Mission Populaire Libre

Jésus-Christ est le même hier, aujourd'hui et éternellement" (Hèbreux 13:8)

Langue:

Ireo voahosotra amin'ny andro farany / William Branham




IREO VOAHOSOTRA AMIN’NY ANDRO FARANY

(Les oints du temps de la fin)

25 jolay 1965 – Jeffersonville (Branham Tabernacle),

Indiana ETAZONIA.

————

Arahabaina ianareo rehetra tonga eto amin’izao fivoriana izao. Fa alohan’ny hanombohana, andao isika hiresaka amin’ny Tompontsika. 

“Ry Andriamanitra lehibe, Mpahary ny lanitra sy ny tany. Efa nomaninao ny ahazoanay ity fotoana ity, anio maraina, mba itsaofanay Anao. Enga anie izahay, ato am-ponay, Tompo, hanoa tanteraka ny Sitraponao masina, mba hiasa aminay ny Fanahinao ka handraisanay izay sitrakao ampahafantarina anay. Irinay ny ho tonga kristiana mendrika kokoa, ho solontena tsara kokoa ho Anao. Matoky Anao izahay ny anomezanao izany anay izao maraina izao, amin’ny Anaran’ny Jesosy Kristy Amena”.

Afaka mipetraka ianareo.

Faly tokoa isika raha tafavory eto indray izao maraina izao, mba hanompo Ilay Mpanjaka Lehibe. Tahaka ny efa mpiseho, dia mampalahelo fa mbola tsy ampy ho an’ny rehetra ny toerana, kanefa na eo aza izany dia hanao izay azontsika atao isika.

Fa izao. Misy mosoara sy fangataham-bavaka maro be napetrak’olona eto mba ivavahana. Ka natokako an-tsisiny eto aloha izy ireo. Tsy hoe tsy miraharaha ireo aho. Fa hivavahako ihany ireo, rehefa aho avy… izao maraina izao, sy rahalina koa. Amin’izay aho hivavaka, hangataka ny Fanahy Masin’Andriamanitra mba hanasitrana, ary hivavaka ho an’ireo mosoara sy zavatra hafa ireo.

Ny amin’ireo fangatahana manokana, dia efa nomen’i Billy ahy avokoa izy rehetra. Telonjato eo-ho-eo ny isany. Koa, hitanareo, tsy maintsy hojereko faingana araka izay azoko atao ny tsirairay amin’ireo. Tsy hahavita hijey azy rehetra anefa aho. Dia hangataka aho: “Tompo, iza amin’ireo, ilay iray ity, ve sa ilay iray ity?” Toy izany fotsiny no hataoko, satria izy rehetra, ny tsirairay amin’ireo, dia mila vonjy, tsy isalasalana fa tena tsy maintsy ifampiresahana. Ary izaho… Hainareo, indraindray, ny Fanahy Masina mety hiteny zavatra efa novakiako, ka voatazoko am-poko; dia hiverenako izany mandrapahitako ny zavatra. 

Izao maraina izao, arahabaintsika koa ireo any amin’ny faritry ny firenena hafa amin’ny alalan’ny fifandraisana an-tariby, any New York, Beaumont (Texas), Prescott (Arizona), Tucson (Arizona), San José (Californie), Connecticut, Gainsville (Georgie) ary New Albanie (Indiana). Ianareo rehetra, any amin'ny lafivalon’ity firenena ity, miarahaba anareo izahay amin’ny Anaran’i Jesosy Tompo. 

Ny Tabernacle dia feno hipoka, ary ny tsirairay dia samy miandry fatratra, handray zavatra amin’ny leson-tsekoly alahady. Ary matoky aho fa ny fitahian’Andriamanitra sarobidy indrindra dia ho aminareo any lavitra any. 

Manantena izahay, ato-ho-ato, hahita fomba ahafahantsika rehetra miara-mivory. Mety ho tranolay lehibe iray izany. Mahatsapa tena ho voataona hitory mikasika ireo Lovia fito farany, ao amin’ny Baiboly aho izao.

Misy lesona lehibe ianarana isika izao maraina izao ka nitady ny tavan’ny Tompo aho mba ahafantarako izay tokony holazaiko aminareo, satria mety ho fotoam-panompoana farany iarahantsika izao. Antomotra loatra mantsy ny Fiavian’i Tompo.

Taorian’iny toriteny tany Californie iny, izaho dia nahita trano, sy tany, miletsy 30 pouces (75 sm) isan’ora, ireo lavarangana mitresaka ary mirodana avy eo. Kanefa tsy fantatry ny olona ny fiavian’izany. Tonga amin’ny andro farany isika izao. Trano lehibe mitentina 100 tapitrisa dolara dia miletsy. Nahazo gazety, misy matoandahatsoratra sy sarin’izany aho, izay heveriko ho entina rahariva, satria misy lafiny iray tiako horesahina aminareo ny amin’izany.

Hivavaka ho an’ireo marary isiaka rahariva. Tongava amin’ny dimy na amin’ny enina hariva. Hanomboka alohaloha isika, mba ahafahan’ny olona mody aloha, sy mandray ny karatra fangataham-bavaka. Hivavaka ho an’ny marary isika rahalina, raha sitraky ny Tompo.

Rehefa avy nivavaka mafy aho dia nisaina hoe; “Inona no tsy maintsy ataoko”, satria fantatro fa indray andro any aho dia hampamoahina amin’izay rehetra noteneniko. Koa nanapa-kevitra aho, na nahatsapa ho voatariky ny Fanahy hiresaka aminareo, izao maraina izao, mikasika ny faminaniana ho fampahafantarana zavatra antsika. Raha misy zavatra tsy nampoizina mitranga, dia tokony ho haintsika ny amin’izany. Nomen’ny Fanahy Masina antsika izany, mba hiomanan’ny olona amin’ireo zavatra hitranga. Hainareo, ny Baiboly milaza hoe: "Tsy manao na inona na inona Andriamanitra raha tsy mampahafantatra mialoha ireo mpaminany mpanompony.” Ary koa ahoana ny nampitandreman’i Jesosy ny vahoaka ny amin’izay zavatra hitranga, ahoana ny nampitandreman’ireo mpaminany ny vahoaka, amn’ny zavatra hitranga. Tsara ho antsika ny mamantatra fotoana inona no misy antsika, amin’izao ora lehibe iainantsika izao, inona no mitranga, inona no voatendry hitranga. Koa tsapako fa napetraka ato am-poko ny hiresaka aminareo, izao maraina izao, ny anankiray amin’ireo lohahevitra tsy mahazatra ireo, izay efa novakintsika natetika ihany.

Izao dia hamadika ny Baibolintsika isika ao amin’ny Matio 24, hametrahantsika manodidina amin’ny lohahevitsika.

Ary aza adino fa andeha hitory izany isika toy ny fianarana Bainoly, milamina. Ka raiso ny penina sy ny taratasinareo. Misy Soratra Masina noraiketako ato, ahafahanareo mandray izany. Ka rehefa tonga any an-trano ianareo dia afaka mianatra izany toy ny leson-tsekoly-alahady, kanefa tokony ho fantatsika, mba ho voaomana isika amin’ny fotoana iainantsika izao.

Ao amin’ny bokin’i Matio, toko faha-24, manomboka amin’ny andininy 15, no tiako vakiana:

“Koa raha hitanareo mitsangana ao amin’ny fitoerana masina ny “fahavetavetan’ny fandravana” izay nampilazaina an’i Daniela mpaminany (aoka hisaina izay mamaky izany) dia aoka izay olona any Jodia handositra any an-tendrombohitra, ary izay any an-tsaha aoka tsy hiverina haka ny lambany. Ary lozan’ny vehivavy bevohoka sy ny mampinono amin’ireo andro ireo! Fa mivavaha ianareo mba tsy ho amin’ny ririnina na ho amin’ny sabata no handosiranareo. Fa amin’izany andro izany dia hisy fahoriana lehibe, izay tsy mbola nisy toa azy hatrizay niandohan’izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy intsony. Ary raha tsy efa nohafohezina izany andro izany, dia tsy nisy nofo hovonjena, fa noho ny olom-boafidy dia hohafohezina izany andro izany. Koa raha misy manao aminareo hoe: indro aty Kristy, na indro ary, aza mino hianareo. Fa hisy kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana ka haneho famantarana lehibe sy fahagagana, ary raha azo atao, na dia ny olom-boafidy aza dia hofitahiny. Indro voalazako aminareo rahateo izany. Ary amin’izany raha misy manao aminareo hoe: Indro, any an’ efitra Izy , aza mankany hianareo, Indro, ao amin’ny efitrano Izy, aza mino. Fa tahaka ny elatra avy any atsinanana ka hita hatrany andrefana, dia ho tahaka izany no fihavian’ny Zanak’Olona. Fa izay itoeran’ny faty, dia any no hiangonan’ny voromahery.”

Hanatsaohana ny lohahevitra dia tiako tsipihina manokana ny andininy faha 24… Mihainoa tsara, fa haveriko ho vakiana izany:

“Fa hisy kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana ka haneho famantarana lehibe sy fahagagana, ary raha azo atao, na dia ny olom-boafidy aza dia hofitahiny” 

Ny lohahevitra tiako ho raisina, na ho resahina, izao maraina izao àry dia: 

“Ireo voahosotra amin’ny andro farany” 

Inoako fa miaina amin’ny vanim-potoana farany isika. Heveriko fa ny ankamaroan’ny mpamaky Baiboly sy ireo mpino dia mahafantatra fa ao amin’ny fiafaran’ny tantaran’izao-tontolo-izao isika. Koa tsy ilaina intsony ny hiraketana an-tsoratra izany, satria tsy hisy olona intsony hamaky izany. Fiafaran’ny fotoana izao. Oviana marina izany, dia tsy haiko. Na ireo anjely any an-danitra aza dia tsy mahafantatra na ny ora, na ny minitra. Kanefa, Jesosy Tompo efa nanambara tamintsika fa raha manomboka miseho ireny zavatra mitranga eo anoloan'ny masontsika ankehitriny ireny, dia handrandrao ny lohantsika, satria efa akaiky ny fanavotana antsika… 

Izany dia toy ny voalazan’ilay mpahay siansa tamin’ny fahitalavitra iny, raha nanontaniana izy mikasika ilay fahavakisana lavabe, mahatonga ny tany ho tsy maintsy hilentika an-dranomasina. Nanontaniana izy hoe: “Mety hilentika ve izany izao?” Izany dia Los-Angeles sy ny morontsiraka atsinanana manontolo. Ary maro taminareo no nahita ny nanarahan’izy ireo izany tamin’ny radar… ny fivakisana dia manomboka akaiky an’i San-José, mamakivaky hatrany Alaska, mahatratra ireo nosy aleotiennes, roa arivo kilometatra any an-dranomasina, dia miverina any San-Diégo, ary tonga an-damosin’i Los-Angeles, manao faribolana iray lehibe.

Ary ireo horohorontany rehetra izay nandalo tamintsika tato ho ato dia vokatry ny fihetsehana volkanika manafana io karazana lavaka goavambe io. Tsy haiko ny voambolana ilazan’izy ireo izany. Fa na manao ahoana, rehefa mihetsika izy io dia mahatonga ireny horohorontany nahazo antsika nandritry ny taona maro tamin’ny morontsiraka andrefana ireny. Ankehitriny, dia vakivaky avokoa ny tany eny rehetra eny. Ary niteny ny siantifika fa…. 

Hoy ilay mpanao gazety, nanontany ilay manam-pahaizana: “Mety hilentika avokoa ve ireo?”. 

-Namaly izy: “Tsy hoe mety, fa tena hilentika”

-Nanohy ilay iray: “Fa tsy amin'izao taranatsika kosa angamba?”

-Namaly ilay siantifika hoe: “Mety ato anatin’ny dimy minitra izany, toy ny mety ho anatin’ny dimy taona. Tsy afaka mamaritra izany marina isika”.

Tamin’ity herinandro ity, nisy nanome gazety ahy, misy matoandahatsoratra nampahafantatra fa trano lehibe maro mitentina an-tapitrisa dolara no nitresaka ary nitriatra, ka voatery nialan’ny olona. Tsy hain’izy ireo sakanana izany. Tsy misy fomba isakanana izany. Hitanareo, Andriamanitra afaka manao izay tiany atao, ary tsy misy afaka manoro Azy ny fomba anaovany izany.

Manamboatra trano fonenana ny olona. Mahavita mamokatra zavatra amin’ny alàlan’ny siansa ianareo, kanefa Andriamanitra no Mpamorona ny siansa. Ahoana no hiheveranareo isakanana Azy? Izao maraina izao ihany, azony atao, raha tiany izany, ny handringana ny tany manontolo izao amin’ny alalan’ny lalitra. Hainareo? afaka miteny Izy dia hampisy antontan-dalitra matevina 50 miles (80 km), ao anatin’ny antsasakadiny, izay hihinana ny mponina rehetra. Andriamanitra Izy. Manao izay tiany atao Izy. Masi-mandidy Izy, amin’ny maha Izy Azy.

Eo anoloan’ireo porofo marobe manondro ny ora iainantsika izao, dia heveriko fa tsara amintsika ny mamerina mijery sy mandinika ny zavatra, hatramin’ny nanokafana ireo Tombokase, ka ahitana ny marina mikasika azy ireny, satria mahatoky loatra Andriamanitra, izay naneho tamintsika ireny zavatra ireny, noho ny Fahasoavany.

Tiako marihinareo, ao amin’ny Matio 24.24, Jesosy dia nampiasa ny teny “kristy” ilazana “kristy maro”, Tsy “Kristy“ (tokana) fa “kristy” (maro fa tsy tokana). Ny teny kristy dia midika: “ilay voahosotra”. Fa raha “ireo voahosotra” dia tsy tokana fotsiny, fa ho maro. Ho maro ireo “voahosotra”. Azonareo?

Izany hoe, raha atao teny mahitsy, ahazoantsika izany tsara kokoa, ho nilaza Izy hoe; “Amin’ireo andro farany, dia hisy sandoka maro hitsangana, kanefa voahosotra.” Toa tsy azontsika heverina ho mety hisy izany, hitanareo, “voahosotra sandoka” maro. Kanefa mariho fa ny teny manaraka dia: “ sy mpaminany sandoka”, mpaminany, maro.

Fa izao: “ilay voahosotra” dia manondro olona iray nampitondraina hafatra iray. Ary ny fomba tokana ahafahan’ny hafatra ho tonga dia amin’ny alàlan’ny olona iray voahosotra, ary tsy maintsy ho mpaminany izy, voahosotra. “Hisy sandoka hitsangana, mpampianatra voahosotra maro.”. Ny mpaminany iray dia mampianatra ny hafatra entiny. Fa ireo mpampianatra sandoka dia olona voahosotra, nefa manome fampianaran-diso. Izany ireo voahosotra sandoka ireo, kristy, mpaminany. Ary matoa misy an’i Kristy, tokana, dia tokony hisy koa “ireo voahosotra”, maro, ary ny faminanian’izy ireo dia ho fampianarana hafa noho ny Azy, satria ireo dia “voahosotra sandoka.”

Lesona sekoly-alahady ity, izay ihezahantsika miainga avy amin’ny Soratra Masina. Tsy avy amin’izay voalazan’olon-kafa, fa amin’ny famakiana ireo Soratra Masina.

Mety hiteny ianareo hoe: “Ahoana no hampety izany? Voahosotra sandoka…“ Inona izy ireo? —“kristy” (maro); k-r-i-s-t-y (maro), voahosotra. “kristy, kanefa mpaminany sandoka (maro).” Voahosotra izy ireo; kanefa mpaminany sandoka!

Jesosy nilaza, hoe: “Ny ranonorana dia milatsaka amin’ny marina sy ny tsy marina”

Dia mety misy kosa hanontany ahy hoe: “Mino ve ianao fa ny hosotra tonga amin’ireny olona ireny dia hosotry ny Fanahy Masina?” —Izany mihitsy, Andriamatoa, ilay tena Fanahy Masin’Andriamanitra dia mety tonga amin’ny olona iray, na dia sandoka aza io olona io.

Fa henoy tsara ary diniho izay voalazany: fa ireo dia « haneho famantarana lehibe sy fahagagana, ary raha azo atao, na dia ny olom-boafidy aza dia hofitahiny.» Ary izy ireo dia voahosotry ny Fanahy Masin’Andriamanitra tena izy. Haiko fa toy ny hadalana ny fanenon’ izany, kanefa haka fotoana malalaka isika, hanazavantsika izany amin’ny alalan’ny Teny, ahitantsika fa izany dia IZAO NO LAZAIN’NY TOMPO, fa izany ny Marina.

Raisintsika ao anatin’ny Baibolintsika ny andalan- tSoratra ao amin’i Matio toko faha-dimy, hatomboka amin’ny andininy 45. Ka raha tsy ho voavakintsika izy rehetra, ianareo rehefa tonga any an-trano, dia afaka mamaky izany, dia hitanareo izay voalazan’ny Baiboly mikasika izany.

Haka bahana tsara isika amin’ny fotoana, ahazoana fototra tsara, satria mampitolagaga loatra ny filazana nataoko. Ahoana moa no ahafahan’ny Fanahy Masina hanosotra mpampianatra sandoka? Kanefa dia izany no voalazan’i Jesosy fa hisy.

Izao àry, Matio toko fahadimy, ny andininy 45, hatombotsika aloha kely, amin’ny andininy 44: 

«Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an'izay manenjika anareo,  mba ho tonga zanaky ny Rainareo Izay any an-danitra ianareo; fa Izy mampiposaka ny masoandrony amin'ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy ary mampilatsaka ny ranonorana amin'ny marina sy ny tsy marina.» 

Toy ny irotsahan’ny orana amin’ny tsara fanahy ihany no irotsahany amin’ny ratsy fanahy,

Mba hanoizantsika izany, hijery zavatra mifandraika amin’izany faminaniana izany isika. Andao hamaky ny Hebreo toko fahenina, ireo andininy izay nilazan’i Paoly, io voalazan’i Jesosy io ihany. Raha mbola mitady izany ianareo… Ary ianareo mihaino any lavitra any, raiso ny Baibolinareo, makà taratasy, ary diniho izany. Paoly manoratra amin’ireo Hebreo, maneho aminy ireo aloka sy endrika, mitondra azy avy amin’ny Jodaisma hankao amin’ny Kristianisma, manondro aminy fa ireo zavatra taloha dia fanehoana mialoha fotsiny ireo zavatra ho avy. Avelao àry Paoly hiteny izao, Hebreo toko fahenina:

«Koa aoka hilaozantsika ny abidim-pianarana ny amin’i Kristy (Kristy, tokana), fa aoka handroso ho amin’ny tanteraka isika ka tsy hanao fanorenana indray, dia fibebabahana hahafahana amin’ny asa maty sy finoana an’Andriamanitra, ary fampianarana ny amin’ny fisasana maro sy ny fametrahan-tanana, ary ny fitsanganan’ny maty sy ny fitsarana mandrakizay. Ary izany no hataontsika, raha avelan’Andriamanitra. Fa izay efa nohazavaina indray mandeha sady efa nanandrana ny fanomezana avy any an-danitra sy efa nandray ny Fanahy Masina..,

Tiako ny misarika ny sainareo vetivety. Voamarikareo ve fa ny voasoratra dia “ny fanomezana”, tokana, fa tsy “ireo fanomezana, maro. “…sady efa nanandrana ny fanomezana avy any an-danitra ..Kristy, tokana, fanomezana, tokana.

…ny fanomezana avy any an-danitra sy efa nandray ny Fanahy Masina, ary efa nanandrana ny teny tsaran’Andriamanitra sy ny herin’ny fiainana ho avy, nefa nihemotra, dia tsy azo havaozina indray ho amin’ny fibebahana, satria nanombo ny Zanak’ Andriamanitra indray amin’ny hazofijaliana ka manao Azy ho fahamenarana. Fa izay tany mifoka ranonorana milatsaka aminy matetika ka maniry anana tsara ho an’ny olona iasana azy dia mahazo fitahiana avy amin’Andriamanitra, fa izay maniry tsilo sy songosongo kosa dia lavina sady akaikin’ny ozona, ary ny hiafarany dia ny hodorana.»

Izao dia ampitahao indray izany amin’ny Matio 5:45. Mariho, Jesosy milaza fa ny masoandro sy ny orana samy mirotsaka amin’ny tany, dia Andriamanitra mandefa izany mba hamokarany ny hanina sy ny zavatra ilain’ireo mponin’ny tany. Ny orana dia natao ho an’ny hanina, ireo anana, kanefa mandray izany ihany koa ireo ahi-dratsy izay ao amin’ny saha. Ny ranonorana mampitombo ny vary ihany no mampitombo ireo ahi-dratsy.

Akory ny lesona azoko, indray mandeha, raha nifandray voalohany tamin’ireo Pentekotista aho! Lesona lehibe tamiko izany. Nahita roalahy aho… Tsy mbola nandre olona nanao fiteny tsy fantatra aho talohan’izay. Ny lehilahy iray niteny teny tsy fantatra, ary ny faharoa nandika izany, avy eo dia mifamadika. Ary noheverin’ny olona ho marina ny zavatra nambarany, raha niteny ireo hoe: “Maro ny olona ato tokony hibebaka izao hariva izao. Misy vehivavy sy lehilahy miaraka ato." Dia nahatonga ny vahoaka hitsangana izany, ka nanatona ny alitara

Dia nisaina aho hoe: “Be voninahitra loatra izany!

Ary tamin’io fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy Masina io no niresahako tamin’izy roalahy, hainareo, ny famantarana ny zavamiafin’ny fo, mba ahafantarako fotsiny ny fandehan-javatra. Ary ny iray dia tena Kristiana marina, sady tena mpanompon’i Kristy. Fa ilay faharoa kosa dia mpihatsara-velatsihy, izay miara-monina amin’ny vehivavy iray maintivolo, sady miaraka amin’ny vehivavy iray mavomenavolo, izay efa nananany zanaka. Hitako mazava tsara teo, tao anaty fahitana izany, tsy azoko nolavina. Koa noresahako taminy izany; dia nijery ahy izy, ka lasa nihodidina ilay trano.

Somary very hevitra aho tamin’izay. Nihevitra ho tafavory niaraka tamin’ny anjely aho, kanefa avy teo aho nanontany tena fandrao tonga teo anivona demonia. Ahoana ahampety izany? Tsy takatry ny saiko izany. Koa nandritry ny taona maro, dia nohalaviriko izany, mandra-pahatonga ny andro iray…

Omaly, izaho sy Geoge Smith, ilay tovolahy mifofo ny anabaviko, dia tany amin’ilay fitotoam-bary iray tranainy, efa tsy miasa, izay falehako rehefa hivavaka aho.

Ka, raha tany aho, nandritry ny roa andro, ny Fanahy Masina dia nampatsiahy ahy ny Soratra Masina milaza toy izao: “Satria ny orana raha milatsaka amin’ny tany, dia mba hampitombo ireo anana, kanefa miaina amin’io orana io ihany koa ireo tsilo sy songosongo, ary ny hiafaran’ireo dia hodorana.” Samy miaina avy amin’ny fanomezan’aina iray avy amin’Andriamanitra ihany ireo. Teo, dia nahazo ny fandehan’ny zavatra aho… Hoy Jesosy hoe: «Ka dia ny voany no hahafantaranareo azy.» 

Araka izany, ny ranonorana, izay mirotsaka amin’ny zavamanirin’ny tany, dia endriky ny ranonorana ara-panahy izay manome ny Fiainana Mandrakizay, rehefa mirotsaka ao amin’ny Fiangonana, satria izany dia antsointsika loha-orana sy fara-orana. Ary izany dia orana iray, izay mirotsaka avy ao amin’ny Fanahin’Andriamanitra, midina ao amin’ny Fiangonany.

Mariho, fa zavatra tena mahagaga no hita eto. Hitanareo? Raha milevina an-tany ireo voa ireo, na ahoana ny fomba nahatongavany tao, ireo tsilo dia efa tsilo hatrany am-boalohany. Fa ny vary alevina an-tany, sy ireo anana hafa, dia anana hatra tany am-piandohana. Ary ny zavamaniry tsirairay dia manaranaka araka ny karazany; hatrany hatrany, maneho amin’izany fa izy dia efa tao amin’ny fiandohana voalohany. 

«… ary raha azo atao, na dia ny olom-boafidy aza dia hofitahiny.» satria ireo dia handray ranonorana iray ihany, hahazo fitahiana iray ihany, haneho famantarana iray ihany, fahagagana iray ihany. Hitanareo? “Hamitaka ireo olom-boafidy izy ireo, raha azo atao.” Fa izao, tsy ny tsilo no afaka nanao ny tenany ho tsilo, ary tsy ny vary no afaka nanao ny tenany ho vary; fa ilay Mpamorona an’izy rehetra no nanendry izany tany am-piandohana. Araka izany koa ireo olom-boafidy. Ranonorana iray ihany ho an’ny rehetra!

Miposaka ny masoandro ny maraina, ary manazava ny tany rehetra, sahalan’ny izy no tompon’ity tany ity sy ny andro iainantsika. Ary, ilay masoandro miposaka atsinanana ihany no ilay masoandro milentika andrefana. Ary io masoandro io no nalefa hitondra amin’ny fahamatorana ny voa, ao amin’ ny tany, izay nanamboarana ny vatantsika ihany koa.

Isika dia mivelona amin’ny fihinanana zavatra maty. Izany no fomba tokana ahafahantsika miaina. Ary raha, isan’andro, tsy maintsy misy zavatra maty mba ahavelomanao, amin’ny ara-nofo, ny vatanao tsy maintsy mivelona amina zavatra maty, amin’ny ara-panahy koa, dia mila Zavatra iray maty ianao hiveloman’ny fiainanao ara-panahy. Koa tonga nofo Andriamanitra, ary maty, mba hahavelomantsika. Tsy misy fiangonana, na zavatra hafa eto amin’izao-tontolo-izao, afaka mamonjy anao, afa-tsy. Andriamanitra irery ihany. Tsy misy afa-tsy izany no fomba ahavelomana.

Araka ny Soratra Masina, dia Jesosy no Teny. “Tamin’ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin’Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra… Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika” 

“Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona ( amin’ny ara-nofo izany), fa ny Teny rehetra izay mivoaka ny vavan’Andriamanitra.”

Hitanareo amin’izany àry, fa mivelona amin’ny Teny isika, ary ny Teny dia Andriamanitra. 

Mandalo ny masoandro ary mitondra ny voa ho amin’ny fahamatorany. Fa izany tsy vitany indray mandeha. Mandeha tsikelikely ny fitombony, mandra-pahatonga azy amin’ny fahamasahany feno.

Toy izany, ankehitriny, amin’ny Fiangonana. Nanomboka tao amin’ny fahazazany izy. Dia nandalo ireo taona maizina, tao ambanin’ny tany. Ary nitombo izy izao, ho amin’ny fahamatorana. Ary afaka mahita tsara izany isika, araka izay ataon’Andriamanitra eo amin’ny zavaboaàry.

Toy izany koa ny amin’ny Fiangonana. Voa izy teo am-piandohana ary nandritry ny fotoana maizin’ireo taon-jato anelanelany [Moyen Age-f.n.m], dia toy ny nalevina tao amin’ny tany izy ary ankehitriny dia akaiky ny fahamatorana izy. Afaka mahazo izany mazava tsara isika, satria Andriamanitra dia manome antsika ny sarin’izany eo amin’ny zavaboaàry.

Tsy mahazo manakorontana ny voaàry ianareo. Kanefa izany no zavatra tsy mety ankehitriny. Mandefa baomba any anaty ranomasina isika, dia manimba izany, mandrava izany. Izany dia manampy ny fandotoana azy atao tsy ankijanona, amin’ny fanipazana loto. Tevesina ny àla, dia mamely ny rivodoza. Tohanana ny renirano, dia tonga ny tondradrano.

Natao hitady ny fomban’Andiamanitra isika, ary hitoetra ao amin’izany. Kanefa nataontsika olon’anaram-piangonana ny vahoaka, anatin’ireny fiangonana sy fikambanana ireny. Jereo izay nataontsika! Raha tokony ho nitoetra tao amin’ny làlana efa nomanin’Andriamanitra amin’izany isika.

Kanefa, hitanareo, hiverena amin’ny lohahevitsika isika. “Izy dia mandefa ny orana amin’ny marina sy ny tsy marina”. Dia milaza amintsika àry Jesosy, ao amin’ny Matio 24, fa ho famantarana ireo andro farany izany.

Fa raha ho famantarana ho amin’ny andro farany izany, dia tsy maintsy ho aorian’ny fanokafana ireo Tombokase. Hitanareo? Famantarana ny farany izany. Rehefa hitranga ireny zavatra ireny, dia ho tonga amin’ny farany ny fotoana. Ho famantarana izany, ka ireo olom-boafidy dia tsy ho voafitak’ireny. Hitanareo ve izany? Koa, tsy maintsy ho nambara izany, ho nohazavaina. Raha tsy maintsy amin’ny andro farany vao ho fantatra io famantarana io, dia tsy maintsy aorian’ny fisokafan’ireo Tombokase izany, mba tsy ho ao anatin’ny fisafotofotoana ireo olom-boafidy noho ny amin’izany.

Mariho, fa ny vary sy ny tsimparifary dia samy mivelona amin’ny Hosotra iray ihany avy any an-danitra. Izy anankiroa dia samy mifaly amin’izany.

Tsaroako io andro nahazoako ilay fahitana tao Green Mill’s. Teo anoloako nisy bolantany lehibe iray, voaàsa tanteraka, vao avy namadihana bainga. Ary tonga ny Mpamafy iray, voalohany. Fa tiako ho tadidinareo tsara izao: Jereo izay tonga voalohany, ary izay manaraka avy eo. Ary, raha nandroso io Lehilahy nitafy akanjo fotsy io, nitety ny tany, namafy voa, dia tamy, taorinany ny lehilahy iray nitafy mainty, nijokojoko, toy ny niafinafina, namafy voa. Rehefa vita izany, dia hitako samy nitombo ireo zavamaniry roa. Rehefa izany, dia hitako ireo vokatra anankiroa, ka ny iray dia vary, fa ilay iray hafa dia tsimparifary.

Ary nisy haintany lehibe tonga, izy roa ireo samy nanondrika ny lohany, nitalaho nangataka orana. Tamin’izay, nisy rahona lehibe iray tonga, nandrakotra ny tany, dia nilatsaka ny orana. Nitraka ilay vary, nandrandra ny lohany, ary nihiaka hoe: “Deraina ny Tompo! Deraina ny Tompo!”. Ilay tsimparifary koa nandrandra ny lohany sady nikiakiaka hoe: “Deraina ny Tompo! Deraina ny Tompo!”. Nitovy ny fiantraikany tamin’izy ireo. Samy nalazo izy roa, samy efa ho faty. Tonga ny hafanana be, dia nangetaheta ilay vary. Ary satria, tao amin’ny saha iray ihany ireo, zaridaina iray ihany, toerana iray ihany, izay rehetra niharetan’ilay vary dia niharetan’ny ahi-dratsy koa. Marihonareo izany. Ilay rano nanosotra ny vary, sy namelombelona azy ihany, no nankahery ny tsimparifary.

Ny Fanahy Masina iray ihany izay manosotra ny Fiangonana, manome azy ireo faniriana hamonjy fanahin’olona, no manome azy ireo hery haneho fahagagana, io ihany no milatsaka amin’ireo marina sy amin’ireo tsimarina. Ilay tena Fanahy Masina! Tsy mahita fomba hafa ianareo ahazoana ny dikan’ny Matio 24:24. Izy efa niteny fa “hisy kristy sandoka hitsangana", olona sandoka, ireo ho voahosotra. Voahosotry ny tena Fanahy Masina izy ireo, kanefa mpaminany sandoka sy mpampianatra sandoka. 

Inona no mety itiavan’ny olona iray hanjary mpampianatra sandoky ny Fahamarinana? Ho tody amin’ny mariky ny bibidia isika afaka kelikely, dia ho hitanareo fa izany dia ny anaram-piangonana. Hitanareo? Mpampianatra sandoka. Voahosotra, nefa sandoka; kristy, izany hoe voahosotra, nefa mpampianatra sandoka. Izany no fomba tokana ahazoanareo izany.

Izany dia toy izay efa notantaraiko teto elaela izay. Azoko resahina izany, satria mifandray isika manerana ny firenena. Indray andro aho, tany Arizona, niresaka tamin’ny namako anankiray izay nanana tanimbolom-boasary. Ary nisy hazo teo, izay hazovoasary, kanefa nitondra voasarihangibe, voasary makirana, mandarina, klemantina, sy karazany hafa izay adinoko. Ary hoy aho taminy: “Ahoana io? Karazan-kazo inona io?”

-Hoy izy: “Ilay foto-kazo dia voasary, ihany.”

-Hoy aho: “Ahoana no namoazany voasarihangibe? Nahoana izy misy voasary makirana?

-Hoy izy: “Natao grefy taminy ireo.”

-Dia, ho aho: “Hitako. Mazava amiko tsara. Ary amin’ny taona ho avy, rehefa hamoa indray io hazo io, ataoko fa tsy hamoa afa-tsy voasary izy, satria voasary ny foto-kazo, dia hamoa voasary izy. Tsy izany ve, Andriamatoa?.

-Hoy izy: “Tsy izany mihitsy, hoy izy tamiko, ny sampana tsirairay natao grefy dia samy hitondra ny voany avy.

-Hoy aho: “Raha izany, milaza ve ianao fa ny sampana voasary makirana dia hamoa voasary makirana avy amin’io foto-boasary io ?”

-Hoy izy: “Eny, Andriamatoa.”

-Hoy aho: “Ny sampana voasarihangibe ve hamoa voasarihangibe avy amin’io foto-boasary io ?

-Hoy izy: “Eny, Andriamatoa. Satria izany no toetry ny sampana natsofoka taminy.” 

-Hoy aho: “Voninahitra ho an’Andriamanitra!”

-Hoy izy: “Inona no tianao lazaina?”

-Hoy aho: “Fanontaniana iray farany: mety mbola hamoa voasary ve io foto-boasary io?

-Hoy izy: “Eny, raha misy sampany iray tena azy no maniry amin’ilay vatan-kazo.” Rehefa ny tenany no mamoaka sampany iray ho azy, fa tsy iray ho natsofoka. Ireo sampana voasary makirana rehetra ireo, dia tsy hamoa afa-tsy voasary makirana, satria ny aina izay tao amin’ny hazo-voasary makirana nanatsoahana azy no iainany.

Dia hoy aho: “Eo àry isika izao. Ireo Metôdista hanohy hamokatra Metôdista, ireo Batista hanohy hamokatra Batista, ary ireo Katôlika hanohy hamokatra Katôlika. Fa ny Fiangonan’Andriamanitra velona kosa dia hamokatra an’i Kristy, avy amin’ny faka, ny Teny mandrakizay, raha toa ka misy rantsam-boaloboky ny Tompo mitsimoka.” 

Afaka mahazo tsara izany ianareo izao, hitanareo. Ireo voasarihangibe, voasary makirana, klemantina, mandarina, ireo karazam-boasary rehetra ireo dia afaka mivelona eo amin’ny hazo iray ihany, saingy vavolombelona sandoka ho an’ilay hazo izy ireo, na dia miaina amin’ny fiainan’io hazo io aza. Hitanareo izany? Izy ireo dia tena mivelona ary tena miroborobo avy amin’ny fiainan’io hazo io.

Ary ao amin’ny Matio 24:24, dia mivelona avy amin’ny tena Aina iray ihany izy ireo, saingy sandoka hatrany am-boalohany. Vavolombelona mandainga ho an’io Hazo io izy ireo. Foto-boasary no hita, kanefa mamokatra voasary makirana. Dia milaza izy ireo hoe: “Io fiangonana io, io anaram-piangonana io, no vavolombelon’i Kristy”, kanefa diso ny batisany, ary sandoka ny fijoroany ho vavolombelon’ny Teny, raha miezaka mampino antsika izy fa ny herin’Andriamanitra dia voatokana ho an’ireo mpianatra voalohany ihany.

Jesosy mihitsy no nilaza hoe: “Mandehana any amin’izao-tontolo-izao ianareo, ka mitoria ny Filazantsara amin’ny sampana rehetra te-hamoa voa eo amin’ny hazo. Ary ireto famantarana ireto dia hanaraka ireo sampana tena izy…” Aiza? —hatrany lavitra mety ho tratr’ilay Hazo, handrosoan’ireo sampana, any am-paran’ny tany. «…hamoaka demonia amin'ny Anarako izy; hiteny amin'ny fiteny izay tsy mbola hainy izy; handray menarana izy; ary na dia misotro zava-mahafaty aza izy, dia tsy hampaninona azy izany; hametra-tanana amin'ny marary izy, dia ho sitrana ireny .» Hitanareo ve ny ora iainantsika izao? Hitanareo izay voalazan’i Jesosy?

Aza adino, fa izany dia ho amin’ny andro farany, tsy tamin’ny andron’i Wesley, na talohan’izany, fa ankehitriny, amin’izao fiafaran’ny fotoana izao, izany no mandray ny toerany.

Fa jereo ny Soratra Masina. Alao izy ireo no hanambara ny amin’izany. Hoy Jesosy hoe: «Dinihinareo ny Soratra Masina, fa ataonareo ao aminy no anananareo fiainana mandrakizay, ary ireny no manambara Ahy.» Mbola niteny koa Izy hoe: «Izaho no voaloboka ary ianareo no sampana….» , ary ihany koa hoe: «… Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa.» (Jaona 14:12). Fa izany dia ireo izay mitoetra ao Amiko, ireo izay efa tao amin’ny Fakako hatrany am-boalohany.

Izany no mahatonga an’i Jesosy ho sady Fakany no Solofon’i Davida. Talohan’i Davida Izy, tao amin’i Davida Izy, ary aorian’i Davida Izy, sady Fakany no Solofon’i Davida. Izy no Kintana Fitarikandro, Raozin’i “Sharon”, Lisin’ny lohasaha, Alfa sy Omega, Ray, Zanaka, ary Fanahy Masina. “Fa ao amin’ny Tenany no itoeran’ny fahafenoan’ny fomban’ Andriamanitra rehetra”. Sady Fakany no Solofon’i Davida!

“Izay voafidy ao amin’ny Aina, ny Aina voatendry, izay ato Amiko, hatra am-piandohana…”, hoy Jesosy, ary Izy no Teny “…rehefa ho tonga izy, dia hitondra ireo Voako.” (Jaona 14:12).

Saingy, hisy ireo hafa izay hiaina amin’io Aina io ihany, sady hitonon-tena ho kristiana sy mpino, kanefa “Tsy izay rehetra manao Amiko hoe: Tompoko,Tompoko, no hiditra…"

Fa ny fotoana hitrangan’izany dia amin’ireo andro farany, rehefa “haseho ireo zavamiafin’Andriamanitra”, toy ny ho hitantsika aoriana kely ao.

Indreo ireo hazo, ny tena voaloboka sy ny voaloboka sandoka! Taona maro nandrenesanareo ahy nitory mikasika azy ireo, sy ny fiarahany mitombo ao amin’ny saha iray ihany. Ento ao amin’ny sehatry ny olombelona izany, dia hita tao amin’i Kaina sy Abela ireo voaloboka anankiroa ireo. Izy roalahy dia samy nanao alitara, nanaterana fanatitra. Izy roalahy dia samy mpivavaka, samy voahosotra, samy tia ny fiainana, ary samy nanompo Andriamanitra iray ihany. Kanefa ny iray dia nolavina ary ny iray nahazo sitraka. 

Ary tsy misy fomba nahafantaran’ilay nahazo sitraka nanao hafa nohon’ny an-drahalahiny, afa-tsy raha voambara taminy izany. Hoy ny Baiboly: “Finoana no nanateran’i Abela ho an’Andriamanitra fanatitra tsara noho ny an’i Kaina, ka izany no nanambarana azy fa marina, …”

Jesosy dia naneho ny fanambarana ara-panahy ny amin’ny “Iza Izy”, raha nanontany hoe: “Ataon’ny olona ho iza moa Aho, ny Zanak’olona? 

Dia namaly Petera hoe: “Ianao no Kristy, Zanak’Andriamanitra velona.”

Ary hoy Jesosy; “Sambatra ianao, ry Simona Bar-jona, fa tsy nofo aman-drà no naneho anao izany fa ny Raiko izay any an-danitra Ary ambonin’ity Vatolampy ity no haoriko ny Fiangonako…” Inona izany? —Ny fanambarana marina ny Tenin’Andriamanitra. Io indray ilay voaloboka tena izy. “Abela, tamin’ny finoana no…“

Hilaza ianareo hoe: “Tsy fanambarana izany.”

Fa inona moa ny finoana? Ny finoana dia zavatra voambara aminao, zavatra mbola tsy misy, nefa inoanao fa hisy. Ny finoana dia fahafantarana ny sitrapon’Andriamanitra, ary izany dia amin’ny alàlan’ny fanambarana. 

Ary ireo fiangonana ankehitriny dia tsy mino ny fisian’ny fanambarana ara-panahy. Ny inoan’izy ireo dia ny fampianarana dogma vokarin’ny rafi-pisainan’olombelona. Fanambarana azony no nahafahan’i Abela nanolotra fanatitra tsara kokoa noho ny an’i Kaina, ka nanambaran’Andriamanitra azy fa olo-marina. Amena. Antenaiko fa azonareo izany! Fantatrareo ve ny vanim-potoana iainantsika izao? Hitanareo ve ora fahafiry izao? 

Tsy ela aho, dia tafaresaka tamin’ny lehilahy kristiana iray, be fahalalana sady tena mihaja. Hoy izy tamiko: “Andriamatoa Branham, ny fanambarana rehetra dia lavinay” 

Namaly azy aho hoe: “Raha izany, dia tsy maintsy mandà an’i Jesosy Kristy koa ianareo, satria Izy no fanambarana an’Andriamanitra, Andriamanitra naseho tao amin’ny endrik’olombelona.” Raha tsy afaka mahita izany ianao dia very. 

Hoy Jesosy: “ Fa raha tsy mino ianareo fa IZAHO NO IZY, dia ho faty amin’ny fahotanareo ianareo”. Izy no fanambarana an’Andriamanitra, Fanahin’Andriamanitra naseho tao amin’ny endrik’olombelona.” Raha tsy afaka mino izany ianao dia very. Raha ataonao persona fahatelo na faharoa Izy; na persona hafa, fa tsy Andriamanitra, dia very ianao. “ Fa raha tsy mino ianareo fa IZAHO NO IZY, dia ho faty amin’ny fahotanareo ianareo.” Endrey izany fanambarana!

Tsy mahagaga raha tsy nahafantatra Azy izy ireo, satria “Tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy taomin’ny Ray” hoy Izy, ary “Izay rehetra omen’ny Raiko Ahy no hanatona Ahy.” Hitanareo? Azonareo izany? Oh! Akory ny tokony hitiavantsika Azy, hiankohofantsika Aminy, hiderantsika Azy, raha hitantsika ny vokatry ny Fanahy, voaseho amin’ny andro farany, ary ny Hazon’ny Ampakarina tonga amin’ny fahamatorany araky ny fotoany!

Hosotra iray ihany no azon’ilay voaloboka tena sy ilay voaloboka sandoka. Samy ilatsahan’ny orana avy izy roa. Tsy mahagaga àry raha nampitandrina antsika Izy hoe: “na ny olom-boafidy aza ho fitahiny, raha azo atao.”

Mariho fa tena hitovy endrika izy ireo, satria hosotra iray ihany no ho azony. Kanefa mariho, fa “amin’ny voany ihany no….? Ahoana no ahafantaranareo azy?

Ahoana no hamantaranareo fa tsy voasary ilay rantsana? —Satria izy mamoa voasarihangibe. Tena salama tsara izy, mivelona eo amin’ilay hazo, saingy izy mamoa voasarihangibe, izay tsy voan’ilay hazo tany am-piandohana.

Ahoana ilazana ny fiangonana iray izay milaza fa mino an’i “Jesosy Kristy, tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay”, kanefa mandà ny Heriny, mandà ireo Asany, ary mandà ny Teniny? Ny fiangonana izay mino an’i Jesosy Kristy, dia hanao ireo Asan’i Jesosy Kristy. Fa raha tsy izany izy, na mandray ny Aina ao aminy aza, dia hamoa voasarihangibe mandrakariva, na voankazo hafa. Fa raha voatendry hanana ny Aina ao aminy izy, ao amin’ireo fakany, izy dia hitondra an’i “Jesosy Kristy, ilay tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay”, raha ny Teny miakatra ao aminy, avy amin’ny Faka, ary Izy no faka, fiandohan’ny fotoana.

Mariho, fa izay vokarin’izy ireo no ahafanareo manavaka azy ireo. “Amin’ny voany, hoy Jesosy, no hamantaranareo azy.”

Tsy misy mioty voaloboka ao amin’ny tsilo, na miara-maniry aza ny voaloboka sy ny tsilo. Na mety hisy aza izany, dia ny voany ihany dia hilaza ny aminy.

Inona ny voa ? —Ny voa dia ny Teny ilaina hamoa ny voa amin’ny fotoany. Izany ny voa, ny fampianaran’izy ireo. Fampianarana inona? —Ny fampianarana ho an’ny fotoana, ahafahana mamantatra ny fotoana, manavaka izay fampianaran’olombelona, izay fampianarana anaram-piangonana, amin’ny tena Tenin’Andriamanitra ho an’ny fotoana. 

Mandeha malaky loatra ny fotoana, na mbola tokony hiresaka maharitra mikasika izany aza isika. Matoky aho anefa fa, ianareo izay eto sy ianareo lavitra manerana ny firenena, dia mahazo izay ezahako lazaina aminareo. Satria fotoana kely sisa ananantsika iresahana izany. 

Fa ianareo efa afaka mahita fa ny hosotra dia mipetraka amin’ireo tsy marina, ireo mpampianatra sandoka, ahafahan’izy ireo manao zavatra tsy nanirahan’Andriamanitra. Saingy andeha hataony foana izany, na manao ahoana. Satria nahoana? —satra tsy afaka mitoetra ao amin’ny Sitraon’Andriamanitra izy. Ahoana no ahafahan’ny tsilo tsy ho tonga zavatra hafa noho ny tsilo? Na manao ahoana ny hatsaran’ny ranonorana mirotsaka aminy, tsy maintsy ho tsilo foana izy. Izany no nilazan’i Jesosy fa “hifanakaizy izaitsizy izy ireo, ka ny olom-boafidy aza ho fitahina, raha azo atao.” Saingy tsy ho azo atao izany, satria ny vary tsy ho afaka hamoa afa tsy vary ihany. 

Aza mba adinoina fa Andriamanitra tsy mpamorona rafim-pandaminana. Ny devoly no mpamorona rafim-pandaminana. Efa noporofoiko tamin’ny alàlan’ny Teny izany, an-tsakany sy an-davany, ary ombieniombieny. Tsy afaka hidirantsika izany izao. Fantatsika fa Andriamanitra tsy mba nampifandamina olona, hanangana lamim-piangonana. Taonjato maro taorian’ny nahafatesan’ny mpianatra farany vao niforona ny lamim-piangonana voalohany. Ary izany dia voaporofo fa tsy nahomby hatrany. Raha tsy izany, nahoana ankehitriny no tsy misy fiombonan’ny rehetra ao amin’ny fitiavana? Nahoana no misaratsaraka ho Metôdista, Batista, Presbiteriana, ary Katôlika, sy ny hafa? Nahoana ireo asan’Andriamanitra no tsy manaraka antsika? Kanefa ny fiangonana rehetra mifototra amin’ny Teny iray ihany? Izany no mampisaraka ny olona, mamono ny fifankatiavan’ny mpirahalahy. Amin’izao fotoana, ireo fiangonantsika dia efa nihataka lavitra an’Andriamanitra, toy ny tsy nisy hatrizay.

Nampianarina isika fa ireo zavatra taloha ireo no nitranga, dia mba ho ohatra ho antsika, sy ho fampianarana, fampieritreretana, ary fampitadremana. Ary ireo zavatry ny Testamenta Taloha ireo nitranga, dia ho tandindon’ireo izay ho ao amin’ny Testamenta Vaovao, amin’izao androntsika izao.

Izany dia toy ny raha apetrakao anelanelan’ny loharanon-kazavana sy ny rindrina ny tananao, dia hisy tandindon’izany, izay hitovy amin’ny tànanao, hanana tondro dimy. Ka raha ny tandindona, ny “sary”, ny “miiba”, ampanatoninao ny tananao, ny “tena”, ny “miabo” dia hifanojo tanteraka amin’ny tandindony avy ireo tondro dimy. 

Araka ny voalazan’ny Baiboly amintsika, ny Testamenta Taloha dia tandindona, endriky ny zavatra vaovao, endrik’ireo zavatra ho avy, fa tsy tena izy. Aloka ihany ireo, sary na endrik ny zavatra ho avy. 

Andao hitodihana ny lasa, hijerentsika raha efa hita tamin’ny vanim-potoana hafa izany. sitrakareo ve? [“Amena!” hoy ireo mpivory —Ed.] Izany dia mba amin’ny alàlan’ny Teny no anaporofoantsika ny zavatra, fa tsy avy fihevitry ny lehilahy iray, na ny fandinihana nataon’olon-kafa. 

Tsy ahoako na iza izy na iza; na izaho aza, na olon-kafa, raha “tsy mifanaranaka amin’ny Lalàna sy ireo mpaminany ny filazany, dia tsy misy Hazavana ao aminy.” Hitanareo? Izany no voalazan’ny Baiboly: « Aoka Andriamanitra no ho marina, fa ny olona rehetra kosa ho mpandainga», tsy manavaka olona izany.

Fa izao, andao hijery ny lasa ahitana raha nisy tokoa izany, hanehoana ohatra iray. Afaka hiverina ao amin’ny Bokin’ny Eksodosy isika, ka hijery mahery-fo anankiray, nantsoina Mosesy, izay mpaminany voahosotra, nirahin’Andriamanitra nitondra ny Tenin’ Andriamanitra sy ny Sitrapon’Andriamanitra ho an’ny fireneny. Satria ny Tenin’ Andriamanitra mandroso ao anatin’ny fitohizana, dia hoy Izy: «Tsy manao na inona na inona tokoa Jehovah Tompo, raha tsy milaza ny heviny amin'ny mpaminany mpanompony.» Rehefa izany, dia manatanteraka izany Izy. Hitanareo?

Fa Andriamanitra tsy afaka mandainga. Tsy afaka Izy sady handainga no ho Andriamanitra. Tsia, Andriamatoa. Tsy maintsy mitoetra ho Marina Izy. Tsy mba misy lainga ao Aminy.

Ary tsy afaka manova izany Izy. Fa raha hanao izany Izy, dia tsy Andriamanitra, satria ho nanao diso Izy. Hitanareo?. Tsy maintsy tsy manam-pahataperana Izy. Ary izay tsy manam-pahataperana dia tsy mety hanao diso. Hitanareo? Koa izay rehetra ambarany àry, dia marina mandrakizay. Hitanareo? Ary nampanantena izany Izy. Koa, diniho fa tsy misy, na aiza na aiza ao amin’ny Baiboly, mety halatsaka izany fitohizana izany.

Nampanantena an’i Abrahama Andriamanitra fa ny taranany dia hivahiny mandritry ny efa-jato taona any an-tanin’olona. Rehefa izany dia havoakany amin’ny tànana mahery sy sandry mitsotra izy ireo, ombam-pamantarana sy fahagagana eo imason’ny vahoaka nivahiniany. Nanatona àry ny fotoana, fa ny olona efa nanadino, satria izy ireo efa nanana an’ireo Fariseo sy Sadoseo sy anaram-piangonana hafa koa. Kanefa, tampoka, Andriamanitra naka avy tany ivelany, lehilahy tokana. Na oviana, Andriamanitra tsy mba niantso mpaminaniny tao amina anaram-pangonana. Tsia, Andriamatoa. Satria ho voafatotr’io anaram-piangonana io izy, ka tsy ho afaka hanao ny asan’ny mpaminany. Ho tavela eo ambanin’ny ziogan’io anaram-piangonana io izy. 

Mosesy, lehilahy iray nirahin’Andriamanitra, nitondra ny Tenin’Andriamanitra; dia teny an-dàlana, avy naka ny zanak’Isiraely, ka hitondra azy ireo any amin’ny tany nampanantenaina, araka ny baikon’Andriamantra.. Tamin’izay izy no nifanena tamin’ny mpaminany iray hafa, tena voahosotr’ilay Fanahy Masina izay teo amin’i Mosesy koa. Marina izany. Mpaminany izy. Teo amin’io lehilahy io ny Fanahy Masina. Balama no anarany. Fantantsika rehetra io lehilahy io, sy ireo teniny, izay mbola tanteraka ankehitriny, sahabo 2800 taona lasa izao: “Ȏ, ry Isiraely, ianao dia toy ny ombimanga”, ary « Hohasoavina anie izay manisy soa anao, ary ho voaozona anie izay manozona anao!… Endrey ny hatsaran'ny lainao, ry Jakoba ô! sy ny lasinao, ry Isiraely ô!» Hitanareo? Tsy afaka nanatanteraka ny fikasana tao am-pony, hanozona io vahoaka io izy.

Oh! Ianareo, mpampianatra sandoka, izay nihaino ireny horonampeo ireny, taona maro, ary nahita an’Andriamanitra nanamarina izay voalazany, mahafantatra fa izany ny Marina, kanefa miziriziry amin’ny fampianaranareo, noho ny anaram-piangonanareo, mifanditra, ary misakana ny olonareo tsy hino fa marina izany. Loza ho anareo! Kely sisa ny andronareo!

Balama dia voahosotry ny Fanahy izay teo amin’i Mosesy ihany. Kanefa taiza nisy fahasamihafana? —Ny fampianaran’i Mosesy dia tonga lafatra. Fa ny amin’ny fampianaran’i Balama kosa, ny Baiboly dia milaza, ao amin’ny 2 Petera 2, fa Andriamanitra tsy mba namela ny fahotan’ny zanak’Israely tamin’ny nandraisan’izy ireo izany. Fahotana tsy azo navela izany! Tsy nisy voavonjy izy ireo, kanefa teo ambany fitahian’Andriamanitra no nivoahany, ary nahita ny tànan’Andriamanitra niasa izy ireo, tamin’ny alàlan’io mpaminaniny mahery io, izay tena notohanan’Andriamanitra. Ary satria, tonga ny mpaminany iray hafa, nitondra fampianarana nifanohitra, dia nanaraka izany iry Kora sy Datana, sy maro hafa tamin’ny zanak’Isiraely, nijangajanga, nifangaro tamin’ny lamim-piangonany, satria, hono, “mitovy, tsy misy hafa, isika rehetra.”

“Na misy aza isika, Metodista, Batista, Presbyteriana, Pantekotista, sy hafa maro koa, dia iray ihany isika rehetra.” 

Tsy iray isika! Vahoaka tafasaraka isika, masina ho an’ny Tompo, voatokana ho an’ny Teny sy ny Fanahin’Andriamanitra, mba hitondra ny voan’ny Teny Fikasana ho an’izao andro izao. Tsy anisan’ireo ianareo! Haiko, henjana ny miteny izany, kanefa izany ny Marina. Ianareo dia voatokana ho amin’ny asam-panompoana ho amin’izao andro farany izao. “Mivoaha aminy ianareo!”.

Araka izany, ny “fampianaran’i Balama” ihany no diso fa tsy ny faminaniany. Io lafiny io dia marina, avy amin’Andriamanitra. Iza no mino izany? [“Amena’ hoy ireo mpivory —Ed.] Tena marina ny faminaniany, satria tsy afaka ho nilaza zavatra hafa izy. Ny hosotr’Andriamanitra tsy namela azy hiteny zavatra hafa, ary Andriamanitra nanamarina izany, nanaporofo ny fahamarinan’izany. Fa “ny fampianaran’i Balama”, diso, no maha sandoka azy.

Ampitahao amin’ny Matio 24:24 izany izao. Voahosotra izy ireo, fa ny fampianarany kosa diso: ny “telo izay iray” sy ny hafa mitovy amin’izany. Izany rehetra izany. Ratsy. Antikristy!

Antenaiko tsy hanafintohina anareo izany. Ianareo lavitra, aza vonoina ny telefaona. Ianareo eto, aza mitsangana mba handeha, fa mbola mipetraha, hanehoan’ny Fanahy Masina izany amintsika, ka hanoporofoany izany. Hiteny ianareo hoe: “Kanefa, izany…” Na inona no inoanao na inoana, mitoera fotsiny, ary mihainoa. Dia mangataha amin’Andriamanitra mba hanokatra ny fonao, ary ianao ihany dia hahita na tsilo ianao, na songosongo, na aiza-ho-aiza no misy anao. Hitanareo?

Fa na i Jodasy aza, ilay “voatendry ho amin’ny fanamelohana”, dia nipetraka teo anoloan’i Jesosy. Ary hoy Jesosy taminy: “Ianao ilay anankiray. Na inona na inona no kasainao hatao, ary izay tsy maintsy ataonao dia ataovy faingana”. Fantany fa, noho ny vola telopolo sy ny fitiavam-boninahitra, dia efa namarotra ny Tompo Jesosy-Kristy izy. Izy nefa dia anisan’ireo Mpianany, mpitambolan’ny fiangonana, ilay nantsoin’i Jesosy hoe: “sakaizako”. Hitanareo? Ny Baiboly milaza fa teraka izy mba ho “ilay zanaky ny fahaverezana”, tahaka ny nahaterahan’i Jesosy ho “ilay Zanak’Andriamanitra”. 

«…raha azo atao, na dia ny olom-boafidy aza dia hofitahina.»

Mariho ampifantohana tsara izay dinihintsika. Handray ohatra iray hafa isika ao amin’ny Bokin’ny Mpanjaka. Misy ao mpaminany iray antsoina Mikaia, zanak’i Jimla. Ary nisy mpaminany iray hafa koa, izay lehiben’ny rafi-pandaminan’ny mpaminany, ireo voahosotra. Lazain’ny Baiboly ho mpaminany izy ireo, toy ny ilazany izany an’i Balama, ireo izay voahosotra. 

Ary anisan’izy ireo i Mikaia, voahosotr’Andriamanitra, sady irak’Andriamanitra nitondra ny Teniny. Ilay mpaminany anankiray, Zedekia, dia nihevi-tena ho irak’ Andriamanitra. Tena voahosotr’Andriamanitra izy, saingy nifanohitra tamin’ny Tenin’ Andriamanitra ny fampianarany. «Fa hisy Kristy sandoka hitsangana ka haneho famantarana lehibe, ary raha azo atao, na dia ny olom-boafidy aza dia hofitahiny.» 

Mariho fa izy roalahy dia samy voahosotra, kanefa ahoana no ahafahana hanondro iza marina, ary iza sandoka? Diniho izay nampanantenan’ny Teny an’i Ahaba. Talohan’io dia Elia no mpaminany, iray amin’ny mpaminany lehibe indrindra tamin’izany, sady nohamarinin’Andriamanitra. Ary io mpaminany voamarin’Andriamanitra io niteny hoe: “Noho ny zava-dratsy nataon’i Ahaba, namono an’i Nabota, dia ny alika no hilelatra ny ràny. Ary hohanin’ny alika ny nofon’i Jezebela, ka ny fatiny dia ho zezika any an-tsaha.” Fa izao, araka ny voalazan’i Balama: ahoana no hitsofan-drano izay voaozonon’Andriamanitra ? ary ahoana no hanozonana izay voatahin’Andriamanitra ? Hitanareo? Saingy, ireo mpaminany dia nazava fo. Tsy isalasalana fa izy ireo dia olona tsara sy mendrika. Satria ao amin’Israely tsy ho mpaminany, raha tsy Isiraelita, ary Isiraelita mendri-kaja. Ary raha nisy fahadisoany dia notoraham-bato izy. Lehilahy mendrika izy ireo, narani-tsaina, nanam-pahalalana, ary Ahaba sy ny firenena no nanendry azy.

Fa rehefa nahazo fahitana Mikaia dia efa fantany tao am-pony izay nambaran’ny Teny, kanefa izy te-hahita izay holazain’ny Fanahy aminy. 

Ary ireo mpaminany ireo niteny tamin’i Mikaia hoe: “Aoka ianao hiteny mitovy amin’ireo mpaminany hafa. Fa raha manao izany ianao dia horaisinay ho namanay, ao amin’ny fikambananay, tsy isalasalana izany. Hainay fa mpaminany ianao, saingy ianao dia manozona mandrakariva an’i Ahaba. Kanefa Zedekia (Tonia lehibe, Pàpa na fiantsoana hafa azy) dia nitso-drano an’i Ahaba ary nilaza taminy, handehanany hanao izay efa nokasainy. Koa, mitenenana toa azy ianao, ry Mikaia. Ianao anie olo-mahantra, zara raha manana fiangonana, kanefa ireny mahavory olona an-tapitrisany. Ny firenena manontolo no momba azy. Izao àry, mitenena toa azy, dia higoka amin’ny haren’ny tany ianao”. Diso fiantefa anefa ny resak’izy ireo tamin’io lehilahy io!

Ho nanao ahoana raha toy izao no niresahan’izy ireo taminy:

-Mety mahita hadisoana amin’i Zedekia ve ianao, Mikaia ? — Tsia, no ho navaliny.

-Efa mba nahita azy nanota ve ianao ? —Tsia, tsy mbola.

-Efa renao niteny ratsy mikasika olona ve izy? —Tsia

-Efa tratranao nisotro toaka ve izy? —Tsia

-Mampisalasala anao angaha ny fianarana nataony? —Tsia

-Sa heverinao fa sandoka ny Doctorat ananany? —Tsy izany.

-Mino ve ianao fa ara-dalàna ny Ph.D nomena azy? —Tsy isalasalako. Ataoko fa ny Synediriona, ny komity manontolo, no nanome izany azy.

-Tsara, ka maninona àry no tsy miray feo aminy ianao ? —-Satria ivelan’ny Teny izy.

Hiatrika zavatra toy izany koa isika, tahaka azy, tahaka an’i Elia koa, teo alohany. Amin’izay, raha zanak’Andriamanitra ianao, dia hijanona amin’izay voalazan’ireo mpaminanin’ity Baiboly ity. Fa izy ireo no Teny. Jereo ny ora, jereo ny fotoana.

Ho nanao ahoana, raha nilaza i Zedekia nanao hoe: “Oh, haiko fa nilaza izany ny mpaminany. Fa izany dia ho an’ny taranaka mbola ho avy, amin’ny fotoana aoriana lavitra be!”. 

-Ho niteny Mikaia hoe: “Andraso mandra-pahazoako fahitana avy amin’ Andriamanitra; dia hanambara aminareo aho” 

-Koa hiteny mitovy aminay ianao? —Tsy hilaza afa-tsy izay hambaran’Andriamanitra aho, tsy hanampy, tsy hanala. Tsy afaka manampy na manaisotra teny iray amin’ny Azy aho.

Alin’io, raha nivavaka Mikaia, dia niseho taminy tamin’ny fahitana ny Tompo. Ary nony maraina, nivoaka izy, hiteny…

Indreo mpaminany anankiroa. Zedekia no nalaza indrindra teo amin’ny firenena, na famin’ny fijerin’ny miaramila, na araky ny fijerin’ny olon-tsotra. Izy no mpaminany lehibe, notendren’ny mpanjaka. Izy no filohan’ny mpaminany rehetra, notendren’ny fikambanan’ny mpaminany. Ny rafi-pandaminany dia nanendry azy ho filohany. Azo antoka fa izy no tò-teny indrindra, ambony fahalalana indrindra, mendrika indrindra ho amin’io toerany io. Voahosotry ny Fanahy Masina izy, satria nantsoina “mpaminany”, tsy mpaminany tsotra fotsiny fa mpaminany hebreo. Ary izao, jereo izay ataony.

Niteny Zedekia hoe: “Ny Tompo nilaza tamiko: amboary ireto tandroby anankiroa ireto ho fanoharana.” Matetika ny mpaminany dia mampiasa fanoharana. Hoy izy: “Amboary ireto tandroby ireto. Hoy ny Fanahy Masina tamiko:”raiso izy ireo”, hanosorana io mpankalaza Ahy io. Aza raisina ho fisoronana izany.”. Ny Fanahy Masina izay mampiteny ahy fiteny tsy fantatra, Ilay niaro ahy, no nilaza tamiko hoe: “Ento ireto tandroka ireto, ary ilazao ny mpanjaka fa avy amin’ireo no handroahany ny Syriana hiala ny firenena. Ary haveriko aminy ny tany izay marina fa an’Israely, ny fiangonana”.

Rahalahy, ara-poto-kevitra, dia mitombina izany, saika hitovy amin’i Balama, noresahina teo aloha, izay nitovy fototra niaingàna tamin’i Mosesy. Ny isa fito no isan’ny fahatanterahana ho an’Andriamanitra, ary Balama dia nilaza hoe: “Manorena alitara fito eto ho ahy, ka manamboara vantotr’ombilahy fito, sy ondrilahy fito”. Izany dia manambara ny Fiavian’ny Zanak’Andriamanitra. Ara-potokevitra, dia marina tahaka ny rehetra izy.

Ary eto, Zedekia koa dia niainga tamina fototra marina: “Antsika ny tany, ka nahoana ny Syriana sy ny Filistina, fahavalontsika, indray no mameno ny kibony sy ny kibon-janany amin’ny vokatra avy aminy, izay tokony hanina ho an’ireo zanatsika, kanefa Andriamanitra no nanome antsika io tany io.”

Ry rahalahy, fanehoan-kevitra tsara izany. Matoky aho fa raha nambara ampahibemaso teo amin’ny zanak’Isiraely izany, dia ho nihoby mafy araka izay vitany ireo. Miteny ny zavatra izay misy amintsika ankehitriny aho izao. Manantena aho fa maharaka ahy ianareo. Ny rehetra mihiakiaka, mitabataba!

Tsaroanareo ve Davida, ny Alahady lasa? Hitanareo? Ianareo mihaino radio, na amin’ny telefaona, izay tsy nahazo ny hafatra farany, tamin’ny Alahady, ataovy izay ahazoanareo azy, ny lohateny dia: “Miezaka hanompo an’Andriamanitra, saingy tsy voantso hanao izany.” Na mahitsy-fo toy ny ahoana ianao, na tsara manao ahoana, raha anatin’izany tranga izany, dia tsy ho raisin’Andriamanitra velively ianao. Hitanareo? 

Ary eto ity, Zedekia dia nihevitra fa nanana ny marina izy.

Fa Mikaia niteny hoe: “Avelao aho hanontany ny hevitr’Andriamanitra.” Koa ny ampitso marain’iny izy niverina, nitondra ny IZAO NO LAZAIN’NY TOMPO. Efa nodinihiny raha nifanaraka tamin’ny Teny ny fahitana azony.

Fa izao, raha ho niteny tamin’ny Zedekia izy hoe: “Hainao ve ny voalazan’ny mpaminan’ity Baiboly eto ity, izay hanjo an’io lehilahy io?”

Ho namaly ny ankilany hoe: “Fa tsy hanjo azy izao izany, satria lehilahy mendrika loatra izy. Izy anie miezaka —aza andalovanareo ity— miezaka hamerina indray amin’ny fiangonana ireo fananan’ny fiangonana. Miezaka hamerina aminy ny taniny izy, fa tsy ireo zavatra ara-Panahy. Fa raha izany no ho nokatsahiny, dia tsy maintsy ho ny firenena manontolo no ho nohozongozoniny, toy ny nataon’i Elia. Tsy izany àry, fa ireo zavatra ara-nofo no niezahany naverina. “Isika no tompon’ny tany. Rafi-pandaminana lehibe isika. Mpikamban’izany isika, isika vahoaka rehetra. Ary ianareo Protestanta dia tokony hitambatra aminay.” Ooh-ooh.

Ho tonga amin’izany isika, tsy ho ela. “Isika rehetra anie, na manao ahoana, dia mpirahalahy sy mpianadahy, ary mpirahavavy avokoa.” Tsy marina izany, ho an’ny tena Fiangonan’Andriamanitra. Tsy mba nisy izany, ary tsy mba hisy na oviana na oviana. Tsy mety hisy izany!

Mariho fa nahazo fahitana izy, matoa niteny hoe: “Niteny tamiko Andriamanitra”. Jereo fa tena nahitsy fo ralehilahy. Niteny izy hoe: “Hoy izy tamiko: manamboara tandroka roa, ka ento anoloan’ny mpanjaka, ary manotoa miankandrefana, na izay zotra hafa araka ny hisiany sy ho fipetrak’izy ireo. Manotoa, ary izany ho IZAO NO LAZAIN’NY TOMPO. Izany no hahazoana ny fandresena, ka hivereneny hitondra fandresena ho an’ny fiangonana. Mandehana, ka roahy hiala tao ireny.” Fiafarana tsara izany, tsy izany ve? Inona no olana?

Tonga teo Mikaia, ka notenenana hoe: “Izao àry, dia homeo kosa ny faminanianao.” 

Dia hoy izy: “Miakara! Saingy hitako ny Israely niely toy ny ondry tsy nisy mpiandry”. Fioo! Nifanohitra tanteraka ireo faminaniana roa.

Ary ankehitriny, ianareo no fiangonana. Iza no marina amin’ireo mpaminany roa ireo? Ny fomba tokana ahafahanareo manavaka; dia ny misedra azy ireo amin’ny Teny.

-Nanontaniana izy hoe: “Ahoana no nahazoanao izany ?” 

-Namaly izy hoe: “Nahita an’Andriamanitra teo amin’ny seza fiandrianany aho. Ary ny Filankevitra manontolo nanodidina Azy.”

Tsarovy fa Zedekia koa dia nilaza ho nahita an’Andriamanitra sy ny Fanahy Masina ihany koa. “Nahita an’Andriamanitra aho. Izy no nandidy ahy hanao ireo tandroka vy ireto. Mandehana any, ka hatoseho ny jentilisa ireo hiala tao, satria antsika ny tany. Tsy manan-jo amin’io ireny.” Ho nahazo izany izy ireo, raha nijanona marina tamin’Andriamanitra, saingy izy ireo nanalavitra an’Andriamanitra.

Izany no fomban’ny rafim-pandaminana, ny fiangonana. Nanana zo tamin’ireny zavatra ireny izy, kanefa nanary izany ianareo; noho ianareo nanalavitra ny Tenin’ Andriamanitra sy ny Fanahin’Andriamanitra, izay manosotra mba hanamarinana ny Teny ho an’ny vanim-potoana. Aza mahadiso anareo ny andalovanareo ity Hafatra ity.

Mariho izay mandray ny toerany izao. Niteny Mikaia hoe: “Nahita an’Andriamanitra nipetraka teo amin’ny Sezafiandrianany any an-Danitra aho. Ary ny Filankeviny nivory nanodidina Azy. Dia niteny Izy hoe: “Iza no mety hirahintsika hidina ka hamitaka an’i Ahaba, mba hahatanteraka ny Teny nolazain’i Elia, mpaminaniko izay voamarina. Efa nambarako fa hitranga izany. Ary Elia dia nanana ny Teniko. Ary ny tany sy ny lanitra ho levona fa ny Teniko tsy mba ho levona. Aza manahy na moderina izaitsizy aza ireo, na tsara manao ahoana ireo, na akory ny fahalalana ananany, na lehibe toy ny inona ireo, ireo Teniko tsy mba ho diso. Dia nisy fanahy mpandainga niakatra avy tany amin’ny helo, nandohalika ary nanao hoe: “Raha ekenao fotsiny, afaka manosotra azy aho, ampiarahiko amina famantarana sy ny fahagagana, mandra-pitaonako azy ireo hiala ny Teny. Tsy heveriny akory fa Teninao izany. Tsy te-halala izany izy noho ny fitiavan-daza.” 

Ry rahalahy, tsy mampiova zavatra ny elanelam-potoana. Marina izany, Rahalahy Neville, tsaroanao fa marina izany. “Ho taomiko izy mba hanao ny ataon’ireo hafa rehetra. Hampaminaniako izy, mba hilaza lainga.” Ahoana no ho nahafahan’izany ho lainga? —Satria ho nifanohitra tamin’ny Teny izany.

Na inona raisinareo amin’ireny batisa diso ireny —tsy ahoako na tsara toy ny inona ny fiantsoana azy, na manao ahoana ny fahaiza-maka tahaka ao aminy— dia lainga izany raha mifanohitra amin’ny Tenin’Andriamanitra voatokana ho amin’izao ora izao! Izany mihitsy.

Hiteny ianareo hoe: “Tsara. Ny ao aminay dia tsara. Izahay manao an’izao, sy manao an’ izatsy ary ny fiangonanay dia manaraka izao, sy izatsy.”

Tsy ahoako inona izany, fa raha mifanohitra amin’ny Teny voasoratra ho an’izao fotoana izao, dia lainga. Tsy hisy ifandraharahan’Andriamanitra amin’izany, na toy ny inona ny fahitsim-pony, ny fahalalany, ny fahaizany, ny fahendreny, ny fahatsarany, raha mifanohitra amin’ny Teny ho an’izao ora izao izany. hidirantsika lalindalina kokoa izany, avy eo. Raha ampy ny fotoana, fa raha tsy izany dia hanokana hariva hafa ho an’izany isika. 

Mariho fa izy dia lehilahy tsara sady nahitsy fo, tsy isalasalana. Fa Mikaia niteny taminy, tsy nivantana fa ankolaka, hoe: “Voahosotry ny fanahy mamitaka ianao”. Zavatra sahy hotenenina amin’ny eveka iray ve izany? Kanefa dia nataony izany. 

Ary nanatona azy ilay eveka nilaza hoe: “Tsy namanay intsony ianao.” sady notefahiny ny tavany. Ary nitohizany hoe: “Hainao fa lehilahy voamarina aho. Ny fiangonako no nanendry ahy hitarika ity raharaha ity. Ny safidin’ny vahoakan’Andriamanitra nanao ahy ho izao. Ny rafi-pandaminako nanao ahy ho izatsy. Ary nomen’Andriamanitra antsika ity tany ity, mba hitoetra ho fananantsika. Koa izaho dia manana ny “IZAO NO LAZAIN’NY TOMPO”. Dia notefahiny ny takolak’i Mikaia, sady hoy izy hoe: “Nankaiza àry ny fanahin’Andriamanitra raha niala tamiko Izy?” 

Namaly Mikaia hoe: “Ho hitanao izany, tsy-ho-ela”, rehefa hilentika any an-dranomasimbe i Californie, ary tanteraka ireo zavatra hafa rehetra. Hitanareo? … “Ho hitanao izany amin’ny andro hidiranao any am-ponja.” 

“Araka izany, Ahaba, inona ny teninao?” —“Mino ny mpaminaniko aho”, hoy izy. Ho nanao ahoana raha nikatsaka ny Teny fotsiny izy? Hitanareo, tsy te-hihevi-tena ho voaozona izy. Henoy aho! Tsy te-hihevitra ny tenany ho voaozona izy. Tsy misy rahateo olona te-hanao izany.

Ry rahalahiko, mpikambana amina rafi-pandaminana, izany no tsy mety aminareo. Te-hihevi-tena ho manana ny marina ianareo. Kanefa hainareo ao am-ponareo fa mandainga ianareo, raha manao batisa amin’ny anaran’ny “Ray, Zanaka, Fanahy Masina”. Fantatrareo fa diso ianareo rehefa manao ireny ataonareo ireny, ary mifikitra amin’ny famantarana voalohany, sy ny zavatra hafa rehetra tianareo. Ahoana no ahafahan’ny fitenenana amin’ny fiteny tsy fantatra ho famantarana voalohany, raha sady miteny amin’ny fiteny tsy fantatra ianareo no manohitra ny teny fikasan’Andriamanitra ho an’izao vanim-potoana izao ? Ahoana no hampety izany? Tsy te-ho voaozona ianareo, tsy izany? Kanefa voasoratra eto fa izany no hitranga; satria izany no mariky ny bibidia, izay hanakaiky loatra ny marina ka na ny olom-boafidy aza hofitahina, raha azo atao. 

Hisy famantarana isan-karazany, fahagagana isan-karazany, lehilahy voahosotra maro, faminaniana isan-karazany. Ahoana no hamantaranareo sy hanavahanao ny tena izy? Diniho ny Teny voatokana ho an’izao ora izao! 

Jereo i Mosesy, ahoana no ho nahafahany nanohitra an’i Balama? Ary Mikaia, ahoana no ahaizantsika fa nitoetra tao amin’ny marina izy? —Ny Teny, talohany, dia efa naminany ny amin’i Ahaba. 

Ary ny Teny, talohantsika, dia efa naminany mikasika ireny rafi-pandaminana ireny sy ny ozona izay hiantona eo amboniny. Ary ny zavatra tokony hisy dia handray ny toerany. Ny Fiangonany voahosotra marina, dia hihazona ny Teny, ho tonga Ampakarina-Teny iray. Eo isika izao. Eo izany, ankehitriny, toy ny tany am-piandohana.

Hoy ny Baiboly: “Amin’ny tenin’ny vavolombelona roa na telo no hanorenana mafy ny Teny rehetra.” Niteny an’i Mosesy sy Balama aho, ary vao niresaka an’i Mikaia sy Zedekia. Ary andeha hanome ohatra iray hafa aho. An-jatony hafa azo omena, fa iray no ilaina, ahazoana vavolombelona telo. Lisitra lavabe ananako, fa ny fotoana tsy ampy.

Jeremia dia mpaminany iray nohamarinin’Andriamanitra, kanefa noroahina hiala ny fiarahamonina. Nankahalain’ny besinimaro izy. Nitorahana voankazo motraka sy zavatra hafa koa izy. Koa nanozona azy ireo izy. Ary ireo zavatra nataony, ny natoriany nirirana, sy ireo famantarana maro hafa nomeny, dia nanaporofo fa diso Isiraely.

Ireo mpaminany rehetra, ireo tena mpaminany, natsangana teto amin’izao-tontolo-izao dia samy nanozona ireo fandaminan’anaram-piangonana ireo. Ahoana no ahafahan’ireo hiova amin’ny alàlan’Andriamanitra izay tsy miova? 

Ny Fanahy Masina no mpaminan’izao ora izao. Izy no manamarina ny Teny, manaporofo Azy. Ny Fanahy Masina no mpaminan’ny andron’i Mosesy. Ny Fanahy Masina no mpaminan’ny andron’i Mikaia. Ny Fanahy Masina izay nanoratra ny Teny ihany no tonga ary manamarina ny Teny.

Fa inona no nitranga tamin’ny andron’i Mikaia? —Nony maty Ahaba, dia ny alika no nilelaka ny ràny, araky ny famanian’ny Tenin’Andriamanitra.

Ianareo rehetra, mpampianatra sandoka, IZANY NO LAZAIN’ANDRIAMANITRA aminareo; hijinja izay nafafinareo ianareo, indray andro any. Jamba mitarika jamba ianareo! Tsy an-kahatezerana no itenenako, fa te-hilaza ny marina aminareo fotsiny aho. Tsy satriko ny niteny iny, raha tsy ny Fanahy Masina nilaza hoe: “Ambarao tahak’izany io.” Efa nilaza zavatra diso taminareo ve aho, afa-tsy izay noporofoin’Andriamanitra mandrakariva fa marina? Mifohaza, ry rahalahy, fandrao ho diso aoriana loatra!

Saingy, mamelà ahy hiteny izao: ahoana no hifohazan’ny tsilo hanjary songosongo, raha efa voatendry ho tsilo izy? Ahoana no tsy hahafahan’ny olom-boafidy hahita izany? satria ny hahita izany indrindra no nifidianana azy? “Izay rehetra omen’ny Raiko Ahy no manatona Ahy”, hoy Jesosy, “Kanefa tsy misy na iray aza afaka hanatona, raha tsy efa nomeny Ahy, talohan’ny fanorenana izao tontolo izao, raha nanoratra ny anaran’izy ireo tao amin’ny Bokin’ny Fiainan’ny Zanak’Ondry Izy.” Tsy anaty rejisitra fiangonana, fa anatin’ny Bokin’ny Fiainan’ny Zanak’ondry. 

Mariho fa Jeremia dia nijoro, namarinin’Andriamanitra teo imason’ny vahoaka, kanefa izy ireo nankahala azy. 

Koa nanao jioga iray izy, nataony tamin’ny vozony, ary niseho teo amin’ny vahoaka izy. Hoy izy ireo: “Oh! Izahay no vahoaka lehiben’Andriamanitra, satria izahay no Israely. Mahitsy fo loatra izahay ao amin’ny Synagoganay! Mankao izahay isak’alahady. Manao fanatitra izahay, ary mandrotsaka rakitra. Ahoana no ahafahan’i Nebokadnezara hamabo ireo zava-masin’Andriamanitra?” Hooh! Ny fahotanareo no nahatonga izany. 

Andriamanitra efa niteny hoe: “Raha mitandrina ireo Didiko ianareo, tsy hataoko izany, fa raha tsy izany kosa, dia hanjo anareo izany!” Izay dia izay. Mbola tsy miova Izy. Hazony ireo Didiny, ny Teniny ho an’izao fotoana, izay nampanantenainy.

Mariho izao fa i Jeremia, na mpaminany voamarina noho ny sitrapon’Andriamanitra aza, dia nankahalain’ny olona. Ny tsirairay tamin’izy ireo rahateo dia nankahalaina tamin’ny androny avy. Nanao zavatra hafahafa izy ireo, izay nifanohitra tamin’ireo anaram-piangonana nisy. Koa nankahala azy ny rehetra, hatramin’ireo mpanjaka. Araka izany, nanao an’io zioga teo amin’ny vozony io izy, sady nanambara hoe: “IZAO NO LAZAIN’NY TOMPO, handritry ny fitopolo taona ianareo no ho any.” Ny anton’izany dia ny tsifahalalana ny Tenin’ Andriamanitra. Fitopolo taona.

Dia nitsangana teo anivon’ny vahoaka Hanania, mpaminany iray, ka nandray ny zioga teny am-bozon’i Jeremia ary nanapaka izany. Te-ahazo sitraka tamin’ny vahoaka izy, hitanareo, dia niteny nanohitra ny Tenin’Andriamanitra. Hoy izy: “Afaka roa taona dia ho tafaverina ianareo, IZANY NO LAZAIN’I TOMPO.”

Mpaminany anankiroa samy voahosotra. Fa nahoana no misy tsifitoviana toy izany? —Satria, ny iray nitondra ny Teny, fa ny faharoa tsia. Hoy Jeremia hoe: “Amena.” 

Teo anatrehan’ireo loholona rehetra sy ny fiangonana, ny Israely manontolo, izy no te-haneho fa izy koa dia lehibe toa an’i Jeremia: “Hainao fa, na manao ahoana, ny olona dia tsy tia anao. Ary izaho koa dia mpaminany. Mpaminany mendrika kokoa noho ianao aza aho, satria ianao maminany lainga. Lazainao amiko fa ny vahoakan’Andriamanitra dia hiharitra izao sy izatsy ?”

Izany koa no lazain’izy ireo ankehitriny. Saingy, ho ao koa ianareo amin’ny maha-fiangonana anareo! Voaozona amin’ny ozona ianareo. Satria ianareo rehetra, fiangonana sy anaram-piangonana, dia mifikitra amina fomban’olombelona, asolonareo ny Tenin’ Andriamanitra, dia voaozon’Andriamanitra ianareo!

Indro, tamy Hanania, nanaisotra teny am-bozon’i Jeremia ilay zioga (izay fanehoana an’Andriamanitra), dia nanapaka izany sady niteny hoe: “IZAO NO LAZAIN’ NY TOMPO, afaka roa taona izy ireo dia ho tafaverina.” Kanefa fisehosehoana fotsiny izany, toy ny hoe: “Izaho dia Ranona. Izaho dia izao sy izao”. Izany no nataony, noho izy mpaminany ana rafi-pandaminana

Jeremia kosa dia lehilahin’ny natiora, izay nitoka-monina. Naminany ratsy ho azy ireo izy mandrakariva. satria izy ireo niaina tao amin’ny ratsy.

Fa io lehilahy Hanania io dia nilaza tamin’izy ireo hoe: “Tsy misy atahorana ny aminareo, raha mbola zanak’Isiraely ianareo. Izay ihany no ilaina. Hitanareo. Tsy handeha hanao izany Andriamanitra. Haiko tsara, fa hisy zavatra kely hitranga, fa aza taitra ianareo, aza matahotra.”

Ry rahalahy ô —Mbola misy olona toy izany ankehitriny: “Aza manahy ianareo. Efa voafehinay ny zavatra rehetra. Isika anie ny Fiangonana ê.”— Aoka tsy hanana fisainana toy izany isika. Yah. 

Hoy àry izy hoe: “Milamina ny zavatra rehetra. Ato anatin’ny roa taona, ho tafaverina avy any Babylona izy rehetra. Trangan-javatra kely ihany izany, fa tsy hihoampampana. Antsika izany. Ho avy eto i Nebokadnezara, fa ny Tompo no hiahy ny zavatra rehetra.” 

Saingy ny Teny efa nanambara fa fitopolo taona izy ireo no ho any Babylona mandra-panoloana io taranaka io amin’ny manaraka. Raha efapolo taona no ikajiana ny taranaka iray, dia saika ho taranaka roa no hivahinian’izy ireo any. Ary notenenin’i Jeremia izany, araka ny Tenin’Andriamanitra. 

Noravan’i Hanania izany! Dia hoy Jeremia: “Eny àry. Amena. Kanefa, aoka tsy adinointsika fa samy mpaminany isika, mpanompon’Andriamanitra isika.”

Ary izao no teniko aminao, ry rahalahiko: Aoka tsy adinontsika, fa talohantsika dia efa nisy mpaminany, ary izy ireo naminany nanohitra fanjakana, ary izy ireo naminany nanohitra zavatra hafa. Kanefa, tsarovy, rehefa miteny zavatra ny mpaminany, ny faminaniany dia tsy maintsy nifanaraka amin’ny Teny. Toa an’i Mikaia, sy Mosesy, ary ireo hafa rehetra, tsy maintsy mirindra amin’ny Teny izy ireo. Fa raha tsy izany, dia tsarovy ny zavatra efa nitranga.

Niakatra ny hatezeran’i Hanania teo. “Izaho no Hanania (Tsy misy misalasala amin’izany), ilay mpaminanin’Andriamanitra, ary izaho miteny hoe: “Roa taona!” Izay azo adika hoe: “Tsy ahoako izay lazain’ny Teny.” Voahosotra izy; “Izaho miteny hoe, roa taona, dia hiverina izy ireo.”

Niala teo aminy Jeremia ka nanao hoe: “Tsy ahoako izay voalazany Tompo. Mbola mino aho, ary haiko izay nambaran’ny Teny. Hitoetra maina ho Anao aho. Tsy ho voafitany aho.”

Namaly azy Andriamanitra hoe: “Andao teneno Hanania hoe: ‘Ireo jioga manaraka dia hataoko vy. Ary noho izay nataony, dia hesorina amin’ny tany ianao.” Iny taona iny tokoa, dia maty Hanania.

Indreo no ohatra, ny amin’ny fisiana mpaminany roa karazany. Maro be tahaka ireo no azo lazaina sy resahina, amin’izao fotoana izao.

Fa jereo fotsiny izay nolazain’i Jesosy, fa amin’izao andro farany izao, ireo fanahy anankiroa ireo dia hifanakaiky dia akaiky indray. Tsy izany? Mariho fa hifanakaiky kokoa noho ny taloha izy ireo. Andro farany izao. Oh! rankizy, hamindra fo amintsika anie Andriamanitra! “Hitovy loatra amin’ny marina ny sandoka ka hamitaka ny olom-boafidy, raha azo atao.” Ahoana àry ny hilazantsika izany? —Ny fomba tsy miova ihany: mitoera ao amin’ny Teny. Satria: “Jesosy Kristy tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay.”

Fa izao; aza miala amin’ity Hafatra ity, ianareo rehetra. Ary rehefa miaino ireto horonampeo ireto ianareo, mety efa ho lasa aho, indray andro, rehefa ho tapitra ny ilan’ny Tompo ahy eto amin’ny tany, dia itodiho ity. Henoy ny feoko, izay lazaiko aminareo izao. Raha alainy alohan’ny Fiverenany aho, dia tadidio fa tamin’ny Anaran’ny Tompo sy tamin’ny alàlan’ny Teniny aho no niteny taminareo. Eny.

Mariho hatrany fa “Hifanakaiky loatra izy ireo ka na ny olom-boafidy aza dia ho voafitaka, raha azo atao.” Avy amin’ny Fanahy iray ihany, izy ireo dia hanao famantarana mitovy, fahagagana mitovy. Tsy marina ve izany? Tahaka ny tamin’ireo mpaminany vao noresahintsika teo ihany. 

Izao isika, raha sitrakareo, hankao amin’ny 2 Timoty 3, kanefa tsy ilaozantsika ny lohahevitra. 

Mijery ny famantarandro aho, ka te-handatsaka maromaro, kanefa mihevitra aho fa tsy tokony hanao izany izao. Mitsangana eto alohanareo aho, tsemboka toa anareo koa, hitanareo, kanefa mahatsiaro tena ho sambatra. Ary fantatro fa marina izao. Timoty faharoa.

Paoly dia ilay lehilahy niteny hoe: «Fa na anjely avy any an-danitra aza, no mitory filazantsara hafa aminareo afa-tsy izay efa notorinay taminareo, aoka ho voaozona izy.» Ary izao dia misy Anjely nidina eto.

Timoty faharoa. Jereo i Paoly miteny izao. Hanomboka amin’ny andinny voalohany isika. « Fa aoka ho fantatrao izao: fa any am-parany any (tsipiho izany, “am-parany. Izany hoe amin’izany vao hanomboka izany) dia hisy andro mahory (efa ao amin’izany isika). Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona,… 

Jereo ny haratsin’ny olona ananantsika ankehitriny, lò. Na ireo lehilahy lehibe, na ireo tovolahy eny an-dalambe, amin’ny volony milatsaka eo amin’ny handriny, sahala amin’ny vehivavy. Fahalòvana! Sodomita!

Namaky ny Reader’s Digest an’ny taona ity, nivoaka ny volana ity ve ianareo? Voalaza ao fa ny Amerikana eo anelanelan’ny 20 sy 25 taona, dia efa misasaka sahady ny fiainany,” Efa lany izy ireo! Lò izy ireo! Ny siansa milaza fa ny lehilahy sy ny vehivavy, dia misasaka ny fiainany eo amin’ny faha 20 taonany. Efa lò loatra ny vatan’izy ireo, natolotra amin’ny fahalotoana.

123 Oh! Ry Amerika! Impiry, impiry no efa niaretan’Andriamanitra taminao, fa ankehitriny tonga ny fotoanao! Ianao no mitarika anaty fotaka izao tontolo izao.

… miteny ratsy, tsy manoa ray sy reny, tsy misaotra, tsy manaja izay masina, tsy manam-pitiavana,…

Tsy mifankatia araka ny tena fitiavana, ny lahy amin’ny vavy; ary ny vavy amin’ny lahy, fa amin’ny firaisana maloto!

… mpanontolo fo, mpanendrikendrika, tsy mahonom-po, lozabe, tsy tia ny tsara,…

Izany hoe “mpiteny ratsy ny tsara.” Nisy nanontany indray andro ny làlana mankao amin’ity fiangonana ity, dia nisy nilaza taminy hoe: “Aza mandeha any. Tabataba be tsy an-kiato foana no misy ao.” Hitanareo? Mpaniratsira.

… mpamadika, kirina, mpiebœbo, tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an'Andriamanitra,» 

Hiteny ianareo hoe: “Rahalahy Branham, tsy kominista ve izany?” Inona ny andininy manaraka?

 «manana ny endriky ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, nefa (maninona?) nandà ny heriny (ny Teny, Jesosy Kristy tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay, voaseho, ny teny fikasana ho an’izao andro izao)

Mitovy, tsy misy hafa, amin-dry Hanania, Zedekia, Balama sy ireo mpaminany sandoka hafa rehetra.

manana ny endriky ny toe-panahy araka an'Andriamanitra: voahosotra… hitanareo?

manana ny endriky ny voahosotra, ny mpanompon’Andriamanitra voatendry.

manana ny endriky ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, nefa nandà an’Ilay tsy miova omaly, sy anio ary mandrakizay… Mandà ny Teniny!

Ahoana no andavan’izy ireo an’i Jesosy? Iza no lavin’izy ireo rehefa mandà an i Jesosy izy ireo – Ny Teny. Mpivavaka izy ireo. Mampianatra avy ao amin’ny Baiboliny, saingy mandà ny Teny ho an’ny fotoanany.

Ankehitriny, inona no ataony? Mbola ny nataony ihany, voahosotra, mitory ny Filazantsaran’ny Pentekosta, kanefa mandà ny Teny voamarina ho an’izao fotoana izao: “Jesosy tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay,” Hitanareo ve izany? [“Amena“ hoy ireo mpivory —Ed.] 

«Fa isan'ireny izay misokosoko miditra any an-tranon'ny sasany ka mahalasa ho babo ny vehivavy adaladala, vesaran'ny fahotana, entin'ny filàna maro,» 

“Ireo fivorian-jaitrantsika sy ireo izao-sy-izao antsika.” Mandrtra izany, dia tonga ny iray mpandika vilana ny Teny, manao hoe: “Milamina izany, ranabavy, tena zonao ny manapaka ny volonao. Aza ahoana izay lazain’iny adala iny.” Hitanareo? Na koa hoe: “Afaka mitafy an’io ianao; tsy izany akory, fa ny mivoaka avy any am-pon’ny olona no mahaloto azy”. Hitanareo? Ary mba tsapanao ve fa ianao dia voahosotry ny fanahy ratsy, vetaveta, maloto? Mitandrema. Mety mpihiran’ny Chorale ianao, fa raha mitapa-bolo, dia efa nahazo fanahy ratsy. Mifanohitra amin’ny Baiboly izany. dia hiteny ianao hoe: “Manao “short” aho, fa tsy mampahatsiaro ahy meloka izany.” Hoy ilay Andriamanitra tsy miova: «Aoka ny vehivavy tsy hitafy ny fitafian-dehilahy…. fa fahavetavetana eo imason'i Jehovah Andriamanitrao izay rehetra manao izany.» 

Maro loatra ny zavatra azo ho ambara ka tsy hahampy ny fotoanantsika. Fa efa ampy izay fantatrareo izay, ahafahanareo manavaka ny diso sy ny marina. Ahoana no ahafahako hampanao izany azy ireo? Ahoana no ahafahako hanao izany? Lazao hoe: “Maninona ianareo no mitabataba mikasika io resaka io?” Vavolombelon’ny helokareo aho. Indray andro, amin’ny Andro Fitsarana, dia tsy hahita hirika hiafenana ianareo. 

Ahoana moa no ho nahavitan’i Mikaia hisakana azy ireo? Ahoana no ho nahafan’i Mosesy, na niezaka nihikiaka aza, hisakana io? Ary Josoa nihazakazaka nanerana ny vahoaka, ary Levy nanatsoaka sabatra nandrantsana azy ireo? Mbola nanohy nanao ny fanaony ihany izy ireo. 

Efa voalazan’ny faminaniana fa hanao izany izy ireo. Ary andeha hataony izany, satria, IZAO NO LAZAIN’NY TOMPO, hanao izany izy ireo. Heverinareo ve ireo anaram-piangonana dia handao ny fanahin’anaram-piangonany mba hiverenany amin’ny Teny? —IZAO NO LAZAIN’NY TOMPO, tsy haniry hanao izany ireo! Hitodika amin’ny Antikristy ve izy ireo? —Tena izany. IZAO NO LAZAIN’NY TOMPO, hanao izany ireo! “Koa inona àry holazainao ny amin’izany?” —Tsy maintsy mijoro vavolombelona aho, ary ianareo rehetra koa tsy maintsy manao toy izany. Jereo:

«…vehivavy adaladala, vesaran'ny fahotana, entin'ny filàna maro,»

“Milamina izany. Ny vehivavy hafa rehetra manao izany.” Mpaminany sandoka! Izao, mihainoa ianareo, mpaminany sandoka rehetra. Mitodika any ivelany aho izao. Inona no hataon’izy ireo amin’ny andro farany?

«…vehivavy adaladala, vesaran'ny fahotana, entin'ny filàna maro,»

“Tsy olana izany. Haiko fa ny vehivavy hafa ….” Eny àry; ka tohizo

Inona no vao nolazaiko teo, mikasika ny zavatra mitranga ao Californie? “Ianareo, ry mponin’i Los Angelès, isan-taona mitsidika anareo aho, dia hitako fa mihamaro hatrany ny vehivavy mibory volo, sy ny lehilahy mikovavivavy hitako, ary ireo pastora miditra anaty rafim-pandaminana. Tsy manana fialan-tsiny ianareo. Raha ireo asa mahery ireo izay natao teo aminareo, ho natao tao Sodoma sy Gomora, dia mbola ho naharitra hatrizao ireo. Oh! ry Kapernaomy, ianao mitonona anarana toy ny an’ny anjely “Los Angeles” Htanareo ve ny zavatra hitranga? —Hilentika any amin’ny fanambanin’ny ranomasina izy! Rahoviana? Tsy fantatro, fa tsy maintsy hitranga izany. Ianareo, ry tanora, na tsy hahita izany amin’ny androko aho, ianareo, jereo fa an-dàlana izany!

“Mianatra mandrakariva kanefa tsy mahatratra ny fahalalana ny fahamarinana”.

Fa ity eto ity ny manafintohina, ampahany mahatafintohina olona. Henoy izany:

“Ary tahaka ny nanoheran’i Jana sy Jambra an’i Mosesy no anoheran’ireo koa ny fahamarinana, dia olona maloto saina sady tsy manam-pinoana marina” (dia ny finoana izay efa voatolotra indray mandeha monja ho an’ny olona masina, mazava-ho-azy.)

Mikasika ny finoana, dia “izy hampody… ny fon’ny zanaka ho amin’ny rainy.”

«Olona maloto saina sady tsy manam-pinoana marina.( “olom-bery”).» Hooh! Hainareo ny dikan’izany? Raha mijery ao amin’ny Baiboly Scofield ianareo dia ho hitanareo voamarika ao hoe: “fihemorana”. Olona nihemotra, izany izy ireo. 

Tsy manana fahazavana mikasika ny Fahamarinana, mikasika ny finoana, ary tokana ny finoana. Marina izany. Izao aho, te-hamaky ao amin’ny Lioka 18 vetivety monja: 

 “Ary Jesosy nilaza fanoharana taminy, fa tsy mety raha tsy mivavaka mandrakariva izy ka tsy reraka, dia nanao hoe: Nisy mpitsara tao an-tanàna anankiray, izay tsy natahotra an’Andriamanitra, na mena-maso olona. Ary nisy mpitondratena tao amin’izany tanàna izany, izay nankao aminy matetika ka nanao hoe: Omeo rariny aho amin’ilay manana ady amiko. Ary tsy nanaiky izy aloha, fa rehefa afaka izany, dia nanao anakampo hoe izy: Na dia tsy matahotra an’Andriamanitra aza aho, mba homeko rariny ihany io mpitondra-tena io, fa manahirana ahy izy, fandrao ho avy mandrakariva izy ka hampahasosotra ahy. Ary hoy ny Tompo: henoy izay lazain’ny mpitsara tsy marina. Fa Andriamanitra tsy hanome rariny ny olom-boafidiny va, izay mitaraina aminy andro aman’alina, ary moa hitaredretra va izy? Lazaiko aminareo fa homeny rariny faingana izy. Kanefa, raha avy ny Zanak’olona, moa hahita finoana ety ambonin’ny tany va Izy?”

Ary ankehitriny, dia izany ny fanontaniana mipetraka. Eo no tiako ahatongavana, ao amin’ny Apokalypsy 10, afaka kelikely, andininy iray hafa, milaza hoe: “…fa amin’ny andro hitsofan’ny anjely fahafito, rehefa hitsoka izy, dia ho tanteraka ny zava-miafina izay an’Andriamanitra…” Fa ny fanontaniana eto, raha manaraka ny zotran-kevitry ny fotoana ianareo, dia: ho vita ve izany? “Hahita finoana ve Aho”? Ho tanteraka amin’izao fotoana ve ny Malakia 3:24: “hampody ny finoan’ny zanaka ho amin’ny finoan’ny rainy”, amin’ny Teny voalohany? Hitanareo? 

«Tahaka ny nanoheran'i Jana sy Jambra …olona maloto saina sady tsy manam-pinoana marina.» Amin’ireo ando farany, dia mbola ireo maloto saina sady tsy manam-pinoana marina ireo ihany tonga. Jereo koa ny teny milaza hoe: “manana ny endriky ny toe-panahy araka an’Andriamanitra”, ireo voahosotra. Afaka mamaky izany any an-trano ianareo, rehefa mody, ahafahako mamarana izao maraina. “Tsy manam-pinoana marina.” Tsy ny fiainana andavanandro no tsy ananany fahazavana, fa ny finoana. Izy ireo dia lehilahy be fahalalana.

Mariho izao, fa Mosesy dia nidina tany Egypta nitondra hafatra iray “IZAO NO LAZAIN’NY TOMPO”. Ary izy dia nohamarinin’Andriamanitra, mba hiantso ny zanak’Isiraely, Isiraely tamin’izay, dia vahoaka fa tsy Fiangonana. Satria ny teny hoe: “fiangonana” dia midika “ireo voantso hivoaka tao”. Izy ireo no vahoakan’Andriamanitra. Rehefa voahosotry ny Teny izy ireo, ka “nantsoina hivoaka tao”, dia nanjary “Fiangonan’Andriamanitra” izy ireo. Kanjo nihemotra izy ireo satria tsy nino ny Tenin’Andriamanitra, noho izy ireo nihaino mpaminany sandoka iray. Manantena aho fa voarainareo izany.

Isiraely, vahoakan’Andriamanitra, izay nivoaka teo ambanin’ny Tànan’Andriamanitra, voahosotry ny Teny, niaraka tamin’ny herin’Andriamanitra, dia nahita ireo famantarana sy fahagagana nataon’Andriamanitra. Kanefa, raha mbola niaraka tamin’izy ireo Andriamanitra, dia nipoitra ny mpaminany iray, sandoka nefa voahosotra, izay nampianatra azy ireo zavatra nifanohitra tamin’ilay Tenin’Andriamanitra voalohany efa norenesiny. Koa maty tany an’efitra izy rehetra, afa-tsy olona telo. Ary izao, hazony tsara ity.

“Toy ny tamin’ny andron’i Noa, izay olona valo no novonjena tamin’ny rano” dia ho toy izany amin’ny Fiavian’ny Zanak’olona. “Toy ny tamin’ny andron’i Lota, izay olona telo no nivoaka an’i Sodoma” dia ho toy izany amin’ny hisehoan’ny Zanak’olona. Manonona ny Soratra Masina fotsiny aho, ny Tenin’ny Tompo, izay mitoetra mandrakizay, raha ho levona ny tany sy ny lanitra. Ho olona vitsy izany! 

Mariho indray ity. Nanatona an’i Arona Mosesy, ho toy ny Andriamanitra. Niteny taminy Andriamanitra hoe: “Meteza ho Andriamanitra ianao, ary aoka Arona rahalahinao ho mpaminaninao. Apetraho eo am-bavany ny teny, raha tsy mahefa miteny tsara ianao.” Dia hoy Izy: “Iza no mampahamoana, na mampaharenina, tsy Izaho Jehovah va?” Ny Tompo no nanao izany.

Dia nidina tany izy. Inona no nataony? —Nanatanteraka fahagagana marina izay nandidian’Andriamanitra azy. Hoy Izy taminy: “Atsipazo amin’ny tany ny tehinao”. Natsipiny izany ka tonga bibilava. “Raiso indray” Noraisiny, dia niverina ho tehina indray. Hoy Izy: “Mandehana ary ataovy eo anatrehan’i Farao izany ary tonony ny “IZAO NO LAZAIN’NY TOMPO”. 

Raha nahita izany i Farao, dia hoy izy: "Fankatovana tsotra kely fotsiny io. Tsy misy mampiavaka azy. Famakiana sain’olona, na zavatra mitovy amin’izany. Ny rafi-pandaminanay koa manana olona mahavita toy izany. Avia eto, Eveka Ranona sy Ranona. Ary ianareo kosa, mialà eto. Manana olona mahavita io izahay.” 

Satana no niteny tamin’ny alalan’i Farao. Andriamanitra no niteny tamin’ny alalan’i Mosesy. 

Fa jereo ireto tamy. Jana sy Jambra, niditra niatrika an’i Mosesy sy ny vahoaka, ary namerina nanao ny fahagagana izay efan’i Mosesy. “Hamitaka na dia ny olom-boafidy aza izy ireo, raha azo atao”, Marina izany? Vitany avokoa izay nataon“i Mosesy. Azonareo izany? Aza adinoina fa, IZANY HOY NY SORATRA MASINA, hitranga indray izany amin’ny andro farany.

Inona no nahasamihafa an’i Mosesy sy Jàna? Niteny Mosesy hoe: “Aoka ny rano hiova ho rà”. Ary ireo mpaminany sandoka niteny hoe: “Tsy olana. Mahavita manova ny rano ho rà koa izahay”. Ary tanterany izany.

Dia niteny àry Mosesy hoe: “Aoka hisy lalitra hipoitra.” Inona izany? —Fisainana nivantana avy tamin’Andriamanitra izany. Hitanareo?

Ary inona no nataon’ny ankilany? —Hoy ireo: “Eny, afaka mampipoitra lalitra koa izahay.” Dia nataony izany. Ny fahagagana rehetra vitan’i Mosesy dia vitan’izy ireo koa! 

Tadidio, hazony ao an-tsaina izany, ho tonga ao isika, afaka kelikely. Ny sisa rehetra vitan’ny ankilany dia vitan’izy ireo koa, saingy izy ireo tsy afaka hijanona ao amin’ny Teny. Tsy afaka mijanona ao amin’ny Teny izy ireo. 

Nahavita izy ireo, fa tsy nifanditra taminy i Mosesy. Ilay mpaminany tena nirahin’Andriamanitra dia, tsy mba nifanditra tamin’izy ireo, ho niteny hoe: “Tsy mahavita izany ianareo! Tsy mahefa ianareo!” Nilaozany fotsiny ireo, ary navelany nanohy izay nataony. Mpaminanin-drafifi-pandaminana izy ireo, kanefa mandroso.

Mosesy, izy dia mandeha amin’ny fahamarinana, mihaino Andriamanitra. Izay tenenin’Andriamanitra hoe: “Izao, ataovy ity,” tonga dia ataon’i Mosesy. Manao zavatra iray vaovao izy. Rehefa izany, dia samy manana fahatsapana zavatra izy ireo, dia tamy. Ary ataony koa izany, tsy misy hafa amin’izay nataon’i Mosesy.

Mariho ity: niseho ireo lehilahy ireo (oh! Ry vahoaka, aza andalovana izany!). Ireo mpisandoka sy mpaka-tahaka ireo dia niseho, rehefa avy niseho aloha ilay anankiray tena-izy. Hitanareo? Haka tahaka no nahatongavany. Hitanareo? Tsy maintsy izany no ataony, Ny devoly tsy afaka mamorona na inona na inona. Manimba ny famoronana voalohany fotsiny no mba hainy. 

Ary inona moa ny fahotana? —Izany dia ny fahamarinana nodisoina. Inona ny fijangajangana? —Ny firaisana marina navadika amin’ny tsy-izy. Inona ny lainga? —Ny marina nadika vilana. Faharatsiana izany!

Jereo Hanania, fandisoana ny Teny tena Izy. Jereo Balama: fandisoana ny Teny tena Izy. Jereo Zedekia: fandisoana ny Teny tena Izy. Ary nilaza ny Baiboly fa, ireny lehilahy ireny dia ho tonga aorian’ilay tena-izy, mba handiso ny Teny tena-Izy, izay voamarina sy voaporofo fa fahamarinana.

“Ataovy ny asan’ny evanjelistra” Izany no ao anatin’ny vato fehizoron’ity trano fiangonana ity. “Tanteraho tsara ny fanompoanao, fa ho avy ny andro izay tsy hahazakan’ny olona ny fampianarana tsy misy kilema, fa hangidihdy sofina izy, dia hamory mpampianatra ho azy araka ny filàny…” Ary hiroso izy ireo, ka hanao izay rehetra tiany , hiteny hoe: “Mandeha tsara ny zava-drehetra, ireny famantarana sy fahagagana ireny ihany no azonay…” Izy ireo dia “hampiala ny sofiny amin’ny teny marina tokoa ka hivily amin’ny anganongano…” 

Oh! Akory ny fahamarinanan’ny fahamoran’ny fahatsapana ny Fanahy Masina, izay tahotra miharo fanajana manindry ny fanahin’ny olona iray rehefa mijanona misaina izy!

Hadio io vato fehizoro io, dia vakio ny taratasy izay napetraka tao anatiny, 33 taona lasa izay. Jereo izay voalazany tao; teo amin’ny Seven Steet, iny maraina iny, fony napetraka ilay vato fehizoro. Ary jereo izany. Jereo etsy ambany, eo amin’ny renirano, raha nidina ilay Anjelin’ny Tompo, tamin’ny endrika Andry Afo iray. Nisy olon’ny fiangonana samihafa nitsangana teny amorondrano teny. Jereo izay voalazany, raha tsy tanteraka. Jereo ny zavatra nitranga.

Henjana loatra izany. Fantatro fa mafy faneno izany, ho anareo rahalahy, izaymihaino any lavitra any. Saingy ny Baiboly no milaza izany, Jesosy mihitsy no nilaza fa: “Hamitaka, na ny olom-boafidy aza izy ireo, raha azo atao.” Tsy misy fomba hafa ijerena izany. Tsy mba ho afaka hahita izany izy ireo. Raha azo atao, ireo olom-boavidy dia ho voafitaka. 

Mariho fa ireo mpamitaka dia tonga, rehefa nahazo iraka ilay lehilahin’Andriamanitra voahosotra, tena-izy, Mosesy, tena mpaminanin’Andriamanitra. Ary izay rehetra hataon’i Mosesy dia nalain’izy ireo tahaka avokoa.

Ary ankehitriny, ry rahalahy sy anabavy, fiangonako manokana ity ary manana zo aho hitory izay tiako aho ato, raha mbola Tenin’Andriamanitra ihany. Tsy hanameloka ireo olonareo aho, fa andao fotsiny hitady inona no voatokana ho an’ny ora sy fotoana iainantsika izao. Arahabaina Rahalahy Ruddel, sy Junior Jackson, sy ireo amin’ny fiangonana rahavavy. Adinoko izy ireo teo. Ataoko fa …

Alaivo an-tsaina izany, iray minitra monja. Vitan’izy ireo avokoa ireo fahagagana rehetra nataon’i Mosesy. Niantso lalitra Mosesy, dia nalainy tahaka izany, ka namoaka lalitra ihany koa izy ireo. Hitanareo? Andriamanitra dia niteny hoe: “Amin’ny andro izay ihinananao azy, dia ho faty tokoa ianao.” 

Tamy Satana dia hoy izy: “Azo antoka fa tsy ho faty ianareo. Fa ianareo hihahendry. Ho tsara kokoa ny rafim-pandaminanareo. Hainareo? Handeha tsara kokoa ny zava-drehetra, ho anareo. Hanana Fahazavana bebe kokoa ianareo.” Hitanareo, tsy inona fa famadihan-javatra. 

Ary, aza adinoina fa izany dia “IZAO NO LAZAIN’NY TOMPO”, araka ny 2 Timoty 3:8, amin’ny andro farany, Jana sy Jambra dia ho eto amin’ny tany indray. Tiako ho voamarikareo fa ireo roalahy ireo, hitanareo, dia mpaka-tahaka.

Izao isika hiverina ao Sodoma. Telo izy ireo, Anjely telo no nidina, mba hijery ireo fakan-tahaka sy ny toy izany; hitanareo? Hijery iza no marina, ary iza no tsy marina. Hitanareo? Hitanareo?

Mariho fa fahagagana mitovy ihany no nataon’izy ireo. Tsy naka-tahaka izy ireo raha tsy efa voahosotr’ilay tena irak’Andramanitra aloha ny Teny. Rehefa izany, dia manaraka izy ireo, manao koa.

Manontany tena aho, raha afaka mandinika isika, vetivety. Sahabo roapolo taona lasa izay, nandray ny tanan’ny olona aho dia nisy famantarana niseho. Tsy ela taorian’izany dia famantarana marobe no niseho. Ny tsirairay samy nanana ny azy avy. Ny iray nanana ny azy teo amin’ny tànany havanana, ny iray hafa teo amin’ny havia, ny hafa koa tamin’ny fofon-javatra. Hitanareo? Famantarana isan-karazany niseho avokoa…. Ary gaga aho… Tsy avelan’Andriamanitra aho, izao, manambara ny tena marina. Fa ho fantatrareo izany indray andro any. Ny fisian’ireny dia ny mba hanehoana ny hadalan’izy ireo. Efa tsy marina izy ireo hatrany am-boalohany. Holazaiko anareo izany indray andro, raha sitraky ny Tompo.

Mariho, fa ireo fahagagana efa vita ihany no ataony. Fa izy ireo tsy afaka manao izany, raha tsy efa tonga aloha ny Teny voalohany. Izany no fomba nataon’i Satana tao Saha Edena. Izany hatrany no fomba ataony. Iza no naminany voalohany? —Mosesy. Iza niditra an-tsehatra voalohany, Mosesy sa Balama? —Mosesy. Iza niseho voalohany, Jeremia sa Hanania? Hitanareo ny tiako lazaina? [“Amena” hoy ireo mpivory —Ed.]

Mala-tahaka izy ireo. Mpaka-tahaka, olona ara-nofo, nefa mahitsy-fo amin’ny ataony, mihevi-tena ho “manao asa ho an’Andriamanitra”, tahaka an’i Davida, hitantsika tamin’ny herinandro lasa. Fakan-tahaka ara-nofo ihany. Miandry iray minitra aho, te-hisaina elanelam-panahy. Fa raha tsy lazaiko izany, dia ny Fanahy Masina, azoko antoka, hanambara izany aminareo, indrindra ireo olom-boafidy. Hitanareo?

Ny anaram-piangonan’i Farao niteny hoe: “Manana lehilahy mahavita mitovy amin’i Mosesy izahay”. Ary tanterany izany, hitanareo? Nahoana’i Farao no nanao izany? Nahoana Andriamanitra no namela izany? Nahoana Andriamanitra no naniraka mpaminany iray tena izy, voahosotra hanao famantarana teo anatrehan’ i Farao, kanefa avy eo dia namela mpaka-tahaka an’anaram-piangonana naka tahaka izany teo anatrehan’ny vahoaka? Nahoana Izy no nanaiky ny mpaka-tahaka nitsangana, ka nanao asa mitovy tamin’ny nataon’ny tena Fanahin’Andriamanitra? —Hitanareo, ny Soratra Masina tsy maintsy tanteraka.

Mariho koa fa navelany nisy izany, mba hanamafisana ny fon’i Farao sy ireo Egyptiana, ary ireo hanaporofo, fa tsy Mosesy irery no manana ny Teny. Koa nahavita mitovy tamin’ny rehetra nataon’i Mosesy izy ireo.

Fa ahoana Andriamanitra, amin’izao andro farany izao, mamela izany? Araka izany, mbola ilay fanahy mamitaka izay niteny tao amin’i Zedekia ny fomba hampandehanana an’i Ahaba any, ihany no hahatanteraka ny zavatra tsy maintsy ho tonga. Ahoana no hataony amin’ireto vahoaka izay manankina amin’ireo fiangonany avy ireto, mba hahatanteraka ny zavatra izay voavinany mikasika ireo olona ao amin’ny Taom-Piangonan’i Laodikia ? Hoy Izy: “Fa hoy ianao: manan-karena aho, ka tsy manan-java-mahory, mitafy toy ny Mpanjakavavy aho. Kanefa ianao mahantra, sy mitanjaka, ary jamba. Koa mananatra anao Aho hividy Amiko diloilo sy volamena.” Nahoana Izy no manao izany?

Nahoana Izy mamela ny isehoan’io fakan-tahaka io, amin’izao andro farany izao, raha efa ho tanteraka amin’ny alàlan’ny Tenin’Andriamanitra marina ireny zavatra ireny, nahoana ireo mpaka-tahaka ireo avelany manao mitovy, sady mandà ny Tenin’Andriamanitra marina? Nataony izany tamin’i Mosesy. Ary nanao izany Farao nanohitra an’i Mosesy. Nanao izany Jana sy Jambra, nanohitra an’i Mosesy. Ary ny Baiboly milaza fa hiverina indray izany amin’ny andro farany. Eo àry isika. Fa raha tsy izany no hahatanteraka ny Soratra Masina izao, aiza izany? 

Mosesy ve nifanditra taminy, niteny hoe: “Aoka! Aoka! Tsy mahazo manao io ianareo, fa izaho irery no voahosotra hanao izany. Eo! Ajanony eo-no-eo.”? Tsia, navelany izy ireo nanohy. Avelao ireo hanony. Tsarovy, ny Baiboly dia milaza: “fa ny hadalany dia haseho amin’ny olona rehetra, tahaka ny an’ireo koa.” … Haseho koa izany amin’ny andro farany, rehefa ho efa tafaka any an-danitra ny Ampakarina ka horaisina any an-danitra. 

Mosesy, ilay naneho ny Teny marina, tsy mba niteny na inona na inona, fa navelany ireo nanohy. Fa izany no nataony, ahafahan’Andriamanitra manamafy ny fon’i Farao, hamitahana an’i Farao.

Tsy misy hafa amin’izany no nahafahany namitaka an’i Ahaba. Ary, raha nitsangana i Mikaia kely, nanonona tamin’izy ireo ny “IZAO NO LAZAIN’I TOMPO”, dia nisy koa voahosotra iray nanonona ny: “IZAO NO LAZAIN’I TOMPO”. Saingy, nifanohitra ny voalazan’izy roalahy.

Ankehitriny isika, mijoro amin’ny “IZAO NO LAZAIN’I TOMPO” fa ny batisan’ny rano amin’ny andro farany, dia tsy maintsy atao amin’ny Anaran’i Jesosy Kristy. Kanefa mitsangana ny lehilahy iray manao fahagagana, kanjo izy mino ny “telo-izay-iray.”

Asehoy ahy, aiza ao anatin’ny Baiboly misy ny teny “telo-izay-iray”. Asehoy ahy aiza no misy Andriamanitra telo. Asehoy ahy aiza no misy zavatra toy izany. Tsy misy izany ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Tsy ahitana ao, olona iray natao batisa tamin’ny anaran’ny “Ray, ny Zanaka ary ny Fanahy Masina”, ary nampiasana ireo fiantsoana telo ireo. Ireny zavatra rehetra atao ireny! “Oh, mety avokoa izany, ry anabavy isany. Milamina izany. Tapao ny volonareo, tsy misy olana. Tsy voatery ianareo hanao izao sy izao ary izatsy. Fahadisoan-kevitry ny antidahy adala izany.”

Kanefa ny Baiboly dia milaza, ary nampanantena fa amin’ny andro farany, Izy dia haniraka ny fanahin’i Elia hiantso ny vahoaka, ireo zanak’Andriamanitra, hiverina amin’ny finoana voalohany, toy ny tany am-boalohany, araka ny Teny. Io Teny io dia nohamarinina, ny Zanak'olona amin'ny andro farany, Ilay tsy miova, toy ny Izy tamin’ny andron’i Sodoma ihany, omaly sy anio ary mandrakizay. Nampanantena ny hanao izany Izy, Teny fikasan’ Andriamanitra izany, “IZAO NO LAZAIN’I TOMPO” izany!

Mariho, naka-tahaka tsy misy valaka ny nataon’i Mosesy rehetra izy ireo, mandra-pahazoan’Andriamanitra ny ilainy. Aza adino fa “IZAO NO LAZAIN’I TOMPO”, izany dia ho tanteraka amin’izao andro izao. Fa izao: Jereo, manerana izao-tontolo-izao, ny fombam-pivavahana rehetra, ny fikambanana rehetra, ny olona rehetra, ny fiangonana rehetra. Ianareo mpitory, mandidy anareo amin’ny Anaran’i Kristy aho, hamaky ny gazety, handinika ny toerana rehetra alehanareo, ary hanamarina raha tsy izany no misy eto ambonin’ny tany ankehitriny. Hitanareo?

Raha izany, dia marina tokoa ny Matio 24:24: “Voahosotra sandoka no hitsangana amin’ny andro farany, ary hisy mpaminany sandoka, izay hamitaka ny maro.” Diniho izany, araka ireo aloka isany avy, raha mitranga izany izao. Hitanareo, “hamitaka olona marobe”- “mpaminany” maro, “kristy, voahosotra” maro, isan-karazany: Metodista, hainareo, sy Batista, sy Pentekotista, sy ny sisa. Hitanareo? Saingy tokana ny tena Kristy, Fanahy, ary izany dia ny Teny tonga nofo, araka izay nampanantenainy fa hataony.

Hojerentsika lalindalina tokoa izany, ao amin’ny Soratra Masina hafa.

Mandrapaha-tofoka an’Andriamanitra, dia ho eo izany. amin’izay, dia hiharihary ny hadalan’izy ireo.

Aza adino fa ny akofa dia mitovy tanteraka amin’ny voambary. Hitanareo?. Fa ianareo tsy afaka hilaza fa tamin’ny andron’i Lotera, “ny taho no voambary”, na dia nanana ny aina tao aminy aza izy. Tsara ny taho, ary tsara ny aina tao amin’ny taho. Kanefa tsaovy fa ny aina dia nandroso, nifindra avy tao amin’i Elia nankao amin’i Elisa. Mandroso hatrany ny aina. Ary aza adino fa misy dingana hafa hatrany, ary ny aina tsy afaka hijanona amin’ny dingana iray. Isika tsy afaka hihinana ny sisan’ireo taom-piangonana taloha. Tsy afaka hihinana ny sisan’ireo Batista isika, na ny sisan’ireo Metodista, na ny sisan’ireo Pentekotista. Jereo fa efa simba ireny. Sakafo vao no antsika, dia ny Teny voatokana ho an’izao ora izao.

Tsaroanareo fa mitovy tanteraka amin’ny voambary ny akofa. Tsy mitovy aminy ny taho, ary tsy mitovy aminy ny ravina, fa ny akofa no mitovy amin’ny voambary izay fonosiny. Tsy nitovy amin’ny “Jesosy tsy miova, omaly…”, ny tamin’ny fotoan’i Lotera, Tsy nitovy tAminy, tamin’ny fotoan’i Wesley. Fa ao amin’ireo Pentekotista dia tanteraka ny “raha azo natao, ireo olom-boafidy aza dia hofitahina.” Hitanareo? Izany ireo taom-Piangonanareo.

Tsarovy fa io fiangonana Pentekotista io, amin’ny andro farany, no Laodikia, izay nandroaka ivelany an’i Kristy, ilay Voa, ilay Voambary mihitsy. Tsarovy fa miezaka haneho ny tenany ao amin’ny fiangonana Izy, nefa atosik’izy ireo eny ivelany. Ary mbola mitono-tena ho fiangonana izy ireo, ary mihambo ho voahosotra.

Kanefa ity ny Teny, Kristy Izy Tenany, Izy no ilay Teny voahosotra, izay hiverina haka ny “sisa“ amin’ny Vatany; ny Ampakarina. Toy ny efa voalazantsika, ny ranonorana manondraka ny vary ihany no manondraka ireo ahidratsy, ireo voahosotra sandoka. Tsy misy afat-tsy ny olom-boafidy ihany, ireo voatendry mialoha, no ho afaka hahita ny fahasamihafana. Ny Efesiana 5:1 milaza ny amin’izany aminareo.

Izy ireo dia voahosotra. Ny tsirairay aminy dia miteny hoe: “Voninahitra ho an’Andriamanitra! Manome fahafahana izahay! Haleloia! Oh, Haleloia! Miteny amin’ny fiteny tsy fantatra izahay sady mitsambikimbikina. Izahay manome fahafahana an’ny vehivavy, fa ianareo miezaka manindry azy ireo amin-javatra isan-karazany.” Hitanareo? Mandrosoa. Tsisy tsy azonareo atao. Hoy ireo: “Tsara, miteny fiteny tsy fantatra izahay. Mihiaka izahay. Mandeha ao am-Panahy izahay. Mitory ny Teny izahay.” Tena izany tokoa. Tsy misy tokony kianina izany. Toy izany no nataon’ireo lehilahy tao amin’ny Baiboly. 

Hoy Jesosy: “Hamitaka ny olom-boafidy ireo, raha azo atao, ireo olom-boafidy.” 

Izao, diniho ny akofa. Ny voa voalohany, ny voa izay nalevina tao an-tany dia tsy rafi-pandaminana. Fa izany, dia tena ny voa mihitsy. Nefa rehefa nipoitra izy, dia tsy voa, fa rafi-pandaminana iray, hitanareo, ireo ravina izany, ravin- katsaka 

Dia lasa tamin’ny dingana iray hafa izy, izay ny voniny. Mbola tsy tafaverina tamin’ny fiandohana anefa, fa rafi-pandaminana iray. 

Dia tonga tao amin’ny akofa izy, nisy ravina maro, ireo Pentekotista, saika efa vita ny endriny ivelany. Jereo izy. Miova endrika hatrany, mihamitovy amin’ilay tena voambary voalohany, raha jerenareo io akofa kely io.

Farany anefa dia voaseho ihany izy, ary tsy misy rafim-pandaminana. Tsy misy koa mpitondra azy. Mpitondra fotsiny ihany ny rafi-pandaminana. Tsy misy mpitondra intsony. Tsy maintsy maty ny taho. Tsy maintsy maty ny akofa. Tsy maintsy maty ny sisa rehetra. Fa ny voa sisa manohy miaina. Izy ilay vatan’ny fitsanganana amin’ny maty, izay midina ka maka ary mampakatra azy ireo. “Izay farany ho voalohany, ary izay voalohany ho farany.” Hitanareo, mampakatra azy ireo ao amin’ny fitsanganana amin’ny maty. Harakareo ve izany? [“Amena” hoy ireo mpivory —Ed ]

Ny akofa dia mitovy tsy misy hafa amin’ny voambary. Ary ny lehilahy iray, raha nisangotra vary, dia hiteny hoe “Deraina Andriamanitra, fa nahazo vokatra vary aho.” Kanefa ampahan’izany ihany no voambary. Jereny, dia mitovy tsara amin’ny voambary, kanefa dia akofa.

Ary izao, ry sakaizako, andao hiaraka amiko hiverina amin’ny fotoana nisian’ny fifohazam-panahy voalohany, taorian’ny andro izay tsy maintsy nidinan’ny voambary tany an-tany (fahafatesana), ny Vatana, ny Ampakarin’i Kristy. Marina ve fa Kristy dia nandamina ny Ampakariny, ny Fiangonany? —Tsy mba nandamina Azy Izy. Napetrany fotsiny tao amin’ny Fiangonana, ireo apostoly sy mpaminany sy ny hafa; mba hihazona Azy hadio. Fa, enina amby telonjato taona taty aoriana, tao Nikea, ao Roma, dia navadik’izy ireo ho rafi-pandaminana ilay Fiangonana. Tsy izany ve? Dia maty ilay voa. Ary dia natao maty avokoa izay rehetra tsy niray hevitra tamin’io Fiangonana voalamina io. Koa natory tao ambanin’ny tany ilay voa, taonjato maro.

Fa rehefa elaela, tamin’ny andron’i Luther, dia nipoitra ireo tahon-katsaka madinika. Avy eo, dia nisy sampany nipoitra tamin’ireo. Nitohy izany, ary nahazo an’i Zwingli sy ireo hafa, nanangana rafi-pandaminana hafa. Afaka kelikely, taorian’izany, nisy ny fiangonana Anglikana. Ary inona no nitranga tamin’izay? —Tonga i Wesley nitondra fifohazam-panahy vaovao, ny vony izay mitovitovy endrika kokoa amin’ny voa. Dia inona no nitranga? Nanaovan’izy ireo rafi-pandaminana, dia maina, ka maty teo.

Nifindra tao amin’ny akofa ny aina, ary ny akofa nandroso, naka ny endriky ny voa tanteraka. Saingy tamin’ny farany dia nibaribary ny hadalany, tato anatin’ny valo na folo taona, indrindra tato amin’ny telo taona farany. Inona no ataony ankehitriny? —Manalavitra ny voambary.

Fa izao: nahoana no tsy nisy fiforonana rafi-pandaminana tato anatin’ny roapolo taona, avy tamin’ity fifohazam-panahy lehibe ity? Nefa misy mpaminany voahosotra, mpampianatra vohosotra, sy ny sisa? —Satria tsy misy na inona na inona intsony aorian’ny Voa. Hitanareo? Izy dia fiverenana amin’ny fiandohana, tsy misy rafi-pandaminana. Na ny jamba aza afaka mahita izany. Tsy mety hanaovana rafi-pandaminana Izy. Mifanohitra tanteraka Aminy izany. Izy mihitsy ilay Voambary. Ny Zanak’olona dia haseho. Ny Voambary dia ho tafaverina amin’ny endriny voalohany indray, ny Zanak’olona amin’ireo andro farany. 

Ary ho tonga maro ireo fangalana tahaka Azy, amin’ireo andro farany, mba hamitaka ny olom-boafidy, raha azo atao. Jereo ireo akofan-drafi-pandaminana izay voatosika lavitra dia lavitra, ankehiriny.

Avela hisy izany, mba tsy hisy ahafantatra ny Voa afa-tsy ireo olom-boafidy, izay ampahany ao Aminy. Mariho ny fahatsaran’izany, rehefa taterina eto. Tsy misy, mariho izany, afa-tsy ireo voahosotra, ireo tena voahosotra; ireo olom-boafidy, voatendry mialoha, araka ny Efesiana 1:5 ihany no tsy ho voafitaka. Ireo mpaminany voahosotra dia ho sandoka, ary anivon’izy ireo no hisy ny voahosotra marina. Ahoana no hamantarana azy? —Amin’ny alalan’ny Teny ihany, toy ny efa nataontsika tamin’ireo tandindona. Hitanareo?

Mariho fa ireo voahosotra ireo, tsy misy afa-tsy ny Teny ihany no hihavahany, fa tsy ireo famantarana. Oh tsia. Haneho famantarana mitovy ireo, fa ny Teny, izany no hiavahan’izy ireo. Azo antoka izany. Samy haminany ireo. Samy hanao izao, sy izato, ary izatsy ireo, tsy misy hafa. 

Efa tsikaritrareo ve? Jesosy, ao amin’ny Matio 24:24, tsy mba niteny hoe: “Hisy Jesosy sandoka hitsangana amin’ireo andro farany”? Oh! Tsia, tsy mba haneho tenany ho izany izy ireo. Nahitana ve Pentekotista iray, tena Pentekotista, nilaza ny tenany fa izy no Jesosy? Hitanareo? Nahita ve ianareo, Metodista sandoka iray, na Batista, na olona toy izany, olona rafi-pandaminana iray, nilaza hoe: “izahay no Jesosy”? Mahalala tsara kokoa noho izany ireo. Tsy andeha hanao izany izy. Fa ny Baiboly dia milaza fa izy ireo dia ho “kristy sandoka”, tsy “Jesosy”, fa “kristy sandoka”. Tsy hisy hanaiky hiteny ireo hoe: “izaho no Jesosy”. Oh! tsia, 

Fa izy ireo dia “kristy sandoka”, kanefa tsy fantany, noho izy ireo manohitra ny Teny. Ary Andriamanitra manamarina azy mitovy. Izao àry aho, dia mitondra izany mivantana amina fampifanatrehana, satria hitanareo nahita ireo olona sandoka ireo nanao izay avy nataon’ny tena izy marina. Ary Jesosy nilaza izany.

Araka ny efa nolazaiko an-telefaona, dia tsy manameloka anareo aho, ianareo vahoaka any ivelany. Saingy, ity eto ity ny fiangonako sy ny vondrona nampiandreketan’ny Fanahy Masina ahy, ka tsy maintsy milaza ny Marina amin’izy ireo aho. Indrinda fa mandroso dia mandroso ny fotoana.

Tsy ho tantiny izany, fa ho ekeny kosa ireo “kristy sandoka”, ireo voahosotra sandoka, izay manana, saika ny famantarana rehetra sy ny Soratra rehetra ao amin’ny Teny. “Mino ny batisan’ny Fanahy Masina ve izy ireo?” —Tanteraka. “Mino izay rehetra izao sy izatsy ve ireo?”—Yah ê. “Mino ny fiteny tsy fantatra ve izy ireo?” —Yah ê. “Izy ireo ve mino: ‘famantarana sy fahagagana hanaraka azy’?” —Yah ê. Fa tsy ireo Metodista izany, na ireo Batista. Tsia, tsia. Fa izany dia ireo Pentekotista. Hitanareo? Andro farany izao.

Fa izao: Ireo tao amin’ny taom-Piangonana voalohany dia tsy mba nahita izany. Ireo tao amin’ny taom-Piangonana Metodista tsy mba nahita izany. Ireo tao amin’ny taom-Piangonana Batista tsy mba nahita izany. Ireo tao amin’ny taom-Piangonana Presbyteriana tsy mba nahita izany. Fa ireto Pentekotista, dia manakaiky loatra ny tena-izy ny endriny, toy ny saika itovian’ny akofa amin’ny voambary. Tsy mba hahatsikaritra izany izy ireo. Hitanareo? Tsy te-halala izany izy. Kanefa efa andro farany izao, ankehitriny. Eny, Andriamatoa.

Mariho fa toy ny tany am-piandohana ihany no ho any am-piafarana. Toy ny nandisoan’i Eva teny iray monja izany. Satana namitaka an’i Eva, dia nino izany izy. Ny vehivavy no voafitaka fa tsy ny lehilahy. Toy izany koa, ny fiangonana no voafitaka fa tsy Izy. Hitanareo? Ny fiangonana no nandray ny teny diso. Hitanareo? Tsy Adama, fa Eva. Tsy Kristy, fa ny fiangonana, ny ampakarina, ilay voahosotra, na tokony ho voahosotra, manonona ny tenany ho Ampakarina, hitanareo, izy no nandray ny teny diso.

Tsy mahita izany ve ianareo? Anefa izany dia mirindra toy ny tadinkiraro amin’ny kiraro, toy ny volomaso amin’ny masonareo. Satria nahoana? —izay rehetra hatodikareo ho ao amin’ny Baiboly dia mifampirindra tsara avokoa. Eva no nofitahina, fa tsy Adama; Eva no nino lainga, fa tsy Adama. Ankehitriny, ny ampakarina, ilay mitonon-tena ho izany, no nino ny lainga, fa tsy i Kristy. Ilay ampakarina dia manana ireo famantarana mitovy, ireo fahagagana mitovy, ireo zavatra isan-karazany mitovy, kanefa izy ireo tsy ilay Anankiray Tena-Izy. Hitanareo? “Hamitaka na ny olom-boafidy aza, raha azo atao.”

Hanafaingana isika izao, raha mba afaka hamarana ato anatin’ny 15 minitra, dia ho ara-potoana. Tena hamarana isika izao. Ataontsika ny mba tsy hahadiso fandray anareo.

Fa izao: Tsia, tsy ho tantin’izy ireo ny hantsoina “Jesosy sandoka”. Tsy isalasalana fa tsia. Satria ho “marivo tototra” loatra izany, ka na iza na iza dia hamantatra fa tsy Jesosy izy ireo, Tsy ahoako, na hisy menaka eo an-damosiny, na hivoa-drà ireo tànany, na hiakatra-hidina ireo masony. Na iza na iza, vory-saina, dia hahafantatra fa “tsy Jesosy io.” Hitanareo? Tsy ho tantin’izy ireo izany. Fa izy ireo mitonon-tena ho “voahosotra.” Ary izy ireo manao famantarana sy fahagagana, ka “saika ho voafitaka ireo olom-boafidy.” Satria «Hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana, ka raha azo atao, na dia ny olom-boafidy aza dia hofitahiny.» 

Izao, diniho am-pifantohana tsara. Aza andalovana ity filazana iray ity, satria mendrika hohenoina. 

Izay ho avy dia tsy maintsy ho avy toy ny efa ho nolazan’ny Baiboly izany. Hitanareo?

Mariho àry fa tsy ho “Jesosy sandoka” izy ireo, fa ho “Kristy sandoka.” Mino izy ireo fa voahosotra, ary fantany fa tsy Jesosy izy. Hitanareo? Ho tsotra loatra, raha izany. Raha misy ankehitriny, lehilahy milaza hoe: “Jereo ny holatra amin’ny tanako sy amin’ny handriko, izaho no Jesosy”, dia ho fantatsika fa diso. Ary, tsarovy fa Jesosy tsy mba nilaza ny hisian’ny lehilahy toy izany. Nilaza Izy fa “kristy sandoka” no hitsangana, “kristy” maro, anaram-piangonana, sns … voahosotra maro, voahosotry ny fanahin’ny anaram-piangonana fa tsy voahosotry ny Teny. Arakanareo ve? Tsy “Jesosy sandoka”, fa “kristy sandoka.” Oh, aza handalovanareo izany.

Tsarovy. Efa nolazaiko hatrany taminareo fa misokajy telo ny olona. Misy firenembe telo: Hama, Sema ary Jafeta, firenena telo, sokajin’olona telo. Hoy aho hoe: misy ireo mpino, sy ireo “mihevi-tena ho mpino”, ary ireo tsimpino. Izany hatry ny taloha, ary mbola ho izany amin’ny ho-avy. Hitanareo? Teo Mosesy, ilay mpino, ary teo Jana sy Jambra ireo tsimpino. Ary teo i Balama… Misy hatrany sokajin’olona telo, sokajim-pino telo:tena mpino, mpihevi-tena ho mino, ary tsimpino. 

Tsarovinareo fa ny tsimpino, (ireo fiangonana manana fanekem-pinoana), dia tsy mino ny famantarana rehetra. Izy ireo dia mangatsiaka, be fombafomba, fiangonan’izao-tontolo-izao. . Ireo “mpihevi-tena ho mino” (ireo anaram-piangonana) no fonony, dia io akofa io. Izy ireo no mahatonga ny olona hino. Ary farany dia misy ilay tena mpino, izay tena-izy. Dia jereo izy ireo, eo amin’ny famindrany, iray minitra monja.

Mariho akory ny fahasahian’ireo tsimpino ireo, sy ireo “mpihevi-tena ho mino”. Oh! la! la! Sahisahy izy ireo. Jereo, toa an’i Satana mihitsy, izay nasahy nitsangana teo anatrehan’ny Teny tena-Izy, ka nilaza hoe: “Fa voasoratra hoe!” Tsy marina izany?

Nahoana i Satana no nanao izany? —Hainy ny Teny ho an’izany ora izany, saingy tsy natoky izy hoe Izy, ny Teny, io Lehilahy keliray manetritena io. “Raha Ianao ilay Zanak’Andriamanitra. Haiko fa ho avy ny Zanakalahin’Andriamanitra, satria efa nilaza Izy fa hanao izany. ary voasoratra hoe ‘Homeny ny Anjeliny hiaro Anao.’ Hitanao? Koa porofoy amiko! Manaova fahagagana! Aoka aho hahita Anao hanao izany!” Hitanareo? Hitanareo/

Jereo, fa ireo tsimpino sy ireo mpihevi-tena ho mpino ireo dia mpaka-tahaka. Jereo i Jodasy niara-niaina tamin’izy ireo kanefa mpihevi-tena ho mpino! Hitanareo? Kanefa teo ny tena Teny.

Akory ny fahasahian’izy ireo! “Aza iraharahiana izany hevi-diso izany. tsy misy dikany izany. Aza mankany ianao. Tsy misy afa-tsy tabataba ao. Tsy misy dikany izany. Tsy misy afa-tsy nofinofy, Zavatra ao an-dohany fotsiny izany.” Hitanareo? Hitanareo ny tiako lazaina? Mijoro eo anatrehan’ny Teny izy, dia miteny izany. 

Nivantana Satana, tsy nivilivily. Toy ny ambaran’ny Baiboly ao amin’ny bokin’i Joda: “Na ny Arkanjely aza, raha nifanditra tamin’i Satana, dia nilaza taminy hoe: “Hananatra anao anie Jehovah”. Ny Teny mihitsy no notoheriny! 

Ary io ilay antikristy, ilay voahosotra, mitsangana manohitra mivantana ilay Teny marina ho an’ny andro, Jesosy Kristy, ka milaza hoe: “Voasoratra hoe”. 

Jereo fa amin’ireo andro farany, hifanaikaiky izaitsizy, ka na ny olom-boafidy aza ho voafitaka, raha azo atao. Oh!la!la! Ny antony tsy haha-voafitaka ireo olom-boafidy, hainareo inona? —satria: izy ireo dia Teny. Hitanareo? Tsy misy hafa amin’ilay Aina izay ao amin’ny faka ny ainy. Ka araka ny voalazako taloha teo, tsy afaka hanohitra ny Tenany ihany izy. Hitanareo. Teny izy, ary ao amin’ny fotoanan’ny Teny.

Tsy misy hafa amin’i Jeremia izay nahafantatra. Tsy nahoany izay filazan’i Hanania. Fantany aiza no misy azy. Ary tsy misy valaka amin’ny nataon’i Mosesy, sy ireo hafa rehetra, dia fantany, ka tsy nahataitra azy izay mety nolazain’ireo mpaminany sandoka, fa teo ny Tenin’Andriamanitra. Efa voasoratra izany.

Izany no anton’ny nahafahan’i Mikaia niteny hoe: “Tsara. Mandrasa fotsiny ianao, dia ho hitanao.” Hoy Ahaba hoe: “Mino ireo mpaminaniko aho. Ny rafi-pandaminako dia marina. Rehefa hiverina am-piadanana aho… Ataovy ao an-tranomaizina io olona io. Hitako izay hataoko aminy. Fahano mofom-pahoriana izy. Aza miraharaha azy, aza minamana aminy. Rehefa tafaverina am-piadanana aho, vao heverintsika ny amin’io lehilahy io.”

Hoy Mikaia hoe: “Raha ho tafaverina tokoa ianao, dia tsy niteny tamiko ny Tompo.” Fantany fa izy nanana ny “IZAO NO LAZAIN’NY TOMPO”, ary ny fahitany dia nifanaraka tanteraka tamin’ny “IZAO NO LAZAIN’NY TOMPO”, tsy ho ana fotoana hafa, fa tena an’izany fotoana izany. Amena! Haleloia! Ny fotoana!

Sahisahy, mitsangana dia mifanditra amina Arkanjely. Nisy niteny hoe; “Ny adala dia tia manitsaka amin’ny kiraro vy ny toerana izay tsy sahin’ny anjely handehanana akory.”

Ny antony tsy hahavoafitaka ireo olom-boafidy dia satria izy ireo io Teny io. Tsy afaka ho zavatra hafa izy ireo. Tsy afaka mihaino zavatra hafa ireo. Tsy mahafantatra zavatra hafa ireo. Marina izany.

Tsaronareo fa i Mosesy fa tsy mba nitsoak’ady, teo anoloan’ny fakan-tahak’izy ireo. Nanao izany ve Mosesy? Ka ho nanao hoe: “Andraso kely ry Farao, Hainao moa? Nolazain’Andriamanitra hanao ireny aho, saingy, voninahitra ho an’Andriamanitra, hitako fa ireo zatovonao dia mahavita ireny zavatra ireny koa. Lazaiko aminao àry izay hataoko: hikambana aminareo aho.” Hooh! Tsy toy izany ny mpaminanin’Andriamanitra! Tsia, tena tsia! Nijanona ho hentitra hatrany araka izay efany izy. Fantany mazava tsara fa, na manao ahoana, dia hiahy azy Andriamanitra, satria nampanantenainy izany. “Izaho homba anao. Izaho tsy handao anao.”

Fantany izany, ka tsy nety nikambana tamin’izy ireo izy. Oh, tsia. Nijanona ho marina izy teo anoloan’ireo. Tsy nila ireo anaram-piangonany izy. Nijanona marina tamin’ Andriamanitra izy. Tsy nitsoak’ady izy noho izay rehetra mety nataon’izy ireo. Isaky ny manao zavatra iray izy… nahatonga aô izy, dia nahatonga aô koa ireo. Nahatonga rà izy, nahatonga rà koa ireo. Izay rehetra nantsoiny, nalain’izy ireo tahaka avokoa, hatrany hatrany. Dia nijoro fotsiny izy, tsy nihonjona. Fantany mazava tsara ny zavatra: teo amperin’asa Andriamanitra. 

Azonareo amin’izay izao? [“Amena” hoy ireo mpivory —Ed.] Raisinao ny roa, dia ampianao roa, manome efatra? Tsy mila manasaro-javatra ianareo. Amin’izay, dia hahafantatra ianareo, hitanareo.

Nohoana no tsy ho voafitaka izy ireo? Ireo tena mpino, ireo dia voa voatendry mialoha, izay hijoro amin’ny fotoany.

Hoy koa Jesosy: “Maro no ho tonga amin’izany andro izany, amin’ny Anarako, ka hiteny hoe: “Tompoko, tsy efa namoaka demonia tamin’ny Anaranao va izahay?” Nilaza koa Jesosy fa amin’ny farany, rehefa ho dila ny fotoana, ka ho tonga ny fitsanganana amin’ny maty lehibe, dia maro no ho tonga ka hipetraka ao amin’ny Fanjakana. Ny Fanjakan’ Andriamanitra dia ao anatinareo.

Maro ireo ahi-dratsy no hanatona, hipetraka miaraka amin’ny vary, hanao hoe: “Andraso kely, Tompo! Niteny tamin’ny fiteny tsy fantatra aho, nihiakiaka aho; nandihy tao am-panahy aho, nandroaka demonia aho, nanao ireny zavatra rehetra ireny aho”. Fa inona no havaliny? “Ianareo mpanao heloka, tsy mba fantatro ianareo hatrizay.” 

Hisy hanontany hoe: “Inona no atao hoe heloka?” —izany dia zavatra hainao fa tokony hataonao kanefa tsy tianao atao. Fantatr’izy ireo io Teny io, henony izany. Mihaino ity horonam-peo ity ianareo, mihaino ity Hafatra ity ianareo. Tsapanareo fa ny Tompo-Andriamanitra miteny izany. Hitanareo Izy manamarina izany, manatanteraka izany. Ary mazava aminareo izany, toy ny masoandro mamiratra ao ivelany ao. Saingy, ianareo hifikitra amin’ny anaram-piangonanareo, ianareo hifikitra amin’ireo zavatra diso ireo. Izany no maha “mpanao meloka” anareo! 

-“Oh, eny, nahavita tafika masina maro sy lehibe aho. Izaho nanao izao. Izaho nanao izao sy izao.”

-Hamaly Izy hoe: “Mialà Amiko, mpanao heloka, tsy fantatro akory ianareo hatrizay.” 

“Kanefa nofenoin’ny Fanahy Masina aho!”— Tsy isalsalako na dia kely izany. “Niteny tamin’ny fiteny tsy fantatra aho, nihira am-panahy…” — Tsy isalsalako na dia kely izany. Tsy olana izany. Oh, rahalahy, ranabavy, toe-javatra manao ahoana no misy antsika! Fotoana tena mampangovitra izao. Aiza-ho-aiza no misy antsika? Ankatoky ny ho tonga Fiainana ity Teny ity izao.

Mariho, fa nilaza Izy fa hataon’izy ireo izany. “Ianareo, mpanao meloka.” Misy Soratra nomarihiko eto, kanefa tsy haiko tsara ny misy azy. Naka fotoana loatra aho. Jereko vetivety izany. Matio 7:21-22: “Tsy izay rehetra manao Amiko hoe: Tompoko, Tompoko no hiditra ny fanjakan’ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon’ny Raiko Izay any an-danitra. Maro no hanao Amiko amin’izany andro izany hoe: Tompoko, Tompoko, tsy efa naminany tamin’ny anaranao va izahay?…’

Mpaminany, voahosotra! Tsy marina izany?… “Tsy mpaminany ve izahay? Tsy voahosotra ve izahay? Mpaminany sandoka. Tsy naminany tamin’ny Anaranao ve aho? Ary tsy tamin’ny Anaranao ve nandroahako demonia?” Ahoana no ahafahanareo manao izany, kanefa mandà atao batisa amin’ny Anaran’i Jesosy? Hitanareo? Oh!la!la! Jereo akory ny fitaka? Mandroso mivantana ao amin’ny Teny izy ireo, saingy rehefa tonga amin’ny teboka avo, dia mihemotra.

«Maro no hanao amiko amin'izany andro izany hœ: Tompoko, Tompoko, tsy efa naminany tamin'ny anaranao va izahay?… —Yah, Izaho efa niresaka ny amin’izany ao amin’ny Matio 24:24;

…tsy nandroaka demonia tamin’ny anaranao va izahay? ary tsy nanao fahagagana maro tamin’ny Anaranao va izahay?

Ary dia hambarako aminy marimarina hoe: Tsy mba fantatro akory ianareo hatrizay hatrizay; mialà amiko, ianareo mpanao meloka.» (Matio 7:23)

Teo ambany masonareo Izy, ary hitanareo Izy, hitanareo nihetsika, ary hainareo fa ny Teny Izy, kanefa noho ny fanajanareo ny anaram-piangonanareo, dia voafatony ianareo. “Tsy fantatro akory ianareo, hatrizay. Tsy ahoako na firy na firy ny demonia noroahinareo, na ny hamaron’izao sy izatsy vitanareo. Tsy misy fantatro ny aminareo”. 

Hoy Balama: “Naminany tamin’ny anaranao aho ary tanteraka izany”. —Tena marina izany, saingy, rehefa tonga teo amin’ny Teny izany dia nolavinao.

Oh! rahalahy, hitanareo ve ny fitaka? Tsy amin’ny maha-mpaminany azy, raha ny marina, fa amin’ny Teny, ny Teny tena Izy, nohamarinina ary naseho. “Ianareo mpanao meloka.”

Tao amin’ireo taom-Piangonana rehetra, dia niezahan’i Satana nalaina tahaka ny Teny tena Izy. Haintsika izany, tsy izany?

Mariho: “tonga eo amin’ny sisiny dia mihemotra.” . Jereo, miteny Izy ato amin’ny Hebreo, toko faha- 6, efa novakintsika teo aloha teo. 

“Fa izay maniry songosongo kosa dia lavina sady akaikin’ny ozona ary ny hiafarany dia hodorana.” (tonga amin’ny sisiny) “Fa izay efa nanandrana ny fanomezana avy any an-danitra…”

Nanandrana” dia midika “efa nahita izany izy” Tsy nandramany tamin’ny vava izany, fa hitany ary fantany fa Fahamarinana. “…sy efa nandray ny Fanahy Masina”, toy ny nilatsahan’izany taminao. “…nanandrana ny teny tsaran’Andriamanitra…” “Nanandrana”. Hitany fa marina izany. Ary nirotsaka taminy ny Fanahy Masina. Saingy izy “ahi-dratsy eny an-tsaha”, koa 

“…kanefa nihemotra…” Nandà an’i Kristy izay nanamasina, izay niantso ary nanosotra ny tena. 

“…tsy azo havaozina indray ho amin’ny fibebahana…” Fahotana tsy mety avela izany! Ary tsy mety intsony ho azy ireo ny ho tafaverina indray amin’ny fahalalana ny Fahamarinana. 

“…tsy azo havaozina…. handray ny Fanahy Masina….” Ny orana dia nirotsaka tamin’ny tsimparifary, hitanareo, ary izy ireo nanomboka niara-nandeha tamin’i Jesosy, ary nivoady hoe: “Tompo, hiroso hatramin’ny farany aho.” Saingy, rehefa tojo tamin’ny Teny dia nihemotra. Raha nandray anjara tao amin’ny Fanahy Masina, na nahita ny Teny voaseho, kanefa nandà Azy, dia tena tsy mety tanteraka ho azy ireo ny mbola hahita Azy indray na hiverina Aminy. 

Izany no ambaran’ny Soratra Masina. “Ny lanitra sy ny tany ho levona,” fa Izy tsy mba ho levona. Hitanareo izany? “Tena tsy mety mihitsy.” Ny Baiboly milaza izany ary ny Fanahy no vavolombelon’izany.

Mamelà ahy hanome ohatra kely iray. Jereo io vahoaka, izay nivoaka avy tamin’ny faminanian’i Mosesy, nivoaka tao amin’io rafi-pandaminana io, sy ny zavatra hafa rehetra, araka ny faminaniana. Nahita asa lehibe sy fahagagana maro izy ireo, ary tonga teo amin’ny-sisintany tokony hidirana. 

Ary eto, Lee, no mipetraka ny olanao amin’ny “anarana ao amin’ny Boky”, hitanao? Ho anareo any ivelany, ny Dr Lee Vayle, izay eto, no manao ny fanitsiana ny boky “Ireo Taona Fiton’ny Fiangonana”. Ary tonga ny olana, na ny fanontaniana mikasika ireo “anarana voafafa amin’ny Bokin’ny Fiainan’ny Zanak’ondry.” Hitanareo, izany dia naha sanganehana mpanompon’Andriamanitra maromaro. Andraso, mandra-pahazoanareo ny boky, dia hazava aminareo izany, raha misy Hazavana ao aminareo. Hitanareo?

Mariho, fa raha tsy te-hahita izany ianao, dia afaka hatodikao ny lohanao. Araka ny fiteny mahazatra ny reniko hoe: “Ianao tsy afaka hampivoaka rà avy amin’ny beteravy, satria tsy misy rà ao aminy”. 

Hazavana no ilaina, fa tsy haizina. Ny Hazavana tonga tao amin’ny haizina, fa ny haizina tsy nandray Azy, ireo voahosotra sandoka amin’izao andro izao. Izany dia toy ny nitondran’i Mosesy nivoaka ny zanak’Isiraely, kanefa izy ireo nihaino io firenena lehibe io, ka nikorontan-tsaina noho izany. Tsy niankina tamina rafi-piangonana Israely. Tsy nanan-tany izy ireo, ary tsy nanam-ponenana. Fa izy ireo teny an-dalana nankany amin’izay ho taniny.

Tsy manana fiangonana isika. Fa isika an-dalana mandroso hankao amin’ny Fiangonana iray, ny Fiangonan’ny Voalohan-teraka, ny Fiangonana izay ao amin’ny Voninahitra. Izany dia tsy ny fiangonana ety an-tany natsangan’olombelona, fa ny Fiangonana ao amin’ny Voninahitra, misy ireo voantso-hivoaka, voatendry ho amin’ny Fiainana Mandrakizay, izay mandroso hankany amin’ny Fonenany. 

Ary, rehefa tonga teo amin’ny sisintany hidirana izy ireo dia nisalasalany ny Teny, ka nihemotra izy. Josoa sy Kaleba ary ireo hafa, efa niverina ary nitondra sampahom-boaloboka, nanaporofo tamin’izy ireo fa ao ny tany, izay nampanantenain’ny Tenin’Andriamanitra hoe: “Tany tsara izany, tondra-dronono sy tantely”. Ary nitondrany niverina izany ho porofo. Fa, rehefa avy nandramany izany, dia hoy izy ireo; “Oh! tsy afaka hiditra isika”. Koa inona no nitranga? Maty tany an’efitra izy ireo. Nijanona teo izy ireo, nifandaminana ary maty teo avokoa, afa-tsy ireo roalahy izay nitondra ny porofo avy tany ambadika: Josoa sy Kaleba.

Mosesy dia nakarina, endrik’ireo izay miandry ny fiforonan’ny Fiangonana, sy ny fitsanganan’ny maty an’ireo tao amin’ny Testamenta Taloha sy ny tao amin’ny Testamenta Vaovao, ary ny fampakarana ny Vatana. Hitanareo ve ireo “telo” ireo? Aza esorina ao an-tsainareo ny “telo”. Hitanareo, toy izany amin’ny mpino sy ny tsimpino. 

Tadidio faio fahotana iray io dia tsy avelan’Andriamanitra. Koa, nahoana àry no manatona Azy ireo? Raha tsilo niandohany, dia tsy maintsy no tsilo hiafarany. Ka ireo voatendry mialoha ihany no ho afaka hanavaka izany.

Mifantoha tsara izao. Toy misy hafa amin’i Saint Martin, io lehilahy keliray mpivavaka io, tamin’ny androny, nialoha kely ny haizin’ireo Taom-Piangonana maizina ;. Firy aminareo no efa namaky ny asasoratr’i Saint Martin? —maro aminareo. Nandeha nikaroka ireo asasoratr’i Saint Martin ireo izahay, raha nisy pretra iray niteny hoe: “Kanefa izy tsy mba nasandratra ho olo-masina.” Azo antoka izany, tsy natao izany izy, raha tamin’izy ireo, fa ho an’Andriamanitra kosa dia izany izy. Hitanareo? Ny Fanahy Masina no niteny taminay hametraka azy amin’io Taom-Piangonana fahatelo io. 

Jereo ny maha lehilahy mpivavaka azy, voantso sy voafidin’Andriamanitra. Tsy mpino ireo ray aman-dreniny, ary miaramila ny rainy. Tsy maintsy nanaraka izany làlana izany izy, ho miaramila. Na nanao izany aza izy, dia mbola nino fa misy Andiamanitra tany-ho-any, noho izy lehilahin’ala, ka afaka mahita an’Andriamanitra. Indray andro, raha nandalo tanàna iray izy dia nahita antidahy iray, nitsilany teo, efa ho faty, nangataka. Nangatsiaka be, ka, oh, nitalaho izy mba homena zavatra hirakofana, sao ho faty halin’iny.

Tsy nisy nanome azy. Fa i Martin kosa nijanona teo amoron-dàlana, nijery vetivety. Kanefa tsy nisy namonjy azy. Kapaoty iray no nananan’i Martin. Nangatsiaka koa izy, sady mbola tanatin’ny ora fiasana, tsy afaka hanome ny kapaotiny. Kanefa nisaina izy hoe: “Mba samy hananay roalahy riziky ho velona dia hozaraiko aminy ity”. Dia noraisiny ny kapaotiny, notapahiny tamin’ny sabany ary ny antsasaky ny kapaotiny nandrakofany ilay mpangataka. Ary izy nitafy ny ilany. Izay rehetra nihaona taminy dia niteny azy hoe: “Jereo ity miaramila hafahafa fitafy ity mirakotra antsasa-kapaoty”.

Halin’iny, raha nahavita ny anjara asany izy ka natory tao am-pandriany dia taitra tampoka. Nijery izy, ka indro i Jesosy Kristy no nijoro teo amin’ny efitrano, nitafy ilay antsasa-damba narakony azy. Tonga dia fantany. “Izay nataonareo tamin’ireny rahalahiko kely indrindra ireny no nataonareo tAmiko, tamin’ireo Voahosotrako.”

Mpanompon’Andriamanitra lehibe izy. Fa ny fiangonana nanao azy ho fiomehezana, sy nanenjika azy, ary nandroaka azy, sy zavatra hafa koa, kanefa mpaminanin’Andriamanitra izy. Izay nolazainy dia tanteraka. Fa maro koa no nino azy tamin’io taom-Piangonana io.

Tiako aseho anareo ny fomba famitahan’ny devoly. Indray andro raha tao amin’ny efitranony izy, dia tonga ny anjely mahery, nisy satro-boninahitra teo an-dohany, nikiraro volamena izy, fehi-kibo volamena nanodidina ireo akanjony. Dia hoy izy: “Fantatrao ve aho ry Martin? Izaho no Tompo sy Mpamonjy, Izaho Ilay namonjy anao. Miankohofa amiko, ry Martin!” Saingy ilay mpaminany nahatsapa fa nisy zavatra hafahafa tao, dia nanohy nijery azy izy. Niteny izy hoe: “Martin, izaho no Mpamonjy anao, Jesosy Kristy. Miankohofa amiko ianao! Tsy fantatrao ve aho, Martin?” 

Nanohy nandinika azy i Martin, sady nitamberina tao an-tsainy ny Soratra Masina. Dia niteny izy hoe:“Mialà amiko ianao, ry Satana! Misatroka satroboninahitra ianao, kanefa ny Tenin’Andriamanitra milaza fa ny olo-masina no hampisatro-boninahitra Azy amin’ny andro farany.”

Raha pentekotista ve no teo tsy ho voajonony? Dinho ny Teny, rahalahy. Fa amin’ny tranga toy izany dia tena ilaina Izy.

Indray andro hafa, tao amin’ny tobina monka iray, nisy antidahy masina iray niara-nonina tamina monka tanora maromaro. Ary ny iray tamin’ireo tanora dia nanan-toera mora tezitra. Jereo fa . fanoharana tsara ho an’izao fotoana izao izany. Io monka iray io dia te-hiavaka ambonin’ireo hafa. Te-haneho izy fa manana fahefana, lehibe kokoa, tsara kokoa, ambonin’ny rehetra, hitanareo, te-ho zavatra. Tsy maintsy manara-penitra izy. Hatrany dia mitady zavatra izay tsy mampiraika namany… Hainareo, te-ho hafa noho azy ireo izy. Hitanareo? Tamin-javatrarehetra dia nihevi-tena ho ambony noho ny rehetra izy, Izy irery no “vatokilonjy teny amoron-drano.” Tsy nisy nahazo nikitika azy. Izao àry, jereo izay nitranga. Mila manana zavatra iray lehibe izy. Mila mifampitaha amin’ireny orinasa lehibe ireny. Manaraka tsara ahy ianareo? Hitanareo? Koa, hoy izy, naminany izy. Hoy izy: “Ny Tompo nanao ahy ho mpaminany koa. Mpaminany aho”. Kanefa efa nisy anankiray voamarina ho mpaminany teo amin’ny tany, dia i Saint Martin izany.

 Fa io tovolahy io, monka tanora kely tokony ho dimy ambiroapolo taona, nilaza hoe: “Nataon’ny Tompo mpaminany aho ary andeha ho porofoiko aminareo izany. Anio alina, ny Tompo dia hanome ahy akanjo fotsy lava tsara tarehy, ary Izy ihany no hanafy izany ahy. Hipetraka eo anoloanareo aho. Ary hanatona ahy ianareo rehetra, hitanareo, mba handray baiko amiko”.

Ampitahao amin’ny ankehitriny izany…”Izaho no ho lohan’ny rafi-pandaminana. Izaho no hikarakara anareo monka rehetra.” Ary izany no nitranga, “Halin’iny, nisy hazavana tonga tao amin’ilay trano”, araka ny notantarain’i Martin ao amin’ny asasorany. (Vakio izany. Tena zavanisy izany. Voatantara ao izany.) Tonga ireo hazavana, ary nijery ny rehetra, ka nanatona, ary tamy… Nitafy akanjo fotsy izy, nijoro teo afovoan’izy ireo. Dia niteny izy hoe: “Hitanareo, izay nolazaiko taminareo?” Saingy nifanohitra tamin’ny Teny izany.

 Lasa àry izy ireo naka ilay antidahy sojaben’ny sekoly. Dia tonga izy, somary nidraikodraiko, ary niteny hoe: “Anaka, toa tsy metimety, izany izy.”. Fa hoy izy:”Tokana ihany ny fomba…” Eo àry izany! “Tokana ihany ny fomba ahafantarantsika ny marina. Toa mahagaga izy izany…" Rahalahy, ireo Pentekotista dia ho nandramby izany, ho nataony fototra, ho nateliny hatramin’ny fintana sy ny lelam-pitana! Hoy izy: “Toa marina ilay fahagagana saingy toa tsy mifanaraka amin’ny Teny. Isika anefa manana olona, mpaminany iray voahosotra, antsoina hoe Martin, andao hankeo aminy”. Tamin’izay, ilay tovolahy niteny hoe: “Tsia, tsia! Tsy misy idiran’i Martin amin’izao”.

Hoy ilay sojabe: “Tsy maintsy mankany ianao, na manao ahoana”. Dia noraisin’izy ireo tamin’ny sandriny izy, ary nitarihiny tany amin’i Martin. Ary dia nanjavaona ilay robolava, niala taminy.

Hitanareo “na ny olom-boafidy aza hofitahina, raha azo atao.” Mamantatra ireny izy ireo. Hoy Jesosy: “Ny ondriko mahalala ny Teniko” 

“Oh!’ hoy ianareo: “mihaino ny Feoko.”

-Ny Teniny izany. “Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra.” Hitanareo? Ny olom-boafidy mahafantatra ity: “Ny teny hafahafa na ny feo hafahafa, tsy mba hanaraka izany izy ireo.”

Izany no làlana nalehan’ireo monka ireo: tsy mba hanaraka mihisy izy ireo. Fantany fa teo i Martin, mpaminan’ny vanim-potoany, nohamarinin’Andriamanitra tamin’ny Teny, ary fantatra ho Teny. Izany no anton’ny nandavan’io tovolahy io nankany taminy.

Niteny koa Izy (na ny Teny), hoe: “Fa izay itoeran’ny faty (vatana maty), dia any no hiangonan’ny voromahery”. Matio 24:28 izany raha tianareo ho raisina. Aloha kely an’io ny Matio 24:24. “Fa izay itoeran’ny faty”, ny Mana, ny Teny, “any no hiangonan’ny voromahery.” 

Tsy maintsy manafaingana aho izao, nijery ny ora aho ka efa dila ho fito na valo minitra ny mitataovovona. Hanafaingana mafy aho izao, sa tohizintsika rahariva, na arak’izay tianareo hanaovana azy. Izao maraina sa rahariva? Firy no tsy maintsy nody aorian’izao fivoriana izao? Aiza ny tànanareo? Oh!la!la! Tsara kokoa ny hamitana azy izao! Malahelo aho amin’ireo manaraka an-telefaona, any, fa tsy maintsy hanafaingana aho. Mavesa-danja noho ny volanareo Ity. Ny volanareo ho levona. Fa Ity, tsia; Ity no Teny. Hitanareo? 

“Fa izay itoeran’ny vatana maty, dia any no hiangonan’ny voromahery”. Any amin’izay misy ny vatana —izao vao maty— any ireo voromahery no hiangona. Any amin’izay misy ny Hena vao —ny Teny ho an’ny fotoana— any no hiangona ireo voromahery. Fa rehefa lò izany, dia vao irotofan’ny voltora. Yah. Azonareo ny tiako lazaina? Raha vao misy novonoina, dia tonga eo ireo voromahery. Fa rehefa elaela io eo, ka simba, amin’izay vao tonga ireo voltora. Tsy misy ilàn’ ny voromahery izany intsony. Hitanareo?

Hoy Jesosy: “Izay itoeran’ny ny faty…” –any amin’izay ilatsahan’ny Mana. Amin’ny alina no milatsaka ny Mana vao, dia amin’izay no hiangona ireo voromahery hihinana Izany. Izany no Mana ho an’ny andro izao. Hitanareo? Mariho. 

Fa rehefa simba izany ka mamoaka olitra, dia tonga eo ireo voltora. Tsy afaka mandre ny fofony izy ireo raha tsy efa lò izany. Tsy mahagaga raha nitsangana Jesosy, nilaza hoe: “Jerosalema, ianao izay mitora-bato ny mpaminany rehetra!”, (mariho ny fampiasana mpisolo-anarana, hitanareo): “Jerosalema, Jerosalema, impiry Aho…” (Iza Izy?) ”Impiry moa Aho no te-hanangona ny zanakao tahaka ny fanangon’ny akohovavy ny zanany; ianao izay nitora-bato ny mpaminany rehetra nirahina ho aminao.” Izany ilay fiangonana lehibe, Jerosalema.

216. Fa isika no zanak’ilay Jerosalema any Ambony, tsy Jerosalema eto an-tany, fa ilay niavian’ny Teny, niavian’ny tendry, hitanareo. Tsy ilay Jerosalema tranainy, izay maty, fa ilay Jerosalema Vaovao izay tsy mety maty, tsy ilay Jerosalema tranainy nataon’ny tànan’olombelona, fa ilay Jerosalema Vaovao namboarin’Andriamanitra, hitanareo, ny Teny tonga, voaseho izao. “Ao an-tranon’ny Raiko misy fitoerana maro: handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho.” Manamboatra lalam-be volamena sy ireo zavatra hafa ny Mpamorona. Izany no ilay Iray tsy mba ho levona.

“Jerosalema, Jerosalema, impiry Aho no te-…” Hatramin’ny fiandohan’ny fotoana, tsy Olona fahatelo, na olon-kafa, “Izaho, izay impiry no te-hanangona ny zanakao tahaka ny fanangon’ny akohovavy ny zanany, kanefa tsv nety ianao. Saingy, ankehitriny dia tonga ny oranao.” Hitanareo? “Any amin’izay misy ny vatana maty, no hiangonan’ny voromahery.” Fa rehefa lo ilay faty, dia iangonan’ny voltora. Hitanareo?

Mariho fa Mosesy, izy dia voromahery, ary tsy mba nampinaniny ny sisan-tsakafon’i Noa ny zanak’Andriamanitra. Izy nanana ny Tenin’Andriamanitra vao. Hoy izy: “Nihaona tamiko tany an’efitra Jehovah Andriamanitra, ary nohamarininy ny Teniny, ka nirahiny aty aho hiantso anareo hivoaka”. Dia niseho ireo mpaka tahaka, nangala tahaka azy. Hitanareo? Saingy izy no nanana ny Teny ho an’ny ora.

Satria, Andriamanitra efa niteny tamin’i Abrahama, ilay nahazo ny teny fikasana hoe: “Ho vahiny any amin’ny tany izay tsy azy ny taranakao, mandritry ny efa-jato taona. Kanefa Izaho hitsidika azy ireo, ka hamoaka azy amin’ny Tànana mahery.”

Hoy Mosesy: “Izao dia hiteny amiko ny Tompo, ary hasehony ahy, ny zavatra efa nolazainy ahy fa hatao, dia izaho hilaza izany aminareo.” Dia hoy izy: “ IZAHO IZAY IZY no naniraka ahy.” “IZAHO IZAY IZY”, fa tsy “Izaho efa Izy, na ho Izy”, ankehitriny, ny Teny ho amin’izao fotoana. Tsy ny Teny taloha, na ny Teny izay ho avy, fa ny Teny izay izao. Hitanareo? Azonareo ? “IZAHO IZAY IZY” no Teny. Tamin’ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin’Andriamanitra. Marina ve izany? “IZAHO IZAY IZY, Andriamanitra, no naniraka ahy ho mpaminaniny, hanaporofo Ity ho ny Marina. IZAHO IZAY IZY valin’ity Teny ity no naniraka ahy hankaty, ary hanatanteraka izao zavatra izao.”.

Ka rehefa nanao izany izy, dia hoy Farao: “Manana tanora maro mahavita toy izany koa izahay ato amin’ny fikambananay”. —ireo mpaka tahaka. Jesosy nilaza hoe: “Mbola hiverina indray izany amin’ny andro farany.” Hitanareo, izy ireo hanambara zavatra mitovy ihany. Jereo iza no tonga voalohany. Jereo iza no nitoetra tamin’ny Teny. Izay. Araka izany no hamantarana azy. Dia ho hitanareo izany.

Hitantsika fa Mosesy tsy mba nanome azy ireo ny hanin’ny andron’i Noa. “Andao hanamboatra sambofiara, satria izany no Teny, hainareo. Noa, taloha dia nanamboatra sambo fiara”. Tsia, ny voltora no mihinana izany. tsia, tsia, tsia.

Ity dia Teny fikasana. Mariho, ny hafatra dia azony avy tamin’Andriamanitra. Ny Tenin’Andriamanitra marina, voatendry ho an’io fotoana io, no azony.

Jesosy, tsy namahana ny vahoaka tamin’ny sisan-kanin’i Mosesy. Mosesy dia nahazo ny Teny voatokana ho an’izany fotoana izany, kanefa Mosesy dia mpaminany ihany. Fa eto izao, dia Andriamanitra mihitsy, hitanareo. Izy tsy mba hanome azy ireo ny sisan-kanin’i Mosesy mihitsy. Fa jereo fotsiny ireo voltora tao amin’io rafi-pandaminana io, akory ny hatendan-kanina nihinany izany sisa izany. “Mahafantatra izahay! Manana an’i Mosesy izahay, tsy mila manana Anao izahay”. 

Hoy Izy: “Fa raha nahafantatra an’i Mosesy hianareo, dia ho nahafantatra Ahy, satria nilaza mikasika Ahy izy”. Oh!lala! Hitanareo? “Izay misy ny vatana maty no hiangonan’ny voromahery” Voromahery! Izay vao maty amin’ny Teny. Ny Teny izay nitsangana, nohamafisina, ary naseho, dia natolotra ho Hanin’ny ankizy. Fa ilay faty izay napetraka teo efa taonjato maro izao, dia hijanona eo.

Izany ihany ankehitriny! Luther dia nitondra ny hafatry ny fibebahana. Kanefa ianareo Loteriana, nanjary voltora, rehefa ireo Batista nitondra hafatra iray hafa. Saingy ianareo Batista koa dia lasa voltora, rehefa nitondra hafatra iray vaovao ny hetsika Pentekotista. Kanefa ankehitriny dia fotoana fodiana an-Trano, koa manjary tarika voltora ianareo Pentekotista! Fa:“Izay misy ny vatana maty no hiangonan’ny voromahery”.

Tsarovy fa tamin’ny andron’i Luther, tsy ho afaka namahana Loteriana tamina fatimbiby katolika ianareo (Ankehitriny ianareo mahavita izany). Tsia, Andriamatoa. Nanana hena vao izy ireo, ilay voatokana ho an’io taom-piangonany. 

Tsy ho afaka namahana Metodista tamin’ny hafatr’i Luther ianareo. Oh! tsia, tsy ho nila fatimbiby efa simba izy ireo. Hitanareo, efa niala tao ny Aina ka nifindra tany an-toeran-kafa. Izany ny mololo antitra, izay maty, ka ilaozana eo. Fa ny Aina mandroso hatrany.

Tsy afaka koa ianareo hamahana ny Ampakarin’i Kristy amin’ny pentekotisma ianareo. Tsia dia tsia! Rafi-pandaminana potiky ny olitra? Tsy azo heverina na kely aza! Tsia, tsia! Satria ny teny fikasana dia ity: “Indro, Izaho haniraka an’i Elia mpaminany ho aminareo, dieny tsy mbola tonga ny andron’ i Jehovah, ilay lehibe sady mahatahotra; Izy hampody ny fon’ny zanaka amin’ny finoan’ny rainy.” Hoy Izy: “Ireo teny fikasana rehetra natao ao amin’ny Baiboly ireo, Izaho hanatanteraka azy, ary eo no hiangonan’ny voromahery: “Izay rehetra omen’ny Raiko Ahy no hanatona Ahy.” Hitanareo?

Tsy mba nanandrana nanao izany Jesosy. Fa nony tonga Jesosy dia andiana voltora nitangorona maro be no hitany: “Izahay manana an’ i Mosesy sy ny Lalàna”, hitanareo? Tsara fihinana izany fahiny, raha vao novonoina izany ka nomena azy ireo. Hitanareo, nety tsara izany tamin’izany fotoana. Kanefa i Mosesy, izy izay namono ny fanatitra mihitsy, no naminany hoe: “Mpaminany avy eo aminao, dia avy amin’ny rahalahinao, tahaka ahy, no hatsangan’ i Jehovah Andriamanitrao ho anao, izy no hohenoinareo!” Ary tanteraka izany.

Jereo, ahoana no nahatanteraka faminaniana sahabo ho enin-jato samy hafa, mikasika an’i Jesosy Kristy, tao amin’ny Testamenta Taloha. “Manindrona ny tongotro aman-tànako izy.” Adinoko: firy no tanteraka nandritry ny fito na valo ora farany niainany. Ireo mpaminany rehetra dia naminany izany marina tokoa.

Raha androany aho haminany zavatra iray tokony hitranga ato anatin’ny iray taona dia ho 20% ny rizikiko hahita izany ho tanteraka. Ary, raha haminany ny fotoana marina hitrangany aho, dia hihakely ny rizikiko. Ary raha hanondro ny toerana aho, dia mbola hihakely hatrany ny rizikiko. Ary raha haminany ny olona hahatanteraka izany aho, dia ho iray anaty ny arivo sisa hahitana izany hitranga, na mety tsy ho tanteraka mihitsy.

Ary ny Teny rehetra, haleloa, nosoratana mikasika io Mesia io, dia tanteraka ara-bakiteny. Indray andro aza, raha namaky ny Soratra Izy, dia najanony afovoan’ny fehezan-teny iray izany, satria ny ambiny dia ho amin’ny Fiaviany faharoa. Amena! “Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa tsy mba ny Teniko.”

Izy no Teny niveloman’izy ireo. Niteny ny Marina tamin’izy ireo i Mosesy, saingy, hitanareo, nanamboarany anaram-piangonana hatrany izany, ho an’ireo volotora… 

Nisy sisan-kanina kely tavela, rehefa avy nihinana ireo voromahery, ka lasa nody fany an-Trano. Dia niandry zavatra hafa izy ireo. Hoy izy ireo: “Ny Teny dia tokony ho tonga. Omaly isika nihinana ombimanga, rahampitso isika hihinana hen’ondry.” Azonareo ny tiako lazaina? “Io misy fatin’ombimanga ela, ifaliantsika izao, fa hisy hen’ondry ho tonga anio. Aiza no misy izany?” Hitanareo ve ny tiako lazaina? Sakafon’Anjely! Ny vahoaka izay nihinana ny Mana, raha nanandrana nitahiry izany ho amin’ny andro manaraka dia nahita izany feno olitra.

Mariho, ireo voltora, tamin’ny andron’ i Jesosy dia nandroaka demonia ihany koa, voahosotra sandoka nihinana fatimbiby antitra. Tsy izany? Nandroaka demonia izy ireo. Izany koa no nolazain’i Jesosy. Ary, aza adino, fa nanana mpaminany koa isy ireo, tamin’izany fotoana. Kaiafa, ilay mpisoronabe, dia naminany. Firy mahafantatra izany? Naminany i Kaifa. Mariho ny fipetraky ny tsimparifary eo an-tsaha izay, toy ny vary, irotsahan’ny hosotra koa. Nahoana ny Baiboly milaza fa naminany izy? —satria “izy no mpisoronabe tamin’io taona io.” Mpihinana fatimbiby, ahidratsy sy songosongo, naniry teo anivon’ny voambary, kanefa teo aminy ny tena Fanahy Masina. Ny Fanahy Masin’Andriamanitra dia teo aminy, nitoriany Teny, naminaniany ary nanambarany ny zavatra ho avy. Kanefa ilay Teny tena Izy nohamarinina ho an’io ora io, dia nolaviny, ary nombohany tamin’ny Hazo fijaliana.

Oh! Mamindrà fo, rahalahy, firy ny fotoana anananantsika hilazana izany zavatra izany amin’ny alàlan’ireo Soratra Masina? Hanafaingana aho. Soratra Masina folo pejy no anananako, mba hanaporofoana ny zavatra rehetra. “Ny masoandro miposaka amin’ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy.”

Jesosy dia niteny, ho fanaporofoana izany hoe: “Raha ny rantsan-tànan’Andriamanitra no amoahako ny demonia, iza kosa kosa no amoahan’ny zanakareo azy?” Nandroaka demonia izy ireo, naminany izy ireo. Tsy izany? Kanefa ireo tsy nahalala Azy, amin’ny maha Teny ho an’io andro io Azy. Fa nahoana? —Satria Izy tsy nikambana tamin’izy ireo.

Izao, raiso ny Matio 24:24. “Kristy sandoka”, voahosotra sandoka. Hisy hitsangana, ary izy ireo dia ho mpaminany sandoka, haminany, hitanareo, ka na ireo olom-boafidy aza ho fitahiny, raha azo atao. Azonareo izany izao?

 “Raha Izaho mandroaka demonia amin’ny Tenin’Andriamanitra (ary Izy no Tenin’Andriamanitra), amin’iza àry ireo zanaky ny anaram-piangonanareo no mandroaka ireny?” —Kanefa Andriamanitra irery ihany no afaka mandroaka demonia. Tsy misy afa-tsy Andriamanitra. Satria ny lehilahy mahery, tsy maintsy mahery noho ilay lehilahy ao an-trano. Nahazo fahefana nanao izany izy ireo.

Hainareo, ao amin’ny Apokalipsy 17:8, ny mikasika ilay antikristy izay hiseho amin’ny andro farany, “hanao famantarana sy fahagagana, izay hamitaka izay monina ambonin’ny tany, kristiana sy ny hafa, ireo rehetra tsy manana ny anarany voasoratra ao amin’ny Bokin’ny Fiainan’ny Zanak’ondry.” Izany dia mamaly ny Matio 24:24: “ireo rehetra tsy manana ny anarany voasoratra ao amin’ny Bokin’ny Fiainan’ny Zanak’ondry, talohan’ny nanorenana izao tontolo izao.”

Io Aina, izay tao amin’ny fakan’io foto-boasary io, izay niakatra tao amin’ny sampan’ny voasary makirana, sy ireo hafa, ka nifindra tao amin’ny voankazo, eo an-tampon’ny hazo, ambonin’ireo anaram-piangonan’ireo sampana sy ravina. Azonareo izany? Hanafaingana aho. Ilay lehilahy mahery…

Eto dia tsarovy Davida. Izy dia marina, sady mahitsy-fo, niezaka nanao asa, izay tsy nanendrena azy hanao izany. 

“Ireo voahosotra sandoka ireo”, hoy Jesosy, “dia mampianatra dikavilan’ny Soratra Masina ho fotom-pampianarana,” hitanareo, asolony ny Tenin’Andriamanitra, fa tsy ilay Teniny voamarina. Kristy ara-tantara no ampianariny, hitanareo, zavatra nisy taloha. Kanefa ny Baiboly dia milaza fa Izy no “IZAHO IZAY IZY”. Tsy “Izaho efa Izy na ho Izy”, fa Izy ilay Teny velona tsy an-kijanona. Izy dia tao amin’ny fiandohana. Izy dia tao amin’ny taho. Izy dia tao amin’ny ravina. Izy dia tao amin’ny salohy. Izy dia tao amin’ny akofa. Ary ankehitriny IZY, dia ao amin’ny Voa.

Fa izao: izay efa nihemotra ve ho afaka hiaina indray? Io Aina efa niala io ve heverinareo fa mbola hiteny, hiverina hamelona indray io akofa antitra efa maina io? —Tsy mba hanao izany Izy. “Fa izay efa nohazavaina indray mandeha…. dia tsy azo havaozina indray,” satria tsy nanohy ny fiara-namindra tamin’ny Teny izay tonga taminy izy. Maty izy ireo, naniry tsilo sy songosongo, “dia lavina sady akaikin’ny ozona, ary ny hiafarany dia ny hodorana.” Tsy marina ve izany?

Manafaingana araky ny vitako aho izao.

Mampianatra Andriamanitra ara-tantara, hitanareo, izany dia tsy hafa, fa miezaka miaina ny andro lasa. Izany no ataony, raha miteny hoe: “Tsara, Wesley niteny izao sy izao, kanefa Ranona dia niteny izao sy izao.” Lavinareo ny Teny ho an’izao andro izao, ilay Mana voatondro mazava tsara ho an’izao andro izao. Miezaka izy ireo mampidina ao anatin’ny siny hoditra vao antsika, ireo divainy antitra loteriana, batista sy pentekotista. Tsy mety izany. Ary ny Divaintsika vao koa, tsy hiasa ao anatin’ny sininy antitra. Raha hanandrana hampiditra io Divay vao io, ao amin’ny anaram-piangonana izy ireo dia hiseho ny hadalany. Tsy afaka hanao izany ireo. Hampisaratsaraka azy izany. 

-“Rahalahy, izao vao tena hitako ny Tenin’Andriamanitra, mazava amiko tanteraka ny Teny.”

-“Nefa, jereo moa, raha araka an’i Docteur Ranona, dia tsy afaka handray an’Io isika, ry Ned. Heveriko fa tara loatra ny nahazoanao kely tamin’izany. Isika, tsy afaka mandray izany fotsiny izao. Izaho aza te-hihevitra fa ianao kosa no tokony miala.”

Hainareo, hitanareo, fa tsy ho mety aminy izany, hitondra fivakisana izany. “Tsy misy olona manjaitra tapa-damba vao amina lamba tonta,” satria handrovitra azy rehetra izany. Hitanareo? Tsy efa nilaza izany ve Jesosy? —“Tsy misy manisy divay vao anaty siny hoditra tonta, raha izany dia ho triatra ny siny hoditra”, satria ny divay vao dia manana hery ao aminy.

Misy zavatra jerentsika faingana, raha hamarana isika. Ao amin’ny Apokalypsy 16:13-14 izany, raha tianareo ho marihina. Te-hanampotoana kely aho hijerena izany. mariho fa izany dia eo anelanelan’ny lovia fahenina sy fahafito.

Tena hamarana isika izao.

Apokalypsy 16:13-14, eo anelanelan’ny lovia fahenina sy fahafito. « fanahy maloto telo tahaka ny sahona» (hitanareo izany?) avy tamin'ny vavan'ny anankiray. Ary izao, mariho faingana. Vonona ianareo? Teneno “Amena” [“Amena” hoy ireo mpivory —Ed.] Izany dia “telo-izay-iray” ana fanahy!

Ary izao, ianareo rahalahy avy amin’anaram-piangonana, mahareta kely iray minitra. Aza mitsangana ka hivoaka ny fiangonana, ary ianareo any lavitra aza vonoina ny radio, na ny telefaona, na ny fakana horonampeo. Tonia iray minitra monja, ary mihainoa. Raha naterak’Andriamanitra ianareo, dia hihaino.

“Telo-izay-iray” ana sahona! Ny sahona dia biby mijery any aoriany mandrakariva. Tsy mba mijery izay halehany izy, fa mijery izay niaviany. Hitanareo? Sa tsy hitanareo? Taiza no niandohan’ny fampianaran’ny telo-izay-iray? Tsarovy, “fanahy maloto telo” samihafa. Voarainareo ve? [“Amena” hoy ireo mpivory —Ed.] 

Any aoriana, any amin’ny konsilin’i Nikea, toerana nipoiran’ny fampianaran’ny “telo-izay-iray” izy ireo no mijery, fa tsy ao amin’ny Baiboly. Akory ny zavatra toy izany. Mitodika ivoho, any amin’ny konsilin’i Nikea, any Roma, izay nahaterahan’ny “telo-izay-iray” izy ireo. Mariho avy taiza no niavian’izy ireo

Ary ny telo-izay-iray ana sahona dia nivoaka avy tamin’ny “telo-izay-iray” antitra iray, ny renin’izy ireo. Inona no nivoahan’ ireo? —Ny “telo-izay-iray” anankiray, izay misy “ny dragona”; hitanareo, “ny bibi-dia”, ary “ny mpaminany sandoka.” Telo-izay-iray anankiray vaovao, ana sahona. Hatramin’ny oviana no nisehoan’ireo sahona ireo? Rehefa nanao izany izy ireo? —Mariho, fa efa tao ireo hatrizay, saingy tsy niseho raha tsy teo anelanelan’ny lovia fahenina sy fahafito, taloha kely ny nanokafana ireo Tombokase, izay hanambarana izany rehetra izany. Satria ao amin’ny Hafatry ny anjely fahafito no hampahafantarana ireo zava-miafin’Andriamanitra. Izany dia ireo zavatra rehetra an’ny “telo-izay-iray”, sy ny batisa sandoka, ary ireo zavatra rehetra tsy maintsy aharihary. 

Andriamanitra anie hanampy antsika hamantatra ny Marina! Ary tsy hisaina fa izany dia olona miezaka miteny zavatra mba…

Tsapako fa manohitra izany io fanahy io, izao. Hitanareo, rahalahy, tsy miteny teny avy amiko aho, fa miteny avy amin’ny Anjelin’ny Tompo izay eto amin’ny toby, izao. Tena marina izany.

“Telo-izay-iray” anankiray! “Ny dragona” Firy mahafantatra inona ny dragona? —Roma izany. “Ary ny dragona nijanona teo anatrehan’ilay vehivavy mba handrapaka ny zanany raha vao teraka.” Marina izany? Inona no dikan’ny bibidia ao amin’ny Baiboly? —Hery. Tsara. Ny “Mpaminany sandoka” dia sandoka iray, anisan’ireo voahosotra sandoka. Hitanareo?

Taiza no niandohany? —Izany dia “mpaminany sandoka” iray, dia ny pàpa voalohany. Ary avy tamin’izany no nivoahan’ilay vehivavy janga, renin’ny mpijangajanga, sy ny zavatra rehetra. Nitsangana ny “telo-izay-iray” sandoka anankiray. Tsy tany am-piandohana, tsy ho niseho tany am-piandohana mihitsy izy, fa tonga niaraka taminy ary tamin’ny alàlany. Kanefa, rehefa nosokafana ireo Tombokase fito, nanambarana ireo zavamiafina, dia nivoaka ireo fanahy maloto telo, miendrika sahona ireo, ary naneho ny tenany izy ireo, dia fampianarana telo, kanefa iray ihany, izay manohitra ny Fahamarinana. Hitanareo? Hooh!

Jereo avy taiza no niaviany? Jereo aiza no hiverenany? —ny konsily ekiomenika, Mpirahalahy avokoa izy rehetra, na manao ahoana, satria ny fanahy iray ihany, ny zavatra atao iray ihany. Ary jereo, hitovy ny famitahany, ny fanaovany fahagagana! Ary ireo dia demonia manatona ireo andriamanitra rehetra an’izao tontolo izao, manao fahagagana mba hamitaka azy ireo, amin’izao andro farany izao, ary hahomby izy ireo amin’izany. Inona no voalazan’Andiamanitra ny amin’izany demonia izany?

Hoy io fanahy io: “Hidina aho, ary hiditra ao am-bavan’ireo mpaminany, hampitenenako lainga azy ireo, ahatonga an’i Ahaba hankany, ka ho faty.”

Hoy Andriamanitra: “Mandehana. Fa hahomby ianao. Hataonao hino izany izy ireo, satria, voalohany, tsy ao amin’ny Teny izy ireo.” Hitanareo? “Mandehana, satria handresy lahatra azy ianao. Ianao hahavita izany, rehefa ho azonao ireo mpaminany sandoka ireo, satria matoky azy ireo izy. Ary tsy hisy ho fantany ny amin’io, na handinika aza izy. Tsy afaka izy, satria efa tsilo hatra amboalohany.” Hitanareo, hitanareo? “Hahomby ianao.”

Jereo moa ireto sahona sandoka , Mitodika any aroiana, hoy izy:”Ahoana, hainareo izay nolazaina tao Nikea?” —Tsy ahoako izay voalaza tany Nikea fahiny. Ny lazaiko dia izay voalaza eo anoloan’ny Sezafiandrianan’Andriamanitra, dia izay tokony hisy, fa tsy izay nisy, na izay hisy, satria Izy no “IZAHO IZAY IZY”. Hitanareo? Sandoka. Jereo izany. hooh! Mariho, taiza no nipoirany.

Mihainoa am-pifantohana. Hitantsika mazava tsara ny amin’io zavamiafina io, rehefa nosokafana ny Tombokase Fito. Inona ny “telo-izay-iray”? Aiza no misy ““telo-izay-iray””? Aiza ao amin’ny Baiboly mba misy resaka, na tokana aza, mikasika ny teny “telo-izay-iray”? Ahoana no hinoantsika fisian’Andriamanitra telo, sy ahafahantsika manompo izany raha tsy ho mpanompo sampy isika? 

Ahoana no ahafahana manasaraka ireo, kanefa Izy miteny hoe: “Izaho sy ny Ray dia iray ihany”? ary koa; “Raha tsy mino ianareo fa IZAHO NO IZY, dia ho faty amin’ny tsifinoanareo ianareo” . Ny ota dia ny tsifinoana, ho faty amin’ny tsifinoanareo ianareo.

-Oh, iza no ilazanareo Ahy? Avy aiza no ilazanareo Ahy?

-Oh, fantatrareo ve ny Raiko, sa azonareo ambara ny Anarany? — IZAHO no Raozin’i Sarona sy Kintana mamiratra fitarika andro.

-Azonareo lazaina amiko ve Iza Izy? —-“IZAHO Ilay niresaka tamin’i Mosesy tao amin’ny roimemy nirehitra. —-IZAHO no Andriamanitr’i Abrahama, ny Kintana mamiratra fitarika andro —- IZAHO no Raozin’i Sarona; Oh, Avy aiza no ilazanareo Ahy?

-Oh, fantatrareo ve ny Raiko, sa azonareo ambara ny Anarany? (Amena!) —IZAHO no Alfa sy Omega, ilay Fiandohana avy amin’ny Fiafarana. IZAHO ny voahary manontolo, ary Jesosy no Anarany.”

Marina izany: tsy misy izany “telo-izay-iray” izany! Tsia, Andriamatoa. Fahadisoan-kevitra izany. Ny fanokafana ireo Tombokase Fito dia naneho ireo zavamiafina izay tokony ho tanteraka. Ny Tombokase iray voasokatra dia manome, maneho, mampiharihary ireo Fahamarinana izay niafina nandritry ny taona maro, tao anatin’ireo Tombokase ireo; tamin’ireo Taom-Piangonana sy ireo anaram-piangonana nifanesy. 

“Ilay vehivavy mpijangajanga lehibe”, an’ny Apokalypsy 17, iza io vehivavy io? Izy koa anefa no “renin’ireo vehivavy janga.”

 Hilaza ianareo hoe: “Ianao, Rahalahy Branham, miantso azy hoe voltora.” Marina izany, Kanefa, aza adino fa ny voltora dia vorona. Voahosotra ihany koa izy mba hanidina “Hifanakaiky loatra ireo fanahy roa ireo ka na ny olom-boafidy aza dia hofitahina, raha azo atao.” Mitovy habe amin’ny voromahery ny voltora. Afaka manidina toa azy izy. Ary voahosotra hanidina, na hitory teny, na haminany, toa an’ny voromahery izy. Saingy izy tsy afaka hanaraka ny voromahery hanidina any ambony any. Tsia, tsia. Raha hanandrana hanaraka azy any izy dia hiharihary ireo hadalany. Eny, Andriamatoa. Tsy afaka manaraka ny voromahery izy.

Oh! afaka miteny izy hoe: “Izaho mino an’i Jesosy Kristy, ilay Zanak’Andriamanitra. Izaho mino an’Andriamanitr, Ray-Tsitoha, mpahary ny lanitra sy ny tany; Jesosy Kristy, Zanany” sy ny sisa. Oh, azo antoka, afaka miteny izany ireo. Saingy, ahoana ny amin’ny “Izy, tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay”? Hitanareo?

Ny voromahery dia vorona manana toe-batana manokana. Tsy misy mitovy aminy eto ambonin’ny tany. Hitanareo? Raha ny papango, na vorona hafa, hanandrana hanaraka azy, dia ho levona. Hiharihary ny hadalany. Hipoaka izy, raha hanandrana hampidina divay vao anaty siny-hoditra tonta. Hitanareo, hipoaka, dia ho levona, satria ny vatany tsy voarafitra hahatanty ny zavatra any ambony any. Raha hanakatra izany haàvo ambony izany izy, kanefa tsy voaomana, tsy natokana ary tsy voatendry amin’izany, satria tsy teraka voromahery, dia ho potika izy. Hiongotra amin’ny elany ny volony, ary hilatsaka an-tany izy. Tsy isalasalana izany. Tsy afaka manaraka ny voromahey any ambony be any izy. Fa raha manandrana izy, dia hiharihary ny hadalany. Marina izany. Tsy afaka izy.

Satria nahoana? —Tsy .afaka mahita toy ny voromahery izy. Soa inona no ho azo amin’ny fiakarana amin’izany haàvo be izany, raha ianao tsy afaka mahita aiza no misy anao any? Raha hiezaka haka-tahaka ny voromahery hanakatra izany haàvo izany izy dia ho jamba tanteraka ka tsy ho hainy intsony izay ataony. Marina izany. Mihiakiaka izy, dia mihikiaka, manohy toy izany, fa teneno aminy fotsiny ny Teny dia hiharihary ny hadalany. 

Resaho mikasika ny batisa amin’ny Anaran’i Jesosy Kristy izy, na Izy tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay, sy ny hafa rehetra. dia hiteny aminao izy hoe: “Andraso kely!” Hitanareo? Oh, Yah, dia hanomboka hihintsana amin’izay ireo volony. Hitanareo? Mitsambikina etsy sy eroa izy, maminany, mandroaka demonia, miteny amin’ny fiteny tsy fantatra, miantsoantso, mihazakazaka etsy sy eroa ambonin’ny gorodona. Fa aza manandrana manaraka ny voromahery any ambony any, fa dia hiseho tokoa ny hadalanao. 

Izy ihany koa dia voatendry. Izy dia voahosotra. Izy dia afaka manidina, mandihindihy, miakatra ihany koa, fa tsy dia ambony loatra. Hitanareo, afaka mihinana hena masiso izy, fa tsy afaka mihinana ny Hena vao, avy any amin’ny Seza fiandrianana. 

Jamba izy. Sorena izy, nefa tsy fantany izay maha sorena azy. Hitanareo, io Fanahy iray ihany izay milatsaka aminy io, toy ny orana, hanao azy ho vary; kanefa izy tsy vary hatra tany am-piandohana. Mipoaka izy. “Oh, tsy afaka mandroso aho, na kely aza. Oh, tsia, Andriamatoa! Haiko fa Dr Jones dia nilaza hoe…” Eny àry, ka dia mandrosoa. Hitanareo? Mandrosoa, raha izany no tianao.

Mariho, fa izy tsy nateraka, na norafetina, na notendrena ho karazam-borona toy izany. Izy dia mety ho voasary makirana maniry eo amin’ny foto-boahangy iray, fa tsy nipoitra avy tamin’ny fakany. Karazan-javatra nampiana taty aoriana izy. Izy ireo, na lasa ambony indrindra ao amin’ny anaram-piangonany azy aza, dia tsy afaka mamantatra ny Teny voatendry sy voamarina. Fa ny hadalany no miharihary. Hoy ireo: “Hadalana avokoa izany! Io hazavana ambony loha io sy ny miaraka aminy: tsy misy dikany!” Miharihary ny hadalany. 

Tsy natao hahita lavitra be toy izany izy ireo. Tsy afaka mijery mihoatra izay avelan’ny solomason’ny anaram-piangonany izy ireo. Avy eo izy ireo dia jamba toy ny ramanavy. Dia hihariary ny hadalany. Hitanareo? Kanefa eo ny toerana ipetrahan’ireo tena voromahery isakafoanany. Eny, Andriamatoa. Io ny toerana ahitan’ireo tena voromahery inona izy. Rehefa izy tsy afaka mandray an’io Teny io, dia fantantr’izy ireo tsara fa izy dia voltoran'anaram-piangonana.

Maninona izy no tsy afaka hanidina ambony? —Satria, jereo ny sakafo fihinany: fatim-biby lò an’anaram-piangonana. Tsy ho afaka hanova ny vatany ho “ara-panahy” izany, hanome azy fijery “ara-panahy”, izany hoe, tsy afaka mamoaka azy ihoarany ireo fahasamihafan’ireo anaram-piangonanana. Hitanareo, hitanareo, sakafo efa simba no nohaniny, dia izany no ao amin’ny vatany. Koa, tsy afaka hiakatra izy any amin’izay misy io Hena vao nentin’io voromahery io. Ty afaka manao izany fotsiny izao izy. Hitanareo?a

Tanteraka eto ny Matio 24:24. Manidina izy, mitsambikina eny amin’ny rivotra, mikopaka ireo elany, fa izy tsy afaka hanidina ambony loatra. Hitanareo? Marina izany. Jereo izy fa tsy afaka mandroso, tsy afaka hanakatra io Mana vao io. Ny efany hohanina dia ny mana efa simba ambonin’ny tany, ireo bitrodia maty efa herinandro iray, na volana iray, na efa efapolo taona aza, efa feno aretina. Afaka mihinana izany izy, mifaliavanja eny amboniny, maneno, mihiakiaka, mitsambikina, ary manidina toy ny hoe voromahery iray izy. Voahosotra izy, misandoka ho vorona hafa. 

Miendrika voromahery izy, fa izy dia papango. Haintsika izany. Tena izany izy, kanefa tsy mba haharaka ny tena voromahery mihitsy izy. Hitanareo? Tsy afaka ny hahavita izany izy. Tsia, Andriamatoa. Tsy voarafitra ho amin’izany ny tenany. Zavatra efa simba isan-karazany no ohaniny, hitanareo, ka izy tsy te-hihinana ny Hena vao, ny Mana vao. Ny ho tiany, dia zavatra toy ny voalazan’i Lotera, na Wesley, na Dr Ranona sy Dr Ranona. Fa tsy hila izay lazain’i Jesosy ho an’izao ora izao izy.

Handroso isika izao, dia hamarana. Lehilahy voahosotra, “kristy”, amin’ireo andro farany, kanefa ireo dia mpampianatra sandoka sy mpaminany sandoka. Mahagaga loatra! Tiako ianareo izao hampitaha zavatra. Tsy manam-potoana hamakiana isika, fa tiako ampitahainareo ny Matio 24:24 sy 2 Timoty 3:1-8. 

Matio 24:24 dia milaza fa amin’ny andro farany dia hisy kristy sandoka sy mpaminany sandoka hipoitra, izay haneho famantarana sy fahagagana mitovy amin’ny Tena izy ary hila hahafitaka ireo olom-boafidy izy ireo. Mariho fa Jesosy no niteny izany.

Dia tonga koa i Paoly, taorinany, nanambara hoe: “Any am-parany any, ny olona dia ho lasa mpivavaka, hitanareo, hanana ny endriky ny toe-panahy araka an’Andriamanitra. Ary izy ireo hahalasa babo vehivavy adaladala, vesaran’ny fahotana isan-karazany sy entin’ny filana maro an’izao- tontolo-izao.”

Gaga izy ireo, ka nanontany hoe: “Nahoana ianao no manenjika ireo vehivavy ireo?” —Oh, Tsy afaka mamantara izany fotsiny izao izy ireo. “Hahalasa babo vehivavy adaladala, vesaran’ny fahotana isan-karazany.” Ary, “tahaka ny nanoheran’i Jana sy Jambra an’i Mosesy no hanoheran’ireo olona voavadika, voavadika saina mikasika ny Finoana.” Tsy “finoana iray", fa “ny Finoana” 

Iray ny Tompo, iray ny finoana, iray ny batisa… Tsy afaka hanana “Finoana tokana” ianao raha tsy mino “Tompo tokana”. Tsy afaka hanana batisa roa samy hafa ianao, na iray amin’ny Ray, ny Zanaka, ny Fanahy Masina. Ny “batisa tokana” dia amin’ny Anaran’i Jesosy Kristy. Marina izany. hitanareo, ny hafa dia sandoka!

Rehefa any an-trano ianareo, dia ampitahao ireo. Mariho fa Jesosy no miteny ao amin’ny Matio 24:24, ary Paoly no miteny ao amin’ny 2 Timoty 3:8, sy maro hafa.

Ary makà andininy hafa, Lioka 17:30 sy Malakia 3:24.

Tahaka ny nanoheran’i Jana sy Jambra an’i Mosesy, izay nitondra ny Teny voahosotra ho an’izany andro izany, ireo lehilahy ireo, tsy lehilahy tokana, fa lehilahy maro, ireo voahosotra sandoka ireo, dia hanohitra ny Fahamarinana.

Amin’ny andro anehoana ny Zanak’olona indrindra — Apokalypsy 10:1-7 (vakio izany any an-trano)— no manokatra ireo Tombokase ny hafatry ny anjely fahafito. Inona izany? —Tsy ilay anjely no Zanak’olona, fa izy no iraka haneho ny Zanak’olona. Afaka manavaka izany ianareo izao? Eo no toa sarotra raisinareo, hitanareo. Tsy ny Zanak’olona, Izy Tenany, fa ny anjely fahafito, ny iraka fahafito, no haneho ny Zanak’olona amin’ny vahoaka, satria efa nilaozany ny akofa. Tsy afaka alamina Izany. efa ny Voa izany, Izy Tenany, tafaverina indray.

Ary amin’izany andro izany, no hanohitra i Jana sy Jambra, ireo voahosotra sandoka (ireo mitonon-tena ho mpino sy ireo tsimpino, ny fiangonana ara-pombafomba sy ireo Pentekotista) dia hitsangana hanohitra ny tena Voa. Saingy aza atao manaitra, fa hibaribary ny hadalany, araka ny ananany avy. Azonareo amin’izay ve? [“Amena” hoy ireo mpivory —Ed.]

Apokalypsy 10: 7 dia milaza “fa amin’ny andro hitsofan’ny anjely fahafito” Fa izao, tsarovy, fahafito dia manondro ny Taom-piangonan’i Laodikia. Ny fitsofan’io anjely io, dia amin’ny fotoana ahazoan’io fiangonana anarana, mamaritra ny fiandohana Taom-Piangonana iray, rehefa tonga ny rafi-pandaminana pentekotista, rehefa ny iraka…. 

Inona ireo iraka mpitondra hafatra ireo? Inona i Martin Luther? —fanakianana ho an’ireo katolika. Inona i Wesley? —fanakianana ho an’ny Loteriana. Inona ireo Pentekotista? —fanakianana ho an’ireo hafa talohany. Nankaiza anefa ny Aina ankehitriny? —ivelan’ny rafi-pandaminana rehetra. Tsy misy akofa intsony; fa ny Voambary sisa. Inona izy io? —fanakianana ho an’ireo Pentekotista; ho fanatanterahana ny Soratra Masina ho an’izao ora izao. Hitanareo?.

Mariho, ny andro, rehefa io iraka io… Tsy tamin’ny nanombohany niasa , fa tamin’ny niandohany nanambara ny Hafatra nentiny. Hitanareo? Ny Sintona voalohany dia ny fanasitranana, ny Sintona faharoa dia ny faminaniana, ary ny Sintona fahatelo dia ny fanalana sarona ny Teny, fanambarana ireo zavamiafina. Tsy misy ambaratonga ambony noho ny mpaminany amin’ny fanambarana ny Teny. Fa ny fomba tokana hanamarinana ny mpaminany iray, dia amin’ny Teny. Ary aza adino, fa ny Sintona fahatelo dia ny fanokafana ireo Tombokase fito, nanambarana ny Fahamarinana nafenina, voaisy tombokase tao amin’ny Teny. Hitanareo ve izany? [“Amena” hoy ireo mpivory —Ed.]

Ary amin’izany andro izany, rehefa hipetraka izany, no hipoitra indray i Jana sy Jambra, ireo mpaka tahaka, toy ny nataony nony tonga i Mosesy nitondra ny Teny voalohany, mba hitory izany. Ary tonga kosa ireo hangala-tahaka izany, tena hitovy. Dia hitanareo mazava izao inona Matio 24:24? Hitanareo, voahosotra sandoka!.

Alohan’ny hamaranana, dia misy zavatra telo tiako resahina. Tiako raha hifantoka tsara ianareo. Tadidio: zavatra telo no efa tanteraka. Ary zavatra telo no mbola eo anoloanareo ankehitriny.

Voalohany: Izao tontolo izao dia hanana toetra sodomita. Jesosy dia niteny fa ho tanteraka izany. Jereo ny fiharatsiana misy ankehitriny. Ny vehivavintsika miezaka hanana fihetsika lehilahy. Ary ny lehilahintsika miezaka ho toy ny vehivavy, mivavivavy toetra, simba, maloto, latsaka, itoeran’ny devoly kanefa tsy fantany. Ny Baiboly milaza fa hisy izany, ary izany no misy izao.

Faharoa: Amin’io fotoana io, araka ny Soratra Masina, no hipoiran’i Jana sy Jambra indray.

Fahatelo: Amin’io fotoana io ihany no haseho ny Zanak’ olona.

Indreo àry ireo “mpino”, ireo “mpihevi-tena ho mpino”, ary ireo “tsimpino”. Io, eo io, ny tena Teny, miseho, voamarina. Indreo ireo mpihevi-tena ho mpino, maka tahaka Izany. Ary , indreo ireo tsimpino mitsipaka ny rehetra.

Fa hisy hazavana rehefa ho hariva,
Ny làlan’ny voninahitra, tena ho hitanareo (Marina izany?);
Rava ireo firenena, mifoha Isiraely;
Famantarana efa nambaran’ny Baibolintsika:
Hifarana ny andron’ny Jentilisa (Sodoma);
Modia, oh, ianareo vahoaka niparitaka;
Meteza fenoin’ny Fanahin’Andriamanitra,
Diovy sy sasao ny fanilonareo (hahitanareo ny Tenin’ny ora);
Miandrandrà, akaiky ny fanavotana anareo!
Ny mpaminany sandoka mamitaka, (efa voalaza fa ho eo ireo)
Laviny ny Fahamarinan’Andriamanitra;
Fa Jesosy-Kristy no Andriamanitsika.

Izany no izy, tsy mino Azy ireo. Ny Baiboly efa nilaza fa izany no toe-javatra hisy eto. Dia eto tokoa izany izao!

Fa isika hanaraka izay nalehan’ireo apostoly
Antomotra, dia antomotra ny andro’ny fanavotana;
Mihorohoron-tahotra ny fon’ny olona (izao-tontolo-izao latsaka)
Oh, meteza fenoin’ny Fanahin’Andriamanitra,
Diovy sy sasao ny fanilonareo
Miandrandrà, akaiky ny fanavotana anareo!

Mino izany ve ianareo? [“Amena” hoy ireo mpivory —Ed.]. Andao àry isika hanondrika ny lohantsika. 

Ny Hafatra dia miely ao amin’ny firenena, hatrany amin’ny morontsiraka atsinanana ka hatrany andrefana. Hatrany California, ka hatrany New York. Hatrany Atsimo ka hatrany Avaratra. Hatrany amin’ireny misiona ireny sy ireo hafa koa. Ary eto amin’ny tabernacle. Mahantra isika. Tsy manana ireny zavatra lehibe mamirapiratra ireny, ireny fandaharana amin’ny fahitalavitra ireny. Miezaka fotsiny manao izay azonay atao izahay. “Fa izay rehetra nomen’ny Ray Ahy no hanatona Ahy.” 

Fa izao, tiako ho fantatrareo fa azo antoka ity. Ary ianareo izay mihaino ity horonampeo ity, mety hihevitra fa ireo voalazako ireo dia avy amiko, avy amin’izay nangoniko nanomanako io Hafatra io. Kanefa tsy nisy nidirako mihitsy tamin’io na kely aza. Satria izaho tsy hafa fa feo fotsiny ihany. Ary ny feoko aza dia manohitra ny fiheverako tsara indrindra, araka ny fisainako. Saingy, izany no sitrapon’ny Raiko, izay ambarako fa hatao, ary voatendry hatao. 

Tsy izaho Ilay nidina teo ambonin’ny ony, fa izaho no nijoro fotsiny teo, raha niseho Izy. Tsy izaho Ilay nanatanteraka ireny zavatra ireny, sy naminany ireo tranga tsy nisy diso. Fa izaho fotsiny ilay teo anilany fony Izy nanao ireny. Izaho dia feo iray fotsiny izay ampiasainy hitenenany izany. Tsy izay fantatro ireny, fa nanolotra ny tenako tAminy fotsiny aho mba nahafahany niteny tamin’ny alàlako. Tsy izaho izany, tsy ny anjely fahafito izany, oh! tsia! Izany dia ny fisehoan’ny Zanak’olona. Tsy ilay anjely izany, ny Hafany. Fa izany ny zavamiafina izay nasehon’Andriamanitra. Tsy olona nanao izany, fa Andriamanitra. Ilay anjely akory tsy ny Zanak’olona, fa izy dia mpitondra hafatra avy amin’ny Zanak’olona. Ary Kristy no Zanak’olona. Izy no Ilay ivelomanareo. Tsy mivelona amina olombelona iray ianareo, satria ny teniny ho diso. Fa ianareo dia mivelona amin’ny “Vatana Teny” tsy mety diso an’ny Zanak’olona. 

Raha ianareo mbola tsy tena vokin’ny Teny rehetra izay hanome anareo ny hery hanidinanareo eny ambonin’ireny anaram-piangonana ireny sy ireo zavatr’izao tontolo izao, hataovy izany izao, mandritry ny fotoana ivavahantsika.

Ray malala, zavatra tena mafy iny. Tsy mora ho an’ny olona iray mety maty ny niteny iny. Ianao mahafantatra ny zavatra rehetra. Ary mangataka Aminao aho, Andriamanitra malala, mba tsy ho diso fandray ny olona amin’izy iny. Fa aoka anie amin’ny Hazavan’ny Teninao no hamindran’ny vahoaka.

Ary, Andriamanitra-Ray, izaho tsy mahalala iza avy ireo olom-boafidy. Ianao no mahalala. Izaho tsy mahay oviana ny Fiavianao. Fa ny zavatra fantatro fotsiny, dia Ianao nilaza oviana no miditra an-tsehatra ireo voahosotra sandoka ireo, fa tsy oviana no nanombohany. 

Nilaozan’i Mosesy fotsiny ireo, satria tsy nahavita mihoatra izany izy. Izay nolazainao azy ihany no azony nolazaina. Nasainao niantso lalitra izy, dia niantso izany. Nasainao nanova ny rano ho rà izy, dia nataony izany. Mosesy tsy nanao afa-tsy nitondra ny Teninao, ary ny Teninao ihany, fa Ianao no Ilay nahatonga ny hadalana niharihary.

Fa izao, Ray, Ianao anefa no Andriamanitra. Io Teny io ihany no milaza fa hitranga izany amin’ireo andro farany. Tsy vitsy ireo olona marina, toy ny voalazako tamin’ny Alahady lasa, izay mikasi-tànana ilay fiaran’ny fanekena ambony sarety vao, fa tsy an-tsoroky ny levita, ka maty, “maty tao amin’ny ota sy heloka”, satria nanohitra ny fieritreretany.

Maro ireo mpanompon’Andriamanitra, ao amin’ny biraony, raha mamaky io Teny io, izay mamadika faingana ny pejy, fandrao ho voaroaka, ka hamery ny toerany eo amin’ny fiarahamonina, eo amin’ny vahoaka, ao am-piangonany, ary ao amin’ny anaram-piangonany. Ampio izahay, Andriamanitra, mba tsy hanaovanay toy izany na oviana, na oviana.

Diovy ny fonay, Tompo, amin’ny loton’izao-tontolo-izao. Tompo, mijoro aho, vonona ho diovina. Mijoro aho, vonona, miaraka amin’ny fiangonana sy ireo rehetra mihaino izao, ary ireo rehetra hihaino ity horonampeo ity. Mijoro aho, Tompo, ary mangataka ho diovina. Tompo, ento ao an-tranon’ny mpanefy tanimanga aho, ka ravao, ary tefeo mba ho tonga mpanompo araka ny itiavanao azy. Satria, Tompo Jesosy, “lehilahy maloto molotra” aho, araka ny voalazan’Isaia, “sady ato amin’ny firenena maloto molotra no itoerako”, ary “lozako! Fa izaho nahita ny fanambarana an’Andriamanitra voaseho,” toa an’Isaia, raha nahita ilay Anjely tao amin’ny Tempoly izy. Hitako ny fiafaran’ny fotoana, Tompo, ary lozako sy an’ny ankohonako, lozako sy an’ny fireneko. Andriamanitra Mandrakizay, ò, mamindrà fo aminay, mitalaho izany aho ho ahy sy ny vahoaka. Aoka izahay tsy ho faty hiaraka amin’ireo tsimpino, fa aoka izahay ho velona hiaraka amin’ireo mpino.

Tsy afaka mangataka Anao hitahy anaram-piangnana aho, satria haiko fa manohitra izany Ianao. kanefa afaka miteny ihany aho, Tompo, raha manana ondry ivelanay Ianao, aoka izy ireo handray ity horonampeo ity. Aoka izy ireo hihaino ity, Tompo, sady hahazo izany amin’ny fahazoana izay homenao azy ireo, ary aoka ireo hivoaka ka handray Anao. Aoka izy ireo tsy ho voafitaky ny hajambana sy ny fomban-drazan’izao andro izao. Aoka izy ireo tsy hiezaka hihinana zavatra hafa, na sisan-kaninan’ny andro hafa. Aoka izy ireo handray ny Teny.

Araka izany no nanomboan’ireo Fariseo Anao, Tompo. Izy ireo nandray ny sisan-kanina simba an’ny andron’i Mosesy, ary niezaka nifaly tamin’izany, rehefa avy nomenao ny endriky ny mana vao isan’alina, tany an’efitra, ho endriky ny taranaka tsirairay. Tao no nahalavo azy ireo. Nanapoizina azy izany. nahafaty azy ireo ny nihinana izany hanina efa simba izany.

Ary izany ihany no ataon’izy ireo ankehitriny, amin’ny lafiny ara-panahy, ka mahafaty azy ireo ara-panahy, amina anaram-piangonana. Ampio izahay, Andriamanitra malala. Eo an-Tànanao izany rehetra izany izao. Amin’ny Anaran’i Jesosy-Kristy.

Raha mbola manondrika ny lohantsika isika, dia andeha hihira, ary ianareo manapaha hevitra, mandritra izany: Hanohy hatramin’ny farany ve ianareo?

Afaka mandre ny Tompo aho miantso… (ary Izy no Teny)
Afaka mandre…

“Oh, nivezivezy fotoana ela aho. Fa izao aho tena nandre Azy: ‘Manatòna Ahy ianareo izay nirenireny. Mihainoa: Raiso ny hazofijalianao, dia manaraha Ahy, isan’andro. Eny, na hamakivaky ny lohasahan’ny aloky ny fahafatesana aza aho, tsy hatahotra izay ratsy rehetra. Mipetraka eo amin’ny ahi-maitso, sy amoron’ireo rano fialan-tsasatra aho.”

Ary n’aiza n’aiza hitarihany ahy…

Tompo, hitako io fahadalana “telo-izay-iray” io. Hitako izao-tontolo-izao voafafy an’izy io. Ahi-dratsy maro no miroborobo eny rehetra eny. Fa izay itondranao ahy, Tompo, dia hanao toy ireo ao amin’ny Asa 19 aho: Rehefa nandre izany izy ireo, dia natao batisa tamin’ny Anaran’i Jesosy Kristy.

….. manaraka; 

(Efa nahavta ampahan-dàlana aho, Tompo, ampy handraisako Anao.) 

… Izao aho hiaraka Aminy hatramin’ny farany. 

[Rahalahy Branham manomboka manao ny feonkiran’ny Izay itarihany ahy —Ed.]

Andriamanitra malala, matoky aho fa avy amin’ny foko izany. Matoky aho fa mahatsapa amin’ny fony ny tsirairay fa fihirana ho an’izao fotoana izany, ary mety ho toy izany amin’izay rehetra hihaino ity horonampeo ity, izay tsy eto, na tsy mihaino ity izao aza. Aoka, Tompo, ny fanantenanay tsy hijery ny sarany tsy maintsy hefaina. Hoy Ianao: “Toy ny lehilahy iray handeha hiatrika tafika, miaramila iray, mpanjaka iray; voalohany, mitoetra izy ary mandanjalanja raha hahavita izany.” Afaka hiala amin’ny zavatra rehetra an”izao-tontolo-izao ve izy? Afaka manolo-tena ve ianao, hiditra ao amin’ny tafiky ny Tenin’Andriamanitra voasoratra? hamindra miaraka amin’ireo Miaramilany? hanidina miaraka amin’ireo Voromaheriny? “ Omeo izany, Tompo, amin’ny Anaran’i Jesosy Kristy.

Mino ve ianareo? Ekenareo ve Izy? Tena tsara. Hahita anareo indray aho rahariva, raha sitrapon’ny Tompo. Inoanareo ve fa izany no Marina? [“Amena” hoy ireo mpivoy —Ed.] Efa feno tsara ve izany? [“Amena” hoy ireo mpivory —Ed.] 

Koa, raiso ny Anaran’i Jesosy aminao,
Zanaky ny fahoriana sy ny fijaliana,
Homeny fifaliana dy fiadanana ianao,
Raiso…

Izao, mandraisa tànana izay akaiky anao

Anarana sarobidy, ô mamy loatra!
Fanantenan’ny tany, fifalian’ny Lanitra
Anarana sarobidy, ô mamy loatra!
Fanantenan’ny tany, fifaliann’ny Lanitra.

Miondrika amin’ny Anaran’i Jesosy,
Mandohalika eo an-Tongony,
Mpanjakan’ny mpanjaka, any an-Danitra
Ho satrointsika satroboninahitra (dia ho Andriamanitra Izy)
Rehefa ho tapitra ny diantsika,
Anarana sarobidy, Anarana sarobidy
Ȏ mamy loatra! ô mamy loatra!
Fanantenan’ny tany, fifalian’ny Lanitra,
Anarana sarobidy, ô mamy loatra!
Fanantenan’ny tany, fifalian’ny Lanitra.

Miondrika amin’ny Anaran’i Jesosy,
Mandohalika eo an-Tongony,
Mpanjakan’ny mpanjaka, any an-Danitra
Ho satrointsika satroboninahitra (dia ho Andriamanitra Izy)
Rehefa ho tapitra ny diantsika,
Anarana sarobidy, Anarana sarobidy
Ȏ mamy loatra! ô mamy loatra!
Fanantenan’ny tany, fifalian’ny Lanitra,
Anarana sarobidy, ô mamy loatra!
Fanantenan’ny tany, fifalian’ny Lanitra

Ataoko fa efa nampahafantarina avokoa ireo mpanompon”Andriamanitra, mba ho hain’ny olona.

Rehefa ny lehilahy iray nivavaka nandritry ny herinandro manontolo, manontany, ary nahita ireny Soratra Masina ireny, ary mitsangana eo anoloanareo. “Loza amiko” hoy Paoly “raha tsy mitory ny Filazantsara aho.” Teo amin’ny faran-dàlany dia hoy izy: “Tsy nafeniko anareo, fa nambarako taminaro ny Tolotsain’Andriamanitra rehetra izay nomena ahy.”

Indraindray aho dia manandino mamantatra zavatra, rehefa manolotra zazamena.

Indray andro, Billy dia nitenan’ny lehilahy iray hoe; “Efa roa taona aho no ato. Koa tiako hatolotra ny zazamenako.” Hoy Billy: “Aza manahy ny amin’izany ianao. Manan-janaka iray taona aho, ary tsy mbola natolotra izy. Koa, miandry fotsiny aho mandrapaha ampy taona azy, mba hifohazany avy amin’ny tenany.”

Koa rahalahy sy ranabavy, zavatra iray no hitantsika: tokony hatolotsika ireo zanatska. Tokony ataontsika batisa ny rehetra. Misy basina ato, misy rano. Raha tsy mbola vita ianao, inona no misakana anao? Indro ny rano. Mandrosoa izao. Aza miandry hatramin’ny rahalina. Mandrosoa izao. Misy lehilahy ato hanao batisa izay rehetra efa nibebaka ka nanaiky hino. Na efa in-12 aza ianao no natao batisa, izy hanao batisa anao amin’ny Anaran’i Jesosy Kristy ho famelana ny helokao. Hitanareo? Ananantsika izany.

Kanefa, hitanareo, ny Hafatra dia ato am-poko. Ary tsy maintsy avoakako izy. Izany irery no tanjoko, na inona no lazain’ny vadiko, na ny zanako, na ny pastora, na iza na iza. Tsy misy afa-tsy ny Tompoko. Tsy maintsy avoako izany. Izany irery no tanjoko.

Ary matetika dia tsy tsaroako ny mamantatra ireo mpanompon’Andriamanitra. Eto, ny rahalahintsika, Rahalahy Neville, lehilahy sarobidy. Ireo koa ny rahalahy hafa, tonga eto. Faly izahay manana anareo.

Tsy hoe izahay tsy mitovy hevitra aminareo, ka te-hiavaka aminareo. Mety maro aminareo tonga eto no pastora manaiky ny “telo-izay-iray.” Tsy te-hifanditra aminareo izahay. Tianay ianareo. Raha tsy izany izahay, raha tsy nino izany aho, dia tsy mba hiala ato amin’ny fiangonana, mandra-pandohalefako, hitenenako hoe: “Andriamanitra, ahitsiho aho.”

Tsy mila an’io fanahy mieboebo sy tia-tena io hifangaro amin’ny ahy aho. Izaho mila ny fanahiko voadio, voasasa, manana ny fitiavana ny rahalahy, hamasinin’ny Fanahy Masina. Fa raha misy te-hanao ratsy ahy, tsy maninona izany. Ary na afaka hamaly izany aminy aza aho, dia tsy mila izany ao amin’ny fiainako aho. Tsia, izaho te-hanana fitiavana. Izaho te-ho vonona hahitsy amim-pitiavana, amin’ilay fitiavana izay tena mamaly ho Azy.

Tsy mihevitra ny hiavaka aminareo aho. Metodista, batista, katolika, presbyteriana, na inona na inona ianareo. Raha miteny ireny zavatra ireny aho, tsy hoe te-hiavaka aminareo, na te-hieboebo aminareo. Raha izany, dia ho mpiatsaravelatsihy aho, ka tokony hidina hiala ity alitara ity, ary hitalaho hivavaka amin’Andriamanitra. Saingy, fitiavana no itenenako ireny, satria hitako mankaiza ny izoranareo. Kanefa, tsy amin’ny maha-izaho ahy no itenenako, na araka ny fanombatombanako. Fa ny IZAO NO LAZAIN’NY TOMPO no omeko anareo. Izany no Marina. Ary tiako ianareo handray izany. Andriamanitra anie hitahy anareo.

Izao, alohan’ny hiravanantsika, aoka hihira andininy iray hafa amin’io fihirana io isika. Sitrakay raha ho tonga ianareo rahalina, raha afaka. Raha tsy afaka ianareo, Andriamanitra anie homba anareo mandra-pihaonantsika indray. Mivavaka fotsiny iska mba hitahy anareo Andriamanitra ary hanome anareo ny soa indrindra.

Raiso ny Anaran’i Jesosy…