Mission Populaire Libre

Jésus-Christ est le même hier, aujourd'hui et éternellement" (Hèbreux 13:8)

Langue:

Mendrika ny Filazantsara ve ny Fiainanao ? / William Branham

Langue: Malagasy

Other languages




MENDRIKA NY FILAZANTSARA VE NY FIAINANAO? 

(William Marion BRANHAM)

30 Jona 1963, 

Jeffersonville, Indiana, Etazonia

----------------------------

Aoka isika mbola hitsangana vetivety, sy hanondrika ny lohantsika, ary hitodika amin’ny Tompo. Ianareo izay manana hataka haroso amin’Andriamanitra, aoka hanangana ny tananareo, toy izao, any Aminy mandritra izany, ary hazony am-ponareo izay angatahinareo.

Rainay any an-Danitra, mankasitraka Anao izahay nanome anay andro iray hafa. Efa manomboka ho lasa tantara sahady izany. Ireo fotoambavaka aninkeheo maraina dia efa dila sahady. Ireo teny voambara dia efa miely eny amin’ny rivotra sy voarakitra anaty horonam-peo, ary tsy maintsy hampamoahana anay izany indray andro any. Na ho marina ireny na ho diso. Kanefa inoanay fa marina ireny, satria ireny dia ny Teninao.

Mivavaka izahay izao, mba efaonao aminay izay angatahinay Aminao, izao hariva izao. Sady manandratra ireo tànanay izahay, no mitsangana, hanoloranay ireo hatakay. Ianao mahafantatra izay ilainay, sy izay angatahinay Aminao. Koa, mivavaka izahay mba hamalianao izany aminay, Tompo, sy hanomezanao anay izay irin’ny fonay, raha toa ka ho fanomezam-boninahitra Anao izany. Omeo anay izany, Tompo.

Aoka ho sitraninao ny aretina izay eo anivonay. Aoka hongotanao ny fahotana rehetra sy ny tsifinoana. Hanomezo ampahany amin’ireo Fitahinao indray izahay, rahalina, Tompo, mandritra ny handinihanay ny Teny sy ny fotoana iainanay izao. Tafangona izahay, Ray, tsy misy tanjona afa-tsy ny hianatra hiaina fiainana tsaratsara kokoa, akaiky Anao kokoa. Satria hitanay manatona ilay Andro, ka tsy maintsy mivory matetika izahay, mba handray ireo Toromarikao. Efao ho anay izany, Ray, amin’ny Anaran’i Jesosy. Amena! 

Misaotra ; mahazo mipetraka ianareo.

Fantatro fa mafana izaitsizy ato, indrindra rehefa feno tahak’izao ny efitrano. Malahelo aho noho ny tsifisian’ny fanalefahana hafanan-drivotra. Zavatra anankiroa no tiako hananana ato amin’ity efitra ity rehefa hiverina hanao fivoriana misesisesy ato aho. Tiako ny hisian’ny “piano” iray izay ho hapetraka eto, ary amin’izany ny mpitendry dia ho afaka mifanatrika amin'ny mpiangona. Tiako koa ny hisian'ny “orgue” iray etsy, sy milina fanalefahana hafanan-drivotra. Mihevitra aho fa amin’izay fotoana izay dia voavatsy ara-pitaovana tanteraka isika. Matoky ny Tompo isika, ary haintsika fa hanome izany antsika Izy.

Mino aho, araka ny voalaza tamiko, fa i Rahalahy Hickerson no nanapaka an’ity tamin’ny gazety. Napetrany teo ambonin’ny latabatro izy ity. Ilay vondron’anjely no noresahin’ny gazety. Hitanareo ve ny endrika pyramida? Jereo ilay iray, amin’ny ilany ato, ny elany maranitra, ny tratrany mibontsika toy izao ; teo amin’ny ankavanako izy. Tsy misy valaka tamin’ny voalazako teto amin’ity polipitra ity ihany, volana maro mialoha. Jereo, fa io eo izany. Ny gazety-boky “Life”no namoaka azy ity, ny laharan’ny volana Mey, ataoko fa ny 17 Mey izany. Marina ? Nilaza tamiko Ramatoa Wood androany, fa naharay antso an-tariby maro izy, nanontany azy mikasika io. Ny laharana nivoaka tamin’ny Mey, ny faha-17 Mey no ahitana azy io.

Rahona nahagaga ilay izy. Tany amin’ny haàvo 26 “miles” no nisy azy, ary telopolo “miles” ny sakany. Ary noresahintsika tato izy io. Tamin’ny alàlan’izy io no nidinan’ny Anjelin’ny Tompo, nampihovitrovitra ny toerana nisy ahy… hatraiza hatraiza Nahare feo mafy be aho.

Fantatro fa misy lehilahy iray izay… Ataoko fa ny rahalahy Sothman. Vao tazako izy teo, any ho any… Erỳ izy, mitsangana erỳ. Yah. Teo akaiky ahy izy tamin’ny nisehoan’ireo zavatra ireo. Ataoko fa tsy nifanalavitra izahay, satria nahatazana azy aho, sady niezaka nanatsika azy. Teny amiko ireo masolavitrany. Ireo biby izay nohazainay dia tsy tao amin’io havoana io. Efa lasa tany amin’ny havoana hafa izy ireo. Ny omalin’iny no nahitako ny dian-tongotr’izy ireo, ary nambarako tamin’ireo namako ny làlana tokony halehany. Naka toerana tokony ho nahitako ny fiavian’ny biby aho. Amin’izay dia tifi-danitra fotsiny no hataoko mba handroaka ireo biby ireo ho any amin’ny làlana. Ary ho samy afaka hahazo ny hazany avy ireo namako. “Javelinas” ireo biby nohazainay. [karazana lambodia. N.d.T]

Araka izany, dia niakatra ny ilan’ny havoana aho, ary tsy tany anefa ireo biby. Tsy tany ankilany koa izy ireo. Tazako ny rahalahy Fred nanalavitra, fa tsy tao koa izy ireo. Niverina izy, fa ny rahalahy Norman niakatra. Ary Izaho nidina nitsofoka tamin’ny làlan-kely iray, namakivaky toerana tena sarotra haleha, sahabo ho “mile” iray sy sasany. Nipetraka aho, ary nijery nanodidina ahy. Efa nisandratra ny andro.

Nanala ireo hoto miendri-dandihazo izay niraikitra tamin’ny pataloako aho, (ilay hitako nataoko tao anaty fahitana, enim-bolana nialoha, no nanaovako). Nisaina aho hoe: “Hafahafa izy izany. Tena avaratra tsara an’i Tucson no nisy ahy, somary avaratra-atsinanana…”.

“Tucson”, tsaroanareo, izaho niteny hoe: “somary atsimo-andrefana”.

Ary hoy aho hoe: “Hafahafa izy izany”, sady nijery ireo hoto, no nanala ireo izay niraikitra tamin’ny pataloako. Raha mba nandeha tany ianareo, io faritra io dia tany efitra. Tena hafa amin’ny atỳ. Indroapolon’ny hazavana atỳ ny any, ary tsy misy hazo maniry. Tsy misy afa-tsy raketa sy fasika.

Nijery azy ireo, toy izao àry aho. Avy teo, nitraka aho, ary tazako, sahabo ho antsasaka-“mile” eo ho eo, andiana “Javelinas”. Avy niraotra ahitra izy ireo, ary nifindran-toerana. Nisaina aho hoe: “Raha mba azoko natao ny mampanatona ny rahalahy Fred sy ny rahalahy Norman aty dia ho amin’ny toerana mety tsara izahay.”

Ny omaly hariva an’io, ny Fanahy Masina dia niasa tamin’ny fomba mahery tao an-tobinay, nampiseho ahy zavatra maro izay tsy maintsy nitranga. Voatery nitsangana aho, ary nanalavitra kely ny toby.

Ary io maraina io, tsy maintsy niala teo aho. Nanainga aho… Niteny aho hoe “Raha afaka mahita ny rahalahy Fred aho, hasaiko hihodidina ity havoana ity izy”. Sahabo ho iray “mile[1 mile =1600m -f.n.m] ilay havoana, amin’ity hitsiny ity. Tsy maintsy mandeha fara-fahakeliny roa “miles” aho vao hahatratra azy. Tsy maintsy midina mitsofoka ny làlan-kely, dia miakatra indray, dia mamakivaky ireo tany sarotra andehanana, ary avy eo dia mandeha amin’ny hitsiny izao na izatsy vao hahita azy. Rehefa izany, dia tsy maintsy miakatra an-tampon’ny havoana izy, hitazana an-drahalahy Norman, izay tsy maintsy ho efatra na dimy miles any ambadika. Avy eo izy dia hiverina. Nanantona tapa-taratasy tamin’ireo kirihitra “mesquite” aho, mba nahitako indray ny lalako rehefa miverina aho.

Vao avy nandalo tampon-kavoana mikinifinify aho, tampoka teo, nahita dian-tongotra kapreola (daim ), tokony ho dimampolo metatra tany ambanimbany kokoa noho ireo vatolampy. Oh, ny andro efa tena nisandratra tamin’izay. Tamin’ny valo na sivy ora. Izay tokoa, rahalahy Fred ô? Angamba tamin’ny sivy ora? Nifindra haingana tany ambadika aho, mba tsy ho tazan’ireo “javelinas”. Lambodia somary mampatahotra ihany izy ireny.

Nifindra tany ambadika àry aho, nihazakazaka madinidinika niakatra ilay havoana. Tampoka teo, nihovitrovitra ny tany rehetra. Tsy mbola nandre firefo-javatra toy izany aho! Voahozongozona ny toerana rehetra ; nikodiadia avokoa ireo harambato. Ary tsapako voatsipy niala ny tany aho, sahabo ho dimy “pieds[1 pied=0,324 m f.n.m]. Nihorohorobe aho. Oh! la! la! Nihevitra aho fa voan’ny bala, satria ho nisy olona iray… nanao satroka mainty aho, ary nataoko fa nisy nihevitra ahy ho “javelina”, ka nitifitra ahy. Tena taitra mafy mihitsy aho. Kanjo tsitapitapitrizay, nisy niteny hoe: “Andrandrao ny masonao.” Izay àry ilay izy. Dia hoy Izy tamiko: “Tonga ny fotoana hanokafana ireo Tombokase fito ; mandehana mody!” Araka izany, dia niverina teto aho. 

Tafahaona tamin-dry rahalahy Fred sy Norman aho ora iray taorian’izany. Taitaitra be ihany ry zareo nitantara iny fitrangan-javatra iny. Izay ilay izy. Ary ny siansa dia milaza fa tsy mety hisy etona na zavona na zavatra hafa, amin’io haàvo io. Hitanareo?

Rehefa miampita ranomasina isika, ny fiaramanidina dia miakatra sahabo ho sivy arivo “pieds”, izany hoe eo ho eo amin’ny efatra “miles”, efa any ambonin’ny orambaratra. Voalaza fa ambonin’ny dimy ambin’ny folo “miles” vao tsy ahitana etona na kely akory aza. Kanefa io rahona io, dia tany amin’ny haàvo enina amby roapolo “miles”, ary nijanona teo tontolon’ny andro. Hitanareo? Tsy nahafantatra azy iny ireo manam-pahaizana. Saingy, isaorana ny Tompo, fa isika mahafantatra. 

Misaotra, rahalahy Hickerson. Hotehiriziko eto izy ity, ambonin’ny polipitrako. Ka rehefa hanoratra ny boky izahay, dia ho afaka maka azy eto.

Manana fanamarihana kely aho ato… Inoako fa nitombo singa iray isika hatramin’ny niaviako farany teto aminareo. Ataoko fa ny anarany dia… ny anaran-drainy dia David West. Ary nentiny ato ilay sakaizakely, mba hatolotra ny Tompo. Tsy izany ve? Izao hariva izao ve sa ny alarobia hariva? Tsy fantatro, tsy maintsy… Izao hariva izao? Tsara izany. Inona àry no… Ianao no David? Izay mihitsy no noheveriko. Tena tsara. Iza no mitondra ilay sakaizakely? 

Raha mba manatona ny “piano” ny anabavintsika ary mitendry ny “Bring them In“ [Ento izy ireo N.d.T]. Raha mba sitraky ny pastora koa, hanatona aty, ary hatolotsika an’ny Tompo ity zazalahy kely ity. Hiezahantsika hatao araka ny Soratra Masina izany.

Ry rahalahy West, zafikelinao izy ity. Toy ny tsy mampino, tsy izany? Ahoana ny hevitrao ny amin’izany, ranabavy West? Fantatrareo ve ny eritreritro? Hainareo, izaho koa anie ka dadabe.

Mampahatsiahy ahy an-drahalahy Demas Shakarian izany. Nijoro teo afovoana vahoaka marobe izy. Izy dia mampifangaro ny zavatra rehetra, tahaka ahy koa, hainareo. Nijoro teo izy. Ary hoy izy: “Hainareo, nambarako an’i Rose (vadiny izany) fa nahatsapa-tena ho niha-antitra aho hatramin’izay naha-dadabe ahy”.

Tsy ianao irery, Rahalahy West. Maro no toy izany ato. Ary tena tsara izany. Mihevitra aho fa tena afaka mankafỳ ireo zafikelintsika isika… Aoka tsy raisinao ratsy izany, Hope. Kanefa inoako fa afaka manokana fotoana be kokoa amin’izy ireo isika, noho ny tamin’ireo zanatsika. Nanontaniako ny vadiko izany indray andro. Hoy izy: “Marina izany. Azo halaina vetivety izy ireo, hanehoana fitiavana, avy eo dia haverina amin’ny reniny, dia tohizana toy izany.” 

Manana zafikely iray aho, erỳ aoriana erỳ. Hoy izy amiko “Dada pastora, Dada pastora.” Nitondra fanatitra izy ireo (ny alahady lasa teo), ary nametraka izany teo ambony latabatra. Nentin’izy ireo niaraka taminy ilay zaza. Raha nandre ny feoko tao amin’ny fanamafisampeo izy, dia hoy izy: “Dada pastora, Dada pastora.”

Hoy Billy taminy: “Eny, any ambony izy”. 

Fa ilay zaza namaly azy hoe: “Tsia!” Ary dia indreo ny fanatitra niparitaka teo amin’ny tany. Te-handeha tany amin’izay nisy ahy izy, hainareo. Mihiakiaka toy izany foana izy rehefa mahita na mandre ahy. Mihiakiaka izy hoe: “Dada pastora, Dada pastora.” Tena mihiaka mafy. Dia haiko fa izany no mahafatifaty azy ireny.

[Manolotra ilay zaza rahalahy Branham Red]

Hiraintsika izao ilay hira fohy: “Ento izy ireo”. Aoka samy hihira mba ho an’ity zaza ity. (Eny, ranabavy, tena tsara izany.)

Ento izy ireo, ento izy ireo
Ento ireo zazakely ho amin’i Jesosy

Tsy mahafantatra tànana mendrika kokoa hametrahana azy ireny aho, (ary ianareo?) afa-tsy ireo Tànan’i Jesosy Tompo!

Haiko fa mafana be ato. Tiako raha ny mpiandry trano, ny rahalahy Doc, na olona iray hafa hiandraikitra izany. Misy amin’ny anabavintsika ireo mahasimba ny akanjony amin’ny menaka izay ambonin’ireo seza ireo. Firifiry ireo no efa tratra izany? Ny haiko, dia ny vadiko, ireo zanako roa vavy, i Betty Collins kely, Ramatoa Beeler, ary hafa koa. Misy zavatra ambonin’ireo seza ireo, misy menaka. Raha mba zahanao izany, Doc, rehefa misy fotoana ianao. Menaka izy io, na loko, na zavatra hafa, mipetaka rehefa mamindrafindra ireo seza izy ireo. Tsy haiko izany na inona na inona. Nampahafantarina ahy izany, ary nilaza aho fa hiteny amin’i Doc. 

Ary izao, ny fivoriambavaka amin’ny alarobia hariva… [ miresaka amin-drahalahy Neville ny rahalahy Branham Réd]

Efa voatonona avokoa ireo filazana.

Raha sitrapon’ny Tompo, amin’ny alahady ho avy izao aho hitory ny “fiampangana izao taranaka izao noho izy nanombo an’i Kristy indray”. Hiteny ianareo hoe: “Izao taranaka izao tsy ho nahavita izany” Ho hitantsika izay ambaran’ny Teny amintsika momba izany. Amin’ny alahady ho avy izao izany, raha sitrapon’ny Tompo. Raha tsy misy ny sampona…

Tokony ho any Houston aho amin’io herinandro io, hiatrika convention. Haharitra hatramin’ny alahady izany. Koa tsy haiko raha ho afaka aho na tsia. Kanefa manana alahady anankiroa isika, ankoatra io, hahazoana fotoana. Aorian’izay dia hankany amin’ny fihaonana ao Chicago izahay, ny herinandro farany an’ity volana ity. Avy eo, tsy maintsy mamerina ny ankohonako any Arizona aho, satria hifarana ny fialantsasatra, ny ankizy hiverina any an-tsekoly.

Firy no tia mamaky ny Teny, ary mandray ireo Fitahian’ny Tompo? Tsara. Ny rehetra no tia.

Mafana ny andro. Ary fantatro fa maro ianareo no hody rahalina. Fantatro fa ny rahalahy Rodney sy Charlie, ary maro hafa koa, dia hamily fiara mandritra lalan-davitra. Kanefa, miandrasa vetivety. Anaty fialantsasatra ianareo izao, tsy izany? Tsara. Henoko fa handeha hanjono ianareo. 

“Ajanon’ny Tompo ny fotoana ho an’ny lehilahy iray any am-panjonoana. Tsy miha-antitra ianao mandritra ny anjonoanao.” Koa, ianareo vehivavy, miaraha aminy. Hitanareo? Handeha hiaraka aminareo aho raha afaka. Ary hainareo, “Ny Tompo tsara dia tsy manisa ny fotoanan’ny lehilahy raha mbola any am-panjonoana izy.” Ataovy imbetsaka àry izany, rehefa mahatsapa fanafihan’ny rarin-tsaina ianareo. Izany no tsara indrindra hiverenana amin’ny laoniny, araka ny hitako tao amin’ny fiainako.

Indray mandeha aho, naharay “carte postale” iray avy tamin’Atoa Troutman. Tsaroanao rehetra ve Atoa Troutman, ilay tompon’ny fanamboarana fitaratra ao New Albany? Nandefasany karatra kely iray aho izay nisy soratra hoe “Am-panjonoana aho izao.” Ary nampiany hoe “Ny lehilahy tsirairay any am-panjonoana, mandrakariva dia manolo-tànana, hamaha ny olan’ireo rahalahiny miara-manjono aminy.” Mbola nilaza zavatra valo na folo izy, alohan’ny namaranany, toy izao: “Akaiky kokoa an’Andriamanitra ny lehilahy any am-panjonoana”. Inoako fa marina izany. Any am-panjonoana, mitovy avokoa, na mahantra, na manan-karena. Hitanareo? “Manolo-tànana hatrany ireo lehilahy any am-panjonoana, hamahana olana ny hafa.” Izay nosoratany rehetra dia nikasika ny “any am-panjonoana.” 

Tsara. Hilaza karazam-panjonoana iray hafa aminareo aho, izay efa ho telo amby telopolo taona no nanaovako azy. Nanjono fanahin’olona aho. Ny Tompo anie hanampy antsika hahataona ireo rehetra mety ho hitantsika.

Fa izao, raisim-peo ity izao. Fa androany naraina (Ho an’i Jim , raha ato izy; na eo am-pandraisam-peo), nisy niantso ahy an-telefaona, nanamarika tamiko, fa izaho niteny hoe “fivoahana faharoa”. Tsy faharoa no tiako notenenina, fa “fivoahana fahatelo”. 

Ny Fanahy Masina, tamin’ny endrika Andry Afo, Andriamanitra nidina ary niseho, no nanao ny “fivoahana voalohany”, namoaka ny zanak’ Israely niala tao Egypta. 

Ny “fivoahana faharoa” dia tamin’ny namoahan’i Kristy ny Fiangonana niala tao amin’ ny “Jodaïsma”. 

Ary ny “fivoahana fahatelo” dia rehefa io Andry Afo io ihany, namoaka ny Ampakarina ivelan’ny fiangonana. Hitanareo? Mivoaka ny ara-nofo, mivoaka ny ara-panahy, ary avy amin’ny ara-panahy, mankao amin’ny ara-Panahy. Ireo telo ireo, hitanareo, no fivoahana, fivoahana ara-Panahy ivelan’ny fiangonana, no marimarina kokoa. Ireo ny dingana telo, ireo fizaram-potoana telo an’izany.

Izao hariva izao, te-hanao horonam-peo iray hafa aho. Ny lohatenin’izany dia: “Mendrika ny Filazantsara ve ny fiainanao?” Ataoko fa tsy ho lavabe izany. Handinika Soratra Masina vitsivitsy fotsiny isika, sy fanamarihana vitsivitsy noraisiko mikasika io lohahevitra io. Fa voalohany, dia hamaky ny Tenin’Andriamanitra isika. Mialoha izany dia hanondrika ny fontsika eo anoloany isika vetivety.

Jesosy Tompo, na lehilahy, na vehivavy, na ankizy, dia afaka manokatra ity Baiboly ity, saingy tsy misy olona afaka manambara Azy, afa-tsy Ianao. Mivavaka aho, Tompo, raha handray ireo andalana, izay napetrakao tato am-poko, mba hozaraina amin’ny firenena rehetra, ho an’ny vahoaka, hahafantarany karazam-piainana toy ny inona no takiana aminy, iainany. Satria maro be ireo nanontany ahy hoe: “Ny fanompoana fiangonana ve no fiainana kristiana? Sa ny manampy ireo mahantra, mila fanampiana? Sa rehefa mpikambana maharitra? Sa mpikambana mahatoky an’ny fiangonany?” sy fanontaniana maro hafa. Ray ô, aoka ho ny valiny tena marina no ho tonga izao hariva izao, raha miezaka hampita izany amin’ny Vahoakanao izahay. Angatahinay izany amin’ny Anaran’i Jesosy Kristy. Amena.

Andao vakintsiaka izao ny Baibolintsika, ao amin’i Lioka, toko faha-14, manomboka ny andininy faha-16, andininy vitsivitsy, hanome antsika fototra amin’izay hiezahantsika hovelabelarina, ao anatin’ny telopolo na efapolo minitra. Lioka, toko faha 14, andininy 16.

"Fa hoy Jesosy taminy: Nisy olona anankiray nanao fanasana lehibe ka nanasa olona maro. Ary naniraka ny mpanompony izy tamin’ny fotoana fisakafoanana hilaza amin’izay efa nasaina hoe: Andeha, fa efa voavoatra izao ny fanasana. Fa izy rehetra dia nitovy saina, ka samy nanao fialana. Hoy ny voalohany taminy: Efa nividy tany aho ka tsy maintsy mandeha hizaha azy ; masina ianao, ekeo ny fandavako. Ary hoy ny anankiray koa: Efa nividy omby folo aho ka handeha hamantatra azy ; masina hianao, ekeo ny fandavako. Ary hoy ny anankiray koa: Efa nampaka-bady aho, koa amin’izany tsy afaka mankany. Ary nony tonga ilay mpanompo, dia nambarany tamin’ny tompony izany. Dia tezitra ny tompon-trano ka nanao tamin’ilay mpanompony hoe: Mandehana faingana ho eny amin’ny lalambe sy ny sakeli-dàlana eto an-tanàna , ka ampidiro ny malahelo sy ny kilemaina sy ny jamba ary ny mandringa. Ary hoy ilay mpanompo: “Tompoko, efa natao izay nandidianao, ary mbola tsy feno ihany ny trano”. Ary hoy ny tompo tamin’ilay mpanompony: “Mandehana ho eny amin’ny lalambe sy sisim-boly ; ka tereo ny olona hiditra, mba ho feno ny tranoko. Fa lazaiko aminareo: Tsy hisy hanandrana ny nahandroko ireny olona nasaiko ireny na dia iray akory aza”.

Voamarikareo ve fa misy antso telo? na dingana telo tao amin’ilay antso? Voalohany, nantsoina ireo izay nasaina. Kanefa tsy tonga ireo. Koa lasa ireo, nanao asa fanasitranana, nakana ireo jamba sy kilemaina. Fa mbola nisy toerana malalaka ihany. Noho izany, lasa izy ireo naka, na ny tsara, na ny ratsy, tsy nisy fanavahana, mba hampidirina. 

Mbola azonareo vakina koa ny fanoharana iray toa an’io, ao amin’ny Matio 22, andininy voalohany ka hatramin’ny fahafolo. Azonareo vakina amin’ny manaraka izany, raha tianareo. Fa avy tamin’ireo no nanatsoahako izao lohahevitra izao: “Mendrika ny Filazantsara ve ny fiainanao?”

Eto, Jesosy, dia maneho fa ny olombelona mandrakariva dia mitady fialantsiny tsy andraisany ny Tenin’Andriamanitra izay manasa azy. Na efa mazava tsara aminy aza fa ny Fampakaram-badiny sy ny Fanasany izany, dia mahita fialantsiny foana ny olona. Ary raha mamaky ny Matio 22 ianareo, dia hahita koa fialantsiny ataon’ny olona.

Nanao jeritodika ny vanimpotoana rehetra Izy. Nijeritodika ny fotoana Izy, dia nilaza fa nisy lehilahy iray, tompona tanim-boaloboka, izay nifanaraka tamin’olona. Ary hitantsika io fanoharana io. Nanao ahoana ny nanirahany ireo mpanompony mba handray ny vokatry ny tanim-boalobony. Tonga ny mpanompo voalohany, inona no nataon’izy ireo? noroahan’izy ireo izy. Tonga ny mpanompo iray hafa, dia nitorahan’izy ireo vato. Ary ireo mpanompo rehetra tonga nanaraka dia noroahany avokoa. Farany ny mpanjaka dia nandefa ny zanakalahiny. Kanjo, hitantsika fa, rehefa tonga ilay zanakalahy, dia hoy ireo mpamboly: “Ity no mpandova ; hovonointsika izy, dia ho lasantsika ny zavatra rehetra”. Dia hoy Jesosy tamin’ny mpianany: “Naniraka ny miaramilany ny mpanjaka nandringana ireo mpamono olona ireo, sady nandoro ny tanànany”.

Hitantsika àry izao fa, raha manasa olona iray Andriamanitra, hanao asa iray na handray ny Fanasana izay nomeny azy, ka mandà izany ilay olona, namingavinga ny fiantrana azy, dia tsy misy intsony ho azy afa-tsy ny fitsarana. Rehefa mihoatra ny faritry ny famindrampo ianao, zavatra tokana sisa ho anao, dia ny fitsarana. Ary hitantsika fa izany no nataon’ny olona nandritry ny vanimpotoana rehetra. Nitranga tamin’ny fotoana rehetra izany, araka ny hitantsika ao amin’ny Baiboly.

Raha naniraka an’i Noa mpanompony Andriamanitra, hanokatra làlam-pamonjena ho an’ireo rehetra izay naniry hovonjena, ireo vahoaka kosa nihomehy sy naneso azy. Andriamanitra nanokatra làlana ho azy ireo, saingy ny olona nahita fialantsiny. Tsy nifanaraka tamin’ny fisainany moderina izany. Tsy araka ny làlana tiany haleha izany, koa nialatsiny izy ireo tamin’ny andron’i Noa. 

Nanao fialantsiny izy ireo tamin’ny andron’i Mosesy. Nanao fialantsiny izy ireo tamin’ny andron’i Elia. Nanao fialantsiny izy ireo tamin’ny andron’i Kristy. Ary mbola manao fialantsiny izy ireo ankehitriny.

Fa izao, nisy ny fiantsoana nivantana an’Israely, ireo izay nasaina ho amin’ny fanasana, dia izany koa no tiako hilazana ireo olona ankehitriny, ny fiangonana izay nahazo fanasana kanefa mandà izany, mandà ny fanasana ara-panahy an’ny Tompo. Tsy te-hamaly izany ireo. Manan-javatra maro hafa atao izy ireo. Mahita fialantsiny izy ireo.

Fa raha, roa arivo taona lasa, ka nanaiky ny fanasana nalefa taminy Israely, dia tsy ho amin’izao toerana misy azy izao izy ireo ankehitriny. Roa arivo taona lasa, Israely dia nandà tsy ho tonga tamin’ny fanasan’ny Fampakaram-bady. Nolaviny izany, ka nandray ny fitsarana izy ireo. Araka ny voalazan’i Jesosy, nitora-bato sy namono ireo mpaminany izay nalefa taminy izy ireo, noho ireo fialantsininy, fialantsiny nataony, tamin’ny androny avy. 

Hitantsika fa Jesosy, tamin’ny androny, dia tsy nisy tamin’izy ireo ka nikambanany. Hoy izy ireo “Oviana ity lehilahy ity no nanovo ny fahalalany? Sekoly taiza no niaviany? Tsy zanak’ilay mpandrafitra va Izy? Tsy i Maria va no reniny? Tsy i Josesy sy Jakoba va no rahalahiny? Ireo anabaviny angaha tsy eto anivontsika? Ka avy taiza no nahazoan’io lehilahy io fahefana manao ireny zavatra ireny?” Izany hoe, tsy nikambana tamin’izy ireo Izy. Noho izany izy ireo nilaza hoe:”Belzeboba Izy, Samaritana io, manana demonia, adala. Lehilahy manana fanahy ratsy mpivavaka Izy, izay nahalasa adala Azy. Izany no mahatonga azy any an’efitra mandrakariva, toy ny olon-dia. Aza miraharaha Aminy akory.” Dia fatantsika ny nanjo ny zanak’Israely. Nihorakoraka izy ireo. Nitompo teny fantatra loatra izy ireo fa sandoka io Lehilahy io, hany ka, oh, nohelohin’izy ireo Izy. Niantsoantso ireo hoe: “Aoka ny Ràny ho aminay sy ny taranakay.” dia izay tokoa no nitranga nanomboka teo.

Niezaka nampiseho azy ireo Jesosy fa ny fialantsininy no nahafaty ireo mpaminany sy ireo olo-marina. Ireo fanekem-pinoana nomen’olona no nankatoaviny, raha tokony ny Tenin’Andriamanitra no noraisiny. Ny fanaovany izany dia nanafoana ny tokony ho fiasan’ny Tenin’ Andriamanitra taminy.

Fa ianao izao, tsy maintsy miteny, na Ity no sitrapon’Andriamanitra sy fanirian’ Andriamanitra, na zavatra hafa izay azonao ampifanarahana amin’izay mety aminao, izay hitanao fa tsara noho Ity. Tsy maintsy misafidy amin’ireo ianao. Tsy afaka manompo Andriamanitra sy Mamona ianao. Ary tsy maintsy manambara ianao hoe “Ity no Fahamarinana” na “Ampahan’ny Fahamarinana Ity” na “Tsy ny Fahamarinana rehetra izany” na “Misy tsy mifanaraka ao” na “Diso fandika izany”. 

Fa ny Baiboly dia milaza fa ny Tenin’Andriamanitra dia tsy manaiky fandikana manokana. Tsy tokony hisy olon-kafa afaka hanome ny dikany. Voasoratra araka izay tena tian’Andriamanitra handikana Azy Izy. Izay voalazany ihany no tokony ho nolazainy. Koa raiso Izy amin’ny fomba nolazana Azy, araka izay nanoratana Azy.

Kanefa izy ireo, ny fanekempinoany no ekeny. Dia foana aminy ny fiasan’ireo Teny fikasan’Andriamanitra noho izany. Andalovany izany, dinganiny, ary halaviriny.

Raha Rosia, dimy amby fitopolo taona lasa izay, ka nanaiky ny fitahiana pentekotista, rehefa nidina tamin’io firenena io ny Fanahy Masina, tsy ho nisy kôminista ankehitriny. Nisy fifohazam-panahy lehibe tao Rosia, dimy amby fitopolo taona lasa. Nidina teo anivon’izy ireo Andriamanitra ary nisy fifohazam-panahy lehibe hatrany Siberia. Fa inona no nataon-dreo? Nolaviny izany, ary ankehitriny, dia vita ny aminy. Tsy mahazo manangana fiangonana raha tsy mahazo alàlana. Ary voaheloka ho amin’ny fitsarana izy ireo ankehitriny, voasarika ao anatin’ny sakodin’ny kôminisma voavidin’i Satana.

Dimampolo taona lasa izay, nirotsaka tao Angletera ny Fanahy Masina. Taoriana kely dia nipoitra ry Georges Jeffries, F.F. Bosworth, Charles Price, Smith Wigglesworth, ireo mpiady lehibe an’ny finoana. Dimampolo taona lasa, izy ireo nanolotra fifohazan’ny Fanahy Masina an’i Angletera. Fa inona no niseho? Nesoina izy ireo, nampidirina am-ponja, natao ho adala, noheverina ho very saina. Nosakanan’ny fiangonana ny olona tsy hanatona hihaino azy ireo. Kanefa, nanasitrana marary izy ireo, nandroaka demonia, ary nanao asa goavana. Ary noho izany, Angletera, amin’ny maha-firenena azy, dia nandà ny Filazantsara, koa naharihary naneran-tany ny fahotany. Ny fihemorana ara-pinoana ao Angletera dia tsy fahita maneran’izao-tontolo-izao, na ao Rôma sy ao Lafrantsa aza. Izy no renin’ny fihemorana ara-pinoana. Haymarket, izay toerana nitorian’i Finney sy ireo olona malaza rehetra ireo, Charles G. Wesley, sy ireo hafa rehetra, dia navadiny ho toerana fanaovan-dratsy.

Isika afaka namaky tao amin’ny gazety (iray na roa herinandro lasa izay) fa maro amin’ireo olon-dehibe any no adala loatry ny firaisana amin’ny vehivavy, hany farany, nahatonga ny mpitsikilo tafatsofoka tao amin’ny fireneny. Ary ny praiministra any dia mbola nahita tranga maro hafa. Ny gazety dia feno izany. Ireo fahotana manafintohina eo anivon’ny fitondram-panjakany dia nandoto ny anarany maneran-tany. Fa nahoana izany rehetra izany no nitranga? Satria izy nandà ny Fahamarinana. Nitady fialantsiny izy, ka vita ny aminy. Efa ela Angletera manontolo no nanapaka ny fifandraisany tamin’Andriamanitra.

Efa dimy ambinifolo taona izao, tato Amerika, no misy ny fifohazam-panahy fanasitranana lehibe, avy tamin’ny hetsika pentekotista, izay nanerana ny firenena. Ary ny tao an-drenivohitra, Washington dia nahazo fifohazampanahy. Nanatrika izany ireo filoha, filoha-lefitra, olo-manan-kaja maro, governora. Nisy zava-dehibe nitranga. Nisy governora, sy olona maro sitrana. Anisan’izany ny loholona Upshaw, izay kilemaina nandritra ny enina amby enim-polo taona. Tsy afaka hanifikifi-doha izy ireo ka hilaza fa tsy nitranga izany. Teo ambany masony no nisehoan’ireny, kanefa dia notsipahiny. 

Ary manambara aho izao hariva izao, fa izany no anton’ny tsy mampandroso ny firenena. Voaheloka izy. Tsy misy fanantenana intsony ny aminy. Nandingana ny tsipika manasaraka ny famindrampo amin’ny fanamelohana izy. Ary izy no nifidy izao azony izao, hifehy ny fireneny. Lò tanteraka izy, lò hatrao amin’ny taolany. Ireo mpanao politika ao aminy dia lò. Ny fitondratenan’ity firenena ity dia ambany lavitra noho izay azoko saintsainina. Ary mbola lò lavitra kokoa noho izany ireo rafi-pivavahany. Raha nanao izany izy, dia nampiditra ny tenany sy ireo fiangonana rehetra ao amin’ny firenena, ho ao amin’ny Fiombonan’ny Fiangonana maneran-tany, ka nandray ny mariky ny bibidia. Nahoana izany rehetra izany no niseho? Kristy nanome azy ireo fotoana nibebahana, niantso azy hoe: “Avia tongàva amin’ny Fanasako”-ny fanasan’ny Pentekosta, (Pentekosta midika “dimampolo”).

Raha nirotsaka tany Rosia ny Fanahy Masina, dia nantsoina ho amin’ny Fanasan’ny Pentekosta izy ireo, fety ara-panahy iray, nefa nolaviny izany. Nirotsaka tao Angletera ny Fanahy Masina, fa nolavin’izy ireo. Nirotsaka tato Amerika ny Fanahy Masina, fa nolavin’izy ireo.

Intelo, nanome tolotra azy ireo Izy. Intelo, naniraka ireo mpanompony Izy, fa tsy namaly ny fanasana izy ireo. Ary dia mbola nandefa ny mpanompony hafa indray mandeha koa Izy, ka nilazany hoe “Mandehana, ary tereo ireo hiditra. Tsy maintsy fenoina ny toerana rehetra. Voavoatra ny latabatra ; mbola malalaka ny toerana.” Ary mino aho fa, ato anatin’ireo volana vitsivitsy na taona vitsivitsy ho avy, Andriamanitra dia mbola handefa onja iray mba hanontsakontsanana ny olona, satria mbola misy, etsy sy eroa, voa voafidy mialoha ao amin’izao-tontolo-izao, tokony hiposahan’ny Fahazavana. Fa raha ny amin’ity firenena ity manokana, dia efa vita ny aminy.

Namaky ny Life nivoaka tamin’ity herinandro ity aho, raha tany Hot Springs. Hitako tao ny sary, ataoko fa an’ny governoran’i New York, izay teo am-pandihizana niaraka tamina “streapteseuse” iray [vehivavy mpandihy mitanjaka f.n.m] tany Honolulu. Ary eo ambanimbany kokoa tamin’ilay gazety, mbola nahitana sarin’ny olo-malaza iray koa tahaka izany. Mahamenatra loatra!

Jereo ny firenentsika ankehitriny. Jereo ny toe-panahiny, hatraiza ny fahalavoany. Jereo ireo rafi-pivavahantsika! Ahoana no nahatongavan’ireo fiangonantsika amin’izao toerana misy azy ankehitriny izao? Izany dia satria nitsipaka sy nandà ny Hafatr’Andriamanitra izy ireo, ny fanasana ho amin’ny Fampakaram-bady. Hantsoinareo mendrika ny Filazantsara ve ny fiainana toy izany? Azonareo antsoina hoe fiainana ve, izay mamela ny vahoakany hanao ireny zavatra ireny, mifoka sigara, sns ?

Indray andro izay, teto, nisy tanora vitsivitsy an’ny fiangonana iray izay nilalao baolina teo amin’ny zaridaim-bahoaka. Ny zanakalahin’ny zaodahiko dia anisan’ny mpanipy ny baolina ho an’ny ekipa iray, ka teo izy nanipy ny baolina, raha nilalao teo ireo tanoran’ilay fiangonana. Ary teo ny pastorany niara-nilalao tamin’ireo ankizilahy ireo. Ary tsy tapaka nifoka sigarety ilay pastora. Izy ireo dia avy amina fiangonana iray, tsy lavitra ny misy antsika. Azonareo sainina ve lehilahy iray… Na ireo olona izay nanatrika teo aza dia nahatsikaritra izany. Saingy, efa tafatoetra loatra ireny fomba ireny ka tsy manaitra intsony.

Ao amin’ny fiangonana batista lehibe iray izay, fantatro fa, aorian’ny sekoly alahady dia avoaka fahefakadiny ny mpiangona, mba afahan’ny pastora sy ny mpiara-miasa aminy mifoka, alohan’ny idirana amin’ny fotoam-bavaka izay atao avy eo. I John Smith, ilay mpanangana io fiangonana io, dia nivavaka mafy indray alina tontolo, mba andefasan’Andriamanitra fifohazam-panahy, hany ka bongo mihitsy ny masony, sady nikatona, ka tsy nahita intsony, ary ny vadiny no tsy maintsy nitantana azy sy nampihinana azy rehefa nisakafo. Raha fantany ny toetry ny fiangonany ankehitriny, dia ho nivadika izy tao am-pasany. Fa nahoana àry izany no nitranga? Satria nasaina hiditra izy ireo, kanefa nandà ny fanasana. Izay ihany no antony. Tsarovinareo fa Jesosy mihitsy no nanambara hoe: “ireo nahazo fanasana ho amin’ny sakafo, kanefa tsy nandray ny fanasana, tsy hanandrana akory ny Nahandrony.”

Raha maniraka ny Fanahy Masina Andriamanitra, sy mandondona ny varavaran’ny olona iray, ary raha mikiry mandà Azy io olona io, dia ho avy ny andro iray, izay ho farany handàvany Azy. Amin’izay, tsy hisy famelana ho anao intsony. Afaka mipetraka ao amin’ny fiangonana iray ianao, ary mihaino ny Filazantsara, sy mankasitraka ny Filazantsara. Afaka miteny ianao hatramin’ny hoe: “Fantatro fa marina izany!”, kanefa tsy handray izany. Hihaino izany ianao satria ianao miteny hoe “Marina izany”. Tsy inona anefa izany fa fitiavanao ny Filazantsara fotsiny ihany. 

Afaka miteny aho hoe: “Ity misy vola iray alina dolara”, izany tsy midika fa ahy izany. Azonareo? Afaka miteny aho hoe: “ity misy rano mangatsiatsiaka tsara”, nefa mandà ny hisotro izany aho. Azonareo ve ny tiako lazaina? 

Fa ny Fiainana Mandrakizay no ambara eto. Ary raha mandà foana ianao, dia ho avy ny andro, izay ihoaranao ny faritra manasaraka ny famindrampo amin’ny fanamelohana, dia tsy hahazo hiditra intsony ianao, ka handray Azy.

Milaza aminareo izay tonga eto aho, fa izaho dia tsy tompon’andraikitra amin’ireo izay mandray ny Teny amina pastora hafa. Fa raha marina izay ambarany, dia andraisanareo ny Fiainana izany. Inona moa no mety ho hitanareo hahasoa anareo kokoa noho ny mahafantatra fa azonareo ny Fiainana Mandrakizay? 

Inona no hitranga raha izaho afaka hizara pilina, voaporofo sy voamarina ara-tsiansa, fa afaka manalava arivo taona ny fiainan’ny olombelona? Tsy maintsy ho niantso ny tafika aho, mba hampihataka ny vahoaka. Tsy hilaina hantsoina amin’ny alitara akory ny olona. Ny mampihataka azy ireo aza no ho tsy maintsy hatao. Hiaina arivo taona!

Na voaporofo ara-tsiansa aza, tamin’ireo fitsanganana rehetra tamin’ny maty noho ny Heriny, fa mampanantena anareo Fiainana Mandrakizay ilay Andriamanitra Mandrakizay, dia handefa ireo legionany rehetra Satana, mba hampanalavitra anareo izany. Azonareo ve? Na dia afaka mijery aza ianareo, ka mahatsapa tsara ary mahita mivantana fa marina izany, dia lavinareo izany. Hitanareo? 

Hahita fialantsiny foana ianareo: “Mafana loatra ny andro. Reraka loatra aho. Ho avy aho rahampitso.” Mahita karazana fialantsiny hatrany izy ireo. Izany hatrany no ataon’izy rehetra. Ny fandavanareo ny andro fitsidihana anareo, dia hanasaraka anareo amin’Andriamanitra.

Hanamarika zavatra iray isika. Tao amin’ny Testamenta Taloha, izy ireo dia nanana izay nantsoiny hoe taon-jobily. Tamin’io taona io izay rehetra andevo dia mety afahana rehefa maneno ny trompetran’ny fanavotana. Fa raha tsy mety mandeha ilay olona, manana fialantsiny tsy hodiany any an-tany niaviany, dia tsy maintsy marihina amin’ny fitomboka ny sofiny, rehefa nahankina teo amin’ny tolam-baravaran’ny tempoly izy. Ary na firy ny jobily manaraka, dia tsy azo nafahana intsony izy. Tsy tafaverina ho olom-pirenen’Israely intsony koa izy. Nahoana no nahavoa azy izany? Satria nolaviny ny fanasana. Kanefa tsy nisy tokony ho nefainy tamin’izany. Ny trosan’ny fanandevozana azy dia efa voafafa. Ireo havany dia olona afaka. Nahazo nody tany amin’ny tanin’ny razany izy, ary nandray indray ireo fananany. Fa raha nandà izy, dia tsy nanana anjara tao Israely intsony, ary ny taniny dia lasan’olon-kafa.

Fa izao: ny mihatra amin’ny ara-nofo, dia mihatra koa amin’ny ara-panahy. Raha mpandova ny Fiainana Mandrakizay isika, ka mandre ny Filazantsara ary mahafantatra fa izany no Fahamarinana, kanefa mitsipaka izany, mandà ny hihaino sy hanao izay tokony atao, dia mandray ny mariky ny bibidia isika.

Dia hisy hiteny hoe: “Fantatro fa hisy ny mariky ny bibidia. Ho avy izany indray andro any.” Mamelà ahy hiteny aminareo: efa tonga izany izao. Hitanareo? Raha vao manomboka midina ny Fanahy Masina, dia maka ny toerany koa ny mariky ny bibidia.

Tsy misy afa-tsy zavatra anankiroa. Ny iray dia ny manaiky mandray ny tombokasen’Andriamanitra ; ny faharoa, dia ny mandà izany, ka mandray ny mariky ny bibidia. Ny mitsipaka ny Tombokasen’Andriamanitra, dia midika mandray ny mariky ny bibidia. Azon’ny rehetra ve izany? Ny mitsipaka ny Tombokasen’Andriamanitra dia midika mandray ny mariky ny bibidia, satria ny Baiboly dia milaza fa ireo rehetra izay tsy voatomboky ny Tombokasen’Andriamanitra dia nandray ny mariky ny bibidia.

Rehefa notsofina ny trompetra, izay rehetra afaka nandeha, kanefa tsy nanao izany, dia nandray ny marika. 

Fantaro fa, ny mariky ny bibidia (mety hiresaka momba izany isika amin’ny manaraka), dia hiseho rehefa hahatsapa tena ianao fa efa noraisinao izany. Azonareo ve? Toy izany koa ny amin’ny Fanahy Masina, amin’ny hisehoany. Rehefa ho hitantsika avy am-boninahitra ny Tompo Jesosy, ka ho tsapantsika hiasa ny herim-panavaozana, ary ho hitantsika ireo maty hitsangana ka hivoaka avy ao am-pasana, dia ho fantatsika fa hovana isika, ao anatin’ny indray mipi-maso, ka hitafy vatana iray mitovy amin’ny Azy. Hitranga tokoa izany. Ary ho hita ireo izay nandà ny antso, fa ho tavela eny ambany, eny ivelany.

Jesosy ve tsy nanambara fa ireo virijina dia nandeha mba hitsena an’i Kristy? Ny sasany tamin’ireo tafatory tamin’ny fiambenana voalohany, tamin’ny faharoa, tamin’ny fahatelo, ny fahefatra, ny fahadimy, ny fahenina, hatrany amin’ny fiambenana fahafito. Fa teo amin’ny fiambenana fahafito, dia re ny antso hoe: “Indry ny Mpampakatra, mivoaha mba hitsena Azy!” Ireo izay natory dia nifoha ; ny taona rehetra, hatramin’ny Pentekosta, nifoha avokoa. Hitanareo ve? Manomboka eo amin’ny Taona fahafito, ny Taona fahafiton’ny Fiangonana, ka miakatra hatrany amin’ny voalohany, nifoha avokoa izy rehetra. Ary ireo rehetra mbola velona tao amin’ity Taona ity dia novàna ary niditra. 

Ary tamin’ny fotoana nahatafiditra ny rehetra no tonga ireo virijina adala ka nanao hoe: “Mba te-hividy amin’ireo solikareo izahay.”

Fa namaly iretsy andaniny hoe: “Ny ampy ho anay fotsiny no anananay. Mandehana any amin’ny mpivarotra!” 

Fa raha mbola niezaka nahazo io solika io ireo, dia tonga ny Mpampakatra. Tsy mba nisy fotoana tao amin’ny tantaran’izao-tontolo-izao, ka ireo Episkopaly, Batista, Métodista, Presbyteriana dia… Feno ireo gazety, ireo gazetim-pivavahana dia feno fiderana ny Tompo satria miezaka mandray ny Fanahy Masina ireo virijina adala. Ary ny olona ve tsy mahatsapa fa tsy maintsy ho araka ny Tenin’Andriamanitra izany? 

Raha mbola nandeha izy ireo, tonga ny Mpampakatra ka nandray ny Vadiny nanaraka Azy, ary ireo virijina adala dia natsipy tany ivelany, tany amin’ny haizina, ho amin’ny fitsarana; satria izy ireo nandà ny fanasana. 

Nasaina ho tonga ny olona rehetra. Nandefa ny Hazavany Andriamanitra tao amin’ny Taom-piangonana tsirairay, kanefa dia nolavina Izany.

Ary ankehitriny, dia manao mitovy amin’ny taloha ihany: mitsipaka ny andron’ ny fitsidihana… Raha tonga hitsidika ny Fiangonana sy ny vahoaka Andriamanitra, dia raiso Izy. Aza miandry ny taona manaraka, na ny fifohazam-panahy manaraka. Mipaika ny ora. “Anio no androm-panavotana.”

Tsarovy fa Andriamanitra tsy mba nandefa hafatra ka tsy nohamarininy tamin’ny fomba mahagaga izany. Jesosy mihitsy no nilaza hoe: “Raha tsy manao ny asan’ny Raiko Aho, aza mino Ahy. Fa raha manao ny asa Aho, minoa ny asa izay ataoko, raha tsy afaka ny hino Ahy ianareo.” Rehefa hitanareo misoritra mazava ny zavatra, ka voaseho …

Tonga ny fotoana izay andavan’ny fiangonana ny fanasana. Noho izany, dia voalavaka tamin’ny fitomboka ny sofiny, ka tsy handre izany intsony izy. Ankehitriny izy dia miditra ao amin’ny fiombonan’ny fiangonana maneran-tany, ka handray ny mariky ny bibidia.

Anisan’ny zava-kasain’ny Pàpa vaovao fatratra (nisy nampiseho ahy izany tao anaty gazety), dia “ny hampitambatra ny fiangonana rehetra”. Ho vitan’izy ireo izany, raha marina koa fa eto anoloanareo eto aho, ary ireo protestanta dia manaiky izany. Satria ny fiangonana… Hoy ny Baiboly… Hoy Paoly, ilay mpaminanin’ny Tompo hoe: “Tsy ho avy izany andro izany, raha tsy efa tonga aloha ny fihemorana, ka hiseho ilay lehilahin’ota, dia ilay mitoetra ao amin’ny tempolin’Andriamanitra, manandra-tena ho ambony noho izay rehetra atao hoe Andriamanitra, ka manao ny tenany ho Andriamanitra”, mamela heloka ety an-tany, sns…. Fomba ahoana no nahatonga izany? Fa izany tsy mety hiseho mialohan’ny fihemorana, mialohan’ny hanalaviran’ny fiangonana ny fanasan-dehibe ara-panahy, hihemotra sy hifandamina. Noho izany, ny fanambarana dia tsy nitoetra intsony tao amin’ny fiangonana.

Tsarovy fa ny zanak’Israely dia nandeha andro aman’alina teo ambany fitarihan’ny Andry Afo. Rehefa nikisaka ny Andry Afo, dia nandeha nanaraka Azy izy ireo. Tsarovy fa tamin’ny alina, dia afo izany, ary tamin’ny andro, dia rahona. Araka izany, Izy dia afaka tonga amin’ny alina tahaka ny amin’ny antoandro. Fa na taiza na taiza no nisy Azy, dia nisy fanavotana natao, mba tsy ho diso tsy hahita Izany izy ireo. Hazavana Izy tamin’ny alina, ary rahona tamin’ny andro, ary nanaraka Azy izy ireo. Eny, Andriamatoa. Zavatra iray ihany ireo!

Nahita Azy i Martin Luther, ary inona no nataony? Nivoaka niala tao amin’ny Katolisisma izy. Fa inona nataon’izy ireo? Nanangana fefy nanodidina azy izy ireo, nanao hoe: “Loteriana izahay. Izany no izy.” 

Rehefa hitan’i Wesley niala tao Izy, dia nanaraka Azy izy. Fa inona no nataon’izy ireo? Nanangana fefy nanodidina azy izy ireo ka nanao hoe: “Izany no izy.” Inona no nataon’ilay Hazavana? Niala tao indray Izy.

Nahita Azy ireo Pentekotista. Inona no nataon’izy ireo ? Nivoaka teo anivon’ ny Metodista sy ny Nazareana, ets… Fa inona no nataon’izy ireo? Samy nanangana fefy nanodidina azy avokoa, nanao hoe: “Izahay no unitaires…” na ‘izahay no trinitaires.”, na “Izahay no Fiangonana mitambatra.”… sy ny sisa rehetra. Ary inona no nataon’ Andriamanitra? Nivoaka teo anivon’izany Izy. Hitanareo?

Tsy afaka manao izany isika. Tsy maintsy manaraka Azy isan’andro, isan’ora isika, amin’ny dingana rehetry ny làlana. Tsy maintsy manaiky ho tarihin’ny Tompo Jesosy Kristy isika. Raha tsy izany, dia tafiditra amina fiainam-pandaminana isika. Ary ny fiainana izay tsy manaraka an’i Kristy isan’andro, dia tsy mendrika. 

Ny lehilahy iray izay kristiana-alahady, dia mankao am-piangonana, mitombina eo amin’ny sezany, ary mihevitra fa azy ny fiangonana, satria izy manao izao sy izao, na izatsy, ka, ny alatsinainy izy, dia mangalatra sy mandainga… Ary ireo vehivavy dia hivoaka eny amin’ny tora-pasika, sy eny amin’ny arabe, hanao fitafiana tsy mendrika!

Mahatsiaro an-dramatoa vadin’ny filoham-pirenena aho. Tsy nety nanao makiàzy izy raha nihaona tamin’ny Pàpa. Fa rehefa tafaverina tan-tanindrazana izy, dia nanao lanonana iray nankalazana ny fanapaham-bolo ho an’ny vehivavy ato amin’ny firenena. Ary ireo fitafiana rehetra izay notafiany raha nitoe-jaza izy, dia te-hitafy toy izany avokoa ny vehivavy rehetra izay mitoe-jaza manerana ny firenena. Marina izany. Lasa filamatra izany. Ary fantatr’izy ireo fa ny vahoaka dia hanao toa azy. Mandray ny fanahin’izao-tontolo-izao izy ireo. Fa izany dia tsy hita ao amin’ny Fiangonan’ny Andriamanitra velona.

Tokony hibanjina an’i Jesosy Kristy ny vehivavy. Tokony hibanjina an’i Saraha ianareo, sy ireo tao amin’ny Testamenta Taloha.

Indray hariva izay aho, tany ho any, nitory mikasika ny tokony ankatoavan’ny vehivavy ny vadiny. Hankatò? Yah. Efa ela no nanafoanana izany tao amin’ny fanamasinana ny fanambadiana. Tsy izy ireo no handeha hanao izany. Tsia, Andriamatoa. Eto Amerika izy ireo no monina, ary hampahatsiahiviny anao izany. Tsy vonona hankatò izy ireo. Saingy raha mbola tsy manaiky izany ianareo, aza mitonona ho vehivavy kristiana, satria tsy izany ianareo. Tsy ahoako manao ahoana ny fientananareo sy ny fitenenanareo teny tsy fantatra, raha tsy mankatò ny vadinareo ianareo, dia ivelan’ny sitrapon’Andriamanitra. 

Ary, ny vehivavy manao ‘‘short’’, manao ireny fanaon’izy ireo eny amin’ny arabe ireny, aoka tsy hitonon-tena ho kristiana. Sady te-hahazo izao-tontolo-izao ianareo no te-hihazona ny fijoroanareo vavolombelona. Tsy afaka hanao izany eo anatrehan’Andriamanitra ianareo, raha mahafantatra tsara kokoa noho ny fanaovana izany ianareo.

Mariho. “Voatevi-tsofina”, voamarika ivelany, ka tsy afaka handre intsony ianareo. Tadidio fa izany no famantarana fa voatampina ny sofina. Tsy handre na inona na inona intsony ianareo. Tsy afaka hihaino intsony.Tsy afaka handre intsony indray.

Oh! “Tsy mino izany ny vehivavy”. Oh la! la! “Aza miresaka izany aminy. Tsy inoany”. Tsia. Tsy fantany izany…. Ahoana moa ny vehivavy mendrika iray… Manontany anareo aho, ny vehivavy mendrika iray ve hanao toy izany?

Tamin’ny alahady hariva, erinandro lasa, raha niresaka mikasika ny Famantarana mena iray manambara ny Fiaviany aho dia nilaza fa, amin’ny ankapobeny, ny vehivavy dia miha-tsara tarehy hatrany… Tsy fitenenan-dratsy ny vehivavy akory izany, fa, ny ratsy dia ny fampiasany izany fahatsaran-tarehy izany. Voamboatra toy izany izy ireo mba ho voataona amin’ny fakam-panahy, tahaka an’i Eva izay voataonan’ny fakam-panahy teo anoloan’ilay hazo.

Ny lehilahy tsirairay, ny zanakalahy tsirairay izay manatona an’Andriamanitra dia tsy maintsy mandalo amin’izany ora fitsapana izany. Izao vanim-potoana izao dia an’ny vehivavy, ary ity firenena ity no toerana iatrehany izany fitsapana izany. Raha toa ka, sady tsara tarehy izy no afaka manana fitondrantenan’anabavy, dia aminy ny fitahian’ Andriamanitra. Fa raha mahafantatra izany izy, kanefa mitanjaka imasom-bahoaka, dia mampiseho miharihary fa misy fanahy ratsy ao aminy. Tsy manao fanahy iniana izy, raha araka ny hevitro. Maro no tsy minia manao izany, saingy tsy tsapany akory izany.

Afaka hilaza amiko ve ianareo fa ny vehivavy maotina sy misaina iray dia ho afaka hitafy toy ireny zara-raha-akanjo izay anaovan’ireny vehivavy eny amin’ny arabe ireny? 

Ny zanako roa vavy tanora dia ato ; tsy fantatro izay hataony atsy ho atsy. Mivavaka ho azy ireo no ataoko. Ankehitriny ny ankizy… tsy hainareo tenenina ; tsy haiko. Tsy voaàro amin’izany izy ireo. Tsy maintsy hijoro eo anatrehan’i Jesosy Kristy koa izy ireo, ary hampamoahina. Tsy afaka mandeha amin’ny finoako izy ireo, na amin’ny finoan-dreniny. Tsy fantatro izay ataony. Saingy tena mino aho izao, raha mandeha eny amin’ny arabe izy ireo, ka mitafy toy ireny, ary misy lehilahy manao fihetsika vetaveta aminy, tsy afaka manameloka izany lehilahy izany aho. Rariny izany. Ireo zanakovavy no helohiko, satria tsy tokony hitafy toy izany izy ireo.

Henoy. Raha ny olona mihevitra sy mampianatra, fa “ny olombelona dia tsy hafa fa biby, ary avy tamin’ny biby no niaviany”, dia jereo ny toerana ametrahanareo azy, toy ny… 

Jereo ny alika, rehefa mitady vavy amin’ny fotoana sasany. Tsy voasakan’ny fefy, na zavatra hafa toy izany izy, satria fotoana mahavonona ny alika vavy izany. Toy izany koa amin’ny lambo, ny omby, ny biby rehetra. Fa raha manana ny fiainan’ny biby isika, dia amin’ny maha-vatana antsika. Koa, raha misy vehivavy mampiseho ny vatany toy ireny, dia maneho izy fa tsy hafa amin’ny alika, mitovy aminy. Tena izany. Satria raha tsy izany izy, tsy hanao toy izany. Fantany izany. Mampianatra azy ny natiora fa hijery azy amim-pitsiriritana ny lehilahy. Kanefa ny Baiboly dia milaza hoe: “Na iza na iza mijery vehivavy iray ka mitsiriritra azy, dia efa nijangajanga taminy tao am-pony sahady izy.”

Mahatonga androm-pitsapana izany. Hatsarain’ny devoly ireny vehivavy ireny, haboridany, dia alefany eny amin’ny arabe mba hitsapana anao. Ianareo lehilahy, atodiho ny lohanareo. Metèza ho zanakalahin’Andriamanitra. Ianareo vehivavy, mitafia mendrika ny zanakavavin’Andriamanitra. Aoka isika tsy hampamoahina noho ny fijangajangana amin’ny Andro fitsarana. 

Raha ny vehivavy iray, na madio eritreritra toy inona aza… Mety tsy àry nanao ratsy izy, tsy mba nihevitra hanao ratsy. Nefa, raha misy lehilahy mpanota iray, mijery am-pitsiriritana ny hatsarambikan’io vehivavy io, izay mahafantatra fa lehilahy ity ary vehivavy izy, ary manana taova samihafa izy ireo, ary hainy fa hadinina amin’izany ity mpanota ity amin’ny andro fitsarana, iza no fototr’izany? Iza no meloka? Tsy izy, fa ianao, ry vehivavy. Ianao no janga.

Jereonareo ity firenena ity. Nisy fotoana, raha te hahazo akanjom-behivavy mihantona hatreo an-dohalika ny olona, dia tsy maintsy nandeha nitady izany tany Parisy. Ankehitriny, Parisy indray no manafatra izany atỳ. Nanjary maloto loatra ny eto amintsika, ka na i Parisy aza tsy ahitana toy izany. Marina izany. Inona nahatonga izany? Ny nandavana ny Filazantsara. 

Nahoana no tsy nahazo izany Parisy? Katolika zato isan-jato izy ireo. Tsy manan-toerana ao ny protestanta. Jereonareo ny nanjo an’i Billy Graham. Ataoko fa tsy misy afa-tsy eninjato ny kristiana ao Parisy manontolo. Ao amin’ny olona an-tapitrisany maro, eninjato no kristiana, protestanta. Tsy nandray ny Fanahy Masina izy. Tsy misy ao aminy, afa-tsy eninjato ireo kristiana, protestanta, amin’ireo olona an-tapitrisa maro. Tsy mba nahazo fotoana nandàvana Azy izy ireo.

Kanefa ity vahoaka ity dia manana ny Filazantsara. Ary, rehefa nihataka ny Hafatra sy ny Filazantsara izay hitany voaporofo izy ireo, dia naneso izany, satria efa naodin’ny fampianarana janga tranainy nentin’ny pastora sasany, izay niahy kokoa ny karamany sy ny sakafony noho ny fanahin’ireo izay nitoriany teny. Marina izany. izany no nataon’izy ireo. Koa, ankehitriny, ny vehivavy no mitarika izao-tontolo-izao.

Tsaroanareo, tsy ela izay, tato amin’ity “Tabernacle” ity, no niresahako ny lohahevitra iray izay efa nitoriko roapolo taona lasa izay: “Hasehoko anareo ny andriamanibavin’i Amerika”. Izay ilay izy. Tsy maintsy ho azon’izy ireo izany. Andalam-pahazoana izay notakiny izy ireo izao, ary ho azony izany. Izay ihany.

Tsia. Tsy te-hino izany ireo vehivavy ireo. Tsia, Andriamatoa. Hampahafantatra anao izy fa olom-pirenena amerikana, ka manan-jo hanao izay rehetra tiany atao. Ny antenaiko fotsiny dia…

Mamelà ahy hilaza zavatra aminareo. Hiteny aminareo aho. Tsia Andriamatoa, tsy mba hahavita na inona na inona ny politika. Tsia, Andriamatoa, tsy hahahavita na inona na inona ny demokrasia: lò hatrany anatiny ny demokrasia. Raha mba ho vondrona kristiana iray no hitantana ny politika, dia mety ho tsara. Fa satria izy am-pelatanan’izao-tontolo-izao, dia toy ny sambo iray feno lay, saingy tsisy vatofantsika. Tena marina izany.

Jereo ny zavamisy ankehitriny ; na inona na inona dia mety mitranga, kanefa izy ireo… Na inona manahirana mpanao politika sasany, dia tsy misy afa-tsy famonoana olona no vahaolana hitany.

Raha nitory aho indray alina, niezaka mba nanavotana ny ain’ireo tanora anankiroa… Tena meloka tsy nisy iadian-kevitra izy ireo. Kanefa, ilay mpampanoa-lalàna, nijoro tao an-damosiko ary nanao hoe: “Marina izany. Tsy mino ny fanalàna ain’olona aho”. Nitohizany hoe: “Diniho ireo rejisitra fitsarana heloka, iza avy ireo maty eo ambonin’ny seza famonoana amin’ny herin’aratra? Tsy ireny manan-karena. Ireny dia afaka manarama mpisolo vava mahay, manetsiketsika sy manome tsolotra atsy sy aroa, handotoana ny raharaha.” Notohizany hoe: “Fa izany, dia ireo ankizy mahantra, toa azy ireto, izay tsy manana vola hividianana sakafo metimety akory. Izany no karazan’olona izay vonoina amin’ny herin’aratra, ireo izay antsoina hoe vahoaka bado, izany no atokana amin’ny fanamelohana ho faty.”

Niteny aho hoe: “Ny vonoan’olona voalohany nitranga teto amin’ity tany ity, dia ny lehilahy iray izay namono ny rahalahiny. Kanefa Andriamanitra tsy nanaisotra ny ain’ilay meloka. Fa kosa aza, nasiany famantarana izy mba tsy hisy olona hamono azy. Marina izany. Izany no fanaon’ilay Mpitsara an-Tampony.” 

Nofoanana àry ny fanamelohana azy ireo ho faty. Ankehitriny dia haverina ny fitsarana. Mety ho gadraina mandra-pahafatiny izy ireo, ka afaka iraika ambin’ny folo taona, mety hahazo fanalefahan-tsazy. Meloka izy ireo. Tena izany tokoa. Mendrika ny ho fonjaina mandritra ny fiainany manontolo izy ireo, fa kosa tsy hesorina ny ainy. Tsy misy olona manana zo hanaisotra ain’olon-kafa. Tsia, Andriamatoa. Tsy mino izany aho. Izany mihitsy.

Oh! miteny izy ireo… Maninona, izy ireo no tsy mino fa ivelan’ny sitrapon’ny Tompo izy? satria izay mba fantany mikasika izany, dia izay no tiany henoina. Efa nanampin-tsofina amin’ny Fahamarinana izy ireo.

Egypta koa dia tsy nety namantatra fa ireto andian’olona mpientanentana ireto no maneho ny sitrapon’ny Tompo. Ahoana no ho nohainoany ity olona adaladala, nivoaka avy tany an’efitra ity, amin’ny somony miroraka toy izao, izay niteny hoe: “Ry Farao, tonga amin’ny Anaran’ny Tompo aho. Avelao handeha ireo Zanany.”

Ho namaly Farao hoe:“Iza hoe? Izaho? Atsipazo any ivelany izy” Hitanareo? “Izaho ve?”

“Raha tsy manao izany ianao, ho kapohin’ny Tompo-Andriamanitra ity firenena ity.”

“Ity antidahy… antidahy adala, atsipazo any ivelany any izy. Asaivo mandeha any io. Nampangotrahin’ny masoandro ny lohany.” Hitanareo? Kanjo nitondra fanamelohana izany, satria ilay lehilahy dia mpaminany, ary nanana ny Izao no lazain’ny Tompo. Tena marina izany. Saingy ireo Egyptiana tsy te-hino izany. 

Rôma koa tsy te-hino izany, kanefa dia toy izany ihany, tsy misy valaka, no nitranga.

Israely dia nandà ny hino fa Izy no Mesia. “Inona no mba vitan’ireto, andiana Galileana ireto? Hoy izy ireo hoe: “Tsy Galileana avokoa va izy ireo? Avy taiza izy ireo? Olona manahoana ireo iarahan’i Jesosy ireo? Ireo mahantra indrindra izay afaka miaraka, izany no karazan’olona ikambanany. Izany no tonga mihaino Azy, dia ireo mahantra, ireo tsy mahalala na inona na inona. Tsy olom-boafidy ireo, tsy avara-pianarana toa antsika ireo. Tarik’olona mahantra ireo.” Henonareo lazain’ny olona izany ankehitriny, mikasika ny fifohazam-panahy. “Karazan’olona toa inona no mihaino azy ireo? Olona toy ny inona no mandeha amin’ireny fivoriana ireny? Olona toy ny inona izy ireny?“

Tsy ela izay, nandre olona iray niteny aho…. ny raikelin’i Hope izany. Nitory taminy ny amin’ny Batisan’ny Fanahy Masina aho tamin’izay. Dia nilaza izy tamiko: “Iza no afaka hino zavatra toy izany, afa-tsy ny olona toa anao?” Hoy izy: “Avelao i Ranona (mpandraharaha eto an-tanàna, ratsy fanahy indrindra) no hilaza fa naharay ny Fanahy Masina izy, dia hino aho.”

Novaliako izy hoe: “Aza matahotra; fa tsy mba hiteny izany ianao.” Maty tampoka io lehilahy io, tsy nanana an’Andriamanitra. Hitanareo?

Mitandrema amin’izay ataonareo ; mitandrema amin’izay teneninareo. Mila miaina fiainana mendrika ny Filazantsara ianareo. Marina izany.

Tsy nino ity andian’olona ity Israely, io “lehilahy adala nantsoina Jesosy-avy-any-Nazareta” io, satria teraka tao. Hoy izy ireo anakam-po, “zazasary”. Dia nino izany ny vahoaka, satria hoy izy ireo: “Tsy Izy io”. Nahoana? ”Josefa no rainy, ary i Maria dia nitoe-jaza talohan’ny fanambadian’izy ireo. Zazasary io. Ary inona àry Izy? Tsy inona fa adala, iray amin’ireny olona hafahafa ireny… Aza mandeha mihaino Azy.” Inona no nataon’izy ireo, tamin’izany? Nandefa ny fanahiny tany amin’ny helo.

Hoy Jesosy: “Avelao any izy. Raha ny jamba no mitarika jamba, tsy ho latsaka an-kady ve izy roa?” Marina izany. Fa tsy fantatr’izy ireo. Tsy Te-hino izy ireo. Tsy afaka ny hino izy ireo.

Tsy afaka mahatsapa ireo fa ny fandàvana ny vondron’olona tsotra iray izay nitondra Hafatra tsotra iray, dia hitarika fahalavoana sy fandravana firenena lehibe iray. Izao dia henoy. Tsy afaka nahatsapa izany ireo: “vondron’olona tsotra, tsy misy mampiavaka azy, vahoaka madinika…” Hainareo, ny Baiboly dia milaza fa “ireo vahoaka madinika, no tonga nihaino an’i Jesosy tamin-kafaliana.”

Nahita zavatra iray aho tany Meksika, tsy ela izay. Nandritra ny fivoriana iray, ny Hazavana dia nitselatra tamin’i Jeneraly Valdena, olom-boafidin’Andriamanitra. Io mpiady mahery katolika io, iray amin’ireo Jeneraly lehibe indrindra any Mexico, dia nanatona am-panetrentena ny alitara ary nandray ny Batisan’ny Fanahy Masina. Dia niverina tany Mexico izy, ary nikiry fatratra nitaona ahy hankany. Farany, tapa-kevitra ny hankany aho, rehefa nomen’ny Tompo fahitana. Nilazako izany ny vadiko, ary lasa tany aho. 

Ary satria izy dia anisan’ireo jeneraly lehibe indrindra, jeneraly kintana efatra, dia nanatona ny foibe izy, nanatona ny fitondram-panjakana. Kanefa, hainareo, ny olona any dia manohitra mafy ny protestanta. Araka izany dia hainy fa mety ho sarotra ilay fivoriana. Noho izany izy ireo dia nitondra miaramila hiaro izany. Arena iray lehibe (kianja fitoloman’omby) no nomanin’izy ireo. Tao no tsy maintsy hitoriko teny. Ny mpitondra fanjakana mihitsy no nitondra ahy tao. 

Rehefa nanao izany izy ireo, ny iray tamin’ireo eveka lehibe an’ny fiangonana katolika dia nanatona ny manam-pahefana, ary nanao taminy hoe: “Tompoko, raha azoko tsara, dia olona iray tsy katolika no nafaranareo ho eto?”

Dia namaly azy ny solontenam-panjakana hoe: “Eny, fa maninona?” 

“Maninona?” hoy ilay eveka, “Tsy afaka manafatra olona toy izany ho aty ianareo. Tsy mbola hita nanao zavatra toy izany ity fitondram-panjakana ity.” 

“Raha izany, tanteraka izany ankehitriny. Nahoana? satria tsara laza io lehilahy io. Nolazaina tamiko fa an’arivony ny olona tonga mihaino azy. Ny jeneraly Valdena koa, dia anisan’ny namako akaiky.” Ary fantatrao, fa ny filoha aza dia Protestanta, Metodista. Araka ny fantatro, dia tsara laza io lehilahy io. Ary, ny jeneraly Valdena, izay manatrika eto dia niova fo teo am-pihainoana azy.” Ary notohizany hoe: “Satria ny fahafantarako azy, dia tsara laza io lehilahy io. Voalaza fa an’arivony ireo olona ho tonga hihaino azy.”

Fa nilaza taminy ny eveka hoe: “Fa mba olona manao ahoana no ho avy hihaino azy, Andriamatoa governora? Tsy misy afa-tsy ireo bado. Izany ihany no ho tonga hihaino olona tahaka izany.”

Namaly àry izy hoe: “Andriamatoa eveka, dimanjato taona izao izy ireo no mpino tao amin’ny paroasinareo, ka maninona no bado izy ireo?” Izay dia ampy. Tapitra ny adihevitra. Oh! la! la! Izay dia nampangina azy ireo tanteraka. Eny; Andriamatoa. Yah.

Ka rehefa nitsangana tamin’ny maty ny zazakely iray, dia naniraka olona iray aho nilaza tany amin’io lehilahy io. Ny renin’io zaza io niteny tamin’ny fiteny espaniola hoe “Maty aninkeheo maraina tamin’ny sivy ora ilay zaza.” Nivatravatra ny orana tamin’izay. Isan-kariva, nisy olona tokony ho iray alina no niova fo ho an’i Kristy. 

Ny hariva omalin’io, nisy antidahy jamba iray nahiratra teo ambonin’ny lampihazo. Oh! Shaly tonta sy satroka, nameno velarana lehibe tokony ho intelo na inefatra an’ity “Tabernacle” ity, ary nihavo toy izao, no nisavovona teo. Ary izaho… 

Tamin’ny alàlan’ny tady no tsy maintsy nampidinana ahy teo ambonin’ny lampihazo. Namonjy ny toerako aho, ary nanomboka nitory tamim-pinoana. 

Fa Billy tonga niteny tamiko hoe: “Ry dàda, misy vehivavy iray tsy maintsy anaovana zavatra. Misy mpandamina telonjato napetrako, kanefa izy ireo dia tsy mahasakana vehivavy kely anankiray.” Vehivavy kely mahafatifaty ilay izy, tsy mihoatra izao ny haàvony, ary io zaza io no tokony ho voalohan-janany. Ataoko fa tsy nihoatra ny telo amby roapolo na dimy amby roapolo taona izy.

Ary nijoro teo izy, ny volony nisaritaka, namihina zazamenavava iray. Niezaka nitsofoka tao amin’ny laharana izy, fa ireo lehilahy nanosika azy hiverina. Ary tamin’izay, sady nofihininy mafy ilay zanany, no niakarany teo ambonin’izy ireo, nitsofotsofohany teny anelankelan’ny tongotr’izy ireo, sns… Nanaraka azy teny ambony lampihazo, toerana izay niereny izy ireo, mba haka azy ka hamoaka azy any ivelany. Tsy nisy karatra fahazoam-bavaka azo nomena azy intsony.

Hoy Billy tamiko: “Raha avelako manatona io vehivavy mitondra io zazamena efa maty io, nefa tsy manana karatra fahazoam-bavaka, ireo sasany izay nijoro sy niandry nandritry ny roa na telo andro niaritra hainandro sy orana, raha misongona azy ireo izy, dia hiteraka korontana izany.”

Namaly azy aho hoe: “Aza taitra ianao!» (Teo ny rahalahy Moore izay somary sola tahaka ahy). Dia hoy aho hoe: “Tsy mahalala na iza na iza ato izy, ary maro be ny olona. Maniraha…” Ary nisy rahalahy vitsivitsy teo, ka ny iray mpiangon’ity “Tabernacle ity… Ankehitriny izy efa niditra any amin’ny Voninahitra. Tsy mety tadidiko ny anarany… Fa teo izy tamin’io fotoana io. Dia niteny aho hoe: “Ry rahalahy Moore, andao ianao mivavaka ho an’io zazamena io ; io vehivavy io tsy hahalala mihitsy raha izaho na ianao, izy koa tsy mahay teny anglisy. Mandehana tsy am-pisalasalana.”

Namaly ahy ny rahalahy Moore hoe: “Eny, rahalahy Branham.”

Nidina izy. Fa izaho niteny hoe: “Tahaka ny voalazako anareo teo…”. Kanjo, nahita zazamena kely teo anoloako aho, zazamenavava meksikana iray nipetraka teo anatrehako, sady nitsiky. Dia niteny aho tamin’izany hoe: “Andraso kely… asaivo manatona io vehivavy io.”

Niteny i Billy hoe: “Ô, ry dàda, tsy afaka manao izany aho. Izy….”

Namaly azy aho hoe: “Ry Billy, nahazo fahitana aho.”. 

Dia hoy izy hoe: “Oh, raha izany, dia hafa.”

Araka izany, dia nasainay nihataka ny vahoaka, ary nampanatoninay ilay ramatoa. Nandohalika izy, nihazona rozery teny an-tànany. Hoy aho taminy hoe: “Mitsangàna ianao!”. 

Ary nivavaka aho: “Ry Ray any an-Danitra, ankehitriny, tsy fantatro izay ho ataonao. Tsy fantatro raha tianao homeko fahafaham-po fotsiny ity vehivavy ity amin’ny hivavahako ho an’ilay zazamena, na zavatra hafa, fa mametraka ny tànako amin’ity zazamenavava ity amin’ny Anaran’i Jesosy aho”. (Tsy misy hafa tamin’ny nataoko tamin-drahalahy Way, izay nivalampatra, maty, ilay indray andro iny). Nihetsika ilay bodofotsy nifonosany dia nitomany ilay zazakely. Velona izy.

Naniraka an-drahalahy Espinoza aho, niaraka tamin-dravehivavy hankany amin’ilay dokotera nanao sonia ny fanamarinam-pahafatesana izay nanamarina fa matin’ny pnemonia tao amin’ny toeram-piasany ny marain’io tamin’ny sivy ora ilay zaza (ny fitsanganany tamin’ny maty dia niseho tany ho any amin’ny folo ora alina). Dia nomen’ilay mpitsabo taratasy fanamarinana ara-dalàna izy. 

Tsy afaka ny nangina intsony ireo mpanao gazety, ka tsy maintsy nanatona. Nanontany ahy ireo hoe: “Mihevitra ve ianao fa ireo olo-masinay dia afaka ny hanao izany koa? “

Hoy aho: “Raha mbola velona izy ireo.”

Fa hoy izy hoe: “Tsy afaka ny ho olo-masina raha tsy efa maty!” Ao ianareo. Hitanareo? Ary ny vahoaka…

Hitanareo ve tao amin’ny gazety, indray andro, izay nankalazain’izy ireo, mikasika ilay masera iray? Nahazo olo-masina iray vaovao, izay maty zato taona lasa tany-ho-any, ka vao nasandratr’izy ireo ho olo-masina. Nilaza izy ireo fa nitsangana tamin’ny maty izy io, ary nivavaka ho an’ny olona maromaro voan’ny homamiadan’ny rà. Tsy izany ve? Tao amin’ny iray tamin’ireo gazety izany. Nisaina fotsiny aho hoe: ny zavatra toy izany dia ezahina mafy hasongadina. Kanefa an-jatony ireo asa fanasitranana izay azo fotopotorina eto ihany, eo ambany mason’ny vahoaka. Fa inona no anaovana izany? Mba hanangolena ny fiangonana protestanta ho voasarik’ireny zavatra ireny, hitanareo, mba hampisaina zavatra azy.

Ka rehefa ireo tena asan’ny Tompo no voamarina tanteraka sy voaporofo, dia tsy ho sahin’ireo gazety kasihina izany. Ao ianareo izay. Nahazo fanasana izy ireo kanefa nandà izany. Eny, Andriamatoa.

Tsy mety tsapan’izy ireo fa ny fandavana ny Hafatra tsotra iray, sy vahoaka tsotra iray, dia hitondra azy ireo amin’ny fikorontanana.

Tsy ela izay, nisy vehivavy iray avy ao Grant’s Pass, Orégon niresaka tamiko. Katolika izy io, tonga taty mba hitsikera sy hamoaka lahatsoratra. Mpanao gazety izy. Tonga izy, fonosan-tsigarety teny an-tànany, ary nilaza tamiko hoe: “Te hiresaka aminao aho.”

Hoy aho hoe: “Inona no tianao horesahina amiko?”

-“Te hametraka fanontaniana vitsivitsy aminao aho momba ny fivavahanareo.”

-“Inona no tianao hanontaniana ahy?”

-"Fahefana avy aiza no anaovanao ireny zavatra ireny?”

-Hoy aho: “Amin’ny Anaran’i Jesosy Kristy, rehefa nahazo antson’Andriamanitra.” Ary nandroso hiteny izy, haneho ny tsihafaliany. Fa hoy aho taminy: “Andraso kely.”

Namaly ahy izy hoe: “Raha voatery hikambana amin’ireny olona bado ireny aho, dia tsy mba te-ho lasa kristiana.” Ary nampiany hoe: “Ary ireny olona ireny hono no hitondra ny tany indray andro any. Manantena aho fa tsy ho eto intsony amin’izany fotoana izany.”

Hoy aho taminy: “Aza manahy ianao. Tsy ho eo ianao! Tsy misy atahoranao ny amin’izany.”

“Ahoana” hoy izy: “Ireny fientanentanana sy ireny hiakiaka ireny!”

Hoy aho taminy: “Kanefa ianao milaza anao fa katolika?”

-“Izany aho.” hoy izy.

Hoy aho: “Tsy fantatrao angaha fa Maria, ilay virijina voatahy, dia tsy maintsy nandray ny Fanahy Masina, dia niteny tamin’ny fiteny tsy fantatra, ary nandihy tao am-Panahy toy ireo sasany, talohan’ny nandraisan’Andriamanitra azy? Ianareo milaza azy ho renin’Andriamanitra.”

-“Hevi-dravina izany.” hoy izy.

-“Andraso vetivety fa…”

-“Tsy natao hijery ao amin’ny Baiboly aho.”

Hoy aho: “Raha izany, ahoana no ahafantaranao inona ny Marina, sy ny tsy marina?”

-“Izay lazain’ny fiangonako no inoako.”

“Fa ity anie no Tenin’Andriamanitra ê. Ato Izany, tsy aiza fa ato. Mihaika anao aho hijery Izany ato. Ho hitanao ato fa i Maria dia niaraka tamin’izy ireo tao amin’ny efitra ambony, ary nandray ny Batisan’ny Fanahy Masina toy ny rehetra. Kanefa ianareo miantso azy renin’Andriamanitra.” Mbola niteny aho hoe: “Dia izany no ataonao fa hadalana, vondrom-pako, tsy manjary?” Hoy aho: “Aza matahotra ianao. Tsy te-ho eo ianao. Tsy mila manahy ny amin’izany ianao, raha izany fotsiny ihany no atahoranao. Ny tokony hampanahy anao, ry tovovavy, dia ny fanahinao mpanota.” Dia navelako nandeha izy. 

Hevero izany rehetra izany. Tsotra. Tsotra loatra ny fanaon’ Andriamanitra. 

Ahoana no nahafahan’i Ahaba, sy Jezebela, ary ny vahoaka rehetra ho nisaina fa olona ara-panahy Elia, ireo izay nihevitra azy ho mpanao fankatovana? Ahaba mihitsy no nilaza hoe: “Io lehilahy io no mahatonga korontana ato Israely!”

Hoy izy: “Ianao no manakorontana ny zanak’Israely”

Ahoana no ho nahafahan’io vahoaka io nihevitra fa ny fandàvana ny hafatr’io lehilahy be volombava io, izay tsy nitafy ny fitafin’ny mpisorona, no mety hidika fanamelohana ho azy ?

Ahoana moa Egypta, mpitantana izao-tontolo-izao, ireo Farao, sy ny haja amim-boninahiny (hatra tamin’izany, izao-tontolo-izao, dia tsy nahatakatra fivoarana toy izany amin’ny lafiny siansa sy ny hafa), ahoana no ho nahafahan’izy ireo nihevitra fa ny fandavana ny hafatry ny mpaminany antitra, valopolo taona, amin’ny volombava miroroka, mihafotsy volo, olona nandositra, kanefa niverina nanafatra hoe “Avelao handeha ireo, raha tsy izany horavan’Andriamanitra ny firenena.” Ahoana i Farao no ho afaka…“Ry Farao, hanaiky ahy ianao.”

Namaly Farao hoe: “Hanaiky?…” Izy, Farao! hanaiky antidahy very saina. Nihevitra izy ireo hoe: “Handroaka lehilahy toy ity ve dia ho faharavana firenena iray manontolo?”- Kanefa dia izany no nitranga! Oh la! la!

Andao hijanonantsika vetivety eto, hivavaka sy handinika. Fotoana manao ahoana no iainantsika izao? Aiza ho aiza no misy antsika? vanimpotoana fandrosoana sy siantifika iray hafa. Tokony hisaina bebe kokoa isika. Meteza mijanona fotoana fohy, ianareo ry vahoaka, mba hivavaka sy handinika kely. Hahazo aina kokoa ianao avy manao izany. Marina izany.

Ny kristiana akory, tsy fitaovam-piasana, na piesy mekanika iray, izay natao hampandeha rafim-pivavahana iray lehibe. Marina izany. Ny kristiana dia tsy fitaovana mihazona ny hetsiky ny lamim-pivavahana iray. Ny kristiana dia tsy izany. Ny kristiana dia olona natao hanahaka an’i Kristy. Ary tsy tena kristiana ny kristiana iray mandra-pahazoany an’i Kristy ao anatiny, ny Fiainan’i Kristy ao aminy. Amin’izay ianao dia maneho ny Fiainana izay niainan’i Kristy, ary manao ireo zavatra nataon’i Kristy.

Inona moa izany resahiko izany? Ny fifandraisantsika manokana amin’i Kristy. Inona izany? Ny fiainanao ve mendrika ny Filazantsara ?

Izao aho, mba hametrahana fototra, dia hiezaka hampiseho aminareo ireny lehilahy sy vehivavy ireny, izay nanana ny lazany.

Ny Baiboly milaza… Voamarikareo ve? ny alahady lasa, nisy adinoko ny namaky izany taminareo, Genesisy toko faha-6, andininy faha-4, izay milaza fa “ireo lehilahy izay naka vehivavy nataony vadiny, dia ireo no lehilahy nalaza taloha.” Ny faminaniana dia manondro fa mbola hisy indray ireo lehilahy malaza. “Fa toy ny tamin’ny andron’i Noa, dia ho toy izany koa no amin’ny andro hiavian’ny Zanak’olona”. Lehilahy malaza maka vehivavy, fa tsy mampakatra vady, manaraka nofo hafa.

Jereo izay nisy tany Angletera, roa herinandro lasa. Jereo ny mitranga ato Etazonia sy any ivelany rehetra any izao. Ny fivarotan-tena dia manjaka hatraiza hatraiza. Ireo lehilahy ambony toerana, manana andraikitra ambony, dia manala baraka ny fireneny, amin’ny filàny vehivavy. Ity lehilahy malaza any Angletera ity dia minisitra, na toy izany. Manana vady tsara tarehy izy, araka ny hita amin’ny sariny eny-rehetra-eny. Jereo ilay mpivarotena rosiana manao fitafiana mihantsy, mampiseho ny vatany rehetra. Ary ilay lehilahy dia lavon’izany.

Ny ilaintsika ankehitriny, dia zanak’Andriamanitra. Mila lehilahy zanakalahin’ Andriamanitra isika ao anatin’ny fitondram-panjakana. Marina izany. Noho izany, raha ny mpanjaka iray hendry, araka ny Sitrapon’Andriamanitra, dia hampijanona ireny hadalana rehetra ireny. Tsy hila hampiasa fahefana akory. Toy ny nataon’i Davida, nampitsahatra izany. Tsy nisalasala izy nanao izany, satria izy no mpanjaka. Ary tsy misy afa-tsy…

Ny tena tsara dia Andriamanitra no Mpanjaka, ary Andriamanitra maniraka mpaminany iray. Tsy nilaza taminy ve Samoela, nialoha ny nahazoan’izy ireo mpanjaka iray? Hoy izy hoe: “Andriamanitra no Mpanjakanareo. Mbola nanambara zavatra tamin’ny anaran’i Jehovah ve aho ka tsy tanteraka?”

Namaly ireo hoe: “Tsia. Marina izany!”

-“Efa nangataka ny sakafoko taminareo ve aho?”

-“Tsia, tsy mba nanao izany ianao.”

-“Ary mbola nilaza zavatra taminareo ve aho ka tsy marina teo anatrehan’ny Tompo? Andriamanitra no Mpanjakanareo.”

“Ry Samoela, fantatray izany. Ary hainay fa tena olo-mendrika ianao. Mino izahay fa tonga aminao ny Tenin’Andriamanitra, kanefa te-hanana mpanjaka izahay.” Hitanareo ve? Izany no notadiaviny.

Ireo Pentekotista dia nitady ho lamim-pivavahana tamin’ny fomba rehetra. Tanterak’izy ireo izany. Marina izany. Te-hitovy tamin’ireo fiangonana hafa rehetra izy ireo. Ao ianareo. Ny mandroso, tsy misy afa-tsy izany no ataony. Saingy, isika kosa, Andriamanitra no Mpanjakantsika. Andriamanitra no Mpanjakantsika. Eny, Andriamatoa.

Inona izany? Toy ny tamin’ny andron’i Kristy, toy ny tamin’ireo vanim-potoana rehetra, ny olona dia mahita fialantsiny. Manana ny fanekempinoany manokana izy. Mety tsy te-hilaza ianao hoe : “Vao nividy ombivavy iray aho, ka tsy maintsy zahako raha azo ampiasaina izy na tsia, na afaka manome ronono, na tsara karazana izy.” Mety tsy ho toy izany ny fialantsininao.

Fa ity no karazam-pialantsiny izay mety ho lazain’ny olona: “Presbyteriana aho. Tsy mino izany izahay Batista aho, tsy mino hadalana toy izany izahay Loteriana aho.” Tsy misy ifandraisana amin’izany. Tsy manambara izany fa kristiana ianao. Midika fotsiny izany fa ianao dia singan’ny vondron’olona iray izay nifandamina. Singan’ny efitrano loteriana ianao, na ny efitrano batista, na ny efitrano pentekotista. Tsy misy izany fiangonana pentekotista, na batista izany, fa ny misy dia ireo efitra pentekotista, batista, prebyteriana… 

Fa ny Fiangonana dia tokana. Ary ny fomba tokana ahafahanao miditra ao dia ny fahaterahanao ao. Teraka ao amin’ny Fiangonan’i Jesosy Kristy ianao, ary singan’ny Vatany, singan’ny Solontenan’ny Lanitra, ara-panahy. Amin’izay, ireo famantarana maneho fa Kristy ao aminao dia ho hita ao amin’ny fiainanao.

Ry Kristiana, ianareo tsy maintsy manana fifandraisana manokana amin’ Andriamanitra. Raha te-ho zanak’Andriamanitra ianao, dia tsy maintsy misy rohim-pihavanana aminao sy Andriamanitra. Tsy maintsy Izy no Rainao, mba hahatonga anao ho zanany. Ary tsy misy afa-tsy ireo zananilahy sy zananivavy ihany no voavonjy. Tsy ireo mpikambana amina fiangonana, fa ireo zananilahy sy zananivavy. Làlana tokana ihany no hahavitana izany, dia ny fahateraham-baovao. Ny fahateraham-baovao ihany no afaka hametraka rohim-pihavanana aminao sy Andriamanitra. Tsy marina ve izany? Zanakalahy sy zanakavavy. Ary rehefa izany no mipetraka, ny olona dia… 

Ity misy fanontaniana tiako apetraka aminareo. Hoy ny olona amiko: “Inona no tokony hataoko rehefa nateraka indray aho?” Marobe ireo manontany izany amiko. “Inona no tokony ataoko amin’izay, Rahalahy Branham ?” Rehefa nateraka indray ianao, ny momba anao rehetra dia voaova. Maty amin’ireo zavatra rehetra nosaininao taloha ianao.

Hilaza ianao hoe: “Ry rahalahy Branham, azoko izany rehefa mikambana amina fiangonana iray aho.”

Tsara. Raha miteny Andriamanitra “Jesosy Kristy dia tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay”, dia mbola manasitrana ny marary Izy, mbola manome fahitana Izy.

“Tsy manaiky izany ny fiangonako, ry rahalahy Branham!” Izao, ianao tsy mbola nateraka indray. Hitanareo? Tsy mety ho izany ianao, raha tsy Andriamanitra mihitsy, ny Fiainany no ho ao anatinao, toy ny anananao ny fiainan-drainao ao anatinao. Ary raha ny tena Fiainan’Andriamanitra no ao anatinao, ny tena Fanahy izay tao amin’ny Kristy no ao anatinao, fomba ahoana io Fanahy niaina tao anatin’i Jesosy Kristy io ary nanoratra Ity, no ho afaka nidina tao aminao, sady manohitra Ity ? Hitanareo? Tsy mety hanao izany Izy. Tsy maintsy hanamarina ny Teny rehetra Izy.

Noho izany, raha milaza ianao hoe: “Mpikambana mendrika an’ny fiangonana aho”, tsy misy ifandraisany na kely amin’izany.

Mahay ireo mpanompo sampy aho. Raha nandeha tany Afrika aho, tany amin’ireo rahalahiko maintihoditra, dia nahatsapa aho fa ny fitondrantenan’ny vahoaka any dia ambony lavitra noho ny an’ny sivifolo isanjaton’ny vahoaka amerikana. Any amin’ny foko sasany, raha mbola tsy manambady ny tovovavy iray izay efa nahazoazo taona, na tonga amin’ny toe-batana tokony hanambadiany, ka tsy mbola nisy naka, dia fantany fa misy tsy mety ao, dia roahina izy. Tsy maintsy esoriny ny famantarana ny fokony eo aminy, dia mifindra any an-tanàn-dehibe izy, ka lasa mpirenireny any. Rehefa hanambady ny tovovavy iray dia hamarinina raha virijina izy. Raha efa rovitra ny famantarana maha-virijina azy dia tsy maintsy tondroiny ny lehilahy nahavita izany, ary miara vonoina izy roa. Firifiry moa no tokony hovonointsika eto Amerika raha manao toy izany isika? Hitanareo ? Dia antsoina mpanompo sampy izy ireo. Oh! la! la! Tokony hankaty izy ireo ka hampianatra ireo olona mitonona ho mpikambana ana fiangonana ireo, ahoana ny hiainana fiainana madio. Marina izany.

Tsy mba nahita ireny aretina vokatry ny firaisana ara-nofo ireny mihitsy aho, nandritra ny diako tany Afrika atsimo. Tsy misy any aminy izany. Ao ianareo izay. Hitanareo? Izany no misy dia avy tamin’ny fahalotoan’ny fombantsika manokana, amin’ny maha fotsihoditra antsika, (Marina izany) noho ny nanalavirantsika an’Andriamanitra.

Rehefa mitoetra izany, aorian’ny fahaterahana vaovao, ny hataonao, dia ny hahatsapa fa tonga ao anatinao ny Fanahy Masina, ary ny hino sy hankatò izay rehetra asain’ Andriamanitra ataonao ao anatin’ny Teniny. Ary izay rehetra angatahin’ny Baiboly hataonao, dia hamafisinao amin’ny “Amena”. Ary tsy hijanona ianao, andro aman’alina, mandra-pahazoanao izany. Marina izany. Marina izany. Ary mandritra izany, tsy isalasalana fa, ambonin’ny zavatra rehetra, dia haneho ireo vokatry ny Fanahy ianao.

Hanontany ianao hoe: “Hiteny amin’ny fiteny tsy fantatra ve aho?” Mety hanao izany ianao, mety ho tsy hanao. “Hikiakiaka ve aho?” Mety hanao izany, na mety ho tsy hanao ianao.

Fa misy zavatra azo antoka fa ho ataonao, dia ny hitondra ny vokatry ny Fanahy. Ary ny vokatry ny Fanahy dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahatokiana, fahari-po, fanetrentena, fahatsaram-panahy, faharetana. Ny toe-panahinao dia tsy ho, “Oooh!” Tsarovy fotsiny fa raha izany no hataonao, dia hanapoizina ny Fanahy Masina izany, ary Izy hanalavitra anao. Hitanareo? Raha ianao lasa mifamaly amin’ny olona rehetra izay ifaneraseranao, misy zavatra tsy mety ao aminao. Raha ny mpanompon’Andriamanitra mamaky ao amin’ny Baiboly fa ratsy ny manao ny zavatra iray, kanefa ianao h… tsarovy fa tsy misy ny maha-kristiana anao, raha ny marina. Izany ny hoe “Amin’ny voany no hahafantarana azy.” Izany no nolazain’i Jesosy. Hitanareo?

Raha Teny izany, ary Andriamanitra milaza toy izany, ny Fanahy ao anatinao dia hifanaraka mandrakariva amin’io Teny io, satria ilay tena Fanahy Masina dia mifanaraka amin’ny Teny, satria ny Teny dia Fanahy sy Fiainana. Hoy Jesosy: “Ireo Teniko dia Fiainana”. Ary raha manana ny Fiainana mandrakizay ianao, nefa Izy no Teny, ahoana no hifanoheran’ny Teny sy ny Teny ? Hitanareo? Olona toy inona moa no hiheveranareo an’ Andriamanitra? Ny zavatra iray tsara ho fantatrao, dia izao: fantatrao fa tena kristiana tokoa ianao, raha ianao afaka manaiky tanteraka ny Tenin’Andriamanitra rehetra, ary tsapanao fa mankatia ireo fahavalonao ianao.

Raha miteny momba anao ny iray hoe: “Izy iny tsy inona, fa mpientanentam-poana”, ary ianao manomboka ny… Mitandrema. Mitandrema. Fa kosa, raha ianao mihitsy no mahatsapa fa tia azy ianao, na inona na inona ataon’izy ireo, dia mbola hitia azy ireo ianao. Hitanareo?

Ary manomboka ho tsapanao fa ny faharetanao dia hitombo, mandra pahatonga izany tsy hanam-petra ka tsy hisy fiafarany intsony. Tsy hijanona hanaratsy anao ny olona, fa hoy ianao kosa: “Tsy ahoako izay lazainareo!” Aoka tsy hanakorontana anao izany. Raha manakorontana anao izany dia tsara aminao ny mivavaka mialoha ny hitenenanao amin’izy ireo indray. Yah. Yah.

Aza miditra anaty fifandirana. Aza tia miditra anatina fifandirana. Raha ianao tia mihaino olona iray ao am-piangonana miteny hoe: “Hainareo moa ? Ranona dia manao izao sy izao!” 

Ny tokony hoteneninao aminy dia hoe: “Aminao ny henatra, ry rahalahy.”

Fa raha miteny aminy kosa ianao hoe: “Oh! izany tokoa ve?”, manongilan-tsofina amina fanaratsiana? dia mandiniha tena. 

Ny Fanahy Masina akory tsy lavapiringa. Hitanareo? Tsia, tsia dia tsia. Ny fo itoeran’ny Fanahy Masina dia feno fahamasinana, fahadiovana, tsy mihevitra ratsy ny hafa, tsy manao ratsy, mino ny zavatra rehetra, maharitra ny zavatra rehetra, feno fandeferana. Hitanareo ?

Aza mifamaly. Raha misy mifamaly ao amin’ny ankohonanao, aza idirana. Raha miteny aminao ny reninao hoe: “Tsy tiako intsony ny hamonjenao io fiangonana io. Inona no eritreritrao, manalava volo toy izao, miendrika rafotsibe ianao.” Aza mifamaly aminy! 

Lazao fotsiny hoe: “Eny, ry neny. Tiako foana ianao, na izany aza, ary hivavaka ho anao foana aho raha mbola velona.” Hitanareo?

Aza mifanditra ianareo. Hitanareo? Ny fahasorenana miteraka fahasorenana. Ny hitranga, dia hampalahelo ny Fanahy Masina ianareo, ary hiala anareo Izy. Dia hifamaly amim-pahatezerana mafy kokoa ianareo. Ary amin’izay, handositra lavitra anareo ny Fanahy Masina. Ny fahasorenana miteraka fahasorenana.

Fa ny fitiavana miteraka fitiavana. Meteza ho feno fitiavana. Hoy Jesosy hoe: “Ary amin’izao no hahafantaran’ny olona fa mpianatro ianareo, dia raha mifankatia ianareo.” Izany no vokatry ny Fanahy Masina, ny fitiavana.

Ary hainareo ve fa ianareo dia mpahary madinika? Hainareo izany? Tena marina izany. Efa nahita amin’ireny olona izay mahafinaritra ny misakaiza aminy ireny ve ianareo? Tsy fantatra izay antony, fa maha-te-ho-tia amin’izao fotsiny ilay olona. Efa nahita toy izany ve ianareo? Mahafinaritra izy, tianao ny ho eo akaiky azy. Mamorona tontolo manodidina azy izy ireny, amin’ny alalan’ny fomba fiainany, ny fomba fiteniny, ny firesahany…

Hainareo, misy koa ireny izay ezahanareo halavirina ireny. Zavatra ratsy foana no tiany resahina, manaratsy olona. Toy izao no fitenin’ny olona momba azy ireny: “Oh! la! la! iny izy fa tonga. Hitsikera olona indray izy ireo. Tsy misy ataony afa-tsy ny manao vazivazy ratsy, hiresaka vehivavy, na zavatra hafa toy izany.” Ankahalao ny fisakaizana amin’ireny olona ireny! Hitanareo? Mamorona izy ireny. Toa olona tsara sy mahafinaritra izy ireny, saingy karazan-tontolo toy izany no foroniny.

Ary ireo zavatra saininao, ireo zavatra ataonao, ny fihetsikao rehetra, ireo zavatra ambaranao, izany rehetra izany dia mamorona tontolo iray manodidina anao.

Nanatona lehilahy iray tao amin’ny biraony aho, teto amin’ity tanàna ity. Izy dia mpitantana na diakona amin’ny fiangonana tsara tarehy iray. Nisy anton-draharaha tsy maintsy nanatonako azy. Vao niditra aho, dia nandre radio nandefa hira “rock” na “twist” nitatatata mafy be. Ary zendana aho raha nahita sarim-behivavy mitanjaka tokony ho efapolo nipaingotra teny amin’ny rindrina. Afaka hiteny amiko ianao fa diakona na lehibe kokoa, tsy midika inona amiko izany. Asehoy ahy izay jerenao, izay vakinao, ny mozika henoinao, ny olona izay ikambananao, ary hambarako anao ny karazam-panahy ao anatinao. Hitanareo? Yah.

Mandre isika olona miteny hoe: “Izaho ve dia manao izao sy izao? Toy ireny…” Aza adino, fa tsy ahoako izay lazainy. Ireo asany no manambara mazava kokoa noho izay rehetra mety ho lazainy. Afaka hijoro vavolombelona izy, hilaza fa kristiana izy, (izay tokoa), kanefa mety hanao zavatra hafa. Fa diniho fotsiny ny karazam-piainana iainany. Izany no hilaza marina ny momba azy.

Azonareo saintsinina ve ny lehilahy iray efa nandray ny Fiainan’i Kristy, hiteny hoe: “Hino ny amin’ny fanasitranana ve? Ho an’ireo tsy ampy saina izany. Tamin’ny andro taloha no nisy izany. Tsy misy izany intsony ankehitriny.” Izany ve dia fiainana mendrika ity Filazantsara ity, kanefa Kristy « dia voalefona noho ny fahadisoantsika ary ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika. » ? Hilaza amiko ianao hoe: “Izaho anie ka diakona é!” Tsy ahoako, na eveka aza ianao.

Raha nandre ny eveka Sheen niteny zavatra iray aho, roa taona lasa izay, dia nanapa-kevitra tsy hanatona azy intsony. Hoy izy hoe: “Ny olona izay mino sy miezaka hiaina araka ny Baiboly dia toy ny anankiray izay mikiry handroso anaty safotofoto.” Ny eveka Sheen. Niteny ihany izy hoe: “Rehefa tonga any an-danitra aho, dia hainareo, inona ? Rehefa hihaona amin’i Jesosy aho dia hilaza Aminy hoe: Izaho no eveka Sheen, ary Izy hamaly hoe: Oh! Eny tokoa, efa nandre ny reniko niresaka ny aminao aho.” Fanompoan-tsampy izany. Andriamanitra anie hamindra fo amin’ireo izay maniratsira ny Teniny. Tsy mitsara aho akory. Hitanareo ? 

Ity Teny ity no Fahamarinana. Marina. Ary ny Fanahin’Andriamanitra dia tsy hanamarinana afa-tsy ny Teny izay nosoratany ihany. Ny Teny nosoratany no manondro Azy. Ireo no miteny mikasika Azy. Ary ny finoanao Azy no manondro anao, manome anao ireo zavatra rehetra manondro anao.

Aza mifamaly amin’ny hafa ianareo. Ary ataovy izay tsy hifamaliana ao amin’ny ankohonana, araka ny efa nolazaiko teo. Ny fitiavana dia miteraka fitiavana, fa ny fahasorenana no miteraka fahasorenana.

Izao, aoka handinika isika izao, hijery an’i Jesosy vetivety. Izy no filamatra ho antsika. Manantena aho fa mbola tsy reraka loatra ianareo. Andao jerentsika vetivety Jesosy. Fakan-tahaka Izy ho antsika. Izao no voalazany: “Ohatra no nomeko anareo mba hanaovanareo amin’ny hafa tahaka izay efa nataoko taminareo koa.”

Jereo fa fony tonga teto amin’izao-tontolo-izao Izy, dia fotoana nisiana tsifinoana izay tsy mbola nisy toy izany ; kanefa tsy nahasakana Azy izany. Tsy nampiova Azy izany. Nanohy nitory hatrany Izy sady nanasitrana araka ny fanaony. Tsy nahataitra Azy izany. Nisy ny fanakianana. Nokianina ny Zanak’olona, hatramin’Izy zazamenavava ka hatramin’Izy maty teo amin’ny hazofijaliana. Nahasakana Azy ve izany? Tsia, Andriamatoa. Inona no Tanjony? ny manao hatrany izay nosoratan-dRainy, manao hatrany izay ankasitrahiny.

Jereo Jesosy. Afaka hiresaka fanetren-tena izay ananantsika ve isika? Raha Andriamanitra mihitsy no tonga Zazamenavava. Ary raha tokony ho tao anaty fandrian-jazakely tsara tarehy, tao amin’ny tokantrano mihaja iray Izy no teraka, dia tao anaty tranon’omby, teo ambony zezik’omby, tao anatin’ny tabataban’ireo zanak’omby. Vorodamba nalaina tamina saron-jiogan’omby no namonosana Azy. Nahantra indrindra tamin’ireo nahantra indrindra Izy. Kanefa Izy ilay Mpahary ny lanitra sy ny tany.

Indray alina izay, raha nanorana sady nangatsiaka ny andro, dia hoy izy ireo tAminy: “Mpampianatra ô! mba te ho any amin’izay misy Anao izahay.”

Fa namaly Izy hoe: “Ny amboahaolo manan-davaka ; ary ny voro-manidina manana fialofana, fa Izaho tsy mba manana izay ipetrahan'ny Lohako.”

Andriamanitra, Jehovah, nanetritena, tonga olombelona, naneho ny Tenany tao anaty nofon’ota mba hanavotra antsika, izaho sy ianao. Anatrehan’izany, mba inona isika? Namela ohatra ho antsika Izy. Mba inona moa aho? Tsinontsinona.

Ny tolakandro teo, tao amin’ny fivoriana kely iray, dia niresaka tamin’ny olona iray aho. Hoy aho: “Ny zanak’Andriamanitra tsirairay izay naterany, dia tsy maintsy mandalo fitsapana, tsy maintsy kapohina.” Tsaroako ny fotoana nandalovako tamin’izany fitsapana izany, izay ora lehibe indrindra tao amin’ny fiainako. Rehefa nateraka indray ny olona iray, dia ampidiran’Andriamanitra ao anatiny ny zavatra bitika toy ny ohony, izay milatsaka ao am-pony, ka mifikitra ao. Amin’izay fotoana izay indrindra no itsapan’i Satana azy. Ary raha tsy mitana izany dia vita hatreo ny aminao.

Tsaroako aho, andro iray tao amin’ny hopitaly, mbola tanora kely tamin’izay, roa ambiroapolo na telo ambiroapolo taona. Ary ny raiko, niala aina teo ampofoako, kanefa izaho nitory fa Andriamanitra dia manasitrana. Ny raiko niteraka ahy, tratry ny aretim-po, ny lohany niankina teo amin’ny sandriko, ary izaho nivavaka ho azy ; ary hitako izy nanopy ny masony tamiko, nijery ahy, dia nitambotsotra mba handeha ihaona tamin’Andriamanitra. Nentiko izy ary naleviko teo anilan’ny fasan-drahalahiko, izay mbola tsy nalazo akory ireo voninkazo teo amboniny. Kanefa izaho nitory ny amin’ny Andriamanitra iray izay manasitrana. Niasa tamin’ny sampan-draharaham-panjakana iray aho tamin’izany, tamin’ny karama roapolo “cents” isan’ora, ary ny vadiko niasa tao amin’ny orinasa mpanamboatra fitafiana, mba nahafahanay namelona ny zanakay lahikely izay valo ambin’ny folo volana tamin’izany. I Billy Paul izany. Valo ambin’ny folo volana izy tamin’izany.

Tazako ny anabavy Wilson manetsika ny lohany. Tsaroany izany fotoana izany. Ary i Roy Slaughter koa, sy ireo maintimolaly vitsivitsy.

Inona no nataoko ? Namakivaky ny arabe aho, “sandwich” iray teny an-tanako, nanambara tamin’izay rehetra nifanena tamiko ny fitiavan’i Jesosy Kristy. Niditra ny garazin'ireo mpanamboatra fiarakodia aho ary nangataka hiresaka taminy. Niteny tamin’izy ireo aho hoe: “Ry sakaiza, efa voavonjy ve ianareo?” Nahita zavatra tao amin’ny foko aho. Efa alina aho vao nandeha mividy hanina. Amin’ny roa na amin’ny telo maraina aho no mody, rehefa avy nitsidika ireo marary izay niantso ahy. Tsy afaka ny… Tsy nisy intsony nataoko afa-tsy ny nisolo akanjo, mba hitafy ireo fitondrako miasa, ary nipetraka teo amn’ny seza, niandry ny andro mazava, dia nitsangana nandeha… Nanjary nahia kely aho noho ny fivavahana sy ny fifadian-kanina, hany ka tsy maintsy nivavaka aho isaky ny nametaka ireo farangoko, ihanihako ny andry. Nitory, nitory hatrany aho hoe: “Andriamanitra dia be voninahitra, Andriamanitra dia be indrafo, Andriamanitra dia Fitiavana.”

Kanefa indro ny raiko maty teo am-pofoako, ary ny rahalahiko maty nandritra ny fotoana nitoriako Filazantsara. Tao amin’ny fiangonana pentekotista kely iray an’ny maintihoditra aho no nitory, raha nisy tonga nilaza tamiko aho hoe: “Ny rahalahinao maty ery amin’ny arabe mikodaona. Nisy fiara iray nandona ka nahafaty azy.” Mafy izany: ny ran’ny rahalahinao mitete eo amin’ny lobakao, raha nibata azy niala ny arabe ianao. Vao avy nandevina azy aho, dia maty koa ny raiko. Avy teo dia ny vadiko koa lasa. 

Dia nandeha tamin’ity toerana misy ity “Tabernacle” izao ity aho. Teto amin’ity toerana izay misy ity lampihazo ity aho, naminany, enim-bolana mialoha fa hisy tondradrano. Nahita Anjely nandray hazo aho ary nandrefy haàvo: roa ambiroapolo “pieds[Sahabo 7 m F.n.m] eo ambonin’i Spring street. 

Nihomehy ahy i Sandy Davis sy ireo sasany, nanao hoe: “Tamin’ny taona 1884, tsy nisy afa-tsy valo na folo “pouces[20 na 25 cm F.n.m] ny haàvon’ny rano, ka inona izany lazainao izany?”.

Hoy aho hoe: “Ho tanteraka izany. Satria hitako izany, naseho ahy izany raha tao am-Panahy aho. Ary ho tanteraka izany.’’ Ary ankehitriny, mbola ao ny marika iray manondro ny haàvo tratry ny rano, roa ambiroapolo “pieds” tao Spring Street. Nilaza tamin’izy ireo aho hoe: “Handalo amin’ny sambokely ambonin’ny tafon’ity Tabernacle ity aho”. Dia izay tokoa no nataoko.

Nandritra izany, narary ny vadiko. Nivavaka ho azy aho, ary nankao amin’ny Tabernacle izay nisy olona niandry ny fiaviany. Hoy aho tamin’izy ireo: “Efa am-bavahoana ny vadiko”. 

“Oh, izany foana ny an’ny vadinao.”

Niteny indray aho: “Efa am-pialana aina ny vadiko”. 

Niverina teo anilany aho, ary nivavaka, nivavaka, nivavaka. Natolotro azy ny tanako, noraisiny ary hoy izy tamiko: “Ry Billy, ho avy hitsena anao aho amin’io maraina io.” Hoy aho: “Ento miaraka aminao ny ankizy dia tongava hitsena ahy eo amin’ny Vavahady”.

Hoy aho hoe: ”Miantsoa fotsiny ianao hoe: Bill dia ho tonga Eo aho.” Hitanareo? Dia lasa izy. Napetrako tao amin’ny tranom-paty izy, ary nody tany an-trano aho mba hitsotsotra. 

Nandritra izany i Billy Paul kely dia tany amin-dRamatoa Broy, narary mafy. Ny dokotera dia nanahy ny mety hahafatesany. Teo am-pivavahana ho an’i Billy aho no tonga ny rahalahy Frank, niteny tamiko hoe “Eo am-pialana aina ny zanakao kely, ilay vavikely”.

Nankany amin’ny hopitaly aho. Ny dokotera Adair tsy namela ahy hanatona azy. Hoy izy tamiko: “Voan’ny “meningite” izy ; ka hamindra izany amin’i Billy Paul ianao.” Nolazany ilay mpitsabo mpanampy vavy hanome ahy fanafody mampitony, ranom-panafody menamena izay, mba hampitony ahy. Nasaiko nivoaka ny efitrano izy ireo, nariako tany am-baravaran-kely ilay fanafody. Nitsofoka ny varavarana iray midina amin’ny rihana ambany indrindra aho. 

Tao ilay zazakely, tao amin’ny efitra mitokana, teo anoloan’ilay hopitaly, ireo masony nitangoronan’ny lalitra. Nakariko ny lay, dia noroahiko ireo lalitra, ary naveriko tamin’ny toerany ny lay. Dia nandohalika aho. Hoy aho hoe: “Andriamanitra ô! ny rahalahiko sy ny raiko matory arỳ, eo ambonin’ny fasany misy voninkazo. Any koa i Hope. Ary izao indray, indro ny menavavakeliko koa miala aina. Aza esorina amiko izy Tompo.”

Nalatsany ny elom-pandriana, toy ny niteny Izy hoe: “Mangìna ianao. Tsy te hihaino anao Aho.” Tsy te hiresaka tamiko akory Izy.

Koa, raha tsy nety niresaka tamiko Izy dia anjaran’i Satana indray izao. Hoy izy tamiko: “Ataoko fa nilaza tamiko ianao fa Andriamanitra tsara fanahy Izy. Inona àry izao mampitaraina anao izao? Mbola zaza ianao. Jereo manodidina anao, ato amin’ity tanàna ity. Ny tovovavy sy ny tovolahy rehetra, izay nifanerasera taminao dia mihevitra avokoa fa very saina ianao. Ary marina izany.” Saingy tsy afaka nilaza tamiko izy fa tsy misy Andriamanitra, satria izaho efa nahita Azy. Fa ny nolazainy tamiko dia tsy mikarakara ahy Andriamanitra.

Ny alina tontolo sy ny ampitso tontolo aho dia naharita nanontany an’Andriamanitra hoe: ”Fa inona no nataoko? Asehoy ahy, Tompo. Ny tsy manan-tsiny aoka tsy ampahoriana eo amin’ny toerako, raha nahavita zava-dratsy aho.” Tsy fantatro fa nandalo fitsapana aho, satria ny zanaka rehetra izay manatona an’Andriamanitra dia tsy maintsy mandalo fitsapana. Hoy aho: “Ambarao amiko izay nataoko, fa halamiko izany.” Inona nefa no nataoko, afa-tsy ny nitory andro aman’alina, amin’ny fotoana rehetra, sy nanolotra ny fiainako tAminy mandrakariva. Inona no nataoko? 

Hoy Satana: “Marina izany. Ary hitanao, fa tonga aminao izany izao, ianao izay nanambara tamin’ny olon-drehetra ny finoanao fa Mpanasitrana lehibe Izy, dia io ny zanakao menavava, mitsilany, miala aina, ary tsy mety mihaino anao akory Izy. Ny vadinao matin’ny tiberkilaozy, kanefa ianao milaza fa afaka manasitrana, hatramin’ ny homamiadana Izy, ary eo Izy. Dia lazainao fa tsara Izy, tsara loatra amin’ny vahoaka. Saingy, mba ahoana ny aminao?”

Tamin’izay dia nanomboka nihaino izay lazainy aho. Izany no atao hoe famotopotorana. Nisaina aho hoe: “Marina izany.” 

Hoy izy: ”Afaka miteny Izy. Tsy mila manonona ny Teny akory Izy, hanopy maso amin’ilay menavavanao fotsiny Izy dia ho velona io.”

Hoy aho “Marina izany.”

“Firifiry ireo zavatra nataonao ho Azy, ary inona no mba ataony ho anao?”

Hoy aho: “Marina izany.” Nanomboka nisaina aho hoe: “ Fa inona àry…” Hitanareo? Nanomboka ho rava ny zavatra rehetra, rehefa tonga ny famotopotorana. Saingy, nony tonga tamin’izany teboka izany, tsy nandroso intsony aho. Nitsahatra teo ny famotopotorako. Efa saika hiteny aho hoe: “Andeha hilaozako avokoa izany.” 

Fa rehefa nirodana ny herin’ny famotopotorana, dia tafaverina ilay fiainana mandrakizay, ilay fahateraham-baovao. Inona no mety ho nitranga raha toa ka tsy teo izany? Inona no mety ho nitranga? Tsy ho nifankahalala isika, tahaka ny ifankahalalantsika izao.Tsy ho nisy ity fiangonana ity, ary ireo olona an-drivony, sy ireo an-tapitrisany maneran-tany. Saingy, isaorana Andriamanitra, fa eo io fiainana mandrakizay io.

Tamin’izay, dia nisaina aho hoe: “Inona? Mba inona moa aho? Mba iza moa izaho no hifandahatra amin’ny Fiandrianany? Zinona aho no hifandahatra amin’ilay Mpahary izay nanome aina ahy ho eto an-tany? Taiza nahazoako io zazamenavava io? Iza nanome azy ahy? Tsy ahy izy. Nampindraminy ahy fotsiny izy, vetivety.”

Niteny aho hoe: “Mialà amiko, ry Satana.” Nitsangana aho ary nametratànana tamin’ny zazakeliko. Hoy aho hoe: “Hotahin’Andriamanitra anie ianao, ry malalako. Afaka iray minitra, horaisin’i dàda ianao dia hatolony eny an-tànan’i neny. Ny anjely hitondra ny fanahikelinao. Fa izaho hihaona aminao indray maraina.”

Hoy aho hoe: ”Tompo, nomenao ahy izy, nalainao indray. Ary na dia kapohinao aza aho tahaky ny nambaran’i Joba, tiako Ianao ary mino Anao aho. Na halefanao amin’ny helo aza aho, ho tiako foana Ianao. Tsy afaka miala amin’izany aho.” Ao ianareo izao. 

Raha ara-tsaina foana ny fijerinao, tsy ho tafatoetra ianao. Tsy maintsy manana fifandraisana Aminy ianao. Tsy maintsy efa nateraka indray ianao.

Izany no mahatonga mpanompon’Andriamanitra mitsoaka an-daharana: ireo adidy sy ireny zavatra ireny. Hoy izy ireo: “Tsy misy izany fanasitranan’Andriamanitra izany, tsy misy zavatra toy izany.” Tsy mbola nanitsaka io tany masina io izy ireo, toy ny voalazako aninkeheo maraina, tsy misy fantany ny amin’izany. Ahoana no ahafahany sady mitonona ho zanak’Andriamanitra izy, no manohitra ny Tenin’Andriamanitra? Ahoana no ahafahanao manao izany, mandà ny Fanahy Masina izay nividy anao?

Oh, tsarovy fotsiny fa Jesosy dia nanetritena, hatra tamin’ny fahafatesana, ho anao. Tsy mba nifanditra Izy. Raha nandroran’izy ireo ny Tavany, tsy namaly nandrora taminy Izy. Raha nongotan’ireo ny volom-bavany, tsy nanongotra ny azy ireo Izy. Raha namelaka tehamaina Azy ireo, tsy navaliny azy izany. Fa nivavaka ho azy ireo Izy, ary nandroso tamim-panetrentena. Ohatra amin’ny fanetrentena Izy.

Feno finoana Izy. Satria nahoana? Satria fantany fa ny Teniny tsy mba mety diso. Niaina loatra tamin’ny Teny Izy, hany ka Izy mihitsy no tonga ilay Teny.

Andriamanitra ô! Aoka aho hanandratra ireo tanako anankiroa amin’Andriamanitra, anoloan’ireto mpivory. Aoka aho hanana fiainana tahaka izany. Aoka ity Teny ity hahatonga izaho sy ity Teny ity hanjary zavatra iray ihany. Aoka ireo teniko ho lasa ity Teny ity. Ho vetsovetsom-poko Izy, ary hameno ny foko sy ny fisainako. Hifatotra amin’ny andrin’ny saiko anie ireo Didiny. Hifatotra amin’ny andrin’ny foko izy ireo. Aoka fotsiny hahita Azy aho. Rehefa mirongatra ny fakam-panahy, aoka aho hahita an’i Kristy. Rehefa miharatsy ny fandehan-javatra, aoka aho hahita Azy. Raha mbola miomana aho, ka miezaka hampahatezitra ahy ny fahavalo, aoka aho hahita an’i Jesosy, hahita izay ho nataony. 

Tao anatin’ny Teny loatra Izy, hany ka Izy sy ny Teny dia lasa iray ihany. Diniho izany.

Tsy nila nifanditra Izy. Fantany fa Izy sy ny Teny dia iray ihany. Fantany fa Izy dia ny Tenin’Andriamanitra voaseho, ary ny didin’Andriamanitra dia handresy izao-tontolo-izao amin’ny farany. Fantany izany, fantany ny Teniny. Nanana finoana Izy. Fantany ny toerana nisy Azy. Tsy nila nifandahatra Izy, fa hoy Izy, hoe: “Avia, afaka manatona ianareo.”

Nilaza ny devoly hoe: “Mihainoa kely ianao ; afaka manao fahagagana ianao. Fantatrao fa lehibe ny finoanao. Mahavita fahagagana ianao. Hanamboarako trano lehibe ianao, indroa habe ny an’ny an’i Oral Roberts, satria ny olona rehetra… Ny zavatra tokana angatahiko ataonao fotsiny hasehonao azy ireo, dia mihaniha io trano lehibe io ianao, ary mianjerà avy eny amboniny, satria voasoratra hoe (Hitanareo ?) Ny Anjely hitondra anao, mba tsy ho tafintohin’ny vato ny tongotrao.” Hitanareo? 

Fantany fa nanana hery Izy. Fantany fa mahavita izany Izy. Fantany fa tao Aminy izany, saingy tsy te-hampiasa izany Izy raha mbola tsy niteny tAminy Andriamanitra hanao izany. Hitanareo. Satriny ny nitoeran’Andriamanitra tao Aminy, mba hitoeran’ny Teny ao amin’ny rehetra. Ary fantany fa izay rehetra tononiny dia Tenin’Andriamanitra. Fantany fa ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny Teny tsy maintsy handresy indray andro any.

Tsy mba nifanditra na nisafoaka Izy. Notononiny fotsiny ireo Tenin’Andriamanitra. Ny teny rehetra nivoaka ny Vavany dia Tenin’Andriamanitra voahosotra avokoa. 

Tsy hahafinaritra ve raha isika no afaka hiteny hoe: “Ny teniko sy ny Tenin’ Andriamanitra dia iray ihany. Izay hambarako dia hefainy, satria tsy hanao na inona inona aho raha tsy efa ho nasehony ahy mialoha.”? Oh, Izany no ohatra ho anareo. Izany no fiainana mendrika ny Filazantsara.

Tsy izany ireo mpisorona, izay voateza sy voavolavola aok’izany, sady mitafy ireo haja ambony isan-karazany, izay mijoro manao vavaka lavareny, kanefa mitelina ny fananan’ny manano-tena, mandrombaka ny toerana ambony ao am-piangonana, sy ireo karazan-javatra mitovy amin’izany… Tsy fiainana mendrika ny Filazantsara izany. 

Fa Izy dia mendrika ny Filazantsara, mendrika loatra, ka nahatonga an’Andriamanitra hilaza momba Azy hoe: “Ity no Zanako, malalako, Izay sitrako. Izy no henoy. Ny Teniko dia Izy, ary Izy no Teniko. Izaho sy Izy dia iray ihany.”

Izao dia diniho ity. Fantany fa ny Teniny dia hambabo izao-tontolo-izao amin’ny farany. Fantany avy taiza ny Teniny. Fantany fa tsy mety diso Izany, ary hoy Izy, noho izany, hoe: “Ny lanitra sy ny tany ho levona fa ny Teniko tsy ho diso mandrakizay.” Hitanareo? Afaka niteny izany Izy. Izy no Lehilahy iray izay Izy sy ny Tenin’Andriamanitra dia lasa iray ihany. Hoy izy ireo tAminy: “Tokony hanao izao sy izao Ianao.”

Hoy Izy: “Iza no afaka hiampanga ota Ahy? Iza no hanameloka Ahy? (ny fahotana dia ny tsifinoana). Ary raha ny rantsantànan’Andriamanitra no amoahako ny demonia, avy amin’iza kosa no amoahan’ny zanakareo ireny ?” Hitanareo? Fa raha tsy izay izany, dia tsy maintsy zavatra hafa. Hitanareo?

Hoy izy ireo hoe: “Efa nandroaka demonia izahay.”

Hoy Izy: “Raha ny fandroahako ny demonia dia avy amin’ny rantsantànan’ Andriamanitra ny Tenin’Andriamanitra voamarina avy amin’iza kosa àry no fandroahan’ ny zanakareo ireny? Anjaranareo no mitsara.”

Ireo olona tamin’ny Androny dia naneso Azy, niady hevitra nikasika Azy. Kanefa Izy, na nampietren’izy ireo tamin’ny fomba rehetra azony natao aza, niampangainy ratsy isan-karazany, Izy dia nanohy ireo Asany.

Izao, tiako ny hamarana amin’ny ilazako ity manaraka ity.

Ny olona ankehitriny tsy inona fa andian’olona marary saina. Andian’olona marary saina izy ireo. Matahotra handray ireo Teny fikasan’Andriamanitra izy ireo. Ireo mpitantana fiangonana, anaram-piangonana, vondrona lamim-piangonana, dia tsy sahy mandray ho fanamby ny Tenin’Andriamanitra izay natokana ho an’izao andro izao. Tsapan’izy ireo izany. Tsapany fa ireo fombany moderina, sy ny Filazantsara ara-tsosialy torìny dia tsy mifanandrify amin’ny fanambin’izao ora izao, tahaka an’i Samsona izay tsy nahavita izany koa teo amin’ny toerana nisy azy. Nandiso fanantenana an’Andriamanitra izany.

Ary indro, eto ny programa mampanantena izany (ho avy amin’izany aho afaka iray minitra. Mbola te-hijanona amin’ity lohahevitra ity aho, vetivety).

Mitonon-tena ho kristiana izy ireo, kanefa mandray fanekempinoana, fanekempinoana izay namboarin’olombelona, ka napetrany amin’ny toeran’ny Tenin’Andriamanitra. Araka izany, afaka manaiky fanekempinoana izy ireo, satria olombelona no nanamboatra izany, fa kosa matahotra hampihorina ny finoany amin’ilay Andriamanitra izay lazainy fa tiany. Marina izany. Dia hilaza ve ianareo fa mendrika ny Filazantsara izany karazam-piainana izany? Fa na mpikambana amina fiangonana aza izy ireo dia tsy mendrika ny Filazantsara izany. Tsia, tena tsia.

Ny Filazantsara! Hoy Jesosy: “Mandehana amin’izao-tontolo-izao ianareo, ka torio ny Filazantsara amin’ny olombelona rehetra. Izao famantarana izao no hanaraka izay mino.” 

Ary raha ianao mandà ny hanaraka ireo mpino, ahoana no ahafahanao hanana fiainana? Tsy midika inona, ny mety tsy àry nitenanao ratsy, ny ho nitandremanao ny didy folo, tsy misy idiran’izany na kely aza. Tsy mbola izany ny mendrika ny Filazantsara. Hitanareo ? Tsy mety ho izany. 

Nitandrina izany fatratra ireo mpisorona taloha, kanefa mbola tsy mendrika. Hoy Izy tamin’izy ireo: “Ianareo avy amin’ny devoly rainareo.” Kanefa iza no afaka niampanga fahotana ny iray tamin’ireny lehilahy ireny? Hadisoana tokana monja dia naha voatora-bato, tsy nisy indra-fo. Lehilahy masina ! Kanefa hoy Jesosy taminy: “Ianareo dia avy amin’ny devoly rainareo.” rehefa tonga taminy ny Filazantsara.

Na mitonon-tena ho kristiana aza ny olona, dia tiany ny mifikitra amina fanekempinoana, ireo fanekempinoany. Oh! Ny fanekempinoana no mamorona sy mandrafitra ny fisainan’ny vahoaka moderina ankehitriny. Ary ny olona iray izay te-hanana ny lazany ankehitriny dia tsy maintsy mirona amin’ny fomba fisainan’izao fotoana izao. Mamelà ahy hiteny izany mazava tsara. Hitanareo? Ny lehilahy iray, rehefa mandroso halaza, dia tsy maintsy mandeha araka ny rafi-pisainana moderina an’izao andro izao. Ary ny olona manodidina dia hiteny hoe: “ Oh! Tsy mahatehotia ve izy? Tsy mahafinaritra ve izy ? Afaka mijoro fotsiny eo izy, ary tsy mitazona anay mihoatra ny dimy ambin’ny folo minitra. Ary ny pastoranay tsy mba mibedy anay mikasika ireny zavatra ireny.” 

Henatra ho an’izany pastora izany. Na iza na iza afaka miakatra amin’ny polipitra, sady mahita ny fahotana misy ankehitriny, kanefa tsy miantsoantso mafy, dia misy zavatra tsy mety ao aminy. Tsy mendrika io Filazantsara izay lazainy fa toriny io izy. Marina izany. Araka izany, ny fanaovany izany, dia tsy inona fa fialantsininy fotsiny, itenenany hoe: “Jereo moa ny fiangonako ê!”

Tsy ela izay, nisy lehilahy iray, tonga tao amin’ny fiangonana iray lehibe teto. Teo am-panoratana ny voka-pikarohany izy [thèse]. Hoy izy: “Manoratra mikasika ny fanasitranan’ Andriamanitra aho izao”. Nitohizany hoe: “Ry rahalahy Branham, tianay ao amin’ny anaram-piangonanay ianao.” (Iray amin’ireo anaram-piangonana lehibe indrindra ato amin’ny firenena sy maneran-tany.) Niteny izy hoe: “Tianay ao amin’io anaram-piangonana io ianao”. Teto izy tamin’izay, teto Jeffersonville. Ka hoy izy “Tonga aho hanadihady momba io fanasitranan’Andriamanitra io. Zavatra tokana ihany no tena anakianan’ny fiangonako anao, dia ianao mifandray amina Pentekotista maro loatra.”

Namaly azy aho hoe: “Tsara, hainao, marina izany. Marina izany. Hitanao, efa nitady hatrany aho hanalavitra azy ireo. Holazaiko anao izay hataontsika: hankany an-tanànareo aho, ka ny fiangonanao no hiantoka ahy”.

-“Oh!, hoy izy , tsy hanaiky izany izy ireo.”

-“Izay indrindra no efa noheveriko. Izay indrindra no efa noheveriko.“

Hoy izy hoe: “Hitanao, ny anaram-piangonako tsy hanaiky izany.” Izany dia fialantsiny, mitovy amin’ny hoe: “Vao avy nampaka-bady aho”, na “Vao nividy ziogan’ omby aho”. Tsy ahoako ny hamaron’ny diploma maha mpampianatra anananao, na ny haben’ny lazanao, avy amin’ny anaram-piangonanao. Ny karazam-panompoana toy izany dia tsy mendrika ny Filazantsara izay voasoratra ato amin’ity Boky ity. Marina izany.

Ireo mpikambana amina fiangonana izay miditra amin-javatra toy izany, kanefa mitonon-tena ho kristiana! Dia mivoaka sy miaina… Ary ny vehivavy mibory volo sy mitafy fitafiana izay raran’ny Baiboly tsy anaovany ; ny lehilahy manana fitondrantena fanaony ankehitriny, maneho toe-panahy araka an’Andriamanitra, kanefa misotro, mifoka, mampaka-bady imbetsaka, kanefa lasa diakona any am-piangonana, na mpitandrina mihitsy aza. Ary ny vahoaka rehetra dia manaiky izany toe-javatra izany. Izany karazam-piainana izany dia tsy mendrika ny Filazantsara.

Ny vehivavy iray fotsy varavarana, sy be resaka amin’ny telefaona, ary mandranitra ady ao am-piangonana, sy zavatra hafa mitovy amin’izany, dia tsy manana fiainana mendrika ny Filazantsara izay andeha asehontsika. Na iza na iza, mamafy fampisarahana ao anaty fiangonana iray ka mahatonga adilahy eo anivon’ny mpikambana, dia tsy mendrika ny Filazantsara izay torintsika. Tena marina izany. “Manana ny endriky ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, nefa mandà ny heriny”, ny herin’Andriamanitra izay miaro anao amin’ ireny zavatra ireny.

Diniho tsara ity: Tsy hanao izany izy ireo. Tsy ho tia hanao izany izy ireo. Manana fialantsiny izy ireo, satria tsy mino izany ny fiangonany. 

Fa Jesosy, izao hariva izao, dia te-hiteny amin’ny lehilahy iray, hiteny ao am-pony, hilazany hoe: “Mila anao Aho, handeha hitory ny Filazantsara feno.”

“Ny fiangonako anie Tompo, tsy mino izany. Mamelà ahy raha Sitrakao, manana andraikitra lehibe aho. Hainao, Tompo, fa mpitandrina aho, ao amin’ny fiangonana iray anisan’ny lehibe indrindra eto an-tanàna. Oh, mankalaza ny Anaranao izahay ao. Marina izany. Izany tokoa no ataonay. Koa tsy afaka hamaly ny fanasanao aho.” Fialantsiny hatrany. Dia toy izany foana. Noho izany no tsy anatonan’izy ireo ny fanasana lehibe ara-panahy an’ny Teniny izay nampanantenainy, ary nohamarininy.

Tsy nanambara ve Jesosy fa “any amin’ny misy ny vatana maty no iangonan’ny voromahery” ? Voromahery, fa tsy volotora. Voromahery! Ny voltora, any amin’ny fatim-biby efa mamofona no itangoronany. Fa ny voromahery, any amin’ny misy nofo vao sady madio, any no itangoronany. Hitanareo ? Marina tokoa izany. Na aiza na aiza misy ny Teny, Sakafon’ny voromahery, dia any no iangonany.

Noho izany izy ireo dia tsy tonga tamin’ny fanasana lehibe ara-panahy izay nanasana azy. Mino ve ianareo fa, nandritra izay dimy ambin’ny folo taona farany izay, Andriamanitra dia nanasa an’i Amerika ho amin’ny fifohazam-panahy iray lehibe, lanonana ara-panahy lehibe iray? Fa nanatona ve izy ireo? Tsia! Tsia, Andriamatoa. Koa, noho ny fandavany tsy ho avy, mendrika ny Filazantsara ve ny fiainana toy izany ? na mitonon-tena ho kristiana aza izy ireo? 

Tsy ela izay, nisy lehilahy iray nanatona ahy. Nipetraka nifanatrika tamiko izy, ary nanao tamiko hoe: “Ry rahalahy Branham, te-hilaza zavatra aho. (olona manana ny maha izy azy izy). Te-handray ny tànanao aho. Tiako loatra ianao (tany amin’ny fiangonana iray aho, izay nandrenesako azy nitory). Tiako ianao, ary mino aho fa mpanompon’Andriamanitra ianao.”

Namaly azy aho hoe: “Misaotra anao, Docteur, izaho koa tia anao.” 

Hoy izy: “Te hanambara aminao aho akory ny fitiavako anao, toy ny rahalahy. Hitanao ve ny mpanjakavaviko kely izay mipetraka eto, ny vadiko? Tadidinao ve izy?”

Hoy aho: “Eny tokoa.”

Hoy izy: “Ny mpitsabo dia tsy nanome azy afa-tsy roa herinandro sisa hivelomany noho ny homamiadana. Fa tonga tao an-tanànay ianao, ary nivavaka ho azy. Nahazo fahitana ianao, ka nitodika tamiko nilaza hoe: “Izao no lazain’ny Tompo, ho sitrana izy!” Nisy fery be tao an-damosiny, loaka be toy izao, zavatra mitovy amin’ny nono no nitsoaka avy tao, teo amin’ny hazon-damosiny. Ankehitriny, tsy ahitana soritr’izany intsony na kely aza izy.” Mbola niteny tamiko ihany izy hoe: “Indro ny mpanjakavaviko, velona ankehitriny. Inona no azoko natao afa-tsy ny mitia anao, noho iny vavaky ny finoana nataonao iny? Ahoana no tsy inoako fa mpanompon’ny Tompo ianao, raha nasehonao sy nambaranao tamiko izay tena hitranga? Fa ankehitriny, ry rahalahy Branham, nahita zavatra ho anao aho. Izaho dia mpikamban’ny vondrona pentekotista lehibe indrindra ankehitriny.”

Hoy aho hoe: “Eny Andriamatoa, fantatro izany”.

Nanohy izy hoe: “Farany teo, tafaresaka tamin’ireo rahalahy aho, ary niteny ahy izy ireo hifandray aminao, mba hilaza aminao fa mahamenatra ny andanianao io minisitera nomen’Andriamanitra io amin’ireo fangaron’olona tsy mahay na inona na inona ireo.”

Hoy aho hoe: “Marina ve izany?“

Namaly izy hoe: “Eny! Andriamanitra raha nandefa io minisitera io, dia ho an’ireo mpitarika, ireo lehibe, ireo be fahalalana.”

Ny devoly mihitsy no henoko teo. Nisaina aho hoe: “Yah ; Mihaniha io tendrombohitra io, ary asehoy, mianjerà avy eny ambony eny.” Hitanareo? Hitanareo?

Niteny anakampo aho hoe: “Avelao izy handeha lavidavitra kokoa.” Ny reniko dia zatra niteny hoe: “Omeo tady lavalava kokoa ny ombivavy fa izy ihany hanakenda tena amin’ny farany.”

Hoy aho hoe: “Izany tokoa ve?” 

Hoy izy: “Eny. Ahazoan-kenatra io ataonao io. Ahoana ny aminao ankehitriny?zara ianao raha afaka mividy ny sakafo hohaninao. Fa, jereo Oral Roberts sy ireo hafa, tafakatra, tafavoaka tamin’ny iray isan-jaton’ny minisitera azonao. Jereo aiza izy ireo ankehitriny.”

Hoy aho: “ Eny, marina izany.” Hitanareo?

Mbola niteny izy hoe: “Ny vondrona misy ahy dia handray an-tànana anao. Raisinay toy ny iray eo aminay ianao. Hanolo-tànam-pihavanana anao avokoa izahay rehetra. Hanofa fiaramanidina ho anao izahay, ary omenay dimanjato dolara isan-kerinandro ianao, na mihoatra, raha irinao. Ary halefanay amin’ireo tanàn-dehibe rehetra ato amin’ny firenena ianao. (Tany Phoenix, Arizona no nitrangan’izany, resaka nifanatrika.) Mbola niteny izy hoe: “Ary haloanay ho… Hasainay ny olona rehetra avy any ivelany, ireo olo-manankaja, ireo manana ny maha-izy azy, ireo olona ambony toerana… Ianao, mandrakariva dia mitodika amin’ireny tsy-manan-katao ireny, fa izahay kosa mikendry ireo olona ambony toerana. Avelao hahita ny Tànan’ny Tompo izy ireo. Ny vadiko sy ireo hafa izay hasehoko azy ireo dia afaka hanaporofo fa izay ambaranao dia tanteraka”.

Hoy aho taminy: “Eny, Andriamatoa, tena hisongadina be tokoa izany.”

Kanefa, jereo, io olona io izay tena avara-pianarana tokoa, mpanoratra boky, manana Doctorat amin’ny haisoratra, mpanoratra ikoizana, manana ny maha-izy azy, (hitanareo?) dia tsy mahalala ny Soratra Masina.

Fantatrareo ve fa ilay Anjely mpanatontosa ireny asa ireny dia tsy mba nidina tany Sodoma? Nijanona tamin’ireo olona voantso hivoaka Izy, rỳ Abrahama izany. 

Fa io lehilahy io tsy nahafantatra izany. Nandao azy vetivety aho, nandinika. Tiako ho fantarina aiza no misy ny fandrika. Dia niteny aho hoe: “Tsara, inona àry no tokony ataoko?”

Namaly izy hoe: “Tsara, ry rahalahy Branham. Zavatra tokana ihany no nolazain’izy ireo. Rehefa nifandinika izahay dia misy zavatra madinidinika tsy dia misy dikany loatra izay ampianarinao no tokony havelanao”.

“Toy ny inona ry rahalahy?”

-“Oh, ny batisa fanaonao. Hainao, ianao manao batisa toy ireo “unitariens”. Zavatra kely fotsiny toy izany.”

-“Oh, dia inona koa?”

-“Ny famantarana voalohany, ny vehivavy mpitori-teny, sy zavatra madinidinika toy izany.”

Hoy aho hoe: “Oh-hoh ! Hainao? mahagaga ahy raha ny mpanompon’ Andriamanitra iray no hangataka amin’ny mpanompon’Andriamanitra iray hafa rehefa nandoka ahy toy ny nataonao teo ianao, sy nilaza fa mpaminany aho, ary hainao fa ny Tenin’ny Tompo, na ny fanambarana ny Teny dia tonga amin’ny mpaminany, dia mivadika indray ianao, ry Docteur Pope (tsy misalasala ny amin’ny haranitan-tsainao aho) ianao, hangataka amiko, mpanompon’Andriamanitra iray hafa, hanao marimaritra iraisana momba an’izay heveriny fa ambony lavitra noho ny aina aza.” Dia, hoy aho hoe: “Tsia, ry rahalahy Pope. Na inona na inona no ho antony, tsy mba hanao izany aho. Tsia Andriamatoa.” 

Inona àry izany? Misy ny voan’ny Fiainana mandrakizay. Na ianao velona, na ianao maty. Tsy miankina amin’ny maha olona ambony na tsy-olona-ambony anao izany.

Indray andro… (tsy hitsikera azy roalahy no ilazako izany), nandalo aho tao Tulsa, any Oklahoma, dia nahita takelaka lehibe iray izay nampahafantatra ny fananganana ireo trano vaovao vaventibe hatao seminera an’i Oral Roberts, hampianarana mpanompon’ Andriamanitra. Ho lafo be izany. Fantatro i Demas Shakarian, sy Rahalahy Carl Williams, ary ireo hafa izay komity mpitantana io asa io ; asa mitentina dimampolo tapitrisa dolara, miampy trano lehibe iray mitentina telo tapitrisa dolara. Lehilahy Pentekotista iray ; anjara lehibe nomen’Andriamanitra azy izany.

Nisaina aho hoe: “ Izaho, hanana seminera iray? Voalohany, manohitra izany aho.”

Ary ny takelaka dia nanondro hoe: “ Eto ny toerana hisy ny seminera lehibe an’i Oral Roberts.”

Raha nidina ny arabe aho, dia nahita zavatra lehibe sady moderina teo amorony. Fa tamin’ny fivoriana izay nataoko tao Kansas City kosa, dia tao anaty trano lay bitika sy ratsiratsy no nanatrehan’i Oral Roberts izany.

Ny petadrindrina teo dia nilaza hoe: “Toerana hisy ny trano fonenan’i Tommy Osborn”. Oh, rahalahy, mitentina telo na efatra tapitrisa dolara ny toerana toy izany.

Ary teo i Tommy Osborn, anisan’ireo lehilahy kristiana mendrika indrindra, lehilahy iray tena nirahin’Andriamanitra. Tovolahy somary mirehidrehitra izy. Teo ny zanany lahikely sy vavikely, tao anaty fiarakodia… Hoy izy tamiko: “Ry Rahalahy Branham, teo aho tamin’ilay adala nanatona anao iny. Hitako ny nanondroanao azy, sady nilazanao hoe: ‘Amin’ny Anaran’i Jesosy Kristy Tompo, mivoaha aminy ianao’ Hitako izy lavo teo an-tongotrao, izy izay avy nanambara hoe: ‘Ho darohako eo imason’ireto mpivory miisa dimanjato sy enina arivo ireto ianao’ Hitako ianao nijoro teo, tsy nanandram-peo akory, ary nilaza hoe: ‘Amin’ny Anaran’ny Tompo, satria ianao sahy nihaika ny Fanahin’Andriamanitra, izao hariva izao ihany, hiankohoka eto an-tongotro ianao’. Fa izy kosa namaly hoe: ‘Hasehoko anao an-tongotr’iza no hiankohofako’”.

Ary izaho niteny hoe: “Mivoaha aminy, ry Satana!“, dia lavo niankohoka izy, teo amin’ny tany, teo an-tongotro.

Hoy izy (Osborn) hoe: “Andriamanitra dia Andriamanitra, Rahalahy Branham. Izay ihany. Nanidy tena tao an-trano nandritra ny roa na telo andro aho.” (Tsy mahakivy azy ny fitsikerana. Izy no hiresaka izany. Tsy mahamenatra azy izany.) Hoy izy tamiko: “Mino ve ianao fa nahazo fanomezam-pahasoavana hanasitrana aho ?”

Fa hoy aho hoe: “Hadinoy izany, ry Tommy. Nirahina hitory ny Filazantsara ianao, mandehana, mitoria. Miaraha amin-dRahalahy Bosworth.”

Nandinika aho, dia nahatsapa: Izaho nanomboka talohan’izy roalahy ireo.

Nisaina aho hoe: “Indro izao Oral Roberts manana milina diman-jato mandeha ho azy, tsy mila olona hikitika. Efatra tapitrisa dolara no laniny tamin’ny fandefasan-taratasy tamin’ny taon-dasa.” Ny ampahefatry ny vola voangon’ny kristianisma maneran-tany, tonga am-pelatanan’ny olona tokana. Mba toerana koa rê izany!” Koa nandeha nijery izany aho.

Fa izao, Rahalahiko i Oral. Oh! la! la! Tiako izy. Sakaiza tsara izy, lehilahy mendrika, ary tiako tokoa. Misaina tsara momba ahy izy, ary izaho koa toy izany aminy. Saingy, tsy mitovy hevitra izahay, mikasika ny Soratra Masina. 

Ary Tommy Osborn, tsy misy ny toa azy. Mihevitra tsara momba azy aho. Anisan’ireo lehilahy mendrika indrindra tamin’ireo nihaonako izy. Tommy Osborn.

Nisaina aho hoe: “Raha nankany amin’ny toeram-piasan’ireo lehilahy ireo aho, ary nahita izay ananany, dia ho menatra azy ireo aho, raha ho tonga amiko izy ireo, ka hahita ny ahy: milina tsotra kely fanoratana iray. Ary ny fahasahirananay rehefa mandefa taratasy…” Ary ny tena zavatra dia nipetraka tao anaty “caravane” aho tamin’izany fotoana izany. Niteny anakam-po aho hoe: “Hanao ahoana re izany ?”

Nivoaka ny trano aho. Nisaina aho hoe: “Ny ho trano fonenan’i Oral Roberts, ny ho trano fonenan’i Tommy Osborn. Izy roalahy tsy mifampiresaka.”

Araka izany, raha nidina ny arabe aho dia nisaina hoe: “Ahoana ny amiko?”.

Nandre feo aho nilaza tamiko hoe: “Ambony jerena.”

Nisaina aho hoe: “Eny, ry Tompo, aoka aho hametraka ny tahiriko any an-Danitra, satria any no misy ny foko.” Raha miteny izany aho, tsy hitady fitserana. Teneniko izany satria izany no nitranga, ary hain’Andriamanitra fa marina izany. Hitanareo? 

Aiza no misy ny tahirinao? Te-ho olo-malaza ve ianao? Raha izany dia tsinontsinona ianao. Tsy maintsy manetry tena ianao, mandra-pahatonga anao tsy haniry hisongadina intsony, fa kosa haniry ho mpanompokely manetry tena an’i Kristy. Izany no làlana. Tsy misy afa-tsy izany.

Ny rahalahy Boze, sy ireo namany, dia manangana tranom-piangonana ao Chicago. Voatery namerina ny tranom-piangonan’ny antokom-pivavahana Filadelfia izy ireo. Ankehitriny, mikasa izy ireo hanafatra lehilahy iray, mpitafy kapaoty, sy be diplaoma. Dia hoy aho taminy: “Diso làlana ianareo. Raha mila tena mpitandrina ianareo ho an’izany fiangonana izany, mitadiava iray amin’ireny lehilahy tsotra kely ireny, zara raha mahay mamaky ny anarany, kanefa ny fony mirehitra afo ho an’ Andriamanitra. Lehilahy toy izany no raisonareo. Lehilahy toy izany no ilainareo. Tsy mpanao didy jadona, tsy hampiditra anareo amina trosa isan-karazany, tsy hanao afa-tsy ny hamahana anareo amin’ny Tenin’ Andriamanitra. Toy izany no olona ilainareo.”

Araka izany, tsy mety hanatona ny fanasana lehibe ara-panahy izy ireo. Andeha hamarana aho izao. Efa tafahoatra ny fotoana aho. Afaka enina minitra eo ho eo, dia hifarana isika, raha sitrapon’ny Tompo. 

Nisy iray nilaza tamiko hoe: “Ry Rahalahy Branham, tokony hotsoahanao izay nambaranao. Tsy marary saina ireny olona ireny. Tsy marary saina izy, fa fotsiny olona nianatra.” Raha izany dia avara-pianarana marary saina izy. Izany no izy. Yah. “Tsy marary saina izy ireo fa nianatra”

Raha izany, te hametra-panontaniana iray aminareo aho. Hitanareo? Azonareo izany. Te-hanontany anareo aho: Azavao amiko ny fihetsiky ny olona ankehitriny, raha tsy olona marary saina izy ireo. Lazao amiko inona no manosika azy ireo hihetsika toy ny ataony, raha tsy marary saina izy ireo. Hitanareo? Samy liana hisintona ny olona ho amin’ny anaram-piangonany avy izy rehetra. Tsy nanao toy izany Jesosy. Izy, tsy mba nihazakazaka na tamin’inona na tamin’inona. Hitanareo? Tsy mba maimay Izy. Izy no ohatra ho antsika.

Ny vono-olona eto amin’ity firenena ity!… Tsy mbola nahitàna vono-olona toy izao, tato amin’ity firenena ity. Inona no tsy mety? Misy tanora, mpiangona ana fiangonana, mamono olona. Misy lehilahy mitifitra ny vady aman-janany, sy mandoro ny zanany. Jereo izao firongatry ny famonoan’olona izao. Ka tsy olona marary saina ve izy ireo? Koa inona àry ny tsy mety? Inona ireny ataon’izy ireo ireny? 

Ny hadalàm-pahefan’ireo firenena. Ny tsirairay dia te hamabo ny hafa, ary hanjakazaka ao, ka hanangana ny fanevany eo aminy. Hadalàm-pahefana!

Ny haratsiam-pitondrantena… tsy mbola nisy ratsy toy izao ny fitondrantena manerana izao-tontolo-izao. Ireo vehivavy mitanjaka eny an-dàlambe, miboridana sady milaza ny tenany ho salama saina ? Tsy azony atao izany. Tsy mahazo manao izany fotsiny ireo.

Henoy izao. Ao anaty Baiboly, olona iray ihany no nanala ny akanjony, dia i Legiona izany. Tsy tompon’ny tenany izy. Rehefa nahita azy Jesosy ka namerina azy tamin’ny sainy, dia nitafy indray ireo akanjony izy. Marina izany.

Inona no mahatonga anao hanala ireo akanjonao? ny devoly. Marina izany. Dia milaza izy ireo fa tsy marary saina? Midìna an-dalambe moa ianao, ary mamilìa ny fiarakodianao manamorona antokon-trano efatra, raha tsy hahita vehivavy mitanjaka iray. Dia miverena mitatitra amiko. Azo antoka fa hahita ianao.

Dia milaza ianareo fa tsy marary saina izy ireo? Inona àry no tsy mety amin’izy ireo? Tsy salama saina ireo. Ny vehivavy madio saina tsy hanao toy ireny. Fantany fa ho hita ny vatany, tsy hisy hiafina amin’ireo demoniam-pitsiriritana, izay monina ao amin’ireo lehilahy vetaveta, maloto fisainana, mpimamo, mpamono olona, sy ny sisa…

Mitombo be dia be ny fisotroan-toaka maneran’izao-tontolo-izao ankehitriny. Ato Etazonia dia andaniana vola kokoa ny toaka noho ny sakafo. Tsy tsaroako manatombo impiry ny vidina toaka isan-taona mihoatra amin’ny taloha. Ary mahatonga inona ny fisotroan-toaka? Mandefa anao any amin’ny tranon’adala. 

Ny homamiadana. Manerana izao-tontolo-izao, ny mpitsabo dia manoratra an-gazety, milaza aminao fa maro loatra ireo tratry ny homamiadana, azo avy amin’ny sigara. Nanaovana fanandramana tamin’ny voalavo izany, ka nanaporofo fa ny setroka dia mahatonga homamiadan’ny havokavoka. Ny fitopolo isan-jaton’ireo homamiadan’ny havokavoka dia vokatry ny fifohana sigara. Ary ireo lehilahy sy vehivavy mpifoka dia mamoaka ny setroka ho eny amin’ny tavanao. Raha tsy izany no marary saina, inona àry no atao hoe marary saina? 

Raha torìna ny Filazantsaran’i Jesosy Kristy sady voaporofo, ary amin’ny endriky ny Andry Afo, ny Andriamanitry ny lanitra no misidina eny ambonin’ny olona, maneho fa efa antomotra ny Fiavian’i Jesosy Kristy, sy manome ny famantarana farany, kanefa ireo olona izay mitonon-tena ho mpikambana anaty fiangonana dia mihomehy sy maneso, ahoana no ahafahany milaza fa tsy marary saina izy? Hazavao izany. (Efa ho tapitra ny fotoanako) Fa manontany fotsiny aho raha tsy marary saina izy ireo. Tsy isalasalana. Be fahalalana-marary saina izy ireo. Izany no tena marina. Fa ny hanazava ny tena misy amin’izy ireo, tsy hahavita izany ianao. 

Mibory volo izy ireo, mitafy ny fitafin’izao-tontolo-izao, dia mandeha maneho izany eny amin’ny arabe. Kanefa ny Baibolin’Andriamanitra dia mampitandrina amin’ izany, ary mandrara mihitsy aza ny vehivavy bory volo tsy hivavaka. Fa raha manao izany izy, dia maneho amin’ny vadiny fa vehivavy ratsy fitondrantena, ka manana zo feno izy hisaotra azy ka handroaka azy. Izany no tena marina. Ny Tenin’Andriamanitra no milaza izany, kanefa ny vehivavy mandre izany, dia mbola manohy mibory volo sady mitonon-tena ho kristiana. Raha tsy milaza izany fa marary saina izy, dia inona àry no atao hoe marary saina? Raha izany, tiako raha hisy hilaza amiko ny atao hoe marary saina.

Eny, marary saina izy ireo. Ambony fahaizana, nianatra, manana diplaoma! Mandany fotoana kokoa isika mampianatra ny zanatsika alijebra sy biolojia, toy izay ny Baiboly sy Jesosy Kristy. Tsy misy ankizy eto amin’ity firenena ity ka tsy mahalala iza i Davy Crockett. Fa tsy misy am-pahatelony no mahafantatra Iza i Jesosy Kristy. Dia tsy marary saina ve izany? Tsy isalasalana. Ho azontsika tanisaina tsy misy farany ny fomban’izy ireo!

Aza adino fotsiny fa ireo fiangonana dia manaiky izany, na dia melohin’ny Baiboly aza izany. Marary saina ve ireo mpanompon’Andriamanitra? Be fahalalana-marary saina ireo. Izany tokoa. Ary ireo fiangonana dia mankasitraka izany.

Tsarovy i Lota. Lehilahy narani-tsaina izy. Ho jerentsika vetivety izy. 

Mamelà ahy ihoatra roa minitra, fa zava-dehibe loatra izany. Hihaino ahy manao fandraisam-peo no nahatongavanareo. 

Jereo, diniho. Hijanona vetivety isika. Mivavaha am-ponareo hoe: “Tompo ô, aoka aho hahita izany”, mba ho sokafany ny sainareo. Andriamanitra anie hanao izany. Andao raisintsika fotsiny ny momba ity firenena ity. Andao jerentsika izay voalazan’Andriamanitra.

Ny Baiboly dia milaza fa nampahory isan’andro ny fanahy marina an’i Lota ny fahotan’i Sodoma. Saingy tsy nanana fahasahiana ampy izy nanoherany izany. Tsy izany? Tsy afaka nanao izany izy, satria izy no ben’ny tanàna tao. Tsy afaka nanao izany izy, kanefa ny Baiboly milaza fa nampahory ny fanahiny ireo fahotan’i Sodoma. Fantany fa nanao ratsy ny olona tao, kanefa tsy sahy nanohitra izy.

Izao dia jereo ity. Firy ireo Lota omaly tato Amerika, izay namaky ny Baiboliny nanomana ny hafany ho an’ny anio, ary tojo ny andalana momba ny batisa asitrika an-drano, amin’ny Anaran’i Jesosy Kristy? Firy amin’izy ireo no nahita ny andalana momba ny batisan’ny Fanahy Masina? na momba an’i Jesosy Kristy izay tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay? na ny Marka 16: “Izao no famantarana hanaraka izay mino…”, na ny Jaona 14:12: “Izay mino Ahy ny asa ataoko no ataony…” raha mitoetra Amiko ianareo ary ny Teniko mitoetra anatinareo, angataho izay angatahinareo, fa ho ataoko izany” ? Firy ireo Lota nahita izany? kanefa noho ny fialantsininy, noho ny anaram-piangonany, dia jereny fotsiny izany ao amin’ny Baiboly!

Jeren’izy ireo fotsiny ny fiangonany feno vehivavy mibory volo, kanefa fantany fa melohin’ny Baiboly izany. Jereny fotsiny, eny an’arabe ireo mpikambana ao amin’ny fiangonany, manao “shorts”, kanefa fantany fa manohitra izany ny Teny. Tsy sahy hanohitra izany izy. Kanefa, na milaza ny tenany ho kristiana aza ny lehilahy, ary ny fanahiny ao anatiny miantsoantso manohitra izany, tsy manam-pahasahiana izy ireo. Raha izany ka tsy Sodoma moderina, inona àry izany?

Andriamanitra ô, omeo olona izay hiantsoantso hanohitra ireny zavatra ireny izahay. Marina izany. Olona tahaka an’i Jaona mpanao batisa, hilaza hoe: “Efa eo am-pototry ny hazo ny famaky”. Izany no ilainay ankehitriny.

Jereo moa: Sodoma moderina izy ireo. Aza adino. Hitanareo? Ny firenena manontolo dia nanjary Sodoma sy Gomora moderina iray. Ary Lota dia anivon’izany indray, monina sady tsy mankasitraka ny fipetrahany ao, satria mandresy lahatra azy ny Teny fa diso izy.

Jereo Chicago, Chicago lehibe, raha nihaona tao ireo mpitory Filazantsara telonjato. Nasehon’ny Tompo ahy izay nomanin’izy ireo tamin’iny hariva iny. Namelatra fandrika ho ahy izy ireo. Izaho, nandroso tao, tsy niraika. Tonga aho ary nilaza tamin-drahalahy Carlson. Hoy aho hoe: “Tsy ho ao amin’io hotely io no hanaovanareo io fivoriana io. Tsy maintsy mandeha any an-toeran-kafa ianareo, ary ho efitrano maitso izany. Nivonona hamandrika ahy ireo. Tsy izany ve no nataony, ry rahalahy Carlson?” Nanondrika ny lohany fotsiny izy. 

Tao amin’ny biraoko izy, andro vitsivitsy nialoha izany, nanasa ahy ho amin’io fihaonana tao Chicago io. Niteny izy tamiko hoe: “Ry rahalahy Branham, tsy mba hohadinoiko izany.”

Ary hoy aho taminy: “ Namelapandrika ahy izy ireo. Inona ny anton’izany, Rahalahy Carlson? Matahotra ny hilaza izany amiko ve ianao, ianao sy Tommy Hicks ?” Nanondrika loha izy roalahy. Hoy aho: “Tommy, nahoana no tsy miteny ianao?”

Namaly izy hoe: “ Tsy afaka aho.”

Hoy aho taminy: “Ataoko fa nilaza tamiko ianao fa hanampy ahy”. 

Mbola niteny aho hoe: “Halina, ny Tompo nanambara tamiko fa rehefa hankany ianareo, dia ho hitanareo fa tsy ho azonareo io trano io. Handeha any amin’ny trano iray hafa ianareo. Amin’ny ilany ato i Dr Mead no hipetraka. Ilay maintihoditra sy ny vadiny, mpihira, hipetraka amin’ny toerana toy izao sy izao, sy ny sisa, ho aiza avy izy ireo no hipetraka. Hisy mpisorona bouddhiste iray ho ao.” Dia nanohy aho hoe: “ Fa izao, fantaro: ataon’izy ireo amiko izany, noho izaho mitory ny batisan’ny rano amin’ny Anaran’i Jesosy Kristy Tompontsika. Manohitra ahy izy ireo noho izaho mitory ny taranaky ny menarana, ary noho izaho tsy manaiky ny fitenenana amin’ny fiteny tsy fantatra ho “famantarana voalohany” nandraisana ny Fanahy Masina, ary noho ny anton-javatra hafa koa.” Hoy aho farany hoe: “Tongava hijery an’Andriamanitra hiasa.”

Nankany izy ireo. Ary roa adiny katroka taorian’ny nahatongavan’izy ireo, folakandron’iny, dia nisy niantso ny rahalahy Carlson. Niteny taminy ilay lehilahy nahazoany ny trano (sady efa nandoa ampahan’ny sarany), hoe: “Voatery manafoana io fanofana io isika, satria ny tale nilaza fa efa nampanantena an’io efitrano io tamin’ny tarika mpitendry zava-maneno iray izy ny alin’io, na ny maraina.” Koa tsy azon’izy ireo ilay izy.

Araka izany dia namonjy ny efitranon’ny hotely Town and Country izahay. Ary ny maraina, rehefa tafavory tao izahay rehetra, dia nitsangana ny rahalahy Carlson, ary nanao hoe: “Misy zavatra iray holazaiko. Mety tsy mitovy hevitra amin-drahalahy Branham, ianareo rahalahy. Saingy, izy dia tsy matahotra ny milaza ny zavatra inoany. Efa nambarany ahy fa ny zavatra rehetra dia hitranga tahaka izay miseho izao, tsy misy valaka. Io izy eto. Aoka izy mihitsy no hiteny.”

Noraisiko ilay Soratra Masina milaza hoe: “Tsy nandà ny fahitana avy any an-danitra aho”, araka ny voalazan’i Paoly. Hoy aho tamin’izy ireo: “Nataonareo ny hamandrika ahy, noho ny amin’ny batisan’ny rano amin’ny Anaran’i Jesosy Kristy. Telonjato mahery ianareo, milaza ny tenanareo ho Docteur Ranona, sy Docteur Ranona avy. Izaho kosa, zara raha nahavita ny sekoly ambaratonga fototra, kanefa, mihaika na iza na iza aminareo aho, hanatona aty miaraka amin’ny Baiboliny, ary hampandainga ny iray amin’ireo Teny efa voalaza.”

Voarakitra anaty horonampeo izany, raha te-hihaino izany ianareo. Tsy mbola nahita vahoaka nangina be toy izany aho. Hoy aho: “Inona ny olana aminareo?” Misy ve olona nanatrika io fivoriana io ato, tamin’io maraina io, aoka izy hanangan-tanana. Eny. Tsara. Jereo izy avokoa, ireny rehetra ireny.

Hoy aho tamin’izay: “Raha tsy sahy hiteny eto ianareo, dia aoka hatsahatrareo ny fanenjehanareo ahy.” Marina izany. Ao an-damosiko izy ireo, mahita izay rehetra hitabatabana, fa eo anatrehako hifanazava, dia tsy mahefa. Marina izany.

Rehefa izany, dia nisy lasa nivoaka ireo lehilahy ireo.

Hoy i Tommy Hicks tamiko: “Mila telonjato amin’ireo horonam-peo ireo aho, izay halefako amin’ireo mpitoriteny manohana ny ‘Telo-izay-iray’ rehetra izay fantatro.” 

Nisy nanatona nandray tànana ahy ireo olona teo, ary nanao tamiko hoe: “Ho tonga ao amin’ny “Tabernacle” izahay mba hatao batisa indray.”

Inona anefa izy ireo tonga teo? Fialantsiny fotsiny: “Tsy afaka aho ê. Ny anaram-piangonako tsy hamela ahy hanao izany. Vao avy nampaka-bady aho. Vao nividy jiogan’omby aho. Vao nividy tany aho. Tsy maintsy jereko izany.” Hitanareo? Toy izany hatrany: fialantsiny. Tsy izany ve? Fiainana toy izany ve dia mendrika ny Filazantsara? 

Raha ny Filazantsara no marina, aoka ahilitsika avokoa izay rehetra fanaontsika, ka aoka isika hiaina ho an’Izany. Meteza ho Kristiana. Eny, Andriamatoa. Amena. Mariho izany izao, raha andeha hamarana isika.

Fa tsy inona ny fialantsinin’izy ireo fa ireo fanekem-pinoany sy ireo anaram-piangonany. 

Tahaka ny hazo iray izany. Nijery an-drahalahy Banks aho indray andro. Nanana hazo “kesika” iray aho, namboleko fony aho tonga teto voalohany, sahabo dimy ambin’ny folo taona lasa izay, na mihoatra. Navelako nitombo ireo rantsany. Nitombo ireo, ka tsy afaka nampiditra ny fanapahana bozaka tao ambanin’ilay hazo intsony izahay. Noho izany, tsy nahitana bozaka naniry teo ambaniny. Koa, nandray tsofa aho, ary notsofaiko ny rantsana iva rehetra, avo tsara mba nahafahana nampiditra ny fanapaham-bozaka. Vokatr’izany, ankehitriny, bozaka farany izay tsara indrindra amin’ny hitako hatramin’izay no maniry ao ambanin’ilay hazo. Inona no nisy? Ny voa efa tao, fa fotsiny, niandry ny hazavana izy.

Raha mbola ny anaram-piangonanao, sy ireo fialantsininao, no manakona io Voa izay hainao fa miandry ao anatinao io, dia mandray ny anjaran’i Lota ianao. Ahiliho lavitra ireny rehetra ireny, ary avelao hiditra ny Hazavan’ny Filazantsara, ny Herin’i Jesosy Kristy, hamiratra ao aminao. Eny. Ny fisakanana ny Hazavana tsy hiditra, dia misakana ny fiainana hiseho. Fa raha tafiditra ny Hazavana, dia hipoitra ny Aina. 

Izany no antony ilazan’ny olona hoe: “Aza mba mandeha amin’ireny karazam-pivoriana ireny.” Atahorany manko sao hisy ampahana Hazavana hanaitra ny iray amin’ireo mpikambany.

Tsarovy ilay vehivavy teo am-pantsakana: izy dia mpivarotena. 

Teo ireo mpisorona, raha i Jesosy niteny tamin’i Natanaela hoe: “Hitako ianao tamin’ilay ianao teo ambany aviavy.” 

Ary hoy izy ireo hoe: “Belzeboba io. Mpimasy io. Ny devoly ao aminy.”

Io vehivavy mahantra kely io nankany am-pantsakana, izy sy ny fitondrantenany ratsy satria efa niaraka tamina lehilahy enina izy. Tao amin’izany toe-piainany izany izy raha niteny taminy Jesosy hoe: “Omeo rano aho hosotroiko.” Dia niantomboka ny resaka. Hoy Izy: “Andeha antsoy ny vadinao ary avia eto.”

-Namaly izy hoe: “Tsy manam-bady aho”.

-Hoy Izy: “Marina ny lazainao. Efa nanana dimy ianao, ary tsy vadinao ilay iarahanao izao.”

-Hoy ravehivavy: “Tompoko, hitako fa mpaminany Ianao. Fantatro fa ny Mesia dia hanao zavatra toy izany rehefa tonga.”

-Namaly azy Jesosy hoe: “ Izaho no Izy.” 

Dia nazava ny resaka. Rehefa nanjelatra tamin’ilay Voa izay natory tao anatin’ilay mpivarotena ny Hazavana, dia tapitra teo ny fivarotan-tenany. Lasa izy, nitety ny arabe, nankalaza an’Andriamanitra, sady niantso hoe: “Avia ianareo hijery Lehilahy iray izay nilaza tamiko ireo nataoko. Tsy Izy ve ny Mesia?” 

Inona àry izany? Ny Hazavana no niverina tao amin’ilay voa izay takona tao ambanin’ny aloky ny mpivarotena iray. Eny, Andriamatoa.

Hamarana isika izao. Tsy haiko pejy firy no mbola tavela. Saingy tsy tiako ho raisina avokoa izy ireo. Sahabo folo pejy, ary ny antsasany ihany no voajeriko. Fa izao, dia aoka hamarana isika, amin’ny filazana an’ity manaraka ity.

Andao mbola hanome ohatra iray amin’izay atao hoe fiainana mendrika. Andao ampitaha ny fiainan’i Paoly sy ny an’ilay tovolahy mpanankarena. Hazavana iray ihany no nanaitra azy roalahy. Fanasana iray ihany no azon’izy roalahy tamin’i Jesosy Kristy. Tsy marina ve izany? Izy roalahy dia samy nahafantatra tsara ny Soratra Masina. Izy roalahy dia samy teolojiana. Aza adino fa Jesosy nanontany ilay tovolahy mpanankarena ny amin’ny “tokony itandremana ny Didin’Andriamanitra. ”

Ilay tovolahy namaly hoe: “Nataoko izany, hatramin’ny fahazazàko.”

Lehilahy tsara taiza io tovolahy io. I Paoly koa toy izany. Samy nampianarina ny Soratra Masina izy roalahy. Samy nanana ny Teny izy roalahy. Saingy, ny iray nandray izany tamin’ny fahalalana, ny iray kosa naharay ny tsirin’Aina izay tao anatin’Izany. Koa rehefa nitselatra teo anatrehan’i Paoly ny Hazavana, dia hoy izy: “Tompoko, Iza moa Ianao?” 

Namaly Izy hoe: “Izaho no Jesosy.”

“Raha izany, inty aho.” Vonona izy.

Nanaitra azy roalahy ny Hazavana. Saingy ny iray nanana ny voa, fa ny iray tsia. Dia izany ny zava-misy ankehitriny. Misy ny fiangonana ara-panahy, sy ny fiangonana ara-nofo.

Nanana ny fialantsininy ilay mpanankarena: Tsy afaka ny hanao izany izy. Nanavesatra azy loatra ny fananany namana maro tao amin’izao-tontolo-izao. Tsy te-hisaraka tamin’ireo izy.

Izany no tsy mety amin’ny ankamaroan’ny olona ankehitriny. Noho ianao singan’ny fikambanana iray, dia heverinao fa tsy afaka hanapaka ny fisakaizanao amin’izy ireo ianao: “Miara-misotro izy rehetra, sy miara-manao zavatra hafa toy izany. Izany no ataony.” Tsara izany, tohizo foana. Tsy manakiana ny fikambananareo aho. Tsy manakiana ny fiangonanareo aho. Saingy ianao no lazaiko. Hitanareo? Yah. Hitanareo? Tsy manana ady amin’ireny aho, na toy ny inona ireny, na toy ny inona. Ny tiako lazaina aminareo fotsiny, raha mitsipaka ny Tenin’Andriamanitra, dia tsy hafa ny fiangonana sy ny anaram-piangonana, fa fikambanana ihany ireo.

Mariho: Nanana ny fialantsininy ilay lehilahy mpanankarena. Izany anefa tsy nahasakana azy tsy hijoro vavolombelona. Hitantsika fa nanana orinasa lehibe izy. Nanam-pahaizana izy. Ary niroborobo fatratra ny asany, ka tsy maintsy nanangana sompitra vaovao izy nametrahany ireo fananany. Ka rehefa maty izy, azo antoka fa nisy teolojiana iray, nanana vozon’akanjo mitodika aoriana, no nitoriteny tamin’ny nandevenana azy. Mety nampisaonina ny saim-pirenena, ary mety niteny izy hoe: “Ny rahalahy malalantsika izay ben’ny tanàntsika, ankehitriny dia any an-tsandrin’ny Tsitoha, satria mpikambana tena tsara sy tena nahatoky tato amin’ny fiangonantsika izy. Nahavita izao sy izao izy.”

Fa ny Baiboly kosa milaza hoe : “…raha nijaly indrindra tao amin’ny fiainan-tsi-hita izy ka niandrandra, dia…” Hitanareo ? [Lioka 13:23 F.n.m]

Tsarovy fa mbola te-hihazona ny toerany foana izy, na efa tany amin’ny fiainan-tsihita aza. Nahita an’i Lazarosy teny an-tratran’i Abrahama izy, dia nanao hoe: “Ry Abrahama raiko, iraho i Lazarosy hidina atỳ.” Mbola nataony ‘rainy’ i Abrahama. Hitanareo ? 

Ireo fahalalany nentiny, nanatonany fiangonana iray ara-tsaina. Ka rehefa nandona azy ny Hazavana, dia nolaviny. 

Raha tsy izany no fironana moderina an’ny fiangonana ankehitriny, dia tsy haiko intsony. Tsy manaitra azy ireo, na inona na inona no hatselatr’Andriamanitra eny amin’ ny làlany, na ny Andry Afo, na zavatra hafa. Ny fahalalana be ananany, dia hahitany fanazavana an’izany, mba hijanonany ao amin’ny vondron’ny manam-pahaizana, iarovany ny toerany ao amin’ny fiarahamonina.

Kanefa i Paoly dia efa nànana toerana tao amin’ny fiarahamonina. Nanana fahalalana be izy, izay noraisiny tamin’ny fampianaran’i Gamaliela, tànankavanan’ny mpisoronabe. Izany no nahafahany nangataka, ary nahazoany, taratasy tamin’ny mpisorona, hampidirana am-ponja ireto tarik’olona mientanem-poana ireto. Saingy, rehefa nifanena tamin’ilay Hazavana izy, ka hitany fa ilay Andry Afo izay nitarika ny zanak’Israely tany an’efitra ihany no Jesosy Kristy, dia nohadinoiny avokoa ireo fahalalany. Tonga tao amin’ny Fiainana izy.

Afaka holazainareo ve fa ny fiainan’ilay mpanankarena dia fiainana mendrika ny Filazantsara izay norenesiny ? Fa na mpino aza izy, io karazam-piainany io ve azonareo lazaina… Indray alina, niaraka tamin’ireo be fahalalana izy, nialavoly, rehefa nilentika ny masoandro. Nanao fanasam-be izy. Mety nisy mpisorona iray nanao vavaka iray izay tena tsy nanana ny toerany tao. Nandritra izany, nisy mpangataka iray nitakoko teo am-baravarany. Fa izy mbola nilanonana sy nisotro toaka, sady niresaka ny haben’ny finoany an’Andriamanitra. Kanjo, ny ampitso, mbola tsy nazava akory ny andro, nialoha ny niposahan’ny masoandro, dia tany amin’ny fiainan-tsihita izy. Marina izany. Izany ireo avara-pianaranareo.

Fa i Paoly kosa, raha tojo ny Hazavana izy, andao dinihintsika ny fiainany, raha mendrika. Inona no nitranga? Raha nandona an’i Paoly ny Hazavana, dia nahiliny avokoa ny fahalalany rehetra, nisarahany io vondron’avara-pianarana io, ary tao amin’ny Fanahin’i Jesosy Kristy no nandehanany. Voninahitra anie ho an’ Andriamanitra! Na dia narani-tsaina tokoa aza izy, tsy mba nampiasa fiteny sarotra raisina.

Rehefa nankany amin’ireo Korintiana izy, dia hoy izy: “Tsy mba tonga taminareo aho tamin’ny fahendren’olombelona. Tsy mba tonga taminareo aho tamin’ny teny mahataona, sao ho nifototra tamin’izany ny finoanareo. Fa tonga taminareo aho, tamim-pahatsorana, tamin’ny fanehoana ny herin’ny fitsanganan’i Kristy tamin’ny maty, mba niorenan’ny finoanareo tamin’izany.” Izany no fiainana. Banjiho izany.

Tsy mba nampiasa ireo fahalalany izy. Tsy mba niara-nandeha tamin’ireny avara-pianarana ireny izy. Tao amin’ny Fanahin’i Kristy no nandehanany, tamim-panetrentena, tamim-pankatoavana ny Tenin’Andriamanitra, izay nifanipaka tanteraka tamin’ny fanekempinoan’ izy ireo. Saingy, nahita ny Hazavana i Paoly, ary namindra tao Aminy. (Tsy izany?). Ny Fiainan’i Kristy no navelany namiratra an’i Kristy tao amin’ny Taom-piangonana niainany, nahafahan’ny vahoaka nahita n y Fanahin’Andriamanitra tao aminy. 

Ary ireo mpanetry tena dia nino, hany ka na ny mosara aza dia nentin’izy ireo teo aminy, nampikasihany ny vatany. Nino loatra izy ireo, hany ka nataony toy ny fanehoana an’i Jesosy Kristy i Paoly, ary izay rehetra nokasihiny dia ninoan’izy ireo fa voatahy. Eny. Lehilahy nanao ahoana rê izy ê, izay nanome ny fiainany, ny hareny, sy izay rehetra nananany! Ny fanabeazana azony dia nohadinoiny tanteraka, nahafahany niaraka tamin’ireo mpanjono, ireo mpangataka, ireo mpirenireny tamin’ ny arabe, mba nitarafan’ny Fitiavan’i Jesosy Kristy ireo hazavany.

Hoy izy: “In-tsivy amby efapolo aho no voadaroka lamosina. Tsy maninona izany, izaho koa tsy maintsy mitondra ny dian-kapok’i Jesosy Kristy amin’ny tenako.” Ilay sakaiza mahantra kely, tao amin’izany nanjo azy izany, dia mbola afaka niteny hoe: “Mitondra ny dian-kapok’i Jesosy Kristy amin’ny tenako aho.” Akory loatra ny fahasamihafan’io lehilahy mendrika io tamin’ireo mpisorona rehetra nanodidina azy.

Ary raha tany Roma izy, dia nandao azy ny olona rehetra. Nandrafitra lampihazo iray izy ireo, natao hanapahan-doha azy. Teo izy niteny, (Oh! la! la!) hoy izy: “Hatrizao dia misy satro-boninahitra tehirizina ho ahy, izay homen’ny Tompo, Mpitsara marina, ho ahy amin’ izany andro izany; ary tsy ho ahy ihany, fa ho an'izay rehetra tia ny Fisehoany koa.“ Izany no fiainana mendrika ny Filazantsara, fiainana zanakalahy.

Nijoro ho an’i Kristy izy. Navelany nitaratra ny Filazantsara ny tenany. Talohan’izany, dia nianatra ny Filazantsara izy. Nankany Arabia izy, nijanona telo taona tany, nandinika ny Testamenta Taloha. Ary noporofoiny tamin’ny Testamenta Taloha fa Jesosy Kristy no Mesia. Navelany nitaratra Azy ny tenany, ho an’ireo vahoaka mpanetry tena. Hoy izy hoe: “Fantatro ny atao hoe voky sakafo, ary fantatro koa ny atao hoe noana sy tsy manana na inona na inona.” 

Lehilahy nanam-pahaizana toa azy, mpianatra kinga toa azy, izay nahazo vatsi-pianarana tamin’i Gamaliela, iray tamin’ireo mpampianatra nalaza indrindra tamin’ny androny, anisan’ny akaiky ny mpisoronabe, (oh, ry rahalahy), mety ho afaka nanam-bola be izy, ary ho nanana trano lehibe isan-karazany, (marina izany), kanefa, nilaza izy fa na kapaoty aza tsy nananany.

Ary Demasy dia nahita fa lehilahy nanana asa fanompoana lehibe loatra izy. Kanefa, hoy i Paoly nilaza momba, azy ao amin’ny 2.Tim.4:9: “ Demasy efa nandao ahy, ireo hafa rehetra koa, satria tia izao fiainana izao izy ireo.” Mbola nilaza koa izy hoe: “Raha ho avy ianao, ento ilay kapaoty izay navelako tany, fa manomboka mangatsiaka ny andro.” Lehilahy nanana minisitera toy izany, tsy nanana afa-tsy kapaoty tokana! Voninahitra an’Andriamanitra!

Nampahatsiahy ahy ny tantaran’i Saint-Martin izany, raha niezaka niaro ny Filazantsara izy, fony tsy mbola niova fo akory. Azo vakiana ao amin’ny firaketana ny konsilin’i Nikea izany. Tao Tours, any Frantsa izy nonina. Indray andro, teny an-dàlany, izy dia nahita antidahy mahantra iray nitakoko teo, tsy nisy akanjo, toa efa ho faty. Nandalo teo ny olona maro izay tokony ho afaka nampitafy azy, saingy tsy nisy nanao izany. Fa i Saint-Martin, nijanona izy ary nijery.

Ny miaramila tsirairay avy dia nanana mpanompo iray mpikosoka ny kirarony. Fa izy kosa, ny mikosoka ny kiraron’ny mpanompony no nataony.

Tamin’izay, dia notsoahiny ny kapaotiny, naka antsipika izy, ary nozarainy roa izany, ka ny antsasany nandrakofany ilay mahantra, sady nilazany hoe: “Mba samy ho velona isika roalahy.” 

Rehefa izany, nody izy, ary namonjy fandriana. Teo izy, raha nisaintsaina an’io antidahy io dia latsa-dranomaso. Niaraka tamin’izay, nisy zavatra nampitsangana azy. Nijery izy ary indro i Jesosy Kristy nijoro tao amin’ilay efitra, nirakotra ilay antsasa- kapaoty nomeny ilay mahantra. Hoy Jesosy taminy: “Toy ny efa nataonao tamin'ny anankiray amin'ireny kely indrindra ireny no nataonao tAmiko.” Izany no fiainana mendrika ny Filazantsara. Hainareo koa ny fomba nanaovany tombokase ny fiainany ; tsy izany? 

Jereo i Polycarpe, izay niaro ny batisa amin’ny Anaran’i Jesosy teo anatrehan’ ny fiangonana katolika romana. Nodoran’izy ireo izy, teo ambony antontan-kazo. Trano fandroana iray mihitsy no noravan’izy ireo nandorany azy. Jereo koa Irenée, sy ireo rehetra nijaly noho ny fihazonana ny Teny. Ny fiainan’ireny rehetra ireny no fiainana mendrika ny Filazantsara.

Jereo ny voalazan’i Paoly ao amin’ny Hebreo toko faha-11: “Notsofaina izy ireo, nampijaliana, nitenenan-dratsy, nirenireny tany an’efitra, nitafy hoditr’ondry sy hoditr’osy, tsy nanana na inona na inona, ireo izay tsy mendrika azy akory izao-tontolo-izao.” Ao ianareo. Ny fiainana toy izany no mendrika ny Filazantsara. Hanao ahoana ny hitsanganako sy hitsangananao, amin’ny Andro Fitsarana, ankilan’ny lehilahy toy ireny ? 

Jereo i Paoly izao. (Hamarana isika). Nijoro ho an’ny Filazantsara izy, ary namela an’i Jesosy nikoriana tao aminy. Tsy nahoany ny fahoriana nentiny vokatr’ izany. Tsy nahoany, na ahoana na inona, no mety noheveran’ny olona rehetra azy, na ny mpisoronabe aza. Notapahin-doha izy noho izany fijoroany izany. Izy dia mendrika ho fanehoana ny Filazantsara. Jereo moa: Tsy nahoany izay noheverin’ny olona, fa navelany nikoriana teo aminy ny Fiainana Mandrakizay. Nataony loatra izany, hany izy ka nilaza hoe: “Saika ho niriko aza aho ho voaozona ho afaka tamin'i Kristy, noho ny amin’ireo rahalahiko.”

Fantatrao àry izao izay ataonao rehefa mahazo ny Fiainana Mandrakizay ianao,. Izany no fanontanianao, ary izany no valiny ho anao. Na ianao misafidy ny lafiny fahalalana, na ianao maka ity lafiny iray ity, raha ianao tena nahazo ny Fiainana Mandrakizay. Izany no mitranga.

Vonona ho voaozona tafasaraka tamin’i Kristy i Paoly, raha izany no ho namonjena ireo rahalahiny, ireo izay vahoaka jamba, votsa saina, tsy nety nihaino ny Filazantsara notorìny!

Ataoko fa henatra ho ahy samirery izany, izaho izay efa saika nandao azy ireo noho izy ireo tsy nety nihaino ahy. Latsa-panenenana aho, ary nibebahako izany. Hitanareo?

Mariho fa, na inona na inona mety hoheverin’ny sasany, izany karazam-piainana izany no mendrika ny Filazantsara.

Tena hamarana aho izao.

Ilay lehilahy mpanankarena, toy ny maro amintsika ankehitriny, dia nandà sy nitsipaka ny Teny Fiainana, koa mijanona ho mpikambana fiangonana, ary miaina fiainana izay voaporofon’ny Baiboly fa tsy mendrika ny Filazantsara, ny Filazantsara izay notakiana ho raisintsika. Tsy marina ve izany? Ahoana ny Filazantsara no ho afaka hamiratra avy amin’ny fahamaizinana tahaka izany, izay mandà ny herin’Andriamanitra?

Ny fomba tokana ahafahana miaina fiainana mendrika, dia ny mamela an’i Kristy sy ny Teniny (ary Izy no Teny) hamiratra tanteraka eo aminao, ka hanamarinan’Andriamanitra izay voalazany ao amin’ny Teniny. Satria maty Kristy, mba nahafahany nanolotra ny Tenany teo anatrehan’Andriamanitra, ho Fanatitra. Ary niverina indray Izy, amin’ny endrika Fanahy Masina, mba hitarafany ny Tenany, amin’ny alalan’ny Vahoakany, anohizany ny Asany. Mitaratra aminao Izy, mba hanatanterahany ny Teny fikasany ho an’ireo andro ho avy.

Toy ny nandrenesan’i Jaona mpanao batisa, raha nandre izy fa tonga Jesosy, ary rehefa nandroso ho ao amin’ny rano Jesosy, dia nilaza i Jaona hoe: “Indro ny Zanak’ondrin’ Andriamanitra” 

Tsy nisy olon-kafa nahita, fa izy nahita ilay Hazavana nidina avy tany an-danitra tahaka ny voromailala. Ary nisy Feo nanao hoe: “Ity no Zanako malalako, Izay sitrako.” Nahita izany tonga izy.

Niroboka tao anaty rano Jesosy (Imanoela ), teo anoloan’io mpitoriteny, malaza ho tsy azo ahodinkodin-doha io. Nidina tao amin’ny rano izy, teo anatrehan’ireo vahoaka, ary niteny hoe “Maniry ataonao batisa Aho”.

Namaly Jaona hoe: “ Tompoko, Ianao no tokony hanao batisa ahy. Nahoana Ianao indray no manatona ahy?” Nifampijery izy roalahy, ny mpaminany iray sy ny Andriamaniny. Amena. Tsy ho tiako ve ny mba afaka nanatrika izany? Ho nahita ireo maso hentitra sy lalina an’i Jaona nifanena tamin’ireo maso hentitra sy lalina an’i Jesosy. Zanak’olo-mpirahavavy izy ireo amin’ny ara-nofo. 

Hoy Jesosy: “Ry Jaona, ekeo ihany ankehitriny, fa izao no mety amintsika. Isika no Hafatra amin’izao ora izao. Mety amintsika izao, mba hahatanteraka ny fahamarinana rehetra.”

Nisaina i Jaona hoe: “Eny, Izy ilay Fanatitra. Ny Fanatitra tsy maintsy sasàna mialoha ny hanolorana Azy.” Ka, hoy izy: “Avia àry.” Ary nataony batisa Izy. Amena. Izany hoe: “Mety amintsika izany hahatanteraka ny fahamarinana.”

Jesosy, satria fantany fa ity lehilahy ity, no ilay tokony ho teo, niteny hoe: “Lazaiko aminareo marina tokoa, fa tamin’izay nateraky ny vehivavy, tsy nisy lehibe noho i Jaona mpanao batisa. Mihoatra lavitra noho ny mpaminany izy. Raha mba afaka mandray ianareo, misy lehibe noho ny mpaminany eto.” Nahita ny tao am-pony Jesosy, ary nahafantatra izany. Rahalahiny ara-nofo ihany izy, izay nifanatrika tAminy.

Hoy Jaona tAminy: “Tompoko izaho no tokony hataonao batisa, nahoana Ianao no manatona Ahy? ” 

Dia hoy Izy hoe: “Ekeo ihany izao, ry Jaona. Ary aza adinonao, fa izao no mety amintsika mba hahatanteraka izay nampanantenain’Andriamanitra. Ary Izaho ilay Fanatitra. Tsy maintsy sasàna Aho mialoha ny hanolorana Ahy.” Oh! la! la!

Ankehitriny, raha mamiratra ny Hazavan’ny hariva, tsy misy olona, salama saina tsara, tsy misy mpandinika Baiboly mijery ao amin’ny Baiboly, afaka hilaza ho tsy mahafantatra fa andro farany izao. Koa ny mety amintsika izao dia ny ivoahantsika ivelan’ireny rindrina makadiry be ireny, sy hihatahantsika ireny zavatra rehetra ireny, ary hidirantsika ao amin’ny fahamarinan’i Jesosy-Kristy, amin’izao andro farany izao, ka handraisantsika ny Tombokasen’Andriamanitra mialoha ny hametahan’ny devoly ny mariky ny bibidia amintsika. Oh! la! la! Izany mihitsy.

Angataho Andriamanitra mba hamelany hitombo ao anatinao ny Hazavan’izao andro izao, ka hahatonga anao ho mpanompo mankatò Andriamanitra. Amin’izay dia avelao hitoetra mandrakizay ao amin’ny fiainanao ireo vokatry ny Fanahy. Ary izany no fiainana mendrika ny Filazantsara.

Mamelà ahy mbola hilaza izao hamehezana azy. Ny fomba tokana ahafahanao miaina fiainana mendrika ny Filazantsara dia ny mamela ny Filazantsara ihany, ny sombitsombiny rehetra ao amin’ny Filazantsara, hiditra ao anatinao, ary mampitaratra ireo Teny fikasany, hahatonga azy ireo ho voamarina. Avelao Andriamanitra hiaina ao anatinao, ahafahany hanamarina ireo Teny fikasany ho an’izao andro izao. 

Manaova tahaka an’i Jaona, toy ny voalazan’i Jesosy tamin’i Jaona: “Ekeo ihany izao, ry Jaona. Marina izany. Fa isika no mpitondra ny hafatra ho an’izao andro izao, ary isika tsy maintsy manatanteraka ny fahamarinana rehetra.”

Raha isika no kristiana an’izao andro izao, aoka raisintsika ao am-pontsika Jesosy Kristy. Izy no Teny. Aza mandà, na sombiny kely aza, fa mitenena hoe: “Izany ny Fahamarinana.” Ary apetraho ao am-ponao izany, dia ho hitanao ny vokatry ny Fanahy eo aminao, sy ny fahatanterahan’ireo Teny fikasany rehetra ao amin’ny Baiboly. Te-hanatanteraka ny Teniny Andriamanitra, kanefa tsy manana tànana Izy afa-tsy ny ahy sy ny anao. Tsy manana maso Izy afa-tsy ny ahy sy ny anao. Tsy manana lela Izy afa-tsy ny ahy sy ny anao. “Izaho no fototra, ianareo no sampana.” Ny sampana no mitondra ny voa. Ny Fototra no manome aina ny sampana. Izany no fiainana mendrika.

Ny fivavako dia ho an’ireo rehetra mihaino ahy, na amin’ny radio, na amin’ny horonam-peo, na ianareo manatrika eto ankehitriny. Ny Andriamanitry ny fahasoavana rehetra, an-Danitra, anie hampamiratra ny Fanahiny Masina amintsika rehetra, ka dieny izao hariva izao isika dia ho afaka hiaina fiainana izay hahatonga an’Andriamanitra hilaza hoe: “Tena ankasitrahako. Midira ao amin’ny Fifaliana mandrakizay izay efa nomanina ho anareo hatramin’ny nanorenana izao-tontolo-izao”. Ilay Andriamanitry ny Lanitra anie hampitobaka ireo Fitahiany aminareo rehetra.

Mivavaka amin’Andriamanitra ho anareo vehivavy bory volo aho, izao hariva izao, ampahitany anareo ny tokony ialanareo amin’ny fomban’izao andro izao, ka ho tsapanareo fa ny Baiboly dia milaza fa tsy tokony hanao izany ianareo. Ary raha meloka ianareo noho ny fitafiana tsy maotina, ilay Andriamanitry ny Lanitra anie hampitobaka ny Fahasoavany ao am-ponareo, mba tsy hanaovanareo izany intsony, ka tsy ho meloka amin’izany intsony ianareo. Ny Fanahy Masina anie hanokatra ny masonareo ka hampiseho anareo izany. 

Ianareo rehetra izay tsy mbola nandray ny Batisan’ny Fanahy Masina anie…

Ianareo, lehilahy, izay mamela ny vadinareo hanjakazaka, hitarika anareo amin’ny oronareo, ny Fahasoavan’ilay Andriamanitry ny Lanitra anie hampijoro anareo sy hamerina ny vadinareo amin’ny laoniny, hahatsapany ny toeranareo ao amin’i Kristy. Tsy ho lozabe ianareo, fa ho lohan’ny tokantranonareo. Aza adino fa tsy tao amin’ny famoronana voalohany izy, fa notsoahina avy taminareo, natolotr’ Andriamanitra ho anareo, mba hikarakara anareo, hikojakoja ny fitafianareo, hikarakara ny sakafonareo, ets… Tsy izy no ho mpanao didy jadona aminareo.

Ianareo kosa, ry vehivavy Amerikana, izay mandoko tava sy milanja orona am-piavonavonana (hany ka rehefa manorana ny andro, dia sahirana ianareo) ary mihevitra ny tenanareo ho toy ny mpanao didy jadona. Toy izany ianareo eo anatrehana sarimbavy, fa tsy eo anatrehana tena zanakalahin’Andriamanitra. Marina izany.

Andriamanitra sy ny Fahasoavany anie hanome fahefana anareo lehilahy, amin’ny maha-zanakalahiny anareo, hampitsahatra izany hadalana be izany. Marina izany. Ny Fahasoavany anie hampanary anareo ireny sigarety ireny, hampijanona anareo amin’ny fihainoana ireny vazivazy maloto ireny, sy ny hadalana hafa toy ireny. Aoka isika ho zanakalahin’Andriamanitra, ka ho afaka hiaina fiainana mendrika ny Filazantsara.

Ary hisy anie eny an-dàlana, hiteny momba anareo hoe: “Raha misy izany kristiana izany, ity iray ity dia anisany. Ity dia anankiray izay anehoan’Andriamanitra ny Tenany. Ary tena kristiana ity lehilahy ity, raha mba misy izany kristiana izany. Mety hisaina ianareo fa nilaozan’ny toe-trandro ny fitafin’ity vehivavy ity. Saingy, izany no vehivavy mendrika.” Izany no izy.

Meteza ho kristiana tsara laza, satria vahiny sy mpivahiny isika etỳ. Tsy etỳ no Fonenantsika. Ny Fonenantsika dia any ambony any. Satria, isika dia zanakalahy sy zanakavavy an’ny Mpanjaka iray, ny Mpanjaka. Aoka ny fiainantsika ho marina eo imason’ny olona. Aoka isika hiaina fiainana manome haja ny Kristiana, raha mihambo fa izany isika. Ary raha tsy afaka miaina izany fiainana izany ianareo, hajanòny ny filazanareo ny tenanareo ho kristiana, satria tsy manao afa-tsy ny mitondra latsa amin’ny tena Kristiana ianareo.

Misaotra anareo aho, nety nijanona tato, ity alina mafana be ity. Matoky aho fa tsy hisy na iray aminareo ho tavela, amin’izany Andro izany. Matoky aho fa ianareo sy izaho, dia samy hahita fitia eo anatrehan’Andriamanitra. Ka ho afaka hijoro mandrakariva amin’ny Fahamarinana aho, sady tsy hanafintohina anareo, no koa, tsy ho kivy amin’ireo tsikeranareo. Hitanareo? Raha ny amiko, dia tsy ho raim-pianakaviana mendrika aho raha mamela ny zanako hanao izay rehetra tiany hatao. Tsy maintsy manitsy azy ireo aho. Ny tena fitiavana dia hanao toy izany. Ny fitiavana dia manitsy. Tsaroako, ry Pat, ilay fanamarihana nosoratanao ho ahy indray andro iny. Mbola voatahiriko izany. Ary ny fitiavana dia manitsy. Ny Baiboly no milaza izany. Ary raha tsy manitsy izany… Izany no antony anitsian’ Andriamanitra antsika ; tia antsika Izy.

Isika anie, manomboka izao, hiaina fiainana mendrika, feno halemem-panahy sy fahatsaram-po. Aza manongilan-tsofina, raha misy miteny hoe “Voninahitra ho an’ Andriamanitra, haiko fa naharay Azy ravehivavy. Niteny tamin’ny fiteny tsy fantatra izy, nandihy tao am-panahy izy…” Tsara izany. Saingy raha tsy manana ireo vokatry ny Fanahy izy, dia tsy ao aminy ny Fanahy. Mody maneho fihetseham-po fotsiny izy, na zavatra toy izany. Ny Fanahy Masina tsy afaka miaina afa-tsy ny fiainan’ny vokatry ny Fanahy. Izany ihany ny fomba tokana azony atao. 

Andriamanitra anie hitahy anareo. Hanondrika ny lohantsika vetivety isika. 

Ry Andriamanitra izay nampitosaka ny Fahazavany amin’izao andro farany izao, izay namelatra eto anoloako ny Baiboliny, sy ny sarin’ireo Anjely, io Hazavana mahagaga, miendrika pyramida io, izay tsy hain’ny manam-pahaizana nohazavaina aza… Tsy voazavan’izy ireo izany. Kanefa izahay, Ray, dia mankasitraka ny amin’ny efa nanambaranao izany taminay volana maromaro mialoha. Isaoranay Anao izany. 

Tompo, izao alina izao, aoka ireo rehetra mitondra ny Anaranao ho tafasaraka amin’ny fahotana, amin’ny tsifinoana. 

Mety… Tsy maintsy nanao teny henjana tamin’ireo anabaviko aho, tsy hoe tsy tiako izy ireo, Tompo, fa tsy te-hahita azy ireo aho ho voasingotry ny devoly mandra-pamonoany azy, ka ho amin’izany toerana ratsy izany no hiatrehany Anao indray andro any, rehefa avy nandre ny Fahamarinan’Andriamanitra, toy izao izy. Aoka ho tsapany fa tombotsoa ho azy ny handinihany ny Soratra Masina, hijereny raha marina izany, ka handohalefany amim-pahatsorampo, ary hanaovany hoe: “Andriamanitra ô! izany ve no Fahamarinana?” Ho hitany amin’izay anie fa ny Teny manontolo dia hilaina, Tompo. Tsy hiatsaravelatsihy izy ireo, satria ho fantany fa ny Teninao no Fahamarinana.

Amin’ireto olona mipetraka eto, mety maro no nandre zavatra nanindrona azy. Kanefa ny Fanahin’Andriamanitra no niresaka taminy, dia nipetraka nilamina izy ireo ary nihaino. Mandroso be ny ora. Hariva ny andro, hariva toy izany koa ny andro iainanay. Manomboka milentika ny masoandro; miha-mangatsiaka izao-tontolo-izao. Andriamanitra, tsy ela dia haka toerana ny haizina, ka ho tonga ny Tompo hanaisotra ny Fiangonany. Mankasitraka loatra Anao izahay amin’izany,Tompo!

Mangataka Aminao izahay izao, itahianao ny olona rehetra izay ao amin’ny Fanatrehanao Masina. Tompo, aoka ireo rehetra, manerana izao-tontolo-izao, izay hihaino ity horonampeo ity, hiala amin’ireo fanekempinoana antitra sy ireo zavatra hafa, ka hanatona sy hanompo an’Ilay Andriamanitra velona, ary hanankina ny fiainany Aminy, tahaka ny nataon’ny Mpanjakavavin’ny Atsimo. Nandeha nandritry ny telo volana izy mba hahita ny toerana nisy lehilahy iray naneho an’i Jesosy-Kristy, na ny Andriamanitry ny lanitra: i Solomona izany. Hoy Jesosy: ”fa avy tany amin'ny faran'ny tany izy no tonga, hihaino ny fahendren'i Solomona; nefa, indro, misy lehibe noho Solomona eto.” Ary fantatray fa ilay “lehibe noho i Solomona” dia eto izao. Ilay Fanahy Masina be voninahitra mihitsy no eto, miasa eny anivon’ny vahoaka. Endrey ny fisaoranay Anao noho izany.

Ray, izao aho dia hangataka fitahiana.

Tahio ny pastora malalanay, ny rahalahy Neville. Tompo, raha mijery azy aho, ka misaina ireo asa nataony tam-pitiavana, dia mibitaka ny foko. Tiako izy. Ny mijery azy mikarakara ireo vady aman-jananikely dia mahafinaritra tokoa. Ampahatanjaho izy, Andriamanitra, omeo herim-po. Tahio izy, mbola hahavita ny asa fanompoana mandritra taona maro, anatin’ity saham-pijinjana lehibe iasanay ity.

Tahio ireo rahalahy, mpanompon’Andriamanitra rehetra izay manatrika eto, izao hariva izao. Maro no avy any ivelany. Mangataka aho ny hombanao azy ireo. Eto i Junie, ny rahalahy Ruddel, ary ireo rahalahy sarobidy, izay avy amin’ireo fiangonana rahavavy, mijoro sy mihazona ny Hazavan’ny Filazantsara, any amin’ireo faritra samihafa, an’ireo tanàna manodidina, ka miady ho an’Izany. Isaorana Ianao noho ireo lehilahy ireo, Tompo. Ampaherezo izy ireo, ary ny Fahasoavanao anie hampijoro azy ireo eo anoloan’ireo fitsapana lehibe sy ireo zavatra ho tonga eto ambonin’ny tany hisedrana ny Kristiana rehetra.

Meteza Ianao hanasitrana ireo marary sy ireo ory, Tompo. Meteza homba anay mandritra ny herinandro ho avy. Omeo herim-po izahay. Aoka ireny lesona sekoly-alahady kely ireny anie tsy mba hiala am-pon’izy ireo. Aoka izy ireo handinika izany andro aman’alina. Omeo ireo fitahianao, Rainay. Amin’ny Anaran’i Jesosy Kristy Tompo no angatahako izany. Amena.

Tia Azy ve ianareo? Mino Azy ve ianareo? Andao hihira indray ilay hirantsika mahafinaritra “Tiako Izy, Tiako Izy.” Mandritra izany dia mifandray tànana isika. Aiza ny anabavy Ungren? Ato ve izy? Na ny iray amin’ireo anabavy mpitendry piano… Tsy hitako… Ah! Eny ; iny izy iny.

Izao hariva izao, mitazana aho, nefa tsy hitako ny rahalahy Ungren. Tiako ny hihirany ho ahy izao hariva izao ilay hira hoe “Endrey ny Halehibiazanao!” Angamba efa lasa nody ny rahalahy. Hitanareo? henoko io hira io aninkeheo maraina ka nankafiziko tokoa. Oh! la! la! tena nanako tato am-poko ilay izy. Ka mbola te-handre azy hihira ny “Endrey ny halehibiazanao!” aho.

Fa andao hiraina ny “Tiako Izy”, isika rehetra miaraka. Akimpio fotsiny ny maso, ary mijere any Aminy izao. Teneno hoe: “Tompo, raha mbola misy zavatra ara-nofo tavela ato anatiko, ongoty izany, izao ankehitriny izao. Ongoty izany.” Ary ianao izay hihaino ity horonampeo ity, rehefa handre ny hira ianao, mihira miaraka aminay, eo amin’ny sezalava izay hipetrahanao.

Raha misy manameloka anao ny Teny, kanefa tsy atokisanao fa ny Teny izany, diniho ny Soratra Masina, ahitanao raha marina izany. Tsara aminao ny manao izany. Izany midika na Fiainana na fahafatesana.

Ary raha mbola mihira izany hira izany isika, raha misy zavatra ara-nofo ao amin’ny fiainanao, asandrato ireo tànanao eo amin’ny toerana ipetrahanao. Aoka ny zanakao sy ny vadinao samy hanandratra ny tànany, ary koa ireo rehetra malalanao manodidina anao. Hirao ny “Tiako Izy”, ary atolory Azy ny fiainanareo. Lazao hoe: “Diovy amin’ny ratsy rehetra aho, Tompo.”

Hitsangana isika sady mbola hanohy mihira. 

Tiako Izy, tiako Izy…

Jesosy Tompo, mivavaka aho mba ho sitraninao ny vahoaka, ireo izay hampiasa ireto mosara ireto. Mitso-drano azy ireto aho amin’ny Anaran’i Jesosy Kristy. Amena

…. Izy ho famonjena ahy
Teo amin’ny Hazo, tao Kalvary.

Izao, anatin’izany fitahiana lehibe izany (ranabavy, tohizo ny fitendrinao), akimpio fotsiny ny masonao, ary mandiniha iray minitra. Aoka isika hivavaka am-pontsika, hoe: “Tompo Jesosy, tsarao aho. Tia Anao marina ve aho? Nilaza ianao hoe: ‘Raha tia Ahy ianareo dia hitandrina ny Didiko. Raha tia Ahy ianareo dia hankatò ny Teniko.’” Ary ao am-ponareo, teneno hoe: “Tompo ô! Omeo ahy ny hankatò ny Teninao. Omeo ahy ny hanafina Azy ato am-poko, mba tsy hanotako Aminao intsony indray (izany hoe tsy hino izay rehetra noteneninao.)”.

Izao, raha mbola mihira ny Tiako Izy isika, samia mifandray tànana amin’izay manakaiky antsika. Ataovy izany, ary milaza hoe: “Hotahin’Andriamanitra anie ianao, rahalahy na rahavavy.” Izao dia tohizantsika moramora.

Tiako Izy, tiako Izy
Satria nitia ahy taloha
Ka maty Izy ho famonjena ahy
Teo amin’ny Hazo, tao Kalvary.

[ Mitso-drano tsirairay ny mpino maromaro, ny Rahalahy Branham F.n.m.]

Aoka hanandratra ireo tànantsika Aminy isika izao.

Tiako Izy, tiako Izy
Satria nitia ahy taloha
Ka maty Izy ho famonjena ahy
Teo amin’ny Hazo, tao Kalvary.

Tia Azy ve ianareo? Tsy mahafinaritra ve Izy? Mivavaka ho an’ny tsirairay aminareo aho, r’ankizy. Inona no soa azoko raha mijoro eto aho ka milaza ireny zavatra ireny, kanefa ato am-poko aho tsy mihevitra fa hanampy anareo ireny? Rehefa reraka sy trotraka aho, zara raha mahajoro. Maharary ahy ireo tongotro. Tsemboka be anaty kiraroko, ka miharatsy bika ny tongotro. Ary tena reraka loatra aho! Tsy tanora intsony aho, kanefa mitory teny adiny telo na efatra, sy mivavaka ho an’ny marary. Ary mandeha andro aman’alina. Nohon’ny inona àry no hijoroako eto manao izany? 

Hainareo, fa nandritra ny telopolo taona nanaovako izany, tsy nitady laza aho. Nandosirako izany. Hainareo fa tsy mba naka vola aho ; fantatrareo izany. Ary efa nisy zavatra nolazaiko tamin’ny Anaran’ny Tompo ve ka tsy tanteraka? Hainareo fa marina izany. 

Tiako ianareo. Ny Fitiavan’Andriamanitra no ato am-poko ho anareo tsirairay avy. Maniry aho ho afaka hijoro eo anatrehan’Andriamanitra ka hilaza hoe: “Andriamanitra ô! avelao aho hanampy azy ireo. Avelao aho hanao izany!”. Kanefa tsy afaka manao izany aho. Ny tsirairay no tsy maintsy miatrika ny azy samirery. Hitanareo?

Mino aho fa tsy ho ela, dia hakarina isika rehetra. Ary raha tsy maintsy hatory isika mialoha izany andro izany, izaho hesorina hiala aminareo, aza adino fa hifankahita aminareo indray aho any. Fantatro izany. Ireo fahitana izay nanambara taminareo ny zavatra rehetra dia hitranga araka ny efa voalazany. Tsy nisy, nandritra ireny taona rehetra ireny, afaka nilaza teto, fa izaho tsy nanambara taminareo zavatra mbola ho avy, fa zavatra efa nisy foana. Hain’izao-tontolo-izao izany. Tsy nahita ahy mihitsy ianareo teto ambonin’ity lampihazo ity, niteny zavatra hafa ankoatra ny Fahamarinana. Hitanareo? Toy izany hatrany. Io Andriamanitra io ihany no nampiseho ahy ny tany ambadiky ny lambambaravaran’ny Fotoana. Hitako ireo lehilahy sy ireo vehivavy namihina ahy sady niteny hoe: “Oh! ny rahalahy Branham.”

Tsy afaka miala sasatra aho. Na reraka aza, tsy maintsy manohy. Maharary ahy ny lamosiko, isan’andro. Efatra amby dimam-polo taona aho izao. Hainareo, amin’izany, dia ahitana aretina vaovao foana ianao isan’andro.

Ny fivavako dia izao: “Andriamanitra ô. Hazony aho hiaraka amin’izy ireo. Hazony aho hitoriako ny Teny, hijoroako ho an’ny Fahamarinana, mandra-pahitako ny zanakolahy Joseph ampy taona ka feno ny Fanahy Masina. Ho afaka aho handray ity Baiboly antitra sady tonta ity ka hametraka izany eny an-tànany sady hanao hoe: “Ry zanakolahy, hazony ity mandra-pahatapitry ny andronao. Aza mba anaovana marimaritra iraisana momba Azy.”

Nihevitra aho fa hitory ny Filazantsara angamba i Billy. Nefa Andriamanitra tsy mba niantso azy. 

Kanefa mino aho fa i Joseph, na mbola zazalahikely aza izy izao, mino aho fa Andriamanitra niantso azy. Izany no antony tsy mety ifanarahany amin’ny ankizy hafa. Mpitarika izy. Ary haiko fa niantso azy Andriamanitra. Te-hanazatra azy hitoetra ao amin’ny Teny aho, ao amin’ny Tenin’ny Tompo, mba tsy hitsipaka io Teny io izy. Te-hanao izany aho, izaho mihitsy, raha sitrak’Andriamanitra. Ka rehefa antitra loatra aho, dia hitoetra, hahita azy hijoro eo ambony polipitra ary hanao hoe: “Ity Filazantsara ity ihany, no ilay nitoloman’ny raiko. Io izy mipetraka eto, izao hariva izao, efa antitra sy reraka. Te-haka ny toerany sy hanohy ny asany aho. Izany no ijoroako eto izao.”

Ary amin’izay, dia handrandra ny masoko aho, hiteny hoe: “Ankehitriny Tompo ô, avelao ny mpanomponao handeha am-piadanana.” Izany no tiako ho hita, raha miha reraka aho, mandra-pahatonga izany fotoana izany.

Ahoana no ahafahako hiara-miaina amin’ny taranaka manaraka? Tsy ho vitako izany. Tsy maintsy ity taranaka ity no iarahako. Tsy maintsy ianareo no hiarahako mijoro. Noho ianareo no tsy maintsy ijoroako, ary hampamoahana ahy eo anatrehan’Andriamanitra, araka ny Filazantsara izay notoriko. Heverinareo ve fa ny antony nijoroako teto dia ny hanongotra anareo hiala amin’ny Zavatra izay heveriko fa marina? Mety ho nampirisika nanao izany aho. Saingy haiko, haiko raha ratsy ny zavatra. Te-hanafaka anareo hiala amin’izany aho, ka hampandroso anareo amin’ny tsara. Tena marina, avy amin’ny foko izany. Andriamanitra no vavolombeloko. Tiako ianareo, ianareo rehetra, amin’ny tena fitiavana kristiana, fitiavan’Andriamanitra. Andriamanitra anie hitahy anareo. Mivavaha ho ahy. 

Tsy fantatro izay hoaviko, fa fantatro eo an-Tànan’iza ny hoaviko. Koa, ankiniko Aminy izany.

Izao, ity polipitra ity dia omeko ny lehilahy iray izay atokisako tanteraka fa mpanompon’i Jesosy Kristy, dia ny pastorantsika, ny rahalahy Neville.