Free People's mission

Jesus Christ is the same yesterday, today and forever. Heb.13.8

Language:




NY FIVERENAN’I KRISTY

Amin’ny maha-Mpahary Azy, Andriamanitra dia manana Planina ho an’ny Voahariny. Toy izany, amin’ny maha-Mpanavotra Azy, dia manana planina koa Izy ho an’ireo Navotany. Ny olona iray izay mino ny fisian’ny Andriamanitra iray manokana-ho-azy dia resy lahatra koa fa tsy misy kisendrasendra ao Aminy. Hoy Jehovah hoe: «… Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy tahaka Ahy, Izay manambara ny farany hatramin’ny voalohany, ary nanambara hatramin’ny ela izay tsy mbola natao akory, dia ilay manao hoe: Ho tò ny fikasako, ary hefaiko ny sitrapoko rehetra,» (Isaia 46:10) … « fa amin’ny fahatanterahana faingana no hanefan’i Jehovah ny teniny ambonin’ny tany.» (Romana 9:28)

Na iza mahay ny Soratra Masina, dia mahafantatra fa ny fanambarana ny fiavian’ny Mpanavotra iray (Gen.3) no fanantenan’ny vahoakan’Andriamanitra, nandritra ny Testamanta Taloha manontolo, hatra tao saha Edena. Toy izany koa —hatramin’ny Fiakarany— dia ny Fiverenan’i Jesosy-Kritsy, ilay Mpanavotra no fanantenan’ny vahoakan’Andriamanitra, hatramin’ny fiandohan’ny Testamenta Vaovao. Hoy Izy amin’izy ireo: «…dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa.» (Jaona 14:3). Tena ankatoky ny ho tanteraka io tranga lehibe indrindra ao amin’ny Tantaran’ny famonjena io, ankehitriny. Araka ireo vaovaon’ny hainoamanjery faran’ny taona 1995, an-tapitrisa maro ireo olona izay miandry io tranga io. Saingy misy koa ireo mpitarika fivavahana mientanentam-poana, toy ny an’ny “Ordre du temple solaire“, izay nitarika famonoan-tena an’olona 53 tamin’ny oktobra 1994, ary 16 hafa ny desambra 1995. Araka ny nasehon’ny hainoamanjery, dia indimy isan’andro ireo no nivavaka, nisatroka ny sarondohan’ny “Ordre“, ary nandray ny Fanasana isan’andro. Tsy inona anefa ireo, fa mpisandoka, izay misy hatrany mitsangana, ary manala-baraka ny finoana tena izy. Kanefa, misy koa ireo mpino ara-Baiboly, izay miandry an-kafaliana ny Fiverenan’i Jesosy-Kristy, ka miezaka manana fiainana tsotra. Ireto farany dia mahonon-tena, ary marina sy mangarahara amin’izay rehetra ataony.

Ny mahafantatra raha mialoha sa aorian’ny fiovana taonarivo, no hitranga ny Fiverenan’i Kristy sy ny rehetra manodididna izany, dia an’Andriamanitra irery. Kanefa ireo famantarana ny fotoana, izay tokony tsy amaivanintsika, dia milaza mazava tsara amintsika fa efa mandroso be ny fotoana. Ny mamaritra daty, toy ny efa nataon’olona taloha, dia tsy mety —isaorana Andriamanitra – sady tsy mahasoa na kely aza. Ohatra fotsiny, ao amin’ireo faminaniana ara-Baiboly dia isaina ho 360 andro ny iray taona, kanefa 365 izany ao amin’ny fampiasana mahazatra. Izany sahady dia efa hitarika elanelana be dia be. Ny mitoetra, dia tsy misy ankoatra an’Andriamanitra no mahafantatra ny andro sy ny ora. Saingy ireo Soratra Masina dia manome faminaniana mazava tsara mba ho tondrozotra ho antsika.

Tamin’ny Fiavian’i Kristy voalohany, dia faminaniana 100 tao amin’ny Testamenta Taloha no tanteraka. Ireo teboka lehibe rehetra nikasika Azy dia efa voambara mialoha tao amin’ny Testamenta Taloha avokoa: nanomboka tamin’ny Fitorontoronina Azy mahagaga, sy ny Fahaterahany tao Betlehema. Ny Minisiterany, sy ireo fahoriana izay niharetany sy ny Fahafatesany, hatramin’ny Fitsanganany tamin’ny maty, ary ny Fiakarany, dia efa voambara mialoha tao amin’ny Testamenta Taloha. Mbola toy izany ihany no hita amin’ny fotoanan’ny Fiavian’i Kristy faharoa. Tena manaitra ny mamaky ireo andalana ao amin’ny Baiboly izay miresaka izany, kanefa efa mitranga ankehitriny.

Roa arivo taona lasa, ny apostoly Petera, tao am-Panahy, dia efa nahita sahady fa, amin’ireo andro mialoha ny Fiverenan’i Kristy, ny olona dia hamingavinga ny Fiaviany. Ary izany no ataon’ny olona ankehitriny. Ary ny ahitana ireo mpitsikera lehibe indrindra dia ao amin’ireo teolojiana tsimpino izay tsy mahafantatra ny drafi-panavotana napetrak’Andriamanitra, toy ny tsifahafantarany koa ny fomba nanoratan’Andriamanitra ireo Soratra Masina. Milaza izy ireo, ohatra, fa diso hatramin’ny toko farany an’ny Testamenta Vaovao ireo apostoly, ary na i Jesosy mihitsy aza, raha milaza Izy hoe: «Indro, avy faingana Aho!». Saingy ny Baiboly dia voasoratra amin’ny fomba maha marina Azy amin’ny fotoana rehetra. Ny Teny voasoratra rehetra dia azo toriana sy inoana mandritra ny Andron’ny Fahasoavana manontolo, hatramin’ny fotoana izay tena hitrangan’ilay zavatra voambara fa hitranga.

Manantitra izany lohahevitra izany i Petera, raha miteny hoe: «… fantatrareo voalohany indrindra fa amin’ny andro farany dia hisy mpaniratsira avy haniratsira, mandeha araka ny filany ka manao hoe: Aiza ny teny fikasana ny amin’ny fihaviany? …» (2 Petera 3:3-4) Izy ihany no mamaly izany fanontaniana izany, hoe: «Ny Tompo tsy mahela ny teny fikasany, araka izay ataon’ny sasany ho fahelany; fa mahari-po aminareo Izy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin’ny fibebahana izy rehetra,» (2 Petera 3:9) Kanefa kosa, kely sisa ny fotoana ho an’ireo mpaniratsira, fa hivadika ho hikiaka sy fikotroha-nify ireo fihomehezany sy ireo fitenanandratsiny. «Aza mety hofitahina ianareo; Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin’ny olona no hojinjany.» (Galatiana 6:7). Araka ny fanambaran’ireo Soratra Masina, dia hiverina tsy ho ela i Kristy, toy ny efa nampanantenainy, ary hampakatra ireo Azy amim-boninahitra Izy (1 Tes.4), mialohan’ny hanombohan’ny fahoriambe (1 Tes. 1:10).

Talohan’ny nandehanan’ny Tompo Jesosy nialoha antsika any amin’ny voninahitra, dia nampanantena ireo Azy Izy fa hiverina ka haka azy ireo ho any Aminy (Jaona 14). Amin’ny Fiverenany, ireo zanak’Andriamanitra rehetra izay efa natory tao amin’ny finoana an’i Kristy, ary manana anjara amin’ny “fitsanganana voalohany“, dia hatsangana amin’ny maty, ary ireo izay velona amin’ny finoana an’i Kristy kosa hovana, ary izy rehetra hiaraka hitsena Azy mba honina any Aminy mandrakizay (1 Tes. 4 ;13-18). Hibanjina Azy ireo, ary hovana ho amin’ny Endriny (1 Jaona 3). Ny hahatanteraka izany dia azo antoka toy ny fisian’ny fanambarana izany mialoha ao amin’ny Tenin’ Andriamanitra.

Content 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10