Szabad Népmisszió

Jézus Krisztus tegnap és ma és mindörökké ugyanaz (Zsid.13:8)

nyelv :

Vina 7000 / Ewald Frank

6.  NATAO HIAINA AMIM-PIOMBONANA AMIN’ANDRIAMANITRA




 NATAO HIAINA
AMIM-PIOMBONANA
AMIN’ANDRIAMANITRA

Raha ny sitrapon’Andriamanitra, hatramin’ny voalohany, dia natao hihaina amim-piombonana Aminy ny olombelona. Izany no mahatonga azy ireo manam-paniriana hitsaoka Zavatra iray lehibe noho izy, na inona ny fireneny, na inona ny fivavahany. Ny rehetra dia samy mahatsapa filàna hitsaoka, na samy hafa aza ny fomba anaovany izany. Raha tsy mahita zavatra ivavahana ny olona, dia hitodika amin’ny mamona, na fanaranambatana iray, na fanatanjahan-tena, na fandanian’andro iray izay tiany, na koa amin’ny sampy. Io hetaheta lalina ao amin’ny olon-drehetra io, na maman-karena izy, na mahantra, dia tsy mety ho afaka, raha tsy amin’ny zavatra iray avy amin’Andriamanitra.

Ireo mpino Jiosy dia mivavaka amin’ilay Andriamanitra izay niseho manokana taminy ho Andriamanitr’Isiraely, tamin’ny andron’i Mosesy. Ny tena Jiosy iray dia tsy afaka hino afa-tsy amin’Andriamanitra tokana, satria Izy mihitsy no nilaza hoe: «Mihainoa, ry Isiraely: Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany.» (Deotoronomia 6:4). In-6700, ao amin’ny Testamenta Taloha, no voasoratra hoe: “Jehovah-Andriamanitra“ — “Yahweh-Elohim“. Ireo Jiosy mpino ara-Baiboly dia miandry, amin’ny fotoana rehetra, ny fiavian’ny Mesia sy ny fanamboarana indray ny Tempoly, araka ny nampanantenain’i Jehovah azy.

Ireo silamo ihany koa, dia mivavaka amin’Andriamanitra tokana, izay antsoiny hoe Allah. Mahometa, mpaminaniny, dia nino fa ny Mesia dia nateraky ny Fanahy Masina, saingy notsipahiny ny fanomboana an’ny Kristy tamin’ny hajazofijaliana. Aminy Izy dia mpaminany lehibe sy irak’Andriamanitra iray fotsiny ihany, izay nalain’Andriamanitra rehefa vita ny Asany, fa tsy noheveriny ho Izy no ilay Tompo sy Mpamonjy. Nitory ny fisian’Andriamanitra tokana i Mahometa, saingy izy dia tsy namantatra ny fisehoan’Andriamanitra tao amin’i Kristy, sy ny nilàna ny fanavotana.

Ireo hindous dia mino ny fisiana telo-izay-iray lehibe, misy an’i Brahma, mpamorona, Vishna, mpitahiry, sy Shiva, mpanimba sy mpanavao, ary andriamanitra madinika maro be. Izy ireo dia matoky ny fampianarana milaza fa ny olona dia mbola hiverina velona indray, mety amin’ny endrika biby, ka amin’ny alàlan’izany fiovam-panadiovana misesy izany no ahatongavany amin’ny tanjona. Mino ny fiverenana ho velona toy izany koa ireo Bouddhistes, fa ny fanavotana azy kosa dia ankininy amin’ny fandinihan-tena (méditation). Eo koa, toy ny ao amin’ny Silamo sy ny Hindouisme, dia tsy mba ahitana hafatra avy amin’Andriamanitra maneho fanavotana, na fanantenana ho amin’ny mandrakizay, arahana fahazoana antoka handresy ny fahafatesana. Kanefa ve tsy fivavahana foana ny fivavahana iray izay tsy misy fanavotana, na fanantenana marina?

Ny zava-dehibe, dia ny “sitrapon’Andriamanitra“ naseho ary nohamarinina, izay tsy maintsy eken’ny olombelona idirana. Nisy fotoana, tao Paradisa tao, izay niainan’ireo olombelona voalohany tamim-piombonana nivantana tamin’Andriamanitra. Tao anatin’izany toetra voalohan’ny tsifananan-tsiny izany izy ireo, dia tsy mba nahalala, na fahoriana, na fanaintainana, na aretina, na fahafatesana. Satria zavaboaharin’ilay Andriamanitra mandrakizay izy ireo, dia voatendry hiaina mandrakizay koa. Ary ilay Andriamanitra mandrakizay dia nanome azy ireo ny fahafahana nanapakevitra irery, izay nidika na fiainana na fahafatesana. Afaka nifidy tamin’ny tsara sy ny ratsy izy ireo, tamin’ny fankatoavana sy ny tsifankatoavana, ny lalàna sy ny tsifinoana. Mbola toy izany ihany ankehitriny, amin’ny tsirairay amintsika. Hatra tany am-boalohany, ny zava-dehibe dia ny fankatoavana, ary mampalahelo, saingy indrisy, teo no nahalavo ny olombelona: Eva voalohany, ary Adama avy teo. Nihaino ireo lainga sy fanangolen’i Satana, izay naka ny endriky ny menarana i Eva, ka voafitaka, latsaka tao amin’ny fahotana, ary nisarika an’i Adama niaraka taminy. Tanteraka àry ny fahotana voalohany, ka rehefa nandika ireo didin’Andriamanitra izy mivady, dia latsaka tao ambanin’ny fahefan’ilay ratsy, ka tsy maintsy maty noho izany. Dia notanterahin’ilay Andriamanitra mandrakizay ny fampitandremana efa nolazainy, koa noroahiny niala ny saha Edena izy mivady. Rava ny fiombonana tAminy, ary tonga tamin’ny zanakolombelona rehetra ny fahoriana, ny aretina, sy ny fahafatesana, na teo aza ny fampanantenana nataon’ny fahavalo, hoe; «Tsy ho faty akory ianareo …ka ho tahaka an’Andriamanitra ianareo…» (Genesisy 3:4,5)

Tsy misy olona mahazo hanala-tena hilaza hoe; «Tsy meloka amin’izany aho». Satria, ny lehilahy rehetra sy ny vehivavy rehetra, ny tovolahy sy tovovavy rehetra, raha teo amin’ny toeran’i Adama sy Eva, dia ho nanao tsy misy valaka amin’ny nataon’ireo —ary mbola toy izany ihany no ataon’izy ireo ankehitriny. Fantatr’Andriamanitra ny olombelona, ary hainy fa tsy misy, na tokana aza, afaka hankatò, amin’ny herin’ny tenany, ireo Didiny sy Lalàny. Saingy, noho ny Fahamarinany, dia nomeny antsika izany mba hanekentsika fa mpanota isika sady tsy mpankatò Azy.

Raha tsy nisy ireo lalàn’Andriamanitra ireo, dia tsy nisy olona hohelohina noho ny tsifankatoavana, ary tsy hisy olona hila famelana ny helony sy famonjena azy. Isika rehetra, raha tonga amin’ity tontolo ity, dia samy efa tafasaraka tamin’Andriamanitra ary very, nanalavitra Azy, ary izany no anton’ny ilantsika ny famonjena sy ny fihavanana indray Aminy. Ny fieritreretan’ny tsirairay dia manentana azy, na ireo izay tsy mba nandre ny Hafatr’Andriamanitra aza, na namaky ny Baiboly: Ny tsirairay dia mahafantatra tsara rehefa mandainga izy, na mamitaka, na mangalatra, na manao zavatra hafa voarara. Isika rehetra dia samy nanao ny tsy mety tamin’Andriamanitra avokoa, na ireo manankarena, na ireo mahantra, na ny tsara fanahy, na ny ratsy fanahy. Aoka tsy hisy hihevi-tena ho tsy-ratsy-loatra, noho izy tsy namono olona, na nangalatra, na nanao ratsy olona. Efa voatonona tamin’ny tsirairay ny fitsaran’Andriamanitra marina, ary tsy maintsy maty ny rehetra, noho izany antony izany. Tsy misy ao amin’ny fiainana, zavatra tsy azo ialàna toy ny fahafatesana. «Ary tahaka ny nanendrena ny olona ny ho faty indray mandeha, ary rehefa afaka izany, dia hisy fitsarana…» (Hebreo 9:27). Tompon’andraikitra amin’izay ataontsika isika.

Tapaka ny firaisana tamin’Andriamanitra noho ilay fahalavoana tamin’ny fahotana. Na izany aza, Ahdriamanitra dia efa nihevitra antsika, ary efa nanokatra làlana ahatongavana Aminy amin’ny alàlan’Ilay afaka miteny hoe: « Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako.» (Jaona 14:6). Noho ny Fitiavany tsy misy fetra sy ny Fiantrany, dia tonga tamintsika Jehovah, mba ahafahantsika ho tonga Aminy.

Satria tato amin’ity vatana-tany ity no nanotantsika, dia tsy maintsy naka vatana toy ny antsika koa Andriamanitra, mba ho mpisolo-toerana an’ny zanakolombelona rehetra, Izy ilay tokana tsy-manan-tsiny, nandray ny fahotantsika rehetra, ary nampihavana antsika tamin’Andriamanitra. Izany no tanteraka tao amin’i Jesosy-Kristy Tompontsika, Ilay mbola miantso ankehitriny, hoe: «Mankanesa aty amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.» (Matio 11:28). Ireo olona izay mamaly ny Antsony, ka manatona Azy àry, rehefa ho eo am-bavahoana, dia afaka manankina ny fanahiny Aminy, ary ahazo antoka fa handre ity valiny ity ihany: «Lazaiko aminao marina tokoa: Anio no hihaonanao amiko any Paradisa.» (Lioka 23:43). Tsy isalasalana koa anefa, izay manao fanahy iniana miaina tsy ao Aminy, dia ho faty tsy ao Aminy. Tsy misy sambatra afa-tsy ireo izay miaina miaraka amin’i Kristy, ary maty ao Aminy (Rom. 14:7-8; Apok.14:13)

Tartalom 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10