Szabad Népmisszió

Jézus Krisztus tegnap és ma és mindörökké ugyanaz (Zsid.13:8)

nyelv :

Ilay toerana voafidin'Andriamanitra itsaofana Azy / William Branham




ILAY TOERANA VOAFIDIN'ANDRIAMANITRA ITSAOFANA AZY

(Le Lieu d’adoration choisi par Dieu)

20 febroary 1965

Parkview Junior– HIHG SCHOOL AUDITORIUM

Jeffersonville, Indiana, ETAZONIA

———————

 

Hitsangana vetivety isika hanondrika ny lohantsika mba hivavaka. Te-ahafantatra aho, mandritra izany (ary ny fontsika koa, inoako), firy amin'ny olona tonga eto androany no maniry entina am-bavaka noho ny antony manokana. Atsangano fotsiny ny tànanareo, ary mitenena hoe: "Andriamanitra ô, omeo ahy izao hariva izao izay tadiaviko". Andriamanitra anie hitahy anareo.

Rainay izay any an-danitra, manatona amim-panetrentena io Seza fiandrianan'ny fahasoavanao lehibe io izahay. Amin'ny alàlan'ny finoana no ifindranay ao amin'ilay Ankoatra izay iangonan'Andriamanitra, sy ireo Anjely, sy ireo Kerobima ary ireo mponina rehetra ao an-danitra. Ary tsy misy voronkely mianjera amin'ny tany ka tsy fantatr'Andriamanitry ny lanitra, hoy Izy. Mainka va Izy tsy hijery ireto olona an-jatony maro izay manondrika ny lohany ka mampakatra fangatahana manokana Aminy ireto. Izao hariva izao, Ray ô, ampidino amin'ity tontolo mahantra ity ny masonao, satria izahay dia olona mahantra.

Noho izany no ivavahako Aminao, Andriamanitra ô, satria tafangona eto izahay ary maneho Aminao ny finoanay amin'ny Andriamanitra Velona iray izay mamaly vavaka. Nivoaka ny tontolon'ny tsivoafora fo sy sofina izahay, nivoaka izahay mba hiaina fiainana hafa sady haneho ny finoanay Anao. Ka izao hariva izao dia manangana ny tànanay izahay mba ilazanay fa mahantra izahay. Andriamanitra Malala ô, mamalia ny vavakay tsirairay avy.

Ary, Ray, mangataka Aminao ny Fanatrehanao izao hariva izao izahay, ry Ray, amin'ny alàlan'ny Teninao. Tonga eto izahay mba hahitsy sy hahafantatra tsaratsara kokoa, ahaizanay ahoana no tokony hiainanay ankehitriny, inona no tokony ho banjininay, inona no tokony ataonay. Satria fantatray fa ny Fiavian'ny Tompo dia antomotra, araka ny famantarana novinanian'ireo mpaminany. Manatona ny fotoana izay handraisan'ireo Zanakao ny fanafahana azy tanteraka izahay. Tompo. Andriamanitra ô, ataovy tonga amin'izany fotoana izany avokoa ny tsirairay aminay ireto, aoka tsy hisy ho latsaka na iray aza. Izany Tompo, no antony ahatongavanay eto. Tianay Ianao ary miezaka miomana ho amin'izany fotoana izany izahay.

Mitenena aminay Ianao, angatahinay Aminao indray izany izao hariva izao, ary sitrano ireo marary. Miangavy Anao hanasitrahana ireo marary sy ory fo izay ato anatin'ity efitra ity izahay, Tompo, indrindra ireo manana olana ara-panahy. Miangavy Anao izahay, mba hanavotra ny fanahy rehetra izay very, hameno ny mpino tsirairay amin'ny Fanahy Masina, ary hanavao ny hery sy ny tanjak'ireo mpino Zanakao. Omeo anay izany, Ray. Mangataka besaka Aminao izahay, satria Ianao ihany no niteny hoe “mangataha betsaka, mangataha zavatra lehibe sady maro mba ho tanteraka ny fifalianareo.” Koa angatahinay Aminao ireo, amin'ny Anaran'i Jesosy Kristy. Amena. 

Mahazo mipetraka ianareo.

Heveriko fa tombontsoa lehibe ny mbola ahafahako tafaverina amin'ity lampihazo ity indray izao hariva izao, anatin'ity sekoly ambony ity, manoloana ireto olona mendrika ireto izay miangona mba hihaino ny Filazantsara. Mangataka ny fitahian'Andriamanitra aho mba ho afaka hanambara aminareo ny fahamarinana rehetra izay fantatro. Afaka manakatona ny vavan'olona Izy toy ny nanakatonany ny vavan'ny liona. Koa raha sendra mitady hiteny zavatra diso aho, mifanohitra amin'ny Sitrapony, dia mivavaka aho mba hanampina ny vavako Izy ka tsy hahatenenako izany. Satria izaho koa mba te-ho any an-danitra, ary tsy mba ho tonga any aho, raha etsy ankilany aho ho mpitarika sandoka, ho olona mpanao zavatra mivilana. Fa raha sendra ka hanao toy izany aho anefa, dia noho izaho tsy mahafantatra zavatra afa-tsy izany. Hitahy anareo anie ny Tompo.

Rahampitso maraina, raha sitrapon'ny Tompo, dia mikasa aho hitory mikasika ny "Fanambadiana sy fisaraham-panambadiana". Ary matoky aho fa ho tonga ianareo hiaraka amin'ny penina sy taratasy. Tsy ho lava loatra izany. Ny fikasako dia ny hiverina et Indiana aloha, araka ny nampanantenako anareo, Ka hiezaka hitory izany aho rahampitso maraina, na rahampitso hariva. Kanefa raha sitraky ny Tompo, dia rahampitso maraina no hitoriako io lohahevitra io, ireo foto-pampianarana anankiroa ireo. Hitahy antsika anie ny Tompo mba ahafantarantsika inona ny marina, ahafantarana fotsiny ny Fahamarinana, ka hamindrantsika araka ny Fahamarinana sy ao amin'ny Fahazavana. 

Fantatrareo fa nanana namana ela maintihoditra iray aho. Nahavantana azy ny niteny tamiko hoe: "Rahalahy Billy, tsy te-ho sahirana aho rehefa ho tonga eo amin'ny renirano. Tiako ny hanana ny tapakilako eny an-tànako. Ary tsy te-ho sahirana aho any rehefa haneno ny kiririoka. Efa ela be aho no nangataka tamin'ny Tompo mba hametraka ahy mivantana any ambony any raha misy sampona. Satria ho maizina ny andro, amin'io maraina io rehefa hiala ny morontsiraka ny sambo ka hiampita any amin'ny ilany. Tsy mila sakasakana aho, ka te-hikarakara izany dieny izao". Izany no ahatongavantsika eto, dia ny hiezaka hitandrina amin'izay rehetra mety ho sakasakana, ka hahafahantsika miondrana toy izany rehefa ho tonga ny fotoana.

Tsy hiresaka ela loatra aminareo aho izao hariva izao, satria fivoriana anankiroa no hataontsika rahampitso. Avy eto koa aho tsy maintsy handeha hanao fivoriana maromaro an-toeran-kafa.

Fa izao dia te-hamaky, ao amin'ny Deotoronomia, toko faha-16 aho, ireo andininy roa voalohany: 

"Tandremo ny volana Abiba, ka ataovy ny Paskan’i Jehovah Andriamanitrao; fa tamin’ny volana Abiba no nitondran’i Jehovah Andriamanitrao anao nivoaka avy tany Egypta tamin’ny alina. Ary vonoy ny Paskan’i Jehovah Andriamanitrao, dia ondry aman’osy sy omby, eo amin’ny tany izay hofidin’i Jehovah hampitoerany ny anarany." 

Ary ity no lohateniko izao hariva izao: 

"Ilay toeram-pitsaofana voafidin'Andriamanitra" 

Raha tsikaritrareo, ny volana Abiba dia midika Aprily. Volana Aprily no nivoahan'izy ireo. 

Ny zavatra hitantsika hafahafa izao hariva izao, amin’ny maha-mpidera an'Andriamanitra antsika, dia ireo hevitry ny olona misandrahaka maro samy hafa loatra amin’izao andro ianantsika izao. Ary raha mbola tsy mitovy ny hevitry ny olona mikasika ny zavatra, dia midika izany fa misy fanontaniana maro mipetraka. Kanefa isaky ny fanontaniana dia tsy maintsy iray ihany no valiny marina.

Ohatra, raha hanontany aho hoe: "Inona ity?" 

Dia hisy hiteny hoe: "Polipitra io". 

"Inona no ampiasana io?" Hitanareo?

Kanefa mety hisy hiteny kosa hoe: "Tsy polipitra io fa latabatra." Marina fa latabatra koa io, kanefa ny tena izy dia polipitra io". Hitanareo, tsy maintsy misy ny valiny tena izy. 

Raha hanontany zavatra iray aho, dia tsy maintsy misy ny valiny marina iray. Mety misy manakaikikaiky izany. Saingy, iray ihany ny valiny mivantana, tena marina. Araka izany, na inona na inona fanontaniana tonga ao amin’ny fiainantsika, dia tokana ihany ny valiny mety sady marina.

Kanefa ankehitriny, dia maro loatra ny zavatra renesintsika voalazan'ny olona ato amin'izao-tontolo-izao. 

Noho ny maha-misionera ahy, dia maro ny fitsidihana nataoko, niampita ranomasina, maneran-tany. Nifandray tamin'ny olon'ny finoana isan-karazany aho, toy ny Boudhistes, ny Silamo, ny Shiites, ny Djaïnistes sy ny hafa koa. Araka izany, na tato Etazonia aho, na tany amin'ny firenen-kafa, dia nanatona fiangonana samihafa, toy ireo fiangonana mitondra anarana samy hafa eto amintsika, izay niandoha tamin'ny fiangonana voalohany Katolika Romana, narahin’ny fiangonana Grika, ary ireo hafa rehetra. Tamin’ireo no nipoitra ireny fombam-pivavahana rehetra ireny, nandritra ireo Taonan’anarampiangoana, ka niforonana anaram-piangonana protestanta miisa sivinjato mahery. 

Ankehitriny dia mahita ny fotokevitr'izy ireo ianareo, ary tsy afaka manome tsiny azy ireo aho. Ny tsirairay dia mihambo ho manana ny marina. Ny mpikambana amin'ireo fiangonana ireo dia azo heverina fa mino toy izany, satria nanankina ny hoaviny mandrakizay tamin'ny fampianaran'ny fiangonany avy. Ary tena samy hafa loatra izy ireo, noho izany dia misy fanontaniana sivinjato samy hafa no mipetraka. 

Kanefa na dia misy fanontaniana sivinjato samihafa mipetraka aza, dia tsy maintsy tokana ny valiny marina. Ary te-hitady izany ao amin'ny Soratra Masina aho, izao hariva izao, raha miezaka hankany amin'ny Lanitra isika, hihaona amin'i Jesosy Tompo izay tiantsika rehetra.

Fa izao, raha fanontaniana ara-Baiboly izany, dia tsy maintsy misy valiny ara-Baiboly. Tsy tokony ho avy amin'ny vondron'olona izany, na fikambanana, na mpampianatra, na anaram-piangonana; izany dia tokony ho mivantana avy ao amin'ny Soratra Masina, ao izay fihaonana amin'Andriamanitra, izay misy ny fitsaofana Azy. Ary satria Andriamanitra Izy, dia tsy maintsy misy, any-ho-any, toerana iray fihaonana Aminy.

Ary hitantsika izao ato amin'ny Deotoronomia, fa Mosesy dia nampahatsiahy azy ireo ny Soratra Masina, ireo zavatra nolazainy taminy, ary ahoana ny namoahan'Andriamanitra azy ireo avy tao Egypta, tamin'ny Tànany mahery ka nampitoerany azy.

Nantsoina hoe "vahoakan'Andriamanitra" izy ireo mandra-pivoahany tao Egypta, fa rehefa izany dia nantsoina hoe "Eglizin'Andriamanitra", satria ny Eglizy dia Fiangonana, ny marimarina kokoa ny teny eglizy dia midika hoe "ireo izay nantsoina hivoaka avy ao". Ary nivoaka avy tao Egypta izy ireo mba ho tonga fiangonana.

Fa talohan'ny nanamboaran'izy ireo ny Tempoly ka nanaovany ny zavatra rehetra, dia nilaza taminy Andriamanitra hoe: "Hifidy ny toerana fiankohofana Amiko Aho, ka ao no hametrahako ny Anarako." Ary ny toerana tokana izay tsy maintsy hihaonana amin'Andriamanitra dia ilay nofidiny, Izy ihany. Nifidy ny Toerany Izy, ary raha nifidy ny Toerany Izy, dia nataony tao ny Anarany. Izany no lazain'ny andininy faharoa eto. Tsy maintsy nametraka ny Anarany tao amin'ny toerana voafidiny Izy mba nahafahan'ny Vahoakany nitsaoka Azy. Ny fanontaniana àry, dia ny ahitantsika aiza no misy io toerana io.

Satria misy fotokevitra sivinjato mahery, dia tsy ho jerentsika ireo fivavahana rehetra jentilisa, ka tsy hiresaka afa-tsy ny fivavahana kristiana isika. Tsy isalasalana fa tiako ny jentilisa, raha tsy izany tsy ho niampita ranomasina aho mba hiresaka tamin'izy ireo, saingy izy ireo dia ao anatin'ny fahadisoan-kevitra. Ny kristianisma irery no fivavahana marina. Tsy noho izaho kristiana no ilazako izany, fa kosa mino aho fa izany no Fahamarinana. Io irery ihany no fivavahana marina.

Nitsidika ny fasana izay misy soavaly fotsy soloina isaky ny adiny efatra aho, izay ilevenan'i Mahomet, ilay mpisoronabe sady tonia voalaza fa tonga taorian'i Kristy ary voalaza fa mpaminany. Tsy mandà izany aho; tonga taorian' ireo Macchabées mirahalahy izy. Fa fony izy ho faty, dia nilaza fa hitsangana ka handeha hamabo izao-tontolo-izao. Ankehitriny dia soloina isaky ny adiny efatra ny mpiambina ary misy soavaly fotsy mijanona mandrakariva eo akaikin'ny fasany. Efa ho roa arivo taona no nanaovan'izy ireo izany, satria miandry ny hitsanganany amin'ny maty sy ny hamaboany izao-tontolo-izao.

Resahintsika kelikely indray i Bouddha. Taonjato maro, efa ho 2300 taona lasa no niainan'i Bouddha, andriamanitr'i Japana. Izy dia filozofy koa, mitovitovy amin'i Conficius sy ireo hafa. 

Fa ireo rehetra ireo, mpanorina fivavahana ireo, dia maty avokoa, ary niara-nilevina taminy ny filozofiany. 

Fa ny kristianisma izay napetrak'i Jesosy kosa dia eo anoloana fasana foana. Izy no Lehilahy tokana, tamin’ity tany ity, afaka niteny hoe: "Manana fahefana hanolotra ny Aiko aho, ary manana fahefana haka azy indray". Ary notanterahiny izany. Ary velona Izy ankehitriny. 

Ary fantatsika fa velona Izy satria miaraka amintsika Izy, sady maneho ny Tenany Izy amin'ny alàlan'ireo famantarana sy fahagagana nampanantenainy fa ataony. Toy ny nitarihan'ny Andry Afo ireo zanak'Isiraely namakivaky ny tany efitra fahiny, no iarahany amintsika ankehitriny. Azo sary mihitsy aza Izy. Izy dia nanatanteraka ireo famantarana sy fahagagana izay nampanantenainy fa hataony amin'izao andro izao. Ary mahita isika fa ireo Teny rehetra nambarany dia tanteraka izao. Ary ny sisa amin'izao-tontolo-izao, ireo tsy mpino, dia tsy mahita izany. Ny tontolon’ny Kristianisma ihany no mahita!

Ary misy olana ankehitriny, noho ny fisian'ny fanontaniana sivinjato mahery mikasika ny toerana fanatonana an'Andriamanitra. (Mihaona amin'ny Metodista Izy, mihaona amin'ny Batista, mihaona amin'ny atsy sy ny aroa). Koa mipetraka ilay fanontaniana, ary tokony amin-tahotra sy fangovitana ny tsirairay no hitady ny famonjena azy manokana. 

Fa izao hariva izao aho te-hiezaka hitady ao amin'ny Soratra Masina aiza no misy ny toerana mety itsaofana an'Andriamanitra ka hihaonany amin'ny olombelona ary hiezaka hanaporofo izany. Ary raha marina izany, dia izany no toerana tokana hihaonany amintsika mandrakariva.

Naka io andininy tamin'ny Deotoronomia io isika izao. Teny grika io izay midika hoe "lalàna roa". Ny teny grika “Deuteronome” dia midika hoe "lalàna roa". Ary izany mihitsy no misy raha amin'Andriamanitra. Misy lalàna roa samihafa. Ny iray dia lalàn'ny fahafatesana, ny iray kosa lalàn'ny Fiainana. Ny manaraka Azy, sy manompo Azy ary mitsaoka Azy, izany no Fiainana. Ny mitsipaka Azy kosa no fahafatesana. Misy lalàna roa amin'Andriamanitra.

Ary ny iray amin'ireo lalàna ireo no nomena an'i Mosesy tao amin'ny tendrombohitra Sinaï. Nomen'Andriamanitra an'i Mosesy sy ny zanak'Isiraely izany Lalàna izany. Tsy hoe afaka nanampy azy ireo izany Lalàna izany, fa ny Lalàna dia nanondro fotsiny ny maha-mpanota azy ireo. Talohan'io fotoana nahazoany lalàna io dia tsy nahafantatra ny atao hoe fahotana izy ireo. Tsy misy anefa lalàna ka tsy misy sazy. Ny lalàna tsy misy sazy dia tsy lalàna. Ka ny fandikana ny lalàna no atao hoe fahotana, ary ny tambin'ny fahotana dia ny fahafatesana. Noho izany, tsy nisy fandikan-dalàna nanakianana azy ireo mandra-panomezan'Andriamanitra lalàna ho azy ireo. 

Raha tsy misy lalàna mandrara anao tsy hihoatra ny telopolo miles isan'ora eto, dia afaka mitondra ny fiaranao mihoatra ny telopolo miles isan'ora ianao. Fa raha misy lalàna mandrara anao tsy hanao izany, dia misy koa sazy ao ambadik’izany.

Ary ireo didy izay nomena teo amin’ny tendrombohitra Sinaï dia lalàn’ny fahafatesana satria izy ireo dia nilaza tamin’ny olombelona fa raha manota izy, mandika ny Lalàn’Andriamanitra, dia maty. Tsy nisy famonjena tao amin’ny Lalàna. Izany hoe, karazana polisy izay afaka mampiditra anao am-ponja izy io, fa tsy mamela anao hivoaka tao. Fa avy teo dia nanome lalàna hafa Izy. Teo amin’ny tendrombohitr’i Kalvary no nanomezany izany, raha nampivesarina an’i Jesosy-Kristy ny fahotana. Ary teo no nanefana ny onitry ny fahadisoana… Koa tsy tamin’ny lalàna, fa tamin’ny “fahasoavana no namonjena anareo”, tamin’ny fahasoavan’Andriamanitra, izay nanendrena mialoha anareo, noho ny fahalalan’ Andriamanitra mialoha anareo.

Hitantsika àry fa Deotoronomia dia midika hoe lalàna roa. Nisy lalàna anankiroa; ny iray dia lalàn’ny fahafatesana ary ilay iray lalàn’ny Fiainana.

Fanekena anankiroa koa no nomena ny vahoaka. Ho resahintsika izany izao maraina izao. 

Ny anankiray dia nomena an’i Adama tamin’ny endrika fepetra: “Raha manao izao ianao, ary tsy manao izatsy…” Kanefa dia nodikaina izany lalàna izany. Notapahan’i Adama sy Eva izany fanekena izany tao amin’ny saha Edena. 

Ary dia nanao lalàna faharoa Andriamanitra ka nomeny an’i Abrahama, ary izay lalàna izay dia tsy nisy fepetra. “Tsy miankina amin’izay nataonao izany, na izay mbola hataonao”. Hoy Izy: “Efa vitako izany”. Izany no fahasoavana; izany no lalàn’ny Fiainana. Nataon’Andriamanitra ho an’i Abrahama sy ny taranany taorinany izany. Ho an’ny taranak’i Abrahama rehetra izany.

Araka ny voalazan’ny Baiboly, dia. “hovonjena avokoa ny Isiraely rehetra”. Tsy midika akory izany fa ny Jiosy rehetra dia hovonjena. Toy ny voalazan’i Paoly, dia misy ilay Isiraely anatiny, ary misy ny Isiraely ivelany. “Ivelany”, araka ny efa henontsika indray hariva iny, ireo zanak’Isaka avy tamin’ny firaisana ara-nofo. Fa ny Lalàn'Andriamanitra dia avy amin'ny alàlan'i Kristy, ilay Mpanjaka taranak'i Abrahama, izay ahatanterahan’ny “fahasoavana no hamonjena ny Isiraely rehetra”, sy ny “izay rehetra ao amin'i Kristy no hovonjena.” Izany ilay faneken'Andriamanitra faharoa. Fa ireo zavatra rehetra ireo dia tandindona avokoa, naneho mialoha an'i Kristy.

Mariho àry fa ny andininy faharoa amin'io Deotoronomia.16 io: “Ary hiankohoka ianao eo amin'ny toerana izay nofidiko” dia manao tsindrim-peo hoe eo amin'ny toerana izay nofidiko fa tsy toerana voafidin'olon-kafa, fa "izay nofidiko." 

Ka raha nifidy toerana iray Andriamanitra, dia tokony hamantatra izay ambarany momba izany sy ny toerany isika. Te-hahita izany aho satria tena te-hitsaoka Azy. 

Te-hitsaoka Azy isika rehetra tonga eto izao hariva izao. Tonga eto isika izao hariva izao; Metodista, Batista, Katolika, Vavolombelon'i Jehovah, Siansa Kristiana. Isika rehetra mikatsaka zavatra.

Te-ahafantatra ny Fahamarinana isika. Ny Baiboly dia milaza hoe: "Ho fantatrareo ny Marina, ary ny Marina hahafaka anareo tsy ho andevo." 

Tsy afaka hahay ny zavatra atao ianareo, tsy hainareo atao ny zavatra iray raha tsy efa fantatrareo ahoana ny fanaovana azy. Tsy maintsy hainareo ny zavatra atao sy ny fanaovana izany

Izany dia mampiseho fa manana toerana iray fihaonany amin'ny mpitsaoka Azy Andriamanitra, ary amin'io toerana io irery ihany no ihaonan' Andriamanitra amin'ireo mpitsaoka Azy.

Kanefa izao koa, Izy dia niteny fa ao amin'io toerana nofidiny ho an'ireo mpidera Azy io no hametrahany ny Anarany. Andao àry ho tadiavintsika ao amin'ny Soratra Masina io toerana io. Azo antoka, fa raha nilaza Andriamanitra fa hametraka ny Anarany ao amin'ny toerana voafidiny ihaonana amin'ny Vahoakany mba hideran'ireo Azy, dia tsy maintsy ahitana ny mikasika izany ao amin'ny Baiboly, satria izany dia natao ho an'ny vanimpotoana rehetra.

Ilay Andriamanitra Lehibe tsimiova dia tsy afaka miova. Ny olombelona no miova. Fa ianareo dia mahazo manankina ny fiainanareo amin'izay rehetra lazain’Andriamanitra, na amin'ny fotoana inona na amin'ny fotoana inona, satria Fahamarinana izany. Marina izany. Satria ny Baiboly irery ihany no azoko itokisana. Ny tenin'olombelona dia tsy ialana lesoka, fa Andriamanitra kosa no avo indrindra.

Tokony hanana fahalalana bebe kokoa aho amin'ity taona ity raha oharina amin'ny taon-dasa. Ary ianareo koa toy izany. Voafetra isika ka izany no antony itomboan'ny fahalalana ao amintsika. Fa Andriamanitra tsy manam-petra. Tsy manam-petra Izy. Ka noho Izy tsy manam-petra dia tsy afaka hitombo intsony amin'ny fahalalana. Tanteraka hatrany am-piandohana Izy. Ny fanapahan-keviny rehetra dia marina, tena marina avokoa.

Ary tsy maintsy mitovy amin'ny nataony voalohany ihany no tsy maintsy ataony hatrany hatrany. Fa raha tsy izany dia ho tsy nety ny nataony voalohany. Ary raha misy olona iray manatona an'Andriamanitra mba ho vonjena, araka ny fototra iray izay aneken'Andriamanitra azy, dia tsy maintsy izany fototra izany ihany no hanekeny ny manaraka rehetra. Marina izany. Raha indray mandeha, misy olona iray manatona ho sitranin'Andriamanitra, ka nekeny araka ny fototra iray, ireo olona hanatona manaraka dia tsy maintsy eken'Andriamanitra araka izany fototra izany koa. Raha tsy izany dia ho nanao diso Izy nanaiky ilay voalohany. Nametraka fototra izay tsy maintsy ihaonany amin'ny olombelona Andriamanitra. Nametraka fototra amin’izay hataony, sy ny fomba hanaovany izany Andriamanitra, ka izany dia niainga tamin'ilay sorona nandatsahana ràn-janak'ondry tao amin'ny saha Edena. Tsy mba nanova izany Andriamanitra, na oviana na oviana.

Efa nanapa-kevitra mikasika ny fomba hanavotany ny olombelona Izy. Fa isika ankehitriny, no niezaka nanome fahalalana ny olona, nampianatra azy, nanabe azy, nampiditra azy anaty anaram-piangonana, niezaka nitaona azy tao amin'ny zavatra hafa rehetra izao isika, nampifangaro zavatra maro, ary nanao batisa isan-karazany afa-tsy ilay tena izy. Nampiditra olona tamin'ny taratasim-pahatokisana isika, kanefa dia zavatra iray loha ihany no mitoetra: eo ambany fialofan’ny Ràn’ny Zanak’ondry no ihaonan'Andriamanitra amin'ny olona. Ny rà no làlan'Andriamanitra tany am-piandohana, ary mbola ny Rà ihany no làlan’ Andriamanitra izao hariva izao. Tsara ny manao fampijalian-tena sy ireny zavatra hafa ireny, saingy ny famonjena dia amin'ny alàlan'ny Rà irery ihany. Ny Rà ihany no fomba tokana nofidin'Andriamanitra hanavotana ny olombelona, ary tsy afaka manova izany Izy.

Nahafantatra izany koa i Joba. Fantany fa olo-marina izy, satria nanatitra ny sorona izay notakian'Andriamanitra taminy izy.

Andao ary ho karohina io toerana io, io toerana izay nametrahany ny Anarany io. Tsy maintsy karohintsika aiza no nametrahany ny Anarany. Koa raha vao fantatsika iza no Anaran'Andriamanitra ary aiza no nametrahany Izany, dia ho hitantsika avy hatrany ilay toeram-pitsaofana. 

Mazava fa ireo zavatra rehetra taloha ireo dia tandindon'ny zavatra ho avy. Ny Lalàna manontolo dia tandindon'ny zavatra ho avy.

Sahala amin'ny maha-tandindon'ny masoandro ny volana. Ilaina izy rehefa tsy eo ny masoandro, sahala amin'ny ilàna ny Fiangonana raha tsy eo Ilay Zanak'Andriamanitra. Raha mbola tsy eo ny Zanaka, ny hazavana kely kokoa, dia ny Fiangonana, ireo mpino, no manompo an'Andriamanitra ka manome hazavana, misolo toerana ny Zanaka. Saingy rehefa miposaka ny masoandro, dia tsy hitanareo intsony ny volana, satria lasa izy. Tsy ilaina intsony ny hazavany, satria hazavana tsy avy amin'ny tenany izany fa azony avy amin'ny masoandro.

Tahaka ny lehilahy sy ny vadiny, ny masoandro sy ny volana dia maneho an’i Kristy sy ny Fiangonana.

Hitantsika izao fa tandindon'i Kristy ireo zavatra ireo. Ireo sorona rehetra sy ireo firavoravoana, ary ny hafa rehetra ao amin'ny Testamenta Taloha dia naneho mialoha an'i Kristy avokoa, tahaka ny itsipazan’ny tandindona eny amin'ny tany. Eto àry, satria tsy maintsy hitady ilay toerana fitsaofana tena izy isika, dia tsy maintsy hiverenantsika any amin'ny Testamenta Taloha, satria tany izany no nomena, ary hojerentsika inona ireo zavatra ireo.

Raha misy aloka iray manatona eo amin'ny gorodona, dia azo fantarina na an-dehilahy io, na am-behivavy, na ana biby, na zavatra hafa, satria ireo dia manipy tandindona amin'ny tany. Ny tandindona no "sary", ary tsy misy sary raha tsy misy ny "tena". Rehefa mihafohy ny aloka ka miha-manatona ny "sary" ilay "tena", dia voatelin'ny "tena" ny "sary". Mihaona ny aloka sy ny "tena", ka izany no manome ny "tena izy". 

Raha toa àry ka tandindon'ny zavatra ho avy ireo zavatra rehetra fahiny ao amin'ny Testamenta Taloha ireo, hoy ny Baiboly, dia tandindon'ny zavatra ho avy koa i Kristy.

Amin’ny alàlan’ireo endrika ao amin’ny Testamenta Taloha ireo àry, dia afaka isika mahita aiza no toerana voafidiny nametrahany ny Anarany, ary aiza izany ankehitriny. Fa izao: ny tandindona miantefa ambonin’ny tany, hoy aho, dia “sary”, nefa manjary “tena”. Araka izany isika izay mpidera an’Andriamanitra, dia afaka mahita ihany koa ny fiovan’ireo tandindona ao amin’ny Testamenta Taloha ireo ho lasa “tena”, ao amin’ny Testamenta Vaovao. 

Ireo andro firavoravoana rehetra, ireo andro masina, ny tabernakely, ny hazo sy ireo zavatra rehetra tao amin’ny tabernakely, dia fanehoana an’i Kristy avokoa. Ireo fanatitra sy ireo lalàna rehetra, dia naneho an’i Kristy avokoa. Hitantsika tato amin’ny Tabernacle izany nandritr’ireo taona maro. 

Ary hitantsika fa ny fiangonana tsirairay, ireo fanekem-pinoana sy anaram-piangonana dia efa lany andro lavitra. Tsy ao anatin’ny sehatra fihazakazahana intsony ireo. Tavela ivelany tanteraka avokoa ireo fanekempinoana, fiangonana, anaram-piangonana! Tsy misy toerana ho azy ireo intsony.

Tsy misy na inona na inona ao amin’ny Testamenta Taloha, ka maneho ny fiombonan’ny fiangonana, afa-tsy ilay firaisana natao an-tery nanaovana ny Tilikambon’i Babela. Io irery ihany no maneho fiombonana. I Nemroda, olon-doza-be, no nanao izany, ka notereny ireo mponin’ny tany madinika hiangona tamin’ny toerana iray, dia nanangana io tilikambo io. Ekena fa fomba fitsaofana ara-pivavahana izany, kanefa tsy nifanaraka tamin’ny Tenin’Andriamanitra. Izany àry, io Tilikambon’i Babela ao amin’ny Testamenta Taloha io, no maneho ny fivavahan’ny anaram-piangonana. Satria fivavahana tokoa izany, saingy tsy fivavahana araka ny Tenin’Andriamanitra. 

Tsy nifidy anaram-piangonana Andriamanitra nametrahany ny Anarany . Raha nanao izany Izy, aoka hisy hampiseho izany amiko ao amin’ny Soratra Masina. Misy ireo milaza fa nanao izany Izy, kanefa tsy nanao izany Izy. Tsy afaka hametraka ny Anarany amin’ny toerana maro Izy satria Izy niteny fa hametraka ny Anarany amin’ny toerana tokana. Ny tsirairay amin’ireo anaram-piangonanareo dia te-hilaza fa izy io toerana tokana io, kanefa tsy marina izany. 

Raha izany aiza àry no nametrahany ny Anarany?

Voalohany, iza moa no Anarany? Tsy maintsy ho fantarintsika ny Anaran’Andriamanitra vao hahita ny toerana nametrahany Azy isika. 

Hitantsika fa manana fiantsoana Azy maro Izy. Natao hoe “Ray” Izy, fiantsoana izany; natao hoe “Zanaka” Izy, fiantsoana izany; natao hoe “Fanahy Masina” Izy, fiantsoana izany; natao hoe “Raozin’ny Sarôna” Izy, fiantsoana izany; “Lisin’ny saha”, fiantsoana; “Kintana fitarikandro”, fiantsoana; “Jehovah Jire”; “Jehovah Rafa”. Manana karazam-panononana fito Izy ho amin’ny fanavotana, fa ireo rehetra ireo dia fiantsoana avokoa. Tsy misy Anarana na iray aza amin’ireo.

Kanefa manana Anarana Izy.

Raha nihaona tamin’i Mosesy Izy, dia mbola tsy nanana Anarana, ka hoy Izy tamin’i Mosesy: Izaho no "Izaho izay Izy". Ary, ao amin’ny Jaona toko faha-8, raha tety an-tany Jesosy ka niresaka, dia nilaza hoe: “Izy Aho”. 

Dia hoy izy ireo: «Tsy mbola dimam-polo taona akory Ianao, ka dia efa nahita an'i Abrahama va?» 

Dia hoy Izy: "Fony mbola tsy àry Abrahama, dia Izy Aho.” Ary “IZY AHO” dia tsy iza, fa Ilay tao amin'ny roimemy nirehitra, Ilay Andry Afo tao amin'ny roimemy nirehitra, fahiny, tamin'ny andron'i Mosesy, ilay “IZAHO IZAY IZY."

44-Ary mahita koa isika fa Jesosy dia niteny hoe: "Tonga tamin’ny Anaran'ny Raiko Aho fa ianareo tsy nandray Ahy". Izany hoe, ny Anaran'ny Ray dia tsy maintsy “Jesosy”. Marina izany. Jesosy no Anaran'ny Ray, satria hoy Jesosy taminy: "Izaho mitondra ny Anaran'ny Raiko, tonga amin’ny Anaran-dRaiko Aho, kanefa ianareo tsy nandray Ahy". Jesosy tokoa izany no Anarany. 

Ary “Jesosy” no niantsoan'i Gabriely Azy, “Jesosy” no niantsoan'ireo mpaminany Azy, ary tena “Jesosy” marina Izy. Talohan'ny Fahaterahany, dia Imanoela no niantsoan'ireo mpaminany masina Azy, izay midika hoe "amintsika Andriamanitra ". izany hoe: tonga nofo Andriamanitra mba hanaisotra ny fahotan'izao-tontolo-izao, ka raha nanao izany Izy, dia nandray ny Anarana “Jesosy”. Jesosy izany ilay Anarana.

Ary napetraka tamin'ny Olona iray ilay Anarana, fa tsy tao amin'ny fiangonana iray, tsy tao amin'anaram-piangonana, tsy tao amin'ny fanekem-pinoana iray, fa tamin'ny Olona iray. Tao amin'i Jesosy-Kristy no nofidiny ametrahana ny Anarany. Hitantsika àry izao fa Izy no nanjary ilay toeram-pitsaofan’Andriamanitra, toerana itsaofanareo Azy.

Talohan'ny Fahaterahany dia efa “Jesosy” ny Anarany. Nidika zava-dehibe loatra izany, ka ny Anjely Gabriely mihitsy no nilaza tamin'ny reniny fa ny Anarany hiantsoana Azy dia ho “Jesosy, ilay Zanakalahin'Andriamanitra”. Ary izany Izy.

Eo isika izao. Izany ilay izy. Ao Aminy ihany. Ilay toerana voafidin' Andriamanitra. Nifidy ny hihaona amin'ny olombelona Andriamanitra, tsy ao am-piangonana, na ao amin'ny anaram-piangonana, na ao amina fanekem-pinoana, fa ao amin'i Kristy. Izy no toerana tokana ihaonan'Andriamanitra amin'ny olona ka ahafahany midera an'Andriamanitra: ao amin'i Kristy. Io no toerana tokana. Tsy midika inona, na Metodista ianao, na Batista, na Katolika, na Protestanta, na hafa koa, fa ao amin'i Kristy ihany no toerana tokana ahafahanao tena mitsaoka an'Andriamanitra. 

Romana 8.1 dia mivaky toy izao: "Ary amin’izany, dia tsy misy fanamelohana ho an’izay ao amin’i Kristy Jesosy”, satria izay ao dia tsy mandeha araky ny nofo fa araky ny Fanahy. Izany no Filazantsara.

Mety tsy hitovy hevitra isika mikasika ny fanekempinoana. Mety tsy hitovy hevitra isika mikasika ireo foto-pampianarana novokarin'ny olombelona. Afaka hanatona fiangonana metodista ianao dia ho lasa Metodista, hanatona fiangonana batista dia ho lasa Batista, hanatona fiangonana katolika dia ho lasa Katolika, fa raha vao vita batisa ao amin'i Kristy ianao ka tonga singan'ny Vatany, dia tsy misy fahasamihafana intsony. Rava amin’izay ny rindrina mampisaraka, ary afaka ianao, satria ao amin'i Jesosy Kristy. Ary rehefa ao amin'i Jesosy-Kristy ianao, dia amin'ny Fanahy sy Fahamarinana no irderanao an'Andriamanitra. Anatin’ny Planin'Andriamanitra ny itsaofanao Azy ao amin'i Jesosy Kristy.

Tsy misy fiangonana an’anarampiangonana afaka mihambo fa izy izany toerana izany. Tsy misy olon-kafa afaka mihambo ho izany. Ahoana moa no asahiana ihambo ho izany? Ny fanaovana izany dia midika fananana fanahy antikristy, fihatahana amin'i Kristy, fisarahana Aminy. Tsy afaka manao izany ianareo. Kristy irery no toerana tokana izay ihaonan'Andriamanitra amin'ireo mpitsaoka Azy. 

Miteny izy ireo ankehitriny fa … Tsy ela izay, nisy lehilahy iray niantso ahy an-tariby avy tao Beaumont, any Texas, ka hoy izy: "Atoa Branham, raha tsy voasoratra ato amin'ny bokim-piangonanay ny anaranao, dia tsy ho afaka hankany an-danitra ianao." Ho nisaina zavatra toy izany ve ianareo? Aza mba mino zavatra toy izany ianareo. Mihevitra izy ireo fa tsy maintsy ao amin'ny fiangonana iray ianao, raha tsy izany tsy afaka mankany an-danitra. Diso izany! Antikristy ny finoana izany. Ny tiako ho lazaina dia izao: Very ianareo raha mino fanahy toy izany. Izany dia tena famantarana fa very ianao, satria fisarahana amin'izay nataon'Andriamanitra izany. Tsy mba nametraka ny Anarany tao amina fiangonana Izy. Ao amin'i Jesosy-Kristy Zananilahy no nametrahany Izany, fony tonga Iray Izy sy ny Zananilahy. Izany no toeram-pitsaofana tena izy. Tsy misy fototra hafa napetraka, ary tsy misy vatolampy hafa. 

Eo amin'i Kristy, Vatolampy mafy, aho no mijoro,
Ny toerana hafa rehetra dia honahona izy ireo. 

Ireo anaram-piangonana dia hiparasaka ary hidaraboka, ireo firenena dia handalo avokoa, fa Izy hitoetra mandrakizay. Tsy misy toeran-kafa ahafahan'ny olona mitsaoka an'Andriamanitra, ary hamalian'Andriamanitra azy, afa-tsy ao amin'i Jesosy-Kristy. Io Ilay toerana tokana, ny toerana tokana izay nofidin' Andriamanitra nametrahany ny Anarany, sady toerana tokana ihaonany amin'ny olona, itsaofan’ireo Azy. Very ianao raha mino zavatra hafa ankoatra izany.

Marihonareo fa ireo andro firavoravoan'ny jiosy fito ireo dia natao tao amin'ny toerana tokana avokoa. Tsy nankalaza fety izy ireo, ka iray eto ho an'ny Metodista, iray hafa er ho an'ny Batista, iray hafa koa atsy ho an'ny Presbyteriana, avy eo iray hafa koa eroa ho an'ny Katolika, ary iray indray ho an'ny Protestanta. Ireo andro firavoravoana fito dia nankalazaina avokoa, tao amin'ny toerana iray ihany. 

Fanehoan-javatra tsara indrindra izany ho antsika. Nolalovantsika izany raha nandinika ireo taona fiton'ny Fiangonana isika, nampiseho tamintsika izany fa Andriamanitra dia nitazona ireo taona fiton'ny Fiangonana ireo tao amin'ny Teny. Satria ny taom-Piangonana tsirairay dia namokatra ampahany tamin'ny Teny. Ary rehefa nanao izany izy dia naneho ny Hazavana.

Toy izany tamin’ireo olona izay voalohany nahita fa atao amin'ny Anaran'i Jesosy-Kristy ny batisa. Inona no nataon’izy ireo ? —Nanamboarany anaram-piangonana izany, ka dia maty teo-noho-eo izy ireo. Noho izany dia niala Andriamanitra ka nifindra tamin'ny olona iray hafa. Tsy mba ho tafajanona amin' ireny fanekem-pinoana sy dogma ireny Izy. Tsy misy ifandraharahana amin' ireny Izy. Tsy misy zavatra mivilana amin'Andriamanitra. Masina ny Tenin' Andriamanitra ary tsy misy fijangajangana ao Aminy. Jesosy-Kristy no ivotoeran' ny fitsaofana an'Andriamanitra. Andriamanitra Izy.

Tsy maintsy amin'io toerana tokana io no ankalazaina ireo andro firavoravoana fito ireo. Tsy afaka hanao izany amin'ny toeran-kafa ianareo ivelan'ilay efa voatokana. Ireo andro firavoravoana fito isan-taona ireo dia tsy maintsy ankalazaina amin’ny toerana tokana. Araka izany àry, ireo taom-Piangonana fito dia tsy maintsy miainga avy amin'ny toerana tokana, dia Kristy izay miteny amin’ireo Taom-Piangonana fito rehetra ireo. Marina tokoa izany. Endrik'ireo Taom-Piangonana fito io, saingy nananganan'izy ireo anaram-piangonana ivelan’izany.

Efa eo ihany isika, ka andao hijery endrika iray hafa: dia ny Paska izay tandindon'i Jesosy. Hitantsika eto ny sorona amin'ny fahafatesana mihoso-drà. Ny sorona alatsa-drà no ilay toerana naneho tandindon'i Jesosy. Mety alatsa-drà ve ny anaram-piangonana? Azonareo heverina ve fiangonana iray halatsa-drà, ho fandatsahan-drà ny anaram-piangonana iray? Tsia dia tsia. Tsy maintsy misy aina vao misy rà alatsaka. Izany no anehoana an'i Jesosy amin'ny alàlan'ny zanak'ondry. Anisan'ny endrik'i Kristy ny zanak'ondry, tandindona nanambara an'i Kristy izy, satria Izy ilay “Zanak'ondrin'Andriamanitra”, izay notondroin'i Jaona ho mpanaisotra ny fahotan'izao-tontolo-izao. Hitantsika an-tsary, ato amin'ny Eksodosy toko faha-12 ato, ny fahatongavan’i Jesosy.

Mariho fa tao no toerana tokana izay tsy nahafahan'ny fahafatesana namely. Rehefa nandeha hamely ny tany ny fahafatesana, dia tsy maintsy nisy toerana iray azo antoka, ka izay rehetra tsy tao dia maty. Toerana tokana ihany! Tsy midika ho trano izany, fa toerana iray izay namonoana ny zanak'ondry. Teo amin'izay nisy ny ràn'ny zanak'ondry no tsy afaka namely ilay anjelin’ny fahafatesana satria izany ilay toerana tokana nametrahan'Andriamanitra ny Anarany. Ary zanak'ondry no niantsoina io zanak'ondry io taloha, tany am-boalohany. Mariho fa tao no toerana tokana izay tsy nahafahany nikapoka.

Ary toy izany koa ankehitriny. Misy toerana tokana izay tsy ahafahan'ny fahafatesana ara-panahy mamely, dia ny Teny izany. Tsy afaka mamely ny Teny ny fahafatesana satria Izy no ilay Teny velona an'Andriamanitra. 

Fa raha ampidiranareo fanekem-pinoana ao, dia miala ho azy ny Teny. Hisaraka amin’izany Izy, toy ny rano amin’ny menaka. Tsy azonareo afangaro ireo. Hitanareo amin'izany fa raha misy fanekem-pinoana miditra ao amin'ny anaram-piangonana, dia manaraka an'iny fanekem-pinoana iny avokoa ny olona, dia ho faty ny Teny, ka mifindra an-toeran-kafa izay itomboany bebe kokoa Izy. Dia mihamitombo Izy, mba hitondra any amin'ny Fanamarinana, ny Fanamasinana ary ny Batisan'ny Fanahy Masina, ka mipoitra indray ao amin'ny Voa! Hitanareo ve ny làlana nalehan'Andriamanitra? ny tsifiovan'ny fomba nitondrany ny Anarany, tamin’ny fotoana reheta, satria Izy no Teny.

Mariho fa tsy mety maty Izy. Tsy mety maty ny Tenin'ny Fiainana.

Mariho ny maha lavorary an'izany. Ilay anjelin'ny fahafatesana dia tsy norarana raha namely an'i Egypta, ilay firenena lehibe sy avara-pianarana. Tsy voarara izy namely ny tany masiny, ireo fanorenany vaventibe, ireo faraony. Ireo mpisoron’i Egypta dia tsy nahasakana ilay anjely tsy namely. Afaka namely izy na trano lehibe na olona, fa izy kosa tsy afaka namely izay toerana nisy ny zanak'ondry. 

Ny fahafatesana dia tsy afaka mamely izay rehetra misy io toerana nomanin'Andriamanitra io, ary ao amin’ny ny Zanak'ondry izany.

Mariho koa fa tsy ny namono ny zanak'Isiraely na ireo mpisorona hebreo, na ireo anaram-piangonany no voarara. Fa tsy maintsy niditra tao amin'ilay toerana voafidy sy nomanin'Andriamanitra izy ireo, raha tsy izany dia ho nokapohin'ny fahafatesana. 

Ry Fiangonana, tsy mampaninona ahy, na aiza na aiza no misy anao na maha-mpikambana anao. Fa zavatra iray no tsy maintsy fantatrao. Tsy maintsy ao amin'i Kristy ianao raha tsy izany dia maty. Tsy afaka mivelona ivelany ianao. Mety ho tsara sy lehibe ny trano fiangonanareo, mety hisy firaisan-tsaina aminareo. Kanefa raha ianareo mitsipaka ny Vatana, ny Rà ary ny Tenin'i Jesosy-Kristy dia maty eo-noho-eo ianareo. Io no toerana voafidin' Andriamanitra ho fitsaofana Azy. Ao no tena misy ny Anarany. Ao no nofidiny nametrahana ny Anarany, tsy ao amin'ny fiangonana, fa ao amin'ny Jesosy-Kristy, Zananilahy. 

Mariho fa ao amin'ny toerana voafidiny irery ihany no misy ny famonjena, ao amin'ny Zanak'ondriny sy ao amin'ny Anaran'ny Zanak'ondry. 

Mariho fa zanak'ondry “lahy” izany fa tsy vavy, lahy iray, fa tsy vavy. Tsy fiangonana, izay vavy, ary ny Anarany fa tsy ny anaran’ny fiangonana. Ny fihaonany amin'ny vahoaka dia tsy ao amin'ny anaran’ny fiangonana, fa ao amin'ny Anarany, Izy ilay Zanak'ondry!

Ankehitriny dia miteny isika hoe: "Ny fiangonana, ilay fiangonana lehibe sy matanjaka dia nahavita izao sy izao. Efa voasedran'ireo tafiodrivotra izy. Nahazo olona tao amin'ny vahoaka izahay, marobe ny isanay, fiangonana matanjaka izahay. Tena zavatra lehibe ny fiangonanay." 

Kanefa Andriamanitra tsy mba niteny na inona na inona mikasika “vavy” iray. Izy niteny hoe "lahy", Izy, ny Zanak'ondry no toerana fihaonana, fa tsy ny fiangonana. Tsy ny anaran'ny fiangonana, fa ny Anarany! Na taiza na taiza, tsy nametrahany ny anarana fiangonana. Fa ny Anarany no napetrany tao Aminy! 

Noho izany, izay rehetra ataontsika, na amin'ny teny na amin’ny asa, dia tsy maintsy amin’ny Anaran’i Jesosy Kristy. Raha mivavaka isika, tsy maintsy amin’ny Anaran’i Jesosy. Raha mangataka zavatra isika, tsy maintsy amin’ny Anaran’i Jesosy. Raha mandeha isika, dia mandeha amin’ny Anaran’i Jesosy. Raha miteny isika, dia miteny amin’ny Anaran’i Jesosy. Raha manao batisa isika, dia tsy maintsy amin’ny Anaran’i Jesosy-Kristy no anaovantsika izany. Satria «na inona na inona no ataonareo, na amin'ny teny, na amin'ny asa, dia ataovy amin'ny anaran'i Jesosy Tompo izany.» 

Nisy namana, indray mandeha, raha niresaka tamiko, dia niteny hoe: “Rahalahy Branham, Ranona no anaran’ny vadiko” (Pastora izy io, mety ho eto angamba izy io izao hariva izao). Dia hoy izy: “Mitondra ny anarako ny vadiko” (Ataoko ohatra hoe Jones, na dia tsy izany aza). Dia hoy izy: “Ary, raha mifoha izy ny maraina ka hamafa trano, dia tsy mila miteny hoe: fafako ny gorodona amin’ny anaran’i Jones, manasa vilia aho amin’ny anaran’i Jones, manjaitra akanjo aho amin’ny anaran’i Jones. Heveriko fa tsy tokony hisy anarana antsoina akory.” 

Dia hoy aho: “Hinoako tsara izany.” Marina izany. 

Dia hoy izy indray: “Tsy mila miteny izany izy. Na manao ahoana, ny zavatra rehetra ataony, dia ataony amin’ny anaran’i Jones.

Dia hoy aho: “Fony izy hitanao voalohany teny amin’ny arabe, tsy niantso azy ianao hoe: “Avia aty ianao ry Jones. Tsy afaka nandray izany anarana Jones izany izy raha tsy nisy aloha lanonana, lanonam-panambadiana, “Jones”. Niaina tao anaty fijangajangana ianareo, raha tsy nanao izany. Ary raha tsy tamin’ny Anaran’i Jesosy-Kristy no nanaovana batisa anao fa fomba hafa, dia batisam-mpijangajangana izany, izay tsy hita ao anaty Baiboly.” 

Noho izany, izay rehetra ataonareo na amin’ny teny na amin’ny asa, dia ataovy amin’ny Anaran’i Jesosy. Voalohany indrindra, dia tsy maintsy manatona amin’ny Anarany ianao.

Izao hariva izao, ato amin’ity trano ity, dia maro ireo vehivavy tsara fanahy, vehivavy tsara fanahy sady mahatoky, fa tokana ihany no Ramatoa William Branham. Izy no mody miaraka amiko any an-trano. Izy no tokana izay vadiko.

Amin’izao-tontolo-izao, dia misy olona mahafinaritra, misy fiangonana tena tsara, kanefa tsy misy afa-tsy tokana ihany no Ramatoa Jesosy-Kristy izay hiverenany at indray. Ao no mipetraka ny Anarany. Ao no ahitana ny fitsaofana Azy, ao Aminy ary ao Aminy ihany. Marina izany. Oh, eny Andriamatoa. Hitantsika fa marina izany.

Noho izany «na inona na inona ataontsika, na amin'ny teny, na amin'ny asa, dia ataontsika amin'ny anaran'i Jesosy-Kristy izany.»

Tsy misy anarana nomena ety ambanin’ny masoandro ho famonjena afa-tsy ny Anaran’i Jesosy Kristy. Izany no voalazan’ny Asan’ny Apostoly, toko faha-4: “Tsy misy anarana hafa ambanin’ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena.” Ao amin’ny Anaran’i Jesosy-Kristy irery ihany izany. Amena. Antenaiko fa azonareo izany. Ny Anaran’i Jesosy-Kristy.

Ireo avo indrindra ao an-danitra dia antsoina amin'ny Anarany. Ary “ireo fianakaviana rehetra any an-danitra dia antsoina Jesosy”, hoy ny Baiboly. Ary “ny fianakaviana rehetra aty an-tany dia antsoina Jesosy.” Io àry no Anarana nofidin'Andriamanitra ary tao no nametrahany Azy. Ao amin'i Jesosy-Kristy no toerana fitsaofana Azy. 

Fantatsika àry izao fa izany no izy. Tsy misy toerana fitsaofana raha tsy ao Aminy. “Tsy misy Anarana hafa et ambanin’ny lanitra nomena ka hahazoan' ny ny olona famonjena.” Ny Azy no Anarana nentin’Andriamanitra tamin’ny fanavotana. Andriamanitra dia manana anarana fiantsoana Azy, hoe Jehovah-jire sy Jehovah-rafa, Jehovah-jire midika "mamela ny heloka rehetra ny Tompo", Jehovah-rafa midika: "manasitrana ny aretina rehetra ny Tompo". Manana fiantsoana maro Izy. Fa tokana ny Anaram-panavotana azony, izay anaran'olombelona, dia ny Anarana hoe “Jesosy”. Io no Anarany, izay nofidiny, nametrahany ny Anarany. Taiza no nametrahany Izany? —tao amin’i Kristy no nametrahany Izany.

Ireo anaram-piangonana rehetra, ireo fanekem-pinoana sy ireo fanononana, dia fahafatesana ho an'ireo izay miankina amin'izany. Raha manankina amin'ny fiangonana metodista ianao mba hitondra anao any an-danitra, dia very ianao. Raha manankina amin'ny fiangonana batista ianao, na loterana, na presbyteriana, na katolika, na izay rehetra fiangonana hafa, raha manankina amin'ny anaran'izy ireny, na amin'ny fiantsoana azy, na amin'ny fanekem-pinoany, dia very ianao.

Satria tsy afaka hitsaoka Azy ianao raha tsy tonga eo amin'Ilay toerana fitsaofana Azy aloha. Amena. Ny toerana tokana izay nofidin'Andriamanitra nametrahany ny Anarany ihany no ihaonan'Andriamanitra amin'ny mpitsaoka Azy. Ho faty ianareo raha manankina amin'ny anarana hafa rehetra.

Ity misy tandindona hafa iray an'i Jesosy, hitako tao amin'ny Soratra Masina. Izany koa dia manambara Azy mialoha. Tsy maintsy “tsy misy kilema izy”. Ilay Zanak’ondry, ilay toerana nametrahany ny Anarany, dia tsy maintsy tsy misy kilema. 

Ankehitriny, iza no anarana na rafi-piangonana ka tsy misy kilema? Fiangonana iza, ny katolika, sa ny protestanta, sa jiosy, sa hafa? Iza no rafitra, iza no anaram-piangonana, izay azo lazaina fa “tsy misy kilema ao aminy”? Ireo rehetra ireo dia mendrika ho tsipahina sy lavina avokoa. 

Fa misy ny Toerana iray! Haleloia! Ao amin’i Jesosy-Kristy io Toerana io. Tsy misy kilema ao Aminy. Tsy misy hadisoina ao Aminy. Tsy afaka hahita izany ianao ao Aminy.

Ireo vahoaka izay miezaka ho toy izany, dia milaza fa tsy misy hadisoana, na zavatra hafa toy izany, ao amin’ny fiangonany. Maharikoriko izany, ireo dia mpanimba ny Teny, mpanaranam-batana, an-dàlam-pahafatesana, mitoetra ao Laodikia sy ny fanekempinoany, fa tsy ao amin’ny Fahamarinana. Kanefa, na Pilato izay fahavalony aza, dia niteny hoe: “Tsy hitako izay helony; na dia kely akory aza.” Ny fahavalony ihany no nanambara fa tsy nisy fahadisoana tao Aminy. Tsy afaka hametaka fahotana Aminy ianareo.

Izao no nolazainy tamin’ireo mpisorona tamin’ny androny: “Iza moa aminareo no mampiseho Ahy ho nanota?” Izany hoe: Iza no afaka manaporofo fa mpanota Aho?

Mba lazao amiko fiangonana iray afaka milaza fa tsy mba nanao zavatra diso. Raha tsorina, dia sarotra ny ahitana na iray aza, ka tsy nahavita vono-olona na tsy nanao ireny zavatra rehetra voalaza ao amin’ny kalandrie fa tokony atao ireny. Sarotra. Kanefa izy ireo dia mbola mitonon-tena ho… Tsia, tsy misy toerana fihaonana amin’Andriamanitra, raha fanekem-pinoana, na anaram-piangonana. 

Ry sakaizako isany, tsy te-hanohina ny fihetsehamponareo aho, fa tompon’andraikitra amin'ny Hafatra iray aho, ary io Hafatra io dia hoe: “Mivoaha ivelan’io zavatra efa simba io!” Ary raha mitaona anareo hivoaka aho, dia ho entiko aiza ianareo? Ho entiko ato amin’ny Branham Tabernacle ve ianareo? Ho diso hadisoina lehibe noho izy rehetra aho raha izay. 

Fa misy toerana iray izay azoko hitondrana anareo, hahafa-doza anareo sy havoaàro anareo amin’ny fahafatesana, ary izany dia ao amin’i Jesosy-Kristy, ilay toeram-pitsaofana an’Andriamanitra. Io toerana io no tiako aseho anareo izao hariva izao, io toerana izay nametrahan’Andriamanitra ny Anarany io. Ao no nampanantenainy fa hihaonany amin’izay olona ho tonga ao. Hidera hiaraka aminy Izy, ary hifaly hiaraka aminy. Izany dia ao amin’i Kristy, fa tsy ao amina fiangonana, na ao amina tabernakely.

Fa ao amin’i Kristy izany. Izy no Tabernakelin’Andriamanitra. Tao Aminy Izy no tonga, ary tao Aminy Izy no nitoetra. “Ity no Zanako malalako Izay sitrako.” Tao no nataon’Andriamanitra tabernakeliny, nentiny tao ny Anarany, ka napetrany tao, Jesosy-Kristy izany. Àry ny Anarany dia tafapetraka tao amin’ny Olona iray, ny Zananilahy, Jesosy-Kristy, izay nataony tabernakely ho an’ny Tenany, Izy mihitsy no tao amin’io tabernakely io.

Tandindony ilay Jerosalema fahiny sy ireo andro firavoravoana rehetra taloha ireo. Tandindony ihany koa ny tempoly fahiny, raha nameno azy ny setroka, tamin'ny andro nampidirana sy nampitoerana ny fiaran’ny Fanekena tao aminy, ka re niainga avy tao ny Feon’Andriamanitra. 

Toy izany koa no andrenesana ny Feon’Andriamanitra, tonga ao amin’ny Tabernakely, Jesosy Kristy. Ilay Taloha (ilay namboarin’olona) dia endrika sy tandindona ho an’Ilay Vaovao. Ka rehefa tonga tao amin’i Kristy Andriamanitra, dia hoy Izy hoe: “Ity no Zanakolahy malalako, izay tiako hitoerana. Ary Izaho hifidy ny toerana hametrahako ny Anarako, sy hihaonako amin’ny olona ka ao Aho no hitsaoka.” Nifidy ny toerana Andriamanitra. Tsy tao amina fiangonan’ anaram-piangonana, fa tao amin’i Jesosy Kristy. Eny, Andriamatoa.

Tsy mety hisy pentina izany, araka izay voalazako. Tsy misy anaram-piangonana afaka hiambo ho toy izany. Raha manao izany izy ireo, dia antikristy.

Izao, mariho fa hitantsika indray ilay Tandindony. Tsy maintsy ambenana izy. Ambenana mandritry ny efatra andro ilay zanak’ondry (Hita izany ao amin'ny Eksodosy.12:3-6 raha mandray naoty ianareo), sedraina hahitana azy raha mendrika hatao sorona. Tsy maintsy tiliana tsara mandritry ny efatra andro izy mba ahitana azy sao misy pentina, na aretina, na zavatra hafa izay tsy mety. Tsy maintsy ambenana mandritry ny efatra andro izy.

Jereo ary izao. Matetika dia ny famonoana ny zanak’ondry amin’ny andro fahefatra amby ny folo no hitan’ny olona, kanefa tadidionareo fa ny andro fahafolo izy no nalaina mba ho vonoina amin'ny andro fahefatra amby ny folo; izany midika fa efatra andro no niambenana azy.

Niditra tao Jerosalema i Jesosy, Anaran’Andriamanitra, Zanak’ondrin’ Andriamanitra, ka tsy nivoaka tao mandra-pamonoana Azy, nandevenana Azy, ary nitsanganany tamin’ny maty. Nandritra ny efatra andro sy efatra alina, dia nambenana Izy mba ho tiliana. Oh! jereo ny maha feno tsara ny fanehoan'io Zanak’ondry io, ny maha tandindona azy! Nambenana nandritry ny efatra andro Izy. Rehefa izany, dia hoy Pilato: “Tsy ahitako heloka na kely akory ao Aminy.”

Mbola tandindona iray hafa ho an’Azy koa: tsy azo tapahina ny taolany rehetra; endrika iray tonga lafatra izany. Rehefa mamono io sorona io izy ireo, dia tsy misy azo tapahina ny taolany. Raha tsy izany dia lavina ilay izy. Raha andeha hanapaka ny tongotr’i Kristy, efa nanainga ny maritoa izy ireo, no niteny hoe: “Efa maty Izy.” Dia notrobarany lefona ny lanivoany ka nahita Rà sy rano nivoaka tao izy ireo.

Jereo koa ity zava-dehibe iray ity. Tsy handalovako io, satria naneho Azy koa ny fanatitra, ny fanatitra koba tsara toto. 

Tadidiko fa ao amin'ny Baiboly, dia nisy fotoana nisian'ny sekoly atao hoe sekolin'ny mpaminany, tena sekoly. Ary indray mandeha, hitantsika, tonga tamin'io sekoly io i Elisa, ka niangavian'izy ireo handeha, satria hoy izy: "Miha-tery loatra ny zava-drehetra, rehefa eto ianao". Tian'izy ireo araka izany ny nialany teo. 

Nanomana sakafo ho azy izy ireo, ka nisy mpisorona na mpaminany maromaro nandeha nitady voamadinika hatao sakafony. Nahangona iray trotroana tamin'izany izy ireo. Kanefa, rehefa tafaverina izy ireo ary nahandro izany dia nahatsapa fa indro, voantangom-boalavo, izay poizina, no azony, dia natsipiny tao am-bilany izany. Rehefa nangotraka ny nahandro, dia nisy niteny hoe: "Indrisy, fahafatesana no ao anatin'ny vilany! Tsy afaka hihinana io isika."

Tamin'izay dia nilaza i Elisa: "Itondray koba eran'ny tànana aho." Ary nalainy io koba io, dia natsipiny tao am-bilany ka hoy izy: "Mihinàna fa madio ny ao anatin'ny vilany."

Ny fanatitra koba tsara toto dia i Kristy. Tokony ho voatoto tsara ny koba atao fanatitra, ka mitovy toto daholo ny faritra rehetra ao aminy, mba hampisehoana fa Izy no Ilay mpanasitrana sy ilay mpisolo toerana, manafaka ny aretina ary manome ny Fiainana amin’ny alàlan’ireo lalàna anankiroa. Haleloia! Raha ao amin’ny toerana iray ny fahafatesana, ka miditra ao Jesosy, dia miditra ao miaraka Aminy ny Fiainana. Tsy miova Izy, omaly, anio ary mandarakizay. Ka ny fahafatesana nisy tao amin’ny toerana iray, dia niova ho Fiainana, satria Kristy, tamin’ny alàlan'ny koba, no tafiditra tao. 

Be dia be ny lesona ho azontsika avy amin’ireny zavatra ireny, raha mba nanam-potoana handinihana azy ireny isika.

Ary izao dia mariho. Tsy misy teny, na iray aza, tamin'ireo tandindona ireo ka diso. Tsy mba nisy teny tokana avy tao amin'ireo tandindona ireo ka diso. Tonga lafatra avokoa ny fanehoana mialoha ny zavatra rehetra. 

Izy no toerana nofidin'Andriamanitra, ary nomena Azy ny Anaran' Andriamanitra. Izy no toerana fitsofana an’Andriamanitra, ary nomena Anaran’ Andriamanitra Izy. Izy no Tenin'Andriamanitra ary Izy no Anaran'Andriamanitra. Sady Tenin’Andriamanitra Izy no Anaran’Andramanitra. Izy no Teny tonga nofo fahiny. Izy no Tenin'Andriamanitra, Izy no Zanak'ondrin'Andriamanitra, Izy no Anaran'Andriamanitra, ary Izy dia Andriamanitra. Izany rehetra izany dia Izy, ilay Toerana tokana voafidy mba itsaofana an'Andriamanitra. 

Ary izay toerana hafa noho Jesosy-Kristy dia lavin'Andriamanitra. Tsy afaka hitsaoka Azy na aiza na aiza ianareo. Hoy Izy: "Zava-poana ny fitsaofan'izy ireo Ahy, manome fampianarana didin'olombelona." Ankehitriny, dia misy ireo fanekem-pinoana sy ireo dogma, ary zavatra hafa rehetra izay mampianatra hoe: "Ity no làlana" na "Ito no làlana" 

Saingy hoy Jesosy hoe: "Izaho no làlana sy Fahamarinana ary Fiainana, ary tsy misy mankany amin'ny Ray afa-tsy amin'ny alàlako." Izany midika hoe: "Izaho no varavarana fidirana ao amin'ny valan'ondry. Ireo hafa rehetra dia mpangalatra." Izy irery no fanatonana an'Andriamanitra. Izy no Varavarana, Izy no Làlana, Izy no Fahamarinana, Izy no Fiainana, tsy misy afa-tsy Izy. Amin’izany rehetra izany dia Izy no fidirana tokana, Izy no toerana tokana, Izy no fitsaofana tokana, Izy no Anarana tokana.

Mirohy amin'i Kristy avokoa ny zavatra rehetra. Mirohy Aminy ny Testamenta Taloha manontolo. Mirohy Aminy ny Testamenta Vaovao. Ary ankehitriny ny Fiangonana dia mirohy Aminy amin'ny alàlan'ny Tenin’ny Didiny. Tsy misy toerana hafa na Anarana hafa, na zavatra hafa, na aiza na aiza, ka nampanantenain'Andriamanitra hihaonany amin'ny olombelona, afa-tsy ao amin'i Jesosy Kristy, ilay Toerana nofidiny ho toeram-pitsaofana.

Mariho fa nampanantena Andriamanitra tsy hihaona amin'ireo mpitsaoka Azy afa-tsy amin'io toerana tokana io. Ary io toerana io dia Izy ihany no nifidy Azy, tsy araka izay safidintsika, na araka ny fisainantsika, fa avy tamin'ny Fisainany, avy tamin'ny Safidiny. Ary io toerana io no tiany hametrahana ny Anarany, toerana nofinidiny. Tsapantsika àry fa hitantsika izao ny Toerana misy ny Anarany, izay nofidiny, araka ny Safidiny manokana.

Raha hitantsika àry izao fa ny Toerana nametrahany ny Anarany, dia ao amin'i Jesosy Kristy, ary tsy misy toerana na anaran-kafa, koa faly amin'izany ve ianareo? Lazao hoe "Amena" [Mamaly ireo mpivory: "Amena"]. Na aiza na aiza, tsy misy toeram-pitsaofana azo ekena, afa-tsy ao amin'i Kristy irery. 

Afaka mibebaka ianao, afaka manao izany, fa tsy mbola fitsaofanao izany. Mbola eo am-pangatahana famelan-keloka ianao…

Tamin’ny andro Pentekosta, ny olona, raha nahita an-dry Petera sy ny namany niteny teny tsy fantatra sy naneho famantarana sy fahagagana, dia nanomboka nihomehy (izany no nataon’ny fiangonana) ka hoy ireo: “Feno divay mamy ireo. Toy ny olona mamo.” Teo i Maria sy ny hafa koa, roapolo amby zato izy ireo no teo. Ary toy ny olona mamo ny fahita azy, niteny teny tsy fantatra, nanao fihetsika hafahafa. Ka hoy ny olona hoe: “Leon-divay mamy ireo.”

Fa nitsangana Petera, ka niteny hoe: “Ry lehilahy sy rahalahy, tsy mamo akory ireo olona ireo, satria vao ora fahatelo izao. Fa izao ilay nampilazaina an’i Joela mpaminany hoe: “Amin’ny andro farany, hoy Andriamanitra, no handatsahako ny Fanahiko amin’ny nofo rehetra. Ary ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo haminany. Amin’ireo mpanompoko lahy sy mpanopoko vavy no handatsahako ny Fanahiko. Ary hanisy famantarana eny amin’ny lanitra Aho, ary afo sy andry afo sy zavon’ny setroka ety ambonin’ny tany. Hitranga izany alohan’ny hahatongavan’ny andron’i Tompo, lehibe sy mahatahotra. Ary na zovy na zovy no hiantso ny Anaran’ny Tompo dia hovonjena.”

Raha nandre izany ny olona, dia voatsindrona tao am-pony ka nanao hoe: “Ry rahalahy, inona no hataonay?”

Dia hoy Petera: “Mibebaha ary aoka samy hatao batisa amin’ny anaran’i Jesosy-Kristy mba hahazo famelana ny helokareo, ary ianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina. Fa ny teny fikasana dia ho an’ny taranaka rehetra ho avy.”

Izao kosa, isika dia te-ahafantatra ny fomba fidirana ao Aminy. Ahoana no hataontsika hiditra amin’io Toeram-pitsaofana io? 1 Korintina12 no maneho izany. “Amin’ny alàlan’ny Fanahy iray!” Tsy avy amin’ny fiangonana iray, na fanekem-pinonana iray, na pastora iray, na eveka iray, na pretra iray, fa “Fanahy Masina iray no anaovana batisa antsika rehetra ho Tena iray”, dia ny Tenan’i Kristy Jesosy, ary samy afaka handray ny fanomezam-pahasoavana misy ao amin’io Vatana io isika. Eny, Andriamatoa! Tsy fidirana ho mpikambana, na fitanisana fanekem-pinoana; na fisesehana, na filatsahana, na fandraisan-tànana, na zavatra hafa koa, fa amin’ny alàlan’ny fahaterahana isika no atao batisa ao amin’ny Vatan’i Kristy Jesosy. Amena! “Amin’ny Fanahy Masina iray isika no vita batisa ao amin’ny Vatana iray.” 

Ary inona moa io Vatana io? “Tamin’ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin’Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra. Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika…” 

Ahoana no ahafahantsika sady hitoetra ao amin’io Vatana io, no hitsipaka Teny iray ao Aminy, na hametraka izany an-toeran-kafa, ivelan’io Vatana io. Fomba ahoana no ahafahantsika hanao izany?

Ilay toerana voafidin’Andriamanitra! Mariho, fa raha vita batisa tao Aminy tokoa ianao, ny tena porofon’izany dia ianao mino Azy, mino ny Teny.

Ahoana no ahafahanao sady ho ao Aminy no handà Azy? Afaka mandà ve aho fa tsy tànako ity tanako ity? Raha izany, dia misy fikorontanana ao an-dohako ao. Ahoana no ahavitako izany? Satria, raha mandà ny tànako na ny tongotro aho, dia misy zavatra tsy metimety amiko. Misy zavatra diso ao amin’ny ara-panahin’ny mpino izay mandà Teny iray monja, amin’ireo rehetra nolazain’Andriamanitra sy nampanantenainy. Misy fahadisoana ara-panahy ao amin’izany mpihevi-tena-ho-mpino izany.

Tsy afaka ny handà na dia litera tokana an’Azy ianao, satria efa nanjary ampaha iray ao Aminy koa. Ampahany ianao, satria vita batisa tao Aminy, noho ny nampidiran’ny Fanahy Masina anao tao amin’ny Vatan’i Kristy Jesosy. 

Akory ny hakanton’izany! Andriamanitra dia nanana toerana iray izay. nihaonany tamin’i Abrahama, ary tao no nideran’i Abrahama Azy. Ary toy izany manerana ny Testamenta. 

Ary Izy no haneho ny Teny izay nampanantenainy ao anatinao. Azonareo ve izany? Ny Teny izay nampanantenainy fa ho tanterahiny amin’izao andro iainanao izao, dia ianao no ho epistily voasoratr’Andriamanitra ho vakin’ny olon-drehetra. Tsy izay hihamboanao akory, fa izay ho ataon’Andriamanitra amin’ny alàlanao no hanambara tsara kokoa noho izay rehetra mety hihamboanao. Andriamanitra dia nilaza hoe: “Ireto famantarana ireto no hanaraka izay mino.” Izany no miteny amin’ny alàlanao.

Nilaza mikasika ity taom-Piangonana ity Izy, ny zavatra hiseho ankehitriny. Ny mpinon’ity taom-Piangonana ity dia tsy maintsy mino izay nampanantenainy ho amin’izao andro izao. Toy ny tsy maintsy nidirana tao amin’ny sambo-fiara mba ho avotra, toy ny tsy maintsy nivoahana tao Egypta mba ho voavonjy, ankehitriny dia tsy maintsy miditra ao amin’i Kristy mba ho voavonjy, miditra ao amin’ny Teny-Hafatra, izay milaza fa Izy dia tsy miova omaly, anio ary mandrakizay. 

Ahoana ny fidirana amin’izany? Amin’ny alàlan’ny Batisa. Batisa inona, ny batisan’ny rano ve? —Ny Batisan’ny Fanahy Masina. “Fanahy iray ihany no anaovanam-batisa antsika rehetra ho Tena iray. “ 

Tsy mila mandika ny Teny fikasany ianao. Izy ihany no handika izany amin’ny alàlanao, izay ataonao dia izany no nampanantenainy fa hataony. Hitovy loatra Aminy ilay Fiangonana izay hanaraka Azy, ka ho fantatry ny olona. 

Jereo i Petera sy Jaona, raha nanontaniana izy ireo mikasika ny nanasitranana ilay lehilahy teo akaikin’ny vavahady nantsoina “Itsaraendrika”. Ireo mpisorona dia nahatsapa fa sady bado no tsy nandia fianarana izy roalahy, saingy nahatsikaritra fa ireo dia niaraka tamin’i Jesosy. Satria nahoana? Ny zavatra nataony ihany no nataon’izy roalahy. 

Tsy maintsy nisahana ny asan’ny Ray i Jesosy. Ary tsy maintsy toy izany koa ankehitriny.

Aza adino fa Izy dia tsy miova omaly, anio ary mandrakizay. Satria ao Aminy no hihaonanareo amin’Andriamanitra, izay hany toerana tokana, satria tao Aminy, tao amin’i Jesosy, no nofidiny nametrahana ny Anarany. “Jesosy” no Anaran’Andriamanitra. Aza adino fa Ray, Zanaka ary Fanahy Masina, ireo dia fanononana ny Anarana “Jesosy Kristy”. 

Voalaza ao amin’ny Matio: “Mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manaova batisa azy amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.” 

Akory ankehitriny ny fandikana vilana izany, ilazan’ny olona hoe: “Amin’ny Anaran’ny Ray, amin’ny Anaran’ny Zanaka, amin’ny Anaran’ny Fanahy Masina” Tsy izany akory no voasoratra, fa “Amin’ny Anaran' (tokana) ny Ray, Zanaka sy Fanahy Masina”. “Ray” dia tsy anarana, “Zanaka” dia tsy anarana, “Fanahy Masina” dia tsy anarana, fa ireo dia fiantsoana ihany.

Folo andro tato aoriana, nitsangana i Petera, dia nilaza hoe: “Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin’ny anaran’i Jesosy-Kristy ianareo rehetra.” Moa ve izy nanao izay tsy nasain’Andriamanitra ataony? —Nanao izay nasainy atao izy. Ny Anaran’ny Ray, Zanaka sy Fanahy Masina dia “Jesosy-Kristy Tompo”. 

Ny olona rehetra, ao amin’ny Testamenta vaovao, dia natao batisa tamin’ny Anaran’i Jesosy-Kristy Tompo avokoa. 

Ao amin’ny Baiboly, tsy nisy olona na dia iray aza, natao batisa tamin’ireo fiantsoana “Ray, Zanaka ary Fanahy Masina”. Tsy mba nisy izany mandra-pipetraky ny fanekem-pinoana ao Nikea, tany Roma. Didin’ny fiangonana katolika izany. Ary izany no mbola hita, namafisina, ao amin’ny boky katesizy. Namaky ny boky “Faits de notre foi” sy boky hafa aho, nahitako fa tena fanekem-pinoan’ny katolika romana izany. Hiteny aminao izy ireo fa tsy ao anaty Baiboly tokoa izany, kanefa manam-pahefana hanova ny teny araka izay tiany izy ireo satria manana an'ny Pàpa. Hafa noho izany ny fihevitro. 

Jesosy-Kristy no tsy miova omaly, anio ary mandrakizay. Ary Izy niteny hoe: “Raha misy manaisotra na manampy teny amin’ity Baiboly ity, dia hesorina tsy ho ao amin’ny Bokin’ny Fiainana ny anjarany.” Teny tokana, tsy fehezan-teny tokana, na andininy tokana, fa teny tokana monja! “Ary raha misy manaisotra amin’ny teny …”

Tany amboalohany, nankahery ny vahoakany tamin’ny alàlan'ny Teniny Andriamanitra. Teny tokana diso fandikana no nahatonga ny fahafatesana rehetra, ny fahoriana rehetra ary ny fijaliana rehetra. Tsy fehezan-teny no narodan'i Eva, fa teny tokana. Ny fiandohan’ny Boky izay.

Raha tonga Jesosy, eo afovoan’ny Boky, dia inona no noteneniny? —“Voasoratra hoe: tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa izay teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra.” 

Ao amparan’ny Boky, ao amin’ny Apokalypsy, toko faha-22, andininy 18, farany indrindra amin’ny Boky, Jesosy mihitsy no miteny hoe: “Manambara Aho fa izay olona manaisotra teny iray monja amin'ity Boky ity, na manampy teny iray monja, dia hesorina ny anjarany ao amin’ny Bokin’ny Fiainana”, satria mpaminany sandoka mamitaka ny vahoaka izy, ka hanadinana azy ny ràn’ireo. 

Isika dia tsy maintsy mitana io Toeram-pitsaofana tokana, “Jesosy-Kristy” io, ilay Teny, tsy miova omaly, anio ary mandrakizay. Amena! Tsara. Tadidio fa tsy misy toeran-kafa fihaonana mba itsaofana. Andriamanitra no nifidy an’io.

Jaona no tetezamita amin’ny Testamenta Taloha sy Vaovao. Henoy tsara ary mariho tsara izao: Jaona, io voromahery lehibe io, indray andro dia nanidina avy tao an’efitra, amin'ireo elany lehibe nivelatra. Ary nitoetra teo amoron’ny renirano Jordana izy, voromahery mpaminany lehibe iray nampitohy ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao ary niantso azy ireo izy, ireo teo ankavanana, toy ireo teo ankavia. Niantso andro iray fibebahana izy. 

Dia nivoaka ireo Fariseo sy Sadoseo ka nitenenany hoe: “Aza manao anakampo ianareo hoe: manana an’i Abrahama ho rainay izahay; fa lazaiko aminareo fa Andriamanitra mahay manangana zanaka ho an’i Abrahama avy amin’ireto vato ireto.” Oh! la, la! 

Ary nanomboka nitory ny Filazantsarany izy, niteny hoe: “Misy anankiray eo afovoanareo Izay tsy fantatro. Tsy mbola namantatra Azy aho fa ho fantatro Izy rehefa ho tonga. Tsy mendrika ny hamehy ny kirarony akory aho, ka Izy hanao batisa anareo amin’ny Fanahy Masina sy ny afo. Ary mitana ny Fikororohany eny an-Tànany Izy; Hanadio tanteraka ny Famoloany Izy, ary handoro ny akofa amin’ny afo-tsy-mety-maty.” 

Teo io voromaherin’ny Filazantsara io no nitoetra, nanantitrantitra ireo fampitandremany. Ary niseho i Heroda mpanota, mpanjaka tamin’izany andro izany, izay naka ny vadin-drahalahiny. Heverinareo ve fa afaka hangina io voromahery lehibe an’ny Filazantsara nitoetra teo io, raha nandre izany? 

Nisy nilaza hoe: “Jaona, aza mbola mitory mikasika ny fanambadiana sy fisaraham-panambadiana aloha ianao, satria eto i Heroda.”

Kanefa dia nitsangana teo anoloany izy ka nanao hoe: “Tsy mahazo maka azy ho vady ianao.” Marina izany. 

Inona moa izy izay? Izy no ilay voromahery nivoaka avy tany an’efitra. Tsy nobeazin’anaram-piangonana, tamin’ny fampitahorana sy fandrahonan’olona izy, fa voahofana tao amin’ny herin’Andriamanitra-Tsitoha izy mba hahafantatra ny zavatra hisy. Hainy ny namantatra ny Mesia. 

Haleloia! (Izany midika: “Dera ho an’Andriamanintsika!”). Aza matahotra, fa tsy mbola nanafintohina olona aho. Tsy mientanentana aho. Fantatro tsara ny misy ahy.

Oh, rehefa mandinika azy aho, io voromahery lehibe io, manidina eny ka mitoetra eo… Hoy izy: “Ho fantatro Izy, rehefa tonga.”

Indray andro izy, raha nijoro teo nitory, dia ter ampita nisy ireo mpisorona izay niteny hoe: “Ny tianao ho lazaina ve dia ho avy ny andro izay hanafoanana ny sorona isan’andro sy io tempoly lehibe namboarinay io ary ny asa rehetra vitanay, izahay izay anaram-piangonana lehibe?”

Hoy izy: “Ho avy ny andro izay hahafoana ireo rehetra ireo.” 

Hoy izy ireo: “Tsy ho tanteraka mihitsy izany. Mpaminany sandoka ianao.”

Nijery manodidina azy izy ary niteny hoe: “Indro. Io Izy! Io ilay toeram-pitsaofana nofidin’Andriamanitra, io ny Zanak’ondry, ilay Zanak’ondry tena Izy izay manaisotra ny fahotan’izao-tontolo-izao.” Tsy niteny izy hoe: “Indreto ny Metodista, indreto ny Batista, na ny Katolika!” Fa niteny izy hoe: “Indro, tamy ny Zanak’ondrin’Andriamanitra izay manaisotra ny fahotan’izao-tontolo-izao!” 

Ao amin’ny Zanak’ondrin’Andriamanitra irery ny toerana tokana azo antoka ialofana. Ao Aminy irery ny fanavotana, fa tsy ao amina fiangonana, na fanekem-pinoana, na olona, na ray, na reny, na olo-masina, na toerana masina, na hafa. Izany dia ao amin’ilay Andriamanitra masina, ny Tompo Jesosy-Kristy, izay nametrahan’Andriamanitra ny Anarany tao amin’ny olona iray, mba ho fanavotana, tamin’ny nanefany ny vidiny ho an’ny mpanota rehetra. Io irery no Toerana isian’ny famonjena. Ambonin’izany Vatolampy izany no ijoroako. 

Namantatra Azy i Jaona. Hoy izy: “Tsy nahalala Azy aho raha nahita Azy tonga teto, saingy tany amin’ny nianarako …” Tsy tany amina seminera, tahaka ny nianaran-drainy izy, tsy nihofana ho mpisorona izy. Fa tany an’efitra, tao amin’ny semineran’Ilay Andriamanitra-Tsitoha, no nanabeazana azy nitandrina ny Tenin’Andriamanitra, tsy izay novolavolain’andian’olona mikasika Izany, fa izay voalazan’Andriamanitra ihany. Ary rehefa nandrandra ny masony Jaona ka nahita ny Fanahy Masina nidina, dia hoy izy: “Izaho manambara fa Izy io!”

Oh! la, la! Io ilay toeram-pitsaofanareo. Io ny toeran-kialofanareo. Io ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra izay manaisotra ny fahotan’izao-tontolo-izao. Tsy fiangonana, na fanekem-pinoana, na zavatra hafa, fa ny Zanak’ondrin’ Andriamanitra izay manaisotra ny fahotan’izao-tontolo-izao. 

Jereo ny famaritan’i Jaona izany. Tsy niteny izy hoe: “Marina ny anareo, ry Fariseo sy Sadoseo ary Herodiana.” Niteny izy hoe: “Indro ny Zanak’ondry”. Izy no Toerana. Izy no nametrahana ny Anarana. Izy no hany tokana. Tsy misy Anarana hafa aty ambanin’ny lanitra.

Izao dia diniho izay ambaran’i Jesosy mikasika an’i Jaona. Indray andro Jaona dia nandefa olona tany Aminy mba hijery izay ataony. Hoy Jesosy momba azy: “Izy no ilay Hazavana lehibe namiratra“, mba hanoroany azy ireo ny làlana marina tsy maintsy ho nizoran’izy ireo, mialoha ny Fiaviany, ny Fiaviny voalohany.” Henoy tsara! Aza andalovana ity! Niteny Jesosy fa i “Jaona ilay Hazavana voalaza ao amin’ny Malakia toko faha-3.“ Tsy misy diso ny amin’izany. Ilay mpaminany nanana an’io Hazavana lehibe namiratra io no namantatra an’i Jesosy ho ilay “Tokana”, ilay “Zanak’ondry”. Hadalana avokoa ireo zanak’ondry hafa voalazan’ireo mpisorona sy ny zavatra hafa rehetra. “Io ny Zanak’ondry!”, hoy ilay lehilahy nanana hazavana lehibe mamiratra, araka ny ilazan’i Jesosy azy. 

Malakia toko faha-3 nilaza hoe: “Haniraka ny irako eo alohako Aho mba hamboatra ny làlana.” Ary ilay iraka nalefa hamboatra ny làlana dia namantatra Azy ho ilay Toerana. “Io Izy, tsy misy isalasalana fa Izy io. Hitako ny famantarana nanaraka Azy. Fantatro fa Izy io, satria nisy Hazavana nidina avy tany an-danitra nankeo amboniny.” Azony antoka fa Izy no teo io.

Àry izao ry rahalahiko, te-hanontany zavatra aminareo aho eto am-pamaranana. Isika dia afaka milaza izao: Tsy nampanantenaina koa ve isika, ao amin’ny Malakia 3:19-23, voromahery iray hafa, Andry afo iray tsy maintsy harahina, izay haneho amin’ny fiangonana mirenireny ankehitriny, fa Izy no Hebreo:13.8, “Ilay tsy miova omaly, sy anio ary mandrakizay”? Tsy nampanantenaina ve isika, anankiray hafa izay hanidina avy any an’efitra? Amena! Tena izany ny Marina! Izany dia mirindra sy mifanaraka loatra amin’ny Lioka.17.30, izay milaza fa ny Zanak’olona (Voromahery), dia haneho ny Tenany, ka handevona ireo toeram-pitsaofana hafa rehetra, toy ireo anaram-piangonana sy ny karazany!

Nifidy ny Toerany Andriamanitra. Jaona nilaza hoe: “Indro Izy.” Ary ao amin’ny Malakia 3.24, dia izany ihany no ampanantenaina antsika: “Hampody ny fon’ireo zanaka”, hanehoany fa tsy maty Izy, ary tsy ho an’ny taom-piangonana hafa ihany ireo zavatra ireo. Tsy natokana ho an’ny fotoana fahiny ihany ny batisa amin’ny Anaran’i Jesosy, fa mbola tsy miova Izy ankehitriny. Amena! Hanafoana ireo toeram-pitsaofana hafa rehetra, izany no andraikitr’ilay voromaherin’ny andro farany, mba hanehoana fa ny zavatra hafa rehetra dia hadalana. Ny anarampiangonana dia hadalana, ary hiampanga azy ireo indray Izy, toy ny efa nataony taloha, hanehoana fa Izy dia tsy miova omaly, anio ary mandrakizay. Haleloia!

Ao amin’ny Apokalypsy 4.7, dia misy zavamanan’aina efatra izay vao notetezintsika. 

Ny voalohany tamin’ireo dia hitantsika fa liona. Izany no zavamanan’aina nivoaka voalohany namaly ny fihantsian’izany fotoana izany, ny Lion’ny firenena Joda.

Nanaraka azy dia avy ilay zavamanan’aina faharoa. Dia hitantsika fa omby io zavamanan’aina io, izay biby fampiasa amin'ny asa mafy sy fatao sorona. Tamin’ny andron’ireo katedraly romana no maty ny Fiangonana, natao sorona.

Olona no nanaraka, zavamanan’aina nanana tarehin’olombelona. Ary io endrik'olona io dia naneho ireo mpanao reformasiona, lehilahin’ny fanabeazana, an’ny teolojia sy ny sahala amin’izany. 

Fa ny zavamanan’aina farany dia natao hanidina, ary mbola ho avy. Ny Baiboly milaza fa voromahery manidina izy io. Haleloia! Ka ny mpaminany dia nilaza fa amin’izany andro izany, dia “hisy Hazavana”. Oh! la, la! “Amin’izany andro izany dia hisy Hazavana.”

Nisy ny andron’ireo mpanao reformasiona, nisy ny fotoana izay nahitana aloka ihany, ka tsy azo nantsoina ho andro na alina. Fa amin’ny hariva, amin’ny fotoan’ny voromahery, dia …

Hisy Hazavana amin’ny andron’ny voromahery,
Hahita ny làlan’ny Voninahitra tokoa ianareo;
Ny rano no làlan’ny Hazavana ankehitriny,
Milevina amin’ny Anarana sarobidy an’i Jesosy.
Na tanora, na antitra, ibebaho ireo fahotanao,
Hataon’ny Fanahy masina batisa tokoa ianao,
Satria tonga ny Hazavan’ny hariva,
Andriamanitra sy Jesosy dia iray ihany.

Amena! Hisy Hazavana amin’ny andron’ny hariva, dia ilay Toerana tokana nofidin’Andriamanitra ho fitsaofana.

Oh, inona no kendren’ity Hafatra ity, Andeha hanao inona? Fa amin’ny androny dia hisy Hazavana amin’ny hariva. Haninona? —Handray ireo Zanany izay tafaverina any amin’ilay Tany nampanantenaina, amin’ny alàlan’io famantaran’ny Andry Afo io, izay nitarika ihany ny zanak’Isiraely namakivaky ny tany efitra. 

Ny toerana nofidin’Andriamanitra, Jesosy Kristy, io ihany no toerana tokana; io no Anarana tokana hamonjen’Andriamanitra. Ny Anarana anononany ny fianakaviana any an-danitra, sy ny et an-tany dia Jesosy Kristy.

Ô ry Fiangonana, ô ry vahoaka, ry mpanota sakaizako, aza manankina amin-javatra hafa ianao afa-tsy amin’i Jesosy Kristy. Aza miankina amina mpitoriteny. Aza manankina ny famonjena anao amin’olon-kafa. Aoka ianao tsy iankina, na amina fiangonana, na amina fanakempinoana, na amin’anaram-piangonana, fa Jesosy-Kristy irery ihany no iankinana, satria Izy no Fahazavan’izao ora izao. 

Andao hanondrika ny lohantsika isika. 

Hisy Hazavana rehefa ho avy ny hariva;
Hahita ny làlan’ny Voninahitra tokoa ianareo;
Ny rano no làlan’ny Hazavana ankehitriny,
Milevena amin’ny Anarana saroby an’i Jesosy.
Tanora sy antitra, ibebaho ny helokareo rehetra;
Dia tena hiditra tokoa ny Fanahy Masina;
Tonga ny Hazavan’ny hariva;
Andriamanitra sy Jesosy dia iray.

 Ô rahalahy, ô ranabavy, raha mbola tsy nibebaka ianao, raha mbola tsy vita batisa amin’ny Anaran’i Jesosy-Kristy ianao, te-hizotra amin’izany ve ianao izao hariva izao? Sitrakao ve ny hamela an’Andriamanitra handray anao amin’io toerana izay ahafahanao mitsaoka Azy io? Tadidio fa ivelan’izany dia tsy misy, na tokana aza, toeran-kafa nampanantenain’Andriamanitra ihaonany aminao sy andraisany ny fitsaofanao Azy.

 Hoy ianareo: “Rahalahy Branham, izaho anie mitsaoka araka ny hitsimpoko e.” Izany koa no nataon’i Kaina. Nanao fanatitra toa an’i Abela koa izy, saingy tsy nety ny fanatiny. Mety mankany am-piangonana ianao, ary manefa ny fahafolonkarenao, sy ireo adidinao araka ny tokony hataon’ny Kristiana, mahitsy fo tahaka ny lehilahy na ny vehivavy rehetra. 

Telopolo taona izao aho no teto amin’ity tanàna ity, ary mbola ity Hafatra ity ihany no antsoantsoiko. Miha-antitra aho. Tsy afaka ny mbola hitoetra maharitra eto aminareo aho. Kanefa tadidio fa voaray ao anaty horonampeo ny feoko, ary amin’ny andro fitsarana, hiampanga anareo izany. 

Toerana tokana ihany no ametrahan’Andriamanitra ny Anarany, ary tsy ao amina fiangonana izany, fa ao amin’i Jesosy. Tsy misy afa-tsy toeram-piderana tokana, toerana tokana andraisana anareo; ary izany dia ao amin’i Malala, Jesosy Kristy. « Fa tsy misy anarana hafa ambanin'ny Lanitra nomena ny olona hahazoantsika famonjena.» Tsy misy fiangonana, tsy misy fanekem-pinoana, tsy misy na inona na inona afaka hamonjy ahy, afa-tsy Jesosy-Kristy ihany ! 

Ka ny tokony ho Hafatra amin’izao ora izao, dia: “hampody ny fon’ny zanaka ho amin’ny finoana izay nomena indray mandeha an’ireo olo-masina fahiny”. Hanaiky handray izany ve ianareo izao hariva izao?

 Raha mbola eo am-panondrehana ny lohantsika isika, ireo izay maniry ho tsaroana am-bavaka, aoka hanangana fotsiny ny tànany. Tsy afaka miantso ho et amin’ny alitara isika satria maro loatra ianareo.

 Andriamanitra anie hitahy anareo! Oh,la! la! heveriko fa miisa telonjato ianareo ato an-kaviako. Ianareo ato an-kavanako, atsangano ny tànanareo ka mitenena hoe: “Tiako ho tsaroana aho.” Heveriko fa misy dimampolo amby zato mahery ato an-kavanako. 

Er ambany er dia manana tabernakely misy basìna lehibe feno rano isika. Eto ny pastora mendrika tokoa, ny rahalahy Orman Neville, sy ireo mpiara-miasa aminy, ireo lehilahy hitanareo ireo. Isan’andro, isan'alina, isan’ora, dia afaka hatonin’ireo izay mibebaka ka te-hatao batisa izy ireo. Ary raha manaiky izany didy izany ianareo, dia hahazo antoka, noho ny teny fikasan’Andriamanitra, fa handray ny batisan’ny Fanahy Masina. 

Tokana ny toeram-pitsaofana. Tsy ato amin’ny Tabernacle izany fa ao amin’i Kristy. Ahoana no hidirantsika ao Aminy?. —«Fanahy iray ihany no anaovam-batisa antsika rehetra ho Tena iray.»

Aoka isika hivavaka

Andriamanitra malala, ireo tànana mitsangana ireo dia maneho ny ao am-po, ny faharesen-dahatra fa avy Aminao ny fitahiana izay ilain’izy ireo. Ray ô, mivavaka ho an’ny tsirairay amin’izy ireo aho. Ka hanonona ny Teninao aho, hoe: « Izay mandre ny Teniko ka mino Izay naniraka Ahy no manana Fiainana mandrakizay, ka tsy hotsaraina, fa tafafindra niala tamin'ny fahafatesana ho amin'ny Fiainana izy.» 

Ray ô, nandao ity tanàna ity herinandro maromaro aho, ka rehefa tafaverina aho dia nanontany ny amin’ny ranona sy ranona. 

-"Efa lasa izy ireo."

-" Àry, manao ahoana avy iry … ?" 

– "Efa lasa izy ireo."

Andriamanitra ô, antsoina tsirairay izahay. Ny tsirairay aminay dia tsy maintsy mamaly ny fanamby hamakivaky ny sahan'ny aloky ny fahafatesana. Ary omena ny tsirairay aminay izany satria mety maty izahay. Fa izao hariva izao dia nanolotra aminay ny Fangatahanao Ianao, fa raha mino Azy izahay ka vita batisa amin'ny Anarany, dia ho raisinao izahay. Ary izany dia ho ao amin'io Vatana io, io Vatan'i Kristy io, tsy ao am-piangonana fa ao amin'ny Vatan'i Kristy, io Vatana izay efa notsaraina io. Tsy handalo fitsarana intsony Izy. Efa nazeran'Andriamanitra tao amin'io Vatana io ny Fahatezerany, ary io Vatana io dia efa afaka tamin'ny ota. Ary ao Aminy izahay, koa afaho amin'ny ota, noho io Fanavotana nahafatesany ho anay io. Ary avy amin'izany no ahazoanay io fiombonan’ny mpirahalahy aminay io, raha mbola mihazona anay tsy ho pentenin'ota na halotoana ny Ràn'i Jesosy Kristy, ilay Zanak'Andriamanitra.

 Andriamanitra Rainay ô, mangataka Aminao aho mba handray ny tsirairay amin’izy rehetra ho ao amin'ny Fanjakanao. Omeo anay izany, Andriamanitra. Aoka tsy hisy ho very na iray aza, na zazalahy na zazavavy, na lehilahy na vehivavy. Tompo, misy havako amin'izy ireto, tonga eto, izay tsy ambanin'io Rà io. Tsaroako loatra ny tenin'ny raiko! Ka dia mangataka Aminao aho, Andriamanitra malala ô, mba tsy hisy ho very na dia iray aza izy ireo. Omeo izany, Tompo ô. Mino Anao amin'ny fanahiko manontolo aho.

Aoka ho sitrakao ny hihetsika eo anivon'ireo rahalahiko, ireo anabaviko, ireo namako, izay tonga eto, sy ireo any ambadika any, mihaino amin'ny alàlan'ny telefaona. Any amin'ny fari-panjakana samihafa any izy ireo no mihaino, hatramin'ny morontsiraka atsinanana ka hatramin’ny andrefana. Andriamanitra malala, mangataka aho ho an'ireo any ambadiky ny efitra, ao Tuckson, any Californie, sy any Nevada, sy Idaho, ary any atsinanana sy ny manodidina, hatrany Texas; raha mbola omena ity fanasana ity, ho an'ireo olona mihaino izao, any amin'ny fiangonana madinika any, any amin'ny fivarotan-dasantsy, na any an-tranony. Andriamanitra ô, aoka ireo very hanatona Anao amin'izao ora izao, na lehilahy na vehivavy, na zazalahy na zazavavy. Efao izany izao. Angatahinay izany amin'ny Anaran'i Jesosy, mba hahitany io Toerana fialofana io dieny mbola fotoana amin’izany,

Hitanay ilay tànana manoratra amin'ny rindrina, hitanay ny tany manjary taitaitra, ary ny fotoan'ny fanavotana efa antomotra. Misy amin'ny tanin'ny firenenay milentika, ary ny ilany hafa mikisaka ary mitresaka noho ireo horohoron-tany, araka izay naminanian'i Jesosy izany. Aoka tsy hangatak’andro be loatra izy ireo, Tompo. Aoka hanaiky izany izy ireo ireo, satria atolotray ho Anao izy ireo toy ny babon’izao fivoriana izao, babon'ny Filazantsara. Amin'ny Anaran'i Jesosy. Amena. 

Mino Azy ve ianareo? Andriamanitra anie hitahy anareo. Firy no mino fa izany no Fahamarinana? Atsangano ny tànana, ianareo ato ankaviako. Firy no mino izany ianareo ato an-kavanako? Hotahin’Andriamanitra anie ianareo. Mino avokoa ny rehetra, ireo izay tazan’ny masoko. Izany no Fahamarinana, ry sakaizako isany. Hain’Andriamanitra fa izany no marina.

Fa izao, raha mbola Aminy ianareo, ary mitoetra ao Aminy, dia manana anjara amin’ny zavatra rehetra nimatesany ho anareo. Ary noho ny inona moa no nahafatesany? —«Izy dia voalefona noho ny fahadisoantsika sy notorotoroina noho ny helotsika, ny fampijaliana nahazoantsika fihavanana no namelezana Azy; ary ny dian-kapoka tAminy no nahasitranana antsika.» Mino izany ve ianareo? Inoanareo ve fa ny Fanavotana nataony dia ahazoana fanasitranana izao?

 Misy marary ve eto amintsika? Aoka ireo hanangana tànana, ato an-kavanana sy ato an-kavia. Vahoaka maro be ireo marary. Tsy afaka miantso filaharana aho. Hitanareo, tsy afaka mampakatra azy ireo et ambonin’ny lampihazo aho. Tsy misy hevitra anaovana izany. 

Manana fivoriam-bavaka ho an’ny marary any an-toeran-kafa izy ireo, any amin’ireo fiangonana, toy ny ato amin’ny Tabernacle. 

Hangataka zavatra iray aminareo aho. Firy no mpino ato? Atsangano ny tànanareo. Tena tsara. Handeha hotononiko aminareo ny Teny, izay i Kristy. Ny baiko farany nomen’i Jesosy ho an’izao-tontolo-izao, ho an’ny fiangonana marimarina kokoa, dia izao: «Izao famantarana izao no hanaraka izay mino: hamoaka demonia amin'ny Anarako izy… hametra-tànana amin’ny marary izy, dia ho sitrana ireny.» Firy no mahalala fa marina izany? Marka.16. Teneno hoe “Amena” [Ireo mpivory manao hoe “Amena” —Ed.] Tena tsara. Amin’ny maha-mpino anareo dia miangavy anareo aho hametraka ny tànanareo amin’ny olona izay eo anoloanareo. Apetraho tsotra fotsiny ny tànanareo amin’ilay olona eo anoloanareo, ary aoka hifampivavaka ianareo izao. Apetraho amin’ny olona izay manodidina anareo ny tànanareo.

Tompo ô, misy boaty iray feno mosoara eto anoloako, tapa-damba madinika avy amin’ny renin-jaza eo am-pialan'aina mitsilany any-ho-any, na zazakely am-bavahoana; olona marary hatraiza hatraiza. Ao amin’ny Baiboly dia mamaky izahay, fa naka lamba sy mosoara avy tamin’ny vatan’i Paoly izy ireo ka napetrany tamin’ny marary, dia niala teo anivon’ny vahoaka ny fanahy ratsy rehetra, ireo fanahy maloto, ireo aretina sy ireo rofy. Ankehitriny Tompo ô, fantatray fa tsy Paoly izahay, saingy fantatray kosa fa mbola i Jesosy ihany Ianao, ilay Toerana fitsaofana tokana izay nomen’Andriamanitra. Ary androany, ireto olona ireto dia miaiky fa ny finoana ninoana tamin’ny andron’i Paoly ihany no inoan’izy ireo izao. Tsy isalasalana, fa nanomana làlana ho azy ireo Ianao! Koa mametraka ny tànako ambonin’ireto mosara ireto aho, ary mangataka ny hialan’ny aretina sy ny fanaintainana amin'ny vatan’ny olona izay hametrahana azy ireto amin’ny Anaran’i Jesosy Kristy.

Nampianarina anay fa raha niala tao Egypta araka izay tokony ho nataony ny Zanak'Isiraely, nizotra nankany amin’ny tany nampanantenaina azy, dia nisakana ny làlany ny ranomasina Mena. Ary nijery avy tao amin’ny Andry Afo Andriamanitra, ka raiki-tahotra ny ranomasina, dia nihemotra mba hamela ny zanak’Isiraely handalo ho any amin’ny tanin’ny teny fikasana. Andriamanitra ô, meteza izao hijery avy ao amin’ny Ràn’i Jesosy, ka aoka hihemotra ny aretina ary ho voaroaka i Satana. Ary aoka handalo ireto olona ireto mba ho any amin’izany teny fikasan’ny fahasalamana sy hery izany izay nilazan’ Andriamanitra hoe: “Ambonin’ny zavatra rehetra, dia tiako ny handrosoan’ny fahasalamanareo.”

 Ary hitanao izao, Jesosy Tompo, fa mifametra-tànana ireto olona ireto, ary izany dia maneho ny finoany, araka izay nolazainao hoe: “ izao famantarana izao no hanaraka izay mino…” Samy mivavaka amin’ny fombany avy ireo, mivavaka ho an’ny hafa. Ary ny olona akaiky azy no mivavaka ho azy.

Izao, Tompo dia efa tratra ny fanamby. Satana, ilay mpamono vorona lehibe dia tsy manan-jo intsony hihazona zanak’Andriamanitra. Efa resy izy. Jesosy Kristy, ilay Toeram-pitsaofana tokana, ilay Anarana hany tokana marina no nandresy azy tao Kalvary. Ary ankehitriny izahay dia miantsoantso fa tamin’ny alàlan’ny Ràny no nandreseny ny aretina rehetra sy ny rofy rehetra.

Koa mandidy an’i Satana aho hivoaka hiala amin'ity fivoriana ity. Amin’ny Anaran’i Jesosy Kristy, mialà amin’ireto vahoaka ireto ianao, aoka ho afaka izy ireo. 

 Izay rehetra manaiky ny fahasitranany, araka ny Teny voasoratra, aoka hijoro vavolombelona ka hitsangana sady hiteny hoe: “Ekeko ny fahasitranako izao amin’ny Anaran’i Jesosy Kristy.” Mitsangàna izao. 

Dera ho an’Andriamanitra! Ao ianareo izao. Jereo ato, ny hamaron’ireo nikotringa izay tafatsangana sy ny zavatra hafa rehetra. Dera ho an’ Andriamanitra! Izay. Minoa fotsiny ihany. Eto Izy. Endrey izany hatsarana!

Ianareo izay mihaino any ivelany amin’ny alàlan’ny telefaona, raha mba mahita izany! Ataoko fa ny olona rehetra, na ny ankamaroany, eto, dia tafatsangana avokoa, araka ny fahitako azy. Oh, Hatsàrana fotoana re izao! Ny fanatrehan'ny Tompo izany! Izay misy an’ny Tompo, dia misy fahafahana, misy fanafahana. Manafaka antsika ny Fanahin'Andriamanitra.

 Mino izany isika izao rehefa nositraniny. Namonjy antsika Izy, mino izany isika. Efa vonona ny basìna ho an'ireo izay te-hatao batisa. Amin'ny fotoana rehetra, na amin'ny ora rehetra tianareo ho tonga, dia misy olona hanao izany. 

Alohan'ny hamaranana, heveriko fa tokony hihira fihiran’ny fiangonana ela iray isika:. "Tiako Izy, tiako Izy, satria nitia Ahy mialoha." Asandrato any amin' Andriamanitra ny tànanareo dia mihirà amin'ny fonareo rehetra. 

Te-hihaona aminareo izahay rahampitso amin'ny sivy ora sy sasany, ato amin'ity efitra ity ihany, mikasika ny lohahevitra "Fanambadiana sy fisaraham-panambadiana". Tena tsara.

Isika rehetra aoka hiaraka hihira izany izao: Tiako Izy …

(Aoka hihira ny mpivory rehetra izao! Ianareo amin'ny telefaona, mihirà koa)

Satria nitia ahy mialoha
Ka maty Izy ho famonjena ahy
Teo amin'ny hazo tao Kalvary.

Taiza no tanteraka izany? —Teo amin'ny hazo tao Kalvary. Raha mbola hihira izany indray isika dia tiako raha mandray ny tànan'ny olona manodidina anareo ianareo sady miteny hoe: "Ny Tompo anie hitahy anao, ry mpivahiny."

Tiako Izy, tiako Izy
Satria nitia ahy mialoha
Ka maty Izy ho famonjena ahy
Teo amin'ny hazo tao Kalvary

Oh, tsy tia Azy ve ianareo?[Amena!] Tsy mahafinaritra ve Izy? [Amena!] Toerana fialofanareo ve Izy? [Amena!] Vatolampy anivon'ny tany hay Izy, Fialofana amin'ny tafio-drivotra, ilay Toeram-pialofana tokana izay fantatro. Noho izany:

Miandrandra Anao ny finoako
Ianao, ry Zanak'ondrin'ny Kalvary.
Andriamanitra Mpamonjy;
Henoy izao, ny fivavako,
Ongoty ny fahotako rehetra,
Aoka aho manomboka izao
Ho Anao manontolo.

Asandratontsika ny tànantsika eo am-pihirana izany.

Miandrandra Anao ny finoako
Ianao, ry Zanak'ondrin'ny Kalvary.
Andriamanitra Mpamonjy ô;
Henoy izao ny fivavako,
Ongoty ny fahotako rehetra,
Oh, aoka aho manomboka izao
Ho Anao manontolo.

Hanondrika ny lohantsika isika sady mihira mangingina:

Raha mamaky ny haizin-dàlan’ny fiainana aho,
Ka miodidina ahy ny fahoriana,
Meteza Ianao ho Mpitarika ahy.
Didio ny aizina hiova ho andro;
Fafao ny ranomasom-pahoriana;
Aza mba avela hivezivezy aho,
Hiala ny eo akaiky Anao.

Raha mbola manondrika ny lohantsika isika, dia hampiravana ny fotoana ny pastora malalantsika, ny rahalahy Orman Neville.