FANAMBADIANA SY FISARAHAM-PANAMBADIANA
(Mariage and Divorce)
21 Febroary 1965, maraina
Parkview Junior High School
Jeffersonville, Indiana, ETAZONIA.
Hanondrika ny lohantsika vetivety isika hivavaka.
Ry Ray feno fahasoavana, misaotra Anao izahay izao maraina izao, noho ny nafahanay tonga eto amin’ny trano-fivoriana, hiatrika ity andro ity. Tsy hainay izay hoentin’ity andro ity aminay, fa kosa fantatray Iza no Tompon’ity andro ity. Koa mangataka amin’ny Tompon’ny ankehitriny sy ny ampitso ary ny mandrakizay mba hitahy anay anio raha mivory amin’ny Anarany izahay, mba ahaizanay manatsara ny fiainanay ho fanompoana Azy. Izany ny fanirianay feno, ry Ray. Ny Andriamanitray, izay mahalala ny ao am-ponay dia mahafantatra fa marina izany. Manankina ny tenanay Aminao izahay, ary manokana ny tontolon’ny andro anio amin’ny fanompoana Anao, amin’ny Anaran’i Jesosy-Kristy. Amena. Mahazo mipetraka ianareo.
Arahabaina ianareo rehetra mivory eto, sy ireo rehetra mifandray an-telefaona aminay manerana ny firenena, izao maraina izao. Tombontsoa lehibe amiko ny nahatongavako eto mba hiresaka mikasika lohahevitra manan-danja loatra toa an’ity. Amin’ireo manatrika dia hoy aho hoe: somary sahiran-tsaina ihany aho noho ireo lambam-baravarana izay eo anoloako, sady tsy maintsy hiteny aho amin’ireo ankaviako sy ireo ankavanako. Amin’ireo mpihaino tsy hitako maso, dia hoy aho hoe: ato ankavanako ny efitra fivoriana, ary ato ankaviako ny efitrano fanatanjahan-tena. Tsy misy lampihazo itsanganako, ary misokatra ankavanako sy ankaviako ireo lambam-baravarana. Feno hipoka ireo efitrano rehetra izao maraina izao: ny efitra fivoriana, ny efitra fanatanjahan-tena, ary koa ilay fiangonana eo amin’ny fihaonanan’ny arabe faha-8 sy ny arabe Penn Street. Mifandray an-telefaona amin’ny eto avokoa ireo toerana rehetra ireo.
Fotoana mahagaga maro no niharahanay tamin’ny Tompo, ary miandry zavatra be voninahitra amin’ity fotoam-panompoana izao maraina izao ity izahay. Ary satria hamarana ity tafika naharitra efatra andro ity izahay rahariva, dia manasa amin’ny fonay tokoa, ny rehetra izay afaka ho tonga mba ho tonga. Matoky izahay fa hoentin’ny Tompo avo isika rahariva hanaovany zavatra mahagaga, izany hoe hanasitrana ny marary rehetra Izy, ary hanao ireo fahagagana izay fanaony. Zavatra be voninahitra no andrasanay ny amin’ny anio hariva. Manasa am-pirahalahiana ny rehetra izahay, ny fiangonana rehetra avy amin’ny anaram-piangonana rehetra. Na tsy kristiana aza ianareo, tongàva. Ny mpanota rehetra mihitsy aza no asainay hiaraka aminay, ka hoezahanay hampianarina azy ny làlan’Andriamanitra mba ho velona izy ireo.
Manantena aho fa tsy mora taitaitra loatra ireto mpivory ireto, ary mametraka ny fitokisako amin’Andriamanitra mba tsy ho taitaitra loatra koa aho, satria zava-mahagaga loatra no niainako halina izay. Tsapako fa ho maro ny zavatra hampamoahana ahy amin’ny andro-fitsarana, mikasika izay holazaiko izao maraina izao. Tsy afaka natory aho. Kanefa haiko fa raha tsy hiteny izany zavatra izany aho, dia hampamoahana ahy izany amin’ny andro-fitsarana. Ka izany no maha sarotra azy. Tsy hay hazavaina izany.
Lohahevitra be voninahitra ity no ho resahintsika izao maraina izao: Fanambadiana sy fisaraham-panambadiana. Ataoko toy ny lesona sekoly alahady izany mba ahafahantsika miresaka izany tsara amin’ny fotoana ampy. Tsy ho toriteny izany, fa fampianarana avy amin’ny Soratra Masina.
Te-hilaza amin’ireo mpitoriteny izay hahazo ny horonampeon’ity aho, raha toa hanonta ny horonampeo izahay… Fa tsy haiko izay hataon’ny fiangonana. Hangataka amin-drahalahy Fred aho mba hodinihin’ny filankevitry ny fiangonana aloha vao hatonta sy haely ity horonampeo ity. Ary ianareo rehetra izay manana fandraisam-peo, aza omena olon-kafa ny horonampeo raha tsy efa ho nilaza taminareo ny rahalahy Sothman.
Raha haely ity toriteny ity ka hisy tsy mitovy hevitra amiko ireo rahalahiko mpitoriteny sasany, na koa ny kristiana tsotra, amin’ny zavatra holazaiko mikasika io lohahevitra io, mino aho fa tsy hitsikera ny hafatra ianareo. Raha tsy azonareo araka ny ampianarako azy izany, dia zonareo ny hino izay inoanareo amin’ny maha mpanompo sy mpiandry ondry anareo, ary manaja izany aho.
Misy fampianarana lehibe anankiroa mikasika io lohahevitra io. Ary raha izany, dia na ny iray marina ka ny iray diso, na samy diso izy roa. Noho izany dia hiezaka isika hijery ao amin’ny Tenin’Andriamanitra mba hahitantsika ny marina. Amiko, raha fanontaniana ara-Baiboly izany, dia tsy maintsy ahitana valiny ao amin’ny Baiboly, tsy isalasalana.
Ary mialoha ny hanomboantsika ny fandinihana io lohahevitra io, mialoha ny ivavahana ho an’ny Teny, dia mangataka ny hamorampon’ny rehetra aho mba hivavaka ho ahy, indrindra ianareo kristiana. Ary ianareo izay tsy hitako kanefa mihaino, aoka ianareo mba hivavaka ho ahy, satria sady te-ho marina aho no te-hiteny ny marina.
Mazava amintsika fa noho izay hovoalaza, dia hisy olona, na tokana aza, handray izany ho azy, toy ny hahafatesana sa hahavelona. Maro aminareo no hino rehefa hody. Mazava koa, fa ho maro angamba ireo izay tsy hino. Kanefa haiko fa misy ireo olona izay tonga mba hihaino izay holazaiko. Eto izy ireo izao, toy ny vondrona iraisam-pirenena iray, misy avy amin’ny ankamaroan’ireo fari-panjakan’i Etazonia, misy avy any Canada, sy avy any ampitan-dranomasina. Ary azonareo saintsainina ny tebiteby aterak’izany, raha fantatrao fa ny mandrakizain’ireo olona hihaino anao ireo dia hiankina amin’izay holazainao, satria izy ireo hifikitra amin’izany. Noho izany no hampamoahin’ Andriamanitra ahy mikasika izany. Noho izany no tsy maintsy amin-kitsimpo faran’izay tratrako no hanatonako ireny zavatra ireny.
Fa izao, te-hilaza zavatra amin’ireo anabavintsika aho: somary hanalefaka ny fitenenako ny zavatra sasany aho mba ho voateny eo anatrehan’izy ireo izany. Ao am-paosin’i Billy ao, izao maraina izao, dia misy zavatra tsy mety hotenenina amina mpivory lahy sy vavy miaraka, ary ny sasany amin’ireo anefa dia tsy maintsy hoteneniko, mandefera ahy amin’izany. Raiso toy ny avy amin’ny anadahinareo izy ireo. Araka ny fantatro, raha manatona dokotera ianareo, mety misy zavatra tsy maintsy lazainy aminareo amin’ny fiteny mahitsy. Ary izao koa lazaiko aminareo tanora sasantsasany, tovolahy sy tovovavy, tsy tiako hanana fahatsapana diso ianareo, tiako raha mino ianareo, ka aoka ho tony fotsiny. Tsarovy fa ny marina dia tsy maintsy ambara amin’ny maha fahamarinana azy.
Hisy maro aminareo no tsy hitovy hevitra amin’izay ho voalaza, saingy te-hanaporofo izany amin’ny alàlan’ny Baiboly aho. Ka raha mba te-hihaino am-panajana ianareo, dia hahazo tsaratsara kokoa izay ho voalaza, ary koa ho tsapanareo an-tsainareo ireny zavatra izay asiako tsindrimpeo tsy an-kiato ireny. Mino aho fa hampahazava zavatra maro izany. Matoky aho fa izany no hisy.
Mety ho somary lava ny fitoriantsika, adiny iray sy sasany, na mahery. Tsy haiko ny fotoana ho lany amin’izany.
Ary izao koa, tiako haverina indray fa ny olona dia mifikitra amin’izay lazainao toy ny ataony amin’ny pastorany, ary efa pastora aho taloha. Mifikitra amin’ny tenin’ny pastora izy ireo. Mifikitra amin’ny tenin’ny pastora izy ireo toy ny ho faty sa ho velona. Ary mazava fa ny pastorany dia araka izay fantany, izay nampianarina azy tany amin’ny seminera ihany, no ampianariny azy ireo. Toy izany koa angamba no ataon’ireo pretra amin’ny fivavahana rehetra manana pretra. Raha ny marina, ny pastora dia pretra ihany koa, mpanalalana izy. Noho izany, raha miteny an-kitsimpo tanteraka ny pretra iray, mamerina ara-bakiteny izay nianarany tany amin’ny seminera na monastera… Fa izaho dia tsy mba nandalo tamin’ny seminera na ny monastera. Tsy manakiana ireny aho, saingy nanana fiainana tena niavaka aho.
Vao zazalahy kely aho dia efa nahazo antso. Ary nomena famantarana mety hita sy azo renesina aho tamin’izany, dia Andry Afo iray niseho tamiko tao anaty ravinkazo, fony aho fito taona; teto indrindra, tao amin’ny Utica Pike no nisehoan’izany. Tamin’izany ny raiko niasa tamin’Atoa O.H.Wathen izay vao maty tsy ela. Efa nahita ny boky ianareo, hainareo ny tantara. Ary hatramin’izany… Teto amoron’ny renirano dia niseho hitan’ny olona maro Izy. Manana sariny iray aho, ary imbetsaka efa nahazoana sary izy. Ny iray amin’izany dia any Washington D.C – ao amin’ny efitrano fampirantiana ny vakoka ara-pivavahana – toy ny zava-mahagaga tokana ka voaporofo ara-tsiansa ny sariny azo tamin’ny fakantsary. Mbola ilay Andry Afo ihany io, amin’ny endriny izay nitarihany ny vahoakan’Isiraely nivoaka an’i Egypta ihany. Izaho mino fa Izy io dia i Jesosy-Kristy amin’ny endrika Fanahy, amin’ny maha Zanak’Andriamanitra Azy, satria nantsoina Zanak’olona Izy tamin’ny Fiaviany voalohany. Ankehitriny antsoina Zanak’Andriamanitra Izy. Hantsoina Zanak’i Davida Izy ao amin’ny Fanjakana-arivo-taona. Tonga toy ny Zanak’olona Izy, toy ny mpaminany iray araka izay nampilazaina nikasika Azy. Ankehitriny Izy dia Zanak’Andriamanitra, zavatra iray mihoatra ny voajanahary. Mandritra ny Fanjakana-arivo-taona be voninahitra izay ho avy, dia ho Zanak’i Davida Izy, hitoetra eo ambonin’ny seza fiandrianan’i Davida. Toy ny efa fantatry ny mpamaky Baiboly rehetra, izany dia fampanantenana nomen’Andriamanitra an’i Davida izay nilazany taminy fa hanangana ny Zanany eo amin’ny Sezafiandranany Izy.
Izaho kosa, noho ity minisitera hafakely, miavaka izay nomena ahy ity, dia nomen’olona anarana isan-karazany, hatramin’ny andriamanitra ka hatramin’ny devoly. Toy izany foana ny fitrangan-javatra.
Izao no nolazain’ny arsevekan’ny fiangonana katolika iray tamiko, indray hariva, teto: “Rahalahy Branham, Jaona Mpanao batisa dia nahafantatra mazava tsara izay nanondro azy ao amin’ny Soratra Masina nikasika, araka ny voalazan’ny mpaminany Isaia. Ny minisiteranao koa dia voatondro mazava tsara ao amin’ny Fiangonana. Ireo Loteriana dia ao amin’ny Baiboly. Ireo Loterana dia namantatra an’i Lotera; ireo mpanaraka an’i Wesley namantatra an’i Wesley. Fa ahoana kosa ny amin'ireo Pentekotista? Mirenireny izy ireo! Tsy fantany izay haleha“.
Hoy aho taminy: “Andriamatoa, ekeko izany“. Tamin’io fotoana io ny Fanahy Masina no nidina tamin’ny vehivavy iray (izay mbola tsy nihaona tamiko hatry ny naha-olona azy), ary niteny ka nanamarina izany ihany.
Fa izao, alohan’ny hanomezako ny hafatra izay hoentiko izao maraina izao, dia tsy haiko. Hoy aho taminy hoe: “Andriamatoa, tsy afaka hiteny izany aho. Zava-dehibe loatra izany ka sarotra tenenina. Kanefa dia tahak’izany ny fisehony“. Zavatra iray no fantatro, nisy zavatra iray naka ny toerany, raikitra. Ireny zavatra ireny dia efa voaporofo, nahitana porofo ara-tsiansa manerana ny tany. Tsy mety ho anganongano fotsiny izy ireny. Izany no marina. Inona izy ireny? Mamelà ahy hiteny aminareo, mialoha ny hitoriako izao maraina izao, fa tsy misy fantatro. Ary tsy ho sahy hanombatombana aho raha tsy efa henoko mialoha niresaka tamiko mikasika ireny Izy.
Aza adinonareo fa ny Tompo Jesosy tsy mba nanondro ny Tenany ho ilay Zanak’Andriamanitra. Niteny Izy hoe: “Voalazanao! Izany no nahaterahako“ sy ny sisa, saingy tsy mba nanondro ny Tenany Izy.
Io Andry Afo izay nitarika ireo zanak’Isiraely io dia ny Tompo Jesosy-Kristy tao amin’ny endrika Fanahy. Mino izany ve ianareo? Izy ilay Logos izay nivoaka avy tao amin’Andriamanitra. Taorian’izany, fony Izy tetỳ an-tany; dia niteny hoe: “Avy amin’Andriamanitra Aho, ary hiverina amin’ Andriamanitra“. Fantatsika rehetra izany. Ary taorian’ny Fahafatesany, ny Fandevenana Azy, sy ny Fitsanganany tamin’ny maty, dia nandeha ho any Damaskosy i Saoly mba hanenjika ireo Kristiana satria ireto farany nampianatra zavatra tsy mifanaraka amin’izay nampianarina azy. Mpiady lehibe izy, nandray baiko avy tamin’i Gamaliela, anisan’ireo nalaza indrindra tao amin’ny sekolin’izy ireo, na ny monesterany, sady nanan-toerana koa tao amin’ny fiangonany. Teo indrindra no nisy Hazavana lehibe, mbola ilay Andry Afo ihany, izay nikapoka azy ka nanipy azy teo amin’ny tany, raha nitataovovona ny andro. Ary nisy Feo niteny taminy hoe: “Saoly, Saoly, nahoana ianao no manenjika Ahy?“
Mariho fa rehefa nitsangana Saoly, dia izao no teniny: “Tompo, fa Iza moa Ianao ?“. Kanefa io lehilahy io, izay Jiosy, dia tsy ho niantso “Tompo“ izay teo anoloany, afa-tsy raha zavatra naneho an’Andriamanitra izany. Araka izany, dia mbola ilay Andry Afo ihany izany.
Toy ny efa nolazain’i Jesosy: “Avy tamin’Andriamanitra Aho, ary miverina amin’Andriamanitra“. Indro Izy, tafaverina indray amin’ny endriky ny Andry Afo iray! Ary hoy Izy “Izaho no Jesosy izay enjehinao. Zavatra sarotra aminao ny hanipaka ny fanindronana!“ Ary tsapantsika tsara fa raha tany an-tranomaizina ny apostoly Petera (izay nomena ireo lakile anorenana ny Fiangonana), dia io Andry Afo io ihany no namakivaky ireo fefy vy, nanokatra ireo varavaran’ny tranomaizina, ary namoaka azy tamin’ny fomba mahagaga, tsy nanaitra akory ireo mpiambina. Amiko, dia i Jesosy-Kristy izany, ilay tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay.
Ny toetrany no hamantarana ny zavatra, mandrakariva. Ny toetrany, ny vokatra entiny no ahafantarana ny zavatra. Ary mangataka anareo aho mba hijery ny vokatra entin’io Hazavana io, izay Andriamanitra, satria miverina amin’ny Tenin’Andriamanitra Izy, manaporofo ny Tenin’Andriamanitra Izy, mitory ny Tenin’Andriamanitra Izy, ary Andriamanitra manamarina Azy, mivaingana eo anatrehanareo. Tsy maintsy misy zavatra ao ambadika ao.
Nantsoin’ny olona mpaminany aho. Tsy manao ny tenako ho mpaminany aho, satria tsy ho sahiko ny hiteny izany, fa ny azoko lazaina dia ny Tompo no nampiteny ahy zavatra efa nitranga, na mbola hitranga, na eo am-pitrangana. Ary tsy nisy diso na tokana aza izany tao aman’alin-kisa izay nitrangan’izany! Izay rehetra nolazainy fa hitranga dia nitranga tokoa. Haintsika rehetra izany. Raha misy ato amin’ny mpivory, na an-toeran-kafa, afaka hilaza fa nisy tranga iray izay naha-diso izany, aoka izy hitsangana ka hanambara izany! Fa kosa, n’iza n’iza mahita fa tsy nisy diso izany tao amin’ny an’alina nitrangan’izany, aoka hanao hoe “Amena!“ [Ny mpivory mamaly hoe “Amena!“ – N.d.R.]. Hitanareo? Enga anie ho toy izany manerana ny tany.
Misy zavatra miomana hitranga. Tsy mba mandefa ireny zavatra ireny Andriamanitra raha tsy misy tanjona ao ambadik’izany.
Ny bokotry ny tàna-tsomizo izay ataoko izao maraina izao dia mampahatsiahy ahy zavatra iray (nosoratako ato amiko izany). Maro aminareo nandre mikasitra ilay mpilalao sarimihetsika malaza Jane Russel sy ny reniny izay pentekotista. Misy zanaka rahavavin-dreniny atao hoe Danny Henry, izay batista. Roa taona lasa, nanatrika ny fivorian’ireo “lehilahy mpandraharaha kristiana“ io tovolahy io tao Los Angeles. Vao namarana ny toriteniko aho tamin’izay, nanao fanambarana iray lehibe sy mahery, hany ka niakatra teo amin’ny lampihazo ilay filoham-paritra (anisan’ny lehibe amin’ireo filoham-paritry ny Assemblées de Dieu) rehefa nidina avy teo amin’ny balcon izay nitoerany izy, mba hanambara hoe: “Mino aho fa tsy izany no tian-drahalahy Branham nolazaina“
Fa namaly azy aho hoe: “Tsy maintsy izany no tiako lazaina, Andriamatoa, satria izany no Izao no lazain’ny Tompo. Izany moa dia nahakasika ny Fiangonan’izao taom-Piangonana izao.
Saika tamin’izay indrindra io tovolahy io, izay lehilahy mpandraharaha (ny rahalahiny iray koa), no teo am-pakàna horonampeo ho an’ny fahitalavitra (ny rahalahiny iray hafa dia tale mpanara-maso ny làlam-pirenena any Californie). Rehefa nifarana ny fivoriana, dia niakatra teo amin’ny lampihazo – izay nisy ireo lehilahy rehetra nitoetra teo – i Danny Henry, nanatona ahy ary namihina ahy sy niteny hoe: “Manantena aho , rahalahy Branham, fa tsy miendrika fitenenan-dratsy izany, fa kosa mety ho toko faha-23 amin’ny bokin’ny Apokalypsy.“ Nilaza izy hoe: “Manantena aho fa tsy miendrika fitenenan-dratsy izany“.
Batista io tovolahy io, tsy nahafantatra na inona na inona amin’ny fahagagan’Andriamanitra; saingy raha vao nilaza izany izy, mbola teo am-pifihinana ahy, dia niteny tamin’ny teny-tsy-fantatra. Rehefa tapitra niteny tsy fantatra izy, dia nisy vehivavy maintihoditra vaventy iray, izay nipetraka teo anoloako, no nitsangana ka nilaza hoe: “Tsy ilàna fandikana manokana akory izany. Izaho dia avy ao Baton-Rouge any Louisiane. Fa izany dia fiteny frantsay madiodio!“
Victor Le Deaux, izay Frantsay, nitoetra teo koa, dia nilaza ihany koa hoe: “Frantsay aho, ary teny frantsay madiodio no teo iny!“
Dia hoy aho hoe: “Andraso kely! Raiso an-tsoratra izay voalazany teo, ary ianareo erỳ koa, aza mbola miteny na inona na inona, fa soraty izay voalazany teo, ka asehoy ahy izay nosoratanareo.“
Samy nanoratra àry izy ireo. Nitovy tsy nisy niavahana izany, na ireo mari-pihantoana aza dia nitovy! Ary iny izy ireo nanatitra ny sora-tanany iny indrindra, nisy tovolahy bikàna, menamavo volo niala tany aorian’ny efitrano, izay nitsanganany satria tsy nahita fitoerana intsony izy, ka nanatona ary niteny hoe: “ Vetivety monja! Te-hanome anao izay nosoratako koa aho. Mpandika teny Frantsay ao amin’ny Firenena Mikambana aho, te-hanome anao izay nosoratako koa aho.“
Nitovy tsy nisy valaka ny voalazan’ireo soratra telo amin’ny teny frantsay ireo. Toy izao no voalazan’ilay faminaniana, izay nadika avy tamin’ny soratra voalohany, izay nataon’i Danny tao am-paosiny. Mazava-hoazy fa niely tany amin’ireo Lehilahy Mpandraraha Kristiana sy teny-rehetra-teny izany.
“Efa nifidy ny làlana tèry ianao, ny làlana sarotra, ary tsy nisy nanery anao nifidy izany làlana izany. Fanapahan-kevitra mety sy mazava no noraisinao, ary mifanaraka amin’ny Làlako izany. Noho izany fanapahan-kevitra lehibe izany dia ampahany lehibe ao amin’ny Lanitra no miandry anao. Endrey ny fanapahan-kevitra be voninahitra izay noraisinao! Izany dia izany no hanome ary hahatanteraka ny fandresena lehibe ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra.
Ary nanao ny sonia sy ny anarany izy, ary fanamarihana hoe: ‘’Ny filazana etsy aloha dia fandikana ny faminaniana nataon’i Danny Henry mikasika an-drahalahy Branham ary nohamarinina vavolombelona telo, tao amin’ny cafétéria tao Los Angeles, Californie.“
Io tovolahy io ihany, izay nanome iny faminaniana iny kanefa tsy nahafantatra izay nolazainy, dia tany Jerosalema sahabo iray volana lasa. Afaka nandeha tany izy, ary natory tao amin’ny fasana izay nandevenana an’i Jesosy. Nolazainy tamiko fa nisaintsaina mafy ny amiko izy raha izy tao, ary nanomboka nitomany. Nisaina hono izy hoe: “Tena mafy ho an-drahalahy Branham ny nanohitra izao-tontolo-izao, sy ireny zavatra ireny, ary ireo fiangonana!“. Izany dia toy ny voalazan’ny olona iray nandritra ny tafika nataon-drahalahy Billy Graham indray mandeha: “Afaka mahita an’i Billy Graham isika satria ireo fiangonana rehetra nikambana mba hihaino azy. Hitantsika i Oral Roberts eo anivon’ireo Pentekotista. Fa fomba ahoana no hampitoetra ny zavatra raha izany ka mifanohitra amin’izay efa nampianarina ny olona?“—satria avy amin’Andriamanitra izany!
36-Ary Danny, ny fialambolony dia ny manamboatra sarin-javatra madinika amin’ny vato. Nandeha teo amin’ilay toerana nananganana ny Hazofijaliana izy. Tsy nisy olona nijery azy nanodidina, koa nanapaka ampahany kely tamin’ilay harambato izy, nataony am-paosy ho fahatsiarovana. Rehefa tafaverina izy, dia nanamboarany bokotran-tànana-lobaka izany ary nomeny ahy. Ny mahagaga amin’izy ireo, dia toy ny misy pentina rà amin’ireo vato, ary misy toy ny làlana tèry sy mahitsy mamakivavky ny tsirairay. Mety ho fifandrifian-javatra izany, ary na olon-kafa mety tsy ho nahatsikaritra izany; fa amiko, izany dia fankasitrahana ireo zavatra izay inoako. Misy antony avokoa ny zavatra rehetra, amiko.
Fa izao, na inona na inona zavatra ataon’ny Tompo, amin’ny androntsika izao, raha tsy izay voambarany ao amin’ny Malakia 3:19-24, Lioka 17, sy ny andalana hafa maro, nilazany izay tsy maintsy ho avy amin’izao andro farany izao izany, mamelà ahy hilaza fa izany dia fametrahana fototra ho an’io lehilahy izay ho avy io. Izany no maha feno fankasitrahana ahy amin’Andriamanitra-Tsitoha, raha izany no izy, noho ny nanomezany ahy anjara asa kely na eo aza ny tsifahampian’ny fahalalako, mba anehoany ny Fitiavany ahy, ny fitiavako Azy, ary ny fitiavanay ny vahoaka. Koa an-kitsimpo no anatonako io lohahevitra fanambadiana sy fisaraham-panambadiana io. Andriamanitra anie hiantra antsika rehetra.
Fa izao, henohy tsara. Ianareo ry anabavy isany, aoka ianareo tsy hitsangana mba handao! Mipetraha tsara vetivety. Ianareo rahalahy, toy izany koa. Ary ianareo izay mifandray aminay an-telefaona, aza tapahina izany! Aza manao izany! Aoka fotsiny ianareo haharitra mitoetra minitra vitsivitsy mandrapahavita ny toriteny. Mihainoa am-pifantohana tsara! Raha tsy mifanaraka amin’ny fihevitrareo izay voalazako, raiso ireo andalana Soratra Masina izay hampiasaiko, ary diniho izany anatina fanahim-bavaka, mialohan’ny hanapahanareo hevitra.
Andriamanitra anie hitahy antsika raha mbola hiezaka hanatona io lohahevitra io isika.
Mety handany fotoana misimisy izany. Tsy tiako raha am-pikoropahana no hanaovantsika izany. Alao isika rehetra haka bahana tsara amin’ny fotoana, handinihantsika ny Tenin’Andriamanitra amin’ny fahamarinana sy fandalinana, toy ny efa haintsika manao izany.
Hanomboka hamaky isika ao amin’ny Matio toko faha-19. Nihevitra aho hanomboka amin’ny andininy faha-8, kanefa aleo hatramin’ny fiandohan’ny toko no hovakiantsika.
Aza adinonareo fa ireo zavatra ho lazaiko dia tsy maintsy miainga avy amin’ny Tenin’Andriamanitra. Tsy mety raha ny hevitro manokana izany satria mitovy amin’ny fihevitry ny olona rehetra ihany ny fihevitro. Kanefa tsy maintsy misy fitohizana amin’ny Tenin’Andriamanitra izany. Aza adino fa Andriamanitra dia mihazona ny zavatra rehetra ao anaty fitohizana. Tsy mba miova Izy. Izy tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay. Mino izany ve ianareo? Tsy miova Izy! Hamaky ny toko faha-19 aho izao:
«Ary rehefa vitan'i Jesosy izany teny izany, dia niala tany Galilia Izy ka nihazo ny làlana teny an-dafin'i Jordana, dia tonga tany amin'ny sisin'i Jodia. Ary nisy vahoaka maro nanaraka Azy, dia nahasitrana azy teo Izy. Ary nisy Fariseo nanatona Azy, dia naka fanahy Azy hoe: (Miato kely aho eto hahatsapanareo tsara ny fitsapam-panahy natao tAminy) Mahazo misaotra ny vadiny va ny lehilahy noho izay rehetra entiny iampangany azy na inona na inona? Ary Izy namaly ka nanao hoe: Tsy mbola novakinareo va ny teny, fa Izay nahary azy tamin'ny voalohany dia nahary azy ho lahy sy vavy, ka dia nanao hoe: Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin'ny vadiny; ary dia ho nofo iray ihany izy roroa?. Ka dia tsy roa intsony izy, fa nofo iray ihany. Koa amin'izany, izay nampiraisin'Andriamanitra dia aoka tsy hampisarahin'olona. Hoy ireo taminy: Nahoana àry Mosesy no nandidy hanome taratasy fisaoram-bady sy hisaotra azy?. Ary hoy Jesosy taminy: Ny hamafin'ny fonareo no namelan'i Mosesy anareo hisao-bady; fa tamin'ny voalohany dia tsy mba toy izany.» (Matio 19:1-8)
Andriamanitra anie hitahy antsika izao! Ao amin’io andalan-tSoratra Masina io Jesosy dia niatrika io fanontaniana io teo am-piandohany ny Asa fanompoany. Toy izany koa Mosesy dia niatrika izany teo am-piandohan’ny fanompoany. Anisan’ireo fanontaniana voalohany tonga ao am-pon’ny mpino izany. Ny mpanota tsy miasa loha amin’izany. Mitodika amin’ireo mpino izany, satria izy ireo miezaka, araka ny fahalalana ananany, ny hanana fiainana mahitsy eo anatrehan’Andriamanitra. Izany no mahatonga ny fanambadiana sy ny fisaraham-panambadiana ipetraham-panontaniana raha vao fivavahana no resahina. Fa maninona izany? Satria tao no fototry ny fahotana voalohany. Tao no niandohan’ny fahotana; noho izany no ipetrahan’io fanontaniana io hatrany hatrany. Satria tao no tena fiandohan’ny fahotana voalohany.
Tsy hanam-potoana hanazavana ny zavatra rehetra aho izao: fa ho faly aho hamaly ny taratasinareo, araka izay azoko hatao. Isika ato dia manana boky miresaka izany, sy lohahevitra hafa koa, ary gazety sy boky hafa manaporofo ireny zavatra ireny. Fantatsika fa i Eva… Io paoma natao nohaniny io (na izany aza dia tsy araka ny Soratra Masina), dia lazaina ankehitriny fa abricot izany ! Na ny iray na ny iray dia samy tsy izy avy. Nijangajanga i Eva ka niteraka ny zanany voalohany, Kaina, izay zanak’i Satana satria tao aminy ny ratsy. Tsy tamin’i Abela no nahatongavan’ny ratsy. Kaina no zanak’i Satana.
Haiko ny fanontaniana tianareo apetraka amiko izao: Eva dia niteny hoe “Efa nahazo zazalahy tamin’i Jehovah aho“. Tena izany no marina. Raiso moa ny vehivavy ratsy fitondrantena iray eto an-tanàna, sy ny lehilahy ratsy fanahy indrindra. Raha miteraka izy ireo, dia tsy maintsy avy amin’ny Tompo izany, satria Andriamanitra no efa namaritra ny lalàna ho an’ny rehetra ny amin’izany. Lalàna toy ny fiposahan’ny masoandro izany: Raha mametraka ahi-dratsy iray eo amin’ny saha tsara iray ianao, dia haniry izany. Ary tsy maintsy maniry izany satria izany no lalàn’Andriamanitra. Raha alevina ny voan-javatra iray, dia tsy maintsy maniry. Ary tsy misy afaka mampitombo ny aina afa-tsy Andriamanitra, satria araka ny Lalàny no hitomboan’izany
Araka izany rehefa voafafy tao an-kibon’i Eva ilay voa ratsy, dia tsy maintsy namokatra zavatra iray tao izy satria izany no lalàm-pamokaran’Andriamanitra. Tsy afaka nanao na inona na inona izy, afa-tsy ny namokatra io, ary tsy maintsy avy tamin’Andriamanitra no nahatonga izany.
Miteny ny olona indraindray fa ny zaza nateraky ny ray-aman-dreny tsy kristiana dia very. Kanefa ny Ràn’i Jesosy-Kristy no manao fanavotana ho an’ilay zaza, na manao ahoana ny haratsin’ny fomba nahaterahany. Jesosy-Kristy no Zanak’ondrin’Andriamanitra izay manaisotra ny fahotan’izao-tontolo-izao. Tsy afaka mibebaka ny zazakely satria tsy misy tokony ibebahany. Ny fahotany dia ny fahotan’izao-tontolo-izao izay efa nesorin’ny Ràn’i Jesosy-Kristy. Ny ankizy madinika dia mankany an-Danitra.
Ny fahotana voalohany io. Ary izany no mampiverina hatrany io fanontaniana io. Isaky ny misy hetsika lehibe avy any amin’Andriamanitra, ny fanontaniana apetraky ny olona voalohany dia: “Ahoana àry ny amin’ny fanambadiana sy ny fisaraham-panambadiana?“. Tahak’izany foana hatrizay, io dia fanontaniana mipetraka hatrany eo amin’ny vahoaka, toy ny tamin’ny andron’i Jesosy, toy ny tamin’ny andron’i Mosesy. Hatramin’ny ankehitriny dia fanontaniana mipetraka amin’ny vahoaka izany, satria te-hahafantatra ny marina ny olona. Kanefa raha misy fanontaniana, dia tsy maintsy misy ny valiny marina, araka ny voalazako tamin’ny herinandro lasa. Ary raha valiny diso no azontsika amin’ny fanontaniana iray, isika dia hahatsapa ny fahadisoan’izany. Raha te-hahalala ny marina ianareo, dia manohiza manontany, mandra-pahazoanareo ny valiny marina. Ary raha toa ka fanontaniana ara-Baiboly izany, dia tsy maintsy misy valiny ara-Baiboly.
Toy ny efa voalazako, raha tsy maintsy hiatsinanana aho izao maraina izao mba hitady zavatra iray izay ao amin’ny saha iray any atsinanana, dia hankany atsinanana aho. Mety hisy hanoro ahy hoe: “Rahalahy Branham, aty ny atsinanana“; kanefa ny avaratra-atsinanana no tondroiny, izany hoe manakaiky ny atsinanana fotsiny, dia tsy hahita ny zavatra tadiaviko aho. Dia hiverina aho satria fantatro fa tsy nety ilay zotra narahiko. Mety hisy indray hilaza amiko hoe: “Rahalahy Branham, ity ankavananao ity no hizory“, kanefa ny marina dia ny atsimo-atsinana izany, mbola manakaiky ny atsinanana, kanefa tsy izy, dia mbola tsy hahita izay tadiaviko ihany aho, satria ho niala ny làlana mahitsy sy marina aho.
Misy foto-pampianarana lehibe anankiroa mikasika ny fanambadiana sy ny fisaraham-panabadiana. Ny iray milaza fa ny lehilahy iray tsy mahazo manambady afa-tsy indray mandeha ihany, raha tsy hoe maty ny vadiny. Anisan’ireo fanontaniana izany. Raha izany zotra izany no arahinareo, dia diso làlana ianareo. Ny faharoa milaza hoe “Raha ny lahy na ny vavy mijangajanga, dia afaka misaraka sy manambady olon-kafa ilay iray“. Fa izany zotra izany koa dia maha diso làlana anareo.
Araka izany raha ny atsinanana no tiantsika haleha, tsy mety ny atsimo-atsinanana na ny avaratra-atsinanana. Mivoaka ny Soratra Masina ianareo raha manaraka ny làlana voalohany. Mivoaka ny Soratra Masina ihany koa ianareo raha manaraka ny làlana faharoa. Fa ny tiantsika ho fantatra dia aiza ao amin’ny Soratra Masina no misy ireo Teny mifandraika amin’izany, mba ahafantarantsika ny marina ny amin’izany. Samy mandeha amin’ny làlana samihafa avy ny rehetra ka tsy misy tojo amin’ny tanjona izay hitondra ny valiny marina.
Toy ny zavatra miseho ao amin’ny Fiangonana izany izay isiana fotom-pampianarana roa lehibe; dia ny Calvinisme sy ny Arminianisme. Ny lalàna ho an’ny iray, fa ny fahasoavana kosa ho an’ny iray. Ary hitantsika fa ireo mino ny fahasoavana, ireo Calvinistes, dia miteny toy izao: “Isaorana Andriamanitra fa tsy maninona aho raha mifoka! Tsy maninona aho raha migoka! Azoko atao ireny satria aho efa manana antoka mandrakizay.“ Amin’ny ankilany kosa ireo mpanara-dalàna dia manao hoe: “Te-hifanditra aminy aho! Te-hitsikera azy an-kahatezerana aho! Saingy, kristiana aho ka tsy maintsy mangina“
Dia hitanareo fa na misy làlana roa tena samy hafa aza, samy diso avokoa izy roa. Sarotra ny miteny izany, kanefa izany ny marina. Hitantsika fa làlana roa samy hafa no halehantsika, ny iray manana ny zotrany, ny faharoa manana ny azy. Fa andao jerena ny marina.
Henohinareo izao ary diniho raha mety ny toy izany. Ataontsika hoe miomana handeha am-pitan-dranomasina aho (ny ankohonako no raisiko ho ohatra). Raha anisan’ireo mpanaraka Lalàna aho dia hiteny amin’ny vadiko hoe: “Ry malalako, ho any am-pita aho, ka izao ny lalàna: Raha misy lehilahy isangisangianao mandritry ny maha-tsy-eo ahy, dia hisaraka aminao aho rehefa tafaverina avy any! Tsy ekeko ianao hijerijery lehilahy sy hisangisangy aminy! Azonao? Izaho no vadinao! Raha manao izany ianao, dia hisaorako rehefa hody aho! “
Izy indray avy eo mihazona ny fehitendako sy miteny amiko hoe: “ Ry vadiko, izao no lazaiko aminao: raha mijerijery vehivavy ianao, raha mampiaraka aminy, na misangisangy aminy, dia ny fisarahana no miandry anao rehefa hiverina ianao! “. Dia mihevitra ve ianareo fa tokantrano sambatra ny toy izany? Izay ny an’ireo mpankatò Lalàna.
Tsara! Andao kosa jerena ilay làlam-pisainana faharoa. Raha mankany andilambato aho, ka manao fahadisoana any… Hisaina aho, hoe: “ Hampiaraka amin’io vehivavy io aho, fa tsy olana amin’ny vadiko izany, satria tsy mampaninona azy izany.“ Ny vadiko kosa dia hiteny hoe: “ Andeha hampiaraka amin’io lehilahy io aho. Tsy hiteraka olana amin’i Bill izany, tsy mampaninona azy izany! ‘’ Raha tsy mampaninona ahy izany, midika fa misy zavatra diso ao amiko. Tsy tia ny vadiko araka ny tokony hitiavako azy aho. Ary raha tsy mampaninona azy izany, dia misy diso koa ao aminy. Vadiko izy ary tsy tiako hisy lehilahy hafa hihodinkodina manodidina azy. Izy no vadiko, vady ho ahy.
Raha ny marina dia samy manana ny fahamarinany ireo anankiroa ireo, saingy tsy ilay tena marina. Rehefa hankany am-pita aho (raha ny marina), dia miangona manodidina ahy ny ankohonako, ary miara-mivavaka izahay, izaho manankina azy ireo amin’Andriamanitra, izy ireo kosa manankina ahy amin’Andriamanitra. Toy izany no ataonay rehefa hankany ampitan-dranomasina aho. Haiko fa tia ahy ny vadiko, matoky azy aho. Ary izaho tia azy, izy koa matoky ahy. Raha mbola mitia azy toy izany aho dia tsy misy tokony hampahory saina azy, iahiahiany ahy hiaraka amina vehivavy hafa. Raha mbola tia ahy marina izy, tsy mila misaina aho fa miaraka amina lehilahy hafa izy; satria vadiko izy ary matoky azy aho.
Raha ohatra ka tena nanao ratsy aza aho, niaraka tamina vehivavy hafa, rehefa miverina aho dia hifona aminy, hiteny hoe: “Medà, tsy te-hanao an’iny aho, fa tratran’ny vela-pandrika. Io vehivavy io no nanatona ahy, namihina ny tànako, nanomboka nanao ny fanangoleny.“ Mino aho fa ho azony izany, mino aho fa hamela ahy izy. Fa na manao ahoana, izaho tsy mba te-hanao izany! Satria tiako izy! Na fantatro aza fa hamela ahy izy, tsy te-hanao izany aho. Tsy te-hampahory azy aho. Na dia fantatro aza fa hamela ahy izy, izaho tsy te-hampahory azy.
Dia toy izany ihany koa amin’Andriamanitra. Raha ny fitiavana phileo, izay fitiavana amin’ny samy olombelona, ny fitiava-namana, dia afaka manome ny lehilahy iray fihetseham-po toy izany amin’ny vadiny, hanao ahoana ny ho vokatry ny fitiavana agapao (teny grika izay midika “ny fitiavan’ Andriamanitra“)? Inona no hampanaovan’izany fitiavana izany ahy ho an’i Jesosy-Kristy? … Hoy aho; raha mbola anatin’ny foko ny hanao izany dia hataoko izany! Ny fankatoavan-dalàna tsy hamela ahy hanao izany, saingy noho ny fahafantarako fa ho voasazy aho raha manao izany. Fa ny tena marina ny amin’izany dia rehefa tafiditra ao am-ponareo ny fitiavan’Andriamanitra, misakana anao tsy-hanao izany. Izany no marina! Eo ireo fampianarana lehibe anankiroa ireo, ny legalisme sy ny calvinisme, izay samy tsy manana ny marina. Fa izy roa no samy ilaina!
Maro be ny anaram-piangonana ankehitriny: ny fiangonana katolika, ny fiangonana protestanta. Ny tsirairay dia milaza fa izy no làlana. “ Ao aminay ny làlana, ao aminay ny marina! ‘’ Eo ireo Metodista milaza hoe: “ Ao aminay ny marina! ‘’ Eo ireo Batista miteny hoe: “Ao aminay ny marina! ‘’
Raha ny amiko, dia hoy aho hoe: ny fahatsapan’izy ireo ny zavatra toy izany dia milaza fa tsy ao amin’izy ireo izany, satria hoy Jesosy hoe: “Izaho no Fahamarinana“. Hitanareo? Izany no nahatonga ny lohahevitry ny toriteniko omaly nilaza fa Izy no ilay toerana nametrahan’Andriamanitra ny Anarany, ny toerana tokana fitsaofana. Tsy kristiana ianao satria protestanta. Tsy kristiana ianao satria katolika. Tsy kristiana ianao satria metodista, na batista, na pentekotista. Kristiana ianao satria vitan’ny Fanahy Masina batisa ao amin’i Jesosy-Kristy, fa tsy noho ianao vita batisa tamin’ny rano. Tokana ny finoana, tokana ny Tompo, tokana ny batisa, dia ny batisan’ny Fanahy Masina. Ny batisan’ny rano mampiditra anao ao amin’ny fiombonana, fa ny batisan’ny Fanahy Masina no mampiditra anao ao amin’i Kristy. Izany no marina!
Misy foto-pisainana anankiroa koa mikasika ny fanambadiana sy fisaraham-panabadiana. Efa nosokafan’ny Tompo amintsika ankehitriny ny zavamiafin’ireo Tombokasen’ny Teniny, amin’izao andro farany izao. Mety zava-baovao izany ho an’ny ankamaroanareo, fa ireo izay ao amin’ny fiangonako dia mahafantatra izany. Efa naheno mikasika ireo fahitana sy ny zavatra niseho ianareo. Ary ilay fanontaniana dia ara-Baiboly. Koa, aoka isika hino fa tsy maintsy misy valiny marina amin’ny zavamiafina rehetra izay nafenina hatra tamin’ny famoronana izao-tontolo-izao. Ary ny Baiboly efa naminany fa amin’izao andro izao no hampahafantarana ny zavamiafina rehetra. Apokalypsy toko faha-10 dia milaza fa amin’ny andro hitsofan’ny anjely fahafito (ny iraka ho an’i Laodikia), dia ho voambara ireo zavamiafin’Andriamanitra. Ary izao taom-Piangonana izao no farany, ny taom-Piangonan’i Laodikia.
Jereo ny fifohazam-panahy nisy hatramin’ny 15 taona mahery izao: tsy nisy anaram-piangonana nipoitra tamin’izany. Nisy fifohazam-panahy tamin’i Lotera izay lasa anaram-piangonana. Nisy tamin’i Wesley izay lasa anaram-piangonana. Ny an’i Alexander Campbell dia lasa anaram-piangonana. Toy izany koa ny an’i Jhon Smith, anaram-piangonana, sy ny an’i Moody ary ny an’ireo rehetra taoriana. Nanjary anaram-piangonana avokoa izy rehetra. Mandrakariva dia telo taona fotsiny ny faharetan’ny fifohazam-panahy iray, kanefa ity iray ity efa mihoatry ny 15 taona izao, ary tsy nisy anaram-piangonana nipoitra taminy, satria fotoanan’ny fijinjana izao. Tsy misy intsony ny akofa. Rehefa lasa ny akofa, ny voambary sisa eo. Efa vonona Andriamanitra. Izy dia hiantso Fiangonana iray hataony tonga amin’ny fahatanterahana amin’ny alàlan’ny Teniny, Jesosy-Kristy. Izany no ataony ankehitriny.
Mariho fa tsy maintsy misy valiny any-ho-any. Ary toy izany ireo zavamiafin’Andriamanitra impito voaisy tombokase, ireo Tombokase Fito.
Firy aminareo mahazo izany? Azafady mba atsangàno ny tànanareo. Heveriko fa ny ankamaroany dia avy amin’ny fiangonana eto. Henoy izao manaraka izao: raha tsy azonareo ny voalaza teo, afaka hahazo boky mikasika izany ianareo tsy-ho-ela. Efa misy aza vitsivitsy eto izao.
Ao amin’io andalana vao novakintsika io, Jesosy dia manasa antsika hiverina any amin’ny fiandohana mba hahitana ny valiny araka ny Soratra Masina.
Raha napetraka tAminy io fanontaniana io, zavatra anankiroa no tao an-tSainy. Ilay mpisorona nanontany Azy hoe: “Mahazo misao-bady ve ny lehilahy iray n’inona n’inona antony, ka mampakatra vehivavy hafa?“
Fa Jesosy namaly hoe: “ Tsy mba toy izany tany am-piandohana“
Namaly Azy ireo nanao hoe: “Mosesy nanome anay ny taratasy fisaoram-bady“. Izany no nahafahan’izy ireo nisaotra ny vadiny n’inona n’inona antony.
Nilaza Izy fa ny hamafisan’ny fon’izy ireo no nanaovan’i Mosesy izany, fa tsy toy izany tany am-boalohany. Fa misy fanontanina lehibe iray ankehitriny.
Ny olana ankehitriny dia ny fahazoana filaminana eto amin’izao-tontolo-izao. Ny politika ve, amin’ny alàlan’ny fampitambarana ny firenena rehetra, no hahatongavan’izany? – Tsia! hoy aho aminareo. Tsy àry nahomby izany, ary mbola tsy hahomby koa ankehitriny. Kanefa mbola manana valiny ny fanontaniana hoe “Hisy fiadanana ve eto an–tany“ ? – Eny, hisy ny fiadanana rehefa ho levona tsy hisy amin’ny tany ny ota. Fa mialoha izany dia tsy hisy fiadanana. “Hisy firenena hitsangana hamely firenena, hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana.“
Efa nanome ny fanafodin’ny ota Andriamanitra (mihainoa tsara ianareo izao). Nomen’Andriamanitra ny fanafody hamongorana ny ota amin'ny tany, saingy ny olon’ny tany tsy te-hanaiky ny fanafodin’Andriamanitra.
Andriamanitra dia nanome antsika ny fanafody sy ny fomba anambadiantsika ny vadintsika mba iarahantsika monina aminy, saingy tsy te-hanaiky ny fanafodin’Andriamanitra ny olona, tsy te-hanaiky ny Teniny mikasika izany izy.
Izany dia mampahatsiahy antsika ny Tenin’i Jesosy, nilazany hoe: “Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny Teniko tsy mba ho levona.’' Ny valiny tena izy amin’ilay fanontaniana izany dia ny itiavan’i Jesosy hiverenantsika amin’ny fiandohana. Ny Genesisy izany, satria ny Genesisy no Boky-voa ho an’ireo fanontaniana rehetra ao amin’ny Baiboly. Hatrany hatrany, raha te-hamantatra ny vokatra hojinjaina, dia tsy maintsy miverina amin’ny voa, ny karazam-boa nafafy tao amin’ny saha.
Inona anefa ny karazam-boa izay nafafy? Satria ny Genesisy no Bokin’ny famafazam-boa, dia hiverina any amin’ny Genesisy isika. Nasehon’i Jesosy tamintsika io Soratra Masin’ny fiandohana io. Aza adinoina fa izany dia nitranga tamin’ny fiandohan’ny fotoana. Talohan’io, dia ny mandrakizay. Raha ny amin’ny fanontaniantsika, ka hiverina any amin’ny fiandohana isika…
Aza andalovanareo izao! Izany no itiavako miteny milamina. Tiako mba haheno tsara ireo izay manaraka amin’ny telefaona, ary mba hazava tsara ny horonampeo.
Raha nilaza Jesosy hoe: “Miverena amin’ny fiandohana“, dia tsy nisy afa-tsy lahadroa iray ihany isaky ny karazan-java-manan’aina teto amin’ny tany. Tsy nisy afa-tsy Adama tokana, sy Eva tokana. Andriamanitra irery ihany no nanambatra azy ireo. Tsy nisy afa-tsy soavaly lahy tokana sy soavaly vavy tokana. Tsy nisy afa-tsy boloky lahy tokana sy boloky vavy tokana. Tany am-piandohana, izay nilazany tamintsika hiverenana io, dia tsy nisy afa-tsy lahadroa tokana ho an’ny zava-manan’aina tsirairay. Tsy marina ve izany? Hitantsika amin’izany fa tany amin’ny fiandohana dia nirindra tanteraka ny zava-drehetra, sady nifanaraka tanteraka tamin’Andriamanitra. Tsy nisy zavatra niala ny toerany.
Ary eny amin’ny lanitra, mbola samy mitana ny toerany avy ny zavatra rehetra. Ireo kintana, ireo galaxies, ny masoandro sy ireo planetany, mirindra tanteraka avokoa ny rehetra. Kanefa raha ny anankiray amin’ireo fotsiny no miala ny toerany, dia ny programa manontolo no ho tapaka.
Fa izao, henoy tsara ity! Azonareo ve izany? Fiatoana tokana monja dia mampikorontana ny programa manontolo! Raha mbola nihazona ny fitohizana tamin’Andriamanitra izy ireo (lehilahy iray sy vehivavy iray); dia nanota ilay vehivavy. Ary izany dia nanala ny programa ho an’ny tany manontolo, ivelan’ny fitohizana tamin’Andriamanitra. Araka izany, ny fanampiana teny tokana, na ny fanesorana teny tokana ao amin’io Boky io, dia manifika ny kristiana ivelan’ny fitohizana amin’Andriamanitra, manifika ny Fiangonana ivelan’ny fitohizana amin’Andriamanitra, ary koa manifika ny ankohonana ivelan’ny fitohizana amin’Andriamanitra. Ny mpino tsirairay, raha tsy manaiky ny Tenin’Andriamanitra rehetra, dia mety ho voahifika any ivelany.
Ny vehivavy àry no nahatonga ny fisarahana tao amin’io tokantrano kanto io. Tsy kerobima iray no niteraka korontana tety ambonin’ny tany. Tsy Adama no nanifika ny ankohonana, ary nanipy ny zavatra rehetra ivelan’ny fitohizana tamin’Andriamanitra. Tsy nisy afa-tsy ny vehivavy ihany, i Eva. Ary teo, teo amin’io fiandohana resahan’i Jesosy io no nahatapahan’izany. Hoy Jesosy hoe: “Tamin’ny fiandohana Andriamanitra dia nanamboatra lahy iray sy vavy iray isaky ny karazany“. Kanefa indro fa io vehivavy io (tsy ny vavin-tsoavaly na ny vavin’ny alika) dia nanapaka ny fitohizan’ny rehetra teto an-tany tamin’Andriamanitra, ary izany dia nisarika ny zavatra rehetra amin’ny fahafatesana. Tsy ny lehilahy fa ny vehivavy no nanapaka ny fanekena. Notapahiny ny fanekena; Nahoana? – nihoarany ny faritry ny Tenin’Andriamanitra!
Fa sady nanapaka ny fanekeny tamin-dralehilahy vadiny izy no nanapaka ny fanekeny tamin’Andriamanitra. Satria ny fanapahany ny fanekeny tamin’Andriamanitra dia nahatapahany koa ny fanekeny tamin-dralehilahy. Ary ny fialana amin’ny teny nomena sy ny fanekena natao tamin’ny Tenin’Andriamanitra dia mahalasa ny olona maro ho mpikambana amina fiangonana sandoka. Satria nisy lehilahy maromaro niara-niteny hoe “Tsy izany no tian’io lazaina!“ dia ny rafi-piangonana manontolo no voahilika ivelan’ny fitohizana amin’ny Teny noho izany. “Oh, izahay tsy mino izany. Ny Docteur Jones milaza fa tsy izy izany.“ Saingy, raha Andriamanitra mbola milaza fa izany no izy… Hoy Izy hoe: “Aoka ny tenin’ny olona rehetra ho lainga, fa ny Teniko, Andriamanitra, ho marina.“ Eo no mandrava ny fitohizana.
Hitantsika izao fa fony tapaka izany fitohizana izany, dia tapaka ny fizotry ny fiainana, tapaka koa ny fizotry ny fotoana, tapaka ny fanekena, montsamontsana ny zavatra rehetra. Inona no nahatonga izany rehetra izany? – vehivavy iray, izy no nahatapaka ny fanekena. Ao amin’ny Genesisy toko faha-3 no azonareo hamakiana izany.
Nanomboka teo dia ny lehilahy no napetraky ny Tenin’Andriamanitra ho mpifehy ny vehivavy. Tsy nitovy lenta taminy intsony izy. Hainareo fa natao nitovy aloha izy ireo, saingy rehefa nandrava ny Tenin’Andriamanitra ny vehivavy, dia nataon’Andriamanitra ho mpifehy eo amboniny ny lehilahy (Genesisy 3:16). Tsy nitovy lenta tamin’ny lehilahy intsony izy, satria izy no nandrava ny Tenin’Andriamanitra.
Tsy hitanareo ve fa ny vehivavy, izy dia manondro ny fiangonana? Izy no mpandrava ny Tenin’Andriamanitra, ka nahavoahilika azy tany ivelan’ny fitohizana amin’Andriamanitra izany. Izany no nataon’ny fiangonana, ka nahatonga fahafatesana ara-panahy tamin’ny zavatra rehetra. Azonareo izao ny antony anaovako tsindrimpeo amin’izany, satria izany no marina! Zava-nisy voasoratra ao amin’ny Baiboly izany!
Mariho ity: Inona no nahatonga azy nanao izany? Nahoana io vehivavy mahafinaritra, tsara tarehy io…?
Indray mandeha (ataoko fa tany Grece izany) nahita sary hoso-doko aho izay nanehoan’ilay mpana-kanto an’i Eva. Tena zavatra ratsy indrindra mety hojerena izany. Hita amin’izany ny fomba fijery sy ny zavatra jeren’ny fisainana ara-nofo. Saingy tsy toy izany i Eva! Tsara tarehy izy, satria izy no ilay vehivavy tanteraka, ny tena vehivavy manontolo.
Koa naninona àry izy nanao zavatra toy izany, raha avo lenta toy izany no nametrahana azy? Teo ankilan’ny lehilahy izy, ary nitovy lenta taminy. Kanefa haintsika fa namery izany fitoviany tamin’ny lehilahy izany izy rehefa nanota. Dia niteny Andriamanitra hoe: “Manomboka izao dia ny lehilahy no hanapaka anao“. Izany no Soratra Masina.
Raha tianareo, afaka hamaky izany isika. Manondro andininy aminareo aho mba ianareo ihany dia ho afaka hamaky izany, ary koa mba tsy handaniantsika fotoana loatra sy hitsimbinana ireo mihaino an-telefaona, manerana ny firenena.
Marihonareo ny antony nanaovany izany. Ahoana ny nahafahan’i Satana nanatona azy?
Hainareo moa fa indray mandeha dia saika nitovy lenta tamin’Andrimanitra i Satana? Izany tokoa! Ny hany sisa tsy nananany dia ny famoronana. Ny sisa rehetra dia nananany, ary teo an-kavanan’Andriamanitra no nitoerany tany an-Danitra, amin’ny naha filohan’ireo kerobima azy.
Mariho izao: ny antony nanaovan-dravehivavy an’io, dia satria tsy tao amin’ny famoronana voalohany izy. Tsy tao amin’ny famoronana voalohany nataon’Andriamanitra izy, fa izy dia namboarina avy tamin’izany. Araka izany, tany am-piandohana (nifototra tamin’izany Jesosy), tsy tao amin’ny famoronana voalohany nataon’Andriamanitra ny vehivavy. Vokatra faharoa notsoahina avy tamin’ny lehilahy izy, araka izay nampatsiahivan’i Jesosy antsika raha niresaka mikasika ny fiandohana Izy.
Aza adinoina fa tao amin’ny fiandohana Adama dia sady lahy no vavy. Irery izy tamin’izany, fa tato aoriana izy vao nozaraina roa tamin’ny alàlan’ny fanatsoahana taolan-tehezana iray.
Marihonareo fa tamin’ireo famoronana rehetra nataon’Andriamanitra, ny biby sy ny hafa rehetra, dia izy irery no namboarina toy izany. Ny zavamanan’aina vavy hafa rehetra dia tao amin’ny famoronana voalohany avokoa, fa i Eva irery no tsy tao amin’ny famoronana voalohany. Hitanareo, tsy maintsy toy izany no nalehan’ny zavatra. Ho hitantsika izany avy eo.
Marihonareo fa raha namorona Andriamanitra, dia tsy tao amin’ny famoronana voalohany izy, fa vokatra faharoa. Tsy te-hanindrona ny fonareo aho, fa tiako ny hiteny ny marina aminareo. Koa, azafady, mitonia fotsiny ihany ianareo.
Amin’ny zavatra rehetra noforonina dia tsy misy mamitaka toy ny vehivavy. Tsy nisy zavatra hafa namboarina toy ny nanamboarana azy. Noho izany antony izany dia ny vehivavy koa no zavatra faran’izay mora fitahina indrindra. Ny fahalavoana voalohany dia manaporofo izany.
Tsy tao amin’ny famoronana voalohany izy. Tao amin’i Adama izy tany am-piandohana, fa tsy singan’olona niavaka izay nanana ny naha-vehivavy azy. Vokatra namboarina avy tamin’ny famoronana voalohany izy.
Tsy nisy àry zavatra noforonina ka afaka namitaka sy mora fitahina toy ny vehivavy. Tsy misy afaka miletsy ambany dia ambany toy ny vehivavy. Heveronareo izany izao! Amin’ny zavatra rehetra noforonin’Andriamanitra dia tsy misy zavatra mety hidina ambany toy ny vehivavy. Mihoatra ny zavatra rehetra mety hampahory ny lehilahy iray amin’izao tontolo izao, dia ny vadiny ihany no mahefa izany indrindra. Jereo fotsiny izay miseho rehefa lasa nanaraka lehilahy hafa ny vehivavy iray izay toa tsotra sy mahafinaritra teo aloha. Jereo ralehilahy vadiny mitoetra eo miaraka amin’ireo zanany, ny ranomasony mijoy tsy an-kiato! Efa izany no nanamboarana azy, ny hanao toy izany no efa nanamboarana azy.
Tsy misy kisoa, na alika, na biby hafa voamboatra toa azy, na afaka miiva ambany tahaka azy. Marina izany!
Tsy toy izany ny fijeriko anareo anabaviko, fa tiako ianareo handinika:
Tsy misy biby mety holazaina fa janga. Ny vavin’ny alika dia antsoina mpanara-dahy, ny vavin-kisoa dia atao hoe mpihosom-potaka, saingy ny toe-tsain’ireo dia ambony an-tapitrisa heny amin’ny an’ireo vehivavy mpilalao sarimihetsika malaza ao Hollywood! Natao ho afaka hidina ambany toy izany izy. Saintsaino izany izao. Tsy misy ao amin’ny tontolo namboarin’Andriamanitra ka afaka ho janga sy miiva ambany toy ny vehivavy.
Hiteny ianareo hoe: “Andraso kely, ny lehilahy…“. Ho tonga any isika! Tsy maintsy manao “Eny“ ny vehivavy.
Mariho fa tsy misy afa-tsy ny vehivavy no namboarina mba ho afaka hiiva ambany toy izany na ho voaloto. Ny alika tsy afaka ho toy izany. Ny kisoa tsy afaka ho toy izany. Ny vorona tsy afaka ho toy izany. Tsy misy biby janga na afaka ho janga, satria tsy misy natao ho toy izany. Ny lambodia vavy tsy afaka ho janga. Ny vavim-borona tsy afaka ho janga. Ny vehivavy irery no afaka ho janga.
Hitanareo ankehitriny taiza no nalehan’i Satana? Hitanareo? Ny vehivavy no nomena fahafahana hiteny «Eny» na «Tsia». Miankina amin’ny safidiny ny zavatra rehetra. Hitanareo?
Hitantsika mazava tsara izao ny làlana nidiran’ny taranaky ny menarana. Toerana tokana ihany no nety nidirany. Azo lazaina ho jamba ny olona tsy mahatakatra izany. Hitanareo? Tsy maintsy toy izany no nitrangan’ny zavatra.
Ny anton’ny tsy ahafahan’ny vavim-biby ho toy izany dia izy ireo tao amin’ny famoronana voalohany, fa ny vehivavy kosa, izy tsy mba tao amin’ny famoronana voalohany. Hiverina aoriana kely isika handalina izany fisainana izany, ary hampiharintsika amin’ny ankehitriny izany amin’ny alàlan’ny Testamenta Vaovao.
Izy irery no voamboatra mba hanana fiainana maloto sy voaloto. Ny alikavavy tsy afaka manana izany, na ny vavim-biby hafa rehetra. Ny vehivavy irery no afaka manao izany. Ny alika toy ny biby hafa rehetra dia indray mandeha isan-taona ihany no manao firaisana ara-nofo, ary izany dia ny mba ahazoan-taranaka. Amin’ny kisoavavy sy ny alikavavy, dia indray mandeha isan-taona monja izany, mandritra ny fotoana fohy. Fa ny vehivavy dia natao afaka hanao izany isaky ny mila izany (najanoko ny zavatra sasan-tsasany, nefa azonareo saintsainina izany). Tsy afaka manao izany ny alika. Ny vehivavy mahavita. Manantena aho fa ny Fanahy Masina hanambara aminareo ireo zavatra najanoko ireo.
Izy irery no vavy natao tsara endrika noho ny lahy. Tsy toy izany amin’ny karazam-biby hafa rehetra. Ao amin’ny zava-manan’aina an’Andriamanitra rehetra dia ny lahy no bikaina noho ny vavy: na ao amin’ny biby mandady izany, na ao amin’ny vorona, sns. Ny lahy hatrany no tsara bika.
Jereo ilay kapreola lahiny lehibe. Vaventy izy sady lehibe koa ny tandrony. Ampitahao moa izy amin’ilay vavy keliny. Ampitahao ilay akoholahin’ala vaventy sy marevaka volo amin’ilay akohovavin’ala tsotra kely, mainty sady bitika. Ampitahao ireo vorona lahy sy vavy. Fa nahoana no toy izany? Nahoana àry no toy izany amin’ireo zava-manan’aina an’Andriamanitra rehetra ireo? Ao amin’ny zava-manan’aina rehetra dia ny lahy no tsara endrika kokoa noho ny vavy. Manaova fampitahana ao amin’ny ondry, ny kisoa, ny soavaly sy ny hafa rehetra. Ao amin’ny vorona ny lahy hatrany no tsara noho ny vavy. Kanefa kosa ao amin’ny olombelona, dia ny vavy no tsara, fa tsy ny lahy. Raha misy lehilahy iray tsara tarehy, dia misy zavatra diso tany-ho-any, nisy voa nifangaro tany-ho-any. Tany amboalohany dia toy izany.
Fa nahoana? Nahoana izy no natao toy izany? – Mba hamitahana! Satana izay nanao an’i Eva toy izany dia mbola miasa aminy ankehitriny, amin’izao andro farany izao.
Hijanona kely eo isika.
Tsara tarehy! Hainareo ve fa ny fandravana manontolo voalohany nahavoa izao-tontolo-izao dia avy tamin’ny hatsaran-tarehin’ny vehivavy? «dia hitan'ny zanak'Andriamanitra fa tsara tarehy ny zanakavavin'ny olona; ka dia nifidy vady ho azy tamin'izy rehetra araka izay tiany izy.» Tsy marina ve izany?
Ary tsapanareo ve ny fitombon’ny hatsaran-tarehin’ny vehivavy ankehitriny?
Izaho efa nahita ny sarin’i Pearl O’Bryan izay nalaza ho ilay vehivavy tsara indrindra tamin’ny androny. Ankehitriny dia tsy misy tsy mihoatra azy amin’ny hatsaran-tarehy ireo ankizivavy mpianatra an-tsekoly.
Ny fitombon’ny hatsaran-tarehin’ireo vehivavy ankehitriny dia maneho amintsika fa fotoanan’ny famitahana no iainantsika izao.
Àry mba oviana no tsara endrika toy ny ankehitriny ireo trano fiangonana hatrizay? Trano vaventy sy tsara endrika no amboarina eny-rehetra-eny, andaniana vola an-tapitrisany. Tsy hitanareo ve “izy“, Eva, ny famitahana!
Tsy misy àry zavatra afaka miiva ambany toa azy, ary voamboatra toy izany izy mba hamitaka. Ary tena miasa ao aminy Satana ankehitriny, amin’izao andro farany izao, satria izy no mpanamboatra ny endriny. Azoko ho porofoina izany izao raha miverina any am-piandohana aho. Iza no nanomboka niasa taminy? Adama sa Satana? Andriamanitra sa Satana? Hitanareo? Izy (Satana) no nanamboatra azy toy izany. Ary nampiasainy izy ho fitaovam-piadiana nandavoana an-dralehilahy tao amin’ny fahalotoana. Noho io hatsaran-tarehiny io dia afaka mitarika ny lehilahy any amin’izay tiany izy. Ry rahalahiko isany, tsy ilay mpivarotra toaka an-tsokosoko eo an-tsisin’ny arabe no mandavo ny lehilahy, fa ilay vehivavy tsara tarehy izay mandeha mampandihy fitombenana eny amin’ny arabe, zara raha mitafy, izy no mandavo ny lehilahy. Izy no mahavoa. Izy no maha voafitaka. Ary mahafaty izy amin’izany! Tena mahafaty tokoa! Mety tsy hatoky ahy ianareo raha ilazako fa Satana no mpanamboatra ny endriny, saingy marina izany. Namboarin’i Satana no ny endriny. Ary mbola ataony izany ankehitriny.
Mbola te-haneho aminareo zavatra iray ao amin’ny Soratra Masina koa aho. Tsy maintsy haveriko ao amin’ny Soratra Masina ianareo mba ahafahanareo manana ny hevitrareo manokana rehefa mijery ny fitrangan’ izany ankehitriny.
Satana irery no mamolavola io karazana hatsaran-tarehy io. Azontsika marihina fa izy no ilay anjely tsara tarehy indrindra tany an-Danitra. Tsy izany ve? Ary naniry hanao ny Lanitra ho tsara nohon’ny fanjakan’i Mikaela izy. Tsy izany ve? Naneho ny naha-zanak’i Satana azy koa i Kaina, raha nanolotra fanatitra tsara kokoa, nampihaingo ny alitarany tamina voankazo sy voninkazo, sns. Tsy marina ve izany? Tena tsara ny alitarany! Tsara tarehy ny fahotana, araka izay ataontsika ankehitriny hoe tsara. Ary amin’ny alàlan’ny hatsaran-tarehy no mamitaka ny ota. Raha mahita vehivavy iray eny amin’ny arabe ianareo, tsy hainareo izay ao am-pony, hitanareo, saingy nilaza ireny zavatra ireny aho mba ahitanareo fa Satana no nanao azy. Izany no marina. Kaina, zanany ihany, no manaporofo izany.
Tsara tarehy ny vehivavy mba ahafahany mamitaka. Tsara izao-tontolo-izao mba ahafahany mamitaka. Ny ataoko hoe izao-tontolo-izao dia ny kosmos, ny lamin’izao-tontolo-izao. Tsara izany mba ahafahany mamitaka amin’ny alàlan’ireo toerana meva sy mirentirenty.
Tsarovy, rehefa tonga ka nijery ny tanàna ny mpaminany Amosa dia nahita azy ho toy ny endrik’i Hollywood ankehitriny. Nihakely ireo masokeliny teo ambanin’ireo volony izay nihantona tamin’ny tavany. Dia nidina tao izy mba hampita hafatra iray. Nitabataba be izy nampita izany teo amin’ny tany malalaka. Hoy izy hoe: “Io Andriamanitra lazainareo fa tompoinareo io no hamono anareo!“. Marina izany! Tsara tarehy ny fahotana.
Matetika i Jodasy dia asehon’ny olona toy ny mpimamo iray mireniny eny amin’ny arabe, ny vavany misokatra idiran’ny lalitra, kanefa i Jodasy dia lehilahy iray bikàna sady tomady, tena mpanangoly. Tsy karazan’ireny lehilahy mampiahiahy ireny izy. Tsy karazan’irony lahiantitra tantsaha mipataloa fohy mihodinkodina manodidina ny vadinareo irony izy. Fetsy kokoa izy. Lehilahy tena ratsy fanahy.
Tsara tarehy imason’izao-tontolo-izao ny fahotana. Saingy tsy maneho an’Andriamanitra izany karazana hatsaran-tarehy izany. Hainareo ve izany? Ny toetra, ny toetra tsara no maneho an’Andriamanitra.
Ao amin’ny Baiboly (Isaia 53, raha tianareo raisina. Andalana maro ao amin’ny Soratra Masina no noraisiko mikasika izany), Ny Baiboly, ao amin’ny Isaia 53, nilaza mikasika ny Tompontsika fa «tsy nisy hatsaran-tarehy haniriantsika Azy. … natao tsinontsinona Izy ka tsy mba nahoantsika». Tsy marina ve izany? Tsy naniry Azy isika, satria tsy tsara bika Izy. Azo heverina amin’izany fa keliray Izy sady nilatsa-soroka no menamena tava ka tsy nisy ho nanaiky azy ho mpitarika. Tsy niendrika filoha Izy. Toy ny fitenin’ny olon-tsotra ny fiteniny, toy ny sarambabem-bahoaka, fa tsy toy ireny olona manam-pahaizana sy mitafy tsara ireny. Tsy hafa tamin’ny olona tsotra Izy. «Tsy nisy hatsaran-tarehy haniriantsika Azy.». Lehilahy tsotra no nahitan’ny olona Azy, ka izy ireo tsy afa-namantatra Iza moa Izy. Tsy niseho toy ny Andriamanitra Izy, izay heverintsika ho Andriamanitra. Kanefa tena Andriamanitra Izy!
Tsikaritrareo ve izay nitranga rehefa niteny tamin’i Samoela Andriamanitra hoe: “Mankanesa any an-tranon’i Jese ary hosory ho mpanjaka ny iray amin’ireo zanany hasolo an’i Saoly’‘?
Nifidy an’i Saoly ny vahoaka, na dia niezaka nisakana izany Samoela. Hoy izy hoe: “Tsy tian’Andriamanitra hanana mpanjaka ianareo. Izy no Mpanjakanareo. ‘’ Nilaza koa izy hoe: “Efa nilaza zavatra taminareo tamin’ny Anaran’ny Tompo ve aho ka tsy tanteraka izany? Efa nitaky vola na zavatra hafa taminareo ve aho ho fivelomako?“
Namaly ireo hoe: “Tsia, tsy mba nangataka vola taminay ianao, ary izay nolazainao tamin’ny Anaran’ny Tompo dia tanteraka avokoa, saingy mila mpanjaka hanjaka aminay izahay“. Dia nifidy an’i Saoly àry ireo. Hitanareo izay fidin’izao-tontolo-izao! Hitanareo izay nofidin’Isiraely! Isiraely, izay voahosotr’Andriamanitra, dia nifidy lehilahy iray izay nanan-tombo noho ny olona rehetra tao amin’ny fireneny hatramin'ny sorony no ho miakatra ny halavany. Lehilahy tsara tarehy sy bikàna tokoa izy, saingy tsy nanao afa-tsy nanimba zavatra fotsiny.
Kanefa Andriamanitra niteny hoe: “Ankehitriny homeko mpanjaka araky ny safidiko ianareo“. Noho izany dia niteny tamin’i Samoela Izy hoe: “Tsy lazaiko aminao izao iza izany, fa mankanesa any ianao, anankiray amin’ireo zanak’i Jese no izy“.
Jese sy ny vadiny ary ireo zananilahy nijery ka niara-niteny hoe: “Eny, ny lahimatoanay dia lehilahy bikàna sy vaventy. Ho mendrika azy tokoa ny satroboninahitry ny mpanjaka. Marani-tsaina izy, manam-pahalalana, lehilahy tsara izy. Tena mety ho an’azy izany. Ary izy koa mahay miteny“.
Koa naroso izy, ary Samoela naka ny tandroka misy diloilo ka nanatona azy. Saingy niteny izy hoe: “Tsia, nolavin’ny Tompo izy“? dia toy izany avokoa no nitranga tamin’ireo enina nifanesy. Nolavin’ny Tompo izy rehetra. Koa nanontany Samoela hoe . “Tsy misy intsony angaha any?“.
Namaly Jese hoe: “Eny, misy tokoa anankiray any, saingy tsy eto izy fa miandry ondry, tsy manao afa-tsy ny mipetraka izy dia mitendry mozika, dia mihira sady mihiakiaka tsy an-kiato. Zazalahy keliray milatsa-tsoroka izy no menamena tava. Tsy ho mety hatao mpanjaka raha izy!“
Niteny Samoela hoe: “Alaovy aty izy!“. Ary rehefa nahatazana an’i Davida ilay mpaminany dia nihazakazaka nanatona azy, ka nandrotsaka ny diloilo teo amin’ny lohany, ary niteny hoe: “Ity iray ity, izy no nofidin’ Andriamanitra“. Tsy tsara tarehy izy saingy izy nanana toetra.
Ny toetra no jeren’Andriamanitra. Ny hatsaran-tarehy no jeren’ny olona, saingy mamitaka izany. Izany no antony nanomezana io hatsarana io tamin’ny vehivavy, mba hamitaka, mba handavo. Raha tsy mampiasa amim-pahamarinana ny hatsaran-tarehiny ny vehivavy iray dia lasa ozona ho azy izany. Handefa azy amin’ny helo faingana noho izay fomba hafa rehetra fantatro izany. Raha tsara tarehy izy, ka mbola mijanona amin’ny vadiny, manao izay mendrika, dia tsara sy mahafinaritra izany. Kanefa afaka mampiasa izany ihany izy, rahalahiko isany ô, mba hamitahana! Satria nomena azy izany mba hanaovany toy izany.
Mariho anefa fa ny toetra no maneho an’Andriamanitra. Tsy nanana hatsaran-tarehy ho naniriantsika Azy Jesosy, saingy tsy mba nisy teto an-tany nanana toetra toa Azy.
Hitantsika ankehitriny ny toetr’ireo fiangonana, ny toetr’i Satana sy ny fikambanany izay mitady trano fiangonana lehibe sy tsara tarehy, sy ny zavatra hafa tsara endrika koa. Izany no ankasitrahan’izao-tontolo-izao ankehitriny. Ny pastora lehibe Ranona, izay izao-sy-izao, amin’ny endriny tena mpisorona sy araka an’Andriamanitra, mivoaka mitafy ny robolavany. Ny toy izany no ataon’izy ireo hoe tsara.
Fa ireo tena olo-masin’Andriamanitra kosa dia mikatsaka ny toetry ny Teny voamarina.
Izany no notadiavin’ireo masina rehefa nahita an’i Jesosy izy ireo. Tsy nisy zavatra nampiavaka Azy, saingy izy ireo nahita fa Andriamanitra tao Aminy. Hitan’izy ireo fa niaraka tAminy Andriamanitra!
Toy izany koa tamin’i Joaba sy ireo lehilahy niaraka tamin’i Davida. Davida dia zatovo keliray toa tsinontsinona, saingy ilay lehilahy tao aminy no hitan’izy ireo. Hitany fa tao aminy Andriamanitra, ary indray andro tsy maintsy ho azony ny fanjakana. Ny iray tamin’izy ireo nahafaty dimy tamin’ny rahalahin’i Goliata. Ny iray hafa nahafaty lehilahy telonjato: nisy vehivavy maromaro nioty voanemba hatao sakafo, kanefa ny tafika efa lasa, dia naka lefona iray ny lehilahy namonoany ireo Filisitina telonjato. Lehilahy nanan-toetra avokoa izy ireo! Nahoana? – Nijanona niaraka tamin’i Davida izy ireo. Fantany fa teo aminy ny hosotra, fantany fa tsy maintsy ho azony ny fanjakana. Izany dia endrika madio ho an’ny Fiangonana ankehitriny izay hijanona amin’ny Teny. Fantatsika fa ho voamarina ny Teny. Fantatsika fa ho tonga amin’ny fitondrana Izy indray andro any.
Nandositra ny firenena manontolo i Davida, kanefa ireo lehilahy ireo nahafantatra fa ho avy ny andro izay hanjakany. Isika koa mahafantatra fa hanjaka Izy indray andro any. Noho izany no itoerantsika Aminy na inona na inona no tsy maintsy iharetantsika. Raha tsy maintsy hamono Filistina isika, na hitsambikina anaty hantsana, na hamono liona toy ny efa nataon’ny anankiray, dia hataontsika izany, satria Andriamanitra no efa nanao ny zavatra ho toy izany. Ny zavatra katsahintsika dia ny toetra.
Mety hanontany ahy ianareo izao hoe: “Nahoana Andriamanitra no namela nanamboarana ny vehivavy toy izany?“ (Tsy te-handany fotoana loatra amin’izany aho satria mbola misy zavatra hafa tokony holazaina). Nahoana? Mety mipetraka ny fanontaniana. Nahoana no nataon’Andriamantra toy izany ny vehivavy? – Noho ny Sitrapony manokana! Izany mihitsy.
Raiso vetivety ny Baibolinareo, ao amin’ny Romana toko faha-9, dia atoroko anareo ny fanaon’Andriamanitra ireny zavatra ireny, raha sitrakareo ny hamaky izany. Hitantsika eto ny fanaon’Andriamanitra araka ny Sitrapony. Romana 9:14-23:
«Ahoana ary no holazaintsika? Misy tsi-fahamarinana va amin'Andriamanitra?
[ Raha nifidy an’i Jakoba izy ary nandà an’i Esao, na mbola tsy afaka nisafidy aza izy roalahy, na ny iray na ny iray; talohan’ny nahaterahan’izy ireo, mbola tao an-kibon-dreniny, Andriamanitra niteny hoe: “Halako Esao, fa tiako Jakoba.“ Hitanareo? Nahoana? ]
Sanatria izany! Fa hoy Izy tamin'i Mosesy: Izaho hiantra izay hiantrako, ary hamindra fo amin'izay hamindrako fo.Koa dia tsy avy amin'izay maniry na amin'izay mihazakazaka izany, fa avy amin'Andriamanitra Izay miantra. Fa hoy ny Soratra Masina tamin'i Farao: Izany no nanandratako anao, mba ho entiko mampiseho ny heriko, ary mba hanambarana ny anarako any amin'ny tany rehetra.. Koa (jereo izao) izay tiany hamindrana fo no amindrany fo, ary izay tiany hohamafìna fo no hamafiny fo. Hianao ary dia hanao amiko hoe: Koa nahoana Izy no manome tsiny ihany? Fa iza no manohitra ny sitrapony? Tsia, ralehilahy, fa iza moa ianao, no mamaly an'Andriamanitra? Izay zavatra noforonina va hanao amin'izay namorona azy hoe: Nahoana Hianao no nanao ahy toy izao? Ny mpanefy vilany va tsy manam-pahefana amin'ny tanimanga, ka ny vongany iray ihany no anaovany zavatra samy hafa, ny iray hohajaina, ary ny iray hatao tsinontsinona? Sa ahoana kosa raha Andriamanitra, na dia ta-haneho ny fahatezerany sy hampahafantatra ny heriny aza, dia be fahari-po ka nandefitra tamin'izay fanaky ny fahatezerana voavoatra hosimbana, mba hampahafantarina koa ny haren'ny voninahiny amin'izay fanaky ny famindram-po, izay namboariny rahateo hahazo voninahitra,
Handinika an’io vetivety isika. Andriamanitra no nanao izany. Tsy maintsy toy izany no nanaovany azy. Tsy maintsy toy izany ilay izy.
Izao dia henoy ity: misy zavatra tiako isarihana ny fisainanareo sahabo dimy minitra eo. Inona moa io Andriamanitra io? – Izy dia Mandrakizay iray lehibe. Tany am-piandohana, nialoaha ny fiantombohan’ny zavatra rehetra, dia tsy Andriamanitra akory Izy. Hainareo ve izany? Andriamanitra dia “zavatra fitsaofana“, kanefa tsy nisy zavatra afaka nitsaoka Azy tamin’izany. Izy irery no nisy.
Saingy tao Aminy dia nisy ireo Toetram-pahatanterahana. Inona ny toetram-pahatanterahana? – Fisainana iray. (Mitady hikasika ny lesontsika rahariva sahady isika). Mariho fa ireo Toetram-pahatanterahana izay tao Aminy ireo no Izy. Efa tao Aminy ny ho Ray. Efa tao Aminy ny ho Andriamanitra. Efa tao Aminy ny ho Zanaka. Efa tao Aminy ny ho Mpanavotra. Efa tao Aminy ny ho Mpanasitrana. Ny zavatra rehetra misy dia tsy manao afa-tsy ny maneho ireo Toetram-pahatanterahany ireo. Tsy misy zavatra miala amin’ny lamina. Heverinareo ve fa tsy efa fantatr’Andriamanitra ny fiafarana mialoha ny fiandohana? Tsy isalasalana fa efa hitany izany. Tsy misy zavatra miala amin’ny lamina. Ireo rehetra ireo dia ny mba haneho ireo Toetram-pahatanterahany.
Tsy mety ho marina Izy sady manao izay hahalavo ny lehilahy iray. Tsy maintsy napetrany tao amin’ny toerana nahafahany nanapa-kevitra samirery ralehilahy, na fantany aza fa tsy maintsy ho lavo.
Tsy mety ho Mpamonjy Izy raha tsy misy zavatra very. Tsy afaka ny ho Mpanasitrana Izy raha tsy misy marary. Tsy maintsy ho toy izany ny zavatra rehetra. Nataon’Andriamanitra toy izany ny zavatra mba nahafahan’ireo Toetram-pahatanterahany ireo niseho. Raha tsy nisy ny olombelona tsy afaka ny ho Mpamonjy Izy. Saingy fantatsika rahateo fa Mpamonjy Izy. Raha mbola tsy nanomboka ny fotoana dia efa Mpamonjy Izy.
Efa Mpamonjy Izy. Noho izany tsy maintsy nisy zavatra very. Ahoana àry ny hahatanterahan’izany?
– Raha maka zavatra iray Izy, ka manary fotsiny izany mba hamonjeny azy, dia tsy misy fahamarinana ny Fitsarany. Tsy afaka ny ho marina Izy kanefa mandefa ny olona any amin’ny helo. Tsara fanahy Izy, malemy fanahy, marina, mahitsy-fo, sady Mpitsara lehibe. Hitanareo, raha amin’izay dia manohitra ny Tenany ihany Izy.
Noho izany dia tsy maintsy napetrany tamin’io fahafaha-manapa-kevitra malalaka io ny olombelona, kanefa fantany fa tsy maintsy ho lavo. Kanefa ahoana no hahatonga an’io lehilahy izay natao tamin’ny endrik’Andriamanitra io ho mety lavo? Hitanareo amin’izay ny hazavan’ny andro izao? Noho izany no tsy maintsy nanatsoahany zavatra iray avy tamin’ny famoronana voalohany. Hitanareo izany izao! Ao no iaviantsika. Izany zavatra izany no lavo. Nataony izany, sady fantany fa ho lavo izany. Ary natolotra an’i Satana izany, toy ny siny natao tsy-hanam-boninahitra. Iza anefa no omena voninahitra ankehitriny? Heveronareo izany.
Tandremo tsara izao. Nahoana indray àry izy no natao toy izany fa tsy nitovy tamin’ireo vavim-biby hafa rehetra? Tsy misy vavim-biby hafa natao toy izany. Tsy toy izany izy ireo ankehitriny. Tsy mety ho toy izany izy. Tsy afaka hanao toy ny vehivavy izy ireo satria tsy natao toa azy. Nahoana àry no tsy nataon’Andriamanitra nitovy tamin’ny vavim-biby rehetra ny vehivavy, mba nahafahany toy ireo, hitaiza fotsiny ireo zanany? Dia ho afaka niaina niaraka tamin’ny vadiny izy, ka rehefa tonga ny fotoana tokony nananany zanaka dia ho nahazo izany izy. Nahoana, nahoana no tsy nataony toy izany ny vehivavy?
Misy zavatra tsy azoko tenenina, kanefa mino aho fa azonareo ny tiako holazaina, tsy izany ve? Raha azonareo dia lazao hoe “Amena“. [ Ny mpivory mamaly hoe Amena – N.d.R]. Yah. Hitanareo? Satria misy ankizikely vavy sy lahy eto. Kanefa, hainareo fa misy fotoana efa voafaritra isan-taona no manatona ny biby lahy ny vaviny. Ankoatra izany, dia tsy misy. Fa ho an’ny vehivavy, mandava-taona dia mety aminy. Nahoana àry nataony toy izany izy?
Raha mbola mandinika izany isika, dia jereo ny fizotry ny Programany be voninahitra, lavorary araka izay azo atao (vao andro vitsy no nahatsapako izany).
Nahoana no tsy nataony toy izany izy tany am-piandohana, nampitoviany tamin’ireo vavim-biby hafa rehetra? – Satria, ho an’Andriamanitra, dia tsy ho nety izany. Loharanon’ny fahadiovana rehetra Izy. Koa tsy maintsy navelany ravehivavy nosamborin’i Satana, izay nanao izany mba hanimba azy. Hatra tany am-piandohana, dia efa tsy nety tamin’Andriamanitra ny ho nanao azy toy ireo hafa.
Ireo Asany rehetra izay novolavolainy tany am-piandohana dia nisy fitohizana. Ny Asany voalohany rehetra dia tao anaty fitohizana. Ny vavin’alika, ny lahin’alika. Ny vavin’omby, ny lahin’omby. Nisy fitohizana avokoa izany. Misy fitohizana ao amin’ny zava-boaàry manontolo. Maty ny voa, dia milevina an-tany, ary maneho tsy misy tomika ny fahafatesana-filevenana-fitsanganana amin’ny maty. Midina any amin’ny fakan’ny hazo ny ranon-kazo, ka mihintsana ireo ravina. Fa miakatra indray izany amin’ny taona manaraka, dia mitsiry indray ireo ravina, toy ny fitsanganana amin’ny maty. Azonareo ve ny tiako holazaina? Ny zavatra rehetra, na Andriamanitra aza, dia ao anaty fitohizana iray, fitohizana tokana. Kanjo, indro misy zavatra anankiray voavolavola tsy ho ao anatin’izany fitohizan’Andriamanitra izany! Ny voaàry dia voamboatra tsy afaka ny hanota. Saintsaino izany! Ny famoronon’Andriamanitra voalohany dia tsy afaka manota!
Oh, tsy hitanareo àry ve izao, raha jerena toy izany ny fahasimban’ny fiangonana? Ny Tenin’Andriamanitra no niandohana. Tsy misy ota ao amin’Andriamanitra. Azonareo ve ny tiako holazaina? Indro zava-manan’aina iray niforona tamin’ny alàlan’ny fahasimbana. Andriamanitra dia hanana Fiangonana iray, saingy jereo io zavatra simba izay misy etỳ ambany etỳ io! Namboarin’Andriamanitra lahy sy vavy ny olona. Kanefa ilay vehivavy… Hitanareo, ny fihetsiny dia ahafantarana izay efa tao amin’ny fisainan’Andriamanitra. Mety handany adiny iray na roa isika handinihana izany fotsiny. Ho amin’izany no nanaovany io zava-manan’aina iray io. Namboariny izy io, ary natolony an’i Satana izay nisambotra azy. Ary mbola eo an-tànany izy io ankehitriny! Ny tokony ataony dia ny mandositra, mialoka eo ambanin’ny Hazofijaliana; ary toy izany rahateo koa no tokony ataon’ny lehilahy!
Mariho fa ny zavaboaàry rehetra dia ao anaty fitohizana iray. Raha tao amin’ny famoronana voalohany no ho nanamboaran’Andriamanitra ny vehivavy, dia tsy ho nisy ny fahotana, satria tsy ho afaka nanota izy. Tsy ho afaka nanota izy! Saingy izy dia fanasimbana ny famoronana voalohany, ary tahaka izany, ny fahotana rehetra dia fanasimbana ny fahamarinana voalohany.
Inona moa ny lainga? – Izany dia fahamarinana nosimbaina. Inona ny fijanganjangana? – Ny fanao marina nosimbaina. Indro àry fa simba ilay zava-manan’aina. Dia indro, fa simba avokoa ny rehetra. Ary izany rehetra izany no atao hoe OTA. Ao no misy azy. Izany no maha zava-dehibe ny lohahevitra.
Ny vehivavy dia ampahany kely fotsiny, izay notsoahana tamin’ny lehilahy, ary nampiasaina mba hamitahana azy. Nataon’Andriamanitra izany. Efa voaporofo teto izany. Ho amin’izany no nanaovana azy.
Ny vehivavy janga iray no zavatra ambany indrindra eto amin’ity tany ity. Ry tovovavy, mamelà ahy ianareo amin’izay holazaiko izao. Fa ny vehivavy janga dia tsy hafa fa olona fanariam-pako, fampirantiana fivaviana. Tsy hafa amin’izany izy. Ny vehivavy janga iray dia fanariam-pakon’ny firaisana ara-nofo, toerana iray maloto, fanipazana izay rehetra maloto, maharikoriko. Nahoana izy no natao toy izany? – Mba hamitaka! Ny fahotana rehetra vita teto amin’ny tany dia samy nisy vehivavy iray avy nipoirany.
Nisy mpandinika iray tao Chicago, vehivavy, namoaka tan-gazety fa, araka ny voalazan’ny polisy, ny 98 % amin’ireo heloka rehetra nataon’ny olona tato Etazonia, tsy mifidy ny karazany, dia nisy hatrany, vehivavy voaroiroy, na tao an-damosin’izany. Milaza izany aho satria misy tiako ahatongavana, izay tiako ho azonareo tsara koa.
Natao hamitaka izy, toy ny namitahany an’i Adama tany am-boalohany, raha nilazany izy fa tsara ny voan-kazo, sns…, izany dia ny mba hamitahany azy ka hanalaviran-dralehilahy ny Teny. Toy izany no ataon’ny fiangonana ankehitriny. Mbola izany ihany!
Kanefa, taorian’izany, dia nanjary lohany ny lehilahy, mba hifehy azy.
Kanjo, lavitra dia lavitr’izany fahiny izany no misy ankehitriny! Raha ny lehilahy no tokony ho lohan’ny vehivavy, ny vehivavy indray no lasa andriamanitry ny lehilahy! Izany mihitsy! Izy vehivavy no manapaka ny lahy. Tokony ho azonareo tsara ny tiako ahatongavana izao. Amin’ny alàlan’ny hatsaran-tarehiny, ny fifehezany ny firaisana ara-nofo, ary io bika nomen’i Satana azy io, dia alefa izy mba handavo ireo zanakalahin’Andriamanitra, ary izy no afaka mandefa indrindra azy ireo any amin’ny helo mihoatra noho ireo fitaovam-piadiana hafa rehetra an’i Satana. Izany no tena marina.
Tsy ianareo no resahiko, ry anabavy isany, fa ireo vehivavy janga. Afaka kelikely dia homena anareo ny toeranareo ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Efa tao amin’ny Planin’Andriamanitra hatra tany am-piandohana izany.
Fa mba hiverenantsika amin’ny ankehitriny, iza no andriamanitr’i Etazonia? Tsaroanareo ve, taona maromaro lasa izay, nitory momba izany aho: Ilay andriamanitr’izao andro moderna izao. Tsy inona izany, fa tovovavy kely miloko tarehy, ny akanjony miantona eny ambonin’ny lohaliny. Niteny aho tamin’izay hoe: “Ry Amerika, indro ny andriamanitrao!“ Ary marina izany! Hita mitanjaka eny amin’ny peta-drindrina rehetra eny izy. Mandehandeha eny amin’ny arabe koa izy, toy izany ihany.
Fitaovan’i Satana izy! Niteny Jesosy hoe: “Tany am-piandohana…“. Hitanareo? Hitantsika fa toy izany ankehitriny, ary “hatra tany am-boalohany“, ary izany no resahany.
Fomban’ny Jentilisa ny nanao azy ho andriamanimbavy. Hainareo ve izany? Andriamanimbavy! Marina izany. Nataony andriamanimbavy izy, ary nandritra ny fiankohofany izy ireo dia nanao firaisana ara-nofo. Nilaza izy ireo fa mpamorona izy. Mitondra ny voa ao an-kibony izy ary mamorona. Lainga izany! Tokana ny Mpamorona, dia Andriamanitra. Tsaroanareo ve i Paoly tao Efesosy? Ilay Diana an’i Efesosy dia sarivongana vato izay nolazaina fa andriamanimbavy, izay avy tany an-danitra no nidina tetỳ. Tsy hitanareo ve akory ny fiankohofan’ny Jentilisa taminy?
Ary isika dia tsy mahatsapa akory fa miverina mivantana amin’io fivavahana jentilisa io, dia ny fivavahana amin’ny vehivavy, ilay zava-manan’aina ambany indrindra eto an-tany! Ny fiankohofana amin’ny vehivavy! Azony hatao ny misarika ny lehilahy amin’izay rehetra tiany hisarihana azy. Ary ny lehilahy tsy mahafantatra fa io hatsarana be etỳ ivelany io anie ka manafina helo ao anatiny! Solomona dia nilaza fa varavaran’ny helo izy.
Hitantsika mazava tsara ankehitriny ny tian’i Jesosy nolazaina ao amin’ny Apokalypsy 2:15, raha nilaza ny fampianaran’ny Nikolaita Izy, nanambara ny ho fiavian’io fiangonana izay hanala ny tenany amin’ny Teny io.
Afaka mahita izany koa isika ao amin’ireo fandaharan’ny fahitalavitra: ratsy, maloto, tsy matahotra an’Andriamanitra ireo, izay mampiranty ireny mpanjakavavin’ny firaisana ara-nofo ao Hollywood ireny. Hitantsika ny fahalotoan’ity tanàna ity amin’ireo tovovavy mitsangatsangana mampandihy fitombenana eny amin’ny arabe, manao zipo fohy sy manara-batana, na mamanala toy ny any amin’ny tendron’ny tany aza ny hatsiaka! Tsy fantatr’izy ireo fa ny devoly no mampanao izany azy. Misy fanahy ratsy manandevo azy, saingy tsy fantany. Tsy hahita ny alika vavy hanao toy izany ianareo, tsy izany? Tsy hahita vavim-biby hafa hanao toy izany ianareo. Izy ireo rahateo tsy mba mamela ny lahy hanatonkatona azy. Hitanareo?
Azonareo ve io sary io? Mbola hahita zavatra hafa isika afaka kelikely, raha sitraky ny Tompo.
Hitanareo ankehitriny ireo Nikolaita, hitanareo ny foto-pampianarany. Hitanareo ireo mpanjakavavin’ireo adolantsento, izany no filazan’ny olona azy, ireo mpanao streap-tease, izay mandehandeha eny amin’ny arabe. Taloha, raha te-hahita streap-tease, dia tsy maintsy mandeha amin’ireny trano fampisehoana izany ireny. Fa ankehitriny, mivoàha eny amin’ny arabe fotsiny ianao dia sokafo ny masonao. Izay fotsiny no ataonao dia mahita. Ny rafitra manontolo dia lasa streap-tease! Izany tokoa! Maninona izy ireo manao izany? – Mba ho tsiriritina, haka fanahy olona! Izay ihany ny antony anaovany izany. Ataony izany satria efa voaloto izy. Ataony izany satria efa natao ho amin’izany izy. Tsy mahatsapa tena izy fa fitaovana eo am-pelatànan’i Satana. Kanefa dia izany izy ireo.
Na dia any amin’ireo sekolintsika aza ankehitriny dia ampianarina ny firaisana ara-nofo. Izany no tontolontsika voaloton’ny fiankohofana amin’ny vehivavy! Haiko fa tsy te-hino izany ny olona. Mijoro, mihira fihirana eny am-piangonana ireo lehilahy ny antoandro, saingy tontolon’ny alina, lasa manjohy vehivavy. Hitanareo? Tsara. Kanefa imason’Andriamanitra, izay ny Teny, dia izy no zavatra ambany indrindra amin’ny biby rehetra izay nataon’Andriamanitra eto ambonin’ny tany. Tandremonareo izany!
izany no tsy aneken’Andriamanitra azy hitory ny Teniny. Marina izany. Izao no voalazan’ny 1 Timoty 2:9-15: «Fa ny vehivavy tsy avelako hampianatra na hanapaka ny lehilahy, fa hangina ihany.» Hitanareo? Izao koa no lazain’ny 1 Korintiana 14:34: «dia aoka hangina ny vehivavy raha ao am-piangonana; fa tsy avela hiteny izy, fa aoka hanoa tsara araka ny lazain'ny Lalàna koa.» Kanefa inona no ataon’ny fiangonana ankehitriny? Ataony pastora ny vehivavy, ataony evanjelista, na dia mandrara hentitra izany aza ny Baiboly. Ary hoy ny Baiboly hoe «araka ny lazain'ny Lalàna koa.», mba handehanan’ny zavatra rehetra ao amin’ny fitohizana.
Toy ny hitantsika omaly hariva, taloha, teo ambanin’ny ràn’ny zanak’ondry no toeram-pitsaofana tokana, ankehitriny kosa, dia ao amin’i Kristy no toeram-pitsaofana tokana. Ary ny fomba tokana anaovana izany dia ny fahatongavana ao Aminy. Izy no hany toeram-pitsaofana misy. Efa izany hatrizay. Ny toeram-pitsaofana tokana dia eo ambanin’ny Rà nalatsaka.
Hitantsika mivelatra eo anoloantsika àry ankehitriny ny sary manontolo. Izany ny vehivavy. Noho izany dia tsy avelan’Andriamanitra hampianatra izy, na hanao na inona na inona ao am-piangonana, afa-tsy ny mangina, ary misaron-doha.
Hainareo ve izao, rahalahy sy anabavy, ny antony nitenenako ny zavatra nolazaiko sy nanaovako ireo zavatra nataoko, nefa koa navesatra tao am-poko izany? Ianareo anabavy, manana ny toeranareo ianareo, haiko izany. (Miandrasa fotsiny vetivety). Ary haiko koa fa afaka manamboatra toetra mahafinaritra tokoa ao aminareo Andriamanitra, fa izaho miezaka fotsiny maneho ilay toetra hafa natao ho anareo hatra tany am-piandohana. Jesosy nilaza tamintsika ny hiverenantsika any am-piandohana; izany no ezahantsika hatao izao.
Ireo tendro avo ihany no nokasihiko tamin’ny ankamaroan’ny teboka, fa manantena aho ny azonareo ny resako na izany aza. Ary ianareo izay hihaino ny horonampeo, antenaiko fa hahazo ihany koa. Miverena any am-piandohana! Izany dia ny mba anehoana fa nilaza i Jesosy hoe: “Miverena any amin’ny fiandohana, avy eo no miaingà dia mahità!“. Any amin’ny fiandohana no misy ny loharano nipoiran’ny zavatra rehetra.
Hitanareo ankehitriny ny antony ilazan’ny olona fa mankahala ny vehivavy aho. Tena tsy marina izany! Tsy mankahala azy ireo aho. Kanefa antsoiny “mpankahala-vehivevy“ aho. Aza adinonareo fa nolazain’ny olona koa i Paoly fa mpankahala vehivavy! Tsy ela izay nisy vehivavy mpitoriteny nilaza tamiko hoe: “Oh, tsy misy hafa amin’ilay Paoly lahiantitra ianao, izay tsy nanao afa-tsy nila sotasota taminay vehivavy fotsiny!“.
Izany ve no lazaina mikasika ilay masin’Andriamanitra iray izay nanankinana ny fanoratana ny Baiboly, ao amin’ny Testamenta Vaovao, ary tsy inoana izay voalazany? Izy mihitsy no nilaza hoe: «… na anjely avy any an-danitra aza, no mitory filazantsara hafa aminareo afa-tsy izay efa notorinay taminareo, aoka ho voaozona izy.». Hisy vehivavy pastora ve ho afaka amin’izany?
Nolazaina fa mpakahala-vehivavy i Elia. Tsy nankahala vehivavy, tsy ireo tena vehivavy, Ny tsy tiany fotsiny, dia ireo lasa Jezebela.
Fa raha izany, dia tsy maintsy toy izany ihany Andriamanitra, satria ny Teny tonga amin’ireo mpaminany dia Izy Andriamanitra ihany. Koa tsy maintsy toy izany Andriamanitra, araka izany. Hitanareo, hainy ny famoronana voalohany. Izy niteny hoe: “Tamin’ny voalohany…“. Ary ny mpaminany no ahatongavan’ny Teny.
Ary nataony ho an’ny lehilahy ny vehivavy, fa tsy ny lehilahy ho an’ny vehivavy. Efa hainareo ve izany? Firy mahay izany? Ny Baiboly no mampianatra izany. Tsara. Napetraka tao amin’ny lehilahy izy talohan’ny fahalavoana, niara-nampanompo ny voaàry rehetra taminy. Kanefa taorian’ny fahalavoana (miditra amin’ny lohahevitra isika izao), dia lasa lohany ny lehilahy. Izy kosa tsy maintsy mangina hatrany. Taorian’ny fiandohan’ny famoronana…
Hoy Jesosy hoe: “ Tsy toy izany tany am-piandohana“ (izany hoe fony nanomboka ny fotoana, rehefa nanao ireo zavatra tao amin’ny Famoronany voalohany Andriamanitra) ireo izay mahazo izany aoka hanao indray hoe: “Amena“ [Ny mpivory rehetra manao hoe “Amena“ – N.d.R]
Lehilahy iray sy vehivavy iray ihany no nataon’Andriamanitra tany am-boalohany. Taorian’izany dia natao hafa nohon’ny biby ny vehivavy, hafa noho ny biby rehetra, mba hamitaka. Diniho izany izao. Tsy toy izany izy hatra tany am-piandohana. Raha tavela tao amin’ny toetrany voalohany izy dia tsy ho nisy ny fahalavoana. Kanjo nahatonga ny fahalavoana sy ny fahatapahan’ny fitohizana tamin’Andriamanitra izy, ary nampilatsaka tamin’ny tany ny fahafatesena sy ny fahoriana ary ny zavatra hafa rehetra. Amin’izany no nanaovana azy.
Mariho izao ity: Taorian’ny fiandohana, rehefa avy nanomboka ny fotoana (talohan’ny fotoana dia ny mandrakizay), rehefa vita ny fiandohana, taorian’ny fahalavoana noho ny nataon’i Eva, dia tsy maintsy nisy fanekena vaovao indray natao. Hahatafintohina anareo izany, kanefa andeha homeko anareo ireo andalana manaporofo ny fahamarinan’izany ao amin’ny Soratra Masina.
Mariho fa Jesosy nilaza fa tamin’ny voalohany dia iray isaky ny karazana no nataon’Andriamanitra. Fa avy eo, taorian’ny fahalavoana dia nialana izany. Tao amin’ny fanekena voalohany dia nitovy lenta izy roa. Fa taorian’ny fahalavoana dia nisy ny fanekena vaovao hafa. Tsy nanana fahefana niaraka tamin’ny lehilahy intsony ny vehivavy. Tsy maintsy nisy fanekena manokana ho an’ny tsirairay tamin’izy roa.
Andao hojerentsika raha marina izany. Jerentsika ao amin’ny Genesisy toko faha-3 ny fahamarinan’izany, raha mbola mandroso ny fandinihantsika, satria tiantsika ho azo antoka fa tena marina tokoa ny zavatra torina sy ampianarina. Efa mamaramparana isika, ka angamba mety hanam-potoana kely amehezana ny fandinihantsika, ary anehoantsika ny antony sy ny manodidina ireny fisaraham-bady ireny.
Vakintsika izao Genesisy toko faha-3, atomboka amin’ny andininy faha-14:
«Ary hoy Jehovah Andriamanitra tamin'ny menarana (Andeha hanozona azy Izy): Satria nanao izany ianao, koa amin'ny biby fiompy rehetra sy ny bibi-dia rehetra dia ianao no voaozona: ny kibonao no handehananao, ary vovo-tany no hohaninao amin'ny andro rehetra hiainanao. Dia hampifandrafesiko ianao sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany: izy hanorotoro ny lohanao (Fampanantenana Mesia ho avy hatera-behivavy mba hanavotra), ary ianao kosa hanorotoro ny ombelahin-tongony…
Jereo izao fa misy fanekena manokana amin’ny menarana, raha samy nitoetra tamin’ny toerany avy izy ireo, tamin’ny fiandohana, na talohan’ny fiandohana..
…Ary hoy koa Izy tamin-dravehivavy: Hahabe dia hahabe ny fahorianao Aho, indrindra fa raha manan'anaka ianao; ary fahoriana no hiterahanao zanaka; ary ny vadinao no hianteheran'ny fanirianao, ka izy no hanapaka anao…
Natao tsy mitovy izy roa eo. Saingy ankehitriny nitsimbadika izany, ka ny vehivavy indray no manapaka
… Ary hoy koa Izy tamin'i Adama: Satria efa nihaino ny feon'ny vadinao ianao, ka nihinananao ny hazo, izay nandrarako anao hoe: Aza ihinananao izany, dia voaozona ny tany noho izay nataonao…
Tsy Adama no voaozona fa ny tany
… fahoriana no hihinanao ny vokany amin'ny andro rehetra hiainanao. Ary haniry tsilo sy hery ho anao izy; ary hohaninao ny anana famboly. Ny fahatsembohan'ny tavanao no hahazoanao hanina mandra-piverinao any amin'ny tany; fa ny tany no nanalana anao; fa vovoka ianao, ary hiverina ho amin'ny vovoka indray ianao.»
Fanekena roa samihafa! Izany no namarana ny fiandohana, ilay voalazan’i Jesosy hoe: “Tsy toy izany tany am-piandohana“. Misy fanekena vaovao. Mariho fa fanekena hafa izany. Misy fanekena iray ho an’ilay noforonina voalohany, ary fanekena hafa ho an’ilay notsoahana avy tamin’ilay voalohany. Mariho fa ny fahalavoana dia nitondra fikorontanana sy fahafatesana ho an’ny zava-manan’aina rehetra, nitondra fiovana tamin’ny voaàry manontolo.
Marihontsika eto izay nolazain’i Jesosy mikasika ity Teny ity: “Tsy toy izany tany am-piandohana“. TSY tamin’ny fiandohana, fa TAORIAN’ny fiandohana, no nisy fanekena roa samy hafa.
Nisy fanekena tokana tamin’ny voalohany: nitovy lenta i Adama sy i Eva, lehilahy iray sy vehivavy iray. Kanjo, nanota ilay vehivavy, dia inona no vokany? – Nandatsaka azy rehetra tao amin’ny fahafatesana izany, ary voatery nanao fanekena hafa indray Andriamanitra, fanekena vaovao. Indro izany, ao amin’ny Genesisy 3:16. Nanao fanekena vaovao Izy.
Nanomboka teo ny amenoana ny tany, dia tsy araka ny famoronana voalohany an’ Andriamanitra intsony, toy ny tany am-piandohana, fa araky ny filàn’ny firaisana ara-nofo. Dia izay no namarana ny mikasika “ny fiandohana.“ Tsy izany ve? Tany am-boalohany tsy nisy afa-tsy lehilahy iray sy vehivavy iray, lahy iray sy vavy iray. Saingy, rehefa nihoatra ny faritra ravehivavy, ka nampiditra ny ota, dia tsy maintsy tamin’ny alàlan’ny firaisana ara-nofo no namenoana ny tany. Tsy tamin’ny famoronana, fa tamin’ny firaisana ara-nofo. Dia hitanareo aiza ho aiza no misy ny vehivavy ankehitriny? Fa amin’ny alàlan’ny vehivavy no amenoana ny tany ankehitriny.
Izany no antony tsy maintsy nahatongavan’i Jesosy tamin’ny alàlan’ny vehivavy anankiray: mba hampody ny zavatra ho any amin’ny fiandohany indray, tsy hisian’ny filana firaisana ara-nofo. Vehivavy virijina no nihaviany; saingy (Haleloia!), ho avy ny andro izay tsy ilàna firaisana ara-nofo intsony, fa hiantso ireo Zanany avy amin’ny vovoky ny tany Andriamanitra, toy ny nataony tany am-piandohana. Tsy amin’ny alàlan’ny vehivavy intsony, fa amin’ny fanefena azy amin’ny tanimanga, sy ny hazavana ary ny solika. Hamorona indray Izy, toy ny namoronany an’i Adama tamin’ny voalohany
Jesosy nanao izay nahatanteraka izany, fony tonga olombelona Andriamanitra ka niditra tao amin’izao-tontolo-izao tamin’ny alàlan’ny vehivavy iray mba ahafahany ho faty. Fotoam-pisedrana antsika amin’ny ota izao.
Hitanareo, taorian’ny fiandohana dia nisy zavatra hafa nampidirina. Hanafintohina anareo izay holazaiko izao (Reraka ve ianareo? Mitonia vetivety fotsiny ianareo).
Rehefa natao àry ireo fanekena roa sosona io, tamin’ny lehilahy sy tamin’ny vehivavy, araka ny maha-lahy na maha-vavy (tsy ilay fanekena voalohany, fa fanekena hafa mihitsy), dia inona no tafiditra? – Ny fampirafesana no nisy teny rehetra teny! Rehefa dila ny fiandohana, dia tafiditra ny fampirafesana, na teo amin’ny olombelona izany, na teo amin’ny biby. Taorian’ny fiandohana no nitrangan’izany, taorian’ny fahalavoana.
Dia nametraka voaàry vaovao indray Andriamanitra izay avy tamin’ny firaisana ara-nofo. Andriamanitra raha namorona ny voaàry voalohany dia tsy nisy firaisana ara-nofo. Mino izany ve ianareo? Hatreo, dia nisy fanekena vaovao tamin’ny zavaboaàry. Nametraka lamina araka ny firaisana ara-nofo Andriamanitra. Izany no fanekena faharoa: lahy iray miaraka amina vavy maro be. Dieralahy iray mitarika dieravavy maro be. Tsy izany? Ombilahy iray manana ombivavy maro be. Akoholahy iray sy akohovavy feno lakoro. Tsy marina ve izany? Davida iray, izay araka ny Sitrapony, manana vady dimanjato, ary zanany zato teraka anatin’ny taona iray, amina vehivavy samy hafa. Kanefa dia lehilahy araka ny Sitrapon’Andriamanitra izany! Solomona iray miaraka amina vehivavy arivo. Mariho tsara anefa, fa tsy toy izany tany am-piandohana! Saingy isika izao dia aorian’ny fiandohana. Ny vehivavy no nahatonga izany, koa lasa izany no nisy azy. Hitanareo?
Davida, ilay mpanjaka maneho an’i Kristy! Hazòny tsara ao an-tsainareo izany. Naneho an’i Kristy i Davida. Mino izany ianareo? Hitoetra eo amin’ny sezafiandrianan’i Davida i Kritsy. Ary io Davida io, izay lehilahy araka ny fon’Andriamanitra, dia nanana vady dimanjato. Azonareo ve ny tiako holazaina? Davida amin’ireo vadiny dimanjato sy Solomona amin’ireo arivony! Ary Solomona zanak’i Davida ara-nofo, dia maneho an’i Jesosy-Kristy izay zanak’i Davida amin’ny ara-panahy. Ny anankiray no fiainana avy amin’ny firaisana ara-nofo, ilay faharoa no ho Fiainana ho foroninana ara-panahy, ahoana? Ho foronina. Hitanareo? Izany no fomba tany am-piandohana, fa tsy izany kosa amin’izao fiainana iainantsika izao.
Marihonareo ity: aza andalovana izany izao. Hazòny mafy ao am-ponareo izany. Tsy nisy tamin’ireo vehivavy nahazo nanambady mihoatry ny tokana. Ny lehilahy no famoronana voalohany fa tsy izy. Tsy nisy tamin’ireo vehivavy nahazo nanana vady anankiroa, fa ny lehilahy iray nahazo nanana vady arivo. Izao no lazain’ny Tompo izany. Izany no voalazan’ny Baiboly.
Tafaverina aoriana indray aho. Naka fotoana tsara aho nanehoako aminareo ny tany am-boalohany tany, izay nahatonga izay voalazan’i Jesosy. Hitanareo mazava ve izany izao?
Hiteny ianareo hoe: “Oh, tamin’ny zanak’Isiraely ihany izany!“ Izany ve?
Raha nandeha tany amin’ny tanin’ny Filistina Abrahama, niaraka tamin’i Saraha, nisy mpanjaka atao hoe Abimeleka tany. Efa ho zato taona i Saraha tamin’izany, saingy voaova niverina tovovavy. Novana ho tsara tarehy mihitsy aza izy. Hainareo ve izany? Tsara. Ary naniry haka vady azy i Abimeleka. Tadidinareo ve ny hafatro mikasika izany? Naniry haka an’i Saraha ho vadiny i Abimeleka. Azo antoka fa efa maro be ny vadiny tamin’izay. Saingy, tsy nahazo naka vady azy izy, satria efa vadin’i Abrahama izy. Abrahama nilaza tamin’i Saraha hoe: “Lazao fa anadahinao aho fandrao hamono ahy izy mba ahazoany anao“. Nahoana àry no tsy noroahany hiala ny taniny fotsiny i Abrahama ka nalainy ny vadiny? – Satria tsy ho an’ny mpino fotsiny ny lalàna fa ho an’ny vahoaka rehetra tao amin’ny famoronana. Na mpanota ianao na olo-masina, dia tompon’andraikitra amin’izay ataonao, ralehilahy! Ary mpanjaka jentilisa io lehilahy io. Firy aminareo mahay fa tantara marina izany? Ao amin’ny Baiboly izany, Genesisy toko 16 any-ho-any.
Mariho fa te-haka azy ho vady Abimeleka. Nikendry hahazo io tovovavy hebreo vao tonga io izy. Ary Saraha niteny taminy hoe: “Anadahiko i Abrahama“
Ary Abrahama niteny hoe “Anabaviko izy“
Koa hoy Abimeleka hoe: “Alaiko vady àry izy“. Azonareo heverina ve ny lehilahy iray hanao zavatra toy izany? Kanefa dia nataony izany.
Ka alin’iny, raha natory izy, dia tonga taminy tao amin’ny nofy ny Tompo niteny taminy hoe: “Abimeleka, ho faty ianao“ Hitanareo, niaro io loharanon’ny rà jiosy io Izy. Izany no nitenenany azy hoe: “Ho faty ianao noho ny vehivavy izay nalainao, fa vadin’olona izy.“
Namaly Azy Abimeleka hoe: “Tompo, hainao ny fahamarinan’ny foko. Tsy nilaza tamiko ve izy fa anadahiny io? Ary tsy ny lahy mihitsy koa ve nilaza tamiko fa anabaviny izy?“
Dia nilaza taminy Izy hoe: “Haiko ny fahamarinan’ny fonao. Izany no tsy namelako anao hanota Amiko“. Tsy marina ve izany? Hoy Izy taminy: “Havereno aminy ny vadiny satria mpaminaniko io lehilahy io. Fa raha tsy mamerina aminy ny vadiny ianao, ary raha tsy mivavaka ho anao izy (izy fa tsy ny pretranao), dia ny firenenao manontolo no ho fongotra. ‘’ (Amena! Fahasoavana lehibe!). “Fongotra ny firenenao manontolo, satria vadin’olona io, ary mpaminaniko izy“. Amena! izany dia Izao no lazain’ny Tompo. Izany no Soratra Masina.
Dia hitantsika àry izao fa ny fahafatesana no tonga dia noho ny fahotan’ilay vehivavy. Ny vehivavy no nahatonga izany fa tsy ny lehilahy. Ny fahafatesana rehetra dia avy tamin’ny fomba niainany ny fiainany, ary avy taminy. Ny fomba fanomezany aina dia fahafatesana. Firy no mahalala izany? Ao amin’ny Joba 14 izany raha tianareo marihina.
Raha ilainareo, dia misy andalan’ny Teny azoko omena anareo, mikasika ny zavatra, hatramin’ny madinika indrindra.
Raha tianareo dia andao hovakiana ny Joba 14, izay milaza hoe: «Ny olona tera-behivavy dia vitsy andro sady vontom-pahoriana.“ Tsy izany ve ? “Mitsimoka tahaka ny voninkazo izy ka jinjaina, ary mihelina tahaka ny aloka izy ka tsy mitoetra», sy ny sisa. Hitanareo?
Ny olona rehetra natera-behivavy dia teraka ho faty, dieny izy vao teraka.
Fa raha nateraka tao amin’ny famoronan’Andriamanitra izy dia tsy mety maty:satria izy avy tamin’ilay Hazo iray hafa tao saha Edena, dia Kristy. Avy amin’io Hazo io ny Fiainana mandrakizay.
Hiteny ianareo hoe: “Oh, hazo ve ny vehivavy taloha?“ Izany mihitsy. Andriamanitra niteny, ao amin’ny Genesisy hoe: “Aza ihinananao io hazo io“
Nahoana, ny vehivavy ilay hazo. Izy ilay hazo mamoa. Ianareo no voankazon’ny reninareo. Ny voankazon’ny kibony dia ianareo. Marina izany. Ary ny voankazon’ny Hazon’Aina izay tao amin’ny saha Edena dia Kristy. Avy tamin’ny vehivavy no tonga ny fahafatesana, avy tamin’ny Lehilahy, tao amin’ny famoronana voalohany no tonga ny fiainana. Ny fahaterahana avy amin’ny vehivavy dia fahafatesana. Ny fahaterahana ao amin’i Kristy no Fiainana. Azonareo ve izany? Dia hitanareo àry izao aiza no nalehan’ireo andriamanimbavy ireo, tsy izany?
Ireo Adama sy Eva voalohany ireo dia endrik’ireo Adama sy Eva faharoa, hitanareo, ny fanamaroana. Ny fanamaroan’i Adama sy Eva dia natao tamin’ny firaisana ara-nofo mba hamenoana ny tany. Saingy, tsy toy izany tany am-piandohana. Nanao lahy iray sy vavy iray fotsiny Izy, toy ny nanaovany ireo zava-manan’ainany hafa rehetra. Hitanareo, izany no lalàna. Tsy misy valaka amin’ny Fiangonana.
Alao isika, araka ireo fahamarinana voamarin’Andriamanitra ireo, handalina misimisy kokoa, raha sitrakareo. [Ny mpivory miteny hoe: “Amena“ – Ed.]. Tsara.
Mety hanindrona kely anareo ny resako mandra-pahatongako amin’ny votoatiny lalina indrindra. Kanefa aho hanoro anareo fotsiny ny marina mikasika izany
Tsy mahazo manambady vehivavy maty vady ny mpanompon’Andriamanitra. Efa fantatrareo ve izany? Tianareo ny hamaky izany? Ao amin’ny Levitikosy 21:7 sy ny Ezekiela 44:22. Hitanareo ao fa ny mpisorona dia tsy mahazo manambady vehivavy efa nokasihan’ny lehilahy hafa. Endriky ny virijina Ampakarin’i Jesosy Kristy izy ireo, noho izy ireo mikarakara ny Afon’Andriamanitra. Izany no nataon’ireo mpisorona, ireo zanak’i Arona (Tsy afaka hamaky izany rehetra izany isika raha te-hivoaka amin’ny mitataovovonana. Tsy manana afa-tsy roapolo minitra isika sisa). Nikarakara ny Afon’Andriamanitra ireo zanak’i Arona ireo. Izany no tsy ahazoany manambady vehivavy efa nokasihina lehilahy hafa. Ilay Andriamanitra tsy mety miova no nilaza izany. Tsy afaka manambady vehivavy hafa izy ireo, na koa vehivavy iray izay efa nokasihina lehilahy hafa. Izany dia maneho, raha sitrakareo ny hijery izany, fa ny Fiangonan’Andriamanitra velona dia ny Tenin’Andriamanitra madio, tsy misy fangaro, fa tsy anaram-piangonana iray izay efa nokasihin’olombelona.
Izao, te-hanome zavatra anareo aho. Vakintsika ny Matio, toko faha-5, izay itenenan’i Jesosy zavatra iray tena ilaina. Tsy maintsy jerentsika izany. Ao amin’ny Matio toko faha-5 izany.
Voamariko fa misy zavatra sasany tokony ho resahiko amin’ireo lehilahy manokana, ka mila fotoana kelikely amin’izany aho, alohan’ny itenenako amin’ireo anabavintsika. Fa mila mivoaka ivelany aloha aho izao…
Izao, ry anabavy isany, te-hametraka anareo amin’ny toerana izay nampanantenain’ny Tenin’ Andriamanitra anareo aho, ary ianareo kosa, meteza hahita ka hitoetra amin’izany toerana izany.
Matio 5:31. Tiako ho marihinareo izany mba hanamafisana io fisainana IRAY sy MARO io. Ataoko fa ao amin’ny andininy faha-32 izany, fa atombotsika amin’ny 31.
«Ary voalaza hoe: Na zovy na zovy no misaotra ny vadiny, dia aoka izy hanome an-dravehivavy taratasy fisaoram-bady…
(Jesosy no milaza izany, Ilay niteny hoe: Tany am-piandohana… Ary mifantoha tsara izao).
…Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra misaotra ny vadiny afa-tsy noho ny fijangajangana ihany dia mampijangajanga azy…
(Hitanareo? satria nahoana? – Satria manambady olon-kafa indray izy);
…ary na zovy na zovy no manambady izay voasaotra, dia mijangajanga.»
Hitanareo, mbola velona ny vadiny, noho izany tsy misy lehilahy hafa mahazo maka vady azy. Tsy maintsy mitandrina izay ataony sy ny maha-izy azy izy. Satria velona ny vadiny, tsy misy antony hanaovany izany. Fa tsy ho an’ny lehilahy izany, ny vehivavy no voakasik’izany, fa tsy ny lehilahy. Takatrareo ve izany? Tsy maintsy arahinareo ny fitohizan’ny Tenin’Andriamanitra, hitanareo. Tsy voalaza na aiza na aiza fa tsy mahazo izy, lehilahy. Ny vehivavy no mijangajanga amin’izany fa tsy ny lehilahy. Izany marina no voalazan’ny Baiboly. «…dia mampijangajanga azy…». Tsy ny lehilahy no voasakana tsy hanambady indray, fa ny vehivavy. Satria nahoana?– Satria ny lehilahy no endrik’i Kristy.
Mariho fa voambara fa tsy mahazo maka vady indray izy afa-tsy vehivavy virijina. Mahazo mampaka-bady indray izy raha virijina izany, fa izy tsy mahazo manambady ny efa avy vadin’olon-kafa. Tena tsia! Na iza lehilahy na iza, raha mampakatra vehivavy nisaraka tamin’olon-kafa izy dia mijangajanga. Ny Baiboly milaza hoe: «… ary na zovy na zovy no manambady izay voasaotra, dia mijangajanga.» Izany! Tsy mety raha vehivavy efa nisarahan’ny sasany…
Jereonareo ny fipetraky ny zavatra tany am-piandohana? Mariho fa ny lehilahy dia afaka manambady indray, fa ny vehivavy, tsia. Toa an’i Davida, toa an’i Solomona, toy ny ao amin’ny fitohizan’ny Baiboly manontolo. Toy izany tamin’i Davida sy ny hafa rehetra.
Mariho fa ao amin’ny 1 Korintiana 7:11, dia mibaiko i Paoly mba hitoetra irery ny vehivavy izay nisaraka tamin’ny vadiny, na miverina amin’ny vadiny, fa tsy mahazo manambady fanindroany . Tsy maintsy mijanona irery izy na miverina any amin’ny vadiny. Tsy mahazo manambady indray izy, tsy maintsy mijanona irery izy, na miverina amin’ny vadiny. Mariho anefa fa tsy mba voalaza izany ho an’ny lehilahy. Hitanareo? Tsy afaka mampandainga ny Teny ianareo. Taorian’ny fiandohana, ny lalàn’ny firaisana ara-nofo dia ny fampirafesana.
Fa izao: ny Tenin’Andriamanitra dia mandroso am-pahamarinana, miaraka amin’ny fandroson’ny fomban’Andriamanitra, amim-pitohizana. Koa nahoana àry misy fotom-pampianarana iray miatsinanana ary iray hafa miakandrefana? – Tsy maintsy miverina amin’ny Marina mba ahitana ny tena izy.
Toy izany hatrany. Izany no faneken’Andriamanitra maharitra, hatra tany am-piandohana.
Voalohany, talohan’ny fiandohana, tamin’ny fiandohana, dia lahy iray sy vavy iray, dia izay ihany. Taoriana, rehefa avy niditra ny fahotana, dia nisy lehilahy iray sy vehivavy maromaro. Dia nandeha toy izay tamin’ny biby rehetra ao amin’ny voaàry, sy amin’ny olombelona, nohon’ny maha-biby ny nofony. Ao amin’ny sokajin’ny biby mampinono isika, haintsika rehetra izany, hitanareo. Izany no fomban’Andriamanitra amin’ny ankapobeny, ao amin’ny fitohizana.
Fa rehefa voasokatra ankehitriny ireo Tombokase, ny Fanahin’ny Fahamarinana dia mamerina antsika ao amin’ny Teny. Izany no manazava ny fisian’ireo fahadisoana nisy nandritra ireo fotoana lasa rehetra; satria mbola tsy nosokafana ireo Tombokase. Tsy nisy zavatra voambara. Marina izany.
Tsy mba mamitaka ny aloka. Araka ny notoriko omaly alina, tsy maintsy mifanaraka amin’ny tenan’ny zavatra ny aloka eo amin’ny tany. Raha aloka maneho elefanta no mandroso eo amin’ny tany, ka elefanta iray no tokony ho hita manaraka izany, fomba ahoana no hahitana lehilahy mahia sy keliray?
Mariho àry fa tsy maintsy mifanaraka tanteraka ny aloka sy ny tenan-javatra.
Raha misy vehivavy iray, tena vehivavy mahatoky, virijina fony nampakaran’ny vadiny azy, ary mitoetra aminy, dia mitondra fitahiana ho an’ny vadiny izy. Raha nahita zavatra hafa tsara kokoa noho ny vady Andriamanitra ho an’ny Zananilahy dia ho nanome izany azy Izy.
Saingy, voavolavola ho mpanao firaisana ara-nofo izy. Tsy misy biby voavolavola ho toy izany. Tsy misy biby, ankoatra azy, natao ho toy izany teto an-tany. Avy amin’izany no ahitana ny fampirafesana, izany no antony; araka izany no nahatafidirany.
Jereo ity izao, fanadihadiana farany: Jesosy Kristy dia tokana. Tsy marina izany? Tsy misy afa-tsy tokana ny Lehilahy, Andriamanitra, Imanoela. Mino izany ve ianareo? Fa ny Vadiny dia misy singa maro, hitanareo, miisa an-davitrisany. Tsy marina ve izany? Ny Vadiny izany, ny Ampakarina, ny Fiangonana. Azonareo amin’izay ve izao?
Izany no antony nitenenan’Andriamanitra tamin’i Adama hoe “Mihamaroa, ary mamenoa ny tany“, raha mbola tsy tafiditra ny firaisana ara-nofo, raha mbola sady lahy izy no vavy, tany am-piandohana. Izany dia maneho fa tsy maintsy avy amin’ny Teny no foronina ny Ampakarina, amin’ny alàlan’ny fanamaroana ara-panahy, hitanareo, mba hamenoana ny tany.
Mikasika ny firaisana ara-nofo, hitanareo, ireo fotom-pampianarana anankiroa dia nampifangaro zavatra anankiroa. Tsy mahazo manao toy izany ianareo. Tsy maintsy hampodiana any amin’ny Marina ny zavatra, “any am-piandohany.“
Ary any am-parany, dia hisy Tompo Jesosy tokana, fa ny Vadiny (tokana) dia hisy singa maro. Takatrareo ve izany? Nisy Davida tokana, teo amin’ny sezafiandrianana tokana, mpanjaka araka ny Fon’Andriamanitra, nanana vady dimanjato. Ao amin’ny Fanjakana-arivo-taona, hitoetra eo amin’ny Sezafiandrianany i Jesosy (Haleloia) miaraka amin’ny Vadiny iray, toy ny tany am-piandohana, foronin’ny tànan’Andriaminitra-Tsitoha avy amin’ny tany, amin’ny alàlan’ny fitsanganana amin’ny maty ny singa maro. Ao ianareo izao.
Ianareo vehivavy, miadia mba ho toy izany! Tongàva ao amin’i Kristy ianareo, mba tsy ho tavela ao amin’io fahasimbana sy fahalotoana any ivelany io. Fa raha mbola mpikambana amina fiangonana fotsiny ihany ianareo, miezaka amin’ny herinareo hanana fiainana tsara sy mendrika, tsy ho tonga amin’izany mihitsy ianareo. Ny lehilahy koa toy izany, tsy ho tafita raha tsy ao amin’i Kristy. Araka ny voalazan’i Paoly hoe: «Tsy misy intsony… na lahy sy vavy; fa iray ihany ianareo rehetra ao amin'i Kristy Jesosy. ( Galatiana 3:28). Iray izy rehetra.
Kanefa, tsy maintsy fehezina io lohahevitra Fanambadiana sy Fisaraham-panambadiana io, mba ahaizanareo izay marina sy izay diso.
Ireo aloka dia maneho tsara ny zavatra. Tokana i Kristy, fa maro ireo singan’io Vadiny io. Kanefa mariho fa afaka misaotra antsika Izy amin’ny fotoana rehetra, araka izay tiany, noho ny fijangajangana ara-panahy na fampianaran-diso. Afaka manao izany Izy, fa ianareo, fomba ahoana ny ahafahanareo hisaotra Azy, raha mba ho sahinareo aza ny hanao izany? Ny lehilahy afaka misaotra ny vadiny ka mampakatra hafa, fa ny vehivavy tsy afaka misaotra ny vadiny ary manambady hafa. Hitanareo fa ireo aloka sy tandindona rehetra dia mitombina tsara avokoa? Jereo hatrany ilay famoronana voalohany, fa tsy ilay notsoahana taminy na oviana na oviana. Tsy ny fiangonana, fa ilay Ampakarina avy amin’ny Teny. Tsy ny vehivavy fa ny lehilahy hatrany. Noho izany no tsy mba itenenana ny lehilahy manao toy izany, fa ny vehivavy hatrany no voateny. Marina izany.
Kanefa ny vehivavy dia mety ho ao amin’ny Ampakarin’i Kristy raha toa ka… Ary aza adino fa satria izy dia ampahany ao amin’ny lehilahy dia tsy afa-manao izy afa-tsy ny… “Fa ny vehivavy tsy avelako hampianatra na hanapaka ny lehilahy, fa hangina ihany. Fa Adama no natao voalohany, vao Eva. Ary tsy Adama no voafitaka, fa ilay notsoahana taminy no voafitaka. Nefa hovonjena ihany izy raha mitoetra amin’ny fahamasinana sy fahononan-tena, ary amin’ny fiterahan-jaza sy ny hafa toy izany“, (satria amin’izany izy no manjary ampahan’ny lehilahy vadiny)….
Nahoana Andriamanitra tsy namono an’i Saraha raha nandainga teo imasony izy, fony Izy nitoetra teo toy ny lehilahy mety-maty, nihinana hena, nihinana mofo sy nisotro ronono? Hoy Izy hoe “Nahoana i Saraha no niomehy, tao an-day an-damosiko tao? Izy anefa tsy nahita azy akory raha niteny Saraha hoe: “Ahoana no hampety izany“?
Namaly izy hoe: “Tsy niteny na inona na inona aho.“ Oh! la! la!, milaza an’Andriamanitra ho mpandainga eo anatrehany! Kanefa tsy afaka namono azy Izy. Satria nahoana? – Satria silak’i Abrahama izy. Tsy afaka ny ampahory azy Izy ka tsy hampahory an’i Abrahama.
Koa ianareo vehivavy, diniho ny fipetrakareo. Ny Baiboly milaza fa ianareo vehivavy dia tokony ho tahaka an’i Saraha izay nitafy fanetrentena, nanana fiainana madio sy nahatoky tamin’ny vadiny, izay notiaviny loatra ka nantsoiny hoe “Tompo“, lohany, izay nanapaka azy.
Fa aminareo, ry vehivavy kosa izay manao ireny fitafy maharikoriko ireny, mampitanjaka anareo ho hitan’ny lehilahy ireny, izao no lazain’i Jesosy: «izay rehetra mijery vehivavy hila azy dia efa nijangajanga taminy tam-pony sahady.». lza àry no meloka? Ny lehilahy sa ianao? Izy dia lahy voamboatra amin’izany. Fa ianareo, ianareo no vavy tokony handà izany. Koa nahoana ianareo no mampitanjaka ny tenanareo toy izany? Tsy hahasoa anareo izany, hainareo tsara izany, rehefa hila ho fatin’ny hatsiaka ianareo amin’ireo shorts ireo! Tsy hampiadana anareo izany. Koa nahoana no atao? – Ho amin’ny fahalotoana izany! Tsy te-hiaiky izany ianareo, saingy ny Baiboly no milaza izany. Marina izany. Fanahim-pahalotoana no ao aminareo. Tsy ianareo no te-holotovina, nefa tsy tsapanareo akory, fa fomba maloto no anehoanareo ny tenanareo, mandoto anareo ara-panahy, satria ianareo maneho ny tenanareo ho fahalotoana.
Ny lehilahy iray, amin’ireo lohaliny marokoroko sy maloto, na hila tsy hisy akanjo aza eny aminy, ny vatany dia tsy hampitsiriritra. Satria nahoana? – Satria izy tao amin’ny famoronana voalohany, ary izany no tokony ho toetrany. Fa ianareo kosa ilay notsoahina taminy, izay natao hampitsiriritra azy.
Andriamanitra anie hiantra antsika! Oh! la! la! mpanota ity tontolo ity! Ho sambatra aho rehefa ho tapitra izy ity.
Mariho fa ny lehilahy afaka misaotra ny vadiny amin’ny fotoana rehetra, fa ny vehivavy kosa tsy afaka misaraka amin’ny vadiny. Ny Tompo afaka manipy ahy eny amin’ny vovoky ny tany, na oviana na oviana hitany fa ilaina izany; fa kosa, rahalahy ô, tsy tsara amiko ny mba hanandrana ny hisaraka Aminy! Fa ho vita hatreo ny amiko !
Ny vehivavy rehetra tsy nanambady dia azon’i Solomona nalaina avokoa. Izay rehetra tiany dia azony nampakarina ho vadiny. Fa ny mpisorona tsy nahazo nanambady afa-tsy vehivavy virijina iray.
Davida ihany koa nampakatra (iza moa ny anarany teo?) –Abigaila, izay vadin’ny lehilahy nantsoina hoe “adala“. Nanana vady tsara tokoa ralehilahy, kanefa izy maty. Dia nanambady an’i Davida i Abigaila. Mpanjaka izy, fa tsy mpisorona, hitanareo, koa afaka nampakatra azy izy.
Fa ny mpisorona tsy ho afaka nanao toy izany satria ho nampaka-bady vehivavy iray izay efa vadin’olon-kafa taloha izy.
Izany dia maneho ny maha-virijina ny Fiangonan’ny Tompo Jesosy Kristy. Tsy mety ho misy fangaro ny Ampakarina, fa Teny, tsy misy Teny latsaka ao Aminy. Azo antoka izany! Azonareo heverina ve ny ampakarina iray ka tokana ny nonony sady tsy eo amin’ny tokony hisy azy? Tsy ho toy izany ny Ampakarin’i Kristy. Tanteraka Izy. Amin’ny lafiny rehetra dia Teny Izy, ary tsy misy Teny latsaka ao Aminy.
Mariho fa afaka misaotra azy Izy, fa izy kosa tsy afaka misaraka Aminy. Nataony izany ary noporofoiny tamin’ny andron’i Lotera, Wesley, ary tamin’ireo Pentekotista, raha nandà ny ho ampahany manaraka ao Aminy izy ireo, nandà ny hananany firaisana ara-panahy tAminy, hitondrany am-bohoka ny ampahan’ny Teny manaraka. Azonareo ve izany? Nandà izy. Tsy nanaiky an’i Kristy nila azy ny fiangonana Loteriana. Nolavin’ireo Loteriana izany. Ary mamelà ahy hilaza izao (na manao ahoana no tsy maintsy hitenenan’ny olona ratsy ahy), tsy misy hafa amin’izany ankehitriny amin’ny fiangonana rehetra. Tsy mandray ny Teny izy ireo. Laviny i Kristy.
Ary ny vehivavy iray izay mandà ny ahazoan’ny lehilahy zanaka avy aminy dia tsy manana zo ho vadiny. Amena.
Tsaroanareo ao amin’ny Baiboly fa nampakatra an’i Estera ny mpanjaka? satria nandà azy ny mpanjakavavy. Dia nampakatra hafa fotsiny izy. Inona no nitranga rehefa tsy nankatò Ramatoa, fa nandà ny hiseho niaraka tamin’ny mpanjaka? Dia toy izany ihany amin’ny vehivavy iray izay mandà ny ho vadin’ny vadiny.
Dia toy izany amin’ny fiangonana, amin’ny androntsika izao, izay mandà ny hokasihina mba hiteraka zaza ho an’izao Taom-Piangonana izao. Isika tsy Loteriana, tsy Wesliana, tsy Pentekotista! Tsy maintsy zanak’izao Taom-Piangonana izao isika amin’ny alàlan’ny fitondrana vohoka avy amin’ny Tenin’Andriamanitra mba hanome ny Zanak’izao Taona izao, ny Zanaky ny Voa. Amena! Manantena aho fa azonareo izany. Tsy nety ho bevohoka tAminy izy. Tsia. Dia inona no nataony? – Nisaraka taminy Izy. Marina izany. Tsy izy no sahy nisaraka tAminy. Fa Izy no nisaotra azy.
Lasa àry Izy nanambara ny Teniny tamin’ny Vatana, nanamarina Azy tamin’ny alàlan’ny Tenany ihany. Manomboka miha mitovy Aminy ireo zanany, mandroso amin’ny fahamatorana, miova ho zanaky ny Teny, fa tsy zanaka fiangonana. Zanaky ny Teny. Ary ilay Ampakarina dia ho Andriambavy kely tsara tarehin’ny Teny, tsy misy fangaro, tsy nisy lamina na fampianaran’olombelona nahakasika azy. Ho Ampakarin’ny Teny madio tsy misy fangarony Izy. Amena sy Amena! Manantena aho fa ianareo mihaino an-telefaona dia mahazo tsara izany. Izy no ho ilay zanakavavin’Andriamanitra izay hitondra vohoka.
Hitanareo amin’izany ny voninahitra mety ho mendrika ny vehivavy? Hitanareo ny mety haha feno voninahitra ny fiangonana? Saingy hitanareo koa ny fahalotoana misy azy? Ianareo tsy ahavita ampitaha io fiangonana ivelany io, amin’ity Fiangonana ity, toy ny tsy afahanareo mampitaha ny mpivaro-tena eny amin’ny arabe sy ny Fiangonan’Andriamanitra velona, na koa ny vehivavy mendrika sy ny mpivaro-tena.
Nahoana no misy ny zavatra toy izany? – Izany no lalàn’Andriamanitra, ny lalàn’ny fifanoherana.
Ahoana no hankafizantsika ny hazavan’ny andro raha tsy nisy ny alina? Ahoana ny hahatsapantsika fahafinaretana amin’ny andro tsara raha tsy nisy ny orana? Ahaona ny ahafahantsika mankasitrasika sy manaja ny vehivavy mendrika raha tsy nisy hafa voampentin’ny loto.
Tonga manambara izany Izy, manambara ny Teniny. Saingy loza ho an’izay hanandrana hisaraka Aminy, ka hanambady hafa!
Hitantsika mazava tsara izao ny mahadiso ireo fampianarana anankiroa. Tsy afaka mandeha amin’io zotra iray io ianao, satria fahaverezana izany. Tsy afaka koa ianao mandeha amin’ilay zotra iray hafa, satria miala ny teny fikasana izany. Indro ny teny fikasana, indro ny zavatra marina. Tsy mifanohitra ny Teny, tsy maintsy mijanona ao amin’ny fitohizana Izy. Toy izany koa ny tsifisiana fifanoherana amin’ny Matio 28:19 sy ny Asa 2:38.
Haiko fa misy aminareo vehivavy, sy aminareo lehilahy tsy manaiky izany, satria hainareo fa tsy afaka manafina izany ianareo izao. Tsy afaka ianareo!
Fa mamelà ahy haneho zavatra iray aminareo: Matio 28:19 milaza hoe: «koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina». Kanefa, tsy araka izany, fa lasa izy ireo nanao batisa tamin’ny Anaran’i Jesosy Kristy, nandritra ny andron’ny Baiboly, sy ireo telonjato taona taorian’izany, hatra talohan’ny konsilin’i Nikea. Hatreo, dia najanony izany fa nanangana dogma izy ireo nasolony izany. Ahoana hahitana ny tsifitovizana; raha tsy misy fanambarana?
Hainareo moa fa ny Boky manontolo, ny Baiboly manontolo dia fanambarana? Amin’izany no tsy maintsy ahafantaranareo ny marina amin’ny zavatra anankiroa samy hafa. Satria fanambarana izany, ary ny fanambarana dia tsy maintsy mifanaraka amin’ny Teny, fa tsy hanohitra ny Teny.
Hiteny ianao hoe “Voambara tamiko izany!“. Kanefa, raha mifanipaka amin’ny Teny izany, dia tsy mba avy tamin’Andriamanitra mihitsy. Marina izany!
Raha sitrakareo hamaky ny Matio 16:16 isika. Jesosy mihitsy no milaza fa ny Fiangonana manontolo, ny Fiangonany, dia hiorina amin’ny fanambarana ara-panahy mikasika Azy izay tsy hafa amin’ny Teny. «…ry Simona Bar-jona; fa tsy nofo aman-drà no naneho anao izany, fa ny Raiko Izay any an-danitra. Ary Izaho milaza aminao koa: Hianao no Petera, ary ambonin'ity vatolampy…»
Ianareo sakaiza Katolika, haiko fa ny fiangonana, hoy ianareo, dia miorina amin’i Petera, ary nanomboka taminy dia nisy ny fifandimbasana apostolika. Ny Protestanta kosa milaza fa miorina amin’i Jesosy Kristy izy.
Tsy hoe izaho te-hiteny zavatra hafa noho ianareo, fa raisiko fotsiny izay nolazainy, Izy. Hoy Izy hoe: «Tsy nofo aman-drà no naneho anao izany, fa ny Raiko Izay any an-danitra. Ary ambonin'ity vatolampy ity (ny fanambarana ny dikan’ny Teny avy amin’ny Fanahy) no haoriko ny Fiangonako; ary ny vavahadin'ny fiainan-tsi-hita tsy haharesy azy.». Tsy mba ho voafitaky ny lehilahy hafa ny Ampakariny. «…ambonin'ity vatolampy ity no haoriko ny Fiangonako; ary ny vavahadin'ny fiainan-tsi-hita tsy haharesy azy.»
Fony tao saha Edena i Kaina sy Abela, Kaina dia nandeha araka ny fisainany manokana. Niteny anakampo izy hoe: “Andriamanitra dia Andriamanitra tsara fanahy. Izy no Tompon’ny voaàry manontolo; koa ovy sy tsaramaso ary voninkazo no hataoko fanatitra ho Azy, dia hanamboarako alitara tsara tarehy Izy (izany hoe fiangonana)“. Nandohalika izy. Nino an’Andriamanitra izy. Niankohoka tamin’Andriamanitra izy, nanandratra ireo tànany ary nanolotra io sorona io. Ireo fombam-pivavahana rehetra nataon’i Abela dia nataony koa.
Sahala amin’izany koa ny alitara nataon’i Abela. Saingy, rehefa nanatona izany izy, dia zanak’ondry no nentiny. Nihevitry ny hitondra fanafody amin’ny ota i Kaina, satria ireo ray sy reniny nihinana ilay voankazo nandrarana azy ireo tao amin’ny saha. Fa Abela kosa nahazo fanambarana, ka nahafantatra fa ny rà no fanafody! Fanambaran’Andiamanitra no nahalalany izany! Ny Baiboly dia milaza ao amin’ny Hebreo 11 fa «Finoana no nanateran'i Abela ho an'Andriamanitra fanatitra tsara noho ny an'i Kaina, ka izany no nanambarana azy fa marina, satria Andriamanitra no nanambara ny amin'ny fanatitra nataony.» Tsy marina ve izany? Amena! Rahalahy, anabavy, mazava tsy misy ohatr’izany amiko. Tsy misy afa-tsy izany!
Hiverinantsika ny “fanambadiana sy fisaraham-panambadiana“. Hitanareo, tsy maintsy voambara izany. Raha mbola tsy voambara izany, dia tsy fantatrareo. Fa nampanantena Izy fa amin’izao andro farany izao, amin’ity Taom-Piangonana ity, ny zavamiafina rehetra ao amin’ny Baiboly dia ho voambara. Firy mahalala izany? Ao amin’ny Apokalypsy izany, ny toko faha-10. Nampanantena Jesosy fa ireo zavamiafina rehetra, ny fanambadiana sy ny fisaraham-panambadiana, sy ireo zavamiafina hafa rehetra izay nafenina hatrizay dia ho voambara avokoa amin’ireo andro farany.
Tsaroanareo io Feo izay nilaza tamiko io, hoe: “Mandehana any Tucson“. Tsaroanareo io Hazavana mahagaga teny amin’ny lanitra sy ireo Anjely fito nijoro tao anatiny, sy ny fiverenako tatỳ, ary ny fanokafana ireo Tombokase fito. Jereo ny zavatra mandray ny toerany ankehitriny. Marina izany. Andao handroso kelikely koa.
Fa izao, henoy aho! Haiko fa fotoana tokony alehanareo hisakafo izao, fa izaho eo am-pihinanana zavatra mahasoa. [“Amena!“ hoy ireo mpivory – Ed.]
Mariho fa ny vehivavy mahay mitoetra amin’ny toerany dia vatosoa ho an’ny vadiny. Solomona, io lehilahy izay nanana vady arivo io, dia nilaza fa “izay nahita vehivavy hendry dia nahita zavatra tsara. Vatosoa eo amin’ny satroboninahiny izany“, voninahiny izany, hoy izy: “fa ny vehivavy ratsy fanahy dia rano ao anatin’ny ràny.“ Kanefa ny rà no aina! Hoy izy hoe: “ Mety ahitana lehilahy marina iray ao anatin'ny arivo (Solomona no miteny izany); fa ao amin'ny vehivavy arivo dia tsy ahitana na iray akory aza marina ‘’. Izany no voalazan’i Solomona.
Mariho fa izany ny toe-javatra. Hitanareo, ianareo vehivavy, afaka ho vatosoa ianareo raha tianareo izany, saingy tsy maintsy ao aminareo aloha ny faniriana izany. Kanefa hitanareo ny antony mampisy io olan’ny fanambadiana sy fisaraham-panabadiana io, izay nitaoman’i Jesosy antsika hojerena any am-piandohana io? – Satria avy taminareo no nipoiran’ny fahotana. Avy tamin’izany no nidiran’ny fampirafesana, ny fisaraham-panambadiana sy ny sisa rehetra. Tsy toy izany mihitsy tany am-piandohana, ary tsy ho toy izany koa ao amin’ny tontolo ho avy aorian’izao.
Jereo Jakoba izay nipoiran’ireo patriarka. Tsy latsaky ny folo no vadiny. Mpirahavavy anankiroa nampakariny, fa mbola nanana vaditsindrano izy ankoatra ireo (vehivavy izay niara-niaina taminy ara-dalàna). Ary ny sasany tamin’ireo patriarka ireo dia zanaka vaditsindranony. Tsy marina izany? Hitanareo, tsy maintsy hitanareo ny firindran’ny Teny!
Oh, ananako pejy maro mikasika izany. Raha misy mpitondra fiangonana misalasala mikasika izay lazaiko, afaka mihaona aminy aho hiresaka momba izany. Fa raha mba manana kely fotsiny izy amin’ny ara-panahy, dia hahita fa marina izay voalazako. Tsy misy olana amin’izany!
Ny vehivavy hendry dia zavatra tsara. Haiko izany. Haiko izany, satria efa nahita maro toy izany aho. Nihaona tamina vehivavy tena mahitsy-fo aho, marina toy ny lehilahy marina rehetra izay nandia ity tany ity.
Notsoahana tamin’ny lehilahy izy, kanefa ny lehilahy no nanaraka azy tamin’ny fahalavoana. Ampahan’ny lehilahy izy. Saingy, tao aminy ny fironana amin’ny fahalotoana, sady nomena azy ny zo hanaiky na handà. Nifanipaka tamin’ny toetra voalohany tany am-piandohana izany, hitanareo, kanefa izany no zava-nisy.
Efa mitaovovonana izao, ka misy zavatra ajanoko kely aloha, fa te-hanontany zavatra aminareo aho.
Aza adinoina fa amin’ny vondronako eto ihany aho no milaza ireo zavatra ireo. Ary amin’ireo izay mihaino an-telefaona, hoy aho, amin’ireo izay manaraka ahy ihany no ilazako izao. Ho an’ireo ihany ity hafatra ity, sy izay mbola ho resahiko eto.
Ny mpanompon’Andriamanitra tsirairay no mpiandry ny ondry tandremany. Afaka manao izay tiany atao izy. Raharaha aminy sy Andriamanitra izany. Raharahanareo izany, ry rahalahiko mpitoriteny sy pretra isany.
Eto Jeffersonville ihany aho no miteny, toerana tokana izay ilazako ireny zavatra ireny, satria eto ny ondry tandremako. Ny Fanahy Masina nilaza tamiko fa ireo no ondry ambenako. Hotànany ho tompon’andraikitra amin’ireo aho.
Ary ireo oloko ireo dia avy tamin’ny faritra manodidina, niova fo teto, ireo no voataonako ho amin’i Kristy. Ary, rankizy, izaho matoa eto dia ny hanampy anareo, ary sakaizanareo aho. Mety hihevitra ianareo fa miteny ratsy anareo aho, kanefa raha milaza ireny aho, hitanareo, dia zavatra hahasoa anareo izy ireny. Tiako ianareo. Fa raha tsy izany, Andriamanitra no Mpitsara ahy. Hainareo, fa tiako ianareo.
Zavatra tena sarotra tenenina ireny. Tsy haiko ny fomba anehoana azy. Inona no hataoko, raha mahita ny lehilahy sy ny vehivavy ato amin’ny fiangonako, ny sasany amin’ireo efa indroa na intelo nanambady? Lehilahy sy vehivavy mendrika anefa, tafiditra tamina safotofoto. Inona nahatonga izany? – Ny fampianaran-diso. Tena izany. Tsy nitady izay avy amin’ny Tompo ny olona. «Koa izay nakamban'Andriamanitra dia aoka tsy hampisarahin'olona.». Tsy hoe izay nakamban’olona, fa izay nakamban’ Andriamanitra.
Rehefa nahazo fanambarana nivantana avy tamin’Andriamanitra ianao fa io no vadinao, dia ho anao izy mandra-pahatapitry ny fiainanao, hitanareo. Fa izay nakamban’olombelona kosa, na iza na iza dia afaka manasaraka azy. Fa izay nakamban’Andriamanitra, aoka tsy hisy hanandrana hanasaraka! Hoy Izy hoe: «Koa amin'izany, izay nampiraisin'Andriamanitra dia aoka tsy hampisarahin'olona.». Izany dia tsy fanambadiana nofehezin’ny olom-panjakana iray mamomamo, na olon-dratsy mpitoriteny iray, izay raha tokony haka ny Tenin’Andriamanitra, dia maka ireo fanekem-pinoana izay ahafahany manao izay tiany hatao amin’izao-tontolo-izao. Hitanareo? Ny resahako eto dia ireo izay nampiraisin’Andriamanitra.
Izao no teneniko aminareo izao. Mitandrina mafy aho amin’izay teneniko aminareo. Tsy sitrako ny ho mangidy fiteny amin’ny olonareo. Tsy sitrako ny ho sarotiny aminareo, ry rahalahy pastora isany. Tsy sitrapoko izany. Kanefa tompon’andraikitra amin’izay tsapako fa napetraka amiko aho. Tsy azoko tazonina izany, saingy tsy haiko ny mampita azy. Ary haiko fa hiparitaka ity horonampeo ity. Ry rahalahiko isany ô! Vonona aho. Misokatra ny biraoko. Satria mandroso ny fotoana. Hitanareo?
Mbola toy ny tamin’ny taranaky ny menarana ihany, tsy misy valaka. Kanefa dia voaporofo tanteraka ny fahamarinany.
Nahita tamin’ny gazety aho (na ireo amin’ny diosezy lehibe aza dia manana ny dika voalohan’ny sarin’izany) sarin’ny menarana iray izay mihanika ny tongotry ny vehivavy iray ary mihorona manodidina ny vatany. Ary io vehivavy io dia nahazo, tamin’io menarana lehibe nihorona taminy io, fahafinaretana isan-karazany izay tsy mba hisy mihitsy lehilahy afaka hanome izany azy. Tena marina izany. Efa miharatsy ny zavatra, ary mbola hiharatsy ihany. Ny menarana, raha ny endriny ankehitriny no nananany taloha dia tsy ho afaka nanao firaisana ara-nofo tamin’ny vehivavy.
Indray andro aho niadihevitra tamin’ny pastoran’ny Assemblées de Dieu iray. Hoy izy tamiko hoe: “Mikasika izany dia diso ianao“
Dia hoy aho taminy hoe: “Eny àry, mety ho diso aho. Fa tiako raha atoronao ahy izany“.
Dia niteny àry izy, niroso niresaka nikasika izany. Dieny voalohany, hainareo, dia nanomboka niteny diso izy. Anisan’izany, hoy izy hoe: “Rahalahy Branham, aiza io karazam-biby io? Andriamanitra niteny hoe “iray isaky ny karazana“, aiza àry io karazana izay lazainao fa manelanelana ny olombelona sy ny biby io, izay tsy mety hitan’ny siansa io? Aiza no misy azy? Eto amin’ny tany ve izy? Gidro ve izy?“
Tsia! Satria ny ràn’ny gidro tsy afaka hifangaro amin’ny ràn’ny vehivavy, na ny ràn’ny biby hafa rehetra. Ary toy izany koa ny tsirinain’ny lehilahy tsy hifangaro amin’ny atodin’ny vavimbiby iray. Tsy ho mety izany.
Koa aiza àry io biby io? Satria Andriamanitra niteny hoe “Ny tsirairay hanaranaka araka ny karazany“.
Niandry iray minitra aho, ary hoy ny hamoran’ny Fanahy Masina tamiko hoe: “Lazao aminy fa eto izany“. Niteny aho aloha hoe: “Oh, mety ho zavatra hafa anie izany“.
Dia hoy izy hoe: “Kanefa, rahalahy Branham, mikasika ny Teny anie no resahintsika izao, tsy izany?“
Namaly azy aho hoe: “Tena izany! Misy milaza fa ny dinozoro sy ny mamota dia karazam-biby hafa. Mety ho tahaka ireo no nisian’io biby io“.
Hoy izy hoe: “Porofo ara-tSoratra Masina no resahintsika eto, rahalahy Branham. Raha mbola hita eto ny fahotana, ny fahotana voalohany, dia tokony mbola ho hita eto izy“.
Niteny anakampo aho hoe: “Jesosy Tompo, Ianao nilaza fa aza manahy amin’izay holazainareo amin’ny olona, satria homena anareo amin’io fotoana io izany. Koa, Tompo, inona no holazaiko aminy?“ Namaly Izy hoe: “Lazao aminy fa eto izany“. Toy ny fisehon’ny fahitana eto amin’ny lampihazo no nitrangan’izany. Dia niteny àry aho hoe: “Eto izany!“, kanefa tsy haiko akory hoe aiza.
“Aiza izany?“ hoy izy, nanontany ahy.
Ary raha mbola tsy afaka nisaintsaina akory aho, dia hoy ny Tompo tamiko hoe: “Ny menarana izany“.
Izany tokoa ilay izy, satria novana izy. Voaozona nandady tamin’ny kibony nandritra ny andro sisa niainany. Eto izy ankehitriny. Tsy marina ve izany? Ary hita soritra aminy ilay zavatra nataony, mbola io asam-pahotana mihorina manodidina vehivavy io ihany no ataony, ny endriny toy ny filahian’ny lehilahy. Ka rehefa voahodidiny toy izany izy no ahazoany io fahafinaretana be lavitry ny mety efan’ny lehilahy iray omena azy io.
Ajanoko eo, satria misy vehivavy ato. Ho raisiko manokana ireo lehilahy hilazako misimisy kokoa mikasika izany. Efa nanomana gazety sy izay rehetra azoko noraisina aho, mba iresahako aminareo momba izany, izao maraina izao. Naniry handany ny tontolon’ny andro aho hiresahana izany, saingy hamarana aho. Ka izao no teniko:
Ity resaka ity dia ho an’ny fiangonako ihany, izay rahateo tsy fiangonako, fa ny vondrona kely izay mino ahy ka manaraka ahy. Ho an’izy ireo izany.
Iny andro iny, raha nanambara ireny zavatra ireny tamiko Izy ka naka ireo andalan-tSoratra Masina aho, satria ny zavatra holazaiko aminareo dia tsy maintsy Izao no lazain’ny Tompo avy, dia hoy aho tAminy hoe: “Tompo Andriamanitra, inona no azoko lazaina amin’ny fiangonana? Hahita fisarahana maro aho. Hisy lehilahy hiandry ahy ao an-tokotany hanontany hoe: “Tokony hisarahako ve io vehivavy io?“, ary ny vehivavy hanontany hoe: “Tokony hialako ve ny vadiko? Inona no tokony hataoko?“. Hoy aho tamin’ny Tompo: “Inona no azoko hatao?“
Nisy zavatra niteny tamiko hoe: “Miakara an-tendrombohitra ianao, dia hiteny aminao Aho“.
Ary, raha mbola tany an-tendrombohitra aho dia tsy nahafantatra fa, hay ny olona tany ambany, tao Tucson, dia nahatazana ny zava-nitranga. Ary na ireo mpampianatra aza dia namoaka ireo mpianatra (ny zafikiko vavikely sy ireo namany), ka niteny tamin’ireo hoe: “Jereo ambonin’iry tendrombohitra iry. Misy rahona miloko vonivony-dorehitra izay miakatra eny amin’ny rivotra dia midina, miakatra dia midina eny amin’ny rivotra.“
Rtoa Evans, ato ve ianao? ato ve ianao Ronnie? Teo amin’ny tobin-dasantsin-dry Evans aho no nijanona rehefa nody, ary raha mbola tsy niteny izay tiany holazaina tamiko ilay tovolahy teo, dia hoy rahalahy Evans tamiko hoe: “Rahalahy Branham, ianao no teny ambony, teny an-tendrombohitra ô?“
Hoy aho hoe: “Inona no tianao lazaina amin’izany, Ronnie? Tsia“. (Hitanareo, mba ahitako izay hataony izany). Maro ireo trangan-javatra izay miseho kanefa tsy tantaraina amin’ny olona ny anton’izany. Raha maro loatra ny zava-miseho, farany lasa mahazatra izany, hitanareo. Koa tsy mitantara amin’ny olona fotsiny izao aho. Nanontany azy àry aho hoe: “Inona no hitanao Ronnie?“
Hoy izy tamiko: “Afaka manoro anao ny toerana nisy anao aho. Nantsoiko i Neny ary nijoro teto izahay nijery ireo rahona izay niaka-nidina terỳ ambony terỳ. Dia hoy aho taminy: “Tsy maintsy ny rahalahy Branham izao no eny ambony eny. Andriamanitra miresaka aminy io“.
Ny tanàna manontolo nahita sy nijery izany. Andro mazava tsara tamin’izay tsy nisy rahona, afa-tsy io rahona lehibe niloko vonivony io, izay nihantona teo ambony teo, niendrika lantonoara, avy eo niakatra sady nivelatra.
Ry sakaiza malala avy (hamarana aho izao, dia afaka handeha ianareo avy eo). Tamin’io fotoana io no nambara tamiko ny zavatra holazaiko aminareo izao. Koa aza andalovanareo izany.
Fa izao: amin’ireo manaraka ahy ka manaraka ity Hafatra ity ihany aho no miteny, fa tsy amin’ireo izay ivelan’izany. Ho vavolombeloko anatrehan’Andriamanitra izany. Tsy an’ny hafa ity fa ho an’io vondrona io ihany.
Tonga tamin’io fahasimbana io isika noho ireo fandikana vilan’ny teolojia. Tsy marina ve izany? Izany no nahatonga anareo vehivavy nanambady fanindroany, ary ianareo lehilahy nanambady vehivavy efa nisaoran’ny hafa. Ny fandikana vilan’ny teolojia no nahatonga izany. Andeha hampita aminareo ny zavatra iray nolazain’ny Tompo tamiko aho izao.
Ny Andriamanitra Mpamorona antsika, rehefa nanontaniana nikasika izany, fony Izy teto amin’ny tany, Jesosy-Kristy, dia nilaza fa i Mosesy, ilay mpaminany nanafaka ireo ankizy niala tao Egypta, hankany amin’ny tany nampanantenaina, rehefa nahita azy ireo tafalatsaka tamin’izany toetra ratsy izany, dia nanome azy ny taratasy fisaoram-bady. Andriamanitra namela an’i Mosesy, io mpaminany nirahiny ho amin’ny Vahoakany io, hanome azy ireo io taratasy fisaoram-bady io.
Ary ao amin’ny 1 Korintiana toko faha-7, andininy 12 sy 15, i Paoly, ilay mpaminan’ny Testamenta Vaovao, rehefa nahita io fahasimbana io ihany tao amin’ny fiangonana, dia nilaza hoe: ‘«… dia hoy izaho, fa tsy ny Tompo…:» Tsy izany ve? Izany dia nohon’ny toe-javanisy nikasika ny fisaraham-panambadiana tamin’izany fotoana.
Tsy toy izany tany amin’ny fiandohana. Saingy nahazo alàlana i Mosesy hanao toy izany ary neken’Andriamanitra ho marina izany. Paoly ihany koa dia nahazo alàlana hanao toy izany rehefa nahita ny fiangonana tao anatin’io fahasimbana io izy.
Minoa fa marina izany, ary minoa fa avy amin’Andriamanitra izany. Ary nohon’ny Rahony nanamarinany ahy sy ny Hafatra nampitondrainy ahy hatrizao, Andriamanitra, terỳ an-tendrombohitra terỳ, tsy ho namela ahy hanao toy izany koa ve? handeferany aminareo ka hitoeranareo amin’ny toerana misy anareo izao, saingy tsy hanao fahadisoana intsony. Tohizo am-piadanana ny fiainanareo miaraka amin’ny vadinareo ankehitriny, satria efa mandroso be ny ora izao. Antomotra ny Fiverenan’ny Tompo! Tsy manam-potoana handravana ireny zavatra ireny intsony isika. Saingy, aza manandrana hamerina fahadisoana intsony. (Amin’ny fiangonako ihany aho no miresaka). Fa raha efa manambady ianareo — ary Andriamanitra, teo an-tendrombohitra, no vavolombeloko – dia azoko lazaina izany, fanambarana mahagaga, nomena noho ny fanokafana ireo Tombokase, ary satria koa fanontaniana mipetraka ao amin’ny Tenin’Andriamanitra izany: “Avelao izy ireo handeha amin’izao misy azy izao, fa aoka tsy hanota intsony!“
Tsy toy izany tany am-piandohana. Marina izany. Tsy toy izany ary tsy ho toy izany any am-parany. Fa amin’izao toe-javatra moderna izao, amin’ny maha-mpanompon’Andriamanitra ahy (Tsy hitonon-tena ho ny Mpaminaniny aho, kanefa mino aho fa raha tsy nalefa amin’izany aho, izaho kosa mametraka ny fototra ho azy io rehefa ho tonga izy), amin’izao toe-javatra moderna izao àry, mandidy anareo aho hody hiaraka amin’ny vadinareo. Raha mahatsiaro sambatra ianao aminy, aoka hiara-honina ianareo, ary tezao ao anatin’ny fahatahorana Andriamanitra ireo zanakareo. Fa raha mamerina fahadisoana ianareo, Andriamanitra anie hiantra anareo! Ampianaro tsy hanao zavatra toy ireny ny zanakareo. Beazo anatin’ny fahatahorana Andriamanitra izy ireo. Ary izao, amin’io toerana misy anareo io, amin’izao ora antomotry ny farany izao, andao isika “hiroso faingana hankao amin’ny famantarana ny antso avo ao amin’i Kristy“, ao izay azo atao ny zavatra rehetra.
Mandra-pihaonantsika indray rahariva, ny Tompo anie hitahy anareo raha mbola hivavaka isika.
Andriamanitra-Tompo, misaotra Anao izahay, midera Anao izahay. Mbola ilay Jehovah lehibe ihany Ianao, izay nandefitra tamin’i Mosesy. Inona no tsy maintsy nolazain’i Mosesy, io mpanompo lehibe io, tamin’ireo olony? – Ary, Andriamanitra ô, navelanao izy hanome taratasy fisaoram-bady.
Paoly, ilay apostoly lehibe, izay nanoratra ny Testamenta Vaovao, toa an’i Mosesy nanoratra ny Testamenta Taloha, nanoratra sy nanome ireo lalàna. Tafiditra tao ireo tenin’ny mpaminany maro, saingy i Mosesy no nanoratra ny Lalàna. Ary Ianao namela azy hanome ny taratasy fisaoram-bady noho ny hamafisampon’izy ireo.
Ilay Paoly lehibe, anisan’ireo mpanoratra ny Testamenta Vaovao, dia afaka ihany koa nanao fitenenana toy izao: “Miteny aho noho ireo zavamisy, izaho, fa tsy ny Tompo“
Toy izany ihany ankehitriny, Tompo-Andriamanitra, amin’ny fiafaran’izao-tontolo-izao. Raha mbola eto ambanin’ny fiantran’Andriamanitra izahay, mahafantatra fa tsy ho ela izahay dia hampamoahina eo Anatrehany. Ary efa be loatra ny nataonao, Tompo. Matoky aho, raha mahita ireto vahoaka, fa hihazona izany toy ny avy Aminao izy ireo. Ho vavolombelon’izany izao, dia ireto olona maro be izay tonga eto, izay nahita ilay Famantarana teo ambonin’ny tendrombohitra, nahatongavan’ireo Anjelin’ny Tompo tao anaty tadio, ireo Anjely fito, teo amin’ny nanokafana ireo zavamiafina fito. Ary mbola io Anjely io ihany no niseho, teo amin’io tendrombohitra io ihany, tamin’ny andro nanambarana izany.
Andriamanitra ô, mangataka aho, rehefa hody any aminy ireto olona ireto, mba ho feno fankasitrahana izy ireo noho izao fiantrana nomen’Andriamanitra azy ireo izao. Tompo, tsy niteny afa-tsy izay navelanao hoteneniko aho. Ataovy feno fankasitrahana loatra ireto olona ireto hany ka tsy ho sahy intsony hamerina ny fahotany indray. Aoka izy ireo tsy hanandrana hanota intsony, fa hitia Anao amin’ny fony rehetra.
Tompo, ataovy sambatra ireo fianakavina ireo, ary hitaiza ireo zanak’izy ireo amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra. Satria ny hafatra tao am-poko dia efa nampitaiko, Tompo. Nataoko izay efako, araka izay fantatro. Ary Satana nanafika ahy nandritra ny herinandro maromaro sy ora maro, tsy afaka nahazoako torimaso. Kanefa izao, mandidy ity vahoaka ity aho handinika io hafatra io, ary hihaina ho Anao. Efao izany, Tompo ô. Tsy eo an-tsoroko intsony izany izao. Fa eo an-Tànanao izy ireo ankehitriny. Mangataka Anao aho hitahy azy ireo.
Tahio, Tompo, ireto mosoara izay vao napetraka eto ho an’ireo marary sy ory. Aoka ity hariva ity ho anisan’ireo be voninahitra sy feno hery indrindra, ka ho sitrana ny marary rehetra. Omeo izany, Tompo. Tahio izahay rehetra, Tompo. Aoka izahay handeha am-piadanana, ho faly sy ravo, satria ny Andriamanitry ny famoronana nanoro anay “izay tany am-piandohana“, ary nanitatra ny Fahasoavana taminay indray, ao amin’ny haratsiana misy anay, amin’izao andro farany izao. Andriamanitra lehibe sy mandrakizay ô, akory loatra ny fisaoranay Anao noho izany! Ary aoka ho faly tokoa ny fonay ka tsy hanana faniriana hanota Aminao indray izahay. Amin’ny Anaran’i Jesosy. Amena.
Tiako Izy (ahoana no tsy itiavanao Azy?)
Tiako Izy, satria nitia ahy mialoha
Ka maty Izy ho famonjena ahy
Teo amin’ny hazo, tao Kalvary
Mba hazava tsara amin’ireo mpanompon’Andriamanitra, dia milaza ity aho: ho an’ireo izay manaraka ity Hafatra ity ihany izany.
Oh, sambatra ve ianareo? Ny marina no nambarako taminareo, ny Izao lazain’ny Tompo hatra amin’ny voalohany ka hatramin’ny farany. Hitsangana isika, hanandratra ireo tànatsika, ary mbola hihira indray io fihirana io
Tiako Izy
(noho nyFahasoavany)
Tiako Izy,
(noho ny Teniny, ary ny Teny tonga amin’ny mpaminany)
Tiako Izy…
Avia ianao rahalahy [Miantso rahalahy iray hamarana ny fivoriana ny rahalahy Branham – Ed.]