'

NY LAMIN’NY FIANGONANA 
 (L’ordre de l’église)

7 OKTOBRA 1958 JEFFERSONVILLE, INDIANA, ETAZONIA

Vao avy namarana fihaonana lehibe isika, izay naharitra dimy hariva tato amin’ny Tabernacle, ka, noho ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny Fanampiany, dia niezahako mafy ny nametraka lamina, araka ny Soratra Masina, ato amin’ny Fiangonan’ ny Tompo Jesosy Kristy, araka izay inoantsika ato amin’ny Branham Tabernacle.

Ny zavatra voalohany tiako ambara, dia ny mpitandrina (pastora) no miandraikitra feno ny Tabernacle mandritra ny tsy maha eto ahy, ary tsy mijery afa-tsy izy aho rehefa miverina. Noho izany, manana fahefana feno izy hanova na hanao izay rehetra heveriny ho tsara kokoa, araka ny fitarihan’ny Fanahy Masina azy, mandritry ny tsy maha eto ahy.

Mino ny fisiana Fiangonana apostolika iray isika, izay mampianatra ny fitahiana apostolika ho an’ireo olon’izao andro izao. Mino ny Filazantsara feno isika, ary mino fa ireo famantarana sy fahagagana rehetra nambaran’ny Tompontsika Jesosy Kristy dia hanaraka ny Fiangonany mandra-piverenany. Mino ireo zavatra ireo isika, izay inoantsika koa fa tokony halamina, satria manana ny laminy ny Fiangonana. Ary ny fiangonana tsirairay dia manana ny fampianarany, ny laminy, ary ny fitsipi-pifehezany.

Tsy mpikambana ireo izay manatona ny fiangonantsika. Ny inoantsika dia rahalahy sy anabavintsika avokoa ireo rehetra ao amin’ny Fiangonan’Andriamanitra Velona manerana ny tany. Ary ny olona rehetra, na inona inona anaram-piangonany, dia raisina avokoa ato amin’ny Branham Tabernacle, izay miorina eo amin’ny fihaonan’ny arabe fahavalo sy ny arabe Penn eto Jeffersonville, Indiana.

Isika dia mino “ny fanamarinana avy amin’ny finoana”, (Romana 5:1). Mino isika fa ny olona iray, rehefa avy namarinina tamin’ny finoana, dia manana fiadanana miaraka amin’ny Tompo Jesosy Kristy. Nefa, io olona io, mety mbola hanana fahazaran-dratsy tahaka ny fimamoana, fifohana, na fanaovana zavatra tsy tokony ataony, ireo fahazaran-dratsy maloto isan-karazany avy amin’ny nofo .

Mino isika fa avy eo dia amasinin’ny Ràn’i Jesosy Kristy io olona io, mba anaovany ny asa fanompoana ny Tompo. Ary ny “fanamasinana” araka ny Hebreo 13:12-13 no inoantsika: “Ary amin'izany Jesosy koa dia niaritra teny ivelan'ny vavahady mba hahamasina ny olona amin'ny Ràny.” Ary mino isika fa ny fanamasinana dia ampianarin’ny Testamanta Vaovao, ary natokana ho an’ny mpino mandritra ny taom-piangonan’ny Testamenta Vaovao, izay iainantsika izao. Ary mino koa isika fa rehefa nohamasinina ny olona iray, dia miala aminy ny fahazaran-dratsy maloto rehetra.

1

Lasa mpinon’ny Tompo Jesosy Kristy izy, ary dila daholo ireo fahazaran- dratsiny; amin’izay dia inoantsika fa izy dia mpihazakazaka ho amin’ny “batisan’ ny Fanahy Masina”, izay tonga toy ny famenoana ny mpino. Avy eo, rehefa ny mpino...

Tahaka ny nampianarako izany matetika, dia toy ny mitsimpona vera iray ao an- tranon’akoho izany. Ny fangalana izany mba hampiasaina, araka ny tanjona iray ao am-po, no fanamarinana. Toy izany no ataon’Andriamanitra amin’ny mpanota. Mbola maloto izy.

Manaraka izany, diovin’ny Ràn’i Jesosy Kristy izy. Ary ny teny “amasinina” dia midika tamba-teny iray: “nosasana ary natokana ho ampiasaina”. Tao amin’ny Testamenta Taloha, ny alitara no nanamasina ny siny, ary ity farany dia natokana hampiasaina amin’ny fanompoana.

Mino isika fa ny Fanahy Masina no fampidirana io siny io ihany ho amin’ny fanompoana. Ny Fanahy Masina dia tsy dingam-pahasoavana iray, fa zavatra lehibe kokoa noho ny fahasoavana izay mameno io mpino io ihany, ka hahatonga ny famantarana sy fahagagana hiseho amin’ny alàlalany, toy ireo fanomezam- pahasoavana voalazan’ny apostoly, ao amin’ny 1.Korintiana 12, rehefa tonga ny Fanahy Masina hampiasa ireo fanomezam-pahasoavana ireo

Mino aho fa ny Teny dia mampianatra hoe: “ny fanomezam-pahasoavana sy ny fiantsoan'Andriamanitra dia tsy misy hanenenany”, ary, rehefa teraka amin’izao- tontolo-izao isika, dia irahina ho amin’ny tanjona iray, izay tanjon’Andriamanitra. Ary raha mbola tsy lehibe isika, fony mbola zaza, dia efa tao anatintsika ireo fanomezam- pahasoavana ireo, izay avy tamin’Andriamanitra, fa tsy mihetsika ireo raha tsy amin’ny fotoana famenoana ny Fanahy Masina. Fa efa nananantsika izy ireo tany am- piandohana, toy ny maha mpampianatra, sy ny maha apostoly ary ny maha mpaminany, sy ny fitenenana amin’ny teny tsy fantatra, ary ireo fanomezam- pahasoavana sivy araka ny 1.Korintiana 12. Mino isika fa ireny fanomezam- pahasoavana ireny dia miasa ankehitriny ary ny fiangonana an-toerana tsirairay dia tokony hisy azy ireny.

Kanefa, hitantsika, maneran’izao tontolo izao, fa misy fientanam-po tafahoatra loatra mahazo ireo olona izay manambara azy ho mpino apostolika. Misy mientanetam-poana eto anivontsika tahaka ny nisian’izany tamina fikambanana hafa rehetra. Torak’izany hatrany no nisy. Niseho izany nandritra ireo taonjato nifandimby. Nisy tamin’ny andron’ny apostoly, araka ny nilazan’i Paoly izany, ny nahatongavan’ny sasany nitaona azy ireo hanaraka fampianarana hafa sy ny sisa. Fa ao amin’ny fampianarany kosa, niteny izy, hoe: "na anjely avy any an-danitra aza mitory filazantsara hafa aminareo afa-tsy izay notoriny, dia aoka izy ho voaozona."

Noho izany isika, ato amin’ny Branham Tabernacle, izay miorina amin’ny fihaonan’ny arabe fahavalo sy ny arabe Penn, isika dia miezaka ny hanaraka ireo fampianaran’ny Testamenta Vaovao. Satria mino isika fa Jesosy Kristy no ilay Zanakalahin’Andriamanitra, ary ny apostoly Paoly dia fanaka voantso sy voafidy araka ny tendrin’Andriamanitra, nirahina any amin’ny Fiangonan’ny Jentilisa mba handamina Azy

2

Isika ihany koa, ato amin’ny Branham Tabernacle, dia mino ny batisan’ny rano asitrika, amin’ny Anaran’ny Tompo Jesosy Kristy, fa izany no fampianaran’ny apostoly ao amin’ny Baiboly. Ary isika mpikambana rehetra, na ny marimarina kokoa isika rehetra tonga ato amin’ny Branham Tabernacle ka maniry izany, dia afaka asitrika an-drano amin’ny Anaran’ny Tompo Jesosy Kristy, amin’ny fotoana rehetra (raha mangataka izy). Afaka manatona ny pastora izy, raha efa avy nibebaka sy nino ny Tompo Jesosy Kristy, dia ataon’ny pastora batisa, araka ny fahafahany, na eo-no-eo avy atrany aza. Izany dia hampiditra azy ireo amin’ny fiombonan’ny mpino. Mino isika fa amin’ny alàlan’ny batisan’ny rano no idirantsika amin’ny firahalahiana.

Fa amin’ny alàlan’ny batisan’ny Fanahy Masina, isika no manjary singa, lasa singan’ny Vatan’i Jesosy Kristy, izay misy manerana izao-tontolo-izao.

Ny zavatra hafa izay inoantsika koa: ny fampisehoana ny Fanahy no nomena ny olona iray dia ny mba hahasoa ny olona rehetra. Ankehitriny, isika dia mino fa rehefa miasa ao amin’ny Fiangonana ireo fanomezam-pahasoavana ireo sy ny hafa... Ny tadiavintsika sy irintsika, dia ny ahatongavan’ireo olona nahazo ny fanomezam- pahasoavan’ny Fanahy ireo mba hiara-midera amintsika.

Kanefa, hitantsika tamin’ireo toerana maro fa, rehefa tonga amin’ny olona ireny fanomezam-pahasoavana ireny, dia tsy hainy oviana sy ahoana no ampiasana izany, ka miteraka fahafaham-baraka aminy fotsiny. Ary mino isika fa izany indrindra no azon’i Satana hampisalasalana ny olona any ivelany, ireo tsy mino sy ireo hafa, ny amin’io fitahiana mahagaga izay nomen’Andriamanitra ny Fiangonana ho amin’izao fotoana izao io.

Hoy Paoly hoe: “raha misy vahiny tonga amintsika, ka isika rehetra samy miteny amin’ny fiteny tsy fantatra avy, tsy hivoaka va izy sady hilaza fa very saina isika rehetra? Fa raha misy iray maminany, ka manambara ny zavatra takona ao am-po, dia hiankohoka izy sady hilaza hoe: “Andriamanitra dia ao aminareo marina tokoa”

Kanefa, mino isika fa, ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy Masina miverina anivon’ireo mpino, no lamina, ankehitriny. Tsy afaka hino isika fa ny lehilahy iray izay mitoriteny eo ambanin’ny hosotra, izany hoe mpampianatra tarihina tsindrimandry, dia handà ny fanomezam-pahasoavan’ny fanasitranana, na ny an’ny faminaniana, na ny miteny amin’ny fiteny maro tsy fantatra, na mandika fiteny tsy fantatra, na iray amin’ireo fanomezam-pahasoavana hafa.

Noho izany, ny finoako araka ny Tenin’Andriamanitra, dia izao ny tokony hatao ato amin’ity Branham Tabernacle, miorina eo amin’ny fihaonan’ny lalàna fahavalo sy ny lalàna Penn eto Jeffersonville ity. Voalohany, heveriko sy inoako fa ireny zavatra ambarako ireny dia tena ilaina mba hambinina ao amin’ny Tompo ny Branham Tabernacle, koa tsy maintsy ampiharina toy izany. Ary raha, amin’ny fotoana rehetra, misy fanontaniana mipetraka, aoka ny olona voakasik’izany hanatona ahy, raha tsy voarain’ny pastora izy, na hanatona ny pastora raha afaka mandray azy izy. Raha ao an-trano aho, amin’ny fiverenako avy amin’ireny diako ireny, ho faly aho ny hanampy ny tsirairay, na ny laïka na ny pastora, amin’ny fotoana rehetra. Ary ara-tSoratra Masina izany, ary mino aho fa izany no lamin’ny Fiangonana.

3

Heveriko, aloha, fa ny mpikambana na ny mpivavaky ny Branham Tabernacle rehetra dia tokony hifankatia araka ny fitiavan’Andriamanitra, hatramin’ny tsy te- hifandaovan’ny fony rehefa tsy maintsy mody izy ireo, hisaraka, aorian’ny fivoriana hariva. Izaho dia mino, tena mino ny “fitiavana araka an’Andriamanitra”. Ny apostoly Paoly nilaza fa izany no porofo voalohany an’ny fananana ny Fanahy Masina. “Izany no hahafantaran'ny olona rehetra fa mpianatro ianareo, raha mifankatia” hoy Jesosy.

Ary isika dia mino fa ny fitiavan’Andriamanitra no naniraka an’i Jesosy Kristy teto an-tany ho faty ho antsika rehetra.“Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao- tontolo-izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay”. Ary ny fiainana mandrakizay lazaina eto, dia ny “Fiainan’Andriamanitra”, satria lasa zanakalahy sy zanakavavin’Andriamanitra isika izay taranak’i Abrahama, amin’ny alàlan’ny batisa ny Fanahy Masina, izay manome antsika ny finoana nananan’i Abrahama, raha nino an’Andriamanitra izy na mbola tsy voafora aza.

Fa ny zavatra manaraka inoantsika dia ny tokony hivorian’izy samy izy manokana, ireo mpivory izay manana fanomezam-pahasoavana tahaka ny miteny amin’ny fiteny tsy fantatra, ny mandray fanambarana, ny fandikana ny teny sy ny hafa. Ireny mpikambana, na ireny mpino ireny ny marimarina kokoa, dia tokony hivory fara faha keliny dimy amby efapolo minitra na adiny iray mialoha ny anombohan’ny fivoriana. Ny trano fiangonana dia tokony ho sokafana mialoha, ary ireo mpino ireo no tokony hivory, ny hariva, dimy amby efapolo minitra na adiny iray, mialohan’ny anombohan’ny fivoriana.

Mino aho fa ny Branham Tabernacle dia tokony hanana mpitendry piano iray feno ny Fanahy, izay ho tonga mialoha, feno ny Fanahy Masina, ary hitendry moramora, am-pilaminana ny antsa ara-panahy tahaka ny: “Teo ampototry ny hajofijaliana nahafaty ny Mpamonjy; Teo aho, nitaraina mba ho diovina fahotana; Teo àry, nitentina ny foko ny Rà; Voninahitra ho an’ny Anarany!” Na hira hafa toy ny: “Andriamanitro, akaikinao kokoa”; na “Vatolampy mandrakizay, voakapoka ho ahy”, na “Akaiky ny Hajofijaliana”, na hafa toy izany; moramora, miadana, sady hisaintsaina tsy an-kiato momba ny Fanahy Masina izy mandritra izany (lehilahy na vehivavy, tsy manavaka).

Manaraka izany, ataoko fa tokony ho tsenaina eo am-baravarana ny mpivavaka, ary atoro azy ny ametrahany ny palitaony sy ny satrony, ary aiza no ipetrahany. Ary izany fampiantranoana izany, dia mpiandry raharaha sy diakona feno ny Fanahy Masina no afaka manao izany, am-pitiavana, mba ho hita ny fandrosoan’ny Fiangonan’ Andriamanitra velona.

Ireo mpivory dia tsy tokony hifampiresaka na hifampiantso, na hitabataba ao am-piangonana.

Tokony miara-tonga izy ireo, ary mivavaka mangina, na koa mankeo amin’ny alitara, vetivety. Tsy miteny mafy rehefa mivavaka, hanelingelina ny hafa, fa vavaka mangina, satria ianareo rehetra samy anaty vavaka. Aoka izany hazava tsara. Mivavaha ao amin’ny fanahinao, avy eo vonjeo ny toeranao

4

Nefa ianareo tsy voatery hankeny amin’ny alitara. Midira fotsiny ary mitadiava toerana, mipetraha, henoy ny feonkira; akipio ny masonao, ahondreo ny lohanao, ary mivavaha mangina amin’Andriamanitra mandritra izany fotoana rehetra izany.

Amin’izay, raha manambara zavatra amin’olon-kafa ny Fanahy, na raha misy olona iray nofenoin’ny Fanahy miteny amin’ny fiteny tsy fantatra, dia tokony hitsangana io olona io, hanome ny hafatra. Ary ny rehetra tsy maintsy mangina mandra-pahatonga ny fandikan-teny.

Rehefa tonga ny fandikana ny fiteny tsy fantatra, dia tsy tokony ho fanononana Soratra Masina iray fotsiny izany, na zavatra tsy misy heviny. Fa tokony ho hafatra mivantana ho an’ny Fiangonana izany. Raha tsy izany dia heverintsika ho ara-nofo fotsiny izany; maro loatra ny toy izany hitantsika. Ary ankehitriny, mino aho fa ny Fanahy dia tsy hiteny afa-tsy izay hampandroso ny Fiangonana ihany.

Fa izao, izany dia tokony ho hafatra iray, na zavatra mitovy amin’izany, angamba. Ohatra, tafavory ny olona amin’io fotoana io, ka misy olona marary tonga. Mety lehilahy anankiray mitsilany eo, malemy na voan’ny zavatra hafa. Olona mbola tsy hitanareo hatrizay izy. Fa raha efa tonga ny fandikan-teny, na zavatra toy izany; rehefa tonga ny fandikana, na koa ilay olona vao niteny teo, no hanambara hoe: “Eny! IZAO NO LAZAIN’NY TOMPO, misy lehilahy eto afovoantsika izay avy amina toerana tahak’izao sy izao”. Hanoritroritra ny toerana izy. Avy eo izy hilaza “Tsy afa- mihetsika izy satria telo na efa-taona izay, dia” — na inona na inona mety nisy — “nanao zavatra ratsy izy”, toy ny “nanary vady aman-janaka, ary nandositra lavitra azy ireo. Avy eo izy nianjera avy tamina kamiô mpitatitra entana iray”, na zavatra mitovy amin’izany, “Naratra izy ary izany no niteraka fahalemena taminy. IZAO NO LAZAIN’NY TOMPO, raha mibebaka amin’izany izy, ka manome toky fa hiverina amin’ny vadiny na hihavana aminy, dia ho sitrana izy eo-no-eo, ary handeha hiverina hankany amin’ny ankohonany”.

Amin'izay, dia tsy tokony hisy aloha olona hiteny zavatra, ato amin’ny efitrano, raha tsy efa misy lehilahy anankiroa na mihoatra, izay matanjaka amin’ny ara-panahy sy amin’ny fampianarana ny Filazantsara, mahay mamantatra tsara ny zavatra ara- panahy, hitsangana ary hilaza hoe: “Avy amin’ny Tompo izany”

Kanefa raha tsy tanteraka izany, dia tsy tokony asiana resaka intsony ny amin’ny fiteny tsy fantatra ato am-piangonana. Hoy Paoly raha misy iray miteny amin’ny fiteny tsy fantatra, "kanefa tsy misy mpandika teny", na hafa, dia aoka izy hiteny any an- tranony, na any an-kafa misy azy, satria fitahiana ho an’ny tenany irery izany, fa tsy ho fampandrosoana ny Fiangonana.

Ary ilay olona, rehefa avy niteny, ka vita ny fandikana... ary hisy roa na telo hamantatra, araka ny fampianaran’i Paoly, ao amin’ny Baiboly, milaza fa tsy maintsy fantarin’ny roa na telo izany.

Manaraka izany, aoka handroso ny olona voakasiky ny antso, izay mety hanondro olona iray, na ny pastora, na olon-kafa hametra-tànana aminy, izay marary na ory, mba ho sitrana izy. Rehefa izany, dia aoka ny pastora, na olon-kafa izay notondroin’ny Fanahy Masina hanao ny fivavaky ny finoana, hanao ny asa amin’ilay

5

olona, araka izay nambaran’ny Fanahy Masina. Ary, amin’izany fotoana, ilay olona izay... Ary na inona na inona nolazain’ny Fanahy Masina, dia ho tanteraka, eo-noho- eo, toy ny nilazan’ny Fanahy Masina izany.

Dia afaka hifaly ny vahoaka, ho feno fankasitrahana, hitsaoka sy hidera ary hankalaza an’Andriamanitra, satria tian’Andriamanitra ny deraina.

Dia tsy maintsy hanondrika ny lohany izy ireo ary hivavaka indray, hiandry aloha, sao misy hafatra hafa tian’ny Fanahy Masina homena amin’ny alalan’ireny fanomezam-pahasoavana ireny.

Fa, raha misy olona iray hiteny amin’ny fiteny tsy fantatra, sy mandika, ka hangatahan’ireo mpamantatra ilay olona hanao araka izay voalaza, kanefa tsy mety hisy izany, dia hamonjy ny alitara ny vondrona manontolo, ary izy ireo hivavaka amin’ Andriamanitra mba hanesorany aminy io fanahy io, satria tsy misy ilàna fanahy toy izany. Ho fantatsika àry fa diso izany, ary avy amin’ny fahavalo fa tsy avy amin’ Andriamanitra, satria Andriamanitra dia tsy afaka miteny afa-tsy fahamarinana. Aoka izany ho takatry ny fiangonana tsara alohan’ny ametrahana ity lamina vaovao ity.

Manaraka izany, mety ho zavatra iray tahaka izao izany; ny hafatra mety hilaza amina rahalahy iray, hoe:“Ranona izay monina manamorona lalamby”, na zavatra toy izany, “aoka izy hifindra trano fa hisy loza hanjo ny fiaran-dalamby”, na zavatra hafa karazan’izany.

Ary ireo mpamantatra, rehefa namela ny fiangonana hiresaka, na avy namantatra ilay hafatra vao tonga, ka hitan’izy ireo fa avy amin’Andriamanitra izany, aoka izy ireo hanara-maso sy hizaha raha tanteraka izany.

Ary raha tanteraka izany, isaory Andriamanitra, ary aoka hankasitraka tokoa, hankasitraka Azy amin’ny fonareo. Dia ankalazao sy derao Izy, ary manetre tena. Ambonin’ny zavatra rehetra, dia manetre tena

Aza mba mieboebo ka hihevi-tena mahafanta-javatra mihoatra ny pastoranareo na ny fiangonana ivavahanareo. Raha misy tonga amin’izany fisainana izany, dia hiangaviako izy ireo hitady toeran-kafa hivavahana. Satria, tsy ekeko ny pastora hamela, na oviana na oviana, fisiana zavatra tsy mifanaraka amin’ny Baiboly, araka ny nianarantsika izany tato am-piangonana. Amin’izay fotoana izay, dia ilaintsika hiasa am-pilaminana ireny fanomezam-pahasoavana ireny, ary ny mpivory koa hilamina. Raha izany tafapetraka tsara, mifanaraka amin’ny Teny, ianareo dia hahita fiangonana matanjaka sy igagana, miasa ho an’ny Tompontsika Jesosy Kristy.

Fa ny zavatra mety hiseho dia izao: ireo olona manana ireny zavatra ireny no hivoaka ny lamina mandritra ireny fotoana ireny. Amin’izay tranga izay, dia aoka ny diakona na ny mpiandry raharaha feno ny Fanahy Masina sy manana fahasoavana betsaka ao am-pony hanatona azy, ka hanitsy azy am-panajana, toy ny ray, hialany amin’izany fombany izany. Na ny pastora, na olon-kafa, fa tsara kokoa ireo diakona no hanao izany, satria ny pastora mandritra izany, mety mivavaka ao amin’ny efitra fivavahany, na an-toeran-kafa.

6

Ireny hafatra ireny... Rehefa tsy misy hafatra na fanambarana intsony, izay maniry hijoro vavolombelona, dia mahazo mitsangana manao izany, fa ho voninahitr’ Andriamanitra irery ihany. Tsy terena hanao izany ny olona, fa fotsiny, ny fijoroana vavolombelona dia tokony atao mialoha ny fitoriana ny hafatra, na ny fanompoam- pihirana, na zavatra hafa ao anatin’ny fanompoam-pivavahana

Ry fiangonana, fantatrao va fa ny fanaovana izany dia mitondra ny fiangonana manontolo ao anatin’ny fanahin’ny fiankohofana, mialoha ny itoriana ny Teny? Amin’izay ny Fanahy Masina dia hiditra ao amin’ny Teny, haneho an’Andriamanitra amin’ny alàlan’ny Teny, ho fanamarinana ny fiankohofanareo.

Rehefa izany dia tonga ny fotoana hidiran’ny pastora. Raha mbola misy tonga ireo hafatra..., Amin’ny fito ora sy sasany na amin’ny valo latsaka fahefany marina no tokony hiditra ny pastora. Ary raha mbola mitohy ireo hafatra mialohan’ny hanatonan’ny pastora ny... hivoahany ny biraony, na toeran-kafa, hirosoany eo amin’ny lampihazo, dia tokony hisy rahalahy iray hampilaza azy, satria hain’ireo masina fa rehefa miroso eny amin’ny lampihazo ny pastora, dia tonga ny fotoana hanomboan’ny asa fanompoana. Amin’izay dia ampy tsara ny fotoana fanehoana ireo fanomezam-pahasoavana, hitondrana ny Fanahin’Andriamanitra eo anivon’ny fiangonana.

Ary raha sendra misy tsimpino tonga eo hanakorontana, dia tokony hisy hanatona azy ny olona tsara fo iray, toy ny mpiandry raharaha na diakona; ka hilaza aminy fa tokony hanaja sy hanome voninahitra izy mandritra ny fanompoana, satria ny Fanahy dia ato amin’ny efitrano, ary ireo fanomezam-pahasoavan’Andriamanitra dia niseho mba ho fampandrosoana ny Fiangonana. Ary am-pitiavana, fa tsy an-kasiahana, no tokony hitenenana azy, afa-tsy hoe tonga hatramin’ny fisotroan-toaka izy, na famalivaliana, na zavatra hafa manelingelina ny fiderana ny Tompo, izay vao naneho ireo fanomezam-pahasoavany. Amin’izay tranga izay izy, dia tokony entina miataka, ao amin’ny efitrano iray ao ambadika; na amina toeran-kafa izy, ananarana azy sy iadian-kevitra aminy, am-pilaminana

Fa, rehefa miakatra ny lampihazo ny pastora, rehefa tonga eo amin’ny lampihazo ny pastora — te-hanoso-kevitra aho, ato amin’ny Branham tabernacle, mba hitarihan’ny pastora ny fiangonana amina fihirana tsara iray na roa ihany. Satria nahatsikaritra izahay fa raha maro loatra ny mitarika fotoana ato am-piangonana, dia tsy mitondra afa-tsy korontana izany. Ny soso-kevitro dia aoka ho toy ny nataoko tamin’ny fotoana naha pastora ahy tato amin’ity fiangonana ity; izaho ihany no nitarika ny fihirana. Ary heveriko fa hahasoa raha manao toy izany koa ny pastora.

Ary, ny fivoriam-bavaka rehetra, izay ifamorian’ny samy mpino, vondrona iangonany mba hivavaka, dia tsy maintsy atrehan’ny pastora ny tsirairay amin’izy ireny. Tsy izay rehetra te-hitarika dia azo avela hitarika ny fivoriana toy ireny. Satria hitanay fa mivoaka ivelan’ny fampianarana izy ireo ka mahatonga izany ao am- piangonana, ary matetika, mitondra fampianaran-diso izay tsy an’ny Fiangonan’Andriamanitra Velona. Noho izany, ny pastora dia tokony ho eo foana amin’ny fivoriam-bavaka rehetra n’aiza n’aiza misy fivoriana, na misy miangona.

7

Ary ny pastora dia tsy tokony hitanila, hiteny hoe ny vondrona iray toy izao ary ny vondrona iray hafa toy izato. Ny pastora dia tokony hitoetra eo anelanelan’ireo vondrona ireo, tokony hanatona azy ireo, ary hampihavana azy tsy misy hatak’andro. Ary raha tsy afaka mampihavana azy ireo izy, dia haka diakona hiaraka aminy. Ary avy eo, raha tsy mihaino na ny pastora na ny diakona izy ireo, dia hambara ny fiangonana izany, ka hatao aminy toy ny nilazan’i Jesosy hoe: “aoka hataonao ho tahaka ny jentilisa sy ny mpamory hetra izy”, ary «Na inona na inona fehezinareo ety ambonin'ny tany dia hofehezina any an-danitra; ary na inona na inona vahanareo ety ambonin'ny tany dia hovahana any an-Danitra.»

Fa rehefa tonga eny amin’ny lampihazo ny pastora, aoka izy hitarika fihirana iray na roa, avy eo dia hiditra avy hatrany ao amin’ny Teny.

Aza mandany andro amin’ireny fijoroana vavolombelona ireny, hitsanganan’ny rehetra manana ambara. Tsy mety ato amin’ny Branham Tabernacle izany.

Fa raha mihaino ity horonam-peo ity ianareo, kanefa nampandroso tao amin’ny fiangonanareo izany, dia tena tsara izany. Ary faly indrindra izahay ny amin’izany, raha mampandroso ao amin’ny fiangonanareo izany.

Fa ato amin’ny anay, tsy manambina izany, fa miteraka safotofoto fotsiny. Pastora tato aho nandritry ny roapolo taona, ary nahita aho fa tsy miteraka afa-tsy safotofoto izany. Raha manana fijoroana vavolombelona ianao dia teneno mialoha izany, mandritra ny fahatongavan’ny olona, raha mbola mandrotsaka ny fitahiany ny Fanahy.

Kanefa, ny tena fomba hijoroana vavolombelona, dia tsy ato am-piangonana, fa any amin’ny toerana mbola maizina. Aoka ny fahazavanao hamiratra any amin’ ny maizina. Mandehana any amin’ny seranam-piarakodia sy toeran-kafa izay itangoronan’ ny ota sy ny toy izany, dia ampahirato any ny fahazavanao. Any indrindra no toerana tokony hanaovana izany.

Na izany aza anefa, raha ny Tompo nanome anao fitahiana tena miavaka, na zavatra tsy maintsy ampitainao amin’ny vahoaka, teneno izany mandritra ny fotoana hafa, alohan’ny fanompoana, mandritra ny fiomanana, na rehefa mitahy ny Fanahy manome fanambarana, fiteny amin’ny fiteny tsy fantatra sy ny dikany, sy ny sisa, na amin’ny fotoana ivavahan’ny masina, alohan’ny itondrana ny Tenin’Andriamanitra.

Ary ny pastora, rehefa avy nitarika ny fihirana, dia izy ihany, no tokony hitarika avy hatrany ny fiangonana amin’ny vavaka, vavaka ataon’ny mpiangona rehetra, raha mbola mitsangana amin’ny lampihazo ny pastora, mangataka ny fiangonana rehetra hanondrika ny lohany ho an’ny vavaka.

Nahatsapa izahay fa izany no miteraka fitahiana lehibe kokoa ary mitondra filaminana kokoa ao am-piangonana.

Manaraka izany ary, ny zavatra tokony ataon’ny pastora... Raha tena ara- panahy marina ny fivoriana, niasan’ireo fanomezam-pahasoavana, ka voambara ny zavamiafina tao am-pon’ny olona sy ny zavatra tokony hatao nohon’ny fiasan’ireo fanomezam-pahasoavana ireo tao amin’ny fivoriana, ny Fanahin’Andriamanitra dia

8

tena tao amin’ny fivoriana. Amin’izay, rehefa hanomboka hamaky sy hitory izy, dia tena mora ho an’ny pastora ny mahita ny Fanahin’Andriamanitra (izay efa manatrika ny fivoriana) ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Ary ny pastora, mandritry ny itsanganany eo, dia hitory izay rehetra hapetraky ny Fanahy Masina ao am-pony, izay rehetra tiany atao.

Fa ny fiangonana dia tsy manao afa-tsy... Afaka mifaly izy ireo mandritra ny fitorian’ny pastora, mazava ho-azy, na miteny “Amena” rehefa mandroso ny Teny. Fa, ny hitsangana kosa ka hanome hafatra amin’ny fiteny tsy fantatra sy handikana izany mandritra ny iasan’ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny pastora, dia melohin’ny ny Soratra Masina izany. Izao no lazainy: “Ary ny fanahin'ny mpaminany dia manaiky hozakain'izy mpaminany”

Amin’izay tranga izay, ny pastora dia tsy maintsy mibaiko izany olona izany hipetraka, ary mba ho feno fanajana ka tsy hihetsika eo amin’ny toerany. Ny pastora dia tsy maintsy lehilahy iray tena mpanetry tena raha ny amin’ny tenany. Kanefa tsy tokony hanetry tena be loatra, fa mba ho afaka hanao toa an’ny Tompo Jesosy Kristy, fony Izy nahita ny fanaovan-dratsy tonga tao am-piangonana: nandrary tady Izy, ary nandroaka azy ireo hiala tao am-piangonana. Satria izao: ny Fiangonan’Andriamanitra no toeram-pitsarana fara-tampony, ary ny pastora no tampony ao am-piangonana. Aorian’ny Fanahy Masina, dia ny loholona no avo indrindra ao amin’ny fiangona apostolika. Ny Fanahy Masina manome mivantana ny Hafany amin’ny loholona, ary ny loholona mampita izany amin’ny vahoaka.

Hanana ny toerany ireo masina sy ny fanomezam-pahasoavany, voalohany, ny hidera sy hiara-tonga, izay (araka ny efa nolazaiko) mitaona ny Fanahin’ny Tompo ao an-trano fiangonana, ho an’ny pastora. Ary izany dia hanamora kokoa ny fiasan’ny Fanahy Masina amin’ny alalany, raha mialoha ny fampianarany ka efa tafakatra avo ny ara-panahin’ny fivoriana. Dia miditra ao amin’ny Teny ny Fanahy Masina, ary hampianatra ny Teny, tahaka teo aloha ihany, tamin’ny ny nisehoany tao amin’ ny fanomezam-pahasoavana .

Aorian’izany, dia atao ny antso ho eny amin’ny alitara, ary ho hita sy ho fantatry ny maro fa Fiangonan’Andriamanitra Velona tokoa ianareo, araka ny fiasan’ny Fanahy Masina sy ny Tenin’Andriamanitra nentin’ny pastora. Ary toy ny nilazan’i Paoly fahiny: “dia hiankohoka izy sady hilaza: Andriamanitra dia ao aminareo marina tokoa”. Ankehitriny, dia aoka am-panajana no hotanterahina ireny zavatra ireny.

Izao aho dia mitodika manokana amin’ny pastora, ny rahalahintsika Neville. Aza adinonareo fa manana fahefana feno amin’ny fiangonana izy. Rahalahy Neville dia manana zo hampiasa ny fahefana rehetra homen’ny Fanahy Masina azy, izany hoe izay rehetra holazain’ny Fanahy Masina hoteneniny. Manana fahefana amin’ny filankevitry ny diakona koa izy: Afaka manova ny filankevitry ny diakona izy, na ireo mpitantana, na ny mpitendry piano, na ny asa fanompoana hafa izay tiany hovana ato am- piangonana, raha mahatsapa izy fa tarihin’ny Fanahy Masina hanao izany. Ary izaho hankasitraka izay rehetra hataony, satria izy (mino izany aho) dia lehilahin’ Andriamanitra. Ary izaho hanaiky izany, ho toy ny avy amin’ny Tompo, ary ho toy izany ihany no ho nataoko. Koa izany no manome fahefana azy hitondra ny

9

fiangonana araka izay tsapany fa hitarihana azy. Fa amin’ny asam-piangonana rehetra dia azony hatao ny hamindra toerana ny olona, satria manana fahefana hanao izany izy. Matoky aho fa am-pitiavana hatrany no hanaovany izany, na mety tsy hilainy akory aza ny hanaovana izany.

Ny Tompo anie hitahy anareo rehetra! Ary mino aho fa ianareo dia hampihatra izany tsara indrindra, araka ny fahalalanareo. Ka ny Fanahy Masina anie hiahy anareo tsirairay avy!

Ary aoka ny olona tsirairay manana andraikitra ato am-piangonana hanatanteraka ny azy, sady ahafantatra fa Andriamanitra hitazona anareo ho tompon’ andraikitra amin’ny fomba ho nanatanterahanareo ny andraikitrareo ato am- piangonana. Ny tsirairay dia mbola hampamoahina.

Ho an’ireo laïka, sy ireo olo-masina malala manana fanomezam-pahasoavana ato am-piangonantsika, ireo izay maminany, na miteny amin’ny fiteny tsy fantatra, na mandika ny fiteny tsy fantatra, na manana fanambarana, faly indrindra izahay manana anareo amin’ny asa fanompoana. Ary hiara-miasa tanteraka aminareo izahay amin’izay zavatra rehetra ho porofoin’ny Fanahy Masina fa Izy no nilaza izany taminareo. Ary tia anareo izahay. Ary inoanay fa ao aminareo ireny fanomezam-pahasoavana ireny. Inoanay fa, ao aminareo izy ireny, ary raha manana fotoana tsara ianareo, anehoana izany araka ny Soratra Masina, dia ho tonga mpiasa lehibe eo afovonay ianareo. Ny Tompo anie hitahy anareo rehetra, izany no fivavako amin’ny foko.

Ianareo kristiana izay mihaino ity horonampeo ity, zavatra iray tsapako fa adinoko, dia ity: araka ny Soratra Masina, tsy tokony ihoatra ny roa na telo ny olona miteny amin’ny fiteny tsy fantatra. Izany hoe hafatra roa na telo ihany no tokony omena isaky ny fanompoam-pivavahana. Izany dia araka ny Soratra Masina izay manambara: « ho roa na telo, fa aza atao mihoatra noho izany.» . Koa aoka ho tanterahinareo ireny zavatra ireny, araka ny fomba nobaikon’ny Fanahy Masina azy ao amin’ny Baiboliny. Ary toy izany, raha ny fahalalako, no tokony anaovana azy. Paoly nilaza hoe: «avelao ho roa na telo, fa aza atao mihoatra noho izany, ka ampifanarakarahina....».

Ny Tompo anie hitahy anareo!

-----------------------------

10