Fampidirana amin’ny Drafi-Pamonjen’Andriamanitra
Amin’ireo boky miely indrindra maneran-tany, dia ny Baiboly no mitana lavitra ny laharana voalohany. Teo anelanelan’ny taona 1960 sy 2010, dia sahabo 3,9 lavitrisa ny isan’ny lafo nanerana ny tany. Araka ny “Alliance Biblique Universelle“, ny Janoary 2015, dia voadika tamin’ny fitenim-pirenena sy fitenim-poko 563 samihafa ny Baiboly. Ny Baiboly irery no boky izay mampahafantatra antsika izay nitranga hatra tamin’ny fiandohan’ny fotoana, sy izay mbola hitranga hatramin’ny fiafarany. Hita ao anatiny manontolo ny Tantaran’ny zanakolombelona voasoratra mialoha. Na izay mitranga ankehitriny izao aza dia efa voambara tao amin’ireo faminaniana ao amin’ny Testamenta Taloha sy Vaovao.
Ity famelabelarana ity dia mitodika amin’ny olona rehetra tsara sitrapo, any amin’ny firenena sy fiteny rehetra eto ambonin’ny tany. Ankoatra ireo fivavahana lehibe enina teo aloha ireto: ny jodïsma, kristianisma, islamisma, taoïsma, bodisma, ary indoïsma, dia nisy vaovao nanampy, izay nampiakatra ho roambinifolo ny isan’ireo fivavahana lehibe maneran-tany. Tsy mahagaga, raha ny tsirairay amin’ireo dia mihambo ho ilay manana ny finoana marina. Ankoatra ireo, dia mbola misy fivavahana maro niforona avy tamin’ny zavaboaàry sy ireo fokom-pirenena. Ny rehetra dia samy resy lahatra amin’ny fahamarinan’ny fivavahany sy ny làlany. Mety hisy tokoa ve fivavahana iray marina, izay noforonin’ny olona mety maty, nandritra izay fotoana rehetra izay? Marina fa samy tsy azo kitikitihana ny finoana fototra an’ny olona tsirairay sy ny maha-izy azy, satria manana zo hino izay heveriny fa marina izy. Saingy marina koa fa ny fivavahana rehetra izay noforonin’olombelona dia tsy misy manana ny raikitra, ny fisiana jadona, izay tsy mety isalasalana na kely aza. Ireo hetsika ara-pivavahana dia tsy maharitra, ary ny marina, izy ireny dia natao ho an’izao fiainana mandalo izao ihany. Ny filozofia rehetra sy ny teolojia rehetra dia samy voafetry ny maha avy amin’olona azy avy, ary amin’ny farany, dia tsy mahita valiny amin’ireo fanontaniana tena manan-danja.
Misy ireo zavatra izay tsy takatry ny saintsika velively, kanefa manana toetra raikitra. Anisan’izany ny namoronana ny olombelona mitovy endrika amin’ilay Mpamorona, sy ny nanomezana azy ny fahaiza-mamorona zavatra. Noho ny tsifinoana sy ny tsifankatoavana izay nitarika tamin’ny fahotana tao Paradisa, ny zanakolombelona dia nahilika niala ilay fiombonana mandrakizay tamin’Andriamanitra velona, ary natolotra ho amin’ny fahafatesana, satria, marina loatra, fa ao amin’ny fiainana dia tsy misy zavatra azo antoka mihoatra ny fahafatesana.
Izay rehetra anatin’ny fotoana dia manam-piandohana ary manam-piafarana. Izay tsy nanam-piandohana irery ihany no tsy hisy fiafarana. Tsy nomena antsika hatra teo am-pahaterahana ny fidirana ao amin’ny mandrakizay. Ny fahaterahantsika no nidirantsika tao amin’ny fotoana. Amin’ny maha zavamanan’aina ao anatin’ny fotoana antsika, dia tsy manana avy hatrany ny fiainana mandrakizay isika: Andriamanitra irery, izay mandrakizay, no afaka manome izany antsika.
Ny hany boky tokana izay antsoina Soratra Masina sy Tenin’Andriamanitra, ary rariny tokoa izany, dia ny Baiboly. Ary andeha hiaraka handinika Azy isika, amin’ny lafiny mavesa-danja vitsivitsy. Ao aminy irery no ahitantsika, voatantara, ny zavamisy rehetra, hatra tany am-piandohana, manomboka amin’ny famoronana ny tany sy ny lanitra, ka hatramin’ny fiafaran’ny fotoana, ary na ny ankoatra izany aza.
Mialoha ny hijerentsika ny any ankoatry ny fotoana, dia jerentsika ny nidiran’ilay Mandrakizay ato amin’ny tantaran’ny fotoana. Voalohany, Andriamanitra dia hitantsika ao amin’ny voahary. Amin’ny olona rehetra izay misaina ny fiandrianan’ny erana dia zavamisy mampihevitra fa misy ny Mpamorona. Ny firindrana mahagaga, amin’ny zavamanan’aina rehetra any anaty rano, ambonin’ny tany, eny amin’ny rivotra, ireo zavamaniry rehetra, ireo hazo, ireo voa famafy sy ireo vokatra, ny fiainana sy ny fanaranaka hita manerana ny voaàry, ireo rehetra ireo dia vavolombelona velona ho an’ny Mpamorona. Inona izao, ohatra, ny zavatra mba ampitain’ny “fampianarana ny fivoarana“ (théorie de l’évolution), eo anatrehan’ny fisian’ny voaàrin’Andriamanitra? —Tsy inona fa fiezahana handà fotsiny ny fisian’ny famoronana sy ny Mpamorona. Famoronan-tsaina fotsiny izany, fa ny voaàry kosa dia zavamisy. Miteny ho azy fotsiny ireo zavamisy voaporofon’ny fisiany. Hatramin’ny androany, dia manaranaka araka ny karazany avokoa ny manan’aina rehetra, araka ny nilazan’ny Mpamorona azy (Gen.1:12). Izay nandre ny amin’ny hery-tsy-tohaina an’Andriamanitra sy ny maha-eny-rehetra-eny Azy, dia afaka hahita izany ara-panahy ao amin’ny voaàry hitan’ny masony.
Ao amin’ny tantarany, ny zanakolombelona dia niharitra fitrangan-javatra sarotra, izay nanozongozona hatrany ny finoan’ny maro. Ny Tompon’ny lanitra mbola tsy nandray ny Fitondrany eto an-tany. Fa mbola ny mpanjakan’ity tontolon’ny aizina ity aloha no manjaka, mihazona ny zanakolombelona manontolo eo ambanin’ny fifehezany. Raha tsy afaka amin’ny fifehezan’ilay ratsy ny olona iray, amin’ny alàlan’ny fiovam-po manokana ho an’ny Mpamonjy, dia tsy tafatoetra eo ambanin’ny fifehezan’Andriamanitra. Raha mivavaka isika, manonona ny “Rainay izay any an-danitra“, dia anatin’izany ny hoe: “Ho tonga anie ny Fanjakanao!“ Ary tamy marina tokoa izany! Antomotra ny fotoana. Manondro izany ireo famantaran’ny fotoana.