NY FAHAFOLONKARENA
Famelabelarana ara-Baiboly
Ewald Frank
Tsy didy vaovao akory izany
Ny fahafolonkarena araky ny fijery ara-Baiboly
Ho valin’ireo fanontaniana sesilany mikasika io lohahevitra io, dia nahatsapa aho fa tsara ny hijerena azy io eo ambanin’ny fahazavan’ny Soratra Masina: ny “fahafolon-karena” izany. Tsy mahita isika, ao amin’ny Testamenta Vaovao, didy miteny mivantana amin’ny Fiangonana mikasika ny fahafolon-karena. Na izany aza, dia hita ao ny torohevitra sy anatranatra izay tsy azo odian-tsy hita ny maha-zava-dehibe azy. Jesosy Tompo dia niteny hoe:
«Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa mandoa ny fahafolon'ny solila sy ny aneta ary ny komina ianareo, nefa navelanareo izay lehibe amin'ny lalàna, dia ny rariny sy ny famindram-po ary ny finoana; ireto tokony ho nataonareo, nefa tsy tokony havelanareo ireroana» (Matio 23:23).
Nasehon’ny Tompo mazava tsara tamin’ireo teny ireo fa tsy maintsy ampiharina ny rariny sy ny famindram-po, saingy tsy adinoina koa ny manome. Araky ny Levitikosy 27:30, sy ireo andalana hafa koa ao amin’ny Testamenta Taloha, dia fanaon’ny mpino Jiosy ny manome ho an’ny Tompo ny fahafolon’ny zavatra rehetra. Ary, na dia Abrahama aza, maherin’ny 400 taona mialoha ny nampidirana ny Lalàna, dia nanome ny fahafolon-karena, nanehoany ny fankasitrahany. Noho izany, tsy ny Lalàna no niavian’ny fahafolon-karena, fa nampodiana tao aminy fotsiny izany tatỳ aoriana.
Izao no voasoratra ao amin’ny Genesisy 14:18-20:
«Ary Melkizedeka, mpanjakan'i Salema, nivoaka nitondra mofo sy divay; ary izy dia mpisoron' Andriamanitra Avo Indrindra. Dia nitso-drano azy Izy ka nanao hoe: Hotahin' Andriamanitra Avo indrindra anie Abrama, dia Andriamanitra Izay nahary ny lanitra sy ny tany; Ary isaorana anie Andriamanitra Avo Indrindra, Izay efa nanolotra ny fahavalonao teo an-tananao. Dia nomen'i Abrama azy ny ampahafolon' ny zavatra rehetra.»
Nandeha nitsena an’i Abrahama ny Tompo mahatoky, nisalotra ny maha-Mpanjaka sy Mpisorona Azy, nitondra mofo sy divay ka niara-nihinana taminy, rehefa avy nanome fandresena azy tamin’ireo mpanjaka jentilisa Izy. Mba ho fankasitrahana Azy, dia nomen’i Abrahama Azy ny fahafolon’ny zavatra rehetra. Tsy iza akory Melkizedeka fa ny Mpanjakan’ny Fahamarinana sy Fiadanana mihitsy (Hebreo 7:14).
Nomena an-tsitrapo ny fahafolon-karena talohan’ny fampidirana ny Lalàna. Tato aoriana tsy maintsy natao izy, mba hampahatontosa tsara ny fisoronana nataon’ny fokon’i Levy tao amin’ny Tempoly. Ny fanatitra natao ho an’ny Tompo dia fandraisana anjara manokana nalain’ny vahoaka tamin’ny fananany avy. Tamin’io tranga io dia noferana arak’izay nilaina tamin’ny fanamboarana ny tabernakely ny habeny (Eks.25:1-4; Eks.35:4-5; Eks.36:3-7). Tsy mba nandova tany toy ireo foko hafa ny fokon’i Levy, fa izy kosa nandray ny fahafolon-karena avy tamin’ireo foko hafa ho anjara lovany. Ary tsy maintsy manome ny ampahafolon’ny fahafolon-karena natolotra azy kosa ireo levita mpisorona ireo ho fanatitra (Nomery 18).
Ato amin’ny Testamenta Vaovao, tsy adidy intsony ny fahafolon-karena. Noho izany, tsy tokony hisy olona handidy na hibaiko ny hafa amin’izay ataony mikasika izany. Ao amin’ny epistiliny ho an’ny Filipiana, toko faha-4, andininy 10-20, dia nanoratra Paoly hoe:
«Ary fantatrareo koa, ry Filipiana, fa tamin'ny niandohan'ny filazantsara, rehefa niala tany Makedonia aho, tsy nisy fiangonana nanan-draharaha tamiko ny amin'ny fanomezana sy fandraisana, afa-tsy ianareo ihany». Ary hoy izy ao amin’ny 2.Korint.9:7 hoe:«Aoka ny olona rehetra samy hanao araka izay inian'ny fony avy, tsy amin'ny alahelo, na amin'ny faneriterena; fa ny mpanome amin'ny fifaliana no tian'Andriamanitra.».
Ny fanangonam-bola nohon’ny antony manokana dia zavatra hafa. Izao manaraka izao ny torolalana nikasika izany:
«Amin'ny andro voalohany isan-kerinandro dia samia manokana ao aminy avy ho rakitra na amin'inona na amin'inona no anambinana azy, mba ho vita rahateo ny famoriam-bola mandra-pahatongako.» (1 Korintiana 16:2)
Izay mamaky ireo toko voalohany ao amin’ny Asan’ny Apostoly, dia hahita mazava tsara ny fitiavambavak’ireo mpinon’ny Fiangonana tany am-piandohana, indrindra ao amin’ny toko 2:43-47 sy 4:32-37. Iray saina sy iray fo izy ireo, ary tsy nisy teo aminy izay nihevitra ny fananany ho toy ny azy manokana. Raha ny mikasika izany, dia izao no vakiantsika:
«…fa izay nanana tany (tsy zaridaina) na trano (tsy trano kely), raha nivarotra izany, dia nitondra ny vola vidin'ny zavatra lafo, ka napetrany teo anoloan'ny tongotry ny Apostoly,..».
Raha ny amin’io tranga io dia tsy maintsy ifantohantsika tsara ny teny tsirairay.
Fahadisoana ny milaza hoe: «Tamin’izany andro izany ny mpino rehetra dia samy nivarotra ny tranony sy ny fananany manontolo avy». Tsy marina velively izany satria izy ireo nivory tao an-tranony mba hamaky mofo (Asa.2:42-46). Noho izany dia voasoratra ara-bakiteny ny hoe: «… fa izay nanana tany na trano, raha nivarotra izany,..». Nazava taminy fa tsy nilaina ny hanana trano maro fa trano tokana dia ampy honenany. Koa dia namidiny izay rehetra tsy nilainy tamin’ny fiainany manokana. Tsy maintsy soritana koa fa tsy mba nanery ny olona hanao izany ny apostoly. Ny marina dia, velona sy nahery tao aminy ny fiandrasana ny Fiverenan’i Jesosy Kristy izay nampanantenaina, hany ka tsy nisy lanjany firy teo aminy intsony ny zavatry ny tany; ny mifanohitra amin’izany, ny nisaraka tamin’ireny no nataony.
Araka izany dia voasoratra koa ao amin’ny Asa 20:35, hoe:
«…Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.», ary ao amin’ny 2.Korint.9:8, hoe: «Ary Andriamanitra mahay mampitombo ny fahasoavana rehetra aminareo, mba hanananareo ny onony rehetra mandrakariva amin'ny zavatra rehetra, ka hitombo amin'ny asa tsara rehetra;» .
Mila maneho amin’ny Tompo ny fankasitrahany ny zanak’Andriamanitra noho ny zavatra rehetra nataony taminy, koa miezaka mampiasa izay ananany izy ireo mba ahatongavan’ny fitoriana ny Filazantsara any amin’ny hafa.
Voatahy Abrahama satria nanana ny teny fikasana izy. Misy fifandraisana mivantana ny amin’ny “manome”, sy ny “manana ny teny fikasan’Andriamanitra”, ary ny “fitahiana”. Toy izao ny filaharany: teny fikasana, finoana, fitahiana. Nandray ny teny fikasana i Abrahama, ary nomen’Andriamanitra ny fandresena tamin’ireo mpanjaka. Nanaraka ny fandraisana ny mofo sy divay, ny tso-drano, ary ny fanolorana ny ampahafolon-karena.
Ny Soratra Masina milaza izao mikasika izany:
«Ary ety dia izay olona mety maty no mandray ny fahafolon-karena, fa any kosa dia izay nambara fa velona. Ary toa azo lazaina fa Levy aza, izay mandray ny fahafolon-karena, dia mba nandoa ny fahafolon-karena koa tao anatin'i Abrahama,» (Hebreo 7:9). «Fa raha an'i Kristy ianareo, dia taranak'i Abrahama sy mpandova araka ny teny fikasana.» (Galatiana 3:29).
Arak’izay azo vakiana, na dia olombelona aza no mandray ny fahafolon-karena, dia Jehovah Andriamanitra ihany no nanolorana izany. Nanangana minisitera Izy ao amin’ny Testamenta Vaovao, ary avy amin’izany (fahafolonkarena) no tokony hanohanana ireo Mpanompony.
«Tsy fantatrareo va fa izay manompo amin'ny zavatra masina dia mihinana ny zavatry ny tempoly, ary izay manompo eo amin'ny alitara dia miombona amin'ny alitara? Toy izany koa no nandidian'ny Tompo, fa izay mitory ny Filazantsara dia hahazo fivelomana amin'ny Filazantsara.» (1 Korintiana 9:13-14)
Na ny rahalahy Branham aza, tao amin’ireo toriteniny, dia matetika izy nilaza fa tokony hivelona avy amin’ny fahafolon-karena ireo mpanompon’Andriamanitra. Niteny koa izy fa na ny tenany aza dia manolotra ny fahafolon-kareny ho an’ny Tompo, ary ny tena mpino dia mbola manao izany ankehitriny. Raha dinihina ao amin’ny tantaran’ny Fanavotana ny minisitera nomen’Andriamanitra azy, dia tsikaritra, ary azo antoka fa tsy fifanandrifian-javatra fotsiny ny firesahana ny fahafolon-karena sy ny fanatitra ao amin’ny Malakia toko faha-3. Ao amin’io toko io no ahitantsika, voalohany ny teny fikasana mikasika ilay tsy maintsy ho avy hanomana ny làlana, ilay mpaminany izay tsy maintsy hiseho mialoha ny fihavian’ny Tompo, ary hitantsika ny fahatanterahan’izany ao amin’ireo Filazantsara efatra tamin’ny minisiteran’i Jaona Mpanao batisa. Amin’ny faran’io toko faha-3 io, dia voalaza ao ilay mpaminany izay tsy maintsy ho avy mialoha ilay andron’ny Tompo, izay sady lehibe no mahatahotra, ka ny ministerany dia hampody ny zavatra rehetra amin’ny toerany avy. Toy izany no nanamarinan’Ilay Tompo-Mpanavotra antsika azy ao amin’ny Matio 17:11 sy Marka 9:12. Noho ny Fahasoavany dia afaka nandray anjara tamin’io minisitera io ny tenanay, ka manohy izany.
Tokony ho feno vavaka ny tsirairay rehefa mamaky ny Malakia toko faha-3, ka mamela ny Tenin’Andriamanitra hiteny ao am-pony. Raha ny mikasika ny fahafolon-karena sy ny fanatitra, dia izao no vakiantsika ao:
«Fa Izaho Jehovah dia tsy miova, ary ianareo, ry taranak'i Jakoba, dia tsy fongana. Hatramin'ny andron'ny razanareo dia efa niala tamin'ny didiko ianareo ka tsy nitandrina azy. Miverena amiko, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. Nefa hoy ianareo: Ahoana ary no ho fiverinay? Handroba an'Andriamanitra va ny olona, no mandroba Ahy ianareo? Nefa hoy ianareo: Amin'inona moa no androbanay Anao? —Amin'ny fahafolon-karena sy ny fanatitra. Voaozona amin'ny ozona ianareo nefa Izaho no robainareo, dia izao ianareo rehetra iray firenena izao. Entonareo ny fahafolon-karena rehetra ho ao amin'ny trano firaketako, mba hasian-kanina ao an-tranoko, ary izahao tœtra amin'izany Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, raha tsy hovohako ny varavaran'ny lanitra ho anareo ka hampidinako fitahiana manana amby ampy ho anareo.» (Malakia 3:6-10).
Indroa no voatonona ny IZAO NO LAZAIN’NY TOMPO ao amin’io andalan-tsoratra Masina io. Raha ny aminay, tsy hanogilan-tsofina amin’izay lazain’ny olona mikasika izany izahay, fa ny ilainay dia ny “IZAO NO LAZAIN’NY TOMPO” ihany. Raha vao io andian-teny io no ambara, dia mahatsiaro ho voadina izahay mikasika ny fahamatoran’ny zavatra voalaza. Mety misy hilaza fa ao amin’ny Testamenta Taloha no voasoratra io teny io, mba hanohanany ny heviny. Maro no te-hanao ampihi-mamba ireo teny fikasana ao amin’ny Testamenta Taloha, ary mamela ny ambinkambiny ho an’ny hafa. Kanefa tsy azo anaovana adihevitra sy fifandresen-dahatra ny Tenin’Andriamanitra. Satria efa nambaran’Andriamanitra tao amin’ny Testamenta Taloha avokoa ny zavatra rehetra —ny mikasika Ilay Mpanavotra sy ny Drafi-panavotana manontolo— ary ao amin’ ny Testamenta Vaovao izany dia tanteraka araky ny fizotrany avy.
Hoy ny Tompo: «Fa Izaho Jehovah, dia tsy miova…». Amena. Tsy afaka ny hiova Andriamanitra. Tsy miova mandrakizay Izy. Manakiana ny Vahoakany toy izao Izy hoe:
«Hatramin'ny andron'ny razanareo dia efa niala tamin'ny didiko ianareo ka tsy nitandrina azy», ka mibaiko azy ireo Izy hoe:
«Miverena amiko, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho».
Ary manontany ny Vahoaka hoe:
«Ahoana ary no ho fiverinay?» Ny valiny nomen’Andriamanitra dia ity: «Handroba an'Andriamanitra va ny olona, no mandroba Ahy ianareo? Nefa hoy ianareo: Amin'inona moa no androbanay Anao?».
Tsapa ny maha-hentitra ireo teny ireo. Nampangain’ny Tompo ho namitaka Azy ny Vahoakany. Mitsara ireo Azy Izy, ary amin’ny tsifahalalana no anontanian’ireto farany, hoe: «Amin'inona moa no androbanay Anao?». Dia milatsaka toy ny fiampangana ny valiny hoe: «Amin'ny fahafolon-karena sy ny fanatitra». Tokony hanozongozona antsika rehetra raha toa ka mitsara ny Zanany Andriamanitra, ka miampanga ny Vahoakany ho namitaka Azy. Goavana, tsy araka ny fiheveran’ny maro izany. Aorian’izany, tononin’ny Vavany ireo teny izay mitsofoka any amin’ny tsoka, hoe: «Voaozona amin'ny ozona ianareo!».
Iza no hanolo-tena mba ho kapohin’ny ozona? Kanefa nitodika tamin’ireto izay tsy nanome Azy ny fanatitra sy ny fahafolon-karena ireto ny maso masina an’ Andriamanitra. Te-hahazo fitahiana ny rehetra sady te-hahita ny fahatantanterahan’ ny teny fikasana, saingy, mety misy ny sakana manasampona. Mety mbola tsy voaongotra ny fototry ny aretina rehetra (1.Tim.6:10). Gaga ireo ny amin’ny fahatsapana tsy fandrosoana miavaka tsara ao amin’ny fiainany ara-panahy. Misy mihevitra fa avy any amin’ny razany ny anton’izany. Dia mikaroka izy hatrany amin’ny ambaratonga fahatelo na fahefatry ny razany, ary tsy tsapany akory fa ny tsifankatoavana no mety ho anton’izany. Amin’Andriamanitra dia heloka mitovy amin’ny fankatòvana ihany ny tsifankatoavana (1.Sam.15:23). Voasoratra ao amin’io andininy io koa fa fahadisoana mitovy amin’ny fanompoan-tsampy ny ditra. Tsy misy didy manan-toetra jadona mihoatra ny mametraka ny sitrapontsika ho eo ambanin’ny Sitrapon’ Andriamanitra. Tsy mahavita na inona na inona ny mivavaka fotsiny hoe “Atao anie ny Sitraponao”, fa isika no tsy maintsy miezaka ho tonga amin’ny fankatoavana tanteraka ny Sitrapon’ Andriamanitra.
Tsy maintsy nanakiana azy ireo Andriamanitra fahiny. “Izaho no robainareo, dia ianareo rehetra iray firenena.”
Na izany aza, dia nomeny avy hatrany ny làlan-kivoahana tamin’izany:
«Entonareo ny fahafolon-karena rehetra ho ao amin'ny trano firaketako, mba hasian-kanina ao an-tranoko, ary izahao tœtra amin'izany Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, raha tsy hovohako ny varavaran'ny lanitra ho anareo ka hampidinako fitahiana manana amby ampy ho anareo.»
Eto ny Tompo dia manasa antsika hizaha toetra Azy mba ahafahantsika manandrana ny Fihazonany ny Teniny. Mitàna ny Teniny Andriamanitra rehefa manao izay lazainy isika! Miverimberina matetika ao amin’ity andalana ity ny “IZAO NO LAZAIN’NY TOMPO”, manisy tsindrimpeo amin’ny maha-matotra ny lohahevitra. Afamatotry ny Tompo amin’ny Teny fampanantenany, mba hahitantsika raha hisokatra tokoa ny lanitra hirotsahan’ny fitahiana manana amby ampy, ny amin’ny anolorany ny Tenany mba hozahantsika toetra Azy. Isika koa mitady fitahiana manana amby ampy avy amin’ Andriamanitra rahateo. Koa ny Tompo mihitsy, amin’izany lafiny izany, no nanoro antsika ny làlana ahazoana izany. Mazava ho azy fa mbola ny fankatoavana ihany no takiana amintsika rehetra amin’ireo lafiny sasany.
Toy izay voalazan’ny Tompo Andriamanitra, tsy maintsy entina ao amin’ny Trano firaiketana ny fahafolonkarena ― ao amin’ny terana izay izarana ny sakafo hatrany ihany, ny Teny velona voambara. Izany no voasoratra. Tsy misy olona mahazo mampiasa izany amin’ny sitrapony manokana. Araka ny Soratra Masina, tsy natokana ho an’ny pastora samirery ny fahafolon-karena. Ireo minisitry ny Teny dia manao ny fizarana ny sakafo, ka amin’izany izy ireo dia mandray izay ampy amin’ny filany fotsiny ihany, ho tambiny. Rahalahy Branham tsy nilaza hoe: “Aloavy amin’ny pastora ny fahafolon-karenareo”, fa hoy izy, ao amin’ny toriteniny “Toy ny voromahery mifoha…”, tamin’ ny 4 aogositra 1960, hoe: “Aloavy ny fahafolon-karenareo, dia handray ny tambin-kasasarany ny pastora.” Samihafa tokoa izany. Raha ny mikasika azy, tao amin’ny toriteniny “Mitenenena amin’ny Vatolampy” sy tamin’ny fotoana hafa koa, dia izao no voalazany: “Mandray ny karamako avy amin’ny fiangonana aho, izay 100 dolara isan-kerinandro”.
Tsy misy mpitoriteny manan-jo hanao ny fahafolon-karena ho loharanom-bolany (1.Tim.6:3-10), ary indrindra ka hangoron-karena amin’izany, satria ho banga ny vola ao amin’ny Trano firaketana. Raha misy olona nahazo antso sy iraka tamin’ny Tompo tokoa, dia mety aminy koa ireto teny notononin’ny Mpampianatra ireto raha naniraka ny Mpianany Izy: «Aza mitady volamena, na volafotsy, na varahina, ho ao anatin'ny fehin-kibonareo,…» (Matio 10:9). Nanentana an’i Timoty hifikitra amin’ny fampianarana masina an’i Jesosy Kristy Tompo i Paoly, ka nanoratra taminy izy hoe:
«Fa tsy nitondra na inona na inona ho amin'izao tontolo izao isika, sady hita fa tsy hahatondra na inona na inona hiala. Fa raha manan-kanina sy fitafiana isika, dia aoka hianina amin'izany. Ary izay ta-hanan-karena dia latsaka amin'ny fakam-panahy sy ny fandrika ary ny filàna maro tsy misy antony sady mandratra, izay mandentika ny olona ao amin'ny fandringanana sy ny fahaverezana.» (1 Timoty 6:7-9)
Mino izahay fa ankehitriny, amin’izao fiafaran’ny fotoan’ny Fahasoavana izao, tsy maintsy averina amin’ny toerany avy ny zavatra rehetra, na ao amin’ny fiainan’ny tsirairay, na ao amin’ny Fiangonana, mba ho tanteraka marina ny fampodiana ny zavatra rehetra. Toy ny tamin’ireo kristiana voalohany izay nino ny Teny tsy misy kileman’Andriamanitra, sady nanana ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny fahamarinana tao anatiny, dia mbola ho toy izany koa amin’ny farany ho an’ireo tena zanak’ Andriamanitra. An’ny Tompo isika sy izay rehetra nomeny antsika, ary mpitantana fotsiny isika amin’izay napetrany amintsika. Ry rahalahy sy anabavy malala, ry hava-malala, fohy ny andro sisa iainantsika eto an-tany. Raha ny Fanjakan’Andriamanitra no katsahintsika voalohany, dia homena antsika koa izay rehetra ilaintsika. Enga anie isika ho afaka hanome an-kalalahana an’ny Tompo, tsy an-tery fa amim-pankasitrahana.
Hatramin’ny fiandohan’ireo taona 60, dia hitantsika ny fomba nanampian’ilay Andriamanitra mandrakizay sy mahatoky ny Fiangonany sy ny Asany amin’ny alàlan’ ireo izay Azy. Nandritra ny 40 taona mahery, tsy nandrotsaka ireo Fitahiany sesehena ara-panahy fotsiny Andriamanitra, fa niahy antsika koa Izy tamin’ireo filantsika etỳ an-tany.
Tany amin’ny fiandohan’ireo taona 60 sahady dia efa nahavidy ny tokotany voalohany izahay nananganana ny trano fiangonana, ary taty aoriana, teny antenantenan’ireo taona 70, nahavidy ny tokotany mifanila amin’ilay voalohany nahavitana nanorina ireo trano ho an’ny Centre missionnaire, izay ahitana ireo birao, ny trano fanontam-boky, ireo efitrano fikarakarana ny fandefasam-boky, sns… Niahy mihoatra izay nangatahanay tamim-bavaka sy izay azonay nosaintsainina Izy. Izany no tanteraka, voalohany indrindra dia noho ny fanohanan’ireo rahalahy sy anabavy miteny Alemana. Raha ny amiko, nandritra ireo taona rehetra ireo aho, ka mandrak’ androany, dia nanatanteraka ny iraka nampanaovan’i Jesosy Tompo ahy ny 2 aprily 1962. Ny amin’ny sisa rehetra dia Izy ihany no niahy izany. Ireo izay mahafantatra ny Hafatra ho an’ny andro farany, sy ny fiandohana vaovao an’ny Fiangonan’ Andriamanitra, izay Izy Andriamanitra ihany no nanao izany, ary ny asa misionera, dia mahalala fa tsy mba nanisy resaka mikasika vola ny tenako. Tsy mba nitory mikasika ny fahafolon-karena aho nandritra ireo 40 taona ireo, ary indray mandeha monja aho no nampanangona fanatitra manokana, tamin’ny 1973, tato amin’ny fiangonan’i Krefeld, mba hanorenana ny tranon’Andriamanitra.
Ao amin’ny trano firaiketana ny Teny rehetra ho an’izao andro farany izao, ary zaraina izany ho sakafo ara-panahy manerana izao tontolo izao. Tombontsoa ho an’ireo izay tena tia an’i Jesosy Tompo ny fahazoany mandray anjara amin’ny fizarana ny sakafo sy ny fampielezana ny hafatra ho an’ny andro farany.
Izay tena singan’ny Fiangonana dia mandray anjara amin’izay rehetra miankina amin’ ny minisitera napetrak’Andriamanitra.
Ankehitriny, miara-miasa amin’ny rahalahy tompon’andraikitra amin’ny toerana samihafa izahay, dia misahana firenena mihoatra ny 150, andefasanay maimaimpoana boky, sy kasety, ary CD sy DVD, ary koa fandaharana fahitalavitra amin’ny fiteny mihoatra ny roapolo. Ny tendrin’Andriamanitra no nahatonga izao asa misionera izao ho isan’ireo miely indrindra maneran-tany, satria tsy maintsy tonga any amparan’ny tany ity hafatra farany ity amin’ny maha Filazantsara mandrakizay azy (Matio 24:14, Apok.14:6 sy ny hafa).
Manantena aho fa ny tsirairay dia hahay handray ity famelabelarana tsotsotra ity amin’ny tokony ho izy, izay nosoratana tamin’ny fo madio ary mifototra amin’ny Tenin’ Andriamanitra. Sarotra tamiko ny nanoratra mikasika ity lohahevitra ity, satria maro ireo mpino izay manome an’ny Tompo arak’izay vitany, ary mihoatra ny fahafolon-karena aza indraindray. Ny rehetra anie ho afaka handray izay tandrify azy ao amin’ity famelabelarana ity ary hamaky fotsiny ny sisa. Ny fitahian’ilay Andriamanitra Tsitoha anie ho aminareo rehetra, ka ny Andriamanitr’i Abrahama, Isaka ary Jakoba, Andriamanitsika sy Raintsika hamaly soa sy hamaly fitia anareo mihoatry ny mitafotafo, ao amin’i Jesosy Kristy. Mangataka ny fanohananareo am-bavaka aho, ho an’ireo loholona sy ireo mpanompo rehetra ao an-Tranony.
Miasa araky ny irak’Andriamanitra
Sonia: Rahalahy Frank