Mission Populaire Libre

Jésus-Christ est le même hier, aujourd'hui et éternellement" (Hèbreux 13:8)

Langue:




«Jesosy Kristy tsy miova, omaly sy anio ary mandrakizay» (Hebreo 13:8)


Taratasy ifampitapitana Mey 2011

(Lettre circulaire Mai 2011)


Miarahaba anareo am-pirahalahina aho, amin’ny Anarana sarobidin’i Jesosy Kristy Tompontsika, amin’ny alàlan’ny Tenin’ny Lioka 21:28:

«Ary raha vao miandoha izany zavatra izany dia miandrandrà, ka asandrato ny lohanareo; fa manakaiky ny fanavotana anareo.» 

Ho fahatsiarovana ny 2 Aprily

Araka ny tantaran’ny Fiangonana dia notombanana ho ny 2 Aprily ny andro alahadin’ny sampandrofia, ny andro izay nidiran’ny Tompontsika tao Jerosalema, narahin’ireo hiakan-kafaliana, araka ny faminanian’ny Zakaria 9:9. Izany no voalazan’i Dr Larkin ao amin’ny boky nosoratany mitondra ny lohateny hoe: «Dispensional Truth», boky anisan’ny novakian-drahalahy Branahm ka nanatsoahahany ny fizaram-potoan’ireo taona fiton’ny Fiangonana.

Isika tsy mahay raha io tokoa no daty marina, kanefa toy ny efa fantatrareo rehetra, ny 2 Aprily 1962 angamba no andro manan-danja indrindra tao amin’ny fiainako sy ny fanompoako an’ny Tompo .

Raha tsy nisy io antso sy iraka nivantana io, azo antoka fa tsy ho nahavita izay rehetra notanterahahina nandritra ireo sivy amby efapolo taona ireo aho .

Ankehitriny ny faniriako lehibe indrindra sy ny fanantenako, dia ny hanombohan’ny taon-jaobily iray izay hahitana ireo tena mpino rehetra ho afaka hahazo ny zavatra rehetra ananany zo amin’ny maha-zanaka ara-dalàna azy ireo, mpandova an’Andriamanitra sy mpiara-mandova amin’i Kristy. 

Ny zavatra kendrena dia ny hahatanteraka ny fampodiana feno toy ny nampanantenan’ Andriamanitra izany, ary ho efainy amintsika izany noho ny Fahasoavany. 

Isika izao dia mbola mivarahontsana noho ilay horohorontany nitranga tany Japon, sy ilay tsunami novokarin’izany izay nitondra fiakaran-dranomasina an-tanety mihoatra ny 20 metatra haàvo ary ny loza nokleary naterak’izany.

Hatrizay nisy foana ny loza voajanahary. Saingy, tato-ho-ato, dia toa mihamafy sy mihamatetika ny fiavian’izy ireny. Ny loza izay nandrava an’i Japon tamin’ny 11 Martsa lasa teo no anisan’ny mahery vaika indrindra tamin’ ireo voarakitra maneran’izao tontolo izao. Ankilan’izany, mihorohoro koa isika manaraka ny vaovaon’ireo korontana politika mitranga ao Afrika-avatra sy ao amin’ireo tany atsinanana-afovoany. Saforan’ireo hainoamanjery mikasika izany isika, saingy amin’ny maha-mpino antsika, dia izay voalazan’ny Soratra Masina ihany no anongilanantsika sofina. Ao amin’ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao tokoa mantsy dia misy ireo andalana izay efa mitantara ny zavatra tsy maintsy hitranga rehefa manakaiky ny farany.

Ao amin’ny Matio 24, nanontany ny Tompo ireo mpianany, nanao hoe: «Lazao aminay izay andro hahatongavan'izany, ary izay ho famantarana ny Fihavianao sy ny fahataperan' izao tontolo izao.» Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: «Mitandrema, fandrao hisy hamitaka anareo. Fa maro no ho avy amin'ny Anarako hanao hoe: Izaho no Kristy, ka maro no ho voafitany. Ary handre ady sy filazana ady ianareo; koa mitandrema, aza matahotra; fa tsy maintsy ho tonga izany; nefa tsy mbola tonga ny farany. Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana; ary hisy mosary sy horohorontany amin'ny tany samy hafa. Fa izany rehetra izany no fiandohan'ny fahoriana» (Andininy 3-8)

Efa nitranga amin’ny fomba mahery vaika ny fiandohan’ny farany, indrindra tamin’ireo horohorontany tonga tamin’ny taon-dasa sy ity taona ity tany amin’ny firenena samihafa toy ny «fiandohan’ireo fanaintainana». Tsy hitsahatra hihamafy hatrany ireo fanaintainana izay tonga amin’ny tany ireo, izany hoe ireo horohorontany, ireo loza voajanahary, ireo kere, ireo sahotaka politika. Na dia tsy misy aza ny olona mahafantatra ny andro sy ny ora, ny farany dia antomotra, ary tokony hitandrina isika raha hitantsika tanteraka ireo zavatra rehetra efa voalaza mialoha fa ho tanteraka ireo, satria efa manakaiky ny fanavotana ny tenantsika.

Izao no vakintsika ao amin’ny Isaia 24: 19-20:

«Rava dia rava ny tany; Mitresaka dia mitresaka ny tany; Mihorohoro dia mihorohoro ny tany; Mivembena dia mivenbena tahaka ny mamo ny tany ka mitsingevaheva toy ny fandriana mihantona; ary mitambesatra aminy ny fahadisoany, dia potraka izy ka tsy ho tafarina intsony.» 

Izao no voasoratra ao amin’ny Ezekiela 7, andininy 5-6 sy 12-13

«Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Injao! avy ny loza, dia loza izay tsy misy toa azy. Injao ny farany! Eny, mby akaiky ny farany; Mifoha hamely anao iny, indro, efa mby akaiky iny….. Mby akaiky ny fotoana, antomotra ny andro; aoka tsy hifaly ny mpividy, ary aoka halahelo ny mpivarotra; Fa iharan'ny fahatezerana mirehitra ny hamaroany rehetra. Fa ny mpivarotra tsy hifodian' izay efa lafony, na dia mbola isan'ny velona aza izy; Fa ny fahitana ny amin'ny hanjo ny hamaroany dia tsy hitsoaka, ary tsy hisy ampahery ny ainy amin'ny helony.» 

Tsy isalasalana fa raha nanoratra ireto teny manaraka ireto i Paoly ao amin’ny 1.Korintiana 7, dia teo ambanin’ny masony ny vanimpotoana farany, dia izay iainantsika izao:

«Fa izao no lazaiko, ry rahalahy: Efa fohy ny andro, mba ho toy ny tsy manam-bady ny manana amin'izao sisa izao;  ary mba ho toy izay tsy mitomany ny mitomany; ary mba ho toy izay tsy mifaly ny mifaly; ary mba ho toy izay tsy mahazo ny mividy; ary mba ho toy izay tsy mahavatra izao fiainana izao loatra ny mahavatra azy, fa mandalo ny fanaon'izao fiainana izao.»  (Andininy 29-31)

Tato-ho-ato, dia ny morontsiraka andrefan’ny Etazonia no nifantohan’ireo siantifika nodinihiny manokana. Izy ireo dia miandry ny fahatanterahan’ny «Big one», horohorontany mafy kokoa noho ilay nandrava ny tanànan’i San-Francisco ny 18 Aprily 1906. Tamin’izany ny tany dia vaky ka nisy tatatra 1280 km, ary olona sahabo 3000-4000 no maty. Efa naminany izany ny rahalahy Branham, tamin’ny taona 1965, ary nasiany tsindrimpeo ny ho hamafin’ny fiakaran-drano an-tanety izay ho vokatr’izany, ka hahasafotra faritra midadasika iray ao amin’ny morontsika andrefan’ny Etazonia. Noho io horohorontany mahery vaika io, hoy izy, dia faritra iray matahitra noho an’ny Californie, no hilentika an-dranomasina, ary tsy hisy intsony i Hollywood sy i  Los Angeles. Hisy olona an-drivony maro ho faty. Ho tanteraka izany mialoha ny Fiverenan’i Kristy. Sakodiavatra toy ny mbola tsy nisy hatrizay izao tontolo izao ankehitriny. Inona indray no hitranga atsy-ho-atsy? Hafiriana no sisa ho antsika?







Tanàna

Firenena/Faritra

Daty

Herin’ny loza

Fanamarihana

Valdivia

Chili+b 

22.05.1960

9,5

1655 ny olona maty

Alaska

Etazonia

27.03.1964

9,2

Ny tsunami vokatr’izany dia nanao fiakaran-dranomasina sahabo 67 m haàvo

Andaman

Sumatra

26.12.2004

9,1

Ny tsunami vokatr’izany dia nahafaty olona niisa sahabo 230.000 

1,7 tapitrisa ny olona tsy nanan-kialofana

Morontsiraky Pacifique an’i Tôhoku

Japon

11.03.2011

9

Fahasimbana lehibe tao amin’ny Centrale nucléaire ao Fukushima-Dalichi

Tamin’ny 13.04.2011 dia 13.000 ny faty voaisa, ary 15.000 tsy hita popoka

Kamtchatka

Rosia

04.11.1952

9

 

Conception

Chili

27.02.2010

8,8

342 olona maty

Equateur

Equateur

31.01.1906

8,8

 

Alaska, Rat Islands

Etazonia

04.02.1965

8,7

 

Nias (nosy)

Sumatra

28.03.2005

8,6

Maherin’ny 1.000 ny olona maty

Assam-Tibet

Sisintany Chine-Inde

15.08.1950

8,6

 




Ankoatra ireo loza nanjo an’i Japon, dia ireo tabataba mitranga amin’ireo firenena silamo no matoan-dohatenin’ireo vaovao amin’ny hainoamanjery. Voaongana ireo fitondram-panjakana, tsy misy afa-tsy hotakotaka. Raha mihaino tsara am-pifantohana ianao ary mandinika, dia hahatsapa fa ireo zava-mitranga rehetra ireo dia mikendry ny hamelezana an’i Isiraely.

Sambany, tato anatin’ny 36 taona, no nisy sambon’ady anankiroa an’ny Iraniana namakivaky ny lakandranon’i Suez, ary miantsona ao amin’ny ranomasina Mediterrannée. Tsy ela izao, dia nisy mpitarika silamo ao Syrie no nandrahona, nilaza fa avy ao Damas ny ho fandravana tanteraka an’ny Isiraely. Izao kosa no voalazan’ny Soratra Masina mikasika izany:

«[Faminaniana ny amin'ny loza hanjo an'i Damaskosy] Indro, Damaskosy, dia rava tsy ho tanàna intsony, eny, tonga korontam-bato izy.» (Isaia 17:1)

Ao amin’ny Lioka 21:25, dia maminany toy izao ny Tompontsika, hoe: 

«Ary hisy famantarana eo amin'ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, ary ety ambonin'ny tany dia hisy fahorian'ny firenena amin'ny fahaverezan-kevitra noho ny firohondrohon'ny ranomasina sy ny fanonjany,»

Misy lanjany manokana ho antsika ireo teny voalaza ao amin’ny Matio 24:14, hoe:

«Ary hotorina amin'izao tontolo izao ity Filazantsaran'ny Fanjakana ity ―izany hoe ny Filazantsara izay torìna toy ny tany amboalohany (Asa 2:37-41)—  ho vavolombelona amin'ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany.» Ity no hafatra farany izay tombontsoa ho anay ny mitory azy. Tsy misy afa-tsy ireo singan’ny Fiangonana-Ampakarina ihany no hanongilan-tsofina amin’ny antso farany, hoe: «Indro ny Mpampakatra, mivoaha mba hitsena Azy» (Matio 25:1-10)

Tamin’ny alàlan’i Ezekiela, Andriamanitra dia efa naminany sahady hoe: «Injao ny farany!» ary ho avy tokoa ny farany. Saingy kosa, ho an’ireo tena mpino, izany dia midika ho fiandohana vaovao, hatramin’ny fahatanterahan’ny teny fikasanan’ny lanitra vaovao sy tany vaovao.

Efa niharan’ny loza nokleary i Japon tamin’ny taona 1945. Satria tsy mba nilavo lefona toa an’i Allemagne tamin’ny Mey 1945 izy, dia nanome baiko ny filoha amerikana, Harry S. Truman, handatsaka baomba atomika tao Hiroshima, ny 6 Aogositra 1945, ary tao Nagasaki ny 9 Aogositra 1945. Nahafaty olona an-drivony maro tao anatin’ny indray mipi-maso izany. Tsy isalasalana fa ny Fitondran’Andriamanitra no nahatonga ny governemantan’ny Etazonia naniraka ny mpanao sineman’i Hollywood iray, Atoa Hal Herman, niaraka tamin’ny fiaramanidina, naka sary ny fandatsahana baomba. Nampihorin-koditra azy loatra ny nahitany izany, hany ka tsy niala tao an-tsainy intsony ny fiheverana ny fiafaran’izao-tontolo-izao. Fotoana fohy taorian’izany dia niova fo izy ka lasa evanjelista tena voatahy. Nanao fitoriana Filazantsara tany Allemagne koa izy. Nisongadina tamin’izany ny tao Hambourg sy Berlin, izay nivavahany koa ho an’ny marary. Tamin’ny 1949, raha nanao ny fijoroany ho vavolombelona izy, nandritra ny fihaonan’ireo Pentekotista tao Hambourg, dia nanatsidika ny anaran-drahalahy Branham izy. Araka izany, dia tamin’ny alàlany no nahenoako voalohany ny anarana «William Branham».

Notantanan’ny Tompo ny làlako, ka nihaona manokana tamin’ny rahalahy Branham aho tamin’ny 1955. Nampifatotra ahy mafimafy kokoa tamin’ny minisiteran-drahalahy Branham sy tamin’Andriamanitra, ary tamin’ny Soratra Masina ireo fiarahako sy fifaneraserako tamin-drahalahy Branham. Tamin’ny 1 Aprily 1962, dia natetika ny rahalahy Branham no niresaka fanangonana hanina, toy ny hoe: «Tao anatin’io nofy io dia tsy maintsy nanangona hanina tato amin’ity tabernacle ity aho». Ary nampiany hoe: «Ary teto amin’ity toerana ity aho no nijoro ary nameno sobika maro tamin’ny hanina, anisan’ny tsara indrindra tamin’ireo hitako hatrizay niainako.»

Dia notanisain-drahalahy Branham tsirairay ireo hanina: ovy, radis, navets, legioma, sns… Izao indrindra no voalazany, hoe: «Niteny tamiko Izy hoe: manangona be dia be. Dia nitoetra teo aho, nanangona».

Ny 2 Aprily 1962, nanambara tamiko ny Tompo fa hisy hanoanana lehibe izay ho avy. Ary nanondro hanina ara-nofo Izy toy ny ovy, ny koba, izay tokony hangoninay. Afaka manamarina ireo rahalahy sy anabavy izay teo tamin’izany, fa tena nanangona sakafo ara-nofo tokoa izahay, satria nihevitra fa hisy loza voajanahary hikapoka ny firenenay. Saingy, ny 3 Desambra 1962, dia nolazain’ ny mpaminany tamiko fa diso fandray aho satria hanina ara-panahy no tian’ny Tompo notenenina tamiko. Amin’ny ankapobeny dia efa hainareo avokoa amin’ny antsipiriany izany.

Nisy kere tamin’ny andron’i Abrahama (Gen.12), ary koa tamin’ny andron’Isaka (Gen.26). Hain’ny rehetra tsara ny kere nisy tamin’ny andron’i Josefa (Gen.41-47). Taorian’ny kere iray no nankanesan’i Rota tany Isiraely (Rota 1), ary voatendry ho renin’i Obeda izy, ka lasa anisan’ny razamben’i Davida. Nisy kere toy izany koa tamin’ny andron’i Davida (2.Sam.21). Josoa tamin’ny androny, dia nibaiko ireo mpifehin’ny vahoaka, nanao hoe: «Manamboara vatsy ho anareo…» (Josoa 1). Keren-kanina ara-nofo no voalaza tamin’ireny fotoana rehetra ireny.

Tsy tsapako mihitsy tamin’ny voalohany fa hoe sakafo ara-panahy no tiany nolazaina raha nibaiko ahy Izy mba «hanangona hanina!» . Kanefa, tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay mivoaka ny vavan’ Andriamanitra. Niteny ny Tompontsika hoe: «Ny haniko dia ny manao ny sitrapon’izay naniraka Ahy». Tamin’izany fotoana izany aho dia tsy nahalala fa efa naminany ireny zavatra ireny ny Tompo tamin’ny alàlan’ny mpaminany Amosa: 

«Indro, avy ny andro, hoy Jehovah Tompo, izay hanaterako mosary amin'ny tany, tsy fanirian-kanina anefa, na hetahetan-drano, fa faniriana handre ny tenin'i Jehovah» (Amosa 8:11)

Ny zavatra tena nahagaga dia ny nitenenan-drahalahy Branham tamiko hoe: «Handefa faniriana hihaino ny Teniny Andriamanitra, ary ny hanina izay tsy maintsy hangoninao dia ny Teny izay nampanantenaina ho an’izao fotoana izao».ary nampiany avy teo hoe:: «Andraso ho tonga aminao ny sisa rehetra vao hanomboka hizara ny hanina ianao.». 

Mialoha indrindra ny feo miantso ny Ampakarina, manao hoe: «Indro ny Mpampakatra, mivoaha mba hitsena Azy» (Matio 25), dia izao Soratra izao no vakintsika: «Iza moa no mpanompo mahatoky sy manan-tsaina, izay notendren' ny tompony hifehy ny mpanompony mba hanome azy hanina amin'ny fotoana?» (Matio 24:45)

Inoanay ny Teny rehetra, na ao amin’ny mpaminany Malakia izany no voasoratra, na ao amin’ny Filazantsaran’i Matio, na ao amin’ny andalana hafa ao amin’ny Baiboly, ary afaka mametraka izany tsara amin’ny toerany marina ao amin’ny Drafi-Panavotan’Andriamanitra isika noho ny Fahasoavan’Andriamanitra . Tamin’ny fotoana rehetra Andriamanitra dia nanana hatrany lehilahy izay nomeny iraka masina ho tontosaina, mifanaraka amin’ny Drafi-Panavotana, toa an’i Noa, Abrahama, sns… Nanana iraka nanirahana azy i Mosesy (Eks. 3), nanana iraka Isaia (Isaia 6), nanana iraka i Jeremia (Jer.1). Jaona mpanao batisa dia lehilahy nirahin’Andriamanitra. Paoly dia nahazo iraka nasaina nataony (Asa 22:21)

Ireo apostoly dia nirahina (Mat.10, Liok.9). Ny lehilahin’Andriamanitra tsirairay, tamin’ny alàlan’ny fanambarana avy amin’Andriamanitra, dia nahafantatra ny Soratra Masina nikasika azy sy ny minisiterany. Hoy ny Tompo ao amin’ny Malakia hoe: «Indro, Izaho haniraka an'i Elia mpaminany ho aminareo, …»  ary koa nony efa vita ny minisiteran’i Jaona mpanao batisa, hoy Izy hoe: «Elia dia avy ihany ka hampody ny zavatra rehetra.» (Matio 17:11)

Nilaza izao ny Tompontsika, hoe: «… tahaka ny nanirahan'ny Ray Ahy no anirahako anareo kosa.» (Jaona 20:21), ary niteny koa Izy hoe: «… Izay mandray izay hirahiko dia mandray Ahy; ary izay mandray Ahy dia mandray izay naniraka Ahy.» (Jaona 13:20)

Fa izao: tena zavatra manan-danja tokoa ny inoantsika araka izay voalazan’ ny Soratra Masina. Miavaka indrindra ny fahamarinan’izany ato amin’ny vanimpotoana mamarana ny Drafi-Panavotana ho an’ny Fiangonana. Amin’izao ankatoky ny farany izao, ary efa tena eo am-baravarana ny Fiverenan’i Kristy, dia tsy maintsy dinihintsika ny fampianarana rehetra, ka ampitahaintsika amin’ny Soratra Masina, toy ny nataon’ireo mpino fahiny tao Beria (Asa 17:10-11)

Satria manko, mikasika ireo teny nolazain’ny Tompo tamin-drahalahy Branham avy tao amin’ilay Hazavana mahagaga ny 11 Jiona 1933, dia misy fandikana vilana maro isan-karazany tsy manana fototra ara-Baiboly akory fa fanamboamboarana enti-mamitaka, sady mahafaty ara-panahy izay foronina ary afafy anivon’ity Hafatra ity.

Raha nijoro vavolombelona ny mpaminany, ny 10 Febroary 1960, tao San-Juan, any Porto-Rico, dia naveriny nolazaina indray ireo teny marina, dia izao izany: «Toy ny nanirahana an’i Jaona mpanao batisa nialoha làlana ny Fiavian’i Kristy voalohany, ny Hafatra izay omena entinao no hanomana ny Fiaviana faharoan’i Kristy.». 

Taorian’izany, dia mbola namafisin-drahalahy Branham koa hoe: «Tsy izaho no mpanomana, fa ny Hafatra no ho mpanomana».

Kanefa, manerana izao tontolo izao, ao amin’ireny sarisarina vondrom-bavaky ny Hafatra ireny, ny nampajakaina dia ny fandikan’ny Etazonia, izay manao hoe: «Toy ny nanirahana an’i Jaona mpanao batisa nanomana ny Fiavian’i Kristy voalohany, dia irahina ianao hanomana ny Fiavian’i Kristy faharoa». Nalatsak’io fandikana vilana io ny teny hoe «Hafatra», kanefa toy ny efa namaritan’Andriamanitra azy, dia ny Hafatra no mpanomana ny Fiavian’i Kristy faharoa. 

Iza àry no manana ny marina? Ny Tompo izay niteny tamin’i Paoly avy tao amin’io Hazavana io ihany, sy ny rahalahy Branham izay nampita ara-bakiteny ireo teny voalaza taminy? Sa ireo izay sahy mamorona fandisoana bevava toy izany? Endrikendrehin’izy ireo ho mpandainga ny Tompo sy ny rahalahy Branham, ary ataony toy izany koa ilay mitaky ankehitriny ho mpitondra ara-dalàna ny Hafatra maneran’izao tontolo izao, noho ny iraka azony tamin’Andriamanitra. 

Hitoetra hatrany amin’ny mandrakizay fa ny rahalahy Branham no ilay mpaminany nampanantenaina ary izy no nitondra ny Hafatra avy tamin’Andriamanitra izay nanambara ny zavamiafina rehetra manomboka ao amin’ny Genesisy toko voalohany ka hatrao amin’ny Apokalypsy toko faha-22, ary io Hafatra io ihany no ambara amin’ny firenena rehetra ankehitriny. Io no hafatra miantso fivoahana, sy fisarahana, sy fiomanana, ary famerenana amin’ny laoniny ny zavatra rehetra.

Nandritra ny fivoriana iray tany Angletera, ny 20 Febroary 2011, hoy ny rahalahy iray tamiko, hoe: «Ry rahalahy Frank, natetika ianao henonay niteny fa tsy ho nanana hafatra nentina ianao raha tsy teo ny minisiteran-drahalahy Branham. Izahay kosa miteny ankehitriny fa raha tsy nisy ny minisiteranao izahay koa tsy ho naharay ny Hafatra.». Na ny trangan-javatra manan-danja indrindra mifandraika amin’ny fanokafana ireo Tombokase fito aza dia diso fandray ny olona ary anaovana fandikana vilana. Tany Arizona, tao amin’ny tendrombohitra Sunset ny rahalahy Branham ny 28 Febroary 1963. Tany izy no nandre fikotroka kotrokorana mahery impito, ary nolazana izy mba hiverina any Jeffersonville, satria hosokafana ireo Tombokase fito. Nolazain-drahalahy Branham hatrany hatrany ireo fikotroka kotrokorana fito ireo, hatra taminy izy niresaka momba ny finoan’ny Fampakarana aza. Mazava hoazy fa noho ny fifandraisany amin’ny fanokafana ireo Tombokase fito no nikotrohan’izy ireo. Ny fanokafana ireo Tombokase fito no trangan-javatra lehibe indrindra ao amin’ny Drafi-Panavotana ho an’izao androntsika izao! Ny zavatra rehetra tokony ho fantatsika dia voambara tao amin’ireoTombokase fito. Na ny finoan’ny Fampakarana aza dia mifatotra amin’izany. Feno ny fanambarana, ka tsy misy zavatra azo anampiana izany intsony, satria tsy nisy zavatra nohadinoin’Andriamanitra na kely aza. Tsy toy izany kosa anefa ny mikasika ireo kotrokorana fito ao amin’ny Apokalypsy toko faha-10 satria ireo tsy misy fifandraisany amin’ny Fiangonana, fa amin’Isiraely, amin’ny fotoana hidinan’ny Tompo toy ny Anjelin’ny Fanekena. Fa efa nanoratra imbetsaka koa izahay mikasika izany, novelabelarinay mazava tsara mifanaraka amin’ny Soratra Masina sy izay nampianarin-drahalahy Branham. Manohy mitondra ity Hafatra masina avy amin’Andriamanitra ity aho, miaraka amin’ireo mpanompon’Andriamanitra rehetra, manerana izao tontolo izao. Nankinina taminay ny Teniny masina voambara. Hatramin’ny androany aho dia tsy nanaiky fandikana diso na tokana aza, ary tsy hanaiky na oviana na oviana, satria tsy tantiko ny fandikan-diso sy ny hosoka. Ireny dia lainga avy amin’i Satana, izay namitaka an’i Eva tao an-jaridain’ny Edena. Nantsoin’ny Tompo aho hitory ny Teniny sy hizara ny hanina ara-panahy, dia hotohizako atao izany raha mbola omen’Andriamanitra hery sy fahasoavana amin’izany aho. Niteny toy izao ny rahalahy Branham, hoe: «Maro ireo misaotra an’Andriamanitra noho izay nataony taloha, ary miandry izay mbola ho ataony, saingy mandalo tanteraka izay eo am-panaovana azy Izy.» Ny fiantsoana ny Fiangonana hivoaka, hisaraka ary hiomana, dia midika ny famerenana amin’ny laoniny ny zavatra rehetra, ireo zavatra izay nampanantenain’ Andriamanitra ao amin’ny Teniny. Fantàro ny andro sy ny Hafatra! Ho tahiana anie ny maso izay mahita, sy ny sofina izay mandre, ary ny fo izay mino.

Isika izay nandray ny Hafatry ny andro farany, aoka hamantatra ireo famantarana ny andro farany. Tena azo tsapaina ny fisian’ny hanoanana ara-panahy, ary iainanay isam-bolana izany, rehefa tonga mivory eto amin’ny Centre Missionnaire ireo olona miisa sivinjato ka hatramin’ny arivo, avy amin’ny firenena rehetra ato Eropa sy amin’ny firenena hafa. Mahatratra hatramin’ny valonjato ny fifandraisana amin’ny Internet, anisan’izany ireo fiangonana manontolo miara-mijery, avy amin’ny firenena 88 any amin’ny kontinanta rehetra. Araka izany, amin’ny alàlan’ny Internet, dia mandray anjara amin’ny fanambarana ny Teny voambara izy ireo. Tenim-pirenena 12 samihafa no ampitana izany. Ankoatra izany, mandefa tsy tapaka, isam-bolana izahay, DVD sahabo 5000 izay mirakitra ireo fihaonana isaky ny voalohan’ny volana. Endrey ny voninahitra sy ny fahasoavan’izao andro izao! Isika dia miandry ny fanantanterahan’Andriamanitra izay nampanantenainy ho amin’ izao androntsika izao, ary tsy ho ela intsony izany. Ny olona izay avy amin’Andriamanitra dia manaja ny mpitondra hafatra, manaiky ny Hafatra, ary miditra amin’izay eo am-panaovana azy Andriamanitra. Nataon’Andriamanitra mahalala ireo Làlany isika noho ny fahasoavana azontsika teo anoloan’ny Tavany. Mahatoky Izy, ary Izy hamarana ny Asany amin’ireo Zananilahy sy Zananivavy, rehefa ho tonga ny andro henim-boninahitry ny Fiverenan’ny Tompo malalantsika izay efa antomotra. Hahazo Fiangonana tonga amin’ny fahatanterahana, tsy misy pentina na kentrona ny Mpanavotra (Efes.5:27) satria efa niomana ny Ampakariny (Apok.19:7). Haleloia.

Amena!

Mety ho vita ny hanao famintinana ireo asa misionera isam-bolana. Fa tsy ny mpitondra hafatra no zavatra, fa ny Hafatra, ny Teny izay manatanteraka izay nanirahana azy ao amin’ny fon’ireo mandray Azy. Ny Tenan’ny Tompo mahatoky mihitsy no manome ny voa famafy amin’ny mpamafy, ary mofo amin’izay mihinana (Isaia 55:10-11). Misaotra anareo amin’ny foko rehetra aho noho ireo vavakareo sy ny fitananareo an-tsoroka ny asan’Andriamanitra. Ho lehibe ny valisoanareo. Amena.

Miasa araka ny irak’Andriamanitra:

Ewald FRANK

 

Lisitr’ireo horohorontany lehibe indrindra voarakitra (Loharano: Wikipédia, tranonkala allemand)

Lisitr’ireo horohorontany lehibe indrindra voarakitra (Loharano: Wikipédia, tranonkala allemand)