’ny Fanekena Azy, mitondra boky iray misokatra, ary mametraka ireo Tongony amin’ny tany sy amin’ny ranomasina, sy mihiaka amin’ny feo mahery toy ny liona mierona. Ny teny-fanalahidy eto dia “mierona“.

Tao amin’ny toriteny “Ny banga“ tamin’ny 17 Martsa 1963, dia novakin-drahalahy Branham ny Apokalypsy 10:1, ary niteny avy hatrany izy hoe: «Raha tsikaritrareo, dia Kristy io. Tao amin’ny Testamenta Taloha Izy dia nantsoina Anjelin’ny Fanekena. Tonga mivantana amin’ireo Jiosy àry Izy, satria ny Fiangonana efa tontosa…ny Fiangonana efa nampakarina.» 

Izany no fahatanterahan’ny tapany faharoa an’ny Malakia 3:1: «Ary ny Tompo Izay tadiavinareo dia ho avy tampoka ho eo an-tempoliny; ary ny Anjelin'ny fanekena Izay irinareo, dia, indro, tamy Izy…»

Izay hitranga amin’ireo mpino Israelita, dia efa nambaran’ny Teny faminaniana. Amin’izay dia ho tanteraka ny «Jehovah mierona ao Ziona, ary mampikotroka ao Jerosalema, ka hihorohoro ny tany aman-danitra; Fa Jehovah no fialofan'ny olony sy fiarovana mafy ho an'ny Zanak'Isiraely (Joela 4:16)

«Harahin'ireny Jehovah, hierona toy ny liona Izy; Eny, Izy no hierona, dia hanatona amin-kovitra avy any andrefana ny zanaka.» (Hosea 11:10)

«Ary hoy izy: Jehovah mierona ao Ziona ary mampikotroka any Jerosalema Ny saha fiandrasana ondry dia mitomany ary maina ny tampon'i Karmela.» (Amosa 1:2)

Amin’io fotoana ieronany toy ny liona io ihany vao maneno ny feon’ireo kotrokorana fito (Apok.10:3). Tamin’izay, raha andeha hanoratra izay voalaza i Jaona, dia nisy feo avy tany an-danitra nilaza taminy hoe: «Asio tombo-kase izay efa notononin'ny kotrokorana fito, fa aza soratana» (Apok.10:4). Hanome tahotra masina an’ny rehetra anie Andriamanitra, mba hanajany izany, satria izany dia tena Izao no lazain’ny Tompo marina.

Amin’izany fotoana izany, ilay Anjelin’ny Fanekena, izay mametraka ireo tongony amin’ny tany sy ny ranomasina, sy mierona toy ny liona, dia manandratra ny tànany amin’ny lanitra, ary mianiana amin’Ilay velona mandrakizay fa «tsy hisy andro intsony…» Ao amin’ny bokin’i Daniela mpaminany, ny andininy 12:7, dia ahitana fianianana toa an’io, fa amin’ny antsipirihany kokoa: «…nianiana tamin'Izay velona mandrakizay izy fa ho fetr'andro iray sy fetr'andro roa ary antsasaky ny fetr'andro; ary rehefa vita ny fanamontsamontsanana ny herin'ny olo-masina, dia ho tanteraka ireo rehetra ireo Amena! Ny Teny faminaniana dia milaza amintsika mazava tsara fa: mbola hisy telo taona sy antsasaky ny taona hatreo amin’ny fianianana, vao ho vita ny zavatra rehetra, ao amin’ny vanimpotoana farany. Hitantsika ao amin’ny Daniela 7:25 koa ireo telo taona sy antsasaky ny taona ireo, mifandraika amin’ Isiraely, ary ao amin’ny Apokalypsy 12:4, dia mahita indray isika: fetr’andro iray, sy fetr’andro roa ary antsasaky ny fetr’andro, toy ny ao amin’ny Daniela 12:7.

Mazava-ho-azy fa tsy mikasika ny Fiangonana-Ampakarina izay efa ho nampakarika izany, fa mikasika ny fahoriambe sy Isiraely. Izao no voalaza tamin’ny mpaminany Daniela: «Ary avy hampahafantatra anao izay hanjo ny firenenao any am-parany aho, satria mbola hihatra amin' izany andro izany ny fahitana.» (Dan.10:14). Rehefa jerena avokoa ireo andinin’ny Baiboly rehetra mifandraika amin’izany, dia mora apetraka tsara, ara-Baiboly, io zavatra hitranga be voninahitra io. Ary satria tsy mahakasika ny Fiangonana-Ampakarina izany, fa Isiraely, dia tsy ilaintsika ny manadihady ny tranga mikasika izany. Anjaran’ny Tompo no miahy ny Vahoakany hatramin’ny farany. 

 

Fiafaran’ny fotoana izao; antomotra ny Fiaviany 

Ao amin’ny Matio 24, Marka 13 sy Lioka 21, ny Tompo dia niteny mikasika ireo zavatra hitranga mandritra ny fotoana mialoha ny Fiverenan’i Kristy. Nampitahany ity taranaka ity amin’ireo tamin’ny andron’i Noa (Genesisy toko 6 hatramin’ny 9), sy amin’ny toetr’i Sodoma sy Gomora (Gen.19; Lioka 17). Ho toy ny tamin’izany fahiny izany ihany no hisy, ary tena izany tokoa no misy. 

Ny fiarahamonina moderina ankehitriny dia mijery, amin’ny ankapobeny, ny Tenin’Andriamanitra sy ireo lamin’ny Famoronana, toy ny zavatra efa lany andro. Marina izany, eo anivon’ny mpivady, eo amin’ny ankohonana sy ny fianakaviana, ary amin’ireo soatoavina nolovana tamin’ny razana. 

Ny apostoly Paoly, izay lasibatry ny fitsikeran’ireo teolojiana, dia tsy maintsy niampanga ny zavanisy ao amin’ny Romana 1:24-32: «Izany no nanoloran'Andriamanitra azy ho amin'ny filan-dratsy mahavoafady; fa ny vehivavy tao aminy nanova ny fanaony ho amin'izay tsy fanaony; ary tahaka izany koa ny lehilahy, fa namela ny fanao amin'ny vehivavy izy ka maimay tamin'ny fifampilany samy lehilahy nifanao izay mahamenatra…» Dia mbola izany ihany no tanteraka, hitantsika sy renesintsika ankehitriny.

Toy ireo sehatra hafa rehetra, dia milahatra amin’ny fanahin’izao andro izao koa ireo fiangonana. Farany teo, dia afaka namaky matoandahatsoratra toy izao isika: «Fiovan-kevitry ny fiangonana katolika. Ny Vatican dia manatona ireo homosexuels sy ireo lesbiennes. Fanazavana: amin’ireo toetrany sy ireo talentany dia afaka mampivoatra ny fiarahamonina ny homosexuels…»

Ekena fa ny tsirairay avy dia samy manan-jo hihaina araka izay tiany, ary tsy misy olona azo atao tsinontsinona, na koa aza avakavahana noho ny fomba fiainany. Ny haja maha olombelona an’ny tsirairay dia mbola lohahevitra tsy azo idikidirana 

Saingy, ho an’izay mino Andriamanitra, sady efa nateraky ny Fanahy marina, dia mbola ny Tenin’Andriamanitra ihany no famarana ankehitriny. Izay rehetra singan’ny tena Fiangonan’ny Tompo, dia manaja ny lamin’ny Famoronan’Andriamanitra, ao amin’ny mpivady sy ny ankohonana, toy ny hanajany ny lamin’ny Fiangonana sy ny Drafi-panavotana izay nampitain’ Andriamanitra tamintsika tao amin’ny Teniny, ary miditra an-tsitrapo ao amin’ny Lamin’Andriamanitra izy ireo, amin’ny lafiny ara-nofo toy ny amin’ny lafiny ara-panahy.

Fa, alohan’ny zavatra rehetra, dia tsy maintsy tonga izay nambara tamin’ireo mpivory, nandritra ny fitorian-teny voalohany, 2000 taona lasa izao, tamin’ny fanorenana ny Fiangonan’ny Testamenta Vaovao, hoe: «Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin'ny Anaran'i Jesosy Kristy ianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary ianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina; fa ny teny fikasana dia ho anareo sy ny zanakareo ary ho an'izay rehetra lavitra, na iza na iza hantsoin'i Jehovah Andriamanitsika hanatona Azy.» (Asa 2:38-39) Ny fitorian-teny ankehitriny dia tsy maintsy mirindra amin’ny toriteny voalohany. Ary ho an’ireo mpinon’ny taonan’ny Fiangonana farany, ireo torolàlana dia tsy miova, fa tsy misy valaka amin’izay nomena ireo mpinon’ny taona voalohany ihany. Ny olona izay mandà ny horesen’ny Fanahy Masina lahatra, ary tsy manaiky ny tolo-panavotana, dia tsy ho mety koa ho voatarika amin’ny fibebahana.

Tsy misy olona mahavita manavo-tena; fa ny tsirairay dia tsy maintsy miantso ny Anaran’ny Tompo sy Mpanavotra, mitalaho Aminy famelan-keloka sy fanafahana, amin’ny alàlan’ny vavaka. Ary aorian’izany izy dia mbola hiaina koa, ankehitriny, ny fahatanterahan’izao manaraka izao: «Fa izay rehetra miantso ny Anaran'ny Tompo no hovonjena.» (Rom. 10:13). «Tamin'ny taona fankasitrahana no nihainoako anao, Ary tamin'ny andro famonjena no namonjeko anao; indro, ankehitriny no andro fankasitrahana; indro, ankehitriny no andro famonjena;» (2 Kor. 6:2)

Noho ny fahasoavan’Andriamanitra dia tafaverina mifanaraka amin’ ny Tenin’Andriamanitra ny fiainan’ireo mpino, na ny ara-nofo na ny ara-panahy. Satria tsy misy afa-tsy izay ao amin’ny Teny ihany no afaka ho ao amin’ny Sitrapon’Andriamanitra. Ary tsy misy afa-tsy amin’izany fomba izany no ahafahantsika miara-mamindra amin’Andriamanitra, toy ny nataon’i Enoka, mialoha ny nampakarana azy (Heb.11:5). Araka izany no ahazoantsika ny fankasitrahan’Andriamanitra, ka ho toy ny Ampakarina tonga lafatra no hidirantsika ao amin’ny fampakaram-bady, miaraka amin’ny Mpampakatra. Amena.

«mba horaisiny ho an'ny tenany izany ho fiangonana malaza tsy misy pentimpentina, na fiketronana, na izay toy izany, fa mba ho masina sady tsy misy tsiny izy.» (Efes. 5:27)

Misy fitsidihana misionera maro indray no efa voalamina ho an’ireo volana ho avy. Mangataka aminareo aho tsy hanadino ahy ao amin’ny vavakareo.

Miasa araka ny irak’Andriamanitra
E. Frank