'
Previous chapter

FAMPIDIRANA

Noho ny trangan-javatra sasantsany dia hita fa ilaina ny mitondra valim-panontaniana «ny amin’ireo zavatra nosoratanareo.» toy ny voalazan’i Paoly tamin’ny fiangonan’i Korinto. Tsy maintsy hazavaina tanteraka indray mandeha indray àry ny mikasika ny fanambadiana, lohahevitra izay tena miavaka. Ity lohahevitra ity, izay sady sarotra tokoa no manan-danja lehibe raha mbola miaina eto an-tany isika, dia tsy maintsy esorina hiala ny sehatry ny adihevitra, toy ny atao amin’ny fampianarana rehetra, ary hovelabelarina amin’ny alàlan’ireo fanambaran’ny Baiboly — Andriamanitra anie hitahy izany — mba tsy hisy intsony ny fisalasalana. Satria hatrizay nisian’ny fanambadiana dia nisy foana ny fikorontanan-tokantrano dia nampiasa saina olona maro tamin’ny vanim-potoana rehetra izany: ohatra, tamin’ny andron’i Mosesy; tamin’ny andron’ny Tompontsika sy ireo Apostoly. Fa ity fandinihana ity dia atodika manokana amin’ny fotoanantsika ankehitriny izao. Hitantsika ao amin’ny Soratra Masina ny valin’ireo olana sy fanontaniana rehetra mikasika izany. Saingy, tsy araka ny mety antenaintsika, dia tsy misy toko manokana izay iangonan’ireo fanontaniana sy valim-panontaniana rehetra mikasika io lohahevitra marolafy io. Toy ny amin’ny tranga jiaby, ireo andalana mikasika zany dia miparitaka, ary indraindray dia tsy manome afa-tsy ampahana valim-panontaniana monja, mitsitokotoko. Tsy maintsy karohina àry izy ireo mba ahafahana manambatra azy.

Fotoana farany ao amin’ny Fiangonana no iainantsika izao, izay nanambaran’ny Fanahy ny zavatra rehetra, ka tsy maintsy hamerenana azy rehetra amin’ny toetrany voalohany, araka izay nandaharan’Andriamanitra azy. Miahy ireo Olony ny Raintsika any an-Danitra, ka tsy navelany hiroaroa saina isika ny amin’io lohahevitra io. Fantany fa maro isika no ory noho ny tsifisian’ny fiadanam-po eo anivon’ny ankohonana, ka tiany esorina amin’izany mba ahafahantsika manompo Azy an-kafaliana sy am-pahatoniana, ary nanome torolàlana amin’io koa Izy, amin’ny maha-Ray tsara fanahy Azy.

Ny toriteny “Fanambadiana sy fisaraham-panabadiana“ nataon’i William Brahnam ny 21 Febroary 1965 izay nampifandraisiny tamin’ny Soratra Masina no fototr’ity fanadihadiana ity. Nampiandraiketana ny famelabelarana, araka ny Soratra Masina, an’io lohahevitra io koa izy, tahaka an’i Paoly tany am-piandohana. Araka ny filazany dia nomena azy niaraka ny manodidina io lohahevitra io sy ny andalana ao amin’ny Baiboly mifandraika amin’izany. Namafisiny fa io fanambarana io, izay tsy maintsy nampitainy tamin’ny Fiangonana, dia anisan’ireo “zavamiafina“ izay voambara tamin’ny fanokafana ireo Tombokase. Araky ny fantatry ny rehetra ny “fanambarana“ dia filazana zavatra tsy hain’olona taloha. Kanefa nisalasala betsaka i William Branham vao nitory io lohahevitra io, satria natahotra izy ny tsy ahazoan’ny olona izay holazainy, ary koa ny mety ho vokatr’izany toy ny fisarahana sy zavatra hafa. Tao amin’ny toriteniny Ny Eksodosy fahatelo, ny 30 Jiona 1933 izy dia nilaza matetika fa nandre Feo niteny taminy.

Hoy izy: “Ataovy io horonampeo mikasika ny fanambadiana sy ny fisaraham-panabadiana io. Hitanareo? Raha sitraky ny Tompo, ary raha mbola manavesatra ny foko izany, ary koa raha mbola atoron’ny Tompo zavatra hafa mikasika io aho, ataoko fa tsy maintsy hanaovako horonampeo izany“. Mbola nampiany aza hoe: “Mety hampihainoan’ ny olona ireo mpitsara io kasety io, mba ho fantatr’izy ireo izay lazain’ny Tompo mikasika ny fanambadiana sy ny fisaraham-panambadiana.“

Efa taorian’izany, rehefa avy nilazan’ny Tompo izy hiakatra indray eny an-tendrombohitra, ary ny Tompo nidina indray tao anatin’ilay rahona mahagaga niresaka taminy mikasika ny fanambadiana sy ny fisaraham-panambadiana, vao nitory ilay hafatra izay nambara taminy izy, tao amin’ny fiangonany ao Jeffersonville.

Hoy izy: “Nisy Zavatra niteny tamiko hoe ‘Indao ianao hankany an-tendrombohitra, Izaho hiteny aminao’… Nijery Azy ny tanàna iray manontolo. Tsara tokoa ny andro tamin’izay, tsy nisy rahona na tokana, afa tsy io rahona niloko vonivony io, niendrika lantonoara, izay niantona teo, dia niakatra, avy eo nivelatra. Ry sakaiza malala, tamin’io fotoana no voambara tamiko ny zavatra holazaiko aminareo izao ihany; koa aza andalovana izany.“

Mitranga indray ankehitriny izay efa nitranga hatrizay: Te-handre feo ana mpaminany isika, saingy sady miandry azy hilaza izay efa nahazatra ny sofintsika ihany, izany hoe izay efa nampianarin’ny hafa. Kanefa ny hevitra iray nampianarina efa ela be aza, na koa ny hevitra iray toa tsara sy tena ara-pivavahana tokoa, dia mety tsy hifanaraka tanteraka amin’izay voalazan’ny Baiboly. Ireo lehilahy 400 tamin’ny andron’i Ahaba izay nofehezin’ny fanahin’ny lainga, dia mpaminany neken’ny rehetra, tena mpaminan’ny Fiangonan’Isiraely. Fa Mikea kosa, izy dia “mpaminanin’Andriamanitra“. Toy ny tsifitovian’ny fotsy sy ny maintsy no tsy itovian’izany. Efa naminany ny Tompontsika fa hisy mpaminany sandoka maro be hitsangana amin’ireo andro farany. Ary namarininy koa izay voalazan’ny mpaminany Malakia, fa ho avy ny mpaminany Elia hampody ny zavatra rehetra (Matio 17:11, Asa 3:19-21), dieny mbola tsy ho tonga ny andron’i Jehovah, lehibe sy mahatahotra. Tonga tamin’ny mpaminany hatrany ny Teny, ary izy ireo dia afaka milaza marina ny andro, ny volana ary ny taona nahazoany Azy (Hagay 2:1,10,18 sy ny hafa). Izay voasoratra dia mbola manan-kery ankehitriny. «Tsy manao na inona na inona tokoa Jehovah Tompo, raha tsy milaza ny heviny amin'ny mpaminany mpanompony.» (Amosa 3:7; Apok.10:7 sy ny hafa)

Ny iraka izay nandeha naka an'i Mikaia niteny tamin’ilay mpanompon’ Andriamanitra hoe: «… aoka re ny teninao mba ho tahaka ny an'ny anankiray amin'ireo, ka mba mitenena soa koa.» (2 Tantara 18:12). Satria i Zedekia, lehiben’ny mpaminany, efa nanao tandroka vy, ary naminany mafy, nihiaka hoe: “Izao no lazain’i Jehovah“ (and. 10), kanjo tsy “Izao no lazain’i Jehovah Tompon’ny maro“ akory izany, fa “Izao no lazain’i Zedekia“ ihany. Rehefa nanomboka niteny toy ireo hafa teo alohany ilay lehilahin’Andriamanitra, dia nahatsapa i Ahaba — na mpanjaka efa nihemotra aza izy — fa misy zavatra tsy mety, koa nibedy an’i Mikaia izy «… mba tsy hilaza na inona na inona amiko amin'ny anaran'i Jehovah afa-tsy izay marina ihany» (2 Tant.18:15). Dia nolazain’i Mikaia tamin’ireo mpanjaka roalahy, Josafata sy Ahaba, àry ny fanambarana izay azony, satria Josafata, na dia efa naheno ireo mpaminany 400 aza, mbola nanontany sao misy hafa mbola tsy nohenoiny, anankiray hafa izay niresahan’Andriamanitra koa. Hoy ny fanambarana hoe: «Henoy àry ny Tenin'i Jehovah: Nahita an'i Jehovah nipetraka teo amin'ny seza fiandrianany aho, ary ireo maro be rehetra any an-danitra nitsangana teo amin'ny ankavanany sy teo amin'ny ankaviany…» (2 Tant. 18:18). Mikaia irery no nanana ny Tenin’i Jehovah, ilay tena Fanahin’Andriamanitra, ilay IZAO NO LAZAINI JEHOVAH, fa ny mpaminany hafa rehetra dia nanana fanahin-dainga nanaraka ny fisainana ara-pivavahana. Raha misy olona milaza azy ho “nirahin’Andriamanitra“, kanefa mbola izay lazaina na nolazain’ny hafa rehetra ihany no lazainy, Andriamanitra dia tsy niteny tamin’ny alàlany. Afa-tsy raha izy milaza fanambarana avy tamin’ Andriamanitra, izay mandrakariva hafa noho ny fampianarana nentin-drazana sy eken’ny maro, kanefa mandrakariva koa mifanaraka amin’ny voalazan’ny Soratra Masina, dia Jehovah tokoa no niteny.

Next chapter