'
Previous chapter

Fampidirana

Fampidirana

Ny Batisa sy ny Fanasan’ny Tompo, dia didy ao amin’ny Baiboly, izay ampiharina any amin’ny ankamaroan’ireo fiangonana kristiana ofisialy na mahaleo tena, na dia samy manao izany araka ny fombany avy aza izy ireo. Very nandritry ny tantaran’ny Fiangonana ny modely izay niandohana tao amin’ny kristianisma voalohany. Ny zava-nisy manko, mba hiarovana ny Teny, dia mpampianatry ny Fiangonana sy mpanao fanavaozana maro no nitolona tamin-kery, samy tamin’ny alàlan’ny Teny avy, kanefa nifanditra mikasika ny Teny ihany ; koa tsy tafaverina tamin’ny fanambarana iombonana sy ny fampiharana mitovy izay tao amin’ny kristianisma voalohany izy ireo.

Izao no vakìntsika mikasika ireo kristiana voalohany: “Ary izy ireo naharitra tamin’ny fampianaran’ny Apostoly…” (Asa 2.42). Fantany fa ny Tompo mihitsy no niantso ireo apostoly ireo, ary fantany koa fa nampahafantarina ny zavamiafin’ny Fanjakan’Andriamanitra izy ireo. Taorian’ny fitsanganan’ny Tompo, dia nitoetra teo amin’ny Azy Izy,
“…hatramin’ny andro nampiakarana Azy, rehefa nodidiany tamin’ny Fanahy Masina ireo apostoly izay nofidiny, sady niseho koa tamin’ny famantarana maro taorian’ny nijaliany fa velona Izy ary nilaza ny amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.” (Asa 1:2-3). Izy no niresaka taminy ny zavatra rehetra mahakasika ny Fanjakan’Andriamanitra, ary nanome azy ireo ny Baikony. Tamin’ny andro Pentekosta, Izy dia nampidina taminy ny Fanahiny, izay nanazava ny Teniny sy nitarika azy ireo hanao araka izay tena sitrapon’ Andriamanitra tanteraka.

Na dia tsy anisan’ny nanatrika hatramin’ny voalohany aza i Paoly, fa mbola namarana ny “fianarana teolojika”, raha vao niova fo izy, dia ny Filazantsara izay nitorìn’ny apostoly ihany no nitorìny, amin’ny lafiny rehetra. Fomba mahagaga no niantsoana azy, ary nankany Arabia aloha izy. Efatra ambinifolo taona taty aoriana, noho ny fanambarana avy tamin’Andriamanitra, dia nankany Jerosalema izy, ary nasehony tamin’ireo rahalahy tompon’ andraikitry ny Filazantsara ny zavatra notorìny tany amin’ny jentilisa, mba hanamarinany amin’ny alàlan’ny fampitahana, fandrao nihazakazaka foana izy. (Gal.2:1-2).

Ny bokin’ny Asan’ny apostoly sy ireo epistily dia manambara ny firindràna lavorary misy amin’ny fampianaran’ny apostoly sy ireo Filazantsara efatra ary ny Testamenta Taloha. 

Noho izany, izay rehetra navela ho antsika tamin’ny andron’ny apostoly, dia fampianarana sy fomba fanompoana tena ara-Baiboly. Eto, tsy ny hijery izay fomba fijerin’i Petera na i Paoly no ilaintsika, fa Andriamanitra sy ny Tenin’ Andriamanitra no atrehintsika mivantana. Ankehitriny dia mbola io ihany no famarana azo ekena tsy maintsy itsaràna ny zavatra rehetra.

Indray andro ny Tompo nanontany ny mpianany hoe: “Efa azonareo va izany rehetra izany? Hoy ireo taminy: Eny. Dia hoy Izy taminy: Koa amin’izany ary ny mpanora-dalàna rehetra izay nampianarina ho amin’ny fanjakan’ny lanitra dia samy tahaka ny tompon-trano, izay mamoaka avy amin’ny firaketany zava-baovao sy ela.” (Mat. 13:51-52). Tamin’ny fotoana rehetra, ny Tompo dia nampiasa lehilahy izay natokany ho amin’ny asa fanompoana manokana ao amin’ny Fanjakany. Tsy mba nanana fahalalana teolojika izy ireo, fa voavolavola tao amin’ny sekolin’ny Fanjakan’ny Lanitra. Ireo iraka nalefany dia nahazo hatrany ireto zavatra roa ireto niaraka: ny Teniny sy ny Fanahiny. Toy izany no niavian’ny fahazavana sy ny fanambarana mikasika ny Sitrapony sy ny fomba tsara anatanterahana izany. Ny famantarana miavaka izay tsy hamitaka mihitsy dia izao: ny fanambarany ny Teny sy ny fampiharany Azy dia mifanaraka tanteraka amin’ny fanambaran’ ny Soratra Masina rehetra. Ny Tompontsika sy ireo apostoly, dia tsy nanana afa-tsy ny Testamenta taloha ihany, ary mandrakariva dia tao no nosintonany teny. Isika dia mahita andalan-tSoratra 845 ao amin’ny Testamenta Vaovao izay notsoahina avy tao amin’ny Testamenta Taloha.

Ireo mpitory ny Filazantsara dia manana andraikitra mavesa-danja eo anatrehan’Andriamanitra. Noho izany, dia tokony hanana fahasahiana hampitaha toy ny nataon’i Paoly ny “mpiasa tsirairay ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra”, mba ahitana raha izay ampianariny sy ampihariny dia mifanaraka amin’ny fanambarana voalohany ny Filazantsara sy amin’ny fampianaran’ny apostoly. Raha toa ka nilaina ny nampitahan’i Paoly ny fampianarany tamin’ny fampianaran’ireo apostoly, mba ahafantarany sao nihazakazaka foana izy, isika àry ve afaka ampandrotsirotsy tena tsy hiahiahy mikasika ny tokony hiarovana ny tenantsika? Sanatria! Raha mikasika izay rehetra avy amin’Andriamanitra dia tsy misy afa-tsy tokana ihany ny tena-izy. Izay rehetra tsy mifanaraka amin’izany dia fakan-tahaka sy sandoka avokoa.

Nolazaina tamin’ny anjelin’ny Fiangonana Efesosy hoe: “…ary hianao efa nizaha toetra izay milaza ny tenany ho Apostoly, kanjo tsy izy, ary hitanao fa mpandainga izy.” (Apok.2:2). Afaka natao izany fitsarana izany, satria ireo izay nandre dia nampitaha ny toriteny norenesiny tamin’ny toritenin’ireo Apostoly  voalohany. Nahazendana ireo mpino ara-Baiboly ny nahatsapàny fa hay ireto olona izay nitonona ho apostoly dia mpandainga, satria ny zavatra notorìny dia tsy ilay hafatra madio avy tamin’Andriamanitra. 

Tao amin’ny kristianisma voalohany, tsy nisy tsy nazava ny zavatra rehetra mikasika ny batisa sy ny Fanasan’ny Tompo. Ny Tompo dia nanome baiko mazava ho an’ny apostoly ; izao no voalazany mikasika ireo izay nirahiny: “Izay mihaino anareo dia mihaino Ahy.” (Lioka 10:16). Izany no antony te-amoaboasanay eto ny batisa sy ny fanasan’ny Tompo araka izay namelana azy ireo ho antsika ao amin’ny Soratra Masina. Mifandray mivantana amin’ny Fanasan’ny Tompo ny fanasan-tongotra. Noho izany, hojerentsika fohifohy amin’ny fahazavan’ny Tenin’Andriamanitra koa io teboka io.

Next chapter