Missão Popular Livre

Jesus Cristo é o mesmo, ontem, e hoje, e eternamente. Hb. 13:8

Idioma:




Ny làlana mankany amin’Andriamanitra

(Le chemin qui mene a Dieu)

Famelabelarana ara-Baiboly  

Ewald Frank


Amin’ny lohahevitra rehetra dia tsy misy tahaka ny mikasika an’ Andriamanitra no mampirehitra sy mampizarazara ny olona. Kanefa amin’ny farany dia tsy misy afa-bela eo anatrehan’Andriamanitra, na ireo tsy mino Azy aza. Ny olombelona tsirairay, raha vao teraka, dia miaina anaty rafi-pisainana iray, ary ny ankamaroany dia mionona amin’izany mandra-pahafatiny, tsy mitady antoka ny amin’ny mampitombina izany sy ny fahamarinany. N’aiza n’aiza ny mahafinaritra ny olona dia ny manohy miaina anatin’ireo fomba nolovaina tamin’ny razana. Na ireo manao asam-panompoana aza dia tsy hay tohinina raha ny mikasika an’Andriamanitra no asiana resaka; ireo mila Andriamanitra mifanaraka amin’ny fivavahany sy ny heviny manokana. Ao amin’ireo antokom-pivavahana indrindra no voalohany itadiavana ny anton’ny nahatonga izany. Hatramin’ny fahaterahany ka hatramin’ny fahafatesany dia vokisana fombafomba sy lanonana ara-pivavahana tsy ahazoana ny tena fiadanampo ny olona, tsy mba maheno ny Hafatry ny Famonjena marina.

Na ireo fivavahana kristiana aza dia tsy afaka amin’izany, ka tokony hanaiky handini-tena lalina izy ireo. Ny filazana fotsiny fa mpianatr’i Kristy dia tsy mahasoa an’iza an’iza, fa isika olombelona rehetra dia mila fifandraisana manokana Aminy. Na ireo fiangonana lehibe, na ireo tsy miankina, hatramin’ ireo vondrona kely indrindra, dia samy mampiasa andinin-tSoratra Masina voafantina mifanaraka amin’ny fiheverany ny zavatra avy. Raha jerena amin’ny ankapobeny ny tontolo kristiana ankehitriny dia tsy misy itovizany amin’ny Fiangonana voalohany, na kely indrindra aza. Baiboly iray ihany atao fandikana an-jatony samy hafa. Ny Tenin’Andriamanitra sy ireo fampianarana masina, hatrany hatrany, dia ampiharana dogma vaovao sy fampianarana vaovao vokarin’ny olombelona, izay tsy mifototra amin’ny Baiboly akory. Dia izany no lazaina hoe «fomba kristiana nolovaina»

Maro ireo olona, diso fanantenana, no mandao ny finoana. Dia mipetraka hoazy àry ny fanontaniana, eo anoloan’ny tolotra ara-pivavahana, hoe: «Misy ve fandrefesana azo antoka, na masontsivana jadona, izay ahafahana misedra ny rehetra? Moa ve misy ny fahamarinana voamarina anankiray, tsy lefin’ny fisalasalana rehetra, izay azontsika iankinana? Raha eny, inona àry izany?» Maro ireo olona diso fanantenana manontany tena hoe: «Misy tokoa ve Andriamanitra izay miahy sy mikarakara antsika? Raha eny, aiza no mety ahitana Azy?».

Ny tanjon’ity famelabelarana fohy ity dia ny hanaitra ny mpamaky mba handinihany am-piheverana io lohahevitra io, hitadiavany ny Marina, satria, amin’ny farany ry mpamaky malala, mikasika anao manokana izany, mikasika ny toerana izay tianao handaniana ny Mandrakizay ho avy.

Manana Drafitra ho an’ny zanak’olombelona Andriamanitra, izay tena mazava sy azo takarina tsara. Fa ny tsy ampy dia lehilahin’Andriamanitra – nohazavaina mitovy lasitra amin’ireo mpaminany sy apostoly – izay afaka manondro làlana amin’ny hafa ny làlana mankao amin’Andriamanitra, satria izy ireo mahafantatra sy mizotra amin’izany làlana izany. An-jato taona maro no efa mifantsika ao an-tsain’ny olona fa «Andriamanitra, sy ny fivavahana, ary ny Fiangonana» dia zavatra iray-tsy-azo-sarahina. Raha izany àry no izy, iza amin’ireo fivavahana telonjato mahery ireo no misy Azy? angaha ve Katolika Andriamanitra? sa Evanjelika Izy? sa nanorina iray amin’ireo vondrom-pivavahana maro be ireo Izy? Sao mba ny Silamo kosa angamba, na ny ‘‘Hindou’’, na ireo ‘‘Bouddhistes’’, na vondrona hafa no manjohy ny làlana tena izy? Amin’ny farany, ny rehetra samy mihambo ho nohazavain’ny Avo avokoa, sy ho manana ny Marina avy. Saingy ny marina kosa : tsy nialokalofan’ ny tsirairay ve ny Fanjakan’Andriamanitra, nahafahany nanangana fanjakana ara-pivavahana iray ho azy manokana?

Manana Drafitra ho an’ny zanak’olombelona Andriamanitra, ary eo am-panatanterahana izany Izy. Raha te-ahafantatra io Drafitra io isika, dia tsy maintsy ialantsika ireo fomba fijery nolovana rehetra, ary miverina amin’ny teboka fiandohana. Tsy mitaky finoana jamba amin’ny olona Andriamanitra. Ny tena finoana dia manana maso ara-panahy anankiroa mahiratra tsara ary tongotra ara-panahy anankiroa salama tsara. Izany finoana izany dia mifototra – tsy mirondrona – amin’ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao, izany hoe ny Baiboly manontolo; ao no namelabelaran’Andriamanitra ireo Tolotsainy rehetra mikasika ny zanakolombelona, hatra amboalohany ka hatramin’ ny farany. Sady manondro ny làlana nalehan’Andriamanitra nankèto amintsika izy, no manondro ny làlantsika mankany amin’Andriamanitra – ary koa ny toerana ihaonan’Andriamanitra amin’ny zanakolombelona.

Efa tany amin’ny famoronana izao-tontolo-izao no nanomboka ny Drafitr’ Andriamanitra ho an’ny olombelona. Mino aho fa ny tsirairay dia samy efa nitologaga tamin’ny fahatsaran’ny zavaboaàry izay maika dia maika ny tokony hikajiana azy. Kanefa tsy ny rehetra no hahatsapa ny fisian’ny Mpamorona iray avy amin’izany. Ary tatoato aza, iarahan’ny rehetra mahalala, fa ny fisian’ny Tsitoha mihitsy no ametrahana fisalasalana, ary lazaina ho tsy mitombina ny fitantantarana ny Famoronana ao amin’ny Baiboly. Ireo filozofy tsy mino Andriamanitra ireo no nanodina ny lohan’ny olona tamin’ireo fampianarany mifanohitra, ka nandatsaka azy ireo amin’ny tsifinoana. Raha mitsipaka an’Andriamanitra amin’ny maha Mpamorona Azy ny olona iray, ary misaina fa niforona hoazy ny zavatra rehetra, dia tokony handà koa izy ho nateraky ny ray sy reniny ny tenany, ary tokony hiambo ho vokatry ny fivoarana izy. Iza no afaka hisaina fa izao-tontolo-izao, amin’ny halehibeny tsy mety refesina, amin’ireo kitsolohany maro be tsy hay isaina, sy ny firindrany lavorary, dia niforona hoazy ? Tsy nisy zavatra niforona hoazy hatramin’izao, ary tsy mbola nisy olona, hatramin’izao, afaka nilaza fa nahavita nanatsara na zavatra tokana faran’ny kely indrindra aza ao amin’ny voaàry manontolo. Heverontsika fotsiny ireo zava-manan’aina maro be ao an-dranomasina miaina anaty tontolo mety tsara aminy, na koa ireo karazana biby sy vorona maro be miaina manerana ireo kontinanta, izay mirindra tsara aminy ny toetrandro sy toetany izay iainany!

Ankehitriny izy ireo dia mbola voatazona tahaka ny namoronan’ Andriamanitra azy tany amboalohany, fony namorona ny zavatra rehetra Izy tamin’ny alalan’ny Teniny tsitoha (Salamo 119 :90-91). Isaky ny taona mifandimby ny olona dia mamafy sy mijinja araka ny nameran’Andriamanitra izany tany am-pamoronany ny tany. «Raha mbola maharitra koa ny tany, dia tsy hanam-pitsaharana ny taom-pamafazana sy ny taom-pijinjana...» (Genesisy 8:22). Ny korontana manomboka misy dia avy amin’ny fidiran’ny olombelona an-tsehatra ao amin’ny zavaboaàry. Isan’andro isan’andro, dia an-davitrisa maro ny olombelona tokony hihinana, ary tsy hisy hampahorian’ny hanoanana raha voazara ara-drariny ho an’ny olon-drehetra ny hanina.

Hatramin’ny fiafaran’ny fotoana, ny zavamanan’aina rehetra dia hanaranaka araka ny karazany avy. Tsy nisy olona hatramin’izao, nahita gidro lasa olombelona, na olombelona nanjary gidro. Nijanona toy ny tany am-pamoronana avokoa ny karazana rehetra. Mbola ny voa nivoaka ny tany voalohany noho ny Teny tsitoha an’ilay Mpamorona ihany no afafy ankehitriny. Mbola ireo hazo sy ireo hazo fihinam-boa teo aloha ihany no maniry ankehitriny. Ary mbola ireo karazam-biby taloha ihany no miaina ankehitriny. 

Toy izany koa amin’ny olombelona, izay fanaperan’ny famoronana, ankehitriny ny olona dia mbola mitovy tsy misy valaka amin’ny toetr’i Adama sy Eva tamin’ny androny. Nampitaovina fahaiza-mamorona izy. Voaporofo indrindra izany amin’ny androntsika izao. Tokony tsy hisy zavatra izay tsy hain’ny olombelona hatao, toy ny voalazan’ny Tompo hoe: «… koa izao dia tsy hisy azo sakanana na inona na inona izay saintsaininy hatao.» (Genesisy 11:6). Ny hany zavatra tokana tsy ho hain’ny olombelona, dia ny mamorona ny aina. 

Ireo izay mino ny ‘‘fampianaran’ny fivoarana’’ (théorie de l’évolution), izay milaza fa nisy sela fiandohana iray niantombohan’ny zava-drehetra, dia tokony hilaza amintsika koa iza no namorona sy nanome aina io sela fiandohana io. Azo hanontaniana koa izy ireo iza no nanome ny fahafaha-manaranaka an’ny olombelona. Ary nahoana no tsy manandrana mamafy voambary namboarin’olombelona ireo izay mitsipaka an’Andriamanitra? – satria fantany tsara fa tsy haniry izany, satria tsy misy tsirin’aina ao anatiny. Eo anatrehan’izao voaàry midadasika sy mirindra izao, na iza na iza olona vory-saina, afaka mandinika tsara, dia tokony hanaiky ny fisian’ny Mpamorona iray. Raha tsy nihataka an’Andriamanitra noho ny fieboeboany ny olombelona dia ho afaka nino ny Teniny ihany, satria Andriamanitra sy ny Teniny dia mendrika atokisana. 

Raha ny Sitrapon’Andriamanitra, ary izany hatramin’ny voalohany, ny olombelona dia natokana hiaina anaty fiombonana mandrakizay amin’ilay Mpamorona. Izany no mahatonga ny tsirairay hanana filàna zavatra iankohofana tsy mety afaka ao am-pony. Ao anaty fanahiny ao, ny tsirairay dia samy manana faniriana tsy voafaritra, samy mitady zavatra iray, saingy Ilay Tokana ihany no afaka hanome fahafaham-po, ary hahasambatra antsika! Ny fiankohofana dia singa misy hatrany ao amin’ny fanompoam-bavaka amin’ny fivavahana rehetra. Ireo Silamo mivavaka amin’i Allah. Ny mpaminanin’izy ireo, Mahometa, dia tsy nihevitra ny Mesia ho Tompo sy Mpamonjy, fa nataony ho mpaminany tsotra fotsiny. Nitory ny fisian’ Andriamanitra tokana i Mahometa, fa izy tsy nahazo fanambarana ny amin’ny fisehon’Andriamanitra tao amin’i Kristy. Tsy afaka nahatsapa izy fa ilay Andriamanitra izay niseho tany an-Danitra toy ny Ray, dia niseho toy ny Zanaka teto an-tany, ary ankehitriny, miasa Izy amin’ny alàlan’ny Fanahy Masina. Ireo Hindous kosa dia mino andriamanitra maro isan-karazany. Ny voalohany amin’izany dia ity telo-izay-iray ity: Brahma, mpamorona -Vishnou mpihazona -Shiva mpandrava, ary misy andriamanitra maro hafa manaraka azy ireo. Ho lasa lavitra loatra isika raha hitanisa ireo fotom-pampianarana rehetra. Ny olona izay tsy te-hahalala ny mikasika ny fivavahana kosa, na izy miankohoka amin’ny Mamona (harena), na amin’ireo fafinaretany (passions), na sampy hafa koa. Na inona na inona ny lokon-koditry ny olona,, na inona ny firazanany, na inona ny fireneny, dia misy filàna lalina ao aminy, izay tsy ho afahan-ketaheta raha tsy amin’ny alàlan’ny zavatra iray mandrakizay sy an’ Andriamanitra (divin).

Nisy vanimpotoana izay niombonan’ny olombelona tamin’Andriamanitra, tanteraka sy nivantana. Tamin’ny fiandohana tao amin’ny saha Edena izany. Tao amin’izany toetra tsy manan-tsiny izany dia tsy nahafantatra izy ireo, na fahoriana, na fanaintainana, na aretina, na fahafatesana. Voatendry hihaina mandrakizay izy ireo noho izy ireo asan-tànan’i Jehovah. Nomen’i Jehovah-Andriamanitra fahafaha-manapa-kevitra samy-irery izy ireo: afaka nifidy izy ireo tamin’ny tsara sy ny ratsy, tamin’ny fankatoavana sy ny tsifankatoavana, tamin’ny finoana sy ny tsifinoana. Mbola toy izany ihany koa amintsika ankehitriny. Nisy sedra tsy maintsy natrehiny, saingy lavo izy roa, Eva aloha, nanaraka i Adama. Nihaino ny fanangolen’ny menarana i Eva, ary Adama nihaino an’i Eva. Toy izany no nahalatsaka azy ireo teo amban’ny fifehezan’ny fahavalo, ka na dia efa nahalala aza izy, dia nihoarany ny Tenin’Andriamanitra. Koa Andriamanitra, ilay Marina, dia nanatanteraka ny Fampitandremany, noroahany niala ny saha Edena izy ireo. Tapaka teo ny fiombonany tAminy, ary tonga tamin’ny zanak’olombelona rehetra ny fahoriana sy ny fahafatesana.

Ankehitriny, aoka tsy hisy olona hihevi-tena ho tsy-manan-tsiny, hanasa-tànana, ka hilaza hoe: «Inona no ifandraisako amin’izany?», satria na iza na iza lehilahy, ary na iza na iza vehivavy, teo amin’ny toeran’izy ireo, dia tsy maintsy ho nanao tsy misy hafa tamin’ny nataon’izy ireo. Fantatr’ Andriamanitra isika rehetra, ary hainy hatra tany amboalohany fa tsy misy olombelona afaka hankatò ireo Didiny. Kanefa, noho ny Fahamarinany, dia nampahalalany antsika izany mba ho afaka isika hiaiky ireo fahadisoantsika tAminy, ary hahatsapa fa mila famonjena, ka handray ny fanapahan-kevitra tsara, mety amin’izany. Soa ihany manana ny fahefana manapa-kevitra malalaka isika, ka tsy misy olona azo terena amin’ny safidiny. Raha tsy nisy ny Lalàn’Andriamanitra, tsy nisy olona azo nampangaina ho nanohitra ny Tenin’ Andriamanitra, ary tsy nisy olona nila famelankeloka sy fanavotana azy. Ny fieritreretan’ny tsirairay no manery azy, na ireo izay tsy mbola nandre ny amin’ny Hafatra, na ireo mbola tsy namaky ny Baiboly aza. Hain’ny tsirairay rehefa mandainga izy, na mamitaka, na mangalatra, na manao zavatra voarara. Matetika mampitandrina mafy antsika ny fieritreretantsika. Na iza na iza olombelona, manankarena na mahantra, tsara fanahy na ratsy fanahy, dia sahala, samy meloka avy eo anatrehan’Andriamanitra. Samy teraka mpanota avy isika rehetra amin’ity tontolo ity, samy tafasaraka amin’Andriamanitra. Aoka tsy hisy hanamaivana ny zavatra, noho izy tsy namono olona, na nanota tamin’ny fomba hafa. Efa nanao ny fitsarana marina tamintsika tsirairay avy Andriamanitra, noho izany tsy maintsy maty isika rehetra. Kanefa tsy voatery hifarana amin’izany ny zavatra.

Taorian’ny fahotana voalohany, Adama sy Eva dia tsy maintsy niala tao amin’ny saha Edena, ary nosakanana ny làlana mankao, ka tapaka teo ny fiombonany tamin’Andriamanitra. Nahatsiravina! Saingy tsy nanadino antsika Andriamanitra, ka efa nanomana làlana hiverenana Aminy indray Izy. Amin’ny Fitiavany sy Fiantrany tsy-hita-noanoa, dia tonga tamintsika ny Tompo. Tao amin’i Kristy no nihaonany tamintsika, ary nanaovany Fanekena Vaovao. Tsy misy afa-tsy ao amin’i Kristy irery ihany, no ahafahantsika mihaona amin’ Andriamanitra, ka hanamarinantsika Aminy ny Fanekena.

Satria tao amin’ny vatana-tany no nanotantsika, dia tsy maintsy niditra tao amin’ny vatana-tany mitovy amintsika koa Andriamanitra, mba hisolo tena ny zanakolombelona rehetra, Izy ilay hany tokana tsy manan-tsiny, hanefa ny trosan’otan’ny rehetra, mba hihavanantsika rehetra Aminy. Tanteraka tao amin’i Jesosy-Kristy Tompontsika izany, izay niteny tamin’ilay jiolahy teo amin’ny hazofijaliana hoe: «Lazaiko aminao marina tokoa : Anio no hihaonanao Amiko any Paradisa.» (Lioka 23:43). Izay rehetra hiantso ny Tompo dia hovonjena ary hankany Paradisa.

Asa mahagaga madiodio nataon’Andriamanitra no nahateraka ny tenan’ny Mpamonjintsika, asa izay tsy nisy anjara noraisin’i Maria na kely aza. Toy ny olombelona rehetra, ravehivavy dia teraka tao amin’io famoronana izay efa lavo io, ary noho izany, toy ny hafa rehetra, dia nila ny fanavotana azy koa izy. Tsy i Maria, fa ny Mpanavotra no teraka tsy nisy fahotana, tao anatin’io famoronana efa lavo io, mba hanavotra azy amin’ny fahotana voalohany.

Tao amin’i Jesosy-Kristy, Andriamanitra mihitsy no niseho tamin’ny endrika olombelona. Sady Andriamanitra Izy, no olombelona. Andriamanitra Izy ny amin’ny fanahy, fa olombelona Izy raha ny ara-nofo. Tsy mba nandika didin’Andrimanitra na tokana aza Izy. Masina tanteraka Izy, tsy nisy fahotana. Noho izany Izy irery ihany no afaka nivesatra ireo fahadisoantsika rehetra, ary maty nisolo toerana antsika. Ny Ràny nalatsaka mba ho sorona ho fihavanana sy ho famelankeloka, ho an’ireo rehetra mino izany asa izany, dia manome azy ireo ny fanonerana tanteraka ny fahotany, sy famonjena lavorary. Io no vatofantsika tsy mba mirondrona ho an’ny fanahin’ny kristiana ara-Baiboly rehetra. Ny Fitsanganany tamin’ny maty tamin’ny andro fahatelo, no nanamarinan’Andriamanitra ny asam-panonerana, izany hoe ny fanavotana, ary namaranany azy. Voaporofo fa resy daholo ny fahafatesana, ny helo ary ny devoly. Amena! Nandritra ireo efapolo andro nialoha ny Fiakarany be voninahitra, dia niseho natetika ho Ilay nitsangana tamin’ny maty Izy tamin’ireo mpianany. Nialoha làlana antsika Izy, rehefa avy niteny hoe: «… Handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho… dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko.» (Jaona 14:2-3). Amin’ny Fiverenany indray, ireo rehetra zanak’olona lasa zanak’Andriamanitra nandritra ny fiainana tetỳ an-tany, dia hibanjina Azy ary hovana ho tahaka Azy. «Fantatsika fa raha hiseho Izy, dia ho tahaka Azy isika, fa ho hitantsika Izy, dia izay tena endriny tokoa.» (1 Jaona 3:2). Tsy anganom-baviantitra izany, fa tsy-ho-ela dia tena hisy tokoa.

Talohan’ny famoronana izao-tontolo-izao sahady, Andriamanitra dia efa nanomana Fanjakana mandrakizay iray ho an’ireo Zananilahy sy ireo Zananivavy. Tsy afaka hampadamoka na hanafoana ny Planin’Andriamanitra ny fahalavoan’ny zanakolombelona; raha ny marina, niato nandritra ny elanelanam-potoana iray fotsiny izany. An-tsitrapo tanteraka no naneken’ny zanakolombelona ho fehezin’i Satana, saingy navotan’ny Tompo tamin’izany izy, satria ny Tompo mihitsy – fa tsy ny olona – dia nanamboatra làlana hiverenantsika. Sady zavatra tena nisy ara-tantara ny famonjena, no anisan’ny zavanisy koa tao amin’ny tantaran’ny Famonjena. Tamin’ny alàlan’ny Filazantsara no nitondrana ny hafatry ny fifaliana sy ny fanafahana. Tolo-pahasoavana ho an’ny olona rehetra avy amin’Andriamanitra izany. Noho io Fanavotana io, ireo zanak’olona, izay zanaky ny fahafatesana hatrany am-bohoka, dia lasa zanak’Andriamanitra, nahazo ny Fiainana mandrakizay. 

Ny Fanjakan’Andriamanitra dia Fanjakana mandrakizay. Koa ireo izay te-ho ao dia tsy maintsy manana ny Fiainana mandrakizay. Noho izany dia tsy maintsy ilaina ny «hateraka indray»: «Raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan' Andriamanitra.» (Jaona 3:3). Ny Voa ho an’izany fahaterahana izany dia ny Tenin’ Andriamanitra; ao Aminy no misy ny tsirin’ny Aina. Tonga amin’ireo izay manaiky am-pinoana ny Tenin’ Andriamanitra ny Fanahy Masina. Ny fahaterahana ara-janaboaàry dia mahatonga antsika ho zavamanan’aina ho an’ny tany, ao amin’ny Fotoana. Fa ny Teny sy ny Fanahy Masina mamokatra ny Fiainana mandrakizay ao amin’ ireo voavotra. «Fa efa teraka indray ianareo, tsy tamin'ny voa mety ho lò, fa tamin'ny tsy mety ho lò, dia ny Tenin' Andriamanitra, izay velona sady maharitra.» (1 Petera 1:23). Izay mino fa Jesosy no Tompo sy Mpamonjy azy, dia hihaina ny famonjena, amin’ny fomba manokana. Raha mbola mitohy koa ny Andron’ny famonjena dia mbola misokatra amin’ireo rehetra vonona hanaiky azy io tolo-pahasoavana tsy misy azo ampitahaina aminy io. Ny Fanavotana dia tsy tonga amin’ny alàlan’ny fampianarana na ny fahalalàna, fa ao amin’ny Mpanavotra irery ihany no misy azy, ary ao Aminy no tsy maintsy itadiavana izany.

Tsy misy olona afaka ahazo an-tsainy ny horohoro izay hihainan’ireo olona izay ho nandà ny famonjena, rehefa hafindra ao amin’ny Mandrakizay izy. Tsy maintsy hiatrika ny hamafin’ny zavamisy marina isika, fara-fahelany eo amin’ny hahafatesantsika; eo manko, ireo izay tsy mino ny fisian’ny fiainana aorian’ny fahafatesana, no hahatsapa fa tsy fiafaran’ny zavatra rehetra ny fahafatesana. 

Miavaka dia miavaka tokoa, amin’ireo mpanorina fivavahana hafa, ny Tompo sy Mpamonjy antsika. Ny finiavana hampitaha Azy amin’ny lehilahy rehetra izay mitonon-tena ho «mpaminany» dia fitenenan-dratsy. Voalevina niaraka tamin’ireo heviny avokoa ireny mpivavaka ara filozofia ireny. Tsy nisy tamin’izy ireny nitsangana tamin’ny maty. Olombelona tsotra tahaka antsika ihany àry izy ireny, ka tsy afaka nanavotra ny tenany, na nanavotra ny hafa. Mandrakizay dia tsy misy afa-tsy Tokana, no afaka miteny, hoe: «Izaho no Làlana sy Fahamarinana ary Fiainana.» (Jaona 14:6). Tao amin’i Kristy irery ihany no nihaonan’Andriamanitra tamintsika, ary ao Aminy irery ihany no ahafahantsika mihaona amin’Andriamanitra. Tamin’ny alàlan’ny Anankiray, dia ny Zanakalahy, no nisehoan’ny Ray teto amin’ny tany, ary koa mbola tamin’ny Zanakalahy no nanaovany antsika ho zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra. Tokana ihany no afaka niteny hoe: «Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray.» (Jaona 14:9). Ny marina dia maro ireo làlana mankao Roma, fa tokana ny làlana mankany amin’Andriamanitra.

Ry mpamaky malala, manantena aho fa hitarika anao ao amin’ny làlana halehanao ireo fanazavana ireo. Ny finoana marina dia tsy mitoetra amina mpamonjy izay maty, fa amin’ny Tompo velona, izay efa nitsangana tamin’ny maty, nandresy ny fahafatesana, ary niakatra any an-Danitra, velona ao amin’ny Mandrakizay, sady miaraka amin’ireo Azy amin’ny alàlan’ny Fanahy Masina. Tsy niteny fotsiny Izy, hoe: «Izaho no Fananganana ny maty sy Fiainana.» (Jaona 11:25), fa noporofoiny tamin’ny fomba tsy mety toherina izany. Nitsangana ho mpiantoka ny fitsanganantsika amin’ny maty Izy. Hoy Jesosy hoe: «Izaho no Fananganana ny maty sy Fiainana ; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray. Ary izay rehetra velona, ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay.» (Jaona 11:26)

Ry sakaiza malala, tokana dia tokana ny làlana mitondra amin’ny famonjena. Tsy misy afa-tsy io Fahamarinana tokana io, tsy misy afa-tsy io Mpanavotra tokana io: Jesosy-Kristy. Na iza na iza te-hahatratra ny tanjon’ny mandrakizay, dia tsy maintsy miala ary mivoaka amin’ireo safotofoto rehetra ara-pivavahana an’i Babylona ireo, ary mino an’i Jesosy Tompo ho Mpamonjy azy manokana. Ny fikambanana amina fivavahana iray dia tsy misy fifandraisana mihitsy amin’ny famonjena ny fanahintsika. Tsy misy sakramenta manome famonjena, na hetsika ara-pivavahana hafa rehetra izay manavotra. Ao amin’ny Mpamonjy irery ihany no ahitantsika ny famonjena, ao amin’ny Mpanavotra irery ihany no ahazoantsika ny fanavotana. Izany dia miankina amin’ny finoana manokana an’ny olona tsirairay amin’ilay tena Andriamanitra tokana, izay niseho tamintsika tao amin’i Jesosy-Kristy, ary nanavotra antsika.

Na tsara toy ny ahoana aza ireo fikasantsika, dia tsy maintsy ho foana, satria tsy misy afa-tsy ny finoana mifototra amin’ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly, no manamarina ny olona eo anatrehan’Andriamanitra. Fanomezam-pahasoavana malalaka tsy misy fepetra izay nomen’Andriamanitra ny zanakolombelona izany. Ireo zavatra rehetra nampidirina, nandritra ny tantaran’ny Fiangonana, tamin’ny alàlan’ireo konsily kanefa tsy nampianarina tao amin’ny Kristianisma voalohany, dia tsy manan-kery eo imason’Andriamanitra. 

Maneno ho anao ny oran’Andriamanitra. Izao no fotoana mety ho anao hanekenao ny famonjena. Ny Filazantsaran’i Jesosy-Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy antsika, dia mety ho tena Hafatra fifaliana sy fanafahana ho anao, izay ho tsapanao tokoa ny vokany. Aoka ianao izao, hino fa tena nitondra ny helokao tokoa ny Tompo, ary namindra fo taminao. Ny olon-drehetra dia voantso hiverina amin’ny finoana ara-Baiboly, finoana izay efa voaporofo hatra fahiny ela, ary nananan’ireo mpaminany sy apostoly rehetra. Tsy misy intsony olona mahazo manaiky hangolena sy hofitahina, anatrehan’ ny Mandrakizay. Afaka miaina ny famonjen’ Andriamanitra ny tsirairay, ary ahazo antoka fa efa neken’ny Tompo izy.

Eo am-pitoerana misy anao izao io, dia afaka miresaka ianao amin’ Andriamnitra, ary miteny Aminy am-bavaka, hoe: «Tompo Jesosy-Kristy, mino aho fa maty ho ahy Ianao, izaho izay mpanota. Mino aho fa navotanao aho, nekenao aho. Anao aho, Tompoko, ato amin’ny Fotoana, sy ho amin’ny Mandrakizay. Andriamanitro ô, tao amin’i Jesosy-Kristy no nihaonanao taminay, ary ao Aminy, no tiako hihaonana Aminao.»

Manao azafady aminao aho, inoy izay voalazan’ny Salamo 103. Raiso ho anao manokana io, ary misaora an’ny Tompo noho ny Fahasoavany: «Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko; Ary izay rehetra ato anatiko, misaora ny Anarany masina. Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko; Ary aza misy hadinoinao ny Fitahiany rehetra, Izay mamela ny helokao rehetra, Izay manasitrana ny aretinao rehetra, Izay manavotra ny ainao tsy hidina any an-davaka, Izay manarona famindram-po sy fiantrana anao,»