Slobonda Narodna Misija

Isukrst juče je i danas onaj isti i u vijek.

Jezik




TANISA MIJOTSO
(Compte à rebours)

William M Brahnam

9 febroary 1964,
FAIRGROUNDS BAKERSFIELD, CALIFORNIE, ETAZONIA

 

Diso fotoana sahabo ho dimy amby telopolo minitra isika izao. Tsy te-hiteny ela aho, satria hanao filaharam-bavaka isika avy eo, hiantso ireo izay nahazo karatra fahazoam-bavaka, ary hivavaka ho azy ireo. Teny fikasana ho antsika rahateo izany.

Fa izao, dia hitsangana isika, ho fanajana ny Teny, mandritra ny hamakiako andalan-tSoratra Masina, ka angatahako amin'Andriamanitra hanome ahy ny manodidin’izany Teny izany. Andao vakina ao amin'ny Hebreo, toko faha-11, raha sitrakareo hanaraka eo ampamakiana izany isika.

“Ary ny finoana no fahatokiana ny amin'ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita. Fa izany no nahatsara laza ny ntaolo. Finoana no ahafantarantsika fa ny Tenin’Andriamanitra no nanaovana izao tontolo izao, ka dia tsy izay zavatra miseho no nanaovana izao zavatra hita izao.”

Hivavaka isika. Tompo ô, tahio ny Teninao. Hamasino ny fitaovana ho ampiasaina, ary aoka ny fampiasana izany fitaovana izany hifanaraka tsara amin'ny Teny, mba hitondra ny Fiainana ary hamelona indray io Teny io eto anoloanay. Amin'ny Anaran’i Jesosy no angatahanay izany. Amena. 

Mahazo mipetraka isika.

Izao dia mangataka ny fifantohanareo rehetra aho mandritra ny roapolo minitra eo ho eo fotsiny. Andalan-tsoratra fohy no eto amiko, tiako omena ny lohateny hoe: Tanisa mijotso.

Hainareo, ianareo ve efa nandre izay lazain’ny Soratra Masina mikasika ny zavatra rehetra? Ny zavatra rehetra misy, izay hitantsika, dia natao avy tamin'ny zavatra tsy misy, fa ny Tenin’Andriamanitra no niantso azy ireo hisy. Ny tontolo izay itoerantsika izao, ireo seza ipetrahantsika, ny gorodona itsahintsika, ny loto, ireo hazo ary ny zavatra rehetra, dia tsy inona fa fandikana ny Tenin’ Andriamanitra avokoa. Mitranga ny zavatra rehefa mandika ny Teniny Andriamanitra, izany no manambara azy, “Misia izao”, dia nisy izany. “Misia izatsy”, dia nisy izany. Dia izany no nahitantsika ny zavaboaàry, izany ny fomba nampisy azy.

Fa ny zavaboaàry no Baiboliko voalohany. Toy ny efa fantatry ny rehetra izay efa nihaino ahy, izaho dia ny sokajin’ny bado no misy ahy, zara aho raha mahay mamaky teny. Kilasy fahafito no nianarako farany. Manana traikefa isan-karazany aho. Ka rehefa mitory aho dia tsy maintsy ny zavaboary no angalako tolotsaina, mba ahazoanareo ny zavatra lazaiko. Tsy afaka mampiasa voambolana fampiasan’ireny olona marani-tsaina sy avara-pianarana ireny aho, satria tsy nahazo ny fianarana mifanandrify amin’izany. Izany no antony hakako endri-javatra ao amin’ny zavaboaàry, araka ny tolo-tsaina azoko. Nahatsiaro tena ho manirery aho noho izany. Kanefa indray mandeha… namaky tao amin'ny Baiboly aho fa toy izany koa ireo mpaminanin’ny Testamenta Taloha. 

Ary toy izany i Jaona mpanao batisa, ilay mpaminany lehibe indrindra. Ary fantatsika fa vao sivy taona izy dia nentin’ny Fanahy Masina tany an’efitra, satria izy no voatendry hanondro ny Mesia. Mpisorona ny rainy, ary tokony ho nanaraka ny lalan-drainy izy. Saingy, lehibe loatra ny anjara asany ka tsy ho nety ny nandraisany fanabeazana avy tamin’olona. Tsy maintsy avy tamin’Andriamanitra no nandraisany ny hafatra. Araka izany, rehefa feno telopolo taona izy dia niala tao an’efitra, tsy nisy olona nampianatra, saingy kosa nirehitra tao am-pony, nahazo fanambarana sy fahitana tamin’Andriamanitra, fa izy no handeha hanondro ny Mesia amin’ny vahoaka. Fantany loatra izany ka hoy izy: “Eto aminareo misy Anankiray Izay tsy fantatrareo”. Diniho izany. “Misy Anankiray eo aminareo, Izay tsy fantatrareo. Izaho tsy mendrika hamaha ny fehin-kapany akory, fa Izy hanao batisa anareo amin'ny Fanahy Masina sy ny Afo. Efa eny an-Tànany ny Fikororohany”.

Tsikaritrareo ve ny fomba fiteniny? Niteny tamin’ireo fariseo izay nanatona azy ireo. Fantany ny tao am-pon’izy ireo, satria mpaminany izy. Hoy izy hoe: “Ianareo, ry taranaky ny menarana”. Ny bibilava no nanehoany azy. Hitanareo, izy ireo, fantany fa…

Fa raha lehilahy hafa, dia ho nety niteny hoe: “Ianareo…”, miampy zavatra hafa, hainareo, ho nampiasa firindran-teny ara-drafitra tsara: “Ianareo, ry tsinontsinona sombin-javatra tsy manam-petezana”, na zavatra hafa tianareo ilazana izany. Mety ho tsy izany, fa zavatra noforoniko toy izao fotsiny, hitanareo. Araka izany, mety ho teny hafa mahazatra azy.

Fa hitanareo ny tolotsainy? Fantany fa ny bibilava dia madinika, mandady ary fetsy ratsy. Izany no nitenenany hoe: “Ry taranaky ny menarana, iza no nanoro hevitra anareo handositra ny fahatezerana ho avy? Aza manomboka manao anakamponareo hoe: “Mpikambana amin’izao na izatsy izahay”, satria lazaiko aminareo fa Andriamanitra dia mahay manangana zanaka ho an’i Abraham avy amin’ireto vato ireto (izany no hitany tany an’efitra sy teo amoron-drano). Ary koa, efa mitoetra eo amin'ny fototry ny hazo ny famaky”. Zavatra efa zatra hitany. “Ny hazo rehetra izay tsy mamoa’’ dia (tahaky ny tany an’efitra, izany no fataony kitay). Hitanareo? “Ary indro, efa mitoetra eo amin'ny fototry ny hazo ny famaky! Koa ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ka atsipy any anaty afo”. Hitanareo, ny tolotsainy dia avy amin'ny zavaboaàry.

Ary, raha ianareo handinika akaiky ny zavaboaàry, dia tsy hanalavitra loatra ny Teny, satria Andriamanitra dia ao amin'ny zavaboaàry. Raha tsy diso aho, fony aho nandalo farany tety amorontsiraka andrefana, dia nitory ny fomba efatra izay ahitana an’Andriamanitra. Andriamanitra ao amin'ny Zanakalahiny, Andriamanitra ao amin'ny Teniny, Andriamanitra ao amin'ny zavaboaàry, sy ny sisa.

Fa raha tsikaritsika, ny zavatra rehetra nataon’Andriamanitra ao amin’ny zavaboaàry, (andeha ataoko fomba fitenenana izany), ny zavatra ara-javaboaàry dia maneho zavatra ara-panahy… satria izy ireo dia vita avy tamin'ny zavatra tsy hita maso. Ny Teny no nanao izany. Raisintsika ohatra, izao…

Volana vitsivitsy lasa izay, niangavian’ny namako ela malala iray izay aho hitoriteny tamin'ny fandevenana iray. Maro aminareo efa namaky ny bokiko, ary tadidinareo aho fa niresaka ankizy iray, tily, na karazan’izany. Nangataka taminy aho mba hatokany ho ahy ny fanamian-tsokotiny rehefa tsy hilainy hatao intsony izany. Ary dia natokany ho ahy ny kalisaona lava iray. Tsaroanareo? Ao anatin’ilay boky izany. Ary niakanjoako izany. Lloyd Ford no anarany. Maty vao tsy ela ny reniny, tamin’ny sahabo ho faha-dimy amby valopolo taonany. Anisan’ny namako tsy foiko tokoa izy. Koa irery i Lloyd izao – niara-nonina tamin'ny reniny izy – dia nanatona ahy izy, ka hoy izy: “Rahalahy Bill”. Izany no fiantsoany ahy. Izaho kosa niantso azy Lloyd, izy niantso ahy Bill.

Dia hoy aho taminy: “Inona no atao anao, ry rahalahy Lloyd?”

Hoy izy: “Afaka hitoriteny ve ianao amin'ny fandevenana ny reniko?”

Dia hoy aho taminy: “Ho faly aho hanao izany. Ho toy ny manao izany amin' ny reniko ihany aho.” Hoy aho: “Impiry impiry moa izy no nanao sakafo ho ahy, sy zavatra maro hafa koa, sady tsara fanahy loatra tamiko koa izy.”

Hoy izy: “Tiako raha ireto no ho teneninao ho teny farany mikasika azy, Rahalahy Branham.

Hoy aho: “Inona no ho tianao, inona no tianao holazaiko, Lloyd.

Hoy izy: “Zavatra iray no tiako ataonao. Omeo toky ny fianakaviako, omeo toky amin'ny hitsanganany amin'ny maty izahay.”

Araka izany dia naka andalan-teny tao amin'ny bokin’i Joba aho, izay nampiseho ny fijerin’i Joba ny zavaboaàry, ka hoy aho raha…

Tamin'ny nahafaty ny reniko – roa taona katroka izao no nahafaty ny reniko – dia vao niova fo ny zandrivaviko. Ka nony hitany fa niala aina ny reniny, dia niantso ahy izy. Hoy izy: “Bill, inona no azoko atao?... Tsy tantiko intsony ny mitsangana eto mijery ny reniko.”

Hoy aho: “Izany no zavatra kanto indrindra ho an’ny maso, amin'ny efa hitako.”

Hoy izy: “Ahoana no afahanao miteny toy izany mikasika ny reninao?”

“Oh” – hoy aho – “Efa vonona handeha izy, sady te-handeha. Efa antitra izy ary vonona handao ity fiainana ity.”

Hoy aho taminy: “Neny, mbola midika zavatra ho anao ve Jesosy? Ilay nanao ny andro izay nandraisanao ny Fanahy Masina?”

Ho niteny izy hoe “Eny”. 

Saingy efa tsy nisy hery intsony izy, dia hoy aho taminy: “Mitsikia”.

Rehefa tonga tamin'ny ambany indrindra izy dia tsy afaka nitsiky intsony, na niteny, koa hoy aho taminy: “Am-pialana aina ianao, Neny”. Namihina azy tan-tànako aho tamin'izay. Hoy aho taminy: “Neny, raha mbola tsy niova ny fahitanao an’i Jesosy, raha mbola mamy, na mamy kokoa aza Izy aminao nohon’ny fony nandraisanao ny Fanahy Masina, (izaho zanakao mpitoriteny, tsy maintsy miatrika ny vahoaka), mbola midika zavatra aminao ve Jesosy izao ianao am-pialana aina izao? Raha izany, ka tsy afaka miteny ianao…” Tsy afaka niteny izy. Nanontany aho: “Tsy afaka miteny ve ianao, Neny?” Tsy afaka nihetsika izy. Hoy aho: “Akipikipio ny masonao, akipikipio faingana.” Dia nanomboka nanakipikipy ny masony tena faingana izy, ny ranomasony nikoriana teny an-takolany, satria efa tsy afaka niteny intsony izy. Fa ny fandrenesana tao anatiny nahatsapany ny Fanatrehan’i Jesosy Kristy. Vetivety, nisy rivotra nandalo namakivaky ny efitra, ary niaraka taminy no nivoaka ny reniko, nandeha hihaona tamin’Andriamanitra.

Fa tamin'ny nahafaty io vehivavy io, dia niteny aho hoe: “Misy fanantenana ve amin'ny fitsanganana amin'ny maty?” Hoy aho: “Ny zavatra rehetra…”

Nanana tombotsoa aho afaka niresaka saika tamin'ny firenena rehetra ambanin’ ny lanitra. Nahita karazan’andriamanitra sy karazam-pivavahana aho, fa tsy nisy marina ireo rehetra ireo, afa-tsy ny Kristianisma. Izy irery ihany. Na ny zavaboaàry mihitsy aza, dia anambaran’ilay Andriamanitra Mpahary ny Kristianisma!

Jereo, fa hita ao ny fiainana, ny fahafatesana, ny filevenana, ary ny fitsanganana amin'ny maty. Fitsanganana amin'ny maty! Ny rehetra… Tsy afaka mandeha eny rehetra eny ianao, ka tsy hahita izany. Diniho ireo ravinkazo mipoitra amin'ny lohataona. Jereo izy ireo tonga amin’ny fahatanorany, sy amin’ny fahamatorany, ary amin’ny fahanterany. Ireny làlan-dranonkazo eny amin'ny ravina ireny no mitondra ny aina. Fa, minitra vitsy mialohan’ny ilatsahan’ny hatsiaka, hitanareo fa tsy eo aminy intsony izany. Dia milatsaka ireo ravina. Inona no mitranga? Ny aina tao amin’ilay hazo, io ranonkazo io, dia midina any amin'ny fakany. Raha tsy manao izany izy, ny hatsiaky ny ririnina dia hamono io hazo io, hamono ny aina. Tsy afaka mijanona eny ambony eny izy. Tsy maintsy midina izy ary milevina. Fa amin'ny lohataona manaraka dia miverina indray izy, ao amin'ny ravina vaovao. Izany manaporofo fa misy ny fiainana, ny fahafatesana, ny filevenana ary ny fitsanganana amin'ny maty. Manana fanehoana izany avy ny zavatra rehetra. Isika fotsiny tsy afaka hitanisa izany izao.

Diniho ny masoandro. Rehefa mipoitra izy ny maraina, dia manazava ny lanitra. Toy ny zazakely voarotsirotsy eo an-tànan-dreniny izy, mbola malefaka, tsy manana aina firy, tsy ampy hery. Dia mankany an-tsekoly izy amin'ny valo ora. Mahazo diplaoma izy amin'ny iraika ambiny folo ora sy sasany, efa nialany ny anjerimanontolo sy ny kolejy. Vory hery tanteraka izy anelanelan’ny amin'ny roa ambin’ny folo sy roa hariva. Avy eo izy dia manomboka mihamalemy, mihamalemy hatrany, ka farany dia tena malemy, tahaka ny lahiantitra na vaviantitra izay mihareraka, dia maty. Tena fiafarana ve izany? Miverina indray izy ny ampitso, manambara fa: “Misy ny fitsanganana amin'ny maty, sy ny fiainana ao ankoatry ny fahafatesana.”

Ny zavatra rehetra dia manambara izany. Ny zavaboaàry manontolo dia milaza izany. Vavolombelon’izany ny Teny. Ny Fanahy Masina izay ao am-pontsika dia manambara izany. Ao anatintsika ao, misy zavatra miteny hoe: “Misy ny fitsanganana amin'ny maty”. Koa, hitanareo, raha hiteny... 

Ny zavatra rehetra, raha miasa ho an’ny planin’Andriamanitra, dia manana fitsanganana amin'ny maty. Ary tsy afaka mitsangana izy raha tsy miasa ho an’ny planin’Andriamanitra. Ny voninkazo miaina iray, raha tsy nitsimoka, dia tsy ho tafatsangana indray. Raha mamboly katsaka ianao, kanefa tsy mitsiry izany, dia tsy ho tafatsangana indray izany. Ny zavatra rehetra izay tsy miasa ho an’ny planin’Andriamanitra dia tsy manana fitsanganana amin'ny maty. Fa ianao dia tsy afaka mitahiry anaty tany izay zavatra miasa ho an’ny planin’ Andriamanitra, satria miverina velona indray izy mba ho vavolombelona fa misy ny fitsanganana amin'ny maty. Fantatsika fa marina izany rehetra izany. Mijoro vavolombelona amintsika izy ireo, mba hampionona antsika. Isan’andro, izay rehetra anopazanao ireo masonao, dia ahitanao an’Andriamanitra.

Misy ny vatana ara-nofo, olombelona iray. Misy Vatana ara-panahy iray an’olona maro.

Misy vady ara-nofo. Nananako tombotsoa ny nampanambady tanora mendrika maro. Ary tsy mba nisaina izany aho raha tsy… Somary ovaiko toerana izy ireo – finoanoampoana kely ananako izany – ireo miatrika ahy, ny lamosiko mitodika atsinanana, ary ireo mijery atsinanana. Ary rehefa mijery azy ireo aho, dia misaina ireo fony miara-mitempo tahaka ny tokana, Kristy sy ny Vadiny. Misy ny vady ara-nofo, ary ny fisian’ny vady ara-nofo, dia mba ho vavolombelona fotsiny fa misy ny Vady ara-panahy. Misy ny Vady ara-panahy satria misy ny vady ara-nofo.

Ireo sehon-javatra ara-javaboaàry rehetra, ankehitriny ireo, dia mialoha làlana sehon-javatra ara-panahy. Ny zavatra miseho tsirairay dia manaraka zavatra iray hafa, ary manatsara izany fotsiny.

Dia hoy ianareo hoe: “Inona no tahaka izany?”

Tsara. Ohatra, toy ny fiainana ara-panahy. Rehefa tonga ao amin'ny fiainana ara-nofo izany, dia manatsara ny fiainana ara-nofo. Izany dia mahatonga anao ho tsara toetra kokoa, noho ianao niaina tao amin’ny ara-nofo fotsiny.

Rehefa antitra ny ravinkazo iray dia maty. Rehefa velona indray izy ny taona manaraka, ho fijoroana vavolombelona ny fitsanganana amin'ny maty, dia tsara kokoa ny toetrany noho izy nialoha ny nihintsanany. Hitanareo, manamarina izany ny zavatra rehetra.

Izao indray, ohatra, raisintsika ireo zavabitan’ny olombelona teto ambonin’ity tany ity. Ao amin’ireo zavabita tamin’ny zavaboaàry rehetra ankehitriny ireo… Mangataka anareo rehetra hifantoka tsara aho izao. Ny zavabita tamin’ny zavaboaàry rehetra teto amin’ny tany dia fanomanana ny zavabita ara-panahy nataon’Andriamanitra tamin'ny alalan’ny Fiangonany.

Ny zavatra rehetra ara-javaboaàry dia endrika zavatra ara-panahy avokoa.

Dia hanontany ianareo hoe: “Ahoana izany?”

Raisintsika ohatra ny fitaterana. Tamin'ny voalohany dia ny soavaly no natao fitaterana. Avy teo dia ny fiarakodia. Nanaraka izany, ny siansa dia nahavita fiaramanidina nitaterana antsika. Ary hitanareo fa ilay voalohany dia herin’ny soavaly tokana monja. Ny fiarakodia dia mety nanana hery toy ny an’ny soavaly roapolo. Ny herin’ny fiaramanidina dia miakatra hatramin’ny soavaly an-jatony maromaro. Hitanareo izany? Dia toy izany no nandrosoantsika. Tamin'ny soavaly aloha. Avy teo nahavita ny fiarakodia, ary ny zavatra vita nanaraka dia ny fiaramanidina. Mihamiakatra fotsiny hatrany ny zavabitantsika, sady mihalehibe no mihafaingana. Izany no zavabitan’ny siansa. Izany dia mialoha làlana ireo zavamisy ara-panahin’Andriamanitra, vita tamin'ny alàlan’ny Fanahiny, ary efa tao anatin’ny Teny fikasany.

Mba hahavitany zavatra, ny olombelona ara-nofo dia mijery aorina, mampiasa ny fahalalana: izany ny siansa, mikaroka izay nataon’Andriamanitra tany amin’ny famoronana voalohany tany. Mivoaka izy ireo, manangona vongan-tany, poti-bato, zava-maniry na taolam-biby efa lasa vato, singa isan-karazany. Akambakambany izany avy eo. Hitanareo, ho fanatontosana izany, dia raisin’izy ireo izay nataon’ Andriamanitra, ary disoiny, miala amin'ny toetrany voalohany, miala amin’ny fonenany, ny toe-kareny, sy ny sisa, mba hahatsara azy kokoa noho ny toetrany voajanahary. Izany no fanatontosana zavabita fanaon’ny olombelona.

Fa ao amin'ny fanatontosana ara-panahy kosa, Andriamanitra dia mitodika aloha fa tsy mitodika ivoho. Ny olona ara-panahy, izy dia mandroso mianaloha, mijery ny Teny ary mino ireo fampanantenana zavatra tsy mbola nitranga hatrizay, mino ireo fanambarana ara-panahy izay maneho ireo zavatra ara-panahy nampanantenain’Andriamanitra. Hitany sahady ireo, dieny miomana hitranga. Fa ao amin’ny laboratoarany, ny siantifika dia mamorona zavatra isan-karazany avy amin’izay efa noharian’Andriamanitra, mba hanampiana ny zanak’ olombelona. Ny olona ara-panahy kosa, izy dia mitodika any aloha, miandry zavatra izay nampanantenain’Andriamanitra, zavatra mbola tsy voahary hatrizay. Ny olona ara-nofo mitodika aoriana; ny olona ara-panahy mitodika aloha.

Toy izany ny fomban’ny fiangonana ara-nofo. Ireo mpikambany dia mijery any aoriana, any amin’i Finney, Sankey, Knox, Calvin. Tena tsara ny vitan’ireo, saingy ho an’ny androny izany. Isika kosa mitodika any aloha, miandry zavatra hafa, teny fikasana, zavatra lehibe sy havo kokoa, izay nampanantenain’Andriamanitra. Mijery any aoriana ny siansa, itrandrahany izany. Isika kosa mandroso mianaloha ao amin'ny Tenin’ny Tompo, mikatsaka izay efa notontosain’Andriamanitra.

Amin’ireo tranga roa ireo, ny voalohany dia mialoha làlana ny faharoa, na maneho ny endriny. Ankehitriny, raha mahavokatra hery misanda herin-tsoavaly maro kokoa ny siansa, ka mampiasa izany hery izany anaovany fitaovana lehibe sy matanjaka kokoa – ny fiarakodia sy ny firamanidina – Andriamanitra, ihany koa, dia manatontosa zavabita amin’izany fomba izany. Izao dia jereo.

Fahiny, tamin'ny andron’i Lotera, dia ny herin’ny soavaly no nampiasaina. Tamin’izay, raha nandray an’i Lotera teo an-Tànany Andriamanitra, nitantana azy niala tao amin'ilay fandaminana lehibe, ilay rafi-pandaminana, dia namela azy hahita fa: “Ny marina no velona amin'ny finoany.” Ka rehefa nahatontosa ny fanamarinana Izy, ary nitorìna izany, dia nahazo Aina ny fiangonana. Nahazo Aina izy, ary nanomboka nihetsika, hetsika kely ihany, raha nanomboka nialana ny fampiasana ny herin’ny soavaly sy kalesy ary sarety tamin’izany andro izany. Notontosainy ny fanamarinana, ka tamin’izany no nandray ny Fiainana ny Fiangonana raha nino an’i Jesosy Kristy. Fa tsy tamin'ny fakàna…

Hoy ianareo hoe: “Mino ny fiangonana aho. Mino izany aho”.

“Ny mino Azy, izany no Fiainana”. Nohamarinina noho ny finoana! Izany no nitorin’i Lotera. Ny andron’ny soavaly sy ny kalesy no endrik’izany.

Taorian’izay dia naka lehilahy iray tany Angleterre Izy – lehilahy nantsoina Jhon Wesley, nataony teo ambany Fifehezany – ka nongotany niala ireo “ismes” rehetra. Tamin'ny alalan’i Jhon Wesley, dia afaka nitondra ny fanamasinana tao amin'ny Fiangonana Izy. Dia nampijoro ny Fiangonana ny fanamasinana, ary nahafahany nandeha. Fa izao: ny fiarakodia no namarana ny taom-Piangonan’i Wesley, ny fiafaran’ny fiangonan’i Wesley no tiako lazaina… Hitanareo, ny mpanao fanavaozana, tsirairay avy, dia amin'ny fiafaran’ny Taom-piangonany no tonga. Hitantsika, araka izany, fa teo amin'ny fiafaran’ny Taom-piangonany no tonga i Wesley, mialoha kely fotsiny ireo Pentekotista. Nahoana? – Hitantsika fa ny hery azon’ny Fiangonana tamin'ny fanamasinana dia saika tsy ampy, nahafahany niala tamin’ireo zavatr’izao-tontolo-izao. Manamasina dia midika “manasaraka ho an’ny Voninahitr’ Andriamanitra”. Mampalahelo ny nahaverezany izany, kanefa nisy hery kely ihany izy.

Nasehon’i Lotera mazava tsara izany tamin'ny andron’ny soavaly sy ny kalesy.

Nampijoroin’i Wesley ny Fiangonana, mba nahafahany nandeha araka ny fahamasinana, nisaraka tamin'ny zavatr’izao-tontolo-izao. Nipoitra avy tamin’izany ireo rantsana madinidinika, toy ireo Pélérins de la Sainteté, sy ireo Nazaréens… sy ny hafa koa izay nivoaka tao, nandalo ny fanamasinana.

Kanefa, aza adino fa tsy afaka nijanona teo ireo. Nifindra toerana ny Andry afo, ary tonga tao Azusa Street, teto, tao Californie. Ary inona no nataony tamin’izay? – Naneho ny andron’ ny fiaramanidina izany, niala avy tamin’ny fiarakodia, fony izy ireo… Tamin’ny alàlan-dry Wright mirahalahy, ny olombelona dia nahavita fiara izay afaka nanidina. Tsy ela taorian’izany, izay nialoha làlana azy, ny Pentekosta dia nirotsaka tao Azusa Street. Tafakatra tany amin'ny rivotra ny olombelona, tany amin'ny zava-tsy-fantatra sy ny mahagaga. Niteny tamin'ny teny tsy fantatra izy, nanao zavatra tsy fantatra, izay tsy fahita tao amin'ny fiangonana, satria niainga niala ny tany izy, nandao ny tany izy, nankao amin'ny rivotra. Inona no nanao izany? Raha vao tonga ny fiaramanidina, dia niakatra teny amin'ny rivotra koa ny fiangonana. Nasehon’Andriamanitra, tamin’ireo fiaramanidina ireo, fa nisandratra ny Fiangonany. Asehony, amin'ny alalan’ny zavatra momba ny tany, inona no mitranga ao amin’ny ara-panahy. Mandrakariva iretsy farany dia manaraka ireo voalohany. Toy ny nanarahan’ireo magy ilay Kintana izany, nandritry ny roa taona teo-ho-eo, mba nahitany an’i Kristy.

Marihonareo fa ireo zavatra ireo, ireo zava-bitan’ny olombelona rehetra ireo, dia tsy inona fa endrika sy alok’izay ataon’Andriamanitra ihany. Toy izany mandrakariva ny ataony. Efa nampahafantariny antsika ireo famantarana izay ho eny amin'ny lanitra, ireo zavatra hitranga hialoha indrindra ny Fiavin’i Kristy. Hitantsika ankehitriny izany. Tsatoka mpanondro làlana fotsiny ireny. Ary hitantsika ny fomba nanatontosan’ny siansa ireo zava-bitany, sy ny fomba nanatontosan’Andriamanitra tamin'ny alàlan’ny Fiangonany.

Mitaingina soavaly ve ny olona ao anaty fiaramanidina? Tsy mila soavaly sy kalesy intsony izy, afa-tsy hoe mba te-hilalao izy. Fa ny soavaly sy ny kalesy… Aza adino, ahoana ny fahazoana ny herin’ny fiaramanidina? Manampy herin-tsoavaly maromaro fotsiny, dia izay.

Ary toy izany, rehefa nahita ny fanamasinana i Wesley, niala kely teo ambadiky ny fanamarinana, tsy mba nanilika ny fanamarinana izy, nanampy hery taminy fotsiny izy. Hitanareo?

Ary ireo Pentekotista, rehefa nahita ny batisan’ny Fanahy Masina sy ny famerenana ireo fanomezam-pahasoavana, tsy mba nanilika ny fanamarinana sy ny fanamasinana izy ireo, fa nanampy hery tamin’izany fotsiny no nataony, ary nitsangana sy nitraka satria nahita hery bebe kokoa izy. Hitanareo?

Ireo zavatra rehetra ireo dia fambara, arakaraka ny nahatongavany avy. Raha nanana fotoana isika dia ho afaka nivalampatra tamin’izany, saingy tsy manana isika. Araka izany dia nitsangana izy ireo. Toy ny anatontosan’ny siansa zavatra amin'ny fijerena any aoriana; dia manatontosa zavatra Andriamanitra, manaraka io làlana io, mandroso mankany amin'ny Fanjakana.

Hitantsika izao, avy tao Azusa Street, ireo fiaramanidina ireo dia niakatra tao anatin’ny fifohazana lehibe, ary namafa izao-tontolo-izao, hankany amin'ny toeran-tsy-fantatra, any amin'ny toeran-Danitra, niteny teny tsy fantatra, nampiseho talenta tsy fahita, ho an’izao-tontolo-izao. Nahoana moa no noheverina ho olona mirehidrehi-poana izy ireo, kanefa izy ireo nahavita… Nandray olona vitsy teo an-Tànany Andriamanitra. Ary nandray lehilahy mainty iray keliray sady njola maso Izy, tao Azusa Street, izay mba ampy fahavorian-tsaina nahafahany nino fa izay lazain’Andriamanitra dia Fahamarinana. Ary marina izany.

Jereo ange: raha ny siansa mila mampiditra ao an-dohan’ny olona iray fahazavan-tsaina be dia be, sy fahendrena, ary fahalalana – mba itodihany any aoriana ahitany ireny zavatra ireny – Andriamanitra kosa, mila mamoaka ivelan’ny olona izay napetrany tao anatiny, ahafahany mampiasa azy. Ny voalohany mandeha amin’itsy làlana itsy, ny faharoa kosa mandeha amin’izatsy làlana izatsy. Ny voalohany midina ambany, ny faharoa kosa miakatra ambony.

Nilaozan’ny Fiangonana àry ireo fiangonana ara-tsaina mifantsika-amin’ny-tany ireo, rehefa nanidina ireo Pentekotista, nahazo ny fiteny tsy fantatra sy ireo fanomezam-pahasoavana lehibe manasitrana. Nanasitrana marary izy ireo. Nahavita zavatra lehibe. Nataony izany. Tsy misy isalasalana amin’ireo zavatra vitany. Azo antoka fa nahefa izany izy ireo! Dia nilaozany ireo fiangonana ara-tsaina tafatoetra amin’ny tany. Tsy nahoany, na niteny aza ireo hoe ‘‘Tsy mahavita ianareo.” na manao ahoana, dia vitany izany. Raha ianao…

Toy ilay zazalahy kely nogadraina noho izy nandaka hanina. Nisy namangy azy, nilaza taminy hoe: “Oh, tsy mahazo mampiditra anao am-ponja noho izany ry zareo!” Dia hoy izy: “Tsy mahavita izany ve izy ireo?” Saingy, izy efa tao.

Ary toy izany no nilazan’izy ireo hoe: “Natao ho an’ny vanim-potoana hafa ny Fanahy Masina”. Izany no fiheverany! Eto anefa Izy! Haintsika izany. Isika sy… Tato anatin’ny efapolo na dimampolo taona isika no misidina eny amin'ny rivotra miaraka Aminy, mahita zavatra izay tsy fantatr’ireo olona avara-pianarana velively. Tsy misy vitan’izy ireo, afa-tsy ny mitaboretaka, ary miteny, mamazivazy Azy fotsiny.

Izany dia toy ilay zanakomby iray, sambany nivoaka ny tranonomby. Botabota tsara sy matavitavy izy ka manao dakan-tsoavaly amin’ireo tongony. Nanana mpikarakara tsara fanahy izy nampisakafo azy tsara, ka dongadonga sy feno vitamina. Ary nisy mpikarakara omby anankiray koa teo, kamolahy, izay nanana zanakomby iray, teraka tao amin’io tranonomby io ihany iny ririnina iny. Tsy nahazo afa-tsy ahi-dratsy ilay izy mba sakafony. Ary nony nivoaka izy, dia reraka loatra ka hila tsy afa-nihetsika akory, ary raha vao misy rivotra mandalo, dia manosika azy hikisaka. Nahatazana io zanakomby dongadonga manao dakan-tsoavaly amin'ny tongony sady falifaly io izy. Hainareo? Avy eo amin'ny makarakaran’ ny fefy izy no mijery sady miteny hoe: “Firehidrehetam-poana rê izao!” Feno vitamina ilay iray ka tsy mahagaga raha afaka manao dakan-tsoavaly.

Ary rehefa feno ny Fanahy Masina ny olona iray, misy zavatra ao aminy ao izay feno vitamina ara-panahy avy amin’Andriamanitra, manosika azy hidera an’Andriamanitra, hikiakiaka sy hanao fihetsika hafahafa. Nahoana? Satria tsy voafatotra amin'ny tany intsony izy. Any an-Danitra izy, mamakivaky ireo toeran-Danitra ao amin’i Jesosy Kristy.

Nilaozany ireo izay voafatotra amin'ny tany sy ny bisikiletany ary ny fiarakodiany, fa izy ireo lasa, nanidina eny amin'ny rivotra. Eny, Andriamatoa. Navoakan’ny Tompo tao izy ireo, niala tao amin’izay efa lany andro. Nanasitrana marary izy ireo. Niteny tamin'ny fiteny tsy fantatra izy ireo, ary nanao zavatra isan-karazany.

Fa ankehitriny ry namako avy, afaka hiteny izao manaraka izao aho. Tonga amin'ny taonan’ny mpanamory sambondanitra isika. Nivoaka ny taonan’ny fiaramanidina isika. Nahazo hery bebe kokoa isika izao. Efa tonga ny taonan’ny mpanamory sambondanitra. Inona moa izany? Tsy… Efa tonga ao amin'ny taona ara-panahin’ny mpanamory sambondanitra isika, hitanareo, miakatra ambony kokoa. Mbola ilay Fanahy ihany, fa fotsiny amin'ny hery bebe kokoa, tafakatra ambonimbony kokoa, afaka miakatra ambony kokoa, mahita bebe kokoa, mino kokoa, manahaka bebe kokoa an’i Kristy. Tsy ny fiarakodia, na ny soavaly sy ny kalesy intsony, na ny fiaramanidina aza, fa ny mpanamory sambondanitra, izay manidina ambonin’ireo rehetra ireo.

Ny taonan’ny voromahery no anaran’izany ao amin'ny Baiboly. Ireo mpaminaniny dia antsoin’Andriamanitra hoe… Ny taonan’ny voromahery! Mahatsapa isika, ao anatin’ny Baiboly… Hitantsika ao amin'ny Malakia 3, (manomboka ny andininy 19), fa izany no nampanantenaina ho amin’ireo andro farany. Fa izao; Andriamanitra dia mampitaha ireo mpaminany amin'ny voromahery. Ataony voromahery ihany koa ny Tenany. Izy no ilay Jehovah Voromahery lehibe.

Izy dia afaka mahatontosa Vady iray ho Azy, Ampakarina iray. Hanao izany Izy, amin’ireo andro farany, ka ho afaka hahazo Vady iray, izay hanana minisitera tena hitovy… toy ny mahalasa iray ny lehilahy iray sy ny vadiny. Ary rehefa tafaovan’i Jehovah mitovy Aminy ny vahoakany, dia monina ao anatiny Izy. Iray izy ireo.

Izany dia mahatanteraka ny Soratra Masina, izay voalazany indrindra ao amin'ny Jaona 14:12: “Izay mino Ahy, ny asa ataoko no ataony koa”. Manatanteraka izay voalazan’i Jesosy ihany koa izany mikasika izay tsy maintsy hitranga: “Tahaka ny tamin’ny andron’i Sodoma, dia ho tahaka izany koa amin'ny andro hisehoan’ny Zanak’olona”.

Taonan’ny mpanamory sambondanita ankehitriny. Ary ny mpanamory sambondanitra dia mahita zavatra tsy hitan’ny mpitaingin-tsoavaly, na ny mpamily fiarakodia, na ny mpanamory fiaramanidina aza. Misidina ambony kokoa izy. Ny raopilanina dia mbola ety ambany, mety elingelenin’ny rahona, voahotakotaka, vaky kodiarana, mitandatsaka, sy zavatra hafa koa. Fa izy kosa, any ankoatra ireo rahon’ny fanekem-pinoana sy ireo anaram-piangonana no isidinany, miakatra any an-Danitra, misaraka amin'ny zavatra rehetra.

Ny taonan’ny mpanamory sambondanitra, miaina ao amin'ny taonan’ny tantsambondanitra isika izao. Raha miharihary fa Andriamanitra efa nanamarina ny trangan-javatra teto an-tany, dia manamarina Izy ankehitriny fa raha nahavita mpanamory sambondanitra isika, midika izany fa Izy, Andriamanitra, dia efa nahatontosa izay nampanantenainy ho an’izao andro farany izao Izy, araka ny Malakia 3:19-24. Ny zavatra tsy maintsy ataony fotsiny, dia ny maka olona eo an-Tànany, izay afaka mihataka amin’ireo fiaramanidina sy fiarakodia sy ny zavatra hafa ireo, olona tsy mijery any aoriana, amin'ny taloha, fa mijery kosa ny ahazoany hery bebe kokoa hampakatra azy ambony kokoa, hampakatra azy any amin'ny Fanatrehan’ Andriamanitra, any amin’izay ahazoana manao ny zavatra rehetra. Hitantsika fa manomboka mitranga izany ankehitriny. Tsy misy fisalasalana mikasika izany.

Ny ataon’ny mpanamory sambondanitra ara-panahy, dia toy ny mpanamory sambondanitry ny tany ihany, izay manidina havo lavitra noho ireo fiaramanidina, ireo izay mitera-doza sy tabataba, sy zavatra hafa toy izany, eny amin'ny rahona eny. Tsy misy zavabita lehibe noho ny sambondanitra. Ny manohy manampy hery, izay ihany sisa tsy maintsy ataon’ny mpanamory, dia handeha any amin’izay tiany haleha rehetra izy, hitanareo, satria efa natao handeha any amin'ny habakabaka izy. Ny fiaramanidina dia mbola ety ambany, vaky kodiarana, mitandatsaka, tafajanona eo amin'ny tany, sy ny zavatra tahak’izany. Fa ny tantsambondanitra kosa tsy natao hijanona eto amin'ny tany. Any ambonin’ny rahona izy. Any ambony any no alehany, mihoatra ireo fanekempinoana, mihoatra ireo anaram-piangonana, mihoatra ireo izay miteny hoe: “Tsy izany io, tsy izany io!”. Nahazo mpitarika izy, dia ny Fanahy Masina. Izay itarihan’ny Teny azy dia alehany!

Ahoana no nataon’ny siansa nahavitany ny sambondanitra? Ilay hery efa nananany ihany no nalainy, ka nampiany zavatra hafa, ka izany no ahafahany mandeha lavidavitra kokoa, mandeha ivelan’ny rivotra, sy ny sisa. Tazoniny… Tsy haiko ny fandehany ara-tsimia, tsy mekanisiana aho. Na manao ahoana anefa, manohy mampandeha izany ambony kokoa izy, ambony kokoa hatrany. Hatsarainy tsy an-kiato izany, mandra-paha-tsy ho takatry ny saina ny fandehan’izany. Toy izany no ataon’ny tantsambondanitr’Andriamanitra, mihoatra ireo fanekempinoan’ny fiangonana izy, mihoatra ny sisintany rehetra, mihoatra ireo zavatra lazain’ ny olona hoe: “Efa lasa ny andron’ny fahagagana; tsy misy zavatra toy izany”.

Ahoana no nahitan’ny tantsambondanitra izany? Nosoritany teo amin'ny taratasy izany. Dia miala avy eo amin'ny taratasy izay nanoritany azy izany. Toy izany ihany amin’ny olona iray izay afaka mitoetra, ka mamaky ny Tenin’Andriamanitra, ary mahita ireo fampanantenana. “Dinihonareo ny Soratra Masina, ataonareo fa ao Aminy no anananareo ny Fiainana Mandrakizay” – hoy Jesosy – “ary Ireny no manambara Ahy”. Tsy nahafantatra Iza moa Izy io vondrona nifatotra tamin'ny tany, nitodika tany aoriana io, tamin’ny androny.

Ny tantsambondanitra dia mahita fa efa lany andro ireo fiaramanidina sy ny zavatra hafa rehetra. Toy izany koa ny tantsambondanitra ara-panahy, izay mandeha ambonin’ireo rahona sy ireo fanekempinoana ary ireo fisalasalana, mivoaka any amin'ny habakabaka, ivelany any amin'ny habakabaka, ivelan’ny tsifinoana rehetra, any amin'ny habakabaka izay tsy hahenoiny intsony ireny fitenenana lavareny hoe: “Tsy mahefa izany ianao. Tsy misy olona hanampy anao amin’izany, tsy misy. Tsy mahavita izao ianao, tsy mahefa izatsy ianao”. Tsy izany kosa no fahitany. Mpanamory sambondanitra izy. Mihoatra ireny rahona ireny no alehany. “Be loatra ny tafiotra, tsy ho efantsika izany”. Tsy misy dikany ho an’ny tantsambondanitra izany. Any ankoatry ny tafiotra any no falehany. Hitanareo, izany no toetry ny tena mpanamory sambondanitry ny finoana ankehitriny. Hoy izy ireo hoe: “Ny dokotera anie nilaza izao sy izao ê!”. Mety ho izany tokoa, saingy ny tantsambondanitra tsy mino izany.

Rehefa voasoratra hoe Eto, dia raisiny ao am-pony izany. Misy zavatra mampahafantatra azy, dia miolomay mankany izy. Izay ihany. Mivoaka mivantana any amin'ny habakabaka izy, satria andron’ny sambondanitra no iainantsika izao. Eny Andriamatoa, ivelany any, any amin'ny habakabaka, any amin’ny “azo atao ny zavatra rehetra ho an’izay mino”. Manana mpitari-dàlana izy, dia ny Teny, ny Tenin’Andriamanitra, izay manondro azy ny fomba fandehanana, ny Tenin’ Andriamanitra.

Ny tantsambondanitry ny olombelona dia misy mitarika azy. Rehefa eny amin'ny rivotra izy, dia misy zavatra, etỳ ambany etỳ, etỳ amin’ny tany, mitarika azy any ambony any. Radar, no iantsoana izany. Manondro làlana azy io radar io, manondro azy ny toerana misy azy, milaza aminy ny ataony. Ary avy eo amin'ny tilikambon-dradar iray no itarihan’io radar io azy, etỳ ambony tany. Izany ho an’ny tantsambondanitry ny olombelona.

Sahala amin’izany koa ho an’ny tantsambondanitra ara-panahy, manana Hery mitarika izy, tilikambo-fitarihana azy. Tsy etỳ ambany, etỳ ambonin’ny tany izany; toy ny an’ny olombelona. Fa, any ambony any izany. Ary izany dia ny Fanahy Masina izay ao anatiny. Izany no mitarika azy, avy ao amin’ny tilikambon’ny batisan’ny Fanahy Masina. Manana mpitarika iray izy, izay mihazona azy ambany fifehezana amin'ny alàlan’ny Teny. Tsy anivon’olona mirehidrehi-poana, na anivon’ny horakoraka adala; fa Izao no lazain’ny Tompo, dia mitranga izany. Ambany fifehezana lalandava izany. Manana tilikambo mitarika azy izy, dia ny Fanahy Masina. Ary ny Teny no programany, ary tandremany io programa io. Ary ny herin’ny Fanahy Masina no manome azy fahafahana mivoaka sy manatontosa izay tian’Andriamanitra tanterahina ho an’ny Vahoakany. Izany no ahefany manatanteraka izay nampanantenainy.

Tsy nanasitrana olona Jesosy noho Izy tsy maintsy nanao izany, fa noho Izy nanatanteraka ny Teny. Nanasitrana Izy satria voasoratra fa hanao izany Izy. Tsy voatery haneo ireny famantarana ireny Izy ankehitriny, tsy voatery hanana minisitera an’izatsy na an’izaroa Izy, saingy nampanantena Izy fa hanao izany. Koa manao izany Izy mba hanatanteraka ny Fampanantenany.

Ry rahalahy sy anabavy, ry lehilahy sy vehivavy, tsy afaka mahita izany ve ianareo? Tsy hitanareo ve ny fifandindonan’ny ara-panahy sy ny ara-nofo?

Ireo zavabita lehibe dia nampihazakazaka loatra ny famantaranandron’ny siansa, hany ka milaza izy ireo fa manondro amin'ny sasakalina latsaka telo minitra izany izao. Tonga amin'ny farany ireo. Efa hitan’izy ireo ilay zavatra hanimba azy. Nahita ny zavatra rehetra izy ireo. Afaka miakatra any amin'ny habakabaka ny tantsambondanitra iray, mitondra hery atomika iray, ary mandrahona hoe: “Milavoa lefona ianareo, na matèsa”. Sasakalina latsaka telo minitra! Ny zavatra nataon’Andriamanitra no niasan’izy ireo. Nahavita nandiso izany izy. Mikaroka zavatra hamonoana olona foana no ataony, raha tokony hiezaka mamelona ny aina. Raha ny fiainana no tokony niezahany narovana, dia ny zavatra hamonoana ny sasany no niezahany nokarohina, zavatra mihoatra ny efa vita teo aloha, zavatra afahana mandresy ny firenena eo ankila, na ny tany eo ambadika. Izany ny zavatra iezahany atao.

Ny olona (ara-panahy) kosa mandinika izany, miantso ny olona hoe rahalahiny ary miezaka mitarika azy ho amin'ny Trano iray izay tsy hahafatesany intsony. Ny andaniny ao amin’ny fahafatesana, ny ankilany kosa ao amin'ny Fiainana. Saingy ireo, ao amin'ny fahafatesana, dia maneho fotsiny ny Fiainana. Ny ravinkazo, raha milatsaka avy amin'ny hazo iray ka maty, midika fotsiny izany fa ho velona indray izy satria efa nisy teo.

Ankehitriny, ho an’ny zava-bitan’ny siansa, ny famantaranandro dia manondro sasakalina latsaka telo minitra. Ny famantaranandro lehibe an’Andriamanitra kosa dia manondro “Jesosy Kristy tsy miova omaly, sy anio ary mandrakizay”. Efa tonga isika! “Ny asa ataoko no ho ataonareo koa.” – “Jesosy Kristy tsy miova, omaly, sy anio ary mandrakizay”. Raha ny famantaranandro siantifika miteny hoe telo minitra alohan’ny fandravana, miteny kosa ny famantaranandron’ Andriamanitra hoe: “Jesosy Kristy tsy miova, omaly, sy anio ary mandrakizay”. Eto ambonin’ny tany Izy, ao amin'ny herin’ny Fanahy Masina, mba hampiaina ny Teniny, hanao ho an’ny Fiangonany izay efa nampanantenainy fa hataony, mameno ireo tantsambondaniny, ho feno solika tanteraka, hahavonona azy hanainga.

Araka izany, tsy ela izay, niditra tao anatin’io fantsona siantifika lehibe io izy ireo, ireo mpanamory sambondanitra. Ary manomboka ny tanisa mijotso ireo ankehitriny, mikendry ho eny amin'ny volana. Miainga, miala eto koa izy ireo. Nisy mpanamory sambondanitra iray nataony tao anatin’ny fantsona iray lehibe izay nampitaovany hery atomika, afaka mahatonga izany mivantana eny amin'ny volana, araka ny teniny. Miditra ao anatin’ilay fantsona izy, miandry ny tanisa mijotso.

Ao amin’i Kristy kosa no andehanan’ny tantsambondanitra ara-panahy, ary ny tanisa-mijotson’ny Teny no henoiny. Amena. Tokony hikiaka kosa ianareo Loteriana izao, ary koa ianareo Batista sy Presbyteriana. Diniho ny tanisa-mijotson’ny Teny. Oh!la! la! Tanisa-mijotson’ny Teny! Ary mikendry ny Lanitra izy ireo, fa tsy ny volana. Ho faingana loatra ny handalovany ny volana ka tsy hahita azy akory izy. Oh, ry sakaiza malalako! Miandry ny tanisa mijotso! Izany tokoa. Miandry ny tanisa mijotso, izany no marina.

Inona no ataony? Fonosina ao amin'i Kristy izy ireo, ao anatin’ny fahasoavan’ny fampakarana. Tsy nisy zavatra nataony tamin’ny heriny. Nalain’i Kristy ireo zavatra adala sy tsy manam-pahalalana ao amin’izao-tontolo-izao, dia nofonosiny tao ireo tantsambondaniny, ary nomeny hery hialany ny tany, amin'ny alalan’ny Fanahy Masina. Ho tavela eto izao-tontolo-izao. Marina izany, hisy ny fialana amin'ny tany!

Mariho fa na ny fanisan’ny olon’ny tany aza dia mivadika. Nilaza aho fa mivadika ny fanaovany zavatra. Mivadika izy manisa. Jereo ange ny fomba fanisany: “folo, sivy, valo, fito, enina, dimy, efatra, telo, roa, iray, aotra!” Hitanareo, manao tampody izy, manomboka manisa. Hitanareo? Folo dia isa ratsy. Marina izany. Manisa manomboka amin'ny folo, isa ratsy io.

Nisy foko folo tao amin'ny Isiraely, ary izy rehetra dia ara-nofo avokoa. Ary Jakoba dia tsy maintsy naka zanak’i Josefa anankiroa, zanaky ny mpaminany, Efraïma sy Manase, ka notsofiny rano. Raha nanao izany izy dia nampifamadika ireo tànany. Dia hoy Josefa hoe: “Tsy toy izao ry Ikaky, napetrakao eo amin'i Efraima ny tànanao izay tokony ho eo amin'i Manase”.

Ary hoy Jakoba hoe: “Andriamanitra no nampifamadika ny tànako”. Dia voaesotra tamin'ny lahimatoa (ny lalàna) izany ka tafakatra ao amin’i Kristy. Ary avy tamin'io, avy tamin’ny lakroa, no nampikisaka ny fizokiana (Amena) ho amin'ny zandriolona. Oh, la! la!! Akory ny hakanton’izany! Raha mba nanam-potoana isika nandinihana izany. Ho amin'ny fotoana hafa izany. Tsara.

Fa ny isa folo dia isa ratsy. Kanefa ny olona dia manisa mijotso, ary manomboka amin'ny folo izy. “Folo, sivy, valo, fito, enina, dimy, efatra, telo, roa, iray, aotra!”

Inona kosa no ataon’Andriamanitra? Manomboka amin'ny Isany Izy: ny isa fito, Isan’Andriamanitra izany. Diniho ilay izy: fito. Oh! Manisa manonga Izy, manomboka amin'ny isa iray. Manomboka amin’ny taom-Piangonany voalohany Izy. Izany no Fanevany tetỳ ambonin’ny tany. Fito ireo taom-Piangonana. Fito andro no nanaovany ny tany, dia nitsahatra Izy tamin'ny andro fahafito. Io no tarehimarika farany tao amin'ny Famoronany, dia nitsahatra Izy.

Mariho fa manisa manonga Izy, tsy mijotso. Mandroso Izy. Ny Taom-Piangonany voalohany, izay nanomboka ny taona 33, no niaingany. Teo Izy nanomboka ny tanisa-mijotso, nitanisa ireo taom-Piangonany. Teo no teraka ny Fiangonana, tamin'ny Andro Pentekosta. Dia natombony ny tanisa. Nanomboka nitanisa ireo taom-Piangonana Izy. “Efesosy no voalohany, isa iray; roa, Smyrna; telo, Pergamosy; efatra, Tyatira; dimy, Sardisy; enina, Filadelfia; fito, Laodikia.” Mandroso be, tsy araky ny fihevitrareo ny fotoana, izao. Efa hifarana ny tanisa. Ny zavatra manaraka dia “aotra”. Andao isika. Vonona ny zavatra rehetra. Tapitra ny tanisa.

Raha niditra tao amin’io fantsona lehibe io, mba hanainga, i Jhon Glenn, ilay mpanamory sambondanitsika, dia teo ny firenentsika, nitaintaina. Tsy fantany fa hiainga izy io maraina io. Rehefa nanao izany izy, dia niditra tao amin’ilay fantsona. Ary nikiakiaka ny olona rehetra, niandry sady nijery izay zavatra hiseho. Teo ny firenena, nitolagaga. Hitanareo… Nitabataba ny fahitalavitra rehetra, sy ireo hainoamanjery hafa. Koa afaka nahita ny rehetra. Tsy afaka nahita izany imaso ireo, fa tamin'ny fahitalavitra. Tadidinareo izany.

Ka rehefa tafiditra tao amin’io fantsona io izy, ary vonona, dia nanomboka nitanisa izy ireo: “Folo, sivy, valo, fito, enina, dimy, efatra, telo, roa, iray, aotra.” Tapitra. Dia niainga izy. Inona no nitranga? – Rehefa nosintonina ilay taho lehibe, dia nanomboka nirehitra ireo atoma, nihapotika, nanidina ny afo, nitambolina ny setroka ary niainga ilay fantsona lehibe, niainga ho any amin'ny tsifantatra, any ambadika, any ho any. Nandao ny tany izy, tao amin’ilay zavabitan’ny olombelona, ny lehibe indrindra tamin’ireo vitany hatrizay. Kanefa, mamelà ahy hilaza aminareo fa zavatra bitika tokoa izany.

Indray maraina any, dia ho tontosa ny fanatanterahan’Andriamanitra an’ireo Tantsambondaniny, izay ho nahatakatra ny endrik'i Jesosy Kristy, teraka tao Aminy noho ny Fanahy Masina, feno ny Heriny! Indray andro any, izao-tontolo-izao hikiaka sy hitaraina ary hikotronify, rehefa hahatsapa fa nandalo Azy izy ireo. Rehefa hanomboka hanokatra ireo Elany amin'ny herin’ny Fanahy Masina sy ny Afo ilay Voromahery lehibe, ireo tantsambondanitra dia hanainga hankany an-danitra, hihaona amin’ny Mpampakatra. Dia hanainga ilay Ampakarina, amin'ny herin-tsambondanitry ny Andriamanitra-Tsitoha, izay naniraka an’i Jesosy Kristy tetỳ ambonin’ny tany, tamin'ny endriky ny Fanahy Masina, nitarika ny Fiangonana tao amin’izany fanatanterahana izany!

Hatramin’izao, ny Fiangonana dia mandray ny Herin’ny fitsanganana amin'ny maty ao Aminy, hisidinany any ambadiky ny zavatr’izao-tontolo-izao, mahita Azy ao amin'ny Fiangonana, manao ny Tenany ho tsy miova omaly, sy anio ary mandrakizay. Eny, Andriamatoa. Ny tanisa-mijotso aza efa vita. Ireo Taom-Piangonana rehetra efa dila. Mamarana an’i Laodikia isika izao.

Midìra, ianao rahalahiko, ianao anabaviko. Mahatsiarova tena ho voatery. Tsy hampaninona anareo ny tsindry rehefa tafiditra ao anatiny ianareo, na misy aza ny tsindry. Midìra ao amin’i Kristy, ary aza miraharaha izay lazain’izao-tontolo-izao. Izy ireo rahateo tsy afaka hanafintohina anareo. Efa voaàro ianareo. Efa ao anatiny.

Jesosy Kristy no “fantson-tsambondanitra” lehibe ho antsika, izay hisy antsika. Ny Fanahy Masina sy ny hery ary ny Afo no hampandeha Azy, rehefa hanomboka hanidina izy atsy-ho-atsy. Ny Afon’ny Fanahy Masina no mikapoka ny tany toy izany, ka, rehefa hitranga izany, dia hiakatra ny Fiangonana. Ary ny firenena rehetra hitsangana, tsy hila fahitalavitra, fa hahita Azy izy ireo. Ny lohalika rehetra hilefitra ary ny lela rehetra hanaiky, rehefa hiakatra ny Ampakarina, hankany amin'ny Fanjakan’ny Lanitra be voninahitra, hampakaran’ny Mpampakatra Azy. Andriamanitra anie hanampy antsika hahatratra izany andro izany!

Hanondrika ny lohantsika isika.

Mpitaingina soavaly sy kalesy ve ianareo, sa mpandeha bisikileta, sa… fiarakodia. Sa efa nanidina teny amin'ny rahona tanaty fiaramanidina? – Raha efa teny ianareo, dia manan-javatra holazaina aminareo aho. Taonan’ny mpandeha sambondanitra ankehitriny. Maninona àry ianareo tsy milatsaka ho “tantsambondanitra”? Oh, fantatro fa toa mampahatahotra izany. Ilay olona nandeha fiaramanidina voalohany, dia olona tia nampataho-tena. Ny olona nandeha fiarakodia voalohany, dia fantatrareo ny nanjo azy. Kanefa ankehitriny dia ho an’ny daholobe izany. Oh, ry rahalahy, ranabavy. Eto Jesosy Kristy, Ilay “fantsondanitra” lehibe izay tokony hisy antsika. Tsy misy dikany ireo rahona eo ambonintsika ireo. Fa ho ravany avokoa ireo rahona rehetry ny fisalasalana, sy izay rehetra tsifinoana, ary hahifiny any ambadika, any amin'ny habakabaka.

Raha hatrizay ianao tsy mbola ao Aminy, fotoana mety hahazonao izany izao folakandro izao. Meteza hanandratra ny tànanao ary mitenena hoe: “Ry rahalahy Branham, mivavaha ho ahy ahafahako hankao amin’io toerana izay havitako mahita ny Tenin’Andriamanitra rehetra nampanantenainy io, hahitako sy hahatsapako ny fitepon’ny Herin’Andriamanitra ao anatiko, hahafantarako fa efa niala tamiko ity tontolo ity sy ny zavany rehetra.” Hitahy anie ny Tompo. Jereo ange ireto tànana! Oh, la! la! Ny rehetra, manerana ny efitrano, manandra-tànana.

Ry Rainay any an-Danitra, hitanao ireo tànan’izy ireo. Hitory ny Teny fotsiny no andraikitro. Fa Ianao, Ianao no Tompon’izy ireo. Atolotro Anao izy ireo. Anao izy ireo. Aoka ny Fanahy Masina izao…

Ary aoka anie izy ireo hahita, hahita ireo zavabita. Araka ny fomban’ny tany no ahitan’izy ireo izany. Fa raha mijery any aoriana izahay, dia mahita izany amin'ny ara-panahy. Eto Ianao izao, ry Tompo. Nampanantena Ianao fa rehefa antomotra ny famaranana ny fotoana, dia ho toy ny tamin'ny andron’i Sodoma sy Gomoro. Ka te-hijery any aoriana izahay hahitanay ireo andro ireo, hizahanay ary hahitanay fa nisy ireo mpanompon’Andriamanitra roalahy hafakely, niendrika anjely sy lehilahy voahosotra, nidina tany Sodoma, ary nitory, tamin'ny andron’i Abrahama, niantso an’i Lota hivoaka. Tamin’izany dia nisy Iray nijanona teo amin’i Abrahama, Ilay nanome famantarana an’i Abrahama. Ireo hafa, dia tany Sodoma no nanatanteraka ny famantarany.

Ary misy maro, Ray ô, no tokony holazaina eto, kanefa mety tsy ho takatry ny fiangonana. Fa mivavaka aho ny hametrahanao faniriana mafy an’izany ao aminy, Tompo, hany ka hahita izy ireo fa efa ao amin'ny fiafaran’ny fotoana izahay izao, taonan’ny tantsambondanitra. Mangataka aho Ray ô, mba ho tsapan’izy ireo fa izany tsy ny miezaka manameloka izay ananany, fa ny miezaka manome zavatra fanampiny, ny fahasoavan’ny fampakarana. Ho tonga tokoa mantsy ny ora izay tsy maintsy hanananay ny Herin’ny fampakarana, tsy ny fanasitranana ny vatana fotsiny, fa ny hampiova izany, poa-toa-izay, anatin’ny indray mipi-maso. Ho tena zavamisy ao anatiny i Kristy, ka amin’izany no hahafahany, Izy, hanova ny tenan’izy ireo, nohon’ny Fahafatesany be voninahitra izay nanavotany azy. Aoka anie hahazo izany izy ireo anio, io Famantarana izay noresahiko omaly alina io, ho afaka hihazona Izany eo alohany anie izy ireo, ary handeha ao anatin’io Sambondanitra io (omeo izany Ray ô), ao izay misy fahitana, misy hery sy tontolo hafa noho ny efa fantatray, ry Andriamanitra ô, ao izay nanalana sarona ireo zavamiafin’Andriamanitra lehibe, tao amin’ireo Tombokase fito, natao fantatry ny olona. Efao izany, Ray ô.

Anao izy ireo izao. Tsapako fa ny fiantsoana ho amin'ny alitara no fanaonay, kanefa Ianao, Tompo, niteny, hoe: “Na firy na firy ireo no hino”. Mangataka aho ny anomezanao finoana azy ireo, mba hinoany. Eo an-Tànanao izy ireo, Tompo. Ka raha tsy hahita azy ireo intsony aho, izy koa tsy hahita ahy, mandra-pihaonanay eo Anilanao, mba ho hainay fa efa fantatra izahay. Mangataka Anao aho hanampy azy ireo. Ary aoka ho tonga Any avokoa izahay, voavotra, tarihin’ny fahasoavana mahagaga an’io finoan-tantsambondanitra lehibe io, izay inoanay an’i Jesosy Kristy, ka iarahanay monina Aminy. Amena.

Afaka kelikely dia hivavaka ho an’ny marary isika. Efa nampanantena ny hanao izany izahay, Andriamanitra. Te-hanao izany izahay. Ary te-hilaza aho fa tamin’ity herinandro ity… Tsy manana afa-tsy dimy ambinifolo, roapolo minitra sisa isika izao. Hanapahako kely ny teniko, mba ahazoako dimy ambinifolo na roapolo minitra amboniny, mandra-pahavitantsika izany.

Fa izao, voalohany: tena izany tokoa ve sa tsia ireo zavatra noresahintsika? Haintsika fa nampanantena izany ny Baiboly, kanefa eto tokoa ve Izy? – Eto Andriamanitra hanao izay nampanantenainy fa hataony. Eto Andriamanitra. Hitanareo, efa nihoarantsika ny fitenenana amin'ny teny tsy fantatra. Milamina izany, hitanareo. Nihoarantsika ireny zavatra madinidinika ireny. Ary, hitanareo, isika izao dia amin'ny toerana izay tsy maintsy ahazoantsika io finoan-tantsambondanitra io, io herin’ny tantsambondanitra io izay hahatsapantsika fa efa ao amin’i Kristy isika, ao kokoa amin’i Kristy isika, hitanareo, hiakarantsika any amin’ireo toeran-Danitra.

Ny fomba fivavahana taloha, mametra-tànana amin'ny marary, dia tsara. Tamin'ny andron’i Lotera izany, ry sakaizako isany, taloha, tamin’ny andron’ny fiarakodia, sy ny sisa. Efa nihoarantsika izany ankehitriny.

Tsarovinareo, tonga tany amin'ny Jiosy Jesosy, fahiny. Hoy Jaïro hoe: “Andeha re, hametrahanao ny tànana ny zanakovavy mba ho velona izy”. Fa ilay Romana kosa niteny hoe: “Tsy mendrika ny hiavianao aho, fa mitenena fotsiny”. Hitanareo? Nahafantatra ny herin’i Kristy izy, fantany fa ambonin’ny zavatra rehetra Izy.

Izao anefa, raha ambonin’ny zavatra rehetra Jesosy, dia adidiny ny mihazona ny Teniny. Mpanjaka Izy. Andriamanitra Izy. Tsy maintsy mitàna ny Teniny Izy: “Ireo asa ataoko no hataonareo koa.” Ny fanasitranana ny marary, na manao ahoana, dia tsy misy olombelona mahavita izany, satria efa vita izany. Efa vita izany. Ny fanekena izany fotsiny sisa atao, hitanareo, ny fanekena fa eo anivontsika Izy. Mino izany ve ianareo? [Amena hoy ireo mpivory – Ed.]. Hivavaka vetivety isika izao. Mitenena hoe: “Mamindrà fo, Andriamanitra ô.”

Ry Ray any an-Danitra, aoka ny olona mba ahafantatra; mety ho vahiny izy ireo eto, mba ho fantany fa marina izay lazaiko. Mahantra sy tsotra ny fiteniko, Tompo, miezaka maneho ny Filazantsara, tsara indrindra araka ny haiko aho. Aoka, Tompo, mba tsy ho sakana ho an’ny olona ny tsipelinteniko, fa ho tsapan’izy ireo fotsiny izay ezahako lazaina. Mangataka aho mba hamarininao izany, ahatonga izany ho tena zavamisy, ho vononahitr’ Andriamanitra, amin'ny Anaran’i Jesosy. Amena.

Fa izao, ry sakaizako isany, angamba roanjato na telonjato ny karatra fahazoam-bavaka voazara. Ho sarotra amiko ny handray tsirairay azy rehetra aty ambony aty. Satria aorian’ny famantarana efatra na dimy aho, dia hivalampatra ambonin’ny tany, na koa ho reraka loatra ka tsy ho haiko intsony izay ataoko. Ny fahitana iray dia tsy maintsy adikanao aloha, izay vao fantatrao. Matetika, izany tsy dia ny tena izy…

Ka izao: ianareo ihany no hanao azy, ny finoanareo no anisany. Nikasika ny Tompo Jesosy ny finoan’ilay vehivavy ary nino izy fa Izy no ilay Zanak’Andriamanitra. Koa nisintona ny herin’i Jesosy ho tao aminy izany, nanome azy izay niriny. Ary nijery nanodidina Azy Izy, dia nolazainy taminy fa sitrana tamin’izay naharary azy izy.

Hitanareo: “Ny finoanao no nahavonjy anao.” Fantatro fa misy mpianatra Baiboly ato.. “Ny teninao no nahavonjy anao.” - “Ny finoanao no nahavonjy anao.” Toy ny nanavotan’ny finoanao anao tamin'ny fahotana, dia manavotra anao amin'ny aretina koa ny finoanao, hitanareo, amin’ny aretinao. Tsy maintsy mino ianareo izao.

Izao àry, mangataka amin'ny rehetra aho, ho tony sy ho feno fanajana, minitra vitsivitsy. Ary enga anie ny Fanahy Masina, izao, hiasa amin’ny mpivory; izay ihany no angatahiko. Izany mba ahafahanareo mahita fa tsy mandeha-ho-azy izany. Eto ny Fanahy Masina mba haneho ny Tenany.

Fa izao: misy ao amin’ny mpivory… Tsy misy fantatro ato, afa-tsy ny anabavy malalako Upshaw izay mipetraka etsy. Izy irery ihany no fantatro amin’ny rehetra tazan’ny masoko, izao. Ary izao aho tsy afaka…

Toy ny fieritreretanao izany. Hitanareo, ny amparahatokao no mankany amin’ny toerana izay nofisinao. 

Nanao fanadinana ara-pahasalamana aho, roa na telo taona lasa izay, notiliana tamin’ny milina manome ny sarin’ny fiasan’atidoha [encéphalogrammes], hainareo. Ka rehefa nivoaka ireo dokotera dia niteny hoe: “Hé, olona hafahafa ianao ity.”

Hoy aho hoe: “Fa inona no tsy mety?”

Dia hoy ireo hoe: “Hainao moa inona? Ianao dia afaka manonofy na mifoha tanteraka aza.” 

Hoy aho hoe: “Ahoana?”

Hoy izy: “Afaka manonofy ianao kanefa mifoha tanteraka.”

Dia hoy izy: “Ity eto ity, ny fieritreretanao voalohany [conscience]. Io dia voafehin’ireo fandrenesanao dimy: ny fanandramana, ny fahitana, ny fitsapana, ny fihainoana, ary ny fanimboloana. Ny fieritretanao voalohany no miasa raha ao amin’ireo fandrenesanao ireo ianao.” Hoy izy hoe: “Ity eto ity, ny amparahatokao. Rehefa tsy miasa ireo (fandrenesanao), matory ianao, dia manonofy. Misy ampahany aminao mandeha any-ho-any. Aorian’izay, rehefa miverina ianao”, hoy izy ireo, “dia tsaroanao ny nofinao, fony ianao tany ivelan’ny fandrenesanao, fitsapana, fanandramana, fahitana, fanimboloana, ary fihainoana.” Hitanareo? Ary hoy izy hoe: “Izany ny fenitra ho an’ny besinimaro.”

Notohizany hoe: “Tsy mbola nahita toy izao izahay hatrizay, ny anao, izy roa dia miara-mivelatra, indreto, ireo ‘‘onjam-potoana’’ anao, avy amin’ny amparahatokao sy avy amin’ny fieritreretanao.” Tsy mbola nandre ny momba ny fiainako izy ireo. Hoy izy: “Ianao, Andriamatoa, dia afaka manonofy, na dia am-pitsanganana sy mahatsiaro tena tsara aza.”

Hoy aho: “Dokotera, efa nandre momba ny fahitana ve ianareo?”

Hoy izy: “Tsia, heveriko fa tsy mbola nandre resaka momba izany aho”.

Hoy aho: “Mpino ve ianao?”

Hoy izy: “Presbyteriana aho, ry rahalahy Branham, saingy izay fotsiny.” Hoy izy: “Mamory olona vitsivitsy ny pastora erỳ, isaky ny alakamisy hariva. Ny zavatra mba henoko, dia ‘Presbyteriana, Presbyteriana’, fa izaho tsy mbola nandeha tany.”

Hoy aho: “Efa namaky tao amin'ny Baiboly ve ianao?”,

“Eny”, hoy izy

“Efa nandre ve ianao fa ireo mpaminany fahiny ireo dia miditra any amin'ny sakan’erana hafa, sy ny zavatra toy izany?”.

Hoy izy hoe: “Izany moa no resahinao?”

Hoy aho hoe: “Izany tokoa…”

Hoy izy hoe: “Tsara. Hahafinaritra raha izany. Fa ianao, ry rahalahy Branham, tokony handeha…”.

Hoy aho hoe: “Efa nohadihadian’ireo ao Mayo aho, hitanao”. Ary niteny aho hoe: “Efa nanonofy nofy iray ve ianao, dokotera?”

Hoy izy hoe: “Eny tokoa”

Hoy aho hoe: “Raha izany, manofisa nofy iray ho ahy. Mandehana matory, manofisa nofy iray, ka lazao amiko izay tokony hataoko. Tsy afaka ny hanao izany ianao. Kanefa, izay mifehy anao dia afaka mampanonofy anao mikasika ahy, ary rehefa hifoha ianao dia hitantara izany amiko”. 

Izaho koa tsy afaka manao izany. Tsy afaka milaza izay anatin’izany aho. Tsy maintsy Izy no manao izany. Ary ny finoanao, Aminy, no manamarina ny Teniny. Toy ilay vehivavy, izay nino fa raha afaka manendry ny Akanjony izy, dia hitranga izany; tsy nahoany izay nolazain’ny olona. Fa izao, Izy tsy miova omaly, sy anio, ary mandrakizay. Mbola izany ihany no zavamisy izao.

Hitanareo ry sakaizako, rehefa mahita ireo fakantahaka sy ny toy izany ianao, dia somary manakorontana anao ihany izany. Kanefa, mandrosoa fotsiny, na manao ahoana. Dia hilamina izany, hitanareo. Kanefa, jereo, nateraka ho amin’izany ianao. Teraka ianao ary tonga aminao ireo talenta voajanahary rehetra. “Ny fanomezam-pahasoavana sy ny fiantsoan’Andriamanitra dia tsy misy hanenenany.” Toy ny lehilahy iray… Toy izay resahiko, tsy ela izay, tamin’i Paul Cain, mikasika an’i Ernie Ford, Red Foley ary Elvis Presley, ireo lehilahy manan-talenta lehibe amin'ny fihirana ireo, ary mampiasa izany ho an’izao-tontolo-izao. Nomen’ Andriamanitra azy ireo ny talenta, kanefa jereo, ahoana no ampiasany izany?

Toy ny tamin’i Jodasy Iskariota izany, izay nandray sekely telopolo tamin’olona, hamandrihana ilay Anankiray, izay nanome izany azy ireo. Tokony ho nampiasain’izy ireo ho an’ny fanjakan’Andriamanitra izany. Rehefa mampifangaro izany ianareo, dia heveriko fa tsy tokony havela hihira fihirana. Toy izany no hita ao am-piangonana sy ny olona ao, fa any ivelany tsy ahitana fiatsarambelatsihiny toy izany. Mandehana any Afrika Atsimo ianareo, fa handre feo toy izao: “Ahoana? Tovolahy tena mpivavaka i Elvis Presley, izy dia mihira fihirana”. Oh! tsy midika inona izany. Amiko, izy dia Jodasy iray koa. Ary Jodasy avokoa ireo rehetra izay nomen’Andriamanitra talenta, kanefa mandiso ny fampiasana izany.

Toy izany koa amin’ny mpanompon’Andriamanitra iray, izay naniry ahazo ny Tenin’ Andriamanitra, kanefa mandiso izany amin’ny fandraisany fanekempinoana, ary mampiasa ny lazany hanandratana io fanekempinoana io, asolony ny Tenin’ Andriamanitra. Jodasy faharoa koa izany.

Tsy nila niteny izany aho. Mamelà ahy ianareo, raha nanohina anareo izany. Tsy tokony nilaza izany aho. 

Fa eto, zavatra iray azoko lazaina izay teneniny amiko, dia izao: Ianareo, mivavaha.

Fa izao, ry Tompo, Teny tokana avy Aminao dia havesa-danja lavitra noho izay ho teneniko mandritry ny fiainako manontolo. Mino aho. Nampanantena izany Ianao. Anao aho. Aoka ho hitan’ny olona fa eto ny Fanahinao, ka rehefa handroso amin’ity laharam-bavaka ity izy ireo, hivavahana, mba ho hain’izy ireo izany ry Tompo. “Ny fivavaky ny finoana hamonjy ilay marary”. Mivavaka aho mba hahitany, fa tsy ny mpanomponao, fa Ianao no miasa. Amin'ny Anaran’i Jesosy no angatahako izany. Amena.

Mipetraha milamina vetivety fotsiny ianareo. Tsy izaho no manao izany. Hoy ianareo hoe: “Ahoana, rahalahy Branham?” – Tsy afaka hilaza zavatra aminareo aho. Tsy afaka manao afa-tsy izay asehony ahy aho.

Hoy Jesosy hoe: “Tsy manao na inona na inona Aho raha tsy asehon’ny Ray mialoha Ahy izany. Izay hitako ataon’ny Ray, toy izany koa no ataon’ny Zanaka”.

Mijere atỳ, rehefa miandrandra ianareo. Hitanareo, io ramatoa io, mipetraka mahitsy amin'ny faran’ny laharana io? Voan’ny aretim-behivavy izy. Fanelingelenana fahazo ny vehivavy. Marina izany, fitsihan-drà sy ny miaraka amin’izany no mahazo azy. Marina izany? Atsangano ny tànanao? Tsy mifankafantatra na kely aza isika. Ramatoa kely izy. Ny Hazavana dia eo ambonin’io anabavy io, mitoetra erỳ am-paran’ny laharana erỳ. Madama kely izy io, tanora manana volo… Hitako izy mandro. Raha mba hino fotsiny ianao, izao! Tsapanao fa nisy zavatra nitranga. Nisy zavatra namakivaky ny tenanao. Tsy izany ve? Ny fanasitranana anao izany. Hitanareo, nihamaivana izy rehefa voaongotra ny aretina. Ny finoanao no nanavotra anao.

Tsy izany koa ve no efa nataon’ny Tompontsika? Ilay vehivavy, izay nitsi-drà. Nikasika ny Akanjony izy dia lasa. Nahatsapa izany Izy, dia nijery, ka hoy Izy hoe: “Ny fitsihan-drànao izany.” Dia tsapan-dravehivavy fa nijanona izany. Tsy misy hafa amin’izany no nataon’i Jesosy Kristy. Inona izany? – Izy izany. Oh! Fantatro fa efa hitanareo avokoa ny zavatra rehetra, fa izaho dia ity fotsiny no andraikitro. Andriamanitra ihany no tompon’ andraikitra amin'ny Teniny. Tokony ho fantatrareo izany izao.

Aorianan’ilay vehivavy teo, misy vehivavy mipetraka, voan’ny fanintona izy io. Mifanintona matetika izy. Raha mino ianao Ramatoa, dia hesorin’ Andriamanitra aminao io fanintona io. Hataony izany raha mino ianao. Manàna finoana. Aza misalasala.

Azonareo ny tiako lazaina? Misy olona iray, ato amin’ity faritra ity, ao ambadika, any-ho-any, mahitsy an’ity zotra ity, no tokony hisy azy. Hitanareo, inona izany, mijery ianareo…

Mamelà ahy hiteny ity zavatra iray ity, dieny mbola tsy lasa miala-vizana kely aho.

Hitanareo, anareo izany. Mitaky hery be kokoa amiko, noho izaho mitoriteny. Tena izany. Hitanareo, ny mahatonga izany dia ny fampiasanareo ny fanomezam-pahasoavan’ Andriamanitra. Raha efa nanome fahitana Andriamanitra… toa an’i Jesosy, raha nahita an’i Lazarosy maty Izy. Nihataka ny trano Izy, niandry, ary niteny tamin’izy ireo ny zavatra hitranga, vao niverina ka nanao izany. Tsy mba niteny Izy hoe nandreraka Azy izany. Fa tamin’ilay vehivavy, ilay vehivavy no nampiasa ny fanomezam-pahasoavan’Andriamanitra. Toa anareo izany. Ny fanomezam-pahasoavan’Andriamanitra dia tsy mandreraka rehefa Izy no mampiasa azy. Fa raha ny olona kosa no mampiasa izany… Toy izany, rehefa Andriamanitra mandray anao an-Tànana, ka miteny hoe: “Ho toy izao izany, eto, sy eto, ary eto. Dia ho tanteraka toy izany.’’ Raha izay, dia tsy mandreraka an’ny tena izany. Fa rehefa ny olona no mila izany ka misintona azy, dia mandreraka. Toy izany ny fandehany.

Ireo olona ankehitriny, ny Fiangonan’ny Taonan’i Laodikia, no iafaran’ny tanisa mijotso. Hitanareo ve, indray hariva, taloha kely ny nitsidihan’ny pàpan’i Roma an’i Jerosalema voalohany? Sambany tao amin'ny Tantara nisy izany. Tsy mbola nisy pàpa nanefa iraka tany Jerosalema talohan’io. Hitanareo, avy tao Roma izy nankao Jerosalema. Ny Fiangonana, dia ny volana no maneho azy, rehefa tsy eo ny masoandro, dia izy no mampita ny hazavany. Maneho famantarana eny amin'ny lanitra Andriamanitra, alohan’ny anambarany izany etỳ ambonin’ny tany. Voatsikaritrareo ve fa nihamaizina tanteraka ny volana? Jerosalema no fiangonana tranainy indrindra eto amin'ny tany. Hitanareo? Ary rehefa io Konsily ekiomenika io, sy ireo zavatra izay…

Ralehilahy, manantena aho fa, matoa eto ianao, dia tsy mandaitra aminao izany. Fantatrao ve, fa raha mikambana amin’izany ianao, dia mandray ny mariky ny bibidia, ry sakaizako? Hoy ianareo hoe: “Oh, ka raha hitako ve ny fiaviny!”. Efa ho tara loatra amin’izay. Ho efa nandray izany ianao. Hitanareo? Efa ho tara amin’izay fotoana izay. Aza adino, fa nandeha hividy solika izy ireo, kanjo tsy nahazo.

Tsikaritrareo ve ny tranga, mahatonga ny volana ho maizina? – Voatakon’ny tany izy. Dia toy izany no nanakonan’izao-tontolo-izao ny Hazavan’ny Soratra Masina, tao amin'ireo Presbyteriana, ireo Metodista, ireo Batista, ireo Pentekotista, ary amintsika rehetra. Izany no anton’ny maha-maizina ny volana.

Ary voamarikareo ve fa ny taom-Piangonan’i Laodikia koa dia izy no hany tokana, ahitana an’i Jesosy ivelany, miezaka ny hiditra? Tsikaritrareo ve fa Izy tsy mba nilaza hoe: “Avelao izy ireo any”? Jesosy no Teny (tsy izany ve?), ilay Teny naseho. Izy… Izao kosa dia henoy: Tsy mba nanalavitra, na nandao azy ireo Izy, fa niezaka foana nampisy fiarahamiasa. “Raha misy mamoha varavarana, dia hiditra ao aminy Aho, ka hiara-misakafo aminy, ary izy Amiko”. Saingy, tsy misy varavarana… Hitanareo? Miezaka ny miditra fotsiny Izy, avy ivelany. Tsy olona no lavin’izy ireo. Andriamanitra no laviny.

Mino izany ve ianao, Madama kely izay mipetraka erỳ, manao solomaso fiaro amin'ny masoandro? Eny? Mino izany ianao? Vao eo ianao nisaina lalina. Ho sitrana ny masonao, raha mino ianao.

Mamelà ahy ianareo hilazako zavatra: misy anankiray miteny hoe: “Noho izy mitondra solomaso no nahafantarany izany.” Tsia.

Mijere atỳ.; aza mankatỳ, fa jereo fotsiny aho vetivety. Inoanao ve fa Mpaminany sy Mpanompony aho? Mino izany ianao. Tsy maintsy mino ianao, raha tsy izany tsy ho nisaina hoe: “Mahagaga loatra ny haben’izany fanambarana, fa hay iny volana iny ka maneho izany.”. Marina ve izany? Marina izany. Atsangano ny tànanao.

Fa izao: Ahoana no nahafahako namantatra izay nisaininy tao am-pony tao? “Maranitra noho ny sabatra roa lela ny Tenin’Andriamanitra, mahay mamantatra ny ertitreritra sy ny fisainan’ny fo.”

Izao, ianao dia mivavaka ho an’olon-kafa, na zavatra hafa. Itỳ eto itỳ, ny zavatra manavesatra ny fonao izao. Eto itỳ, ny ao anatin’ny fonao. Manana anadahy anankiroa ianao izay entinao am-bavaka izao. Samy mpimamo lava izy roalahy. Raha marina izany, atsangano ny tànanao. Tena tsara.

Tena tsara. Hitanareo, eo ianareo izao. Hitanareo izany? hitanareo ve? – “Maranitra noho ny sabatra roa lela Izany, ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan'ny fo.” Tsy hitanareo ve izany, ry namako isany? Efa nihoarantsika ny fiteny amin'ny fiteny tsy fantatra. Ao amin’ny Taonan’ny tantsambondanitra isika izao.

Itỳ, ato itỳ, eo anoloany, misy lehilahy manongilana ny lohany. Manify volo izy, mitafy palitao fotsy, ary manao solomaso. Manana olana ara-panahy izy izay… Jhon Thom

Andraso kely; fantatro io lehilahy io. Andraso kely. Azafady. Fantatro io lehilahy io. Marina izany. Heveriko fa efa nihaona tamiko tany-ho-any izy, indray mandeha. Tsy tadidiko. Ataoko fa tany Tucson izany, tsy ela izay, nifandray tànana tamin’izy ireo aho, tao… Ary marina izany.

Fa niantso an’Andriamanitra ianao teo. Manana olana lehibe ara-panahy ianao izay tsy hainao ny mifehy azy. Jereo Andriamatoa Thomas, aza matahotra ianao, fa hilamina izany. Fa izao: hainareo fa io… dia hilaza ianareo hoe: “Koa, efa fantany io lehilahy io.” Dia izao àry, vadiny io vehivavy mipetraka eo anilany io. Izaho tsy nahafantatra ny olan’Andriamatoa Thomas. Izy no hanamarina izany. Fa ny vadiny izay mipetraka eo anilany io, dia manana olana amin’ny sofiny, izay manahirana azy. Marina ve izany? Izany tokoa. Tena tsara.

Raisintsika manaraka, io ramatoa akaiky azy io. Mitodiha manatrika aty ange ianao Ramatoa. Mino ve ianao fa Mpanompony aho? Ilay ramatoa kely manao kapaoty mena io, mino ve ianao fa Mpanompony aho? Ianao koa dia marary, marary andoha lalandava ianao. Mino ve ianao fa hanasitrana anao Andriamanitra? Raha mino ianao, atsangano ny tànanao, ary mitenena hoe: “Mino izany aho”. Tena tsara, tena tsara izany. Hitanareo? Milamina izany, raha mino ianao!

Eto, ilay ramatoa manao kapaoty manga, mitoetra eo anilany. Mino ve ianao, ranabavy? Mino ve ianao fa afaka manasitrana ny aretim-ponao Andriamanitra, ka mahamavaina anao? Mino ianao? Tena tsara, afaka mahazo ny fahasitrananao ianao.

Io ramatoa eo akaikiny io, ilay ramatoa antitra noho izy io, fotsifotsy volo io. Mino koa ve ianao fa Andriamanitra dia afaka manasitrana ny tosi-drànao ambony, ka hihatsara ianao? Tena tsara, afaka ho sitrana ianao, hitanao?

Ilay ramatoa akaiky azy io, ianao koa, dia marary sofina. Mino ve ianao fa afaka manasitrana ny sofina marary Andriamanitra? Afaka mahazo fanasitranana koa ianao noho izany.

Io ramatoa akaiky azy io. Ramatoa ô, mino amin'ny fonao rehetra ve ianao fa manasitrana Andriamanitra? Misy anton-javatra ivavahano. Inoanao amin'ny fonao rehetra ve fa manasitrana Andriamanitra? Raha mino izany amin'ny fonao rehetra ianao, ho sitrana ny aretim-bavoninao. Afaka mody an-tranonao ianao, ary misakafo, sady ho tsara.

Ianao Andriamatoa, izay mipetraka akaiky azy io. Mino ve ianao fa afaka manasitrana anao koa Andriamanitra mba ho tsara ianao? Ekenao ve izany?

Ianareo sisa, iza avy aminareo no hino izany amin'ny fony rehetra? Azo antoka fa hino ianareo. [Mamaly ny mpivory hoe: “Amena” – Ed.]

Aretim-bavony, aretim-po, manasitrana ny rehetra Andriamanitra, manatsara ny fahasalamana Izy. Marina izany.

Io lehilahy mipetraka eo ambadika azy io, manana olana amin'ny lamosina. Mino ve ianao, Andriamatoa fa manasitrana ny aretin-damosina Andriamanitra? Mino ianao?

Marary lamosina koa io ramatoa akaiky anao io. Mino ve ianao Ramatoa fa manasitrana ny aretin-damosina Andriamanitra? Tena tsara. Afaka ho sitrana ianao. Marina izany. Oh, zavatra iray monja no tokony ataonareo…

Io ramatoa akaikinareo io, manana aretina amin'ny tsinay be. Marina izany. Mino ve ianao Ramatoa fa manasitrana io aretin’ny tsinay be aminao io Andriamanitra? Mino ianao?

Eto amin'ny laharana ambany eto, jereo. Misy olona voan’ny fahasimbana ny atidohany, erỳ mipetraka erỳ. Mino ve ianao fa manasitrana ny aretin’ny atidoha Andriamanitra? Mino ianao? Afaka ho azonao izany.

Io mipetraka akaikinao io, voan’ny fanintona. Mino ve ianao Andriamatoa, fa manasitrana ny fanintona Andriamanitra?

Ilay mipetraka akaikinao io, manana olana amin'ny maso. Mino ve ianao, Andriamatoa, fa manasitrana ny areti-maso Andriamanitra?

Ilay akaiky io, io zazalahy kely io, mararin’ny fanintona ihany koa. Mino ve ianao fa manasitrana ny fanintona Andriamanitra?

Ilay vehivavy mpitaiza azy, io miara-mipetraka aminy io, dia marary an-doha. Mino ve ianao Ramatoa, fa manasitrana ny aretin-doha Andriamanitra? Mino ianao? Afaka mahazo izany ianao.

Amena! Inona izany? Ny Tenin’Andriamanitra ho amin’izao andro izao dia maranitra noho ny sabatra roa lela, Jesosy Kristy ao amin'ny herin’ny mpanamory sambondanitra! Mino izany ve ianareo? [Amena hoy ny mpivory – Ed.].

Inona no voalohany amin’ireo kara-pilaharam-bavaka? [Misy mamaly hoe: “ireo A” – Ed.] Ireo A. Ireo olona rehetra manana karatra A, mitsangàna, etsy. Avia faingana izao, kara-pilaharam-bavaka A, raha mbola mihetsika toy izao ny hosotra. Kara-pilaharam-bavaka… [Misy banga ny horonampeo – N.d.R].

Eto ambany eto, amin’izay afaka midina aho, ka mivavaka eto ambany eto ho azy ireo. Heveriko fa tsara kokoa izany. Avia… [Misy manontany: “Ilainao ve ny mikrô? Ilainao ny mikrô finday? – Ed.]

Ry sakaiza, midina eto ambany ianareo. Eto, dia ho afaka hanao laharana tokana isika. Ireo kara-pilaharambavaka A rehetra, mitsangàna aloha ianareo, ireo no nahazo ny karany taloha. Avelao hiakatra etỳ ireo mitondra karatra A. Billy, aoka ianao hidina mba hijery raha efa milahatra izy ireo.

Ny kara-pilaharam-bavaka B indray izao, aoka ireo hanohy ny filaharana. Ireo rehetra manana karatra B aoka hanaraka ireo manana ny karatra A. Miodìna amin'ny ilany erỳ raha mety, ary milahàra etỳ: A, B.

Raha mba mino fotsiny ianareo! Mba ho mpanamory sambondanitra indray mandeha fotsiny, ialao ireo fiarakodia sy ireo fiaramanidina. Aoka hiditra isika raha mbola azo atao ny zavatra rehetra.

A, B. Izao, ireo manana ny kara-pilaharambavaka C; mandrosoa, milahàra manaraka azy ireo fotsiny. Ny kara-pilaharambavaka C, miverena eto ianareo, mandalova eto, mamakivaky eo afovoany, ary milahàra erỳ. Kara-pilaharambavaka A, B, C. [Misy miteny hoe: “Misy manadino angamba. Tokony ho maro noho izao izy ireo. Antsoy ny karatra rehetra – Ed.]

Mihemòra, eto izao. Izao mihitsy, milahàra manitsy itỳ zotra itỳ ianareo, itỳ zotra itỳ. Mitodiha mahitsy atỳ, amin’izay milamina tsara ny filaharantsika. Kara-pilaharam-bavaka A, B, C, avelao ireo hilahatra voalohany.

Hazony an-tànanareo fotsiny ny karatrareo. Hisy mpandamin-draharaha handray ny karatrareo. Tsy haiko ahoana ny fomba ahazoantsika hampilahatra azy ireo araka ny isany. Mino aho fa handeha tsara io izao, na manao ahoana… [Misy milaza hoe: “Milamina io rahalahy Branham” Ed.]. Avelao amin’izao ireo.

A, B, C, D izao. A, B, C, D, kara-pilaharam-bavaka D. A, B, C, D. Misy karatra D ve? Ataoko fa ajanoko amin’izay. Kara-pilaharam-bavaka A, B, C, D. Tena tsara. Milahàra amin’izay ireo rehetra manana karatra. Aoka hanatona ny vondrony avy ny tsirairay manana karatra, ary milahàra. Raha ny marina, dia tsy misy fomba handaharantsika azy ireo tanteraka noho ny hamaroany.

Izao kosa, dia tiako ho fantatra firy, eto, no hiaraka amiko hivavaka ho an’ireo marary ireo. Henoy, moa ve ianareo…

Fa izao, tandremo, raha tonga eo ianao mba ho entina am-bavaka, kanefa ao anakampo ianao misaina hoe: “Hankeny aho, dia ho hitako eo izay hitranga,” tsara kokoa aminao ny mijanona eo amin'ny toeranao, fa tsy hisy na inona na inona hitranga. Hitanareo?

Tsy afaka hanao zavatra hafa Izy, tsy hanao famantarana hafa eo amin'ny vahoaka Izy. Mifanaraka amin'ny Baiboly izany. Tiako raha hisy hilaza amiko famantarana hafa nampanantenainy ankoatra ireo efa nataony teto? “Toy ny tamin'ny andron’i Sodoma,” sy Malakia 4 [Malakia 3:19-24 amin'ny Baiboly malagasy], ary ireo teny fikasana rehetra nomeny, ireo rehetra ireo dia rakofan’ny zavatra tokana: Tsy hisy famantarana hafa homena ny fiangonana. Ny zavatra manaraka ho hitanareo dia sidina hankany amin'ny Lanitra. Ho hampakarina izy ireo.

Aza andalovanareo izany, ry sakaiza. Tadidio, henoy ny Feoko. Hampanenina anao mandritry ny fiainanao manontolo raha tsy ho niditra ianao. Rehefa hijaly amin’ny sazinareo ianareo any, any ivelany any, any amin’izay hisy ny fitomaniana sy ny fitarainana ary ny fikotroha-nify, dia hihiaka tsy an-kiato io Feo io. Ho renesinareo tsy an-kiato izany ao amin’io helo maha disaka sy mampihorin-koditra io. Aza andalovanareo izany. Fotoana mety ho anareo izao.

Oh, maro loatra izy ireo! Asa, raha ho afaka aho… Mety ve ianareo ry rahalahy, hiaraka amiko hivavaka ho azy ireo? [“Eny”, hoy ny rahalahy iray – N.d.R]. Ireto mpanompon’ Andriamanitra ireto ve izany? [“Eny”]. Te hijanona eto aho…

Izao, jereo, niteny mafy aho mikasika ireo fiaramanidina sy fiarakoda. Aza adino, fa “herin-tsoavaly maro” ihany koa no mampandeha azy ireo. Herin-tsoavaly avokoa ireo rehetra ireo. Mihetsika miakatra ny Fiangonana, noho ny herin’ny Fanahy Masina. Ny Fanahy Masina no hanamarinana antsika. Hainareo mpitoriteny izany, tsy izany? Ny Fanahy Masina no manamasina antsika. Ny Fanahy Masina no mameno antsika. Ny Fanahy Masina no manome antsika ny finoana ho amin'ny Fampakarana, (hitanareo?) rehefa hiakatra isika.

Fa izao: tsy tiako rehefa handao ity tany ity aho, ka ianareo rehetra hisaina hoe… “Oh, ny rahalahy Branham dia olona mendrika!”. Tsy izany aho. Tsy mendrika ny hiaraka amin’ireto pasitora ireto akory aza aho. Olona tsy nianatra aho. Olona efa lany andro aho. Fa ny amelan’Andriamanitra ahy hanao itony zavatra itony dia ny hanamarina fotsiny izay efa nampianarin’ny pastoranareo anareo. Olon’Andriamanitra izy ireo.

Henoinareo: Tsy mila mitady ny rahalahy Oral Roberts, na ny rahalahy Paul Cain, na ny tenako, na olon-kafa ianareo rehefa marary. Ny pastoranareo, lehilahin’Andriamanitra, dia afaka mametraka ireo tànany masina eo aminareo. Hainareo, izy no antsoinareo hivavaka ho anareo. ny pastoranareo mahatoky. Henonareo aho niantso azy teo mba hivavaka ho anareo. Mametraka ny tànany aminareo izy raha mafana oditra ianareo, noho ny tazo. Ny zavatra fantatrareo voalohany, dia hiala io tazo io afaka andro vitsivitsy ary ho tsara ianareo. Inona izany? – Ny finoan’ny pastoranao sy ny anao. Eny, Andriamatoa. Tsy olona an-tsisi-tosy ireo, fa mpanompon’Andriamanitra, mitsangana eny ambava-ady, ny Sabatra roa lela eny an-tànany. Tsy iadian-kevitra izany. Azo antoka fa izany izy.

Andeha hiantso ireo pastora ireo aho hiaraka hitsangana amiko eto raha hivavaka isika. Sitrakareo ve izany? ianareo rehetra? Manatona àry. Andeha hidina aho, ka hanao laharana roa sosona isika eto. Ka rehefa sitrana ny olona, dia tsy afaka hiteny fa… Mila ny tànanareo aho ry pastora isany, ianareo rahalahiko. Izao ary isika dia…

Raha avy ianareo ka milaza hoe: “Hanandrana aho…” Tsia, aza manao an’izany. Aza manao an’izany, aza màka ny toerana tokony ho an’olon-kafa. Hitanareo? Manatona ianao, mahafantatra fa hahazo izay nangatahinao.

Jereo fotsiny atỳ, ireo pastora maro be! Oh, la! la! Efa nihaonako ny maro tamin'ireo lehilahy ireo. Fantatro izy ireo. Fantatro ireo satria efa niara-nisakafo tamiko, na zavatra hafa toy izany. Lehilahin’Andriamanitra izy ireo. Mpanompon’ Andriamanitra ireo.

Izao dia jereo atỳ. Tamin'ny Andro Pentekosta, nizarazara toy ny lelan’afo maro ny Fanahy Masina, ary nidina tamin'ny tsirairay tamin’izy ireo. Nisarasaraka ilay Andry Afo lehibe, ary samy nandray ampahany tamin’io Fanahy Masina io izy rehetra, niendrika ny lelan’Afo. Ary raha atambatrareo ny lelan’Afo roa dia mahazo hery indroa heny ianareo. Tsarovy, tsy Ezekiela ve no nahazo ny fahitana ireo tapa-kazo roa teny an-tànany? Hitanareo?

Jereo ary izao, eto, jereo izay anananareo, ireto lehilahin’Andriamanitra maro ireto! Ankoatra izany, firy ny mpivory no hiara-kitondra am-bavaka? Atsangano ny tànanareo. Jereo ange! Ianareo ao amin'ny filaharam-bavaka jereo moa ireo. Jereo, ireo izay hivavaka ho anareo, an-jatony maro.

Eto indrindra ny Fanahy Masina izao, Jesosy Kristy manaporofo fa Izy mihitsy no eto. Tsy afaka manao mihoatra izany Izy. Firy aminareo eo amin'ny filaharambavaka no mino izany? Atsangano ny tànanareo. Isika rehetra aoka hivavaka, izao

Mila an-drahalahy Borders aho izao, na olon-kafa, izay mpitarika ny hira. Iza ilay mpitarika hira? Misy mikrô ve ato aminareo? Tena tsara. Mila olona vitsivitsy aminareo aho, hanatona aty, hihira ilay hira: Minoa fotsiny ihany: “Ny zavatra rehetra dia azo atao, minoa fotsiny ihany.”

Rehefa izany, mandritra izy ireo mihira, angatahiko mba hivavaka ny rehetra. Aza mitràka, aza manandratra ny masonareo, raha tsy hoe misy zava-mahagaga mitranga. Aza misy mijery.

Manaraka izany, tsy maintsy mahitsy fo ianareo. Ho an’ny sasany amin’ireo olona ireo dia ho faty sa ho velona izy. Eto ireo mararin’ny homamiadana, ny tiberkilaozy, ny fivontosana, am-bavan’ny fahafatesany ireo. Ary raha tao anisan’ireo moa ny reninareo? Tsarovy fa olona anie ireo. Aoka àry ho feno fanajana. Ary rehefa hanatona izy ireo ka hametraka ny tànanay aminy izahay… Midina aho izao, hiaraka amin’ireto lehilahy ireto. Ary raha miara-mametraka ny tananay amin’ireto olona ireto izahay, ianareo kosa, mivavaha mba ho sitrana izy ireo.

Ianareo eo amin'ny filaharam-bavaka, izao aho afaka miteny aminareo, aminareo erỳ aoriana erỳ sy ao amin'ny filaharambavaka. Rehefa hanatona ianareo, izao no hataonareo, raha mino ahy ianareo. Jereo, rehefa hamindra ao anatin’io filaharana io, tsarovy, fa toy ny mandeha ao ambanin’ny aloky ny Hazo Fijaliana ianareo. Ireto lehilahy ireto dia manao tsy misy hafa amin’izay nolazain’i Jesosy fa tokony ataony. “Hametra-tànana amin'ny marary ireo dia ho sitrana ny marary.” Hidina aho, toy ny efa voalazako teo, hamelatra ny haratoko miaraka aminy, ka ho afaka hanao izay rehetra hanampiana ny olona izahay. Hino ve ianareo?

Izao dia hivavaka isika, aloha, satria voalaza fa… Hainareo, namonjy ny zoron’ny efitrano nisy ny fatin’i Dorkasy i Petera, dia nivavaka, ary nanatona azy izy, ka nametra-tànana taminy. Rehefa avy nivavaka izy, dia nitsangana, nanatona, ary nametra-tànana taminy. Elia dia niaka-nidina ny rihana mandra-pahatongavan’ny Fanahy Masina teo aminy. Rehefa izany, nanatona izy ary niampatra teo amin'ny vatan’ilay zaza maty. Tsaroanareo ve izany? Hivavaka isika izao, avy eo hametraka ny tànanay aminareo izahay arakaraky ny handrosoanareo amin'ny laharana. Ary ianareo, manatòna, ka rehefa avy nametrahanay tànana, dia mitsangàna, ekeo ny finoanareo, ary mandehana sady miderà an’Andriamanitra. Meteza ho tantsambondanitra rehefa manatona eto, ary manidìna ambonin’izay rehetra tsifinoana.

Rainay izay any an-Danitra, izahay izao dia tonga amin'ny fetra avo indrindra, fotoana iankinan-java-dehibe. Mety hisehoan-javatra lehibe indrindra ho an’ireo marary ireo izao. Izao no fotoana handalovan’ireo olona an-jatony maro ireo amin’ny filaharam-bavaka, eo anoloan’ireto pastora, izay nantsoinao avy tamin'ny fiarahamonina samihafa; ary nanolotra ny ainy ho Anao, ho fanajana ny Tenin’Andriamanitra sy ny niantsoana azy.

Indreto, anatin’ity boaty ity, mosoara izay handeha any amin’ireo marary sy ory fo. Jesosy Tompo, aoka mba ho sitrana izy rehetra, satria amin'ny Anaran’i Jesosy Kristy no handefasanay azy ireo any aminy.

Ary Tompo, ireto olona marary izay mandroso ao amin'ny laharam-bavaka, aoka hanana finoana izao. Hanapa-kevitra anie izy ireo, ka hiteny hoe: “Nanao an-tsirambina aho hatrizay, ankehitriny aho tsy hanao mosalahy intsony. Fa raha tsy maintsy mino aho, dia hino aho izao, tsy misy hatakandro. Nahita ny Tenin’Andriamanitra velona naseho aho. Fantatro fa ato amin’ity efitra ity Jesosy. Azoko antoka fa tsy sandoka ilay anehoany ny Tenany, satria Ianao niteny hoe: “Raha misy iray olona ara-panahy, na mpaminany, ary hitanao fa tanteraka izay lazainy, dia henoy izy”.

Tompo Andriamanitra ô, aoka ho resy lahatra ny olona, raha miezaka milaza aminy aho fa tsy maty Ianao, fa velona izao-ankehitriny-izao, ary ny Hosotrao dia eto amin'ny Fiangonanao sy ny Vahoakanao. Aoka ho sitrana izy ireo rehefa handalo. Amin'ny Anaran’i Jesosy Kristy no anaovako izany vavaka izany. Amena.

Aoka hanohy hivavaka isika izao, raha miomana hitarika ny fihirana, ny rahalahy Borders, na olon-kafa. Tazony miondrika ny lohanareo, fa hidina aho izao mba hilahatra sy hiaraka hivavaka amin’ireto olona ireto.

[Mivavaka ho an’ny olona ao amin'ny filaharam-bavaka Rahalahy Branham sy ireo pastora, mandritra izany, ny mpivory kosa mivavaka sy mihira ny “Minoa fotsiny ihany”. Misy banga ny horonam-peo – Ed.]

Tompo, mino aho,
Fa azo atao ny zavatra rehetra,
Tompo ô, mino aho;
Tompo ô, mino aho;

(Atsangano ny tànana sady mihirà)

Mino aho, Tompo ô
Azo atao ny zavatra rehetra.
Tompo ô, mino aho

Hainareo? Heveriko fa mbola tsy nahita filaharam-bavaka toy ity aho hatry ny niainako. Tsy mbola nahita finoana toy ny an’ity filaharam-bavaka ity aho. Tena marina, ity filaharam-bavaka ity, mino aho fa ity no mahafinaritra indrindra amin’ireo izay hitako tato Etazonia, tao amin’ny fiainako. Tsy mbola nanana filaharam-bavaka toy ity aho! Azoko antoko toy ny maha William Branham ny anarako izany. Ary mijoro eto amin’ity lampihazo ity aho izao. Ianareo, pastora isany, dia handre ny akon’izany amin’ireo olonareo izay nandalo iny filaharam-bavaka iny. Tena finoana lehibe no nisy teo, anisan’ireo tsara indrindra hitako tamin'ny fiainako. Nifanaraka tamin’ny fomba tokana fijoroako vavolombelona izany, dia ny hosotry ny Fanahy Masina. Tena nahafinaritra indrindra. Misaotra anareo rehetra aho.

Izao, izay rehetra mino fa sitrana, aoka hiteny hoe: “Amena”. [“Amena” hoy ny mpivory – Ed.] Ianareo any, henoy izany! Ho tahin’Andriamanitra ianareo

Andriamanitra anie homba anareo mandra-pihaonako aminareo indray. Raha sitraky ny Tompo, amin’ny herinandro ambony aho, ho eto amin’ny Tulare. Izany tokoa ve ny anarany ? Tulare, eto amin’ny Tulare, amin’ny herinandro ho avy.

Hitsangana vetivety isika izao, sady hamarana, araka ny fomba mahazatra. Ary any ivelany no hizarana ireo lamba nivavahana sy ny zavatra hafa. Andriamanitra anie hitahy anareo.

Andriamanitra anie hitahy anareo, rahalahy mpanompon’Andriamanitra. Ny tena nampivaingana izany, ry rahalahy, dia rehefa ianareo – teo i Paul Cain sy ireo pastora rehetra – ianareo rehetra, nitsangana nilahatra teo, nitantsoroka mafy ny finoana.

Tena nankasitrahako be tokoa iny fivoriana iny. Ataoko fa anisan’ireo fivoriana nafana indrindra tamin’ireo nataoko tato Etazonia izy iny. Nisy ihany no lehibe noho iny.

Hitahy anao anie Andriamanitra, ranabavy. [“Te-handray ny tànanao fotsiny aho. Oh, haleloia!” hoy ny ranabavy Upshaw. – Ed.] – [ Ny senatora William D. Upshaw dia nahazo fanasitranana teo-no-eo, nandritra ny fivoriana iray nataon-dRahalahy Branham, tao Los Angelès, ny 8 febroary 1951, raha avy nalemy nandritry ny 66 taona izy – Ed.].

Andriamanitra anie hitahy anao, ranabavy Upshaw. Tsy misy herinandro iray ka tsy atsarovako anao sy ny rahalahy Bill. Hihaona indray aminareo any ampita Any aho, ry anabavy, rehefa ho dila avokoa ireo zava-dratsy rehetra. Ho Any isika amin’izany andro izany. Amena.

Aoka hanondrika ny lohantsika isika izao, ary angatahina ny pastora tompon’andraikitra hisaotra antsika amin'ny alàlan’ny vavaka. Hanondrika ny lohantsika isika. Hitahy anao ny Tompo, ry rahalahy.